(navigation image)
Home American Libraries | Canadian Libraries | Universal Library | Community Texts | Project Gutenberg | Children's Library | Biodiversity Heritage Library | Additional Collections
Search: Advanced Search
Anonymous User (login or join us)
Upload
See other formats

Full text of "Ny Diksionary amin ny Baiboly"

A propos de ce livre 

Ceci est une copie numerique d'un ouvrage conserve depuis des generations dans les rayonnages d'une bibliotheque avant d'etre numerise avec 
precaution par Google dans le cadre d'un projet visant a permettre aux internautes de decouvrir 1' ensemble du patrimoine litteraire mondial en 
ligne. 

Ce livre etant relativement ancien, il n'est plus protege par la loi sur les droits d'auteur et appartient a present au domaine public. L' expression 
"appartenir au domaine public" signifie que le livre en question n' a jamais ete soumis aux droits d'auteur ou que ses droits legaux sont arrives a 
expiration. Les conditions requises pour qu'un livre tombe dans le domaine public peuvent varier d'un pays a 1' autre. Les livres libres de droit sont 
autant de liens avec le passe. lis sont les temoins de la richesse de notre histoire, de notre patrimoine culturel et de la connaissance humaine et sont 
trop souvent difficilement accessibles au public. 

Les notes de bas de page et autres annotations en marge du texte presentes dans le volume original sont reprises dans ce fichier, comme un souvenir 
du long chemin parcouru par 1' ouvrage depuis la maison d' edition en passant par la bibliotheque pour finalement se retrouver entre vos mains. 

Consignes d 'utilisation 

Google est fier de travailler en partenariat avec des bibliotheques a la numerisation des ouvrages appartenant au domaine public et de les rendre 
ainsi accessibles a tous. Ces livres sont en effet la propriete de tous et de toutes et nous sommes tout simplement les gardiens de ce patrimoine. 
II s'agit toutefois d'un projet couteux. Par consequent et en vue de poursuivre la diffusion de ces ressources inepuisables, nous avons pris les 
dispositions necessaires afin de prevenir les eventuels abus auxquels pourraient se livrer des sites marchands tiers, notamment en instaurant des 
contraintes techniques relatives aux requetes automatisees. 

Nous vous demandons egalement de: 

+ Ne pas utiliser les fichier s a des fins commerciales Nous avons concu le programme Google Recherche de Livres a l'usage des particuliers. 
Nous vous demandons done d' utiliser uniquement ces fichiers a des fins personnelles. lis ne sauraient en effet etre employes dans un 
quelconque but commercial. 

+ Ne pas proceder a des requetes automatisees N' envoy ez aucune requete automatisee quelle qu'elle soit au systeme Google. Si vous effectuez 
des recherches concernant les logiciels de traduction, la reconnaissance optique de caracteres ou tout autre domaine necessitant de disposer 
d'importantes quantites de texte, n'hesitez pas a nous contacter. Nous encourageons pour la realisation de ce type de travaux l'utilisation des 
ouvrages et documents appartenant au domaine public et serions heureux de vous etre utile. 

+ Nepas supprimer V attribution Le filigrane Google contenu dans chaque fichier est indispensable pour informer les internautes de notre projet 
et leur permettre d'acceder a davantage de documents par 1' intermediate du Programme Google Recherche de Livres. Ne le supprimez en 
aucun cas. 

+ Rester dans la legalite Quelle que soit l'utilisation que vous comptez faire des fichiers, n'oubliez pas qu'il est de votre responsabilite de 
veiller a respecter la loi. Si un ouvrage appartient au domaine public americain, n'en deduisez pas pour autant qu'il en va de meme dans 
les autres pays. La duree legale des droits d'auteur d'un livre varie d'un pays a l'autre. Nous ne sommes done pas en mesure de repertorier 
les ouvrages dont l'utilisation est autorisee et ceux dont elle ne Test pas. Ne croyez pas que le simple fait d'afficher un livre sur Google 
Recherche de Livres signifie que celui-ci peut etre utilise de quelque facon que ce soit dans le monde entier. La condamnation a laquelle vous 
vous exposeriez en cas de violation des droits d'auteur peut etre severe. 

A propos du service Google Recherche de Livres 

En favorisant la recherche et l'acces a un nombre croissant de livres disponibles dans de nombreuses langues, dont le franoais, Google souhaite 
contribuer a promouvoir la diversite culturelle grace a Google Recherche de Livres. En effet, le Programme Google Recherche de Livres permet 
aux internautes de decouvrir le patrimoine litteraire mondial, tout en aidant les auteurs et les editeurs a elargir leur public. Vous pouvez effectuer 



des recherches en ligne dans le texte integral de cet ouvrage a l'adresse |http : //books .qooqle . com 



Digitized by 



Google 



Digitized by 



Google 



Digitized by 



Google 



Digitized by 



Google 



Digitized by 



Google 



Digitized by VjOOQ IC 



NY 



DIKSIONARY 



AMIN* NY 



BAIBOLY: 



NATAOHO FANAZAVANA NY ZAVATRA MARO VOALAZA 

AO AMIN* NY - 

SORATRA MASINA, '" 



NATONTA FANINDKOANY, 8ADY NAHITSY NO NAMPIANA 

8AHY MARO. 



<*•*>»- 



NALAHATR' I 
Rev. JAMES SIBREE, 

Mhionary amin' ny L.M.S., 
Editora. 



ANTANANARIVO : 
NY LONDON MISSIONARY SOCIETY 

1899. 






Digitized by 



Google 



kp^'1 



•MWTOrttNttkiMj^H 



liiA 



toriii • ••*'->- 






Digitized by 



Google 



111. 



HTAMHAN-TEUT AMIF MY EDITIONA FAHAROA. 

npENY fohifohy ihany no tokony holazaina ny amin' ity Editiona faharoan' ny 
JL Dxebkhtaby akin' NT Baiboly ity. Hatramin' ny ela no efa lany ilay natao tany 
aloha, ka tsy nisy ho azo vidina intsony ; nefa mbola tadiavin' ny olona maro izy. 
Dia efa natao porintra indray izy, ary dia vita sy avoaka ankehitriny ho an' ny olona 
rehetra izay mazoto ta-handinika ny Baiboly sy mitady fanazavana ny amin' ny 
zaratrtf maro yoalaza ao anatiny. Tsy dia novana loatra ny ankabeazan' ny teny amin* 
ity boky ity , nefa izy rehetra efa voadinika sy voahitsy tsava, ary matetika misy 
teny fohifohy nanampy hahatanteraka azy, araka izay fantatry ny olon-kendry 
amin' ixao andro izao, na izay efa nandehandeha handinika ny tany samy hafa 
yoalaza ao amin' ny Baiboly, na izay efa nanoratra sy nahita hevitra vaovao 
ny amin' ny zavatra hafa maro koa izay momba ny Soratra Masina. 

Izao zavatra roa loha izao koa no manavaka sy mahatsara ity Editiona f aha roan* 
ny Dxzsiokaby axes' ky Baiboly ity amin' ny voalohaoy, izay navoaka tamin' 
ny taona 1888 :— 

(1) Maro ny sary izay efa nanampy ho fanazayana azy. 

(2) Ny anaran' ny tany sy ny tanana ary ny olona, etc., dia nampitovina amin' izay 
hita ao amin' ny Baiboly Voahitsy (1889), ary tahaka izany koa no efa natao amin 1 
ny teny rehetra izay nalaina tamin' ny Baiboly. 

Betaaka ny andro efa lany tamin' ny nanaovana ity Editiona f aharoa ity, ary tsy 
kely ny hamsarako sy ny fikelezako aina hahatanteraka azy, dia araka izay hitanareo 
anxefaitriny. Nefa raharaha efa nataoko tamim-pifaliana izany rehetra izany, aatria 
nataoko fa anjara asa nomen' Andriamanitra hoyitaiko. Koa raha mba manampy 
anareo mpiton-teny sy mpitandrina ary eyanjelista hahalala tsara kokoa ny hevitry 
ny Soratra Masina, izay ampianarinareo, ity boky ity, dia ataoko fa valim-pitia 
lehibe ho ahy izany, saciy hisaorako an' Andriamanitra. 

Hampian' Andriamanitra fitahiana anie ity boky ity ho fampandrosoana ny voni- 
nahiny sy ny fanjakany &tf Madagaskara ! 

Jambs Rn«MnE t 
Miaionary amin 1 ny L. M, S. t 
Editora. 
"U Tour Rouge," 
Faravohitra, 

Antananarivo, 

24 Avril, 1899. 



Digitized by 



Google 



IV. 



FITARIHAN-TENY TAMUT NT EDITIONA VOALOHANY. 

(1888.) 



■g^WPO" 



ELA ihany no nanaovana ity boky ity, fa tamin' ny Aprily tamin' ny taona 1875 no 
nanomboka nanao azy izahay ; kanefa tsy mba nampoizinay akory tamin' 
izany fa hahalany telo ambin' ny folo taona vao vita, fa nataonay fa rehefa afaka 
efa-taona na dimy taona dia tokony ho vita izy. 

Tamin' ny niandohany dia nisy misionary telo lahy voatendry ho editora, dia Rev. 
T. T. Matthews sy Rev. P. G. Peake ary izaho ; ary niasa fatratra tokoa ny namako 
nandahatra ny raharaha sy ny anaran' ny teny samy hafa, araka ny filaharany amin' ny 
abidy, dia hatramin' ny A ka hatramin' ny Z, sady nanoratra teny maromaro koa izy 
roa lahy. Kanefa rehefa afaka kely dia hitanay fa sarotra ho anay telo lahy ny miara- 
manao ny raharahan' ny editora, satria mifanalavitra ny tany nipetrahanay tamin' 
izany, fa Mr. Matthews dia tany Fihaonana, Mr. Peake tany Isoavina, ary izaho tany 
Ambohimanga. Koa tato aoriana dia navela ho ahy irery ihany ny raharahan' ny 
editora ; ary ny Fizarana Voalohany (aba-kks) dia navoaka tamin' ny niantombohan' ny 
taona 1877 ; ary talohan' ny nialakotaty Madagaskara (Sep. 1877), dia navoaka koa 
ny Fizarana Faharoa (Ela-ooz). Ary nony efa lasa aho, dia nijanona kely aloha 
ny raharaha. Kanefa rehefa afaka kely indray, dia Rev. J. Richardson no nanaiky 
ho editora, ary betsaka ihany ny taratasy nangoniny avy tamin' ny misionary maro ; 
nefa tsy dia be loatra no vita porintra tamin' iz&y, fa avy izay nodiany koa ho any 
Englanda tamin' ny taona 1879. Ary tsy ola taorian* ny niverenany taty indray, 
dia niseho ny tabataban' ny fanjakana, ka dia mbola najanona ihany ny nanaovana 
porintra ny Diksionart. Dia tahaka izany ny toetrany tamin' ny niJEkarako taty 
indray tamin' ny taona 1883. 

Dia natolotr' i Mr. Richardson tamiko ny taratasy maro efa azony, ka nanomboka 
nampanao porintra azy aho ; ary hatramin' izany ka mandraka ankehitriny efa nan- 
drosoroso ihany nv nanaovana ny Diksionaet, kanefa niadana noho izay narapoi- 
ziko, fa be raharaha hafa koa aho, indrindra fa ny fampianarana atjr amin' ny Kolejy, 
mbamin' ny fitandremana ny fiangonana, etc. Ny Fizarana Fahatelo dia navoaka 
tamin' ny taona 1886, sy ny Fizarana Fahefatra tamin' ny taona itsy ; ary ankehi- 
triny, noho ny fitahian' Andriamanitra, dia tapitra izy, ary avoaka izao ny Diksio- 
naet amp*' ny Baibolt, hatramin' ny hoe Aba, teny voalohany, ka hatramin' ny 
hoe Zozobo, teny farany. Ary faly tokoa aho fa nomen' Andriamanitra hery haha- 
vita azy, ary iriko indrindra fa ho boky hahasoa sy hanampy tokoa ny mpitori-teny sy 
ny evanjelista ary ny mpitandrina, mbamin' izay rehetra maniry ta-hahalala ny 
hevitry ny Soratra Masina izy. 

Raharaha tsy vitan' ny irery anefa ity boky ity, fa maro ny misionary, na lahy 
na vavy, na isan' nyL. M. S., na ny "Friends," no efa niara-niasa hahavita azy; 
ary vitsy foana ny misionary izay tsv nanana an jar a raharaha tamin' ny nanoratana 
ny boky. Ny anaran' izy rehetra dia voalaza eo amin' ny pejy faha-vi. ; kanefa tsy 
maintsy holazaina kely eto koa ny anaran' ny sasany izay efa nahavita be. 

Ny isan' ny artikoly (teny milaza zavatra na olona anankiray) nosoratan' itompoko- 
lahy Rev. J. Wills dia zato latsaka kely, ary izy no nanoratra ny ankabeazan' ny 
ai tikoly milaza ny amin' ny Mpanjakan' ny Joda sy Isiraeiy sy ny Patriarka roa ambin' 



ny folo lahy, ary teny maro milaza ny Bokin' ny Testamenta Taloha. Rev. W. Montgo- 
mery nanoratra ny amin' ny Mpaminany sy ny Bokin' ny Mpaminany, sy ny amin' ny 
Fiangonana tany Asia, ary ny Sampy maro, eto. Mr. H. E. Clark nanoratra ny amin' 
ny Patriarka sy ny Apostoly roa ambin' ny folo lahy, sady nanoratra ilay teny 
lava ny amin' i Mosesy sy Paoly Apostoly, etc. Mr. T. Lord nanoratra ny amin' 
ny Tany Masina sy Jerosalema sy Jordana ary teny hafa koa milaza ny Geografin' ny 
Baiboly. Betsaka ny teny milaza geografy koa nosoratan' i Mr. Riohardson, sy Rev. 
R. Baron, F. L. S., nanoratra teny maromaro milaza ny Zava-maniry ary ny Zava- 
roanan-aina ; ary Miss Dawson (Mrs. Mellor) koa nanoratra ny teny sasany ny amin' 
ny Zava-manan-aina. Ilay teny lava sy tanteraka ny amin' ny tantaran' l Jesosy 
Kristy no nosoratan' i Mr. S. Glomes, mbamin' ny teny sasany koa ; ary Miss Gilpin 



Digitized by 



Google 



T. 



nanoratra ny amin' ny Tabernakely sy ny fanaka tao aminy. Mrs. Montgomery 
nanoratra teny maromaro ny amin* ny Vehivavy voalazan' ny Baiboly ; ary maro 
ihany ny teny nosoratan' i Mrs. Rowlands, Bey. J. Peill, Rev. E. H. Stribling, Rot. 
T. Rowlands, Rev. C. Jnkes, Rev. T. T. Matthews, Rev. P. G. Peake, Mr. H. F. 
Standing, Rev. C. F. Moss, Mr. L. Street, ary Rev. W. E. Cousins. Rev. J. Pearse 
sy Rev. B. Briggs efa nanoratra ny amin' nv Sakramenta sy ny Fiangonana ; ny teny 
ny amin* ny Kanona, Manoskripta, Versiona, etc., dia nalaina tamin' ny boky 
nosoratan' i Rev. G. Cousins ; ary maro ny teny milaza ny amin' ny Tao-zavatra 
no nosoratan' i Mr. Frank Rasoamanana. Tsy azoko lazaina oto tsirairay ny 
anaran' izay rehetra efa nanoratra teny amin' ity Dissionabt ity, nefa hita ao 
amin' ny pejy faha-vi. ny anarany avy, ka dia misaotra azy rehetra aho. Ny isan' 
ny artikoly rehetra amin' ity boky ity dia 1911, ary amin' ireo ny 1109, na mihoatra 
noho ny antsasany, dia nosoratako ; ka dia ho hita amin' izany fa fanampin' ny 
raharahan' ny Editora — dia ny mitady ny artikoly samy hafa aloha, ny mandahatra 
azy (indraindray ny manafohy sy manamboatra azy koa), ary ny mandinika sy 
ny manitsy ny profo rehetra— dia lehibebe ihany ny anjarako tamin' ny nanaovana 
ity bokv ity ; ary betsaka tokoa ny andro lany tamin' ny nahavitana azy. Kanefa tsy 
ataoko fa lany foana izany andro sy herim-po ary fahasasarana izany tsy akory, raha 
mba boky tokony hanampy ny Kristiana &tf izy, indrindra fa ny mpitori-teny, ha- 
halalany mazava kokoa ny hevitry ny Tenin' Andriamanitra. 

Ary tsy maintsy misaotra ny sakaizako roa lahy, mpampianatra namako aty amin' 
ny Eolejy, aho, dia Radaniela sy Andriambalo, izay efa nanampy ahy hatramin' ny 
ny teny hoe Hasina ka hatramin* ny faran' ny boky tamin' ny fandinihana sy ny 
fanitsiana ny profo rehetra. Ny pejy rehetra hatramin' ny faha-313 ka hatramin' 
ny f aha- 908 (farany) efa samy nodinihiny tsirairay ; ary tsy azo isaina mihitsy ny 
teny efa nibamazava kokoa sy tonga tena teny Malagasy noho ny nikelezan' izy roa 
lahy aina m andinika azy. 

Tsy mba tapitra voalaza ao amin' ity Dixsionaby ity ny anaran' ny olona sy ny 
anaran-tanana rehetra rehetra hita ao amin' ny Baiboly, fa raha izany no natao, dia 
nahatonga azy ho boky lehibe sy saro-bidy loatra. Fa maro ihany ny anaran' olona 
hita ao amin' ny teny firazanana sy ny anaran-tanana voalaza ao amin' ny Bokm' i 
Josoa sy ny boky tantara, izay tsy malaza akory, ary voalaza indray mandeha ihany, 
sady tsy f antatra izay niorenan' ny tanana maromaro. Kanefa tsy misy anaran' olona, 
na anaran-tanana, na anaran- tany izay mikasika ny tantara ao amin' ny Baiboly, sady 
misy fantatra fa azo tantaraina ny aminy, izay tsy voalaza ao amin' ity boky ity. 

Ny ankabeazan' ity boky ity dia teny vaovao sady voasoratra ho azy indrindra ; 
kanefa ny teny sasany efa nalaina tamin' ny boky izay efa vita porintra rahateo : 
dia Ny Baiboly sy ny Nahazoantsika azy (Rev. G. Cousins), sy ny Filazana ny 
Boky rehetra ao amin' ny Baiboly (Rev. J. Wills sy Rev. J. Sibree, Editora), ary Ny 
Raharaha sy Tao-zavatra voalaza ao amin' ny Soratra Masina (Mr. Frank Rasoamanana), 



ity Dubionaet ity, fa izay nanampy ahy indrindra dia ny Cyeloposdia of Biblical Lite- 
rature (Dr. Kitto ay Rev. Dr. W. £. Alexander, Editora) sy A Concise Dictionary of 
the Bible (Dr. W. Smith, Editora). 

Ary ankehitriny dia mangataka amin' Andriamanitra aho mba hotahiny indrindra 
ity boky ity hampandroso ny fahalalana ny Teniny eto Madagaskara. 

Ry Andriamanitra 6 ! Rain' ny fanazavana, Izay ihavian' ny f anomezana soa sy 
tanteraka rehetra, Izay efa nanome ny Soratra Masina ho fanilon' ny tongotra sy fana- 
zavana ny lalan-kalehan' ny olonao, ampio ny fitahianao ity boky ity. Aoka ho fa- 
nampiana ny maro izay hamaky azy izy, hahitany mazava kokoa ny zava-mahagaga 
avy amin' ny lalanao, hitoriany ny teninao sy hampianarany ny olonao. Koa amin' 
izany aoka ho entinao hampandroso ny fanjakanao amin' ity tany ity izy hahalalan' 
ny maro "ny Soratra Masina izay mampahahendry azy ho amin' ny famonjena izay ao 
amin' i Kristy Jesosy." Amena. 

J.S. 
L. U, 8. College, Antananarivo, 
26 Martsa, 1888. 



Digitized by 



Google 



VI. 



NT AHaRAft' BY OLONA IZAT NANOEATBA TEN! AO AMDT ITY DIXSIONARY HI. 



Litera toton' ny 


Anarany raha voatoratra 


tanteraka, sy ny raharahany, 


$te. 


ioniany avy. 












B.B. 


Rev. B. Briggs, 


Mieionary amin' ny 


L.M.S 




R.B. 


Rev. R. Baron, F.L.S., 


do. 


i »» 


do. 




C.C. 


Rev. C. Collins, 


do. 


i >» 


do. 




B.O. 


Miss E. Craven, 


do. 


» i* 


do. 




G.C. 


Rev. G. Cousins, 


do. 


» It 


do. 


(tany aloha 4 ) 


H.E.C. 


Mr. H. E. Clark, 


do. 


1 l» 


F.F.M.A. " 


8.C. 


Mr. 8. Clemes, 


do. 


>l »1 


do. 


(tany aloha) 


W.E.C. 


Rev. W. E. Cousins, 


do. 


II t* 


L.M.S. 


I.D. 


Miss I. Dawson (Mrs. 


Mellor), L.M.S. 






F. 


Mr. Frank Rasoamanana, F.F.M.A. 








H.G. 


Miss H. Gilpin, 
Rev. A. S. Huokett, 


Miaioaary amin* ny F.F.M. A. (tany aloha) 


A.S.H. 


do. 


i i» 


L.M.S. 


O.J. 


Rev. C. Jukes, 


do. 


f it 


do. 




H.T.J. 


Rev. H. T. Johnson, 


do. 




do. 




T. L. 


Mr. T. Lord, 


do. 


i »> 


do. 




O.F.M. 


Rev. C. F. Moss, 


do. 


> »» 


do. 


(maty) 


D.M. 


Mrs. Montgomery, 


do. 


» II 


do. 


(tany aloha) 


T.T.M. 


Rev. T. T. Matthews, 


do. , 




do. 




W.M. 


Rev. W. Montgomery, 


do. », '» 


do. 


(tany aloha) 


A.P.P. 


Mrs. Peill, 


do. ,, t , 


do. 




J.PI. 


Rev. J. Peill, 


do. 


j ft 


do. 




J.Pse. 


Rev. J. Pearse, 


do. 


t tt 


do. 




P.G.P. 


Rev. P. G. Peake, 


do. 


t tt 


do. 




J.R. 


Rev. J. Richardson, F.R.G.S.do. 




do. 




L.R. 


Mrs. Rowlands, 


do. , 


1 »» 


do. 




T.R.t 


Rev. T. Rogers, 


do. „ „ 


do. 


(tany aloha) 


T.K.t 
D.H.S. 


Rev. T. Rowlands, 


do. „ „ 


do. 




Mrs. Sibree, 


do. 


> tt 


do. 




E.H.8. 


Rev. E. H. Stribling, 


do. 


1 II 


do. 




G.A.8. 


Rev. G. A. Shaw, F.Z.S., do. 


* ft 


do. 


(tany aloha) 


J. 8. 


Rev. J. Sibree, F.R.G.8., do. 




do. 




L.S. 


Mr. L. Street, 


do. 


\ " F.F.M. A. (maty) 


J.O.T. 


Mr. J. C. Thome, 


do. 


i »f 


L.M.S 




J.T. 


Rev. J. Taylor, 


do. 


it 


do. 


|tany aloha) 


R.T. 


Rev. R. Toy, 
Rev.J. Wffls, 


do. 


ft 


do. 


maty) 


J.W. 


do. 


»> 


do. 


(do.) 



* Ankehitriny iiy dia Sekretarin' ny L.M.S. any Londona. 
t Talohan' ny pejy f aha-288. 
t Taorian* ny pejy faha-289. 



Digitized by VjOOQ IC 



Yll. 



8AEY. 



AXAXJO FIABOVAN-TENA SY TRATKA 227 

Akoila na Eagle 798 

Alitarafandoroana ditin-kazo ma- 

nitra 22, 725 

Alitara varahina 20,21 

Amboadia na Lopa 468 

Amboahaolo na Foksa. 24 

Ampinga »... 225,227 

Antaamotady 227 

Ararata Tendrombohitra 46 

Aro-ioha 227,235 

Aaa-tany 50 

Asyriana, sora-tanana fanaon' ny 60 

do. aarin' ny mpanjakan' ny 60 

Athor, sampin' ny Egyptiana 144 

BSHKKOTA NA HlPOPOTAMOBT . . 809 

Bera. 87 

Betesda,Farihy.. 90 

Betlehema, Vavahadin' i 90 

Biriky, Fanaovan' nyEgytlana 

azy 93 

Biterna 94 

Boky sy Fanoratana 708 

Bonki-dia 95 

Diana, Tbhpolxnt tao Efesost 118 

Diera-lahy 112 

Elefanta 152 

Egypta, Tempolin - tsampy 
any. 137, 142, 578 

FaHAFTNABBTANA AMIS 1 NT FIAI- 
NANA HO AVT NAMPOIZIN' NT 

Eqtptiana 145 

Fahirano nataon' ny Asyriana 178 

Fanaovan- jiro volamena 724 

Fanasana sy f omba fipetrahana 

eny amin* ny Latabatra 808 

Fanasan' ny Tompo 198 

Fanindronan-omby • 213 

Fantaakana 87 

Farao mpanjakan' iEgyta.... 219 
Farao Sisaka, mpanjakan* i Egy- 
pta 702 

Farao Tiraka, mpanjakan 9 i 

Egypta 758 

Fiadiana amam-piarovana . . . . 227 

Fiaran' ny Fanekena 234 

Fikoaohaxn-bary (Millna) .... 776 

Filadelfia 237 

Filalaovana, Hazakazaka .... 238 

Fitaflain-behivavy .......... 257 

Fitafian-dehilahy , 255, 256 



Fivavahana (Toetry ny Tena) { 260 » ^ \ 

Fylaktery 266 

GantA (Miaramila) 226,226 

Hbba (Lepora) 306 

Hetra, Fitondrana azy any Egy- 
pta 310 

Hebrona sy Makpela 809 

Hipopotamosy 809 

Horonan-taratasin' ny Lalana 709 

Hyeena 799 

Hyraka 316 

Itoey 828 

Jebosalbma 360, 361, 362, 363, 366 

JobUy, Mitsoka trompetra 

tamin' ny 810 

Kapa , 427 

Karnaka, Tempolin-tsampy any 678 

Kase 761 

Katapolta, na fandefaaana le- 

f ona lehibe . . . . . 178 

Kefrena, mpanjakan' i Egypta 220 

Kipantsona 798 

Kiraro (ny manala) .......... 261 

Lalambe ant Jebosalema .... 862 

Lalana,Ny 708,709 

Latabatry ny Mofo-aseho .... 726 

Lavaka f antsakan-drano 87 

Lay, fanaon' ny Arabo 458 

Leibna 227 

Leopards 460 

Lepora (Hera) 305 

Leviatana (Mamba) • 478 

Libanona Tendrombohitra .... 563 

Liona 467 

Liona manan-elatra (Ninive) . . 674 

Lokanga 772 

Lopo (Amboadia) 468 

Mandan' i Jebosalema ........ 363 

Mamba (Leviatana) 478 

ManoskriptaGrika ... 482, 483, 484, 486 

Menefta, mpanjakan' i Egypta 220 

Mesa, Vato nataony 608 

Miaramila Grika 225,226 

Minerva sampy, Tempoliny . . 287 

Mofo-aseho sy ny Latabany . . 726 

Mofo, fanaovana azy 617 

Mpanjaka 'mpiandry ondry'tao 

amin' ny Egyptiana 147 

Mpisorona , 710 



Digitized by 



Google 



▼111. 



Mpisorona-be.... 712,713 

Mummy, na fatin' olona voa- 

hosotra mba tsy ho lo 144 

Nbko, mpanjakan' i Egypta . . 668 
Ninive, sary vato hita any 673, 674, 675 
J 687, 676 
Ny Moska naorina eo ambonin' 

ny lavaka Makpela any Hebrona 809 
Ny Mpisorona mitsoka trompetra 

tamin' ny Jobily 810 

Obbijsxa any Ona (Egypta) .. 688 

Ondry 689 

Oram-panala any Libanona . . 463 

Osirisa sampy, trano fitsarany 141 

Ostritea 694 

Osyalefa.. 207 

Palma.... 696 

Papango ..... ... 606 

Petikana (Sama) 676 

Peratra, fanombohan-kase .... 761 

Petra, renivobitr' i Edoma .... 128 

Pyramida any Egypta ........ 148 

Ra, sampin' ny Egyptiana .... 143 

Rabitro 306 

Rajako 809 

Rameva 648 

Roma 669 



Sabatra.. 227 

Tandroka hainffon-doha 782 

Tavin-drano lehibe 743 

Tempoly, Sarintanin' ny 746 

Thoth, sampin' ny Egyptiana . 143 

Tiberiasy 764 

Trano fitehirizam-bary tao 

amin' ny Egyptiana 811 

Tranom-bahiny 767 

Trompetra, etc 768 

Valiha 772,773 

Vano(Storka) 773 

Varim-bazaha fito salohy . . . 774 
Vato avy tany Rosetta any Egypta 1 40 
Vato natsangan' i Mesa, mpan- 

jakan' i Moaba 608 

Vayahady nataon' i Titosy tany 
Roma ho fahatsiarovana ny 

nandreseny ny Jiosy , 812 

Voahangy na Koraly 778 

Voaloboka 783 

Vola 787, 788, 789 

Voltora 792 

Voromahery 798 

Vorombola 798 

Zava-kanbno 798 

Zeboa (Hya3na) 799 

Zioga 803 



Digitized by 



Google 



DIKSIONARY AMIN' NY BAIBOLY: 

NATAO HO FANAZAVANA NY ZAVATRA MARO VOA- 
LAZA AO AMIN' NY SORATRA MASINA. 



AB 

• 

AB- 87 ABA : tony Hebreo saiky mitovy 
amin' ny teny Betsileo hoe Iaba, fa ray 
no dikany, raha atao teny Malagasy. Ab— 
dia fanao matetika tamin ny anaran' olona ; 
toy izao: yf6rama=Ray avo; Graham a= 
Rain' ny maro (Gen. xvii. 5) ; ^/iimeleka= 
Rain* ny mpanjaka (Gen. xx. 2) ; -4£aaloma= 
Rain' ny fiadanana (2 Sam. xv. 1) ; etc. etc. 

— W.B.C. 

ABA : teny Axamaika na Syriaka io teny 
io, ary intelo no yoalaza amin' ny Test. 
YaovaofMar. xiv. 36; Rom. viii. 15; GaL 
it. 6). Fa ny heviny dia mitovy amin' ny 
hoe aba amin' nj teny Malagasy hi any, dia 
ray, dia ilay teny manaraka azy eo amin' 
ireo andininy telo voalaza teo ireo ("Aba, 
Ray"). Ny teny iray— Aba — dia teny Ara- 
ma&a, izay fitenin' ny Jiosy taorian' ny 
nodiany ary tany Babylona ; ary ny iray— 
Ray— dia dik&n' ny teny Grika sahala hevi- 
tra aminy, ka dia natao fanampiny. Tay 
hita ioatra izay niandohan' izany fanakam- 
banana ny anarana roa izany, fa angaroba 
fanaon' ny Jiosy izay nahay teny Grika ny 
manonona ny anarana roa toy izany. Ny 
Tompontsika nanonona azy roa, ary dia 
nalaky tonga fanaon' ny Kristiana koa izany, 
ho fahataiarovana an' 1 Jesosy, Izay nampia- 
natra antaika hiantao an' Andriamanitra ho 
Raintaika (Mat. vi. 9) Teo aoriana indray, 
ny hoe "Aba, Ray, dia tonga fitenin' ny 
mino raha uivavaka mafy izy ka nitady 
fatratra ny fitahiam -panahy. — j.s. 

ABADOHA : zahao apoliona. 

ABANA : isan' ny ony any Damaskosy, 
izaynataon' i Namana bokn ho (< taara noho 
ny ranon' ny Iairaeiy rehetra," raha naaain' 
i Kliaa handro amin' ny ony Jordana izy 
(iMpan. v. 12). Ny anarana ahafantaran' 
ny tompon-tany azy izao dia Barada.- j.b. 

ABA RIM A (ny Tany an-dafy, raha adika) : 
anaran-tendrombohitra maro mitohitohy sy 
ioiihatratra lavitra ao atainanan' ny Rano- 
mtt^na Maty sy Jordana atsimo. Ralia 
diuiUina tsara ny teny milaza azy eo amin' 



ABA 

nv Deo. xxxii. 49 sy xxxiv. 1, Nebo, izay 
niakaran' i Mosesy hitazana ny Tany Maaina 
talohan' ny nahafateaany, dia anankiray amy 
ny tendrombohitra maro natao hoe Abarima, 
ary Pisga no tendrony avo indrindra any 
Nebo.— J.3. 

ABSOKA: dia anaran' olona efa-dahy 
voalazan' ny Test. Tal. Tsy nisy nalaza 
tamin' ireo anefa afa-tsy ny voalohany hiany, 
izay isan' ny Mpitsara. 2inak' i Hitela avy 
tamin' ny firenen' i Efraima izy ; nandimby 
an' i Elona izy ary nitsara ny Iairaeiy valo 
taona. Toa niadana ny tany tamin' ny nana- 
pahany azy, ary maty izy tokony ho tamin' 
ny taona b.c. 1112 (Mpit. xii. 13-15). Ny 
amin' ireo Abdona telo hafa koa, zahao 
1 Tant. viii. 23, 30 sv 2 Tant. xxxiv. 20. 
Nisy tanana koa natao noe Abdona tao amin' 
ny zara-tanin' i Asera (Jos. xxi. 30).— j.s. 

ABEDNEOO (Mpanompon' \Nego % na Nebo) : 
anarana Kaldeana nomena an' iAzaria, 
anankiray tamin' izy telo lahy sakaizan' 
iDaniela (Dan. i. 6, 7). Izy sy ny namany 
dia Jiosy sady zanak' andriana, ary n en tin a 
tany Babylona izy raha mbola zaza ; ary 
dia nofidin' i Nebokadnezara mpanjaka ho 
isan' ny lehiben' ny fttnjakan' 1 Babylona. 
Fa teo aoriana izany, Abednego mbaminy 
Sadraka sy Mesaka sakaizany tsy nety 
nivavaka tamin' ny sariolona volamena nataar 
ngan' i Nebokadnezara teo amin' ny tany 
lemaka Dora, dia natsipy tamin' ny lafaoro 
misy afo mirehitra izy telo lahy. Fa Andria- 
manitra namonjy azy tamin' izany, ka tsy 
naninona azy akory ny afo, satna natoky 
an' i Jehova izy. (Dan. iii.) — p.o.p. 

ABELA (Fofonaina, na Zavapoana), Heb. 
HEBEL : zanak' i Adama lahiaivo, izay no- 
vonoin' iKaina zokiny. Mpiandry ondry 
izy, ary nitondrany ny voalohan - terak' 
ondriny, dia izay matavy, ho fanatdtra ho 
an' i Jehova. Dia nankasitrahan' i Jehova 
Abela sy ny fanatiny, satria (araka ny tenin' 
ny Epistily tamin' ny Hebreo (xi. 4) "finoana 
no nanateran' i Abela ho an' Andriamanitra 



Digitized by 



Google 



ABE 

fanatitra tsara lavitra noho ny an 1 iKaina." 
Fa izany nankaaitrahan' Andriamanitra an' 
i Abela izany nahatezitra an' i Kaina ka 
niteraka fialonana (1 Jao. iii. 12) ; dia nitaa- 
ngana izy nana ton a an' i Abela rahalahiny, 
ka namono azy ho faty (Gen. iv. 1-16). 
Abela angamba no maty voalohany tamin' 
ny olombelona, aady nolazain' iKraisty ho 
roartiora voalohany izy ("Abela marina," 
Mat. xxiii. 36) ; nv fitarainan' ny rany nam- 
pilataaka ny fahatezeran' Andriamanitra 
tamin' ny mpanao ratay, fa ny an' i Kraiaty 
kosa mitondra famindrampo ay famelan- 
keloka ho an* ny olona rehetra (Heb. xii. 
24).-j.p1. 

ABELA : dia anaran' ny tany ay ny tanana 
aaaany any Palestina tamin* ny andro taloha. 
Raha adika ho teny Malagasy, dia Lohasaha, 
na Saha be ahitra, no heviny ; fa ny aaaany 
koaa manao hoe fa Fisaonana no heviny (za- 
hao a hela -egyptiana eo ambany). 

Abela- be ti-maka : dia anaran' ny tanana 
mirova ay nanan-daza anankiray ao avaratra 
any Palestina ; afak' i Beni-hadada, mpan- 
jakan' i Syria, io (1 Mpan. xv. 20) ; ary 
tamin' ny aoriana indray dia lasan' iPola, 
mpanjakan' iAayria, koa (2 Mpan. xv. 29). 
Eo amin' ny 2 Tant. xvi. 4 ny anaran' io tana- 
na io dia ataohoe ' 'Abela -maima," na Abela 
amoron-drano. Ary indraindray koaa, dia 
atao hoe "Abela" fotainy hiany no anarany 
(2 Sam. xx. 14, 18). 

Abel-Egyptiana (Fisaonan 1 ny Egyptian^ 
na, Sahan 1 ny Egyptiana) : anarana nomen' 
ny Rananitany famoloan' i Atada ("Goren- 
atada"), izay nisaonan' i Josef ti ay ny raha- 
lahiny ary ny Egyptiana maro, tamin'ny nito- 
ndrany ny latin' l Jakoba avy tany Egypta 
halevina any Hebrona izany (Gen. 1. 11). Tao 
atainanan' i Jordan a ny famoloan' i Atada. 

Abela-mehola (Lohatahan' ny dihy) : tana- 
na tao avaratra an-dohaaahan' ny ony Jorda- 
na, izay nandoairan' ny Midianita rehefa 
reain' iGideona izy (Mpit. vii. 22). Ary 
koa, tanana nahabe an' iEliaa mpaminany 
io, ary tao no nahitan' iElia azy tamin' 
izay nalehany niakatra avy tany Horeba 
(1 Mpan. xix. 16-19). 

Abela-sitima (Lohataha miay hazo sita) ; 
tanana tao atainanan' i Jordana, izay nialan' 
ny Zanak' Iairaely aaaatra (Nom. x xxiii. 49). 
Matetika ny anarana nahafantaran' ny olona 
azy dia Sitima hiany. — l.s. 

AB1A (Mot a no rainy). Yoalaza amy ny 
1 Tant. xxiv. ny nizaran' i Davida mpunjaka 
ny mpiaorona tamin'ny tilokana ho roa L.mbin' 
ny folo toko, mbu hiiandiinbv hanompo too 
amin' ny alitaru. Abia no lohany tamin' ny 
antokouy anankiruy (ny fahavalony), ary ny 
anaran y no niantaoana ny a n to k ony koa. 
Isan' uy antokou' i Abia Zakaria, rain' i 
Jaoua M}>anao-batisa (Lio. i. 5) — c. j. 

ABIA (Sitrupon'' i Jthocu), ABIJA amin' ny 
teny Hebreo ay ny Baiboly Malagasy taloha. 
(1) Isan' ny mpanjakan' ny Joda; zanak' 



ABI 

IRehoboama izy sady nandimby azy. Ny 
tantara milaza azy dia eo amy ny 1 Mpan. 
xiv. 31— xv. 8, 2 Tant. xii. 16, xiii. 23. Abia 
niady tamin' i Jeroboama (izay efa nampiaa- 
raka ny fanjakana) ka nahareay azy hiany ; 
kanefa tay nampody ny vahoaka izay efa 
nikomy izy. Isan' ny mpanjaka izay 
nanompo aampy izy (ampitahao 1 Mpan. xv. 
3 ay xiv. 21-33) ; namporafy efatra ambin' ny 
folo rehefa nihahery izy ka niteraka 12 lahy 
ay 16 vavy. Telo taona no nanjakan' i Abia, 
dia nodimbaaan' i Aaa izy. 

Abia (2). Zanakalahin' i Jeroboama I., 
mpanjakan' ny Iairaely, izy ary maty raha 
mbola zazakely. Izy hiany tamin'ny mpiana- 
kavin' i Jeroboama no nalevina tao am-paaana 
am-piadanana ay nisaonan' ny olona, aatria 
izy hiany no nahitan a fahataaram-panahy 
ny amin' i Jehova (1 Mpan. xiv. 1-18). 

Abia (3). Iaan' ny taranak' iEleazara 
zanak' i Arona ; zahao abia (1). — j.w. 

ABIATAEA (Rain' ny fahabeUahana) : za- 
nak' i Ahimeleka izy ary f ahafolony tamin* 
ny mpiaoronaben' ny Jioay (1 Sam. xxii. 20). 
Raha Doega no naaain' i Saoly hamono ny 
mpiaorona rehetra tany Noba, Ahimeleka 
dia iaan' izay novonoiny, fa Abiatara zanany 
koaa dia nandoaitra ay nitondra ny efoda 
(fombam-piaoronana) teny an-tanany ; dia na- 
natona an i Davida tany Keila izy ka nilaza 
taminy izay nataon' i Saoly. Dia nandray 
taara an' i Abiatara Davida ; ary nony nanjaka 
tany Joda izy, Abiatara no naaandrany ho 
mpiaoronabe. Ka dia niay mpiaoronabe 
roa niara-nanao ny raharahan' ny fiaoronana 
tamin' izany andro izany, dia Abiatara, izay 
niandany tamin' i Davida, ary Zadoka koaa 
izay tao amin' i Saoly. Ary rehefa nanjaka 
Solomona, dia neaorina tay ho mpiaoronabe 
intaony Abiatara, fa Zadoka irery no noten- 
ndreny ho mpiaoronabe tokana (1 Mpan. ii. 
27). Ary tanteraka tamin' izany ny tenin' 
Andriamanitra tamin' iEly (1 Sam. ii. 31), fa 
Abiatara dia f aran' ny mpiaoronabe avy tamy 
ny taranak' Itamara. Abiatara no atao hoe 
"zanak' i Ahimeleka," fa amy ny 2 Sam. 
viii. 17 ay 1 Tant. xviii. 16 ay xxiv. 6 koaa 
Ahimeleka no lazaina ho zanak' i Abiatara. 
Angamba telo mianaka izy, dia izao: 
Ahimeleka ay Abiatara zanany (1 Sam. xxii. 
20) ary ny zanak' i Abiatara izay natao 
mitovy anarana tamin' ny raibeny (1 Tant. 
xviii. 16). Hay Abiatara voalaza ao amin' ny 
Mar. ii. 26 dia ataon' ny aaaany ho Ahime- 
leka hiany, fa naka ny anaran-janany angaha 
izy; ary miay koaa anefa izay mihevitra fa 
diso aomtra ny mpandika teny tany aloha, ka 
nifanolo ny anarun' izy miunaka (dia Abiatara 
ay Ahimeleka). Ka ataon' ny aaaany 
(maromaro izy no mihevitra izany, ary 
an gam La izany no marina^ fa niara- 
nanao ny raharahan' ny mpiaoronabe izy 
mianaka, ka dia nampitovina ny unarany, 
ary ny anaran' izy mianuka no nilazana ny 
andro niaoronany. — c. J. 



Digitized by 



Google 



A6l 

ABIBA: zahao volana. 
ABTELA : dia anaran' ny olona roa lahy 
▼oalazan' ny Test Tal. ; ny ananMray dia 
rain' iKisy ay raiben' iSaoly xnpanjaka 
(1 Sam. is. 1); ary ny anankiray koa dia 
isan' ny Iehilahy maherin' i Davida (1 Tant. 
xi. 32) — j.s. 

ABIEZERA : dia anaran' ny olona roa lahy 
Yoalazan' ny Teat. Tal. : ny anankiray dia 
isan' ny taranak' i Manaae (Jos. xvii. 2) ; ary 
ny anankiray koa dia isan* ny Iehilahy 
maherin' i Davida (2 Sam. xxiii. 27).— J.8. 

A3lQh1LA(Raim-pifaliana). (I) Anaram- 
behivavy vadin' iNabala, izay Iehilahy be 
fananana sady tompon' ny ondry ay osy 
maro tao Karmela, nefa olona aaro-po loatra 
iry; fa Abigaila kosa dia vehivavy hendry 
sady tsara-tarehy. Rehefa nahatezitra an* i 
Davida Nabala noho ny tsy n ana j any azy 
sf ny namaliany ratay ny olona nirahin' i 
Davida taminy, dia nandeha faingana Abi- 
gaila hitaena an' i Davida ay ny olona maro 
iaj ary namely an' i Nabala. Koa nitondra 
hanina nuhenina azy rehetra izy ; ary 
rehefa nifanena tamin' i Davida izy, dia nio- 
ndrika teo anatrehany ka nivalo ay nanala- 
tetnj ny vadiny. Ary ny teny hendry 
lz*7 nataon' i Abigaila no nankasitrahan' i 
Davida, ka dia afaka ny hatezeiany. Ary 
teo aoriana kely indray, dia maty Nabala, 
koa rehefa ren* i Davida izany, dia nampaka 
m' i Abigaila izy ka nampakatra azy ho 
vuliny (I 8am. xxv). 

Abigaila (2). Anabavin' i Davida io Abi- 
ytila faharoa io. Nanam-bady an* i Jitra 
kiinaelita izy, sady renin' i Amasa (1 Tant. 
ii. 16, 17 ; 2 Sam. xvii. 25).— d.m. 

ABIHAILA : dia anaran* olona dimy — telo 
I*ny sy roa vavy — voalazan' ny Test. Tal . Ny 
amin' ny tantarany avy, zahao Nom. iii. 36 ; 
i Tant. ii. 29 ; v. 14 ; 2 Tant. xi. 18 ; Est. 

u. 15.-J.B. 

ABIHO (Saint/ Izy, dia Andriamanitra : 
anankiray tamin' izy cfa-dahv zanak' i Aro- 
oa, ixay natokan' Aiidriamanitra ho amy ny 
fiwronana (Eks. xzviii. 1). Fa raha vao 
Mndroao hanao ny raharahan' ny fisoronana 
Abtho sy Nadaba rahalahiny, dia nandika 
ny didin' Andriamanitra tamy ny fomba 
anao amy ny fanaterana ditin-kazomaniira, 
fanaka afo tav izy izy ; dia nisy afo nivoaka 
»vy tany amin' i Jehova ka nandevona azy 
iwrahalahy. Ary ny nisotroany toaka anga- 
mba no nampahaaahisahy azy haka afo tsy izy 
tahaka izany. Koa noho izany ny mpisoro- 
** rehetra dia norarnna mafy tsy hisotro 
k*ka na divuy mahery raha niditra tao amin* 
Q y Tabernakely izy hanao ny raharaham- 
P^oonana (Lev. x. 1-10).— p.o.p. 

ABILA : dia anaran' ny tan (in a anankiray 
X2 *y renivohitry ny fizaran-tany natao hoo 
Abifene ; zahao abilene. 

ABILHA (lio. iii. 1): fizaran-tany ao 
tvtratr' atainanan' i Faleatina ; ny renivohiny 
«* natao hoe Abila, tao amoron 1 ny ony Far- 



3 ABI 

para. Avy tamin' ny hamaitson' ny ahitra 
betsaka naniry tao ny anarany, fa ny hevi- 
try ny teny hoe Abela angaha dia 'sana misy 
ahitra.' T abela.] Izany koa angaha no 
nahazoan' i Abela, zandrin' iKaina, ny 
anarany ; ary misy lovan-tsofin' ny mponina 
ao milaza an' i Abela ho novonoina tao, sady 
misy fasana ao izay ataon' ny olona hoe 
'fasan' i Abela.' Abila, renivohitr' izany 
fizaran-tany izany, dia miorina tokony ho 
18 maily ao avaratr' i Damaskosy. — j.e. 

ABIMELEKA (Rait? ny tnpanjaka) : ana- 
ran' ny mpanjakan' ny Filistina maromaro 
izany, ka angamba anaram-boninahitra izay 
niombonan' izy rehetra nifandimby, toy ny 
hoe Farao tamin' ny mpanjaka maro tany 
Egypta, ary ny hoe Kaisara sy Aogostosy 
tamin' ny mpanjaka maro tany Roma. 

Abimeleka (1). Mpanjakan ny Filistina 
anankiray tany Gerara, any atsimon' ny 
tany Kanana (Gen. xx. 1, 2). Nampaka 
an' i Sarah a vadin' i Abrahama izy, fa fom- 
ban' ny andriandahy tamin' izany tany izany 
ny mampaka ny vehivavy tsara tarehy rehe- 
tra amy ny fanjakany, mba ho ao amin' ny 
trano fitoeran' ny vadin' ny mpanjaka (Gen. 
xii. 15 ; Est. ii. 3). Nefa kosa, rehefa 
noraran' Andriamanitra Abimeleka noho ny 
ratsy nataony, dia nampody an' iSaraha 
indray izy ary nanome zavatra maro ho azy 
sy Abrahama ho fanalan-tsiny. 

Abimeleka (2). Mpanjaka anankiray koa 
tamin' ny Filistina tany Gerara, izay indray 
nihira tamin' i Isaka. Ny teny milaza izay 
nataony tamin- dRebeka, vadin' i lsaka, dia 
mitovitovy amin' ilay voalaza teo hiany ny 
amin' iSaraha (Gen. xxvi. 1). 

Abimeleka (3). Zanakalahin' i Gideona 
mpitsara tamin' ny vadintsindranony tao Se- 
kema (Mpit. viii. 1, 31). Rehefa maty rainy, 
dia namono ny rahalahiny fito-polo lahy izy, 
afa-tsy Jotama faralahy, izay afa-nandositra. 
Ary rehefa afaka izany, dia niray tetika ta- 
min' ny anadahin-dreniny izy mba hitaona ny 
Sekemita hifidy azy ho mpanjakany. Nony 
ren' i Jotama fa Abimeleka efa nofidina ho 
mpanjaka, dia nikabary teo anatrehan' ny 
vahoaka izy ka nilaza ilay angano ny amin' 
'Ny Hazo rehetra nifidy Mpanjaka' (Mpit. ix. 
1-16). Rehefa nanjaka telo taona Abimele- 
ka, dia niodina ny vahoaka, nefa noresen' 
i Abimeleka izy. Ary rehefa afaka kelikely 
dia nankany Tebeza izy ka nitoby tandrifiny 
sady nab afaka azy. Koanefa nisy vehivavy 
anankiray nanjera vato fikosoham-bary ta- 
min' ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny 
karan-dohany. Dia natahotra izy fandrao 
holazain' ny olona fa vehivavy no nahafaty 
azy, ka dia hoy izy tamin' ny mpitondra 
ny fiadiany : "Tsoahy ny sabatrao ka vonoy 
aho, ' ' ka dia matiny izy. Izany no namnlian' 
Andriamanitra ny ratsy nataon' i Abimeleka 
noho ny nanionoany ny rahalahiny fito-polo 
lahy sady nahatanteraka ilay fanozonana 
nataon' i Jotama (Mpit. ix. 20-67),— b.h s. 



Digitized by 



Google 



ABI * 

AJHNADABA. Ef atra ny olona atao hoe 
Abinadaba voalazan' ny Test. Tal., dia izao : 

il) Levita ny anankiray, izay nonina tao 
viriata-jearima ; tao an-tranony no name- 
trabana ny Fiaran' i Jehovah nony nentina 
avy tamin' ny tanin' ny Filistina izany. Elie- 
zera zanany no natao mpiaro azy, ary tao 
no nitoerany 70 taona (1 Sam. vii. 1, 2 ; 
1 Tant. xiii. 7) ; zahao fiaba. (2) Zanaka- 
lahin' i Jose (1 Sam. xvi. 8). (3) Zanaka- 
lahin' iSaoly, izay maty niaraka tamin - 
drain y tany Gilboa (1 Sam. xxxi. 2). Ary 
ny amin' ny faha-4, zahao 1 Mpan. iv. 11. — 
J. 8. 

ABIEAMA: dia Iairaelita anankiray avy 
tamin* ny firenen' i Reobena, izay niaraka ta- 
min' i Kora sy Datana hanohitra an' i Mosesy 
(Nom. xvi.) ; ny amin' ny niafaran' izany sy 
izay nanjo azy, zahao kora. Nisy Abirama 
hat a koa ; zahao 1 Mpan. xvi. 34 sy Jos. vi. 
26.— J.fl. 

ABISAGA : dia zazavavy tears tarehy 
anankiray avy tany Sonema, izay natao 
vadikelin' iDavida hitaiza azy tamin' ny 
fahanterany (I Mpan. i. 1*4). Relief a maty 
Davida, Abisaga no nangatahin' i Adonija 
tamin' i Solomona ho vadiny ; kanef a satria 
toa nihambo ho mpanjaka indray tamin' izany 
izy, dia isan' ny zavatra nahatonga ny 
nahafatesan' i Adonija izany (1 Mpan. ii. 
13-25). Zahao koa adonija sy batseba. — 

J.B. 

ABI8AT: dia zanak' iZoroia, anabavin' 
i Davida, ary rahalahin' i Joaba sy Asahely 
(1 Tant. ii. 16). Izy sy ny rahalahin y dia 
nanaraka an' iDavida tamin' nv nifindrafi- 
ndrany tany an-efitra, nony nenjehin' iSaoly 
izy ; nefa Abisay toa sakaiza izay nahatoky 
an' iDavida indrindra, ka matetika izy no 
voalaza ho nanome hevitra an' iDavida. 
Izy no niaraka tamin' iDavida tamin' izy 
niditra tao amin' ny tobin' i Saoly tamin' ny 
alina, Bady nangataka mba havelan' i Davida 
hamono an' iSaoly izy (1 Sam. xxvi. 5-9). 
Abisay sy Joaba no natnono an' iAbnera 
noho ny namonoany an' i Asahela rahalahiny 
(2 Sam. ii. 18, 24, 32 ; iii. 30) ; ary ela tao 
aorian'izany, tamin'ny niodinan' i Absaloma, 
ary Davida nandositra niala tany Jerosalema, 
Abisay no naniry hamono an' i Simey noho 
ny nanaratsiany ny mpanjaka (2 Sam. xvi. 
9) ; ary izy koa no nataon' i Davida koma- 
ndin' ny ampahatelon' ny miaramilany tamin' 
nv ady nanaraka izany (2 Sam. xviii. 2). 
Tao aorian' izany indray dia namonjy ny 
ain' i Davida Abisay tamin' ny ady nataony 
tamy ny Filistina, raha saiky novonoin' ny 
olon-goavana anankiray natao hoe Jisi- 
benoba izy (2 Sam. xxi. 15-17). Voalaza 
koa izy ho isan' ny telo lahy mahery izay 
namaky ny filaharan' ny miaramilan' ny 
Filistina tany Betlehema ka nanovo rano 
ho an' iDavida (2 Sam. xxiii. 14-17); ary 
voalaza koa izy ho namely lofona ny 300 lahy 
)ca nahaiaty azy (and. 18). Ny nahafa- 



ABI 

tesan' i Abisay tsy voalaza, nefa lehilahy 
mahery sy sahisahy tokoa izy sady nahay 
nitondra miaramila (1 Tant. xviii. 12) — j.s. 

ABNERA: izy dia zanak' iNera, izay 
rahalahin' iKisy, rain' iSaoly mpanjaka 
(1 Tant. ix. 36) ; koa satria havan' i Saoly 
izy dia nataony komandin' ny miaramilany 
rehetra (1 Sam. xiv. 51). Izy no nitondra 
an' iDavida hanatona an' l Saoly rehefa 
avy namono an' i Goliata (xxii. 57) ; kanefa 
tao aorian' izany indray izy dia nanaraka ny 
tompony tamin' izy nanenjika an' iDavida 
ka nitady hahafaty azy (xxv. 3-14). Ha- 
tramin' izany andro izany dia tsy misy teny 
milaza an' i Abnera indray raha tsy ef a maty 
tan -ady Saoly ; fa tamin' izany anefa izy 
no niseho ho nanam-pahefana indrindra tao 
amin' ny mpinakavin i Saoly. Rehefa resin' 
ny Filistina tany Gilboa ny Iairaelita, Da- 
vida no nekena ho mpanjakan' ny Joda tao 
Hebrona, fa ny tany tao avaratra toa lasan' 
ny Filistina. Kanefa nony afaka dimy 
taona, dia nifidy mpanjaka indray ny fire- 
nena tany avaratra, ary Abnera nanao 
kabary fa Isiboseta, zanakalahin' i Saoly, no 
nandimby an-drainy ka tonga mpanjikan' 
ny Isiraely. Koa rehefa afaka kely dia 
raikitra ny ady tamin' ny mpanjaka roa lahy, 
ary nisy ady maf ana tany Gribeona ; ary ny 
miaramilan i Isiboseta, izay nentin' i Abnera, 
dia noresen' ny miaramilan' i Davida nentin' 
i Joaba (1 Sam. ii. 8-17). Koa nony rosy 
ka nandositra Abnera sy ny nanaraka azy, 
Asahely, zandrin' i Joaba, nanenjika an' 
iAbnera ka nahatratra azy. Ary Abnera 
nangataka taminy mba hiala, sao ho matiny ; 
nefa tsy nety Asahely, koa ny mba hamonjy 
tena hiany no nahatery an' i Abnera hamono 
azy (2 Sam. ii.). Ary tsy ela taorian' izany 
indray Isiboseta dia naniny an' iAbnera 
noho ny nampakarany an' i Rizpa, anankiray 
tamin' ny vaditsindranon' iSaoly rainy. 
Dia tezitra loatra Abnera ka nampitondra 
teny tamin' i Davida hanao f anekena aminy* 
sady nanome teny fa izy no hi taona ny 
Isiraely avokoa hanaiky an' iDavida ho 
mpanjakany. Dia nankany Hebrona izy 
hihaona amin' i Davida, ka noraisiny tamim- 
pifaliana. Kanefa nony niala tao izy, ka nika- 
sa handeha hampanaiky ny Isiraely rehetra 
ho tonga vahoakan' iDavida, kanjo hi tan' 
i Joaba izay efa natao, ka toa nanana ahiahy 
izy fandrao Abnera no hasandratr' i Davida 
ho ambony voninahitra noho izy. Dia nani- 
raka olona hangataka amin' iAbnera mba 
hiverina izy, ary nony efa tonga Abnera, 
dia nivoaka Joaba hoatra ny hiresaka kely 
aminy ; kanjo izy niaraka tamin' i Abisay ra- 
halahiny namely an' i Abnera ka dia nahaf aty 
azy ; ka dia nampiely teny izy mirahalahy 
fa izay nataony dia famaliana noho ny ran' 
i Asahely zandriny. Ny fialonany an' i Abne- 
ra anefa no fototry ny nanaovan' i Joaba 
izany. Sady tezitra no nalahelo loatra 
Davida nony reny izay naUon' i Joaba, nefa 



Digitized by 



Google 



ABR 

isj aahy hampijaly ny mpamono olona noho 
ny ratsy nataony izy. Fa nanaraka ny 
fatin* iAbnera tamin* ny nandevenana azy 
izy, sady nanao him fianonana ho azy (2 Sam. 
in.) -J.s. 

AB&AHAKA (Itain'mj tnaro), na ABRAMA 
(JK*jr »ro), izay razamben* ny Jioay sy ny 
Arabo sasany, dia teraka tao Oran' ny Kal- 
deana [ora], tokony ho tamin' ny B.C. 
2124. Abrama no anarany voalohany, ary 
Ten no anaran-drainy ; ary nanana rahalahy 
rot Abrama, dia Harana sy Nahora, fa 
Abrama no faralahy. Tera nivavaka tamin' 
ny sampy (Jos. ixiv. 2) ; fa araka izay 
tokony ho marina, Andriamanitra no nam* 
pahafantatra an' i Abrama, fony vao zato- 
Toizy, fa tsy mety ny fanompoan-tsampy, 
h izy many no tokony hivavahan' ny olona 
rehetra. Ary maro hiany ny lovan-tsofin' 
ny Jiosy sy ny Mahomedana milaza fa nen- 
jehina sy azom-pahoriana Abrama, satria 
tsy nety nanaiky ny fivavahana tamin* ny 
sampy izy. Harana, lahimatoan* i Tera, dia 
maty tao Oran* ny Kaldeana ; fa raha nan- 
tewn* Andriamanitra hiala tao Abrama (Asa 
vii. 2, 3), dia niaraka taminy koa Tera rainy 
§y Nahora rahalahiny, mbamin' iLota, za- 
nak' i Harana, ary Saray (Iska), izay efa 
naUhV i Abrama ho vady. Ary rehef a ma- 
ty tao Harana Tera, dia niala tao Abrama 
mivady mbamin* i Lota ka nankany Kana- 
na (Gen. xii. 5). Misalasala ny sasany na 
nantsoin* Andriamanitra indroa Abrama, 
na tsia (ampitahao Asa vii. 2 sy Gen. xii. 
5). Tokony ho marina ny hevitry ny maro 
faniantso azy indray Andriamanitra, sady 
▼oatoro ny tany halehany ; "dia niainga izy 
ireo hankany amin* ny tany Kan ana, ka ton- 
ga tany amin* ny tany Xanana izy.** Dia 
nandroso izy nankany Sekema na More, ary 
tao no nanaovany alitara (fandoroam-panati- 
tra) ho an* Andriamanitra. Tao koa no nise- 
hoan' Andriamanitra tamin* i Abrama ka 
nilaza taminy fa homena ny taranany izany 
tany izany : ary tamin* izany dia tonga Tany 
fikaima tamin* i Abrama ny tany Kanana. 

Taorian* izany indray dia nifindrafindra 
toby Abrama ka tonga tany Betela, ary tao 
koa no nanaovany alitara ho an* Andria- 
manitra. Fa tamin izay dia mosarena ny 
tany, ary satria niompy biby betsaka Abra- 
ma sy Lota, dia nianatsimo indray izy hi tad y 
ahitra hohanin* ny bibiny ka tonga tao am- 
bara-lalana mankany Egypta. Ary raha 
omby tao Abrama dia niahiahy be hiany ny 
amin* ny vadiny, fa tsara tarehy loatra Saray, 
sady fantany ny toetry ny mpanjakan i 
Egypta, fa tay voafetra amin'izay sitra-pony 
iady namporafy maro izy, ka azony halaina 
an-kery izay tiany ho vadiny. Ary toa tsy 
natoky tsara ny fiarovan* Andriamanitra azy 
Abrama fa nilaza fa Saray dia anabaviny ; 
ary marina hiany izany raha ny fomban* ny 
olona tamin' izany andro izany no heverina, 
la Saray dia zana-drahalahiny, nefa niiy 



« ABR 

fitaka koa tamin* izay nolazainy. Ary izay 
nahin* i Abrama dia tonga tokoa, fa nony 
nahita ny hatsaran-tarehin* i Saray ny lehibe 
tamy ny fanjakana, dia nilaza tamin' i Farao 
izy ; ka dia nentina tao an-tranon* i Farao 
ravehivavy, kanefa tsy nalainy ho vadiny tsy 
akory, fa narovan* Andriamanitra izy ; koa 
antonona an* i Abrama ny anatra nomen* 
i Farao azy taorian* izany (Gen. xii. 18, 19). 
Dia nampandeha azy mivady Farao, kanefa 
tsy nandroaka azy an-katezerana izy tsy 
akory fa nanome azy f ananana betsaka. Ary 
rehefa tafakatra tany Kanana indray Abra- 
ma, dia niverina ho any Betela izy. Efa 
nitombo be hiany ny isan* ny bibiny, ary ny 
an* i Lota koa dia maro, koa noho izany dia 
niady ny mpiandry ombin* izy mianaka, fa 
tsy ampy ho an* izany biby maro izany ny 
ahitra tao. Toa zavatra niseho ho fizahan- 
toetra an' i Abrama izany ; anefa fantatr* i 
Abrama ny teny fikaaana nomen* Andriama- 
nitra azy, koa tsy nety niady tamin* ny 
havany izy, fa Lota no navelany hifidy izay 
tany tiany. Ary Lota dia tsy nihovitra izay 
ho an* i Abrama, fa nifidy izay tiany tokoa, 
dia nijery ny tany lemaka mahavokatra be 
amoron* ny ony Jordan a izy, "fa azon-drano 
avokoa izy rehetra.** Nalahelo angaha 
ny fon* i Abrama tamin* izay noho ny 
msarahany tamin' i Lota havany ; kanefa 
kosa nahazo ny valim-pitia hiany izy ; 
Andriamanitra niseho taminy indray ka ni- 
laza fa ny tany rehetra notazaniny dia 
homena azy sy ny taranany (Gen. xiii. 14- 
17). 

Ary taorian* izany indray din Mamre 
(takaikiny Hebrona) no nitoeran' i Abrama, 
ary tao no nanorenany alitara ho an* An- 
driamanitra ka nivavahany. Angamba efa- 
taona no nipetrahan* i Abrama tao, dia 
nisy zavatra anankiray nampiseho ny toeny, 
fa efa tonga saiky hoatra ny mpanja- 
ka izy ; fa maro ny olona nofeheziny, sady 
nisy koa mpanjaka hafa nety nikambana 
taminy, dia izao : Tsaroantsika fa Lota ni- 
fidy ny tany mahavokatra tamoron' ny ony 
Jordan a ho azy ; kanefa raha omby tao izy, 
dia nifindrafindra indray ka tonga isan* ny 
mponina tao Sodoma. Nisy tanana dimy 
izay nifanakaiky, dia izao : Sodoma, Gomora, 
Adona, Zeboima, ary Bel a na Zoara (Gen. 
xiv. 2) ; samy nanana mpanjaka naha- 
leo tena avy izy dimy ireo, fa ny mpa- 
njakan* i Sodoma toa lehibe tamin* izy 
rehetra. Tamin' izany andro izany nisy 
koa fanjakana lehibe anankiray natao El am a 
(izay nitovy tamin' ny tany voalazan' ny 
Soratra Masina hoe Sosana), tao atsinanan' 
ny ony Eofrata. Kedorlaomera no anaran* 
ny mpanjakany, ary niankin-doha taminy 
ny mpanjakan ireo tanana dimy voalaza 
ireo. Fa rehefa afaka telo ambin' ny folo 
taona dia niodina izy ka tsy nety nandoa 
hetra ho an' i Kedorlaomera intsony. Dia 
tonga Kedorlaomera mbamin* ny mpanjaka 



Digitized by 



Google 



ABR 

sasany ka namely azy mafy ; dia nandrava 
an' iSodoma izy sy namabo fananana be- 
tsaka; dia lasa nandeha izy, ary Lota 
mbamin' ny tao an-tranony dia isan' ireny 
voababo ireny koa. Fa nisy nandositra ka 
nankany Mamre, dia nilaza tamin' i Abra- 
ma izay efa nan jo an' i Lots ; koa raha 
nahare izany Abrama, dia nalaky nandeha 
hamonjy ny havany izy. Olona 318 lahy ompi - 
keliny no nentin' i Abrama niaraka taminy ; 
ary tao amin' ny tany iandohan' i Jordan a no 
nahatrarany ny fahavalo. Dia namely azy 
mafy nony alina izy sy ny andevolahiny ka 
namonjy an' i Lota, mbamin' ny maro izay 
voababo, ary nampody ny fananany rehetra. 

Ary anefa, tsy nety nandray ny fananana 
tamin' ny tan an' ny mpanjaka vaovao tao 
Sodoma Abrama ; ampy no azy ny fananana 
nomen' Andriamanitra azy ; nefa, hoy izy, 
ny amin' izay niarak'a taminy, aoka samy 
hahazo ny anjarany avy izy ireo. 

Fa nisy anankiray koa nivoaka nitsena 
an' i Abrama, izay lehibe lavitra noho ny 
mpanjakan' i Sodoma, dia Melkizedeka, izay 
yoalaza ((Jen. xiv. 18) fa "mpisoron' Andri- 
amanitra Avo Indrindra," dia nitso-drano 
an' i Abrama izy. Ary Abrama koa dia 
nanaiky an' i Melkizedeka ho mondrika ha- 
hazo voninahitra sy haja, fa nomeny azy ny 
fahafolon' ny zavatra rehetra izay azony 
tamin' ny fahavalo. [melkizedeka.] Dia 
niverina ho any Hebrona Abrama, ary veti- 
vety dia niseho taminy indray Andriamani- 
tra, ary izany no nahazoany hevitra mave- 
satra sady vaovao ; fa tamin' izay no 
vao nahafantarany fa hanan-janaka tokoa 
izy, ary izay haterany no tokony handimby 
azy. Zava-baovao taminy izany ; fa nentin' 
Andriamanitra izy hivoaka hijery ny kin ta- 
na, ka nasainy hanisa azy izy, raha azony 
hatao. Ary hoy Andriamanitra taminy ; 
"Ho tahaka izany ny taranakao" (Gen. xv. 
5). Dia nino an' Andriamanitra Abrama, 
"ka nisainy ho fahamarinana ho azy izany." 
Fa tsy izany hiany, fa "indro, aizina maha- 
tsiravina indrindra no nahazo" an' i Abra- 
ma. Fa nisy biby mbamin' ny vorona izay 
efa novonoin' i Abrama ka nosasahiny, af a- 
tsy ny vorona, sady nampifanandrifiny avy 
ireo; ary indro, nisy fa tan a fandoroana 
mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay na- 
ndeha namaky teo anelanelan' ireo zavatra 
voasasaka ireo. Fanaon' ny tany aloha 
izany, hono, raha nisy nanao fan eke n a ; dia 
nisy biby novonoina toy ny voalaza teo, ary 
izay nifanaiky samy nandeha namaky teo 
anelanelan' ireo zavatra novonoina ireo, 
ka dia famantarana izany fa efa mafy ny 
fanekena vao natao. Ary azo zaraina telo 
ny fanekena nataon' Andriamanitra tamin' 
i Abrama, dia izao:— (i) Hampahorin' ny 
ny firenena anankiray (dia ny Egyptiana) ny 
taranak' i Abrama, sady hanompo azy efa- 
i ato taona izy. (2) Hotsarain' Andriamanitra 
uany firenena hampahory azy izany, sady 



6 ABft 

havoakanv hiala ao ny olony . (3) Dia hiveri - 
na any Kanana indray ny taranany rehefa 
tanteraka ny heloky ny Amorita (Gen. xv. 
13-16). 

Efa hitantsika fa nolazain' Andriamanitra 
tamin' i Abrama fa hanan-janaka izy ; ary 
fantatr' iSaray vadiny fa tsy tokony hite- 
raka izy, satria efa anti-panahy izy tamin' 
izay, koa nomeny hevitra Abrama mba haka 
ny ankizivaviny anankiray ho vadiny, haha- 
zoany zaza hahatanteraka ny teny nkasana 
nomen' Andriamanitra azy. Ary nanaiky 
hiany Abrama ka nampakatra an' i Hagara 
ho vadiny, ary ny zaza naterak' izany niva- 
diany izany dia Isimaela. [haoaba, isimae- 
la.] Angamba Abrama nihevitra fa Isima- 
ela no ho mpandova ny fananany, ary izy no 
ilay zanaka nokasain' Andriamanitra ho- 
mena azy hihavian' ny taranaka maro efa 
voalazany. Fa tsy toy izany akory no 
fikasan' Andriamanitra; ary rehefa sivy 
amby sivi-folo taona no niainan' i Abrama 
dia niseho taminy Izy ka nilaza fa hite- 
raka zaza tokoa Saray, ary izy io no hana- 
tanterahan' Andriamanitra ny teny nkasana 
nomeny azy. Dia voalaza indray izany 
teny flkasana izany, sady nasiana famanta- 
rana, dia ny fora, hotandreman' i Abrama 
sy ny taranany rehetra handimby azy koa. 
Ary ny fitandremany izany fanekena izany 
no hampiseho ny finoan' ny olona an' Andri- 
amanitra; fa ho an' ny voafora hiany ny 
teny fikaaana nomen' Andriamanitra an' 
i Abrama. Ary tamin' izay koa no nano- 
van' Andriamanitra ny anaran' izy mivady : 
Abrama (Ray avo) dia novana ho Abrahama 
(Rain 1 ny maro) ; ary Saray (Miendrika andri- 
ana) dia tonga Saraha (Maro fara). (Gen. 
xvii.) 

Ary tsy ela taorian' izany indray, raha 
nipetraka tao am-baravaran-dainy Abraha- 
ma, dia nahita fa nisy telo lahy nijanona 
teo tandrifiny ; dia nitsangana hitsena azy 
Abrahama ka niangavy taminy mba tsy 
hands lo izy, fa hivuy kely ka hiditra ny 
lainy, mba hiala sasatra sy hihinan-kanina 
izay efa nomanin' i Abrahama ho azy. Mo- 
ra fantatr' i Abrahama fa ny anankiray 
tamin' izy ireo no lehibe ; angamba tamin' 
ny voalohany tsy mba f antany akory fa izy 
no Jehova ; kanef a hoy Abrahama taminy : 
"Tompo 6, raha mahita fitia eto imasonao 
aho," etc. (Gen. xviii. 3-5; singolara ny 
naona hoe "Tompo" amin' io teny eo ambo- 
ny io, fa tsy ploraly tsy akory.) Ary veti- 
voty dia hitan' i Abrahama miharihary fa 
Jehova mbamin' ny anjely roa no nampian- 
dranoiny ; fa Izy nandroso nilaza taminy 
ny zavatra ho avy, indrindra fa ny hananan' 
i Saraha zanaka, na dia efa zoki -olona aza 
izy mivady ka nandroso fahanterana, sady 
efa nitsahatra tamin' ny fombam-behivavy 
aza Saraha (Gen. xviii. 9-11). Ary rehefa 
afaka izany dia nankany Sodoma ny roa 
lahy tamin' izy telo, fa ny Anankiray (Je- 



Digitized by 



Google 



ABR 

hova) nijanona ka niresadreflaka tamin' 
i Abrahama; ary nolazain' Andriamanitra 
taminy ny handravany an' i Sodoraa sy Go- 
moraary ny tanana hafa noho ny fahara- 
taan' ny mponina tao ; ary na cUa nifona 
tamiiT Andriamanitra ho an' ny mponina 
taoaza Abraham a, tsy azo noyonjena izy, 
fa lebibe dia lehibe loatra ny fahotany. 

[80D01CA, LOTA.] 

Ary manarakaraka izany indray, dia ny 
tanin' ny Filiatina no nitoeran' i Abrahama 
kelikely; ary tao no nanaovany fitaka toy 
izaynataony tao Effypta, dia ny nilazany 
fa anabaviny Saraha, nefa vadiny. Ary 
nentina nankany an-tranon' iAbimeleka 
mpanjaka ravehivavy, anefa tsy azon' i Abi- 
meleka novadina izy, fa nisy aretina avy 
tamin* Andriamanitra nanjo ny tao an- 
tranony, aady fantany fa ny nakany an* 
i Saraha no fototr' izany. Ary hitantaika 
koa fa na dia tsy nampoizin' i Abrahama 
loatra aza fa nisy izay nahaiala ny Andria- 
manitra marina tao amin' izany tany izany, 
dia nisy hiany ; ary antonona ho an' i Abra- 
hama ny anatra nomen' iAbimeleka azy 
(Gen. xx.). Fa hitan' iAbimeleka koa fa 
lehilahy malaza Abrahama sady nomban' 
Andriamanitra tokoa, koa tiany ny hisakai- 
zaaminy; ka dia nanao fanekena izy roa 
lahy tao Beri-sheba, izay hoe raha adika, 
'fantaakam-pianianana' (Gen. xxi. 22-24). 

Ary tamin' ny fahazato taona niainan' i 
Abrahama (B.C. 2024) dia tanterakany tenin' 
Andriamanitra ny amin' ny hahazoany zana- 
ka amin' i Saraha vadiny, ary Isnka no na- 
tao anaran' ny zaza (Gen. xxi. 1-8). Tokony 
ho efa samy faly izay rehetra tao an-tobin' 
i Abrahama tamin' izay, afa-tsy Hagara 
miaaaka, fa hitan' izy ireo fa diso f an ante - 
nana izy ny amin' izay nampoiziny ela, fa 
Isimaela no tokony ho dimbin' i Abrahama 
ka handova ny f ananany rehetra. Ary tamin' 
ny andro rehetra nanotazana an' Isaka dia 
niaeho miharihary ny tsi-fitiavan' i Hagara 
nuanaka azy, koa nasain' i Saraha handroaka 
azy mianaka Abrahama. Kanefa mafy 
tamin' i Abrahama izany, ary saiky nolaviny ; 
anefa kosa nekeny tsara hiany raha hitany fa 
sitra-pon' Andriamanitra taminy, sady nola- 
zain' Andriamanitra taminy la ho tonga 
firenena lehibe koa ny taranak' Isimaela. 

[tSOUELA.] 

Ary izay holazaina ankehitriny dia ilay 
fizahan-toetra an' i Abrahama izay maha- 
laza azy indrindra, dia ny nanekeny ny 
didy sarotra nomen' Andriamanitra azy. 
Fa rehefa dimy amby roa -polo taona, hono, 
ay andro niainan' Isaka, dia taitra be hiany 
Abrahama satria tonga ny tenin' Andriama- 
nitra taminy milaza fa hovonoina hatao 
fanatitra ho an' Andriamanitra ilay sombin' 
ny ainy, dia ilay zanaka azony avy tamin' ny 
fikaaan' Andriamanitra. Kanefa na dia 
mafy tamin' i Abrahama aza izany noho ny 
fitiavany an' Isaka, tsy nanda izay fantany 



7 ABR 

ho sitra-pon' Andriamanitra izy, fa nanao 
araka izay rehetra nandidiany azy. "Fa 
nihevitra izy, fa Andriamanitra dia mahay 
manangana an' Isaka, na dia amin' ny maty 
aza ; ary hoatra ny avy tamin' izany no nan- 
draisany azy" (Heb. xi. 19). Ary tsy diso 
fanantenana izy akory, fa no von j en' ny 
anjelin' Andriamanitra Isaka ; ary ny ondri- 
lahy nasehon' i Jehova taminy no nateriny 
ho sol on' ny zanany. Ary noho ny halehi- 
ben' ny nnoan' l Abrahama, dia voalaza 
indray sady nohamafiaina ny teny fikasana 
nomen' Andriamanitra azy hoe : * 'Ary amin' 
ny taranakao no hitahiana ny firenena re- 
hetra ambonin' ny tany." Ary misy hevitra 
hafa koa amin' izany ; misy tenin i Jesosy 
Kraistymanao hoe: "Ravoravo Abrahama 
rainareo hahita ny androko : ary nahita izy 
kafaly" (Jao. viii. 66). Ary io teny io toa 
milaza fa Abrahama nahaiala tokoa ny ha- 
hatongavan' i Jesosy Kraisty, fa ho avy 
Izy hanavotra ny olona rehetra mety mino 
Azy. Ary maro no mihevitra fa tamin' ny 
andro nanateran' i Abrahama ny zanany no 
vao nahafantaran' i Abrahama izany hevitra 
sady mavesatra no mahafaly izany. 

Nitoetra tao Beri-sheba tamin' izay Abra- 
hama, fa taoriana indray dia nifindra toby 
izy ; fa tamin' ny taona B.C. 1987, izay taona 
nahafatesan' i Saraha, dia tao Hebrona izy 
no nitoetra. Fito amby telo-polo amby zato 
taona Abrahama tamin' izay, ary nandevina 
ny vadiny izy tao amin' ny lavaka Makpela 
izay novidiny tamin' i Efrona. [makpela.] 
Ny fahendren' i Abrahama sy ny hatsotry 
ny sainy ary ny fahafetsen' i Efrona kosa 
no miseho indrindra amin' io tantara io ; 
fa nahazo betsaka loatra Efrona, dia sekely 
400, izay A. 250, hono, ka mihoatra lavitra 
noho izay tokom-bidiny izany. Mbola ao 
hiany ilay lavaka izay tonga fasana malaza 
mandraka andro any ; ary ao amboniny dia 
misy trano fiangonan' ny Mohamedana. 

Ny finoan' i Abrahama niseho indray tamin* 
ny nampandehanany ny mpanompony han- 
kany Harana haka vady no an' Isaka, fa 
indrindra tamin' ny hafatra roa nomeny azy : 
(1) "Tsy haka vady ho any ny zanako avy 
amin' ny zanakavavin' ny Kananita izay irai- 
sako monina hiauao ;" ary (2) "Tandremo 
mba tsy ho entinuo miverina any ny zanako." 
Ary hitan tsika fa ilay mpanompon' i Abra- 
hama nino an' Andriumanitra, sady natoky 
Azy hahalavorary ny diany ; urv tanteraka 
izany, fa Kebeka zanak' iBetoela, zanak' i 
Nahora, no azony, ka dia tonga vadin' 
Isaka izy tamin' ny fahefa-polo taona niai- 
nan' Isaka (Gen. xxiv.). Voalaza eo amin' ny 
Gen. xxv. 1 fa "Abrahama nampaka-bady 
indray, Ketora no anarany." Voalahatra 
aorian' ny teny milaza ny nahafatesan' i Sa- 
raha izany, fa maro no mihevitra fa mbola 
velona Saraha no nampakatru an' i Ketora 
Abrahama (Gen. xvii. 17; xviii. 11; Rom. 
iv. 19 ; Heb. xi. 12). Ary ny zanak' i Ke- 



Digitized by 



Google 



ABR i 

tora dia nahazo anjara lova tamin' i Abra- 
hama, tahaka an' Iaimaela koa ; dia nam- 
pandehaniny mba tsy hiray lova amin' Isaka 
izy rehefa maty Abraharaa. Tamin' ny faha- 
140 taona niainan' i Abraharaa no nampa- 
karan' Isaka an-dRebeka, ary fantatsika 
koa fa efa 175 taona izy vao maty (Gen. 
xxv. 7). Ary voalaza koa fa tamin' ny faha- 
60 taona niainan' Isaka no teraka Esao sy 
Jakoba, ka dia efa nivady roa-polo taona 
izy vao ni teraka (Gen. xxv. 20, 26). Dia 
hitantsika amin' izany fa niandry roa-polo 
taona Abrahama vao hitany fa nisy zanak' 
Isaka hahatanteraka ny teny fikasan' Andria- 
raanitra ny amin' ny hamaroan' nv taranany. 
Tsy voalaza loatra ny toetr' i Abrahama 
tamin' izany dimy amby telo-polo taona 
izany ; nefa taorian' ny nizahan' Andriama- 
nitra toetra azy angamba tsy nisy loatra 
nanahirana azy intsony. "Dia niala aina 
Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara 
sady iahy antitra ela niainana" (Gen. xxv. 
8) ; voky andro, na afa-pon* ny miaina, no teny 
Hebreo enti-milaza an' i Abrahama fa lava 
andro ka tratrantitra tsara izy. Koa iara- 
hantsika manaiky fa na dia tsy fantatr' i 
Abrahama aza ny halehiben' ny fiandrianana 
azontsika izay velona ankehitriny noho ny 
finoana an' i Jesosy Kraisty, Izay avy tamin' 
ny taranany, mbola marina ny teny eo amin' 
ny Epistily voasoratra tamin' ny Hebreo 
niilaza azy nianao hoe : "Fa nahatazana 
azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niara- 
haba azy, dia nino, ka dia nanaiky fa vahinv 
sy mpivahiny tety ambonin' ny tany izy 
(Heb. xi. 13).— h.b.c. 

Hitantsika koa fa tan teraka avokoa ny 
tenin' Andriamanitra tamin' i Abrahama mi- 
laza fa ho rain' ny firenena maro izy. Ny 
Jiosy, ny Arabo, ny Edomita, ary ny fire- 
nena maro koa no taranak' i Abrahama. 
Ny anarany no hajain' ny firenena mifana- 
lavitra sady samy hafa fomba sy fi vavahana 
— na J.osy, na Kristiana, na Mohamedana ; 
ary ny 1 anarana malaza indrindra nomen' ny 
Soratra Hasina azy hoe "Sakaizan' Andria- 
manitra" (Isa. xli. 8; Jak. ii. 23), no ana- 
rana mbola ahafantarana azy any Palestina 
[hkbeona] sy nv tany ao atainanany. Ary 
iaika Jentilisa koa, izay tsy mba taranak' 
i Abrahama araka ny nofo, dia zanany 
hiany araka ny fanahy, raha isan' ny mino 
isika; fa "Rain' ny mino" Abrahama. Dia 
hoy ny Apostoly : "Fantaro fa izay amin' ny 
finoana no zanak' i Abrahama. Ka dia izay 
amy ny finoana no tahina mbamin' i Abra- 
hama mpino" (Gal. iii. 7, 9). — J.8. 

ABSALOMA (Rain* ny Jiadunana) : zanak' 
i Davida fahatelo izy, ary Makay, zanaka- 
vavin' iTaliraay, mpanjakan' iGesora, no 
anaran-dreniny. Absaloma nan ana anabavy 
tsara tarehy, Tamara no anarany, izay nosa- 
vihin' i Amnona rahalahiny, kanefa tsy iray 
tam-po aminy izy, fa zanakalahy matoan' 
i Davida Amnona. Ny mpamaly, araka ny 



ABS 

fanaon' ny olona tamin' izay, izay tokony 
hampijaly an' i Amnona noho izany niaavi- 
hany an' i Tamara izany, dia Absaloma 
anadahiny. Halan' i Absaloma Amnona noho 
ny ratsy nataony tamin' i Tamara anabaviny, 
ary nieritreritra sy nandinika roa taona 
Absaloma ny amin' izany. Ary rehefa afaka 
roa taona ngarangidina, ny zanakalahin' ny 
mpanjaka rehetra dia naaain' i Absaloma 
hankany amin' ny fanaaana izay nataony 
noho ny fanetezana ondry tany amin' ny 
hadivory teo Bala-hazora tanilan' i Efiraima. 
Ary ny mpanompony no naaain' i Absaloma 
hamono an' i Amnona rehefa leon-toaka 
izy, ka dia novonoin' ireo izy. Dia niainga 
Absaloma ka nandoaitra nankany amin' 
i Talmay, mpanjakan' i Gesora, ary nitoetra 
tany telo taona izy. (2 Sam. xiii.J 

Rehefa tapitra izany, dia mverina izy 
noho ny aaina nataon' i Joaba, izay naniraka 
vehivavy anankiray avy tamin' i Tekoa han- 
gataka tamin' ny mpanjaka famelan-keloka 
ho azy. Ary nahatanteraka izany ravehivavy 
tamin' ny ohatra anankiray nataony mba 
hampangorakoraka ny fon' ny mpanjaka. 
Kanefa, na dia mverina aza Absaloma, Davida 
dia tsy nety nihaona taminy mihoatra noho 
ny roa taona ; fa rehefa tapitra izany, Joaba 
nampihavana azy mianaka. (2 Sam. xiv.) 
Ary nony afaka izany, Absaloma dia nian- 
tomboka hikomy amin-drainy ; fa natabotra 
izy f andrao ny zanak' i Batseba (Solomona) 
hamingana azy amin' ny fifandimbaaan' ny 
fiandrianana amin' ny fanjakana, ary izany 
no namporisika azy hikomy. Fa zokiny 
tamin' ny zanak' i Davida izay mbola velona 
Absaloma, ary noho izany dia mendrika ho azy 
ny fiandrianana amin' ny fanjakana araka ny 
fanaon' ny olona tamin' izay. Ary nitady 
fatratra ny fitiavam-bahoaka Absaloma mba 
hialan' ny fony amin-drainy. Dia nifoha 
maraina koa izy ka nijanona teo anilan' ny la- 
lana msnkeo am-bavahady ; ary raha nisy 
olona nankany amin' ny mpanjaka ka niton dra 
teny hotsaraina, dia nantsoin' i Absaloma izy, 
ka hoy izy : * 'Avy any amin' ny tanana aninona 
hianao Y Ary raha hoy izy : 'Avy any Annuo - 
na amin' ny firenen'ny Isiraely ny mpanompo- 
nao,' dia hoy kosa Absaloma taminy : 'Eny, 
tsara sy marina ny raharahanao ; saingy tsy 
misy olona voatendrin' ny mpanjaka hihaino 
anao.' Ary hoy koa Absaloma : 'Enga anie 
ka izaho no voatendry ho mpitsara amin' 
ny tany, ary ho avy aty amiko ny olona rehe- 
tra izay manana ady sy teny hotsaraina, 
dia homeko rariny izy !" Ary raha nisy olona 
nana ton a hiarahaba azy, dia nanolotra ny ta- 
nany izy ka nandray ihiy olona, dia nanoroka 
uzy ; ka dia voafetain' i Absaloma ho azy ny 
fon' ny lehilahy maro tamin' ny Isiraely. 
Ary koa, lehilahy noderain' ny olona Absalo- 
ma, fa tsara tarehy dia tsara tarehy izy, ary 
tsy nisy olona nalaza tahaka azy teo amin' 
ny Isiraely rehetra noho ny hatsaran' ny taro- 
hiny, fa hatrany am-paladia ka hatrany an* 



Digitized by 



Google 



ABS 

tampon-dohany tsy niay tsiny, ary tsotru 
nuhafinaritra ny volon-dohany. Ary nita- 
hiry tandranolahy sy mpanoratra marevaka 
maro izy; ary namboatra kalesy By soavaly 
ho azy koa izy, ary olona di mam-polo lahy 
nihazakazaka teo alohany (2 Sam. xv. 1-9). 
Ireo zavatra ireo dia nahatarika ny fon' ny 
olona ho tia azy teo imason' ny vahoaka tahaka 
an ? i Saoly fahiny. Ary koa tezitra tamin' ny 
nitondmn' i Davida ny fanjakana ny firenen' 
i Joda, ary ny na ha tezitra azy angamba aatria 
efa hitany fa voakambana amin' ny fanjakana 
iray Many ny firenen' ny Isiraely rehetra. 
Na izany, na zavatra hafa no namporisika 
azy ho tezitra, dia tsy azo hizaina, ary Absa- 
loma dia nampitsangana ny fane van 1 ny fiko- 
miana tany Hebrona, renivohitry ny Joda 
fahiny. 

Nandroso fatratra nv fikomiana tamin" ny 
roalohany; ary niainga nandoaitra niala 
tamin' ny renivohiny Davida ka nita ny ony 
Jordana hankany Mahanaima tany Gileada. 
Nahazo an' i Jeroealema Absaloma, ary noho 
ny saina natolotr' i Ahitofela azy dia nahazo 
ny trano nitoeran* ny vaditsindranon' ny 
mpanjaka koa izy, fa tamin' izay nisy vehi- 
ravy folo izay navelan' i Davida. Nataon' ny 
olona fa efa namingana ny rainy izy tamin' ny 
fiandrianana amin' ny fanjakana noho izany, 
ary nahatanteraka ny faminaniana nataon' 
iNatana mpaminany (2 Sam. xii. 11). Ka- 
nefa, mbola n a nana sakaiza tany Jeroaalema 
Davida, izay nahatsiaro ny sou nataony. 
Ary Absaloma nanda ny saina natolotr' 
i Ahitofela, raiben' iBatseba, vadin' iOria 
Hetita, izay nadalain' i Davida, ka nanaraka 
ny saina izay nomen' iHosay, sakaizan' 
i Davida, izay nody nisakaiza tamin' i Absa- 
loma kosa mba hamadika ny sain' i Ahitofela 
*v hanimba an' i Absaloma. Rah a nahita 
izany Ahitofela, fa voasakana sy foana ny 
funiriany mba hasandratra, dia niainga ka 
la*a nody izy ary namono tena. Ary rehefa 
afaka izany, ka efa voahosotra ho mpanjaka 
tany Jeroaalema Absaloma (2 Sam. xvi. 16), 
dia nita ny ony Jordana izy mba hiady amin' 
ny rainy, izay efa namory olona be ; ary raha 
mba nanaraka ny saina nomen' i Ahitofela 
anefa Absaloma, dia rosy faingana Davida. 
Dia nisy ady fatratra, ary rehefa niady tany 
Gileada teo anatin' ny alan' i Efraima izy 
ron tonta, dia resy ny iniaramilan' i Absa- 
loma ; ary nony nandoaitra Mala tamin' ny 
ady Absaloma, dia voasingotra ny volon- 
dohany. Fa nitaingina ampondra izy, ary 
ny ampondra nandeha teo ambanin' ny 
rdiitaan-kazo mikirindro tamin' ny hazo lohi- 
te, ary voahazou' ny rautsan-kazo ny 
volon-dohany, dia nikiraviravy teo izy ; ary 
la** nandeha ny ampondra nitain^enany 
Haha mbola nikiraviravy teo izy, dia nisy 
1'hilahy anankiray nahitu azy ka lasa nilaza 
tmnin' i Joaba. Ary dia nitondra lefona 
wlo teny an-tanany Joaba, ka naboroany 
tumy ny fon' i Absaloma, raha mbola velona 



► . ADA 

teo afovoan' ny hazo izy. Ary ny zatovo 
folo lahy, izay nitondra ny nadiau' i Joaba, 
dia nanodidina sy namely an' i Absaloma ka 
namono azy, na dia noraran' i Davida aza tsy 
hatao izany. Fa izy efa nanao hoe: "Ma- 
inindra fo amin' i Absaloma zatovo." Fa na 
dia efa nikomy tamin' ny rainy aza izy, 
mbola tia azy hiany rainy ka ta-hamonjy ny 
ainy. Ary raha maty Absaloma, dia nalain' 
ireo namono azy ny fatiny, ka natsipiny teo 
an-davaka tao anaty ala, dia naaiany 
antontam-bato lehibe teo amboniny. Raha 
n ah are Davida fa maty Absaloma, dia nango- 
rakoraka loatra ny fony, ary nitomany ka 
nigogogogo sy nitaraina hoe : **JRy Absalo- 
ma, zanako, zanako, ry Absaloma zanako ! 
Inay anie aho no maty nisolo anao, ry 
Absaloma zanako, zanako !" (2 Sam. xvii. ; 
xviii.) — T.T.M. 

ADA: (1) izy dia vehivavy isan' ny vadin' 
i Lameka roa vavy ; avy tamin' ny tara- 
nak' iKaina ary renin' iJabala sy Jobala 
izy ((Jen. iv. 19). (2J Hetita izy By iaan' 
ny vehivavy telo vadhr i £sao ; renin* i Eli- 
faza izy ka dia razamben' ny fokonolona 
anankiray tamin' ny Edomita (Gen. xxxvi. 2, 
10, 15). Zahao basemata.— j b. 

ADAIA : dia anaran' ny olona valo lahy 
voalazan' ny Test. Tal. ; ary izao no teny 
milaza azy avy : 2 Mpan. xxii. 1 ; 1 Tant. 
vi. 26; viii. 21; ix. 12; 2 Tant. xxiii. 1; 
Ezr. x. 29 ; Neh. xi. 5.-J8. 

ADALA. Ny adala voalazan' ny Soratra 
Hasina tsy mba olona very saina, fa olona 
tsy mety misaina na mihevitra ; tsy dia ny 
olona tsy mahay mieritreritra sy mandinika, 
fa izay diso hevitra ny amin' ny tsara sy ny 
ratsy. Ary koa, ny adala voalazan' ny 
Baiboly, indrindra fa amin' ny Bokin' ny 
Ohabolana, dia olona izay tsy mba tarihin' 
ny hevitra tsara na ny lalan' Andriamanitra ; 
ka ny hoe 'adala' matetika dia mitovitovy 
amin' ny hoe 'ratsy fanahy;' aatria "ny 
fahatahorana an' iJehova no fahendrena, 
ary ny fialana amin' ny ratsy no fahalalana." 
(Job. xxviii. 28 ; vakio koa Oha. i.) Koa 
amin' ny fitenin' ny Soratra Masina, ny hoe 
'fahadalana' tsy mba milaza ny toetry ny 
olona tsy manan-tsaina, fa ny toetr' izay 
manao ratsy noho ny hadisoan' ny heviny, 
hahafantarantsika fa tsy misy fahadalana 
tahaka ny fahadalan' ny olona izay tsy 
manaraka ny didin' Andriamanitra ka tsy 
mitsapa farany, fa manakalo ny fiainana 
mandrakizay hahazoany fahafinaretana izay 
mandalo vetivety.— J.s. 

ADAMA {Mcnumtna) : dia voalohan-dahy 
*y razan' ny olombelona rehetra. Tamin' ny 
andro fahenina no namoronan' Andriama- 
nitra azy, tahaka ny endriny sy araka ny 
tarehiny. Tamin' ny vovo-tany no nainoro- 
nany azy, ka nofofouin' Andriamanitra fofo- 
naina mahavelona ny vavorony, dia tonga 
olombelona izy. Ary nomen' Andriamani- 
tra azy ny fanapahana ny zavatra rehetra, 



Digitized by 



Google 



ADA 10 

na biby, na vorona, na hazandrano, na izay 
rehetra mihetsika ambonin' ny tany. Raha 
adika ny anaran' i Adaraa, dia menamena^ ka 
toa nomen' Andriamanitra azy izany (Gen . 
v. 2) satria nalaina tamin' ny tany mena, izay 
atao hoe i adamak' amin' ny t-eny Hebreo. Ary 
tokony hosaintsainina fa toy mba teraka osa 
na kely Adama, fa raha vao voaf orona izy dia 
lehibe sy natanjaka ary nanan-toaina sady 
hendry sy nanana fahalalana, mba handaha- 
rany ny fanapahana ny zavatra rehetra 
izay nomen' Andriamanitra azy hotapahiny, 
ary mba hananany fihavanana sy firaisan- 
tsaina amin' Andriamanitra. Ary ny teny 
hoe "tahaka ny endrik' Andriamanitra sy 
araka ny tarehiny no namoronany azy ' 
dia milaza ny toe-tsainy sy toe-panahiny. 
Ary raha mbola nifanaraka ny sitra-pon' 
i Adama sy ny sitra-pon' Andriamanitra, dia 
niray saina tamin Andriamanitra sady 
mbola nitovy endrika taminy izy (Gen. ix. 
6 ; Jak. iii. 9 ; 1 Kor. xi. 7). Fa rehefa 
nanao saina hafa Adama ka naka ny voan- 
kazo izay nandraran' Andriamanitra azy, 
dia nisaraka tamin' Andriamanitra izy. Tao 
amin' ny saha tao Edena no nampitoeran' 
Andriamanitra azy. [edena.] Ary navelan' 
Andriamanitra hihinana ny voan-kazo rehe- 
tra tao amin* uy saha izy ata-toy ny anankiray 
hiany, izay natao hoe "ny hazo fahalalana 
ny tsara sy ny ratey," ka dia ho faty izy 
raha mihinana azy. Tsy misy olona maha- 
lala ny toetr' izany hazo izany ; nefa ny 
anarany toa mampiseho fa hazo izay nam- 
pahalala ny saina ny zavatra tsara sy ny 
zavatra ratsy izy. Raha mbola tao amin' ny 
saha Adama, dia nentina tany aminy ny 
biby rehetra sy ny vorona mba homeny 
anarana, ary izay anarana nomen' i Adama 
azy dia izany no anarany ; izany dia faman- 
tarana ny toe -t sain' i Adama. 

Fa mbola tsy nisy nam ana ho an' i Adama, 
dia nahasondrian-tory azy Andriamanitra 
ka naka ny taolan-tehezany anankiray, ary 
izany no nataon' Andriamanitra ho vehivavy, 
ka natolony an' i Adama ho vadiny. Koa 
ny nisehoan' izany tamin' i Adama angaha 
dia tamin* ny tsindrimandry raha sondrian- 
tory izy. Ary dia nitanjaka izy mivady 
tamin' izay, nefa toy nahalala henatra izy. 
Tsy azo lazaina na hoatrinona na hoatrinona 
ny andro nihazonan' izy mivady ny faha- 
marinana sy ny fahasambarana, nefa fantatra 
hiany fa tsy naharitra nitana azy izy: 
fa notaomin' ny fahafeteen* ny menarana 
ny vavy, ka nanotazany ny voan-kazo izay 
nandraran' Andriamanitra azy toy hihina- 
nany, dia nihinanfa izy ; ary nomeny koa ny 
vadiny, ka samy nihinana izy roroa. Ary 
tamin' izay dia tafasaraka tamin' ny faha- 
finaretany sy ny fahamarinany izy mivady, 
ka niseho tao amin' ny sainy ny fahadisoany. 
Voalohany, menatra izy, satria hitany fa 
samy mitanjaka izy mivady; fnharoun' 
izany, natahotra izy ka nitady hiery tao 



ADA 

afovoan' ny hazo mba toy ho hitan' ny 
mason' Izay mahita ny takona sy ny miha- 
rihary. Dia voaozona ny tany noho ny 
nataon-dralehilahy, ary voaheloka ho faty 
sy hiverina any amin' ny vovoka indray izay 
nanalan' Andriamanitra azy izy ; ary dia 
tafasaraka tamin' ny fihavanana tamin' An- 
driamanitra izy mivady. Koa "ny olona iray 
no nisehoan' ny fahafatesana." Dia noroa- 
hin' Andriamanitra hiala tamin' ny saha izy 
mivady, fandrao maka ny voan' ny hazon' 
aina tao izy, ka ho velona mandrakizay amin' 
ny faha menarana sy fadiranovana. He ny 
haben' ny indra-fon' Andriamanitra ! Eo 
amin' ny Ohab. iii. 18 ny fahendrena dia 
lazaina ho hazon' aina ho amin' izay miha- 
zona azy, ary tahaka izany ny teny eo amin' 
ny Apok. xxii. 2, 14, milaza ny fahasoavan' 
i Jesosy Kraisty ; ka dia hita fa tsy voasa- 
kana intoony ny lalana mankany amin' ny 
hazon' aina, fa izay rehetra miantoo ny 
anaran' ny Tompo no hovonjena. Ary izay 
rehetra miray amin' i Jesosy Kraisty tokoa 
dia hiditra indray ao amin' ny Paradisan' 
Andriamanitra (Lio. xxiii. 43 ; Apok. ii. 7). 
Adama mivady no ray sy renin ny olom- 
belona rehetra, ary na dia samy hafa hoditra 
sy teny ary bika aza ny olombelona, ny 
toetry ny tenany sy ny saina amam-panahiny 
ary ny fomban ny olona samy hafa firenena 
mampiseho fa iray ny nihavian' izy rehetra ; 
ary ny teny notorin' iPaoly tany Atena 
milaza fa "ny firenena rehetra avy amin' ny 
iray hiany dia namponeniny ambonin' ny 
tany rehetra" (Asa. xvii. 26 ; Rom. v. 14 ; 
1 Kor. xv. 22). Telo-polo amby sivin-jato 
taona ny andro rehetra niainan' i Adama, 
ary Kaina sy Abela ary Seta no anaran' ny 
zanani-lahy voalaza ; ary niteraka hafa koa 
izy, fa toy voasoratra ny anarany. — p.o.p. 

AD ABA : anaram-bolana tao amin' ny Jio- 
sy izany. Volana f ahenina amin' ny filaharan' 
ny volana tamin' izay nomba ny raharaham- 
panjakana, fa f ahef atra ambin' ny folo tamin' 
ny raharaham-pivavahana. Taorian' ny 
nahababoana ny Jiosy tany Babylona no 
vao nisehoan' ity anarany ity (Est. iii. 7). 
[volana.] — j.s. 

ADMA : isan' ny tanana efatra tao amin' ny 
tany lemaka natao hoe Lohasahan' i Sidima 
(Gen. x. 19), izay nosaforan' ny Ranomasina 
Maty angamba teo aoriana. [ranomasina 
maty.] Akambana amin' ny anaran' iZeboima 
ny anarany, ka dia nifanakaiky angamba izy 
roa ; ary niaraka tamin' i Sodoma sy Gomora 
ary Zeboima, Adma noravan' Andnamanitra 
tamin' ny afo sy solifara avy tany an-danitra 
noho ny heloka vetaveta nataon' ny mponina 
tao (Gen. xix. 24, 25; Deo. xxix. 23; Hos. 

xi. 8). i r SODOMA.] — L.8. 

ADOLAMA : tanana tany Joda (Jos. xv. 
35), izay fonenan' ny mpanjaka anankiray 
tamin' ny Kananita tany aloha (Jos. xii. 15 J, 
ka dia tokony ho taniina ela izy (Gen. xxxviii. 
1, 12, 20). Rehoboama nanao azy ho tanana 



Digitized by 



Google 



ADA 

mimanda (2 Tant. xi. 7], ary isan' ny tanana 
noaenan' njr Jiosy rehefa niverina avy tany 
Babylona izy (Neh. xi. 30) ; ary araka ny 
tantaran' ny Jiosy dia mbola nonenany ela- 
ela hiany taorian' izany. Tokony ho 17 
maily ao atsinanan' iBetlehema no niore- 
nan' ny tanana, ary zohy maromaro no hita 
amin' ny manodidina ; ny anankiray tamin' 
ireoangaha no nandosiran' iDavida syny 
olona nanarakaazy. (1 Sam.xxii. 1 ; 2 Sam. 
xxiii. 13; 1 Tant. xi. 15.)— j.b. 

ADOHIA (Jehova no Tompoko) : (1) zanak* 
iDavida fahefatra izy; Hagita no anaran - 
dreniny, ary tao Hebrona no nahaterahany 
raha mbola nanjaka tany Joda hiany ny 
rainy (2 Sam. iii. 4). Rehefa maty ny raha- 
lahiny telo lahy, dia Amnona sy Kileaba 
ary Abaaloma, izy no tonga zanakalahy 
matoa ; koa nony ef a antitra sy oaa ny rainy, 
dia te-ho mpanjaka izy. "Ary Adonia, 
zanakalahin' i Hagita, nanandratra ny te- 
nany ka nanao hoe : Izaho no hanjaka, ka 
dia nanomana kalesy sy mpitaingin-taoavaly 
bt dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo 
alohany izy" (1 Mpan. i. 6). Fa Davida 
efa nilaza tamin* i Batseba, renin* i Solo- 
mona, hoe : "Solomona zanakao-lahy no 
hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no 
hipetraka eo amin' ny aeza fiandrianako** 
(I Mpan. i. 17). Fa Adonia naka hevitra 
tamm' iJoaba, komandin' ny miaramilan* 
iDavida, sy tamin* iAbiatara mpisorona, 
ary izy ireo nanaraka an* i Adonia; ary 
atria nanaraka an* i Adonia ireo, dia niro- 
Mtra nanaraka azy koa ny manambonina- 
hitra bebsaka avy tamin* ny miaramilan' ny 
Joda. Ary Adonia nanao fanasana lehibe 
tany amin* ny vato Zoheleta, tanilan* i En- 
rogela, ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin* 
ny mpanjaka rehetra afa-tsy Solomona 
mbamin* ireo nomba azy (1 Mpan. i. 9). 
Natahotra indrindra Natana mpaminany sy 
Batseba, renin* i Solomona, rehefa reny izay 
nataon' i Adonia, ka dia nilaza tamin* 
i Davida izy ; ary nony nahare izany kosa 
Davida, dia nasaina hitaingina ny ampondra- 
vavin' ny mpanjaka miarakaminizay Solo- 
mona ary hankany Gihona hiseho amin* ny 
vahoaka. Ary dia tany no nanosoran* 
iZadoka mpisoronabe an' i Solomona ho 
mpanjaka, ka dia nolazainy tamin* ny vahoa- 
ka izany, arv ny ambanilanitra nanaiky azy 
teara tamin ny fifaliana. Fa raha nahare 
izany Adonia sy izay nomba azy, dia raiki- 
tahotra izy rehetra, ka samy lasa nandositra 
avokoa ary niely be hiany ; dia lasa Adonia, 
ka nogiazany maf v ny tandroky ny alitara 
(fandoroam-panatitra), ary tsy nosoriny too 
ay tanany ambara-pandrenesany fa Solo- 
n^ona efa nianiana tsy hamono azy. Fa 
Solomona kosa namela azy ka nanao hoe : 
''Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, 
dia tsy hby na dia singam-bolony iray akory 
jw ho latsaka amin* ny tany ; fa raha misy 
Wca kosa ho hita arainy, dia ho faty 



11 ADO 

hiany izy." Ary rehefa afaka kelikely 
taorian* izany, dia maty Davida, ary Adonia 
niangavy tamin* i Betseba, renin* i Solo- 
mona, niba hangataka amin* i Solomona 
hanome azy an* i Abisaga, dia ilay vehivavy 
izay andefimandrin* iDavida rehefa antitra 
izy, ho vadiny. Fa raha nahare izany 
Solomona, dia nataony fa fahafetsen' i Ado- 
nia ta-hanambady ny vadin* ny mpanjaka 
lasa izany, saingy zokiny izy ; koa raha 
mahazo ny vadin* ny mpanjaka lasa ho 
vadiny izy, dia saiky mahazo ny fiandria- 
nana amin* ny fanjakana koa izy. Ary noho 
izany dia tezitra Solomona ka naniraka an* 
i Benaia hamono an* i Adonia, araka ny 
f anekena nataony hoe: "Raha misy heloka 
kosa ho hita aminy, dia ho faty hiany 
izy.'* 

Adonia (2) : Levita anankiray tamin' ny 
andron* iJehosafata, mpanjakan' ny Joda 
(2 Tant. xvii. 8). 

Adonia (3) : andriandahy Jiosy anankiray 
tamin' ny andron' iNehemia (Neh. x. 17). — 

T.T.M. 

ADONI-BEZEKA ( Tompori i Bezeka) : mpa- 
njakan' i Bezeka, tananan* ny Kananita izy 
[bezeka]. Noresen* ny taranak* i Joda izy 
(Mpit. l. 3-7), dia notapahin* ireo ny 
ankihiben- tanany sy ny ankihiben-tongony. 
Dia nentiny naf atotra tany Jerosalema izv ka 
maty tao. Niaiky heloka anef a izy ka nilaza 
fa efa nisy andriandahy fito-polo izay nore- 
seny, ka nampijaliny tahaka ilay nataon* ny 
taranak' i Joda taminy. — b.h.s. 

ADONI-ZEDEKA (Tompon' ny fahamari- 
tiana, izany hoe Tompo marina ; na, Tompon 1 
• Zedeka) : mpanjaka anankiray tamin' ny 
Amorita izy, izay nanjaka tany Jerosalema 
ary nanao f anekena tamin* ny mpanjakan' ny 
Amorita efa-dahy mba hiady amin' ny Isirao- 
lita. Nony hitan' i Josoa fa efa nanao fahi- 
rano any Gibeona ireo mpanjaka dimy lahy 
ireo, dia nandeha hamonjy ny olona tao izy 
(fa ny Gibeonita efa nanaiky an' i Josoa ka 
niandany taminy) ka nampandositra ny mpa- 
nao fahirano. Dia nandositra ny mpanjaka 
dimy lahy izay niray tetika ka niery tao anaty 
zohy tao Makeda ; nef a nosamborin' i Josoa 
tao izy ka novonoiny. Koa nahanton' i Josoa 
tamin' ny hazo dimy ny fatiuy ambara- 
paharivan' ny andro, ary rehefa afaka izany 
dia nalevina tao amin' ilay lavaka niereny 
izy (Jos. x. 1-27). — e.h.s. 

ADNA: dia anaran' ny olona efa-dahy 
voalazan' ny Test. Tal. ; ary izao no teny 
milaza azy avy : 1 Tant. xii. 20 ; 2 Tant. 
xvii. 14 ; Ezr. x. 30; Neh. xii. 15. — j.s. 

ADBAMELEKA. (I) Izany dia anaran' ny 
sampy anankiray izay nivavahan' ny olona 
tany Sefarvaima any Asyria, sady nentiny ho 
any Samaria nony namponenin' ny mpanja- 
kany tao izy (2 Mpan. xvii. 31). Ny fomba 
fanompoana azy dia nitovitovy tamin' iz.iy 
nataon' ny olona izay nivavaka tamin' i Mo- 
loka, fa ny zan-iny no nataony fauatitra 



Digitized by 



Google 



ADR 12 

odorana taminy. (2) Zanakalahin* iSanko- 
riba, mpanjakan' iAsyria,izy; nlaraka tamin' 
ny rahalahiny namono ny rainy tany Asyria 
izy, rehefa niverina afa-baraka avy tany Jero- 
salema rainy ; dia nandositra ho any Arimenia 
izy mirahalahy (2 Mpan. xix. 37).— J.s. 

ADRAMYTENA: dia tanana By seranana 
ao h moron -dra noma sin a atsinanana any Asia 
Minora. Tao no tokony ho nalehan' iPaoly 
Apostoly tamin* ny Diany Faharoa nitety 
tany, raha niala tany GalatiahankanyTroasy 
izy (Asa. xvi.) ; ary sambo avy tany Adra- 
mytena no nitondra azy nifatotra avy tany 
Kaisaria (Asa. xxvii. 2). Mbola atao hoe 
Adramyli ny tanana, na dia kely aza izao izy 
ka tsy mba be varotra intsony, tahaka ny 
tamin' ny andron' ny Apostoly. — J.s. 

ADEIA : dia teny avy tamin' ny anaran' ny 
tanana teo akaikin ny ony Fo ka dia tonga 
anarana nilaza ny tapan' ny Golfan' i Vene- 
zia, fa taoriana kelin' izany indray dia tonga 
anarana ilazana ny Golfan' i Venezia avokoa. 
Fa tamy ny andron' ny Apostoly dia anaran' 
ny ranomasina izay voaf aritr' i Sisilia sy Italia 
sy Grisia ary Afrika. Koa ao anatin' izany 
ranomasina izany no misy ilay nosy Melita 
(Malta no anarany ankehitriny) izay nahava- 
kian' ny sambo nitondra an' i Paoly Apostoly 
nankany Roma (Asa. xxvii. 27). — J.R. 

ADY : ZahaOFAHIRANO, FTTSABANA, SyTAFIKA. 

AFEKA : anaran' ny tanana maromaro tany 
Palestina izany, dia holazaina tsirairay izy. 

(1) Tanana fononan' andriana tamin' ny Ka- 
nanita ; ny mpan jakany dia novonoin' i Josoa 
(Jos. xii. 18). Angamba iray hiany ity sy 
ilay Afeka voalaza ao amin' ny Jos. xv. 53. 

(2) Tanana tao amin' ny faritry ny tanin' ny 
Asera avaratra, izay mbola nonenan' ny 
Kananita tompon-tany hiany (Jos. xix. 30 ; 
Mpit. i. 31 ; zahao koa Jos. xiii. 4). Mbola 
misy tanana any avaratr' i Sidona izay atao 
hoe Afeka, ary tao no tokony ho niorenan' 
izany Afeka izany. (3) Tany izay nitobian' 
ny Filistina talohan' ny ady izay nahafatesan' 
ny zanak' i Ely roa lahy sady nahalasanan' 
ny Filistina ny Fiaran' Andriamanitra (I 
Sam. iv. 1). Tokony ho tao avaratra-andrc- 
fany Jerosalema izany. (4) Tany hafa koa 
izany izay nitobian' ny Filistina sady naha- 
fatesan' iSaoly syny zanany (1 Sam. xxix. 1). 
(5) Tanana tao amin' ny lalambe mankany 
Syria avy* tany Jodia (2 Mpan. xiii. 17). Efa 
hita, hono, izy any Fib, izay 6 maily ao atsi- 
nanan' ny Ranomasin' i Galilia, ao amin' ny 
lalambe mankany Damaskosy. — j.s. 

AFERO : ny teny Hebreo adika hoe afero 
matetika amin'ny Test. Tal. dia rosh. Tsy dia 
afero tokoa izany tsy akory, fa zava-maniry ; 
kanefa tsy azo lazaina loatra ny toeny, fa 
toa poisona mangidy izy raha toy ny hevitry 
ny efa nandinika ny filaz.ma azy. Ny lazain' 
iJoba (xvi. 13; xx. 25) dia afero tokoa. 
Amin' ny Tost. Vao. dia indroa hiany no 
misy teny milaza ny afero (Mat. xxvii. 34 ; 
Asa. viii. 23).— w.e.c. 



AFE 



AFO no teny nenti-miiaza ny fisehoan' i Jo- 
hova sy natao fanoharana izany, ary ho 
fanehoana ny heriny, na ny ho fiambenana sy 
fitahiana, na ny fandravana na fandrahonana 
(Eks. iii. 2; xiv. 24; xix 18). Tamin' ny 
fivavahana tamin' iJehova afo no nentina 
tamin' ny nanaterana ny fanatitra ; hatramin' 
ny andron' iAbela no nisehoan' izany; ary 
Noa nanatitra fanatitr- odorana, nony niala 
tamin* ny Sambo-fiara izy. Velona mandra- 
kariva ny afo masina izay avy tany an- 
danitra teo amin' ny alitara (fandoroam- 
pan ititra) tao amin' ny Tabernakely (Lev. 
vi. 9, 13; ix. 24); ary novelomina indray 
izany tamin' ny nitokanana ny Tempoly izay - 
nataon' i Solomona. Ary koa, afo no niva- 
vahan' ny firenena sasany fahiny, dia ny 
Sabeana sy ny Magy, hatramin' ny andron' 
i Abrahama no ho mankaty. Nisy nivavaka 
tamin' ny afo sy tamin' ny masoandro, ary ny 
Jiosy fahiny nivilivily nanaraka izany, ka 
nampamakiny ny afo ny zanany hankala- 
zany an' i Moloka sampy (2 Mpan. xxiii. 10 ; 
Isa. xxvii. ; Deo. xvii. 3). 

Ny afo izay nentina hamovana fana- 
terana raha tsy ualaina avy tamin' ny alitara 
masina dia natao hoe "afo tsi-izy," ary noho 
ny nanalan' iNadaba sy Abiho izany dia 
novonoin' Andriamanitra tamin' ny afo izy 
(Lev. x. 1, 2; Nom. iii. 4; xxvi. 61). Ary 
dia lazain' ny Soratra Masina koa fa afo no 
handovonana izao tontolo izao (2 Pet. iii. 7) ; 
ary afo no fijaliana hiaretan' ny ratsy fanahy 
ao amin' ny fiainan-tsi-hita (Mit. xxv. 41). — 

P.O.P. 

AF0VAT0. Vato mafy indi'indra izany ka- 
nefa malia, ary isaky ny sombiny dia mara- 
nitra sady maro rirana. Raha ampifando- 
nina ny afo vato roa, dia hisy kilalaon' afo 
avy aminy, ka izany no fototry ny anaovana 
ny anarany hoe afovato. Tsy mety levona 
amin' ny afo izy, kanefa miova izy ka tonga 
fotsy, fa taloha mavomavo, na manjamanja, 
na fotsifotsy. Amin' ny Soratra Masina ny 
afovato dia enti-milaza ny olona mahery fo 
fTsa. i. 7 ; Ezek. iii. 9), izay tsy azon' ny 
fahavaiony resena. Misy teny milaza ny 
afovato eo amin' ny Deo. viii. 15 ; xxxii. 13 ; 
Sal. cxiv. 8. — i.d. 

AGABO : dia mpaminany Kristiana tamin' 
ny andron' ny Apostoly, ary voalaza amin' ny 
Asa. xi. 28 sy xxi. 10. Naminany izy fa hisy 
mosary be ao amin' ny tany rehetra ; koa 
rehofa ren' ny Kristiana tao Antiokia izany, 
dia nampitondra fanampiana ho an' ny ra- 
halahy mahantra tany Jodia izy. Ary tsy 
ny Soratra Masina hiany no milaza izany 
mosary be izany, fa ny mpanoratra tantara 
hafa koa manamarina azy. Josef osy, izay 
mpanoratra malaza tamin' ny Jiosy ka nano- 
ratra ny tantaran' ny fironeny, dia milaza fa 
matin' izany mosary izany ny olona betsaka 
tao Jodia tamin' ny andron' iKlaodio Kaisara . 
Nisy mpanjakavavy anankiray nafcio hoe 
Helena izay nampitondra hanina avy tany 



Digitized by 



Google 



Egypta hamonjy ny olona tao Jerosalema. 
Ary Agabo naminany koa ny amin' i Paoly 
Apostoly fa hafatotry ny Jiosy any Jerosale- 
ma izy ; sady naka ny fisikinan' i Paoly izy 
ka namatotra ny tanany sy ny tongony ho 
fimantarana hita maso fa ho tanteraka izany. 
Ary dia tanteraka tokoa ny tenin' i Agabo 
tamin' ny niakuran' i Paoly tany Jerosaloma 
manaraka izany; vikioAsa. xxi. 10 11, sy 
33.-j.pl. 

AGAGA : dia anaran' ny mpanjaka roa lahy 
tamin' ny Amalekita, ary angamba anarana 
niombauan' ny mpanjak any rehetra, tahaka 
ny hoe Farao tamin' ny Egyptiana. Ny anan- 
kiray tamin' ireo mpanjaka roa iroo dia voa- 
Uza eo amin' ny Norn. xxiv. 7 ; koa raha dini- 
hina tsara izany tony izany, dia toa mpanja- 
kan' ny firenena nanan-kery lehibo io Agaga 
io. Ary ny Agaga anankiray koa dia voala- 
zan' ny 1 Sam. xv. 8, 20, 32. Izy sy ny tsara 
indrindra tamin' ny babo azon' i Saoly, mpan- 
jakan' ny Isiraely, tamin' ny tafika nentiny 
tamely ny Amalekita no naveian' i Saoly ho 
telona hiany ka tsy mba novonoiny, na dia 
mafy aza ny tenin' Jehova fa haringana 
avokoa ny olon' iAmaleka sy ny bibiny 
ary izay rehetra nananany (Eks. xvii. 
14; Deo. xxv. 17). Ary noho izany tsy 
mmarahan' i Saoly ny tenin' i Jehova izany, 
Samoela mpaminany no nirahin' Andriama- 
nitra hananatra an' i Saoly sy hampahaf anta- 
tra azy fa ny taranany tsy handova ny fanja- 
kaoa. Ary Agaga dia nampanalain' iSamoela 
ka notetitetehiny too imason' i Saoly. Koa 
raha ny tenin' i Samoela no dinihina, toa ef a 
loza be sy masiaka loatra Agaga tamin' ny 
andro taloha, ka dia valin' ny ratsy nataony 
uy nahafatesany toy izany. Eo ainin' ny 
bokin' i Estera (iii. 1, 10 ; viii. 36), Hamana, 
izay Prime Minister tamin' ny fanjakan' 
i Persia, no a tao hoe * Agagita, ' ka dia nataon' 
ny Jiosy fa taranak' i Agaga, mpanjakan' ny 
Amalekita, izy, ary izany, hoy izy, no anton' 
ny nankahalan' i Hamana ny Jiosy rehetra. — 

B.H.8. 

AGAPE : zahao fanasam-pifankatiavana. 

AGATA : zahao vato boa. 

A60RA: zanak' iJake izy sady olon- 
kendry tao amin' ny Hebreo, izay nilaza na 
nanangona ilay tenim-pahendrena ao amy ny 
Oha. xxx. Ny andro nahavelomany mbamin' 
ny tantarany dia tsy fantatra akory. Raha 
tahaka ny hevitry ny sasany ancfa, Agora no 
nanoratra ny tony ao amin' ny Ohab. xxx. 1 — 
ixxi. 9 koa ; ary heverin' ny sasany indray fa 
anarana nomena an' iSolomona hiany ny 
hoe Agora. — J.s. 

AGEIPA : zahao heroda. 

ARAB A: (1) : mpanjaka fahafito teo amin'ny 
Isiraely izy sady zanak' i Omry, ary nanjaka 
roa amby roa-polo tacna tao Samaria roirivohi- 
ny. Iaan' ny mpanjaka ratsy f anahy indrindra 
izy ka nahatezitra an' Andriamanitra. Ny 
▼adiny dia Jezebela, zanakavavin' i Eta-bala, 
izay mpanjakan' i Tyro; vehivavy mahery 



13 AGA 

fo sady fatra-panompo ny sampy izy, 



ary 



izy indrindra no nitaona an'iAhaba hiha- 
ratsy dia hiharatsy (i Mpan. xvi. 28, etc.). 
[jezbbhla.] Ny nanenjehan' i Jezebela ny 
mpaminanin' i Jehova, sy ny ady nataon' 
iElia tamin' ny mpaminanin' iBala, izay 
narovan' i Jezebela, dia voalaza eo amin* ny 
tantaran' i Elia. [elia..] Ahaba dia nahery 
nanorina trano t-sara ranfcra sy tanana maro- 
maro (I Mpan. xxii. 30) ; ary na dia reni- 
vohitry ny fanjakana aza Samaria, dia teo 
Jezirela hiany no fonenana nahafaly azy 
hitoerana, sady teo no nanaovany lapa sy 
trano (I Mpan. xxi.). Ary tany Jezirela 
koa Ahaba no naniry fatratra ny tanimboa- 
lobok' i Nabota ho fanampin' ny tanimboliny ; 
ary nony tsy nabafoy izany Nabota, dia 
nanaiky ny hevitry ny vadiny Ahaba ka 
nampangainy lainga Nabota. Dia notora- 
ham-bato izy sy ny zanany koa ka dia maty 
(2 Mpan. ix. 26), ary nalain' ny mpanjaka 
ho azy ny tanimboalobok' i Nabota. Ka dia 
niseho Elia ary nilaza ny hamongorana ny 
mpianakavin' i Ahaba sy ny hahafatesany 
an-keriny, ka dia holelafin ny amboa ny 
rany noho ny ratsy rehetra nataony, indri- 
ndra fa ny namonoany an' i Nabota. Kanefa 
nomena andro kely Ahaba noho ny fibebaha- 
na nataony vao ho tanteraka izany (I Mpan. 
xxi. 27-29). Niady intelo tamin'i Ahaba Beni- 
hadada II., mpanjakan' i Syria. Tamin' ny 
voalohany Beni-hadada nanao fahirano an' 
i Samaria, kanjo resy izy, ka nahafatesana be 
ny miaramilany (I Mpan. xx. 1-21). Ary 
rehefa niherina ny taona dia nanafika indray 
Beni-hadada ka nahazo ny tany lemaka, fa 
izy natoky fa ny Andriamanitry ny Isiraely 
tsy hahery raha tsy ao amin' ny havoana. 
Kanefa nahery indray Ahaba ka nahazo an* 
i Beni-hadada, nefa tsv namono azy izy, na 
dia nasain' Andriamanitra teo amin' ny vavan* 
ny mpaminany hatao aza izany (1 Mpan. 
xx. 22-43). Nandry telo taona ny tany 
taorian' izany ; ary rehefa af aka izany Ahaba 
sy Josafata, mpanjakan' ny Joda, niara- 
niady tamin' i Ramota, na dia nanarin' ny 
mpaminany anankiray atao hoe Mikaia tsy 
handeha aza ; ary dia resin' ny Syriana ny 
olon' Isiraely sy ny an' iJoda; ary na dia 
niova akanjo ho toy ny olon-kafa aza Ahaba, 
dia voan' ny tsiplka nalofa kitoatoa izy ary 
nentina nody tamin' ny kalesiny ka dia maty. 
Ary ny rany nolelafin' ny amboa raha voa- 
sasa ny kalesy, hahatanterahana ny tenin' 
i Elia (2 Mpan. ix. 26 sy 1 Mpan. xxi. 1-40). 

Ahaba (2) : mpaminany mandainga izy 
ary namitaka ny Zanak' Isiraely izay voa- 
babo tao Babylona ; ka dia nodoran' i Nebo- 
kadnezara tamin' ny afo izy (Jer. xxix. 21, 
22).-j.w. 

AHAS0ER0SA : dia anaran' ny mpanjaka 
anankiray avy tamin' ny taranaky ny Mediana 
sy ny mpanjaka roa lahy avy tamin' ny Pe- 
rsiana, izay samy voalazan'ny Baiboly; ary 
izany angamba dia anarana niombonan' ny 



Digitized by 



Google 



AHA 14 

mpanjaka maro tony Persia By Media, toraky 
ny hoe Farao sy Abimeleka ary Kaisara tab 
amin' ny firenena hafa, fa tsy dia tena- 
anaran' ny olona anankiray tsy akory. 

Ahasoerosa (1) : izy no atao hoe "rainy 
Dario8y ,, — ny anaran- tenany dia Astyagesy 
— ary avy tamin' ny taranaky ny Mediana izy 
(Dan. ix. 1). Heverin' ny sasany fa Kyak- 
saresy, izay nandresy nv Ninevita, sy ity 
Ahasoerosa ity dia olona iray hiany. 

Ahasoerosa (2). Rehefa maty Kyrosy (Isa. 
xlv. 1) ny fahavalon' ny Jiosy niampanga 
lainga azy tamin' i Ahasoerosa, mpanjakan' 
i Persia (Ezr. iv. 4). Raha toy ny hevitry 
ny sasany, Kambysesy izany, izay natao hoe 
koa Ahasoerosa, araka ny anaran' ny rai- 
beny ; fa izy tsy mba zanak' andriana, dia 
naka ny anaran' ny razany izay malaza 
indrindra izy. 

Ahasoerosa ( 3) : mpanjaka lehibe sy malaza 
izy, fa "nanjaka hatrany India, ka hatrany 
Etiopia, dia firazanana fito amby roa-polo 
amby zato izany. ' ' Tamin' ny taona f ahatelo 
nanjakany, dia tao Sosana renivohitra, izy 
nanao fanasana ho an' ny andriandahy sy 
ny loholona ary ny manamboninahitr' i Persia, 
fa te-hiray saina aminy izy ny amin' ny 
tafika lehibe nokasainy ho entina ; ary 
naharitra valo-polo amby zato andro, hono, 
izany fanasana nataony izany. Tamin' ny 
andro fahafito, raha loon-divay izy, dia 
naniraka haka an' i Vasty vadiny, hisehoany 
eo anatrehany sy izay niara-nisotro teo 
aminy. Fa tsy nety nankany Vasty, satria 
tsy araka izay fanaon' ny vehivavy any 
Persia izany ; fa araka ny fomban-tany tao 
ny vehivavy tsy nahazo niseho teo anatrehan' 
ny olon-kafa, afa-tsy ny vadiny hiany ; dia 
tsy nety nandiso ny fomban-tany Vasty. 
Ary noho izany dia tezitra indrindra ny 
mpanjaka ka nisaotra azy ; ary rehofa afaka 
efa-taona izy dia nampakatra an' iEstera, 
zatovovavy Jiosy (Est. i. ii.). Ary ny 
nampakaran' i Ahasoerosa an' iEstera dia 
toy izao : Nandeha tany an-tafika izy, nefa 
resy ; koa rehefa niverina nody dia nijoretra 
sy nanjonitra, fa menatra loatra, satria afa- 
baraka izy fa resin' ny vitsy, ka dia nitady 
zavatra hahaflnaritra ny tenany. Ary dia 
nanaiky izy hanomo vola be izay olona 
mahita zavatra vaovao hahafinaritra azy, 
satria efa tonga toy ny matsatso ny zavatra 
mahafinaritra rehetra nananany, fa efa toy 
ny voky loatra izy. Dia hoy ireo zatovola- 
hin' ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina azy : 
"Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy 
virijina tsara tarehy . ' ' Ary dia nampiangona 
ny virijina izay toy izany ho ao Sosana reni- 
vohitra izy, ary nony voangona ny tovovavy 
maro, dia nentin' ny olona ho teo koa Estera. 
Ary nahafaly ny. mpanjaka Estera, fa tsara 
tarehy dia tsara tarehy izy ka noderain' ny 
olona rehetra izay nijery azy ; dia tian' ny 
mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra 
izy, ka nahita soa teo imasony izy, koa ny 



AHA 



satro-panjakana dia nampisatrohiny azy, ka 
novadiny izy hisolo an' i Vasty, [estbba.] 
Ary dimy taona rehefa afaka izany, Estera 
dia tonga mpamonjy ny fireneny, ka malaza 
eo amin' ny Jiosy mandraka andro any ny 
anarany, sady misy andro firavoravoana 
lehibe isan -taona atao hoe Porima, ho faha- 
tsiarovana izany namonjen' i Estera ny Jiosy 
izany. Fa na dia mpanjaka lehibe sy malaza 
aza Ahasoerosa, dia adala hiany izy, fa 
nanao filan-dratsy sady nasiaka. Fa raha 
nankany amin' izany tafika voalaza teo izany 
izy, dia naniraka olona mba hanao tetezana 
lakana ; ka nony noravan' ny onjan- 
dranomasina nv tetezana lakana, dia tezitra 
sy nisafoaka izy ka dia nanapa-doha ny 
rapanao tetezana, sady nikapoka ny rano- 
masina intelon-jato ; ary izy nanipy kofehy 
vy makadiry be tao anatin ny ranomasina, 
dia nihevitra fa ho voafehy amin' izany ny 
ranomasina. Zahao koa ham ana sy morde- 

XAY.— T.T.M. 

AHAZA: mpanjakan' nv Joda faharaika 
ambin' ny folo ; zanak* l Jotama izy, ary 
nanjaka 16 taona tao Jerosalema. Tamin' 
izy vao nanjaka dia niray tetika Rezina, 
mpanjakan' i Syria, sy Peka, mpanjakan' ny 
lsiraely, hiady amin' i Ahaza, ka aia nanao 
f ahirano an' i Jerosalema izy roa lahy. Fa 
tonga Isaia mpaminany tamin' izany ka 
nampahatoky sy nampanery fo an' i Ahaza 
sy ny olona tao Jerosalema ; dia naharesy 
ny fahavalony izy (Isa. vii. — ix.). Kanefa 
naherv hiany ireo mpanjaka roa izay niady 
tamin i Ahaza, dia nahafaka tanana natao 
hoe Elata, izay fitodian-tsarabo tao amoron' 
ny Ranomasina Mena. Ary ny Edomita sy 
ny Filistina koa nanafika ny tanin' i Joda 
tany andrefana sy atsimo (2 ilpan. xvi. ; 
2 Tant. xxviii.). Koa noho izany fahoriana 
nan jo azy izany Ahaza dia nitaraina tamin' 
i Tiglata-Pilesera, mpanjakan' i Asvria, mba 
hanampy azy. Ary dia nanaiky izany 
Tiglata-Pilesera, fa niady tamin* i Rezina 
izy ka namono azy ; ary nahafaka an' i Da- 
maskosy koa izy, ary naka ny tanin' ny 
fanjakan' lsiraely tany avaratra sy tany an- 
dafin' i Jordana. Kanefa Ahaza tonga mpa- 
ndoa hetra tamin' ny mpanjakan' iAsyria, 
fa nanaiky azy ho lehibe izy ; ary ny harena 
rehetra tao amin' ny Tempoly, mbamy ny tao 
an-tranon' ny mpanjaka, dia lany tamin' 
izany. Fa tsy izany hiany, fa Ahaza tonga 
mpanompon' ny sampv maro samy hafa; 
nampandeha ny zanani-lahy tamin' ny afo ho 
an' i Moloka izy sy n anal a voady tamin' ny 
8ampin' ny Syriana, ary nalca saina tamin' ny 
mpanao ody mahery sy ny mpanao hitsa- 
kandro (Isa. viii. 19). Ny varavaran' ny 
Tempolin' iJehova no narindrin' i Ahaza 
tsy hidiran' ny olona hivavaka ao, ary ny 
fanaka rehetra no noravany. Ary nana- 
raka ny fomba ratsy fanaon' ny Asyriana sy 
ny Babyloniana izy, fa nivavaka tamin' ny 
masoandro sy ny volana ary ny kintana ary 



Digitized by 



Google 



AHA M 

nanao alitara tao an-tampon' ny tranony 
izy hanompoany azy. Iaan' ny mpanja- 
ka ratsy ranahy indrindra izay nanjaka 
tao Jeroaalema Ahaza ; ary rehef a maty izy 
dia tsy mba nalevina tao amin' ny f aaan' ny 
mpanjaka (2 Tant. xxviii. 27).— J.w. 

AHAZIA (Izay mikazona an 1 i Jehova) : 
(1) zanak' i Ababa sy Jezebela izy, ary mpa- 
njaka fahavalo teo amin' ny Isiraely fa 
nanjaka B.C. 896 — 865. Kebefa afaka ny 
idy tao Ramota-Gileada, izay nahafatesan' 
i Ababa (ahaba), ny mpanjakan' iMoaba, 
izay efa nanaiky an' Iairaely fabiny ka 
nandoa hetra, dia "zanak' ondry iray hetsy, 
sy ondrilaby iray hetay mbamin ny volony" 
isan-taona, dia niodina ka tsy nety nandoa 
intsony (2 Mpan. iii. 4, 5). Ary Abazia, raba 
mboU tsy afaka niady tamin y hampanaiky azy 
indray, dia nianjera avy teo amin' ny makara- 
kara amin' ny efi-trano arabony teo Samaria 
izy ka naratra mafy. Fony mbola finaritra 
izy dia nivavaka tamin' ny andriamanitra tsi- 
izy izav notompoin' i Jezebela reniny, ka dia 
nanirakaolona no amin'ny tan ana Ekrona any 
Fflistia banontany an' iBala-zeboba sampy 
na ho Telona izy, na tsia. Kan efa Elia (izay 
niseho farany no mpaminany tamin' izany) 
nananatra azy mafy nobo izany nanontaniany 
ny sampy izany, ka nilaza fa no faty vetivety 
izy. Ny zavatra baf a nataon' i Abazia dia 
Toakza ao amin'ny tan taran' i Josafata (zabao 
jckajata). Vakio koa 2 Mpan. i. ; 2 Tant. 
xx. 36-37. 

Abasia (2) : mpanjaka fahadimy tamin' ny 
Joda izy, zanak' i Jenorama sy A tali a (zana- 
kaTarin' iAhaba), ary zanak' anabavin' 
ilay Abazia voalaza eo ambony. Dia na- 
jakairay taona izy (b.c. 884), ary roa amby 
roa-polo taona raba vao nanjaka. Ny 
teny milaza azy ho roa amby efa~polo taona 
(2 Tant. xxii. 2) no tokony bo diso soratra 
nataon' ny mpandika ny teny ; ary diso koa 
tahaka izany ny anarana boe Azaria nomena 
azy ao amin' ny 2 Tant. ixii. 6. Mpanompo 
*mpy tahaka ny mpbinakaviny izy ; aryniray 
tetika tamin' ny anadahin-dreniny, izay 
mpanjakan'ny Iairaely — Jorama na Jenorama 
no anarany — izay efa nandimby an' ilay 
Ahazia voniaza eo ambony, mba hiara-miady 
amin' i Hazaela, mpanjakan' i Syria. Ka- 
n^fa resy ny mpanjaka roa lahy tao Kamota, 
ary Jehorama no voa mafy, dia nankany 
Jezirela izy hotsaboina. Tato aoriana lasa 
namangv azy koa Abazia, ary tamin' izy 
tao Jezirela, Jebo no nohosoran' ny irak' 
i EHaa bo mpanjakan' ny Isiraely, dia niodina 
tamin' i Jorama ; ary raba nanakaiky an' 
i Jezirela Jeho, ny mpanjaka roa lahy nivoaka 
hitaena azy. Fa notofirin' iJeho Jorama, 
ary ny zana-taipika niboroaka tamin' ny fony ; 
dia nandoaitra Ahazia, kanefa voa hiuny koa 
'zy ka maty tao Megido. Vakio 2 Mpan viii. 
£»-29; ix. 1-29; 2 Tant. xxi. 17 (ilay 
Joabaza voalaza ao tokony ho sahala amin' 
i Abazia) ; i Tant. xxii. 1-9.— j.w. 



AHI 
AEIA: dia anaran* ny olona aivy lahy 
voalazan' ny Test. Tal. (1) Ny anankiray 
tamin' ireo dia Ahia mpisorona, zanakalahin' 
i Ahitoba mpisorona sy zafiafin' i Ely mpi- 
soronabe (1 Sam. xiv. 18), Angamba iray 
hiany izy sy ilay atao hoe Abimeleka, zana- 
kalahin' i Ahitoba. (2) Anankiray tamin' ny 
mpanao raharaham-panjakana tamin' ny 
andron' iSolomona (1 Mpan. iv. 3). (3) 
Mpaminany tany Silo tamin' ny andro 
nanjakan' l Solomcna sy Jeroboama I. Misy 
teny faminaniana roa nolazain' i Ahia izay 
voasoratra ao amin' ny 1 Mpan. xi. 31-39 
sy xiv. 6-16. ^4) Rain' iBasa, mpanja- 
kan' ny Isiraely izy io (I Mpan. xv. 27, 33). 
Ny amin' ny sasany koa, zabao 1 Tant. 
viii. 7 ; xi. 36 ; xxvi. 20 ; ay Neh. x. 27.— 

J.8. 

AHIAHY : Fanatitra noho ny. Raba nisy 
lehilahy tao amin' ny Jiosy izay nan ana 
ahiahy fa efa nandry tamin' ny lehilahy haf a 
ny vadiny, dia nasain' ny Lalana bo ontina 
any amin' ny mpisorona izy, mbamin' ny 
fanatitra voatendry amin' izany. Ary ny 
mpisorona nampisotro an-dravehivavy rano 
voaharo vovoka nalaina tamin' ny Taberna- 
kela sady nampianiana azy. Koa raba mba 
diso tokoa izy, dia niteraka aretina nahafaty 
azy ilay rano nosotroiny, ka afa-tsiny rale- 
hilahy tompom-bady. Vakio anefa ny teny 
milaza azy avokoa ao amin' ny Nom. v. 11- 
31.— J.8. 

AHIMAZA. (Hahalahifi ny fahatezerana) ; 
(1) rafozan' iSaoly izy (1 Sam. xiv. 60). 

Ahimaza (2) : zanak' i Zadoka mpisoronabe 
izy sady nandimby azy. Tamin' ny niko- 
mian' iAbsaloma, Zadoka sy Abiatara dia 
nitoetra tany Jerosalema mbamin' i Hosay, 
sakaizan' i Davida ; ary Ahimaza sy Jona- 
tana kosa nitoetra tao En-rogela, izay tsy 
lavitry ny tanana ; ary nifanaiky izy mba 
bambaran' i Hosay amin' i Zadoka sy Abi- 
atara ny fikasan' iAbsaloma mangingina 
izay reny ; dia hambaran' ireo indray amin' 
i Aiiimaza sy Jonatana, ary izy koa nanaiky 
hampandre an' i Davida. Ary rebefa nola- 
vin' iAbsaloma ny hevitra nomen' i Ab it of el a, 
fa ny nomen' i Hosay no nekeny kosa, dia 
nampandre an' i Zadoka sy Abiatara Hosay, 
ka nasainy bampandrenesina faingana Da- 
" iAn Ny ankizivavy anankiray no nampi 



vida. 



tondrnina teny fandrao hisy ahiahy ; kanefa 
tsikaritry ny tovolahy anankiray ny natao, 
ka dodoka izy nilaza tany amin' i Absalom a. 
Dia riatra nandoaitra Ahimaza sy ny namany, 
ary nony tonga tany Bahorima izy dia niory 
tao amin'ny lavaka f antsakana ; ary nisy vehi- 
vavy anankiray izay naka rakotra ka nataony 
tao am-bava-funtaakana nasarony azv, sady 
nasiany fotsim-bary koa teo amboiiin' ilay 
rakotra, ka dia toy ny hahazana hiany izany, 
ary tsy nisy nahalala fa tao izy roa lahy. 
Ary nony tonga tao amin-dravehivavy ny 
iraK' i Absaloma, dia nanontany ny nalohan' 
i Ahimaza sy Jonatana izy, fa nanome vohony 



Digitized by 



Google 



AHI 

azy ravehivavy ka nilaza fanahita azy hiany, 
nefa nandalo maika f oana no nolazainy no 
nahitany azy. Ary nony tsy nahita azy 
roa lahy ny irak' i Absaloma, dia niverina 
tany Jerosalema izy, fa Ahimaza sy ny 
namany kosa niainga ka nankany amin' 
iDavida (2 Sam. xv. 27, 36; xvii. 17, 20). 
Ary tamin' ny aoriana Ahimaza nangataka 
hirahina hidodododo hanambara any amin' 
i Davida ny nahafatesan' i Absaloma zanany, 
ary satria nahery nihazakazaka izy dia 
nihoatra an' i Kosy, izay nirahina talohany 
(2 Sam. xviii. 19-33). 

Ahimaza (3) : vinanton' i Solomona izy 
(1 Mpan. iv. 15), ary isan' ny roa ambin' 
ny tolo lahy mpandraharaha izay voa- 
tendry hanao nahandro ho an' ny mpanjaka 
sy ny ao an-tranony (1 Mpan. iv. 7).— 

C.J. 

AHIMELEKA {Rahalahin 1 ny mpanjaka) : 
mpisoronabe tany Noba izy. Rah a nando- 
sitra an' i Saoly Davida, dia nankany Noba 
izy ; ary gaga Ahimeleka nony nahita azy 
tampoka sady irery no toy nitondra fiadiana 
akorv; dia nody ho iraky ny mpanjaka 
Davida, ka nilaza fa raharaha mahamaika 
sy mangina no nalehany tao, ary fitaka no 
nahazoany ny mofo masina tamin' i Ahime- 
leka mbamin' ny sabatr' i Goliata. Nefa 
sendra tany Noba Doega, mpanompon'i Saoly, 
tamin' izay ka nahita izay nataon' i Ahime- 
leka, dia niampanga azy ho mpiodina izy, ka 
nampanalain' ny mpanjaka Ahimeleka ; ary 
na dia nanda mafy aza ho tsy mpikomy izy, 
dia nasain' i Saoly hovonoina hiany. Ny 
rapanompon' ny mpanjaka izay nitoetra tao 
an-dapa dia tsy nety naninjitra ny tanany 
hamono ny mpisoron' iJehova, ary noho 
izany Doega no nasaina hamono azy. Ary 
Doega dia nahafaty an* i Ahimeleka sy ny 
mpisorona efatra amby roa-polo lahy koa, 
sady nandrava ny tanana Noba (I Sam. xxi., 
xxu\). (Zahao abiataba). — c.j. 

AHINOAMA (Rahalahin 1 ny fahasoavana) : 
(1) zanakavavin' i Ahimaza izy ary vadin' 
i Saoly (1 Sam. xiv. 50). 

Ahinoama (2) : vehivavy avy tany Juzirela 
izy ary isan' ny vadin' i Davida. Nobaboin' 
ny Amclekita tamin' ny tafika tany Ziklaga 
izy nefa azon' iDavida hiany indray (1 Sam. 
xxx. 18).— c.j. 

AHITOBA: dia anaran' ny mpisoronabe 
roa lahy. (I) Rain' i Ahimeleka na Ahia 
sady zanakalanin' iFinehasy (1 Sam. xiv. 3; 
xxii. 9, 11). (2) Zanakalahin' iAmaria ay 
rain' i Zadoka mpisoronabe (2 Sam. viii. 17 ; 
1 Taut. vi. 33, 34).-j.b. 

AH1T0FELA {Rahalahin vy fahadalana) : 
lehilahy nalaza izy noho ny fahendreny, na 
dia ny voalaza eo ambony hiany aza no 
huvitry ny nnurany (2 Sum. xv. 12). Teraka 
tany Giloa izy ary sakaiza uahafatra-po an' 
iDavida sady mpanoine saina azy (1 Tant. 
xxvii. 33) . Izy angamba no nolazain' i Davida 
amin' ilay teny voasoratra eo amin' ny Salamo 



16 AHI 

hoe: "Lehilahy mitovy saranga amiko," 
"namako," "sakaizako indrindra," etc. (Sal. 
Iv. 12-14.) Efa notaomin' i Absaloma izy 
hiray tetika aminy hanetry an' i Davida ary 
hanandratra ny tenany ho mpanjaka ; anefa 
ny saim-petsy nomen' i Ahitofela azy haha- 
tanterahana ny nokasain' i Absaloma hatao 
dia noresen' ny anatra nomen' i Hosay azy 
kosa . A ry noho izany dia nalahelo Ahitofela ; 
fantany koa fa tsy ho tontosa ioatra ny 
fikasan' i Absaloma amin' ny han jakany, ary 
natahotra koa izy f andrao hovonoina, ka dia 
lasa namono tena izy (2 Sam. xvii. 23). 
Izany no famonoan-tena voalaza voalohany 
eo amin' ny Baiboly. — c.j. 

AHITBA sy AHI-DKATSY. Maro hiany 
ny teny ao amin' ny Soratra Masina milaza 
ny ahitra; ary satria malaky malazo izy 
noho ny hafatratry ny hain-andro any Pale- 
stina dia matetika izy no atao ohatra milaza 
ny fiovan' ny toetran' ny olombelona (Job. 
viii. 12 ; Sal. xxxvii. 2) sy ny hafohezan' ny 
andron' ny olona aty an-tany (Sal. xc. 5, 6 ; 
Isa. xl. 6, 7). Ny ahi-dratsy sy ny tsilo dia 
natao kitay, ka matetika izy dia natao ohatry 
ny ratsy sy ny ratsy fanahy, izay ho 
levona amin ny afon' ny fahatezeran' Andria- 
raanitra (Mat. vi 30 ; Sal. cxviii. 12 ; 
etc.). — j.s. 

AIALONA (ItocratC ny biby diera na gazely) : 
nisy fitoerana roa izay samy nanana izyny 
anarana izany : — 

Aialona (1) : tananan' ny Kehatita (Jos. 
xxi. 23 ; 1 Tant. vi. 54), nomena tamin' ny 
firenen' i Dana (Jos. xix. 42), fa tsy afany 
akory (Mpit. i. 36). Rehoboama nanao ba- 
tery teo (2 Tant. xi. 10) ; ny nilazan' ny 
Baiboly azy farany dia efa lasan' ny Filistina 
izy (2 Tant. xxviii. 18). Nanolotra ny 
faritry ny firenena efatra izy, ka izany no 
nahatonga azy ho voalaza ao amin' ny an' 
iEfraima (1 Tant. vi. 54, ampitahao ny and. 
51) sy ao amin' ny an' iJoda sy Benja- 
mina (2 Tant.^ xi. 10; 1 Sam. xiv. 31). 
Mbola misy tanana ao utao hoe Yah ; tokony 
ho It maily ny halavirany an' iJerosalema, 
ao anilan' ny lalana mankany Jafa. 

Aialona (2) : fitoerana tao amin' ny auja- 
ra-tanin' i Zebolona, izay nandevenana an' 
i Elona mpitsara (Mpit. xii. 12):— J.n. 

AIN- na AYIN. Teny Hebreo ity milaza 
'maso' sy 'loharano,' dia akambana matetika 
amin' ny anaran-tany nisy loharano, saingy 
mazana novana ho En-, tahakaan' iEn-jedy, 
En-rogela, etc. Hita koa fa anaran' ny 
tanana roa izay voalaza ao amin' ny Nom. 
xxxiv. 11 sy Jos. xv. 32 izy. Zahao en. — 
j. 8. 

AINONA : dia tany nisy loharano maro tao 
amin' ny lohasahau' i Jordana, izay nam- 
pi anaran' i Jaona Mpanao-batisa ny mpiana- 
ny sady nanaovany batisa azy. Voalaza fa 
ao akaikin' i Saleima izy (Jan. iii. 2I») t nefa 
mbola tsy liita marina izay tany tokony ho 
izy. —j.s. 



Digitized by 



Google 



AKA " 

1IADA : dia anankiray tamin' ireo tanana 

lehibe sady ela tao amy ny tany Sinara, izay 

roalaza niaraka tamin' i Babela sy Ereka ary 

Kalnc, sady niandohnn' ny funjakan' iNini- 
rod* (Gon. x. 10). Raha araka ny htsvitry 

ny mpandinika tan tar a, dia io hoe Akada io 
koa no anaran' ny iirenena taranak' i Hama, 
izay nonina tuny Babylona hatramy ny andro 
ela indrindra. — j.s. 

AKATA : anaran' ny fizaran-tany any 
Gria'a nefa notapahin' ny Rom ana tamy ny 
andron' ny Apostoly ; ary izany By Make- 
donia dia matetika anarana milaza any Grisia 
rehetra (Aaa. xvii. 12 ; xix. 21 ; Rom. xv. 
26; 1 Kor. xvi. 16 ; 2 Kor. i. 1 ; ix. 2 ; xi. 
10; 1 Tes. i. 7, 8). Tamy ny nanjakan' 
iKIaodio tao Roma nisy governora na pro- 
comul nanapaka tany Akaia (Asa. xviii. 
12).— j.b. 

AKANJO : Zahao fttafiana. 

AKRLDAMA (Isahan-dra) : anarana nomen' 
ny Jiosy ny saha fandevenana vahiny, izay 
noridiny tamin* ny vola azon' i Jodasy tamin' 
izy naniadika an' i Kraisty ; ary ny nahaf ate- 
*n' i Jodasy teo koa no naharaikitra ny 
anarany (Mat. xxvii. 5-10; Aaa. i. 19). "Isa- 
han' ay mpanefy tanimanga" no anarany 
taloha. Ny fitoeran' izany "Isahan-dra ' 
izany, hono, dia ao ateimon' ny havoana atao 
lice Hinoma. — j.b. 

AKO: dia anaran' ny fltodian-tsambo 
anankiray ao amor on' ny Ranomasina Medi- 
teraneona. Saha bo ho 30 inaily ao atsiinon' 
iTyro no nitoerany. Raha vao tonga tao 
amin' ny Tany Ma sin a ny Zanak' Isiraely, ka 
nizarazara ny tany, dia too amin' ny anjaran' 
ny Asera io tanana io, nefa navelauy hiany ho 
an' ny olona tompon-tany (Mpit. i. 31) . Afa- 
tsy ny teny milaza azy ao amin* ny Mpitsarn, 
misy teny iray xnonja koa hita ao amin' ny 
Soratra Maaina, dia Asa. xxi. 7, kiinefa 
tamin ny andron' ny Apostoly dia natao hoe 
Tolcmaia izy. — l.S. 

AXAIKO: dia mpianatr' i Paoly Apostoly 
(1 Kor. xvi. 17) ; ary izy mbamin' iForto- 
nato no tokony ho isan' ny ankohonan' 
iStefanasy. Angamba avy tany Efesosy 
izy.— j.b. 

AKANA: dia Isiraelita anankiray avy 
tamin' ny firenen' iJoda, izay naka volamena 
*y fitafiana avy tamin' ny babo tany Jeriko 
ka nanafina azy tao an-dainy, nefa efa 
naiokana ho an' i Jehova sady voaozona 
izay rehetra tao an-tanaua. Koa noho ny 
ratey nataon* i Akana, dia ny Isiraelita no 
navelan Andriamanitra ho resin' ny faha- 
valony, tamin' izy namely an' i Ay voaloha- 
ny. Ary nony nofotorana izay anton' izany, 
sady nandatsa-bato Josoa hahitana izay 
meloka, Akana dia nalaiua, ka dia nanaiky 
ny helony izy. Kanefa na dia izany aza, 
dia notorahan' ny vahoaka vato izy inbamin' 
ny vady aman-janany sy ny fananany rehe- 
tra, dia nodorany ny futiny ka nanaovany 
antontam-bato lehibe hanototra azy (Jos. 



AKA 



vii.). Koa noho izany ny lohnsaha namo- 
noana an' i Akana dia natao hoe Akora 
('fampahoriana,' na 'fampidiran-doza'). —J.s. 

AKASIA: anaran-kazo izany, izay atao 
dikan' ny teny Ilebreo hoe Jiittah. Hazo 
akasia no nanaovana ny rindrin' ny Taber- 
nakela sy ny fanaka maro tao anatiny (Eks. 
xxv. ; xvi. ; etc.) ; ary fantatra fa raiay 
karazan' akasia maniry be hiany ao amin' ny 
lohasaha sasany any Arabia ary ao amin' ny 
peninsolan' i Sinay. Ny spesian' ny akasia 
rehetra dia isan' ny ordra Leguminotte sy ny 
sub-ordra Mitnosea ; ary naman' ny fauo sy 
ny madilo ary ny hazo sasany koa izay 
maniry aty Madagaskara izy. — j.s. 

AKKRA (Eng. acre) : dia anaram-nandre- 
fesan-tany fanaon' ny Englisy, izay hita ao 
amin' ny 1 Sam. xiv. 14 sy Isa. v. 10. Misy 
refy efa-joro 1210 amin' ny akera anankiray. 

— J.8. 

AKI8Y : izy dia mpanjakan' ny Filistina 
anankiray, izay nitoetra tao Gata ka niaro 
an' iDavida indroa tamin' izy nenjehin' 
i Saoly. Tamin' nv nalehan' i Davida tany 
Gata voalohany dia natahotra izy ka nody 
ho olona adala teo anatrehan' i Akisy (1 Sam. 
xxi. 10-13); ary tamin' ny nalehany tany 
fanindroanv dia nitoetra tany Gata herintao- 
na sv efa-bolana izy, sady nataon' i Akisy 
isan ny mpiambina azy (1 Sam. xxvii. 2). 
Soa tokoa no nataon' i Akisy tamin' i Davida, 
fa niaro azy tamin' ny fahavalony izy. Misy 
Akisy hafa koa voalaza ao amin' ny 1 Mpan. 
ii. 40.— j.s. 

AKOBA: dia anaran' ny olora efa-dahy 
voalaza ao amin' ny Test. Tal. Ny teny 
milaza azy avy dia 1 Tant. iii. 24 ; ix. 17 ; 
Ezr. ii. 45 ; Neh. viii. 7.— J.s. 

AKOILA : Jiosy anankiray hitan' i Paoly 
tany Korinto, rehefa niala tany Atena izy 
(Asa. xviii. 2). Teraka tany Pontosy izy, 
nefa niala tany Roma, mbaminy PrisUa 
vadinv, noho ny tenin' i Klaodio Emperora 
nampiala ny Jiosy rehetra tany Roma. Nisa- 
kaiza tamin' i Paoly Apostoly izy, ary niara- 
nitoetra tamin' izy mivady Paoly. Ary 
niara-niasa koa izy, fa samy mpanao lay izy 
roa lahy. Raha niala tany Korinto Paoly 
mba hankany Syria, Akoila mivady dia 
nomba azy hatrany Efesosy, ary dia nonina 
tao izy. Raha tonga tany Efesosy Apolosy, 
izay tsy nahalala batisa hafa afa-tsy ny an' 
iJaona Mpanao-batisa, dia nalainy Akoila 
mivady hankeo aminy izy, ka nampianariny 
hahalala ny lalan' Andriamanitra marimarina 
kokoa Zahao Rom xvi 3; 1 Kor. xvi. 19; 
2 Tim. iv. 19.— e.h.s. 

AKOBA (Fahipahoriana) : dia ilay lohasaha 
tao amin' ny fari-tanin' i Joda avaratra, izay 
namonoana an' i Akana noho ny fahotany 
(Jos. vii. 26 ; xv. 7) ; zahao akana.— J.s. 

AKRABIMA {Havoati ny main g oka) : dia 
fiakaranu nisy lalambo any atsimon' ny 
Ranoinasina Maty sy ny Efitr' i Zina, ary 
isan' ny fnritry ny zara-tauin' i Joda sy ny 



Digitized by 



Google 



ALA " 

Tany Masina koa ro atsimony izy (Jos. xv. 
3; Nora, xxxiv. 4). Betsaka ny maingoka 
any amin' izany tuny izany, ary izany 
angaha no nahazoan' ny havoana ny ana- 
rany.— J.8. 

AKZIBA. (1) Anaran' ny tanana ananki- 
ray tao amin* ny tany ivaiva any Joda (Jos. 
xv. 44 ; Mika i. 14). (2) Anaran' ny tanana 
tao amin' ny zara-tanin' iAsera izay tsy 
nalaina tamin' ny Kananita torn pon- tany 
(Mpit. i. 31).— L.s. 

ALA. Telo ny teny Hebreo nadika hoe 
a la amin* ny Baiboly Malagasy, dia hola- 
zaina eto izay heviny avy . (1) Korean: teny 
milaza ala-kely na kirihitr' ala io, ary izany 
no heviny eo amin 1 ny 2 Tant. xxvii. 4, izay 
milaza ny nanaovan' iJotama mpanjuka 
trano fiarovana sy tilikambo, izay tao amin* ny 
tany havoana any Joda atsimo. (2) Pardeh: 
dia teny milaza tanimboly misy hazo maniry 
natao ho filalaovan' ny mpanjaka sy fitehi- 
rizan* ny bibi-dia hazainy. Eo amin' ny 
Neh. ii. 8, dia nadika hoe 'ala' ('paradisa,' 
eo am-bodin' ny pejy) izy, fa ny voalaza teo 
hiany no heviny. Avy amin' ity teuy ity 
ny teny Grika Paradisa. (3) Ya'rah sy Y'ar : 
teny atao matetika ireo ary milaza izay ala 
matevina sy maroroka dia tahaka izay hita 
ao anaty ala lehibe, ka dia teny enli-milaza 
ny ala lehibe any Syria, izay anirian' ny 
hazo vaventy (Mpit. T. ii. 6 ; Isa. xliv. 14), 
sady fonenan' ny bibi-dia (Jer. v. 6 ; Milt, 
v. 7). Eo amin' ny Hos. ii. 12 kosa toa 
milaza tany foana sy maraorao izy. 

Aiy izao no ala malaza indrindra voalazan' 
ny Test. Tal. 

1. Ny ala Jlareta (1 Sam. xxii. 5) : tao 
atsimon' i Joda izany ala izany, ary raha 
ampitahaina amin' ny 1 Sam. xxiii. 16 ny 
teny teo, dia toa akaiky any Zifa, ao atsimo- 
ateinanan' i Hebrona izy. 

2. Ny alan* i Efraima (2 Sam. xviii. 6) : 
akaiky an' iMahanaima, tao an-dafin' i Jor- 
dana, izany ala izany ; tao ny miaramilan' 
i Absaloma no resy, ary izy mpitarika novo- 
noina. Tsy f antatra izay an ton ny nanaovana 
ny anaran' * Efraima ho anaran ny ala ao 
aUinanan* iJordana; nefa kosa, ny hazo 
oka vaventy mbola maniry any Gileada dia 
sisan' "ny alan' i Efraima," sady solon' ilay 
"hazo terebinta'* izay nahatonga ny nahafa- 
tcsan' i Absaloma. 

3. Ny alutC i Lilauona. Nalaza dia nalaza 
Libanona, izay tendrombohitra tomandavana 
sady avo ao avaratr' i Palestina, noho ny 
hazo sedera betsaka naniry tao. [libanona.] 
Vitsy hiany ny sedera maniry ao ankehi- 
triny, fa mbola betsaka ny hazo kypreso ; 
zahao 2 Mpan. xix. 23 sy Isa. xxxvii. 
24. 

4. Ny aim? % Arabia (Isa. xxi. 13): tsy 
hita loatia ny hevitr' ity teny ity, satria 
vitsy foana ny hazo maniry any Arabia, fa 
angamba milaza tany mikitoantoana, na 
misy ala ao, na tsia. 



ALA 

Ny hoe ala matetika dia enti-milnza tanana 
sy fanjakana sy fanapahana, indrindra fa 
izay niavonavona ka voatendry ho fongorana 
(Isa. x. 18; xxxii. 19; Jer. xxi. 14; etc.). 
Mbola hita ao amin' ny tendrombohitr* iBa- 
sana sy Gileada sy Hormona any Galilia ny 
sisan' ny ala oka, izay betsaka fahiny ; fa 
ny ala sasany tany Palestina izay voalazan* 
ny Test. Tal. dia saiky tsy hita intsony ; 
zahao 1 Sam. xiv. 25; 2 Mpan. ii 23; etc. 
Ny to-hazo mahalana, dia oka na tera- 
binta vaventy, tahaka izay mbola hita any 
Hebrona sy Ela sy Silo ary Dana, dia sisan' 
ireo ala ireo ary vavolombelon' ny hatsaran' 
ny ala tany Palestina tamin' ny andro taloha 
ireny. — J 8. 

ALABASTABA: dia vato fotsy, malemy 
ka mora amboarina, sady tsara tarehy manga- 
nohano. Voalaza eo amin' ny Mat. xxvi. 7 
sy Mar. xiv. 3 ary Lio. vii. 37 izy. Alaba- 
stara no nataon' ny olona vata na tavoara 
fitchiriza-menaka tsara, ka ny vavany no 
notsentsenana loko mba tsy ho afaka ny 
hanitry ny menaka. Ny loko hiany angamba 
no nova kin' ilay vehivavy voalaza amin' ny 
Mar. xiv. 3.— J.pI. 

AL-AIELETH-HA8AEA : zahao salamo. 

ALEK8ANDKIA (Asa. xviii. 24; vi. 9): 
dia renivohitr' i Egypta, na tamin' ny nanja- 
kan' ny Grika, na tamin' ny nanjakau' ny 
Romana, na tamin' ny nanjakan' ny firenena 
Kristiana taty aoriana. Aleksandro, ilaympa- 
njaka malaza, no nanorina azy tokony ho ta- 
min* ny taona B.C. 332, ary izy koa no nanome 
ny marika hanaovana azy. Tamin* ny naha- 
f atesan* i Aleksandro, ny mpan jaka nandimby 
azy, izay natao hoe Pitolemy, no nahavita ny 
tanana. Tsy ela anefa dia tonga vitsy ny 
mpandranto nankao ; kanefa na ny isan' ny 
mponina, na ny harena nananany, dia betsa- 
ka indrindra. Ny emperora tany Roma tia 
azy noho ny varim-bazaha niditra sy namidy 
tao. Hatramin' ny taloha aza dia olona 
samy hafa razana no nonina tao Aleksandria. 
Aleksandro namela ny Jiosy honina tao ka 
nampitovy voninahitra azy tamin' ny Grika, 
izay vahoakany indrindra; ary dia niampy 
sy nitombo betsaka ny tanana tao aorian* 
izany. Ny dikan* ny Baiboly atao hoe 
Septoaginta (dia ny Test. Tal. nadika tamin* 
ny teny Hebreo, izay nanoratana azy voalo- 
hany, ho teny Grika) no natao ho an' ireo 
Jiosy ireo. Nisy mpitantara (Philo, B.C. 20) 
izay nanao ny isan' ny Jiosy nonina tao ho 
1,000,000 ; ary milaza koa izy fa ny roa ampa- 
hadimin* ny tanana no nitoeran* ny Jiosy 
avokoa, afa-tsy izay niara-nonina tamin' ny 
sasany. Jolio Kaisara (B.C. 100) sy Aogosto 
Kaisara (b.c 63) mbola namela ny Jiosy 
honina tao Aleksandria tsy maninona tsy 
maninona ; ary na dia nisy fanenjehana 
hiany aza indraindray, mbola nahatoetra tao 
hiany izy. Misy lovan-tsonna manao an' 
iMarka ho nitory ny nlazantsara tao; ary 
tamin' ny taona B.C. 100 mahery nisy 



Digitized by 



Google 



Ai_e i» 

hcritra hafahafa ny amin' ny finoana 
nipoaaky ny olona natao hoe 'Gnostika.' — 

J.l. 

ALEKSAXDBO (Mpanampy, na Mpamonjy 
By time) : din anaran' ilay mpanjakan' 
i Macedonia, izay mpiady malaza nandresy 
fonjakana maro ka dia tonga tompon' izao 
tontolo izao telon-jato taona talohan' ny 
nahaterahan' iKraisty (b.c. 338-323). Ny 
smrsny tsy voalaza eo amin' ny Baiboly, fa 
ny heriny ay ny halehiben' ny fanjakany no 
nunbaran' Andriamanitra tamin' ny nofy 
taznin' i Ncbokadnezara, mpanjakan' iBa- 
bylona, ary tamin' ny fahitana hitan' 
i Danicla mpaminany, fa noharlna tamin' ny 
osiUby izy ; zahao Dan. ii. 39 sy viii. 5-8. 
Aleksandro nanao soa t imin' ny Jiosy ; koa 
unin' iz my rchofa maty izy maro ny Jiosy 
no n-tn&nia-i araka ny anarany. Koa ef atra 
pa dimy ny oloaa voalizan' ny Test. Vao. 
bij natao boo Aleksandro, dia izao : — 

Aleluandro (I): zanak* iSimona any 
Kyrena, izay noteren' ny miaramili Romana 
hitoadra ny hazo-fijalian' iJesosy Kraisty 
(Mar. xv. 21 ; Rom. xvi. 13 ?). 

Aleksandro (2) : ha van' i Anasa mpisorona- 
hc izy (Asa. iv. 5). 

Alekiandro (3) : Jiosy anankiray tany 
Efesosy, izay nascsiky ny namany handaha- 
teny teo amin* iliy tabataba izay nataon' 
iDemetrio sy ny namany tony Efesosy 
aoho ny nitorian* i Paoly Apositoly tony tao 
(A*, xix. 33). 

Aleluandro (4) : Kristiana tany Efesosy 
izy, dia ban' izay nolavin' i Paoly eo amin' 
or I Tim. i. 20, satria izy sy Hymeneo 
efiniaraka nanao ratsy ka niala tamin' ny 
fiaoaaa sy ny fieritrerctana tsara, ary ny 
finoana no nataony toy ny vaki -sambo. 

Aleksandro ('>) : mpanefy varahina izay 
v*daza eo amin ny 2 Tim. iv. 14 izany, dia 
ihy lehilahy izay nanisy ratsy an' i Paoly. — 

I.7.X. 

[Araka ny hovitry ny sasany, olona iray 
hiany ihy Aleksandro fahefatra sy fahadimy 
foaliza teo.] 

ALFA: dia anaran' ny litera voalohany 
amin' ny abidin* ny Grika, ary sahala amin' 
ny A amin' ny abidy mahazatra ant&ika sady 
mitovy tarehy aminy hiany. "Izaho no Alfa 
*y Omega, ny voalohany sy ny farany, hoy 
ny Tempo' (Apok. i. 8; xxi. 6; xxii. 13). 
Koa dia oha-teny izany, enti-milaza ny 
falwtanter than' ny tcnany, toy ny hoo : 
Izaho no hatramin' ny voalohany ka hatra- 
c "n' ny farany. Ny hoo Omega dia litera 
f trany eo nrain' ny abidin' ny Grika, ary 
fcjhala amin' ny Olava na Oo amintsika. 
Hitovy hevitra amin' ireo teny ireo ny teny 
*«ny oo amin' ny Test. Tn\ ; zahao Isa. 
*H- 4 ; xliv. f> ; xlviii. 12. -p.a.r. 

ALFEO, na KLOPA («•) dia rain' ilay Apos- 
toly natao hoo "Jakoba kely" (Mat. x. 3; 
w. xy. 40 ; Lio. vi. 15). Ary raha marina 
»y beritry ny sasany fa olona iray hiany 



ALF 



Alfeo sy Klopa, ka Alfeo no anarany araka 
ny fanononnn' ny Grika azy, fa Klopasy no 
anarany araka ny fanononan' ny Hebreo na 
Syriana azy (ampitahao Jao. xix. 25 amin' 
ny Lio. xxiv. 10 sy Mat. x. 3), — Maria no 
vadiny, dia rahavavin' i Maria Virijina, 
renin' ny Tompo, sady isan' izay nijanona 
teo anilan' ny hazo-fijaliana tamin' ny naha- 
fatesan' i Jesosy ^Jao. xix. 25). Anefamisy 
ny sasany kosa nuhevitra fa vehivavy efatra 
samy hafa ireo nolazain' iJaona. Jodasy 
Apostoly, ''tsy Iskariota" (Jao. xiv. 22), no 
tokony ho anankiray tamin' ny zanaky Alfeo, 
fa izy no atao hoo "rahalahin' iJakoba" 
(Asa i. 13). Ary eo amin' ny Mar. ii. 14, 
Matio Apostoly koa no lazaina ho zanaky 
Alfiosy ; koa raha tahinv tsy Alfeo hafa io, 
Matio koa dia rahalahin i Jakoba kely. Nofa 
tsy azo fantarina izany, fa olona maro no 
natao hoe Alfeo, sady tsy nalahatra niaraka 
tamin' ny anaran* i Jakoba kely ny anaran' 
Matio, tahaka ny anaran' ny Apostoly sasany 
izay mirahalahy, dia Simona sy Andreo, ary 
Jakoba sy Jaona ; dia angamba anaran' olona 
roa samy hafa io Alfeo, rain* i Jakoba io, ary 
ilay Alfeo, rain' i Matio. — h.e.o. 

ALIKA sy AM BOA. Voalaza matetika ao 
amin' ny Soratra Masina izany biby izany. 
Mitovy amin' ny eto hiany ny tarehin' ny 
alika any Palestina. Ny soa azon' ny Zanak' 
Isiraely taminy dia ho mpiambina ny trano- 
ny (Isa. lvi. 10) sy mpitandrina ny ondriny 
(Job. xxx. 1). Any Syria sy ny tany hafa 
akaiky azy misy alika maro miara-mandcha 
any an-tsaha sy ao an-tanana amin' ny alina 
hitady fatin' olona na biby hohaniny (1 Mpan. 
xiv. 11; xvi. 4; xxi. 19, 23; xxii. 38; 
2 Mpan. ix. 10, 36 ; Sal. lix. 6, 14 ; Jer. xv. 
3). Koa amin' izany dia mankahala azy ny 
olona, ary izay fahavalony raasiaka sy'loza 
bo dia ataony hoe 'amboa' (Sal. xxii. 1C, 20]. 
Natao isan' ny 'biby maloto' ny alika, dia 
tsy nety nihinana azy ny Jiosy, na nitondra 
azy ho fanatitra amin' Andriamanitra (Isa. 
lxvi. 3) ; ary amin' izany, raha ta-hanisy 
anaran- dratsy ny olona izy, na *min' ny 
tenany, na amin* ny olona hafa, dia ataony 
hoe 'amboa' na 'alika* izy (I Sam. xxiv. 15 ; 
2 Sam. iii. 8 ; ix. 8 ; xvi. 9 ; 2 Mpan. viii. 
13). Ary koa, ny hoo 'amboa* no teny 
ncnti-milaza olona ratsy fanaliy (Sal. xxii. 
10 ; Mat. vii. G ; Fil. iii. 2).— i.d. 

ALINA: zahao andro. 

ALITABA na FANATERAM-PANATITRA. 
(Hcb. mizbeiik ; Eng. altar; Fr. autcl). Ny 
teny Hebroo nadika hoo 'fivoadiana' ao amy 
ny Baiboly Malagasy dia nalaina tamin' ny 
verba milaza 'ny mamono' (biby hatao fana- 
titra) ; ary angamba 'fanateram-panatitra' 
no dikany marina. Nefa kosa, satria tony 
lava loatra izany, ary 'alitnra' no teny fohi- 
fohy, sady fnnao amin' ny fltanin' ny tircnena 
maro, dia 'alitara' no hatao ankehitriny ho 
solon' ny hoe 'fivoadiana,' araka ny dikany 
ao amin ny Baiboly voahitsy hiany. 



Digitized by 



Google 



ALI so 

Ny alitara lazain' ny Baiboly voalohany 
indnndra dia izay nataon' iNoa rehefa 
nivoaka tamy ny Sambo-fiara izy (Gen. viii. 
20). Ary tamin' ny andron' ny Patriarka 
nisy alitara nataony teo amin'izay nitobiany, 
indnndra teo amin' izay nisehoan' Andria- 
manitra taminy ; koa izany no nanaovan' 
iAbrahama alitara (Gen. xii. 7; xiii. 18; 
xxii. 9), sy Isaka (xxvi. 26), sy Jakoba 
(xxxiii. 20; xxxv. 1, 3), ary Mosesy (Eks. 
xvii. 16). Ny ankabiazan' ireo dia natao 
hanateram-panatitra, fa indraindray kosa 
dia toa fahatsiarovana hiany izy, tabakaizay 
nataon* i Mosesy ka nomony anarana hoe 
"Jehova-Nisl," izany hoe "Jehova no Fane- 
vako." Ary tahaka izany, koa ilay alitara 
lehibe nataon' ny firenen' i Robena sy Gada 
ary ny antsasak' iManase tao atsinanan' 
i Jordana, ho vavolombelona fa nanana an jara 
tamin' ny fivavahana marina izy, na dia 
tafasaraky ny ony tamin' ny namany tao 
andrefana aza (Jos. xxii. 10-29). Ny alitara 
voalahany angamba dia alitara (any; ary 
araka ny Lai an' i Mosesy ny Zanak' Isiraely 
dia nasaina hanao alitara tany, na vato tsy 
voapaika, fa raha sendra voakapan' ny 
fiasana vy izy dia voaloto (Eks. xx. 24, 26). 
Ny anton' izany didy izany angamba dia 
andrao hisy endri-javatra eo amin ny alitara 
ka dia hodikaina ny Didy Faharoa. Tamin' 
ny andron' ny mpanjaka matetika nisy 
alitara natao teo an-tampon' ny havoana, 
indraindray hanaovana fanatitra ho an' 
i Jehova, na dia noraran' ny Lalana tsy 
hatao aza izany (Lev. xvii 8, 9 ; Deo. xii. 13, 
etc.) ; fa matetika kosa ireo alitara teo amin' 
ny fitoeran-avo ireo dia natao hofanompoan- 
tsampv (Deo. xii. 2). Dia nisy alitara na- 
taon l Solomona ho an' i Kemosy sy Moloka 
(1 Mpan. xi. 7) ; ary izy ireo noravan' i Josia 
sy nv mpanjaka tsaraf an ahysasany (2 Mpan. 
xxiii. 16). Ny didin' i Jehova anefa tsy mba 
notandremana tsara, fa nisy alitara nataon' 
ny Isiraelita tsara fanahy aza, dia Gideon a 
(Mpit. vi. 24) sy Samoela (1 Sam. vii. 9, 10) 
sy Davida (2 Sam. xxiv. 25) sy Solomona 
(1 Mpan. iii. 4) ary Elia (xviii. 32). Natao 
teo ambonin' ny tampon -trano indraindray ny 
alitara (2 Mpan. xxhi. 12). Fa ny alitara izay 
fanao tamin ny fombam-pivavahana nasain' 
Andriamanitra hotandreman'ny Jiosy dia roa : 
(1) Ny alitara varahina lehibe teo amin' ny 
kianjan' ny Tabcrnakely sy ny Tempoly, izay 
fandoroana ny biby natao fanatitra ; ary (2) 
ny alitara volamena fandoroana ny ditin-kazo 
manitra ; dia holazaina ny fombany avy. 

1.— Ny alitaban' ny fanatitra odorana. 
Natao hoe "ny latabatr' i Jehova" izy io : 
"Fa ny Levita mpisorona, . .hiditra ao amin' 
ny fitocrako masina sy hanatona ny latabatro" 
(Ezek. xliv. 15, 16 ; Mai. i. 7, 12), satria 
naterina ho an' i Jehova ny biby nodorana 
teo amboniny. Tsy dia nitovy ny halehiben' 
io alitara io, nn ny tarehiny, tamin' ny andro 
rehetra. I 



ALI 




Alitara varahina tao amin' ny Kianjan 1 ny 
Tabernakcly. 

1. — Ny Alitara varahina tao amin' vy Taber- 
nakcly (Eks. xxvii. 1-8; xxxviii. 1-7). Vata 
hazo akasia nopetahana takola-barahina izy 
ary hobokaty ; dimy hakiho efa-joro ny 
halehibeny, ary telo hakiho ny hahavony. 
Teo amin' ny zorony efatra dia nisy zavatra 
nitranga toa tandroka, ary izy ireo dia na- 
matoran' ny biby ef a hovonoina (Sal. cxviii. 
27), sady nandosiran' ny olona roeloka haha- 
zoany fiarovana amin' ny fijaliana tokony 
hahatratra azy (Eks. xxi. 14 ; 1 Mpan. i. 
50). Nony natokana hanao ny raharahan' 
ny fisoronana uy mpisorona, ary tamin' ny 
nanaterana ny fanatitra noho ny ota, ny ran' 
ny biby naterina dia nafafy tamin' ny ta- 
ndroky ny alitara (Eks. xxix. 12 ; Lev. iv. 
7) . Nanodidina ny alitara, sady teo an-tena- 
ntenany, dia nisy harato varahina nitranga 
hatao lalana halehan' ny mpisorona mano- 
didina ny alitara hanamboarany ny afo, etc. 
Ary nisy harato varahina hametrahana ny 
afo sy ny tapatapaky ny biby hodorana. 
Tao amin' ny zorony efatra nisy masom- 
barahina hanisiana ny bao hazo sy varaliina 
hilanjana ny alitara raha nihndra toby ny 
olona. Ny mpisorona norarana tsy hiakatra 
amin' ny alitara amin' ny ambaratonga (Eks. 
xx. 26), dia heverin' ny sasany fa nisy fiaka- 
rana tany niandrimandry soroka, hiakarany 
hanaovana ny raharahany ; ary heverin' ny 
sasany koa fa nofenoina tany ny tao anatin' 
ny alitara. Ny zavatra hafa fomban' ny 
alitara varahina dia lazaina ho (I) vilany, 
handraofana ny lavenona ; (2) sotron' afo, 
hanamboarana ny afo ; (3) loWa, handraisana 
ny ran' ny biby sy hamafazana azy ; (4) fitre- 
bika, hanesorana ny hena avy tamin* ny 
fitanehana (1 Sam. ii. 13, 14) ; ary (5) fito- 
ndran-afo, hitondrana vain- afo avy tamin' 
ny alitara (Lev. xvi. 12), na handoroana 
ny ditin-kazo-manitra (Nom. xvi. 6, 7). 
Varahina ireo fanaka rehetra ireo (Eks. 
xxvii. 3). 



Digitized by 



Google 



ALI 



U 



ALI 



Alitara lehibe tao amin' 1 ny Kianjan ny Tempoly Fahurod. 



2.—Xy alitara varahina tao ainitC uy Te- 
mpolxH % Solomona. Lehibebe kokoaio alitara, 
io, fa lehibe ny Tempoly noho ny Tabcrna- 
kely. Kfa-joro izy, fa ny halavany sy ny 
Kakany dia 20 hakiho, ary ny hahavony 10 
hakiho (2 Tant. iv. 1) ; ary varaidna avokoa 
izy, fa tiy natao amin' ny hazo akory (1 Mpan. 
viii. 64 ; 2 Tant. vii. 7). Natao nisy anda- 
lana na ambaratonga telo izy, ary raha toy 
ny hevitry ny sasany, dia nisy koronosiny koa 
m araka taniin' izy telo ; zahao Ezck. xliii. 17. 
A>» mpanjaka no nanamboatra sy nanka- 
masina indray io alitara io (2 Tant. xv. 8), 
fa nesorin' i Ahaza izy rehefa vita ny vaovao 
hUolo azy (2 Mpan. xvi. 14). Nodiovin' 
i Hezekia io alitara io (2 Tant. xxix. 18), 
my Manage, rehefa nibebaka izy, dia nana- 
mboatra azy indray (xxxiii. 1G). 

3. — Xy alitara tao amin" ny Tempoly Faha- 
ro*. Tsy misy teny milaza izany loatra, afa- 
Uy Lzao, fa naorina talohau' ny nanaovaua 
ny fanorenan' ny Tempoly izy, sady teo 
amin' Lzay nipetrahan' ny alitara voalohauy 
hiany (Ezr. iii. 2). Araka ny teny ao amin' 
ny bo kin' ny Makabiosy (1 Mak. iv. 47), dia 
vato, fa tsy varaliina, no nanaovana azy ; 
arynolotoin' iAntiokosy, mpanjakan' i Syria, 
izy sady noravany. 

4. — Ny alitara teo amin' ny Tempoly nataon 
\Heroda. Izao no tenin' i Josef osy milaza 
air: "Teo anoloan* ny Tempoly nisy ny 
alitara, 16 hakiho ny hahavony, ary ny 



halavany sy ny sakany mitovy, dia 50 hakiho ; 
efa-joro izy, ary nisy zorony toa tandroka 
nitranga teo amboniny ; ary teo amin' ny 
ilany atsinanany nisy fiakarana mora hiaka- 
raua aminy. • Tsy nisy fiasana vy nenti- 
nanaovana azy, ary tsy nisy vy nanendry 
azy akory." Araka ny boky hafa koa, dia 
natao vato tsy voapaika io alitara io, ary 
nofotsiana tany ravo indroa isau-taona, dia 
tamin' ny Andro Pontekosta sy ny Andro 
tiravoravoana fitocrana un-Trano Rantsan- 
kazo. Ny tandroka teo amin' ny zorony 
atsimo-andrefana dia natao poakaty, ha- 
ndraiHana uy ran' ny biby voavono, ary nisy 
lalana avv tao ambaniny hitondrana azy 
tao amin ny Lohasahan-driaka Kidrona. 
Tao ambanin' ny alitara nisy lavaka ha- 
ndraisana ny fanatitra aidina, izay voasarona 
vato fisaka. Tao amin' ny ilany avaratra 
nisy masoin-barahina maro hamatorana ny 
biby efa hovonoina ; ary tao an-tenantenan' 
ny lafiuy nisy soratra mena ho marika 
izay hamafazana ny ra. Araka ny Lalana 
dia nasaina hovelomina mandrakariva ny afo 
teo ambonin' ny alitara (Lev. vi. 2, 5, 6], fa 
tandindona sy famantaran' ny fivavanana 
amin' iJehova, izay tsy tokony hat&aha- 
tra akory. Fa satria toa fototry ny fiva- 
vahana rehetra izay fanaon' ny Zanak' 
Isiraely ny fanatitra odoraua, ny nahafato- 
san' ny afo dia toy ny nitsaharan* ny 
flvavahana. 



Digitized by 



Google 



ALI 



Alitara fandoroana ny Diiin-kazo manitra. 

II. Ny alitara fandoroana ny ditin - 
kazo manitra, izay natao hoe koa "ny alitara 
volametta," mba hanavaka azy amin' ny 
alitara fandoroara-panatitra, izay natao hoe 
koa "ny alitara varahina* (Eks. xxxviii. 30). 
Tsy nisy biby natcrina teo ambonin' io 
alitara io, fa ny ditin -kazo manitra hiany no 
nodorana too ; ary tamin' ny Andro Fana- 
votana ny ran' ny biby naterina noho ny 
ota no nafafin' ny mpisoronabo teo ainboniny 
(Eks. xxx. 1-10; xxxvii. 2u-28). Io alitara 
io hiany no lazaina ho hita tao amin' ny 
tompoly any an-danitra (Isa. vi. G ; Apok. 
viii 3, 4). 

1 . — Ny alitara volamcna tao amin 1 ny Tabc- 
rnakely dia natao amin' ny hazo akasia ka 
nopetahana takela-bolamena ; ofa-joro izy, 
iray hakiho avy ny lafiny efatra, ary roa 
hakiho ny hahavony, Nisy tandroka teo 
amin' ny zorony efatra, ka niray tamin* ny 
ten an' ny alitara izy. Too an-tampony no 
nandoroana ny ditin -kazo manitra, ury nisy 
koronoey volamena nanodidina azy. Teo 
ambanin' ny koronosy nisy masom-bolamcna 
efatra, roa teo anilany avy, ho fitoeran' ny 
bao hilanjana azy. Teo anoloan' ny laraba 
efitra izay nanakona ny Fiara, dia tao amin' 
ny Fitoerana Masina, no naraetrahana io 
alitara io. 

2. — Ny alitara volamcna tao amin'' ny Te- 
tnpolin' i Solomona dia sahalahala tarehy 
amin' izay nataon' i Mosesy, nefa natao ' 
tamin' ny hazo sedera, fa tsy hazo akasia izy 
(I Mpan. vi. 20; 1 Tant. xxviii. 18). 

3. — Ny alitara volamcna tao amin ny Tc- 
mpoly nataon' i Zcrobabcla dia nalain* Antikosy, 
mpanjakan' i Syria (1 Mak. i. 21). Fa nisy 
alitara hafa nataon' iJodasy Makabiosy 
indray hisolo azy. 

III. — Nisy alitara niRiKY (tanimanoa), 
izay lazaina ao amin' ny Isa. lxv. 3. 

IV. — Ny alitara "no an' izay Axpriama- 
nitra tsi-fantatra" (Asa. xvii. 23). Efa 
nisarahan-kovitra bo hiany izay tokony ho 
anion* izany soratra hitan' i Paoly any ny 



* ALM 

Atcna izany. Nony nandaha-tcny teo amin' 
ny Aroopago izy, dia nolazainy fa efa nahita 
alitara nanana soratra tahaka izany ; ary 
mifanaraka amin' ny tenin' i Paoly ny tenin' 
ny mpanoratra hafa koa, izay manao hoe fa 
maro ny alitara toy izany tao Atena. Rah a 
toy ny tenin' ny sasany, nisy aretina mafy 
nitindrafindra tao Atena, ary rehofa nanate- 
rana fanatitra ny sampy sy ny andriamanitra 
rehetra izay fantatra, nefa mbola loza hiany 
ny aretina fa tsy nitsahatra, dia nanorina 
alitara ho an' izay andriamanitra tti-fantatra 
izy, andrao hisy hafa izav tezitra ka nana- 
tonga izany loza izany. Hoy ny sasany kosa 
fa nisy alitara sasany ela izay tsy nanana 
anarana, kanofatsy mba noravana izy andrao 
mahatezitra ny andriamanitra nivavahana 
tao, ka dia nasiana soratra hoe izy : "Ho an' 
izay andriamanitra tsi- fantatra." Ary hoy 
ny sasany indray, fa angamba ny anaran' 
i Jehova efa ren' ny Ateniana, dia nanorina 
alitara taminy izy, na dia tsy fantany aza 
izay fombany, na ny fivavahana mety ho 
Azy. — J.s. 

ALMOGA: ity tcny ity dia anaran' ny 
karazan-kazo anankiray izay nentina avy 
tany Ofira (India ?) tamin' ny andron' i Solo- 
mona tao amin' ny sambon' i Hirama, 
mpanjakan' iTyro, niaraka tamin' ny vola- 
mena sy ny vato soa ; ary ny hazo almoga 
no nonti-nanaovan' i Solomona nv Tempoly 
sy ny tranon* andriana, ary ny lokanga sy 
ny valiha ho an' ny mpihira (1 Mpan. x. 11 ; 
2 Tant. ii. 7 ; ix. 10, 11). Tsy hita marina 
izay hazo voalazan' ny hoe 'almoga' ; raha 
tahaka ny hevitry ny maro ancfa, ilay 
hazo tsara volo sady manitra, izay maniry 
any India sy any Asia Atsimo-atsinanany 
ka atao hoe sandal -wood amin' ny tena 
Englisy (Santalum album na Plerocarpui 
santalinux), no tokony ho izy. Mbola lafo dia 
lafo izany hazo sandal izany, ary dorana bo 
dia be ao amin' ny tempolin-tsampy any 
Tsina noho ny fofony manitra izy. — J.s. 

AL-MOTH-LABEN : zahao salamo. 

ALONA : dia teny Hebrco izay anaran' ny 
hazo lehibc sy mateza anankiray izay maniry 
any Palestina, angamba ilay atao hoe oak 
(oka) amin' ny tcny Englisy. Nisy tanana 
anankiray tany Palestina izay natao hoe 
Alon-bakota ('Oka fitomaniana'), noho ny 
fisaonana natao tany ho an' i Debora, ilay 
mpitaiza an* i Robeka, vadin' Isaka (Grcn. 
xxxv. 8). Vakio koa tererixta. — j.s. 

AMALEKA: zanakalahin' i Elifaza (lahi- 
matoan' i Esao) sy Timna vaditsindranony ; 
loholona na andrianan' ny firencua natao hoc 
Amalekita izy (Gen. xxxvi. 12, 16).— j.s. 

AMALEKITA : anaram-pirenena izay noni- 
na tany amin' ny Pcninsolan' i Sinay sy ny 
tany laya-volo ao anclanelan' iKanana sy 
Egypta.(Oen. xiv. 7; 1 Sam. xv. 7); ary 
taranaV ilay Amaleka voalaza too izy, arak'a 
ny hevitry ny olon-kondry maro. Olona tsy 
nipotraka tao an -tanana ny AmaloMta, fa 



Digitized by 



Google 



AMA «» 

nirenireny tany on-efitra tahaka ny Arubo 
izy. Ny hareny dia omby ey ondry aman- 
osr *y rameva ary boriky, ka ny miandry azy 
no foto-drah&rahany. Tamiu' ny nande- 
handeb&nan' ny Zanak' Isiraely tany an- 
efitni, dia nivoaka nisakana azy ny Amalekita 
sy niady taminy ary naraono ny malemy 
?yny rt-ruka (Eks. xvii. 9-15; Deo. xxv. 17, 
18); fa noresen' iJosoa tany Refidiina 
ixy raha nivavaka fatratra Mosesy. Taty 
ttoriana dia niandany tamin' ny Kananita 
izy, ary izy roa tonta nandresy ny Zanak' 
Iaraely tany Horma (Nom. xiv. 45) ; ary 
teo aoriana indray dia niaraka tamin' ny 
Moabita sy ny Amonita hiady amin' ny 
Isiraely izy (M!pit. iii. 13). Nefa notsaro- 
van' Andnamanitra ny ratsy nataony ; koa 
raha vao nanjaka Saoly, mpanjakan' ny 
Iaraely voalohany, dia izy no na sain* Andria- 
manitra handeha hiady amin' ny Amalekita 
sy handringana azy avokoa (1 Sam. xv.). 
Dia namely azy mafy hiany Saoly, saingy 
tsy mba notanterahiny tsara ny didin' i Jeho- 
Ta; faDavida kosa namely azy indray, ka 
tey nifty afaka nandositra (1 Sam. xxvii. ; 
ux.; zahaokoa 1 Tant. iv. 43).— t.l. 

AMAKTA : dia anaran' ny olona maromaro, 
ny ankabiazany dia mpisorona, izay voalazan' 
ny Test Tal. ; ary izao ny teny milaza 
azy avy; 1 Tant. v. 37; 2 Tant. xix. 11; 
1 Taut, xxiii. 19; xxiv. 23; Ezr. x. 42; 
Neh. x. 4; xi. 4. Ny voalohany sy ny 
faharoa tamin' ireo Amaria ireo dia mpiso- 
ronabe.— j.s. 

AXA8A : izy dia zanakalahin' i Jetera sy 
Abigaila, anabavin' i Davida (2 Sam. xvii. 
25). Niandany tamin* i Absaloma tamin' ny 
niodinany tamin' i Davida izy, ary dia 
notendren' i Absaloma ho komandin' ny 
miaramilany ; kanefa noresen' i Joaba avokoa 
izy sy ny miaramilany tao amin' ny Alan' 
iEfraima (xviii.). Ary nony tezitra tamin' 
i Joaba Davida noho ny namonoany an' 
i Absaloma, dia navelany ny helok' iAma- 
sa, ka nanendry azy ho komandy hisolo 
an' i Joaba izy (xix. 14). Kanefa taoaorian' 
"any indray, nony niaraka izy roa lahy 
nanenjikaan' iSeba mpiodina, Joaba nanao 
fitaka toa efa hiarahaba an' iAmasa, dia 
nandray ny volon-teomotr' i Amasa izy horo- 
bany. Kan jo nitana aabatra teny an-tanany 
aniaviany izy, dia nasiany teo an-danivoan' 
iAmasii, ka nahaiaty azy izany (xx. 10). — 
J.8. 

AMASA Y : niay olona efa-dahy avy tamin' 
ny taranak' i Levy izay natao boe Amasay ; 
wyizaony teny milaza azy avy : 1 Tant. vi. 
10; xii. 18; xv. 24; 2 Tant. xxix. 12.— j.s. 

AKAZIA: dia zanakalahin' i Jouny sy 
nipanjaka fuhavalo tamin* ny filaharan' ny 
mpanjakan' ny Joda, ary nanjaka b.c. 837- 
^ izy. Nandiinby an-drainy izy laha 
aibola 25 taona ny andro niainany ; dia 
aaaoono izay efa namono ny rainy, nefa tsy 
nataony inona ny zanak' ireny, arakany didin' 



AMA 

Andriamanitra ao amin' ny Deo. xxiv. 16 
(2 Mpan. xiv. 6). Dia nitondra tafika tany 
Edoma izy ka nandresy ny Edomita ary 
iu»haf.«ka an' iSela (im Petra), izay reni- 
vohitry ny taniny (2 Tant. xxv.). Kanefa 
nanao diso tamin* izany Amazia, fa naka ny 
Bampin* ny Kdoraita ka nanompo azy; 
koa amin' izany dia tezitra Jehova ka 
naniraka mpaminany hananatra azy. Ary 
dia toy izao no nampijalian' Andriamanitra 
azy : nirehareha Amazia ka naniraka hihaika 
an' i Joasy, mpanjakan' ny Isiraely ; ary na 
dia nalain-kiaay aza Joasy, dia tay nahazo 
uanda tay hiadv izy noho ny nataon* 
i Amazia. Dia mady ny miaramifan' izy roa 
tonta, "dia resy too anoloan' ny Isiraely 
ny Joda." Ary Amazia dia nosamborin' 
i Joasy ; ary ny mandan' i Jerosalema, dia 
hatramin' ny efa-jato hakiho, no noravan' 
i Joasy, ary betaaka koa ny babo nentiny avy 
tany «f erosalema sy tamin' ny Tempoly . Ary 
taorian' izany indray dia nisy mpanompon' 
i Amazia niodina taminy ka namono azy 
tany Lakisy, izay efa nandosirany. 

Nisy olona telo lahy koa izay natao hoe 
Amasia ; zahao 1 Tant. iv. 34 ; vi. 20 ; Amo. 
vii. 10.— j.8. 

AMBOADIA na LOPA (Lat. lupus ; Eng. 
wolf; Fr. hup) : tamin' ny andro taloha 
betaaka ny lopa tany Palestine, fa ankehi- 
triny vitsy hiany izy. Eo amin' ny Soratra 
Masina ny anaran' ny lopa dia ohatra enti- 
milaza ny fahavalo masiaka sy mamadika 
(Gen. xlix. 27 ; Ezek. xxii. 27 ; Hab. i. 8 ; 
Mat. vii. 15). Biby toy ny amboa izy, 
kanefa lehibe sy matanjaka noho ny amboa ; 
ny halavany tokony ho telo fita sy tapany, 
ary tokony ho roa fita sy tapany no faha- 
vony. Ny tarehin' ny volony dia maramara, 
mavomavo somary fotsy, ary henjana ey 
masiak' endrika izy. Ny lohany dia lehibe 
noho ny an' ny amboa, ny vavany dia mala- 
ladalaka kokoa, ny masony lobo kely ary 
misompirana ka saiky mifanitsy amin' ny 
orony. Tsy hita matetika amin' ny an toa - 
ndro ny lopa, fa miery any amin' ny ala 
maizina izy ambara-pahafatin' ny masoandro, 
dia mandeha mangingina izy mba bitady 
ny tohany (Jer. v. 6 ; Zef. iii. 3). Faha- 
valon' ny ondry indrindra ny lopa (Mat. 
x. 16 ; Lio. x. 3 ; Jao. x. 12). Ary Isaia 
mpaminany, raha nitady famantarana mba 
hilazana ny fiadanan' izao tontolo izao raha 
Jesosy no Mpanjaka tokoa, dia nanao hoe : 
"Ny amboadia (lopa) koa hiara-mitoetra 
amin' ny zanak' ondry" (Isa. xi. 6 sy lxv. 
24, 25).— i.d. 

AMB0AHA0L0 na VOLPA (Eng. fox; 
Lat. tulpes). Misy teny vitsivitsy ao amin' 
ny Soratra Masina milaza ny amboahaolo 
na volpa, ary amin' ny Baiboly Malagasy 
dia amboahaolo hiany no dikan' izy rehetra ; 
Neh. iv. 3; Mpit. xv. 4; Sal. lxiii. 10; 
Ton-K. ii. 15; Fitom. Jer. v. 18; Ezek. 
xiii. 4 ; Mat. viii. 20 ; Lio. ix. 68 ; xiii. 32. 



Digitized by 



Google 



AMB 

Toy ny amboa indrindra izy, ary tahaka 
ny lopa (wolf) koa, kanefa kely kotoa noho 
ireo izy, ary fohy izy, fa tsy mihoatra noho 
ny roa fita sy telo intsa ny halavany. Ny 
rambony dia lava sy be volo noho ny nu' ny 
amboa ; toy ny lopa ny sofiny, fa fohy sady 
ranga ; lehibe ny lohany, kanefa kely sady 
kitsoloha ny orony toy ny amboa lava-vava. 
Ny masony kosa mitovy amin' ny mason' 
ny lopa, fa ny fombany samy hafa noho ny 
toetry ny mason' ny amboa ; ilay manodidina 
ny anakandriamasony, rah a mihakely mba 
hidiran' ny fahazavana kely hiany, dia 
miova ho boribory somary lavalava nefa 
misompirana ; fa ny mason ny amboa raha 
mihakely dia boribory hiany toy ny mason' 
ny olona. Ary akaiky fijery ny amboahaolo. 
Mahare fofona ratsy indrindra raha mana- 
kaiky azy isika. 



Ny Amboahaolo (Volpa). 

Misy amboahaolo amin' ny tany maro ; 
ary samy hafa ny volony : misy ny sasany 
mainty, ary misy manga koa, ary ireo no 
tian' ny olona indrindra fa vitsy ary saro- 
bidy ; ny vidin' ny hoditry ny iray hiany 
raha mainty dia ariary enim-polo indraindray ; 
misy koa fotsy sy sada, fa ny ankabiazany 
dia mena. Tsy vaky maso ny zanaky ny 
amboahaolo raha vao teraka, toy ny zanak' 
amboa hiany ; mihalehibe izy hatramin' ny 
roa taona, ary tokony ho roa ambin' ny folo 
taona no hahclan' ny andro iainany. 

Ny lihinan' ny amboahaolo dia zanak' 
ondry sy vorombe sy akoho sy hera sy 
rabitro ary vorona madinika maro karazana ; 
raha tsy xnahita biby tahaka ireo izy, dia 
tsy mampaninona azy izany, fa homana 
menarana sy androngo sy saobakaka sy 
sahona sy sokina sy voalavo ary totozy, 
etc., ary koa, hazandrano sy orana sy foza ; 
ary raha noana izy, dia fakan-kazo sy zava- 
maniry aza no haniny ; kanefa ny zavatra 
tiany indrindra dia ny voaloboka, ary 
manimba ny tahom-boaloboka maro any 
Frantsa izy ; ary tia tantely koa izy. Raha 



M AMB 

be ny hanina dia afeniny amin' ny loaka 
maromaro any an-ala, kanefa amin' ny alina 
hiany no itadiavany toha. — I.d. 

AMBORADARA. Tsy asam- pan jaitra hiany 
ny amboradara izay voalazan' ny Soratra 
Masina, fa haingo voatenona amin' ny 
laraba ; hoatry ny ankotofahana tsara tenon a 
eto amintsika ny sasany. Ny akanjon' ny 
mpisoronabe, dia ilay "hariry madinika misy 
amboradara" ("tenom-boaroy," amin' ny 
Baiboly Voahitsy, Eks. xxviii. 39), dia 
araka izany hiany ny fombany, misoratso- 
ratra ny nanenomana azy, kanefa fotsy 
dahaolo hiany izy. Ny amboradara sasany 
kosa dia natao tamin' nv fanjaitra; ny 
sasany nozairina tamin' ny tofehy volamena, 
ary ny sasany tamin' ny kofehy mena sy 
mangainona, etc. Tahaka izany ny fomban' 
ny lamba nahantona tamin' ny varavaran* 
ny Tabernakela (Eks. xxxvi. 37), ary, na 
ny lehilahy na ny vehivavy, samy nisy 
nahay izany amboradara izany (Eks. xxxv. 
35) . Noheverin' ny olona fa tsara dia tsara 
izay haingo nisy amboradara maro soratra 
(Mpit. v. 30).* Tsy misy teny milaza ny 
amboradara amin' ny Test.. Vao., fii amin' 
ny Taloha hiany, indrindra fa amin' ny 
filazana ny fomban' ny Tabernakely sy ny 
Tempoly. — j.pI. 

A MENA. Teny Hebreo ny hoe A mena, 
ary ny heviny, raha adika ho Malagasy, dia 
tnafy, na marina, na mahatoky. Andriama- 
nitra dia lazain' Isaia hoe : "Andriamanitry 
ny Amena" (Isa. lxv. 16), koa mitovy 
hevitra amin' ny hoe ' ' Andriamanitry ny 
fahamarinana." Ary amin' ny Test. Vao. 
Jesosy Kraisty koa dia atao hoe: "Ny 
Amena" (Apok. ill. 14), satria marina sy 
mahatoky Izy, ka azo iankinana avokoa izay 
teny ataony. Raha nisy nampianianina 
tamin' ny Jiosy, dia nasaina nanao 'Amena' 
izy, relief a vita ny aniana (Nom. v. 22). 
Ary raha nisy nanao saotra na vavaka koa, 
dia nasaina nanonona ny hoe 'Amena' ny olo- 
na, ho f amantarana ny anekeny tsara ny teny 
voalaza (1 Tant. xvi. 36 ; Neh. viii. 6 ; 
zahao koa Deo. xxvii. 15-26 ; Neh. v. 13). 
Tamin' ny andron' ny Apostoly dia fanao 
ny manonona 'Amena' ao amin' ny trano- 
fiangonana, rehefa tapitra ny vavaka natao 
(1 Kor. xiv. 16). Ny Tomponteika koa raha 
nampianatra dia nanao 'Amena' matetika 
hanamafy ny teniny, fa ny teny adika hoe : 
"Lazaiko aininareo marina tokoa," dia azo 
atao hoe: "Lazaiko aminareo Amena." 
Indraindray dia naveriny indroa aza ny 
Amena, toy ny manao hoe : "Lazaiko ami- 
nareo Amena dia Amena" (Jao. i. 51 ; v. 19, 
24. 25 ; etc). — w.e.c. 

AMETYSTA : zahao vato soa. 

AMFIPOLIA : dia tanana tany Makedonia, 
izay nolalovan' i Paoly sy Silasy tamin' ny 
nalehany avy tany Filipy hankany Tesalo- 
nika (Asa. xvii. 1). Tokony ho 33 maily 
ny lialavirany amin' i Filipy. — j.s. 



Digitized by 



Google 



AMI X 

AMIKLA : dia anaran' ny olona efa-dahy 
rnalazan' ny Test. Tal. ; zahao Nom. xiii. 
12; 2 Sam. ix. 4 ; 1 Tant. iii. 5 ; xxvi. 6.— 

J.8- 

AMIHODA : dimy ny olona natao hoe 
Amihoda, ary izao ny teny milaza azy avy : 
Nona. L 10 ; xxxiv. 20, 28 ; 2 Sam. xiii. 37 ; 
1 Tant. ix. 4.— J.8. 

AMI HAD ABA (Afpanompon 1 ny andriana, na 
Vakoakan' ny andriana) . (1) lean* ny razan' 
i Davida ay Kraisty izy (Mat. i. 4). Zanak' 
i Aroma izy, aady rain* i N a sou a ay Eliseba, 
izay nampakarin'-i Arona ho vadiny (Eks. 
ri 23). 

Aminadaba (2) : lehilahy anankiray izay 
naaain' i Davida hampakatra ny Fiaran' 
i Jehova ho any am in' ny trano efa namboa- 
rin' i Davida ho azy (1 Tant. xv. 11-12). 
London' ny Zanak' Ioziela, * avy amin' ny 
taranak* iLevy, io Aminadaba io (and. 
10).— J.S. 

AMHOHA : dia zanakalahy matoan' i Da- 
vida »y Ahinoama vadiny, izay teraka tany 
Hebrona. Ary nony lehibe izy dia ratsy 
indrindra no nataony, fa nisavika an' iTa- 
mara anabaviny izy, araka ny sain-dratsy 
nomen* i Jonadaba sakaizany azy. Koa noho 
izany dia tezitra loatra Absaloma, izay ana- 
dahm* i Tamara iray tam-po taminy, ka 
namono an'iAmnona (zahao 2 Sam. xiii.). 

—J.S. 

AM OH A (Mpiata, na Mpanao zavatra). (1) 
Zanak' i Manase izy, ay mpanjaka fahefatra 
ambin' ny folo tamin' ny Joda. Vao nanjaka 
B.C. 644 izy ary nanjaka roa taona. Amona 
tey mba nety hendry tamin' ny fahoriana 
nan jo an' i Manase rainy noho ny fahotany, 
fa nanompo aampy izy ary nanangana indray 
ny sary sy ny endn-javatra izay nazeran' 
i Mana&e. "Ary nahafoy any Jehova, An- 
driamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha 
tamin' ny lalan' i Jehova. ' ' Ny mpanompon' 
i Amona nirai-tetika ka namono azy tao an- 
tranony ; fa ny vahoaka kosa namono izay 
rehetra niteti-dratsy an' i Amona, ary na- 
mnanjaka an' i Josia zanany, izay zaza vao 
vaio taona hiany tamin' izay ; zahao 2 Mpan. 
xxi. 19-26 ; 2 Tant. xxxiii. 21-25. 

Amona (2) : governora tany Jerosalema izy 
tamin' ny ahdron' i Ah aba, mpanjakan' ny 
Iwraelv (1 Mpan. xxii. 26; 2 Tant. xviii. 
25).— i.s. 

AMOHA (Jer. xlvi. 25): dia anaran-taampy 
izay niTavahan' ny Egypt iana. Tany Tebesa 
ny tempoliny izay malaza indrhldra, sady 
tao, bono, no namaliany teny Lzay olona avy 
nanadina nympisorona nanompo azy. To- 
beaa no tanana natokana ho azy, ka dia 
nataon* ny mpaminany hoc No sy No- Amona 
no anarany (Neh. iii. 8: Ezek. xxs. 15, 
IS). 

Ny sarin' i Amona izav mbola hita ao arain' 
ny tranon-tsampy any Egypta dia toa olona 
u? tenany, fany lohany dia lohan' ondrilahy, 
ary manga ny sorany. Ny mponina tany 



AMO 

Tebesa nifady ny hen* ondry ho fanajana an* 
i Amona, fa nanatitra ondrilahy taminy ho 
fanalamboady isan-taona izy. — J.s. 

AMOHA na AMOHITA : dia anaran' ny fi- 
renena izay taranak' i Beiiamy, zanak' i Lota, 
avy tamin' ny zanany faravavy (Gen. xix. 
38). Ny tany nonenany dia tao atsinanan' 
ny tanin' ny Amorita, ary nosarahin' ny ony 
Amona tamy ny tany Moaba tao atsimony. 
Ny teny eo amin' ny Deo. xi. 20 no ahafa- 
ntarantsika fa olona vaventy natao hoe 
Zamzomita no tompon' izany tany izany 
tamin' ny voalohany, ambara-pahareain' ny 
Amonita azy ka noroahiny. Ny ony Jaboka 
no f aritry ny tanin' ny Amonita tao avaratra, 
ary ny efitr i Arabia tao a tain an ana (Nom. 
xxi. 24 ; Deo. ii. 37). Olona tsy zatra ny 
mitoetra an -tanana loatra ny Amonita, fa 
nifindraflndra toerana mandrakariva izy ka 
uiriorio tany an-efitra. Olona masiuka aady 
fetsy izy ary niady matetika tamin' ny 
firenena haf a izay nanodidina azy. Nif anka- 
hala ny Zanak' Isiraely sy ny Amonita noho 
ny t9y netezan' ny Amonita hanampy ny 
Zanak' Isiraely raha nanakaiky an' i Kan an a 
izy ; ary indrindra fa noho ny nanambazany 
an' i Balama hanohitra sy hanozona ny Isi- 
raely (Deo. xxiii. 4). Naharitra ela dia ela 
izany fifankahalana izany, sady anton' izay 
niadiany tamin' ny Zanak' Isiraely lalandava 
tao aoriana. 

Tamin' ny andron' ny Mpitsara ny Amo- 
nita navelan' Andriamanitra handresy ny 
Zanak' Isiraely noho ny fahotany, ka dia 
nampahory azy valo ambin' ny folo taona izy 
(Mpit. x. 6 ; xi. 33). Fa raha nibebaka ny 
Zanak' Isiraely ka nanaiky ny fahotany, 
Jefta no natsangan' Andriamanitra hamonjy 
ny olony, ka dia nandresy ny Amonita izy. 
Ary tamin' ny aoriana, nanan-kery indray 
ny Amonita ka nampahory ny Zanak' Isira- 
ely, kanefa naringan' i Saoly izy (1 Sam. 
xi.) Tamin' ny andro voalohany nanjakan' 
i Davida dia tsy niady ny Amonita sy ny 
Zanak' Isiraely ; fa taoriandrian' izany dia 
tezitra loatra Davida noho ny zavatra maha- 
menatra indrindra nataon' ny Amonita tamin' 
ny iraka nirahin' i Davida hiarahaba ny 
mpanjakan' ny Amona, izay vao nanjaka 
nandimby an-drainy (2 Sam. x. 1-6). Koa 
amin' izany, Joaba, mpif ehy ny miaramilany, 
no nirahin i Davida hiady amin' ny Amonita, 
ka dia resin' i Joaba izy, mbamin' ny Syriana 
izay efa niandany taminy (2 Sam. x. 19j. 
Tamin' ny taona inanaraka izany, Raba, reni- 
vohitry ny Amonita, no lasan' i Davida, 
ka nahazoany babo be (2 Sam. x., xii. 26- 
31). 

Tamy ny andron' i Josafata, mpanjakan' 
i Joda, niakatra hiady amin' ny Isiraely, 
indray ny Amonitn, nikambana tamin' ny 
Moabita yy ny firenena hafa koa; fa nolio 
izay nataou' i Jehova hainonjcny ny olony, dia 
niady sy nifamono ireo fahavalon' ny olon' 
Andriamanitra ireo ; ka Josafata sy ny olony 



Digitized by 



Google 



AMO M 

dia nonangona ny babo hateloana maninjitra 
(2 Tant. xx. 26). Tamin' ny andron* i Ozia 
sy Jotama, mpanjakan' i Joda, nandoa hetra 
ny Auaonita (2 Tant. xxvi. 8 ; xxvii. 5) ; 
nefa mbola nitahiry lolom-po izy, ka nika- 
mbana tamin' i Nebokadinezara, mpanja- 
kan' i Babylona, tamin' izy niakatra hiady 
amin' i Jerosalema, sady nifaly nobo ny 
fahoriana nanjo ny Jiosy rehefa resin' ny 
fabavalony izy (Ezek. xxv. 3-6). Ary rehefa 
tafaverina avy tamin' ny nahababoany tany 
Babylona ny Jiosy, ny Amonita dia nikam- 
bana indray tamin' ny firenena hafa izay 
nonina tany Palestina hanohitra azy raha 
nanorina indray an' i Jerosalema (Neh. iv. 1). 
Mafy dia mafy ny tenin' ny mpaminany 
sasany ny amin* ny Amonita, milaza ny loza 
mahatahotra banjo azy nobo ny ratay nataony 
sy ny nankahalany ny olon* Andnanianitra 
(Zef. ii. 8; Jer. xlix. 1-6; Ezek. xxv. 1-5, 
10; Amo. i. 13-15). Moloka na Milkoma 
no sampy malaza nivavahan* ny Amonita 
[Moloka] ; ary ny fomba loza be fanao 
tamin* ny nanompoana azy no isan* ny 
zavatra ratsy nianarun' ny zanak' Isiraely 
tamin* ireo vebivavy vahiny maro izay na- 
mpakarin' iSolomona ho vadiny (1 Mpan. 
xi. 5, 7).— t.l. 

AMOBITA: dia anankiray tamin' ireo 
firenena izay nonina tany Palestina talohan' 
ny nahazoan' ny Zanak' Isiraely ny ta"ny. 
Ny razambeny dia isan' ny taranak' i Kanana 
(Gen. x. 16), ary ny Amorita dia voalaza 
matetika ao umy ny Pentateoka sy ny bokin' 
iJosoa niaraka tamin' ny Kananita sy ny 
Perezita sy ny Hivita, etc. Mponina tao 
amin' ny havoana ao ampovoan' ny tany izy 
tamy ny nidiran' ny Zanak' Isiraely tany 
Palestina (Nom. iii. 29 ; Jos. v. 1 ; otc.) ; fa 
talohan' izany, dia tamin' ny andron' i 
Abrahama, dia, tao andrefan' nyRanomasina 
Maty no fonenany (Gen. xiv. 7) ary tany 
Hebrona (xiv. 13}. ta tamin' ny nahazoan' 
ny Isiraelita an' l Kanana, dia teo amin* ny 
tany havoana tao atsinanan' i Jordana koa 
no fonenan' ny Amorita indrindra ; fa Sihona 
mpaniakany no isan' izay nanohitra ny 
Isiraelita ka niady taminy. Dia resin' ny 
Isiraely izy, ka lasany ny taniny, dia ny 
tany tao atsimon' ny ony Jaboka, izay 
natao ho zara-tanin' ny firenen' i Robena 
tato aoriana (Nom. xxi. ; Deo. ii. ; Jos. 
xii. ; xiii. Nefa tao avaratr' izany koa no 
fonenan' ny Amorita, dia hatrany Gileada 
sy Basana aa hatramin' ny vodin' i Hermona 
aza (Deo. iii. 8-10; iv. 47, 49; xxxi. 4; 
Jos. x. 5). Tao aorian' ny nahalasanan' ny 
Zanak' Isiraely ny Tany Masina, dia tsy 
voalaza intsony ny anaran' ny Anaorita. — 
j.s. 

AM08A (Entina, na Enlana) : dia isan' ny 
mpaminany roa ambin' ny folo izay atao hoe 
'mpaminany kely,' satria fohy ny boky 
nosoratany ; indrai-nihira tamin 1 i Isaia sy 
Hosea izy. 



AMO 

1 . Ny nanoratra ity boky ity. Amosa dia 
mpiandry ondry na mpiandry omby, ary avy 
tany Tekoa, tanana tao amin' ny faritry ny 
efitr' i Joda atsimo, lalana tokony ho ora roa 
tao atsimon' i Betlehema (i. I sy vii. 14). Tsy 
mba nampianarina teo amin' ny sekolin' ny 
mpaminany izy, tahaka ny olona maro izay 
nirahin' ny Andriamanitry ny Isiraely hana- 
mbara ny sitra-pony amin' ny Jiosy, ary tsy 
mba zanaky ny mpaminany aza, fa olona 
ambanimbany, kanefa nantsoin' Andriama- 
nitra izy hitory ny teniny sy hananatra ny 
olony. "Mpioty aviavy*' «koa izy (vii. 16), 
dia voan-kazo izay fihinan' ny malahelo 
hiany, satria tsy tsara loatra ; fa ny faha- 
soavan' Andriamanitra izay niantso an* 
i Petera sy Jaona hiala tamin' ny haratony 
tato aoriany, no niantso an' i Amosa koa hiala 
tamin' ny ondriny sy ny voan-aviavy mba 
ho mpitori-teny sy mpaminany. 

2. Ny andro naminanian' i Amosa. Ny 
taona niantombohan' i Amosa hanao ny raha- 
rahan' ny mpaminany tsy f antatra marina ; 
nefa efa nanao izy tamin' ny andron' i Ozia, 
mpanjakan* ny Joda, sy tamin' ny nanjakan' 
iJeroboama II., mpanjakan' ny Isiraely, 
izany, dia tanatin' nv taona B.C. 798 — 784 ; 
angamba tamin* ny faramparan' izany taona 
efatra ambin' ny folo izany. Lazain' i Amosa 
fa "roa taona talohan' ny horohorontany" no 
naminaniany (i. 1), nefa ny taona nisehoan' 
izany horohorontany izany (izay mafy indri- 
ndra angamba) dia tsy fautatra, fa tsy voa- 
laza eo amin' ny boky tantara amin' ny Test. 
Tal. izv, nefa angamba sahala amin' izay 
lazain' l Zekaria (xiv. 6) tamin' ny andro teo 
aoriana. Ary nolazain' i Amosa izany haha- 
fantaran' ny Jiosy fa izany horohorontany 
sady mafy no mahatahotra izany no fama- 
ntarana nomen' Andriamanitra hah a to ny 
tenin' ny mpanompony ; zahao viii. 8, 9. 
Tamin' ny andron' i Ozia sy Jeroboama II. 
samy nihahery sy niadana hiany ny f anjakan' 
i Joda sy ny f anjakan' ny Isiraely. Ozia 
efa nandresy ny Edomita sy ny Filistina, 
ary ny Amonita koa nampandoaviny hetra. 
Efa nanamafy ny mandan' i .Jerosalema koa 
izy, ary maro ny miaramilany izay efa na- 
mpianarina hiady, ka dia nalaza ny anarany 
hatrany Egypta aza (2 Tant. x.rvi ). Ary 
Jeroboama koa efa nandresy ny Syrian a, 
ka dia nampitatra ny f anjakan' ny Isiraely 
tany avaratra, hatramin' izay faritry ny 
tamin' ny taloha, fa hatramin* i Hamata ka 
hatramin'' ny Ranomasina Maty no nanja- 
kany (2 Mpan. xiv. 23-29). Koa rehefa rosy 
ny Syriana, tsy nisy fahavalo hafa nataho- 
ran' ny Zanak' Isiraely, fa Asyria mbola tsy 
nahery loatra. Dia raha araka ny fijerin' ny 
olona, ny handringanana ny f anjakan' ny Isi- 
raely dia sarotra inoana. Koa niarahaba tena 
ny mponina tany Jerosalema sy Samaria fa 
nahery sy narovana tsara izy (vi. 1) ; ary ny 
mpnnjaka sy ny lehiben' ny tany natoky ny 
hamaroan' ny miaramilany (vi. 13), ary 



Digitized by 



Google 



AMO 

nampitombo ny hareny tamin' ny nanipaho- 
riany ny malahelo, sy nanaram-po tamin' ny 
fifalLtn' ny nofo (ii. 6; v. 11, 12 ; vi. 4-6). 
Ary tamin' izuny Araosa no nirahina hilaza 
ny loza hanjo azy, dia izay niadana tany Ziona 
*y Samaria, ary mba haminany fa J eh ova 
bampUentika ny masoandro raha mbola 
antoandro, sy hanamaizina ny tany raha 
mitsidik' andro (vi 1 ; viii. 9). Tahaka izany 
no toetry ny fanjakan' ny Joda sy Isiraoly 
tamin' ny andro nanirahan' Andriamanitra 
ilay mpiandry omby tany Tekoa hankany 
Betela hilaza ny hihavian' ny fitsaran' 
i Jehoya sy ny hanclringnnana ny fanjakana. 
Koa zaTatra roa loha no vaovao sy mahagaga 
tamin' ny nisehoan' i Araosa, dia izao: — (I) 
Lehilahy avy tany Joda no nirahina hamina- 
ny any Isiraely ; ary (2) lehilahy ambanimba 
ny ka tsy nampianarina izy, nefa natsangan' 
Andriamanitra, ka nomeny fahasahiana 
hilaza ny loza hanjo ny firenana voafidy, 
raha mbola lavitra sady sarotra inoana izany. 
3. Ny fotolry ny faminanian 9 i Amosa ; sy 
»y fandaharana izay voalazan 9 ity boky ity. 
Na dia Isiraely aza no fototry ny nanirahan' 
Andriamanitra an' i Amosa hanariny, tsy 
Isiraely hiany no nanariny, fa Joda koa, sy 
ny firenena nanodidina azy, izay f ahavalon' 
ny Jiosy ; ary dia azo zaraina ho telo toko 
ny boky, toy izao: — (1) FUarihan-teny (i. — 
ii.), izay mi aloha ny fananarana ny fanjakan' 
ny Isiraely ; ny firenena maro no nantsoiny 
hotsaraina, dia ny any Damaskosy sy Filis- 
tia sy Tyro sy Edoma sy Amona sy Moaba 
sy Joda ary Isiraely. Ny fahatezeran' i Je- 
hova namely azy rehetra tsirairay, dia vao 
nipetraka toy ny rahona mainty teo ambonin' 
ny fanjakan ny Isiraely. (2) Fananarana ay 
fominaniona milaza izay hanjo an 9 i Isiraely 
(iii.— vi.) : ny olona nanarin' i Amosa mba 
hibebaka : ny mpanapaka nanariny noho ny 
ratay nataony sy ny nampahoriany ny mala- 
helo; ny handringanana ny firenena koa 
nolazainy, sy ny hitondrana azy ho babo any 
arnin' ny tany lavitra (iii.) ; ny fireharehan' 
ny Jiosy nanariny, ary ny firenena nantsoiny 
hotsarain' iJehova: "Miomana hihaona 
amin' ny Andriamanitrao, ry Isiraely 6" 
(iv. 12) ; ny lalan' ny fiainaiia natoron' 
i Amosa, dia ny mitady an' iJehova sy ny 
nianao ny marina (v.) ; ary ny hihavian' ny 
fahavalo izay handresy ny Jiosy rehetra, fa 
toy ny fanjakan' ny Isiraely hiany no nolazai- 
ny (vi.). (3) Ny fahitana dimy sy teny fuhi- 
fohy milaza izay heviny avy (vii. — ix.) : dia 
(a) valala mandany ahitra ; (b) afo mande- 
vona ; {d) pilao ; (#) harona f eno voankazo 
masaka fahavaratra ; (/) Andriamanitra mi- 
tsangana eo anilan' ny alitara mandidy ny 
amin' ny handravana ny Tern poly. Elane- 
lan' ny fahatelo sy ny fahefatra amin' ireo 
fahitana ireo misy tantara mil aza ny anatra 
nomen' iAmazia, mpisorona any Betela, 
tamin' i Amosa, nanome saina azy handosi- 
tra hamonjy ny ainy : ary ny tony navalin 1 



27 AMP 

i Araosa azy (vii. 10-17}. Ny teny farany 
eo amin' ity boky ity milaza ny hanangana- 
na ny fanjakan' Andriamanitra, sy ny hiele- 
zany noho ny faneken* ny Jentilisa azy, ary 
ny voninahiny izay haharitra mandrakizay. 
Tahaka ny firenena rehetra izay xnanohitra 
an' Andriamanitra, Joda sy Isiraely no 
haringana noho ny tsi-fahamarinany, mba 
hatsangana ny fanjakan' i Jehova, izay ha- 
nkalazaina sy hatao tanteraka, fa hoy ny 
teny farany : "Ary hamboleko ao amin' ny 
tany izy (dia Isiraely), ary tsy hongotana 
amin' ny tauiny izay nomeko azy intsony 
izy, hoy Jehova Andriamanitra" (ix. 15). 

Maro ny teny nolazain' i Amosa izay toa 
fitenin' ny olona ambani-vohitra sady zatra 
ny miasa tany, etc. ; ary maro ny fanoharana 
nalainy tamin' ny fanaou' ny mpiasa tany 
sy ny mpiandry omby, ary tamy ny fanirian- 
javatra; zahao i. 3 ; ii. 13 ; iii. 6, 12 ; iv. 2, 
9; v. 19; vii.; ix. 9, 13, 16. Ny bibi-dia, 
ny ranonorana sy ny kintana koa no nataony 
fanoharana ; zahao iii. 4, 8 ; iv. 7, 9 ; v. 8 ; 
vi. 12: ix. 3.— J.s. 

AMPAKARINA : zahao fanambadiana. 

AMPELABE : zahao poly. 

AMPEMPA : zahao mopo. 

AMPIKOA : zahao fiadiana sy fiarovana. 

AM PONDBA, na 8ARIN-TS0AVALY (Eng. 
mule ; Fr. mttlet). Ny ampondra dia zana- 
tsoavaly sy borilcy ; kely izy noho ny soavaly 
ary manana orona lava tahaka ny borikv ; 
matanjaka izy ary hainy indrindra ny mia- 
katra amin' ny tany be vato sy be tendro- 
mbohitra. Tsy misy teny eo amin' ny Sora- 
tra Masina milaza ny ampondra talohan' ny 
andron' i Davida ; fa tamin' izany vao na- 
nana soavaly maro ny Zanak' Isiraely. Re- 
lief a afaka izany dia miaraka voalaza mate- 
tika izy roa, ary vetivety foana taorian' 
izany indray nisy ampondra maro. Eo amin' 
ny bokin' i Ezra (ii. 66) sy Nehemia (vii. 
68) misy teny milaza ampondra dimy amby 
efa-polo amby roan-jato; ary eo amin' ny 
2 Sam. xiii. 29 misy teny manao hoe : "Dia 
nitsangana avokoa ny zanakalahin' ny mpa- 
njaka rehetra, ary samy nitaingina ny am- 
pondrany ka nandositra." Ary nitaingina 
ampondra Absaloma raha niadv tao amin' ny 
alan' i Efiraima izy, ary "lasa ny am- 
pondra nitaingenany ;" dia novonoina izy 
tamin' izany (2 Sam. xviii. 9). Ampondra 
no isan' ny zavatra naterin' ny olona no an' 
i Solomona isan-taona (1 Mpan. x. 26). Na- 
laina avy tamin' ny tany hafa ny ampondra 
rehetra, fa tsy mety ny miompy azy, araka 
ny Lalan' i Mosesy (Lev. xix. 19). Relief a 
maty Solomona ny olon' Isiraely nanafatra 
ampondra avy tany Armenia (Togarma) 
(Kzck. xx vii. 11). Ny andriana sy ny olona 
nanan-karena liiany no nitaingina ampondra, 
fa tsy ny olona ambanimbany. Tsy misy 
teny milaza azy eo amin' ny Test. Vao. ; ary 
angamba tsy nisy nitondra azy tao Palesiina 
intsony tamin 1 izany.— i.d. 



Digitized by 



Google 



AMP 

AMPONGABENDANITRA (Heb. rimmon ; 
Eng. pomegranate ; Puniea granatum, Nat. 
ord. Myrtace<c) : amiran-kazo sady anaran' ny 
vuany ny teny nadika toy izao, ary lazaina 
matetika amin' ny Soratra Masina Asia no 
nihavian' ny ampongabendanitra voalohany, 
ary nentina ary tany India ho any Persia 
sy Syria izy. Any Afriki* koa no misy azy, 
fa rehefa tafavoaka tuny Egypta ny Zanak' 
Isiraely, dia nimonjomonjo izy satria tuny 
amin 1 ny efitra tsy nisy ny ampongabenda- 
nitra sy ny voan-kazo hafa koa izay efa 
nahazatra azy tany Egypta (Nom. xx. 5). 
Hatrizay ela dia eln izay ny ampongabenda- 
nitra efa nohevtrin' ny olona Hny Syria sy 
Persia ho isan' ny bazo mahate-hizaha in- 
drindra, fa mahafinaritra ny tarehiny, na ny 
raviny na ny voany ; ary ny voany koa dia 
be rano sady mamy inahafa-ketaheta (Ton. 
K. viii. 2; vi. 7, 11) Nambolena tao an- 
tanimboly izy (Ton. K. iv. lo); ary lazaina 
matetika ho isan' ny hazo marnoa izay tsara 
indrindra (Deo. viii. 8; Joe. i. 12 ; Ilag. ii. 
19). Vokatry ny tany Palestina talohan' ny 
nahazoan' ny Zanak' Isiraely azy ny ampo- 
ngabendanitra, fa isan' ny voankazo nentin' 
ny mpisafo ho santatra sy ohatry ny faha- 
vokaran' ny tany (Nom. xiii. 23). Ary tsy 
mba hanina hiany ny voany, fa ny hoditry 
ny fakan'ny ampongabendanitra sy ny voni- 
ny ary ny hoditra na akoran' ny voany, samy 
natao fanafody izy rehetra. Ary noho ny ha- 
tsara-tarehin' ny voany, ny sariny dia natao 
haingo sy ravaky ny fitafian' ny mpisorona- 
be (Eks. xxxix. 24), sy tao amin' ny tranon' 
ny Tempoly koa (1 Mpan. vii. 20, 42). — j.s. 

AMBAMA. Levita avy tamin' ny mpia- 
nakavin' ny Kohatita izy, sy ruin' i Mosesy 
sy Arona ary Miriama (Eks. vi. 18, 20 ; Nom. 
iii. 19). Jokebeda no vadiny, ary izy niiva- 
dy dia olona be finoana ka natoky an' i Je- 
hova hiaro ny ain' ny zanany (dia Mosesy) 
izay vao teraka Nisy olona hafa koa natao 
hoe Amrama; zahao Ezr. x. 34. — j.s 

AMYGDALA (Gr. amygdalon ; Eng. al- 
mond; Fr. amandr) : voalaza eo amin' ny 
Gen. iii. 11; Eks. xxv. 33, 34; xxxvii. 19, 
20 ; Nom. xvii 8 ; Mpit. T. xii. 5 ; sy Jer. 
i. 16 ity teny ity ; ary dikan' ny teny Hebreo 
$akeda izy, izay milnza ny hazo amygdala 
indraiudray, ary indraindray kosa milaza ny 
voany. Ny hazo amygdala dia maniry 
any Asia sy Afrika Avaratra ary any amin' 
ny tany mafana any Eoropa koa. Ny haha- 
▼on' uy hazo amygdala dia roa refy, na roa 
refy sy roa dia. Ny voniny dia menamena 
tanora ary voalahatra tsiroaroa. Lava ny 
raviny, sady maranitra ny tendrony, ary 
miavo sy iva hoatra ny nifin' ny tsofa izy. 
Ny hoditry ny voan' ny amygdala dia volo- 
voloina sy be rano izay voafonon' ny akorany 
mafy, ary ao anatin' izany dia ny voany 
malemy; ary ny tsirony dia manahatahaka 
ny voan jo uty omintsika saingy mamimamy 
kokoa. — t.t.m. 



2S ANA 

ANA : mpaminanivavy tany Jerosalema 
tamin' ny andro nahaterahan' i Kraisty. 
Zanakavavin' i Fanoela izy ary avy tamin* 
ny firenen' i A sera. Efa mpitondratena ha- 
tramy ny hatovoany izy, ary nazoto dia 
nazoto namonjy ny fotoam-pivavahana andro 
aman-alina tao amin' ny Tempoly. Sahabo 
ho efatra amby valo-polo taona Ana tamin' 
ilay andro nanoloran-dreniny an' iJesosy 
zaza tamin' Andriamanitra tao amin' ny 
Tempoly. Ana nihaino ny fisaorana sy ny 
faminaniana nataon' iSimeona, ary Ley 
koa nisaotra sy nidera an' Andriamanitra 
noho ny nahatanterahany ny teny fikasana 
efa nomeny ela. Ary Ana, tahaka ny 
mpiandry ondiy, dia nanambara an' i Jesosy 
Tompo tamin' izay rehetra niandry sy 
nanampo ny hihavian' ny Mpanavotra tao 
Jerosalema (Lio. ii. 36-38).— d.m. 

ANAKA. Nataon' ny Jiosy fa fitahiana 
lehibe ny zanaka, indrindra fa raha zanaka - 
lahy ; fa noheveriny ho fampijaliana mangidy 
indrindra kosa raha tsy manana zanaka. Fa 
nataony fa raha momba ny olona, dia ozona 
avy amin' Andriamanitra noho ny hara- 
tsiany izany (Lio. i. 25). Ary amin' izany 
hoy ny tenin' ny fikasana : "Tsy hisy ho 
afa-jaza na ho momba ao amin' ny taninao" 
(Eks. xxiii. 26) ; "Hotahina hianareo 
raihoatra noho ny firenen a rehetra, tsy hisy 
lahy na vavy tsy hiteraka, na hianareo na 
ny biby fiompinareo" (Deo. vii. 14; Gen. 
xvi. 2 ; 1 Sam. i. 6 ; 2 Sam. vi. 23 ; 2 Mpan. 
iv. 14 ; Isa. xlvii. 9 ; Jer. xx. 16 ; Sal. 
exjevii. 3-5). Raha vao teraka ny zaza, dia 
nosasana sy nohosorany sira izy ary nofono- 
siny lamban-jaza. Ny vehivavy Arabo dia 
manosotra tany na fasika ny zanany ; ary 
fomban' ny tany Japana koa ny manosotra 
tain' omby ny zanany raha vao teraka izy ; 
vakio Ezek. xvi. 4 ; Lio. ii. 7. 

Tamin' ny andro fahavalo dia noforany 
ny zazalahy, ary tamin' izany koa no nano- 
mezany azy anarana ; indraindray nataon y 
araka ny anaran* drainy ny zaza (Lio. i. 59), 
fa matetika kosa dia nomeny anarana hafa 
nisy hevitra. Ny renin' ny zazalahy dia 
naloto herinandro, nefa tsy nivoaka izy raha 
tay afaka telo amby telo polo andro ; fa raha 
zazavavy kosa, dia naloto tapabolana ny 
reniny, ary tsy niala tao an-tranony izy raha 
tsy afaka enina amby enim-polo andro. 
Ary raha tapitra ireo andro ireo, dia nana- 
titra zanak' ondry anankiray ny reny hatao 
fanatitra odorana, dia fanatitra noho ny 
nahadiovany izany ; ary domohina na voro- 
mailala anankiray, hatao fanatitra noho ny 
ota. Fa raha nalahelo izy, dia nanatitra 
domohina roa, na voromailala roa : ny iray 
hatao fanatitra odorana, ary ny iray kosa 
hatao fanatitra noho ny ota (Lev. xii. 1-8 ; 
Lio. ii. 22). Ny andro nampinonoan' ny 
reny ny zaza dia telo taona, fa indraindray 
dia nihoatra lavitra noho izany aza ; ary ny 
andro nanotazany ny zaza dia nataony taom- 



Digitized by 



Google 



Ana » 

pifalisna (Gen. xxi. 8). Nanakarama mpa- 
mpinono izy indraindray, raha tsy nahazo 
Dmao izany ny reniny, na ny olona izay 
nisolo ny ray aman-dreny (Gen. xixv. 8 ; 
Eks. ii. 9; 2 Sam. iv. 4; 2 Mpan. xi 2). 
Saiky tsy nanana akanjo ny zaza raha mbola 
kely, ary ny fitondran' ny renin y azy dia 
nataony ten an-tsorony, na nosakalehiny teo 
amin' ny ilany (Isaf xlix. 22; lxvi. 12). 
Raha mbola kely izy, na lahy na vavy, dia 
ny rehivaw hiany no nitandrina azy (Oha. 
ixxi. 1). i'a rehefa nitombo ho lehibe ny 
zazalahy, dia ny rainy kosa no nitandrina 
sy niadidy azy. Ny olona manan-karena 
dia nanana mpampianatra sy mpifehy 
hitandrina ny tovolahy (Gal. iii. 24 ; iv. 2). 

Ny tovovavy dia nitoetra teo amin' ny 
trano izay nitoeran' ny vehivavy ambara- 
pampakatra azy, fa raha nalahelo izy sy ny 
ray aman-dreniny, dia nitandrina ny trano 
hiany izy (Oha. xxxi. 19, 23). 

Araka ny Lalan' iMosesy dia natokana 
ho an' Andriamanitra ny lahimatoa, ary 
nisy fanatitra voatendry hanavotana azy 
(Eks. xiii. 12 ; Nona, xviii. 15 ; Lio. ii. 22), 
zahao fizokiana. Lehibe ny fahefan' ny 
raby ny umin' ny zanany, ary mafy ny 
lalana ny amin' ny haja izay tokony homeu' 
ny zanaka ho an' ny ray aman-dreniny. 
Ary raha naditra ny zaza dia azo hovonoina ; 
ary koa, raha mparnono na mpaneso ny ray 
nman-dreniny izy, dia azo hovonoina ho faty 
raha tian' ny ray aman-dreny izany. Raha 
maty ny rainy, dia natao nitovy ny fizarana 
ny lora tamin' ny zanakalahy rehetra, afa- 
tsy ny amin' ny zanakalahy matoa, fa ny 
azy natao anjaran-droa (Deo. xxi. 17 ; 1 Tant. 
v. 1, 3 ; Mpit. xi. 2) . Kaha tsy nisy zanaka- 
lahy, (Ua an* ny zanakavavy ny lova, nefa 
tsy nahazo nanam-bady olon-kafa izy raha 
tay ny lehilahy avy amin' ny fokom-pirenen' 
ny rainy hiany. Tsy mba ianaon' ny Jiosy 
loatra ny manangan- jaza ; ary na dia fantany 
aza izany, dia tsy nahazo nanangan-jaza 
izy, satria tsy nifanaraka tamin' ny Lalan' 
i Mosesy ny amin' ny lova izany Nom. xxvii. 
1-8; xxxvi. 2-8), Ny anjaran' ny zanaky 
ay tokanrranomaso dia araka izay sitra-pon' 
ny rainy hiany. — t.t.m. 

ANAKA (Heb. anakah ; Eng. gecko) : teny 
Hebreo izany ary milaza anankiray amin' ny 
biby izay mandady na mikiaaka amin' ny 
tany, izay tai-madio ka noraran' ny Lalana 
ho toy hatao nhinan' ny Isiraelita (Lev. xi. 
30). Tokony ho anankiray tamin' ny kara- 
zan' ny lizard (Ptyodactylus gecko) ny anaka, 
ka dia naman' ny androngo sy ny sitry ary 
ny antaiantsy. — J.8. 

A5AKITA. Firenen' olona vaventy sy 
goaibe ireo sady tarnnak' i Arba, izay rain' 
iAnaka. (Jos. xv. 13; xxi. 11). Tao atsi- 
mon' i Kanana, indrindra fa tao Hebrona, 
ao fonenany, ka izany no nahazoan' ny 
tanana ny anarany voalohany, dia "tananan' 
i Arba." Nozaraina he lelo toko ny Anakita, 



ANA 

izay samy nantsoina araka ny anaran' ny 
razany telo lahy, dia Seaay sy Ahimana ary 
Talmay. Ary na dia nampahatahotra ny 
Isiraelita aza ny fijeriny ny Anakita (Nom. 
xii. 28 ; Deo. ii. 10 ; ix. 9) ; dia resin' i Joeoa 
mihitsv izy sady noroahiny niala tamin* ny 
tany fonenany; fa ny vitsy aisa nankany 
amin' ny tanin' ny Fihstina, dia tany Gaza 
sy Gata ary Asdoda (Jos. xi. 21, 22). Heb- 
rona fonenany dia laaan' i Kaleba ; ary tao 
aorian' izany dia tsy hita intsony ny anaran' 
ny Anakita. — J.s. 

ANANIA8Y: telo ny lehilahy natao hoe 
Annniasy izay voaiazan' ny Test. Vao. : — (1) 
Hay lehilahy izay niray tamin' nv mpianatry 
ny Apostoly (Asa. v. 1-11) ary nivarotra ny 
sahany, dia nangnla-tety ny vola sasany, 
kanefa nody nanatitra azy rehetra hiorubo- 
nan' nv mpianatra rehetra. Ary nony nase- 
hon' i Petera ny taininy dia lavo niala-aina 
teo arfatrehany izy, satria tsy nandainga 
tamin' olona biany izy, fa tamin' ny Fanahy 
Hasina koa. 

Ananiaiy (2) : mpianatra anankiray tany 
Damaskosy izy ary nasain' ny Tompo hitwdy 
an' iPaoly fony izy vao niova saina. Dia 
nanatona any Paoly izy ka name tra -tanana 
taminy ; ary dia nahiratra ny mason' i Paoly 
tamin izay, sady nofenoin' ny Fanahy 
Masina izy. Ary raha ny teny manaraka- 
raka no heverina, Ananiasy toa nanao batisa 
an' i Paoly, ary izy koa no nanomezana an' 
i Paoly ny fitahiam-panahy (Asa. ix. 10-19). 
Misy ny lovan-tsofina milaza fa mpitandrina 
ny fiangonana tany Damaskosy Ananiasy, 
ary martiora izy. 

Ananiasy (3) : mpisoronabe anankiray 
(Asa. xxiii. 2) tamin' ny taona a.d. 48 izy. 
Anef \ naetry izy fony tsy mbola niala tamin' 
ny fanapahany Feliksa, ary matin' nv lefom- 
pohy tamin' izay niandohan' ny fikomiana 
farany nataon' ny Jiosy. Olona ratsy fanahy 
izy sidy mpihatsaravelatsihy no nanandra- 
tena. — p.o.p. 

ANARANA. Fony vao nataon' Andriama- 
nitra Adama ka napetrany tao amin' ny saha 
Edena, dia nitondrany ny biby rehetra sy ny 
voro-manidina rehetra izy hahitany izay 
hanononan' i Adama azy avy ; ary izay 
rehetra nanononan' i Adama azy, dia izany 
no anarany (Gen. ii. 19, 20). Nomen' 
Andriamanitra f ahendrena Adama hahaizany 
mampiavaka sy manisy anarana. Fa ny 
an a ran a tsy nataotao foana tsy akory, fa 
nokasaina ho fampiavahana ny zavatra samy 
hafa manaraka ny karazany sy ny toeny ; 
ary ny anarana rehetra angaha tamin' ny 
niandohany dia samy nampiseho ny fomban- 
javatra izay mahizy azy ka mampiavaka azy 
amin' ny hafa. Ary tsy ny anaran' ny 
manan-aina sy ny zavatra azo atokotoko 
manaraka ny karazany hiany no misy toy 
izany, fa maro koa ny anaran' olona sy ny 
anaran-tany izay misy hevitra mora haha- 
lalana sy hitadidiana azy. Hevero ny hevi* 



Digitized by 



Google 



ANA 

try ny anarana sasany izay hita ao amin' ny 
Baiboly. Ny vadin' iAdama natao hoe 
Eva (na Aina), satria izy no loharanoiT ny 
olombeiona. Ny saha nametrahan' Andria- 
manitra an' i Adama mivady natao hoe Edena 
(na Fahqfinaretana). Raha niteraka zaza- 
lahy Eva, dia ny anarany nataony hoe 
• Kaina (z=zAzo, raha toy ny hevitry ny maro ; 
Gen. iv. 1) ; fa ny zanany faharoa kosa 
nataony hoe Abela (dia Fofonaitia na Zava- 
poana) (noho ny tey nahatanterahan* ny 
nantenainy tamin' ny niterahany an' i Kaina 
angaha) ; ary nony maty Abela, ary rabola 
niteraka zazalahy indray Eva, dia Seta 
(na Solo) no nataony anarnny. Zahao koa 
Eks. ii. 10 ; xviii. 3, 4. Indraindray ny 
anaran-jaza natao araka izay anaran' ny 
anankirtiy tamin' ny razany (Lio. i. 59). 

Fanao indrindra tany aloha ny raanova 
anarana, raha nisy hotantaraina, na raha 
nisy nisandratra ka nahazo voninahitra 
vaovao. Zahao Gen. xli. 45; xxviii. 19; 
xvii. 5, 15 ; Dan. i. 7 ; Jao. i. 42. 

"Ny anaran' Andriamanitra" dia teny 
hita matetika amin' ny Soratra Masina, koa 
indraindray ny fomban' Andriamanitra izay 
efa nambarany ho fantatry ny oloua no 
heviny (Eks. xxxiii. 19 ; xxxix. 6, 7 ; Sal. 
viii. 9; xx. 1, 5, 7; Oha. yviii. 10), ary 
indraindray, ny fahefana sy hory avy amin' 
Andriamanitra no heviny (Jer. xi. 21). Toy 
izany koa no hevitry ny hoe "amin' ny 
anaran* i Kraisty" amin' ny teny sasany 
(Asa. iii. 6 ; iv. 7). — w.e.c. 

ANA SY : mpisoronabe tamin' ny Jiosy izy, 
ary nanao ny raharahan' ny fisoronana 15 
taona (Lio. iii. 2 : Jao. xviii. 13) ; fa 
naongan' iTalerio Grato, mpanapaka any 
Jodea, tamin' ny taona a.d. 23. Manaraka 
izany, raha mbola velona Anasy, efatra ny 
mpisoronabe izay notendren' ny Romana ; 
fa samy nahazo ny voninahitry ny fisoronnna 
taona vitsy hiany izy ireo, dia nodimbasan' 
ny hafa. Ny anaran' ireo dia Isiraely sy 
Eleazara, zanak' i Anasy, sy Simona ary 
Josefa Kaiafa, vinanton' i Anasy. Naka- 
mbana ny anaran' i Anasy sy Kaiafa ho 
samy mpisoronabe, satria nohajain' ny Jiosy 
Anasy noho ny nahazoany ny fisoronana ela, 
ary izy mbola noheverin' ny Jiosy ho mpiso- 
ronabe marina ; fa Kaiafa anefa no mpiso- 
ronabe neken' ny fanjakana Romana. Dia 
hitantsika fa rehefa nosamborina Jesosy, 
dia nentin' ny Jiosy tany amin' i Anasy 
voalohany Izy mba hadininy, vao hotsarain' 
ny Synedriona sy Kaiafa, izay nandahatra 
ny raharahan' ny Synedriona. Ireo mpiso- 
ronabe izay nandimby an' i Anasy toa tsy 
neken' ny Jiosy ho nanam-pahofana tamin' 
izay noraba ny fivavahana raha mbola velona 
Anasy, satria efa notendren' ny Romana izy 
ireo ; ko* Anasy hiany no natao hoe mpiso- 
ronabe (Asa. iv. 6), na dia Kaiafa aza no 
notendren' ny fanjakana Romana hanao ny 
raharahan' ny fisoronana. — j.8. 



30 ANA 

ANATKMA; Maran-ata: teny nosoratan' 
iPaoly ao am-paran' ny Epistily Voalohany 
tamin' ny Korintiana izany (I Kor. xvi. 22). 
Anatema dia teny Grika, ary "zava-boaozona" 
no dikany. Fa Maran-ata kosa dia teny 
Aramaika, izay fitenin' ny olona tany Pa- 
lestina f ah izany ; ary, raha adika ho Mala- 
gasy, dia "avy ny rompo," na, "avy ny 
Tompontsika" no heviny. Raha atao Mala- 
gasy avokoa ny and. 22, dia izao no izy: 
"Raha misy olona tsy tia ny Tonipo, dia 
a oka ho voaozona izy. Avy ny Tompo." — 

W.E.C. 

AKATOTA: dia anankiray tamin' ny 
tanana nomena ny mpisoron' ny Isiraoiita 
ho fonenany, tao amin' ny zara-tanin' 
iBenjamina (Jos. xxi. 18). Tao Abiatara 
mpisorona no napetrak' i Solomona, rehefa 
nofoanana izay nokasainy hatao hanaugana 
an' i Adonija ho nipanjaka (1 Mpan. ii. 26) ; 
tao no nahaterahan' i Abiezera sy Jeho, roa 
lahy tamin' ny lehilahy maherin' i Davida 
(2 Sam. xxiii. 27 ; 1 Tant. xii. 3) ; ary tao 
no nahaterahan' i Jeremia mpaminany (Jer. 
i. 1; xi. 21). Ao avaratr' atsinanan' iJe- 
rosalema Anatota,, tokony ho dimy maily, 
ary mbola atao hoe Anata ny vohitra ao. — 
j.s. 

ANDEVO. Tsy azo lazaina izay nisehoan' 
ny fomban' ny fanandevozana ; nofa fanta- 
tra fa talohan' ny Safo-drano lehibe dia 
nasiaka sady ratsy ny fanaon' ny olona, ary 
dia tokony ho isan' ireny ny maka olona 
an-keriny handevozina. Ary taorian' ny 
Safo-drano indray, dia nisy toy izany koa, 
ka niseho indray ny fanandevozana. Abra- 
hama koa, na dia nahalala ny Andriamanitra 
marina aza izy, dia mba nanaraka izany fanao 
izany, satria tsy mazava loatra tamin' ny 
fieritreretany ny tsy mahamety izany zavatra 
izany. Ary mizara telo loha ny nahazoan' ny 
olona teo aloha ny andevony. (1) Nisy teraka 
tao an- 1 ration' ny tampon;/. Ny zanak' izay 
andevo novinidy, na izay nobaboiny tamin* 
ny tafika, dia samy andevo avokoa izy rehe- 
tra. Kanefa na dia izany aza, matetika ny 
amin' ny andevo teraka tao an-tranon' ny 
tompony, mora hiany no nitondran' ny tom- 
pony azy ; ary ny nivarotan* ny tompony azy 
dia nataon' ny olona ho fahamenarana ; ary 
indraindray ny tompony hiany no nandefa 
azy fotsiny. (2) Nividy azy tamin 1 ny olona 
mmny ny tompony. Fantatsika fa ny sasany 
tamin' ny mpanompon' iAbrahama dia 
novidiny (Gen. xiv. 14 ; xvii. 23). Ary 
misy fomba tahaka izany ao amin' ny tany 
sasany ankehitriny. Maka olona an-keriny 
ny sasany ka mitondra azy ho any amin' ny 
tany hafa hamidy, hahazoany vola. (3) Nisy 
koa andevo maro nobaboiny tamin ny lafikay 
Teo aloha raha nisy nobaboina tamin' ny 
tafika di:« nasnina hovonoina izy; fa taorian* 
izany indray dia nampiasaina izy, na namidy 
ho any amin' ny olon-kifa hahazoany 
| tombony. Koa hitentsika fa izay vokatry 



Digitized by 



Google 



AND 31 

nytafika teo aloha do niteraka tafika tao- 
riandriana, na dia mandraka ankehitriny 
aza : fa maro ny tafika izay tsy misy 
an tony loatra afa-tsy ny hainaboana olona 
hatao andevo hiany. Ary izao no fanao- 
ny matetika: Izay olona nobaboiny tany 
an -tafika no nasnina hiasa any an-tsaha ; fa 
izay novidiny koea dia naropanaovina raha- 
n»ha mora tao an-tranon' ny tompony. Ary 
izay fanaon' ny Patriarka sy ny olona 
s&sany koa no nataon' ny Jiosy tamin' ny 
andro naba-firenena azy, fa izy koa nanana 
andevo. Ary nizara ho roa toko toy izao 
ny andevon* ny Jiosy : (1) Izay Jiosy tonga 
andevo ; (2) Izay olona Jirencfia hafa natait? ny 
Ji**y ho andevony. Ary nisy zavatra telo 
cahandevo ny Jiosy : (a) Izay verin-trosa 
ka tsy nanan-kaloa, dia tonga andevo amba- 
rapahaloany ny volan' olona (Lev. xxv. 39, 
40: 2 Mpan. iv. ]}. (b) Izay nangalatra 
zavatr* olona ka tsy nanana izay ho enti- 
manefa izany araka ny Lalan' i Moseay, dia 
tonga andevo koa (Eks. xxii. 1-4). (d) Ary 
indraindray koa, dia namidin' ny Jioay ny 
zanakavaviny ho mpanompo, fa toa ho 
vaditsindrano no an ton' ny nividianan' ilay 
nividy azy. Ary ilay zazavavy natao toy 
izany dia tsy afaka, na dia tonga aza ny 
fabenin-taona nahandevo azy, na ny taona 
Jobily azsi, raha mbola nikaaa hanam-bady 
azy ilay tompony, na ny znnaky ny tompo 
nividy azy. Ary raha nanam-bady bafa 
indray aza ilay nividy azy, dia tsy azony 
hisaorana tay akory ilay vady novidiny. 
Anefa raha sendra tsy novadiny, dia afaka 
fotsiny biany ny vebivavy raha tonga ny 
fetr* andTO (Eka. xxi. 7-11). Kanefa tsy 
tian* Andriamanitra raba naharitra ho 
andevo ambara-pahafatiny ny olona; koa 
amin' izany, araka ny Lalan' iMosesy nisy 
zavatra telo nahafaka azy : — (a) Ny nandoa- 
van* ilay andevo ny trosan' olona rebetra 
taminy. (A) Ny nahatongavan' ny taona 
Jobily (Lev. xxv. 39-40). (d) Raba tonga 
ny fahenin -taona mahandevo azy. Anefa 
raha tsy mba nabafoy ny tompony ny andevo, 
na dia tonga aza ny fetr' andro fahafahana, 
dia nisy famantarana nasaina bataony baba- 
lalan' ny olona fa andevo ambara-pahafatiny 
izy (Eks. xxi. 6). Kanefa raha ny fanande- 
vozana tamin* ny Jiosy no beverina, tsarovy 
fa ny Jiosy noraran' ny Lalan' i Mosesy 
mafy tsy hangalatra olona hatao andevo ; 
ary ny nivarotra azy dia noraran a koa, sady 
novonoina ny olona izay nanao toy izany 
(Eks. xxi. 16; Deo. xxiv. 7). (2) Ary ny 
amin f ny andevon' ny Jioay izay babo azony 
raha niady tamin' ny firenena hafa izy (Nom. 
xxxi. 26, etc.), na novidiny (Lev. xxv. 44, 
45), nisy koa izay nahafaka azy indraindray 
(Eks. xxi. 26, 27), tsy voalaza loatra eo 
amin' ny Baiboly anefa izany. Kanefa 
ny Baby milaza fa nisy fanao maromaro 
nahazatra ny Jiosy nentiny nahafaka ny 
andevony, na dia tsy isan' ny Jiosy aza 



AND 

izany andevo izany. Egypta dia tany misy 
fivarotan' olona indrindra ankehitriny, ary 
ny olona rebetra any dia samy manana 
andevo avokoa. Tsarovy fa Josefadia nami- 
din* ny rahnlahiny ho andevo tany Egypta. 
Fa tsy fantatra raha nisy fivarotana olona 
tao Egypta tamin' ny andron' ny Patriarka, 
na tsia, toy ny ankehitriny ; angamba tsy 
dia nisy olona izay tay nanam-barotra afa- 
tsy ny varotr' olona, fa toa fanampim-barotra 
hiany izany. Voalaza koa fa sekely roa- 
polo no vidin' iJosefa raha namidin' ny 
rahalabiny izy, tokony ho ariary dimy 
ambin' ny folo izany. Hto ambin' ny folo 
taona Josef a tamin' izay ; ary tokony bo 
toy izany no vidin' ny andevo any Egypta 
ankehitriny raba toy izany koa ny taona 
niainany. Mora vidy izany raha ampita- 
haina amin' ny vidin -jazalahy na zazavavy 
ompikely, satria mampiahiaby ny mpividy 
izy, fa efa lehibe ka afaka handositra, raba 
tianv izany. — n.E c. 

ANDO. Paha mbola fabavaratra any 
Palestina dia betsaka ny ando, ary misolo ny 
ranonorana izy, fa tay misy ranonorana any 
Palestina raba fahavaratra ny andro. Ka dia 
ataon' ny olona any fa zavatra mahasoa ny 
fiasan-tany ny ando. Hitantsika koa ny habe- 
tsahan' ny ando tany Palestina amin' ny fama- 
ntarana nomen' i Jehova an' i Gideona (Mpit. 
vi. 37-40). Ary dia lazain' ny nanoratra ny 
Soratra Masina matetika fa ny ando sy ny 
ranonorana dia fitahiana avy amin' Andria- 
manitra, fa izany no fototry ny fahavokaran' 
ny tany indrindra (Gen. xxvii. 28 ; Deo. 
xxxiii. 13 ; Zak. viii. 12); ary raha roitsa- 
batra izany dia nobeverin' ny Jiosy fs ozona 
mihitsy sy famantaran' ny hatezeran' 
Andriamanitra (2 Sara. i. 21 ; 1 Mpan. xvii. 
1 ; Hag. i.. 10). Ny ando no nalain' ny 
mpaminany matetika ho fanoharana nobo ny 
heriny hiditra sy hampando ny tany mangi- 
ngina ; ary noho ny fombany tsy maharitra, 
fa mihelinu faingana foana, dia nentiny ho 
fanoharan' ny batsaran' ny mpihatsaravela- 
tsihy, izay maharitra retivcty foana hiany 
(Hos. vi. 4). Ny mahatonga ny ando dia 
izao : Ny berin' ny bnin' andro mampaha- 
fana ny tarehin' ny tany raha mbola anto- 
andro, fa reljefa maty kosa ny masoandro, 
ary tony ny alina, dia mivoaka izany hnfa- 
nana azon* ny tany tamin' ny masoandro 
izany. Ary nobo izany dia mihamangatsia- 
ka koa ny rivotra ; ary raha ny rivotra tonga 
mangatsiaka mihoatra noho ny heriny hitana 
ny etona na vapora, izay voaharo aminy, 
dia miova bo rano ny etona na vapora ; koa 
izay lena hitantsika raha maraina eo amin' ny 
tany sy eo amin' ny ahitra ary ny rantsan- 
kazo, dia ando izany. (Zahao Geography 
Physilafy, pejy 26-28.)— t.t.m. 

ANDRI-AFO sy RAHONA. Tamin' ny 
nalehan' ny Zanak' Isiraely namaky ny 
efitra, Jehova hiany no nialoha azy hitari- 
dalana ; ary ny nisehoany dia tamin' ny 



Digitized by 



Google 



AND 8 

andri-rahona nony andro ary tamin' ny 
andri-afo nony alina ho fanazavana azy. 
Raha ny teny ao amin' ny Nom. ix. 16 no 
hevurina, dia nivelatra malalaka mba hana- 
rona ny tobin' ny Zanak' Isiraely rehetra ny 
andri-rahona, ho fialofana ho azy tamin' ny 
hafutratry ny hainandro (Eks. xiii. 21). 
Ary tsy nifindra toby ny Zanak' Isiraely 
raha tsy nifindra aloha ny andri-rahona ; 
ary tao amin' izay nijanonany, dia tao hiany 
no uitobian' ny olona (Nom. ix. 15-23).— 

J.8. 

ANDRIAMANITRA. Telo ny teny Hebreo 
izay nadika hoe Andriamanitra eo amin' ny 
Soratra Maaina ; dia El ay Eloah ary Elohim ; 
dia hodinihina tairairay izay heviny avy. 

1 . El. Malalaka ny hevitr' ity teny ity, 
fa teny nentin' izay nanoratra ny Baiboly 
hilaza ny fomban' Andriamanitra, na ny 
an' i Jehova, Andriamanitra marina, na ny 
an' ny sampin' ny firenena, dia ny andria- 
manitra tsi-izy. Ny sainpy hiany no lazain' 
ny hoe andriamanitra eo amin' ny Isa. xliv. 
10, 17; xlv. 6; Eks. xv. 11 ; Dan. xi. 36. 
Ploraly anefa ny teny Hebreo (Elim) eo 
amin' ireto teny roa ireto, ka dia ataon' 
ny sasany fa ireo mahery hiany no heviny. 
Raha ny sampy no lazaina, matetika misy 
teny hafa anaiupy amin' ny hoe andriama- 
nitra mba hamaritra ny heviny, tahaka ny 
hoe tti-fantatra, na rahiny (Eka. xxxiv. 14), 
sy tsi-izy, na manohitra (Sal. lxxxi. 9V, ary 
hafa (Deo. xxxii. 12). Raha ny hoe El no 
enti-milaza any Jehova, dia asian' ny 
artikoly izy, na ampian' ny teny hafa tahaka 
ny hoe THtoha (Eks. vi. 4), mandrakizay 
(Gen. xxi. 33), avo indrindra (Gen. xiv. 18), 
relona (Jos. iii. 10), mahery (Isa. ix 5), be 
voninahitra (Sal. xxix. 3), an' ny fahama- 
rinana (Sal. xxxi. 6) ; mahavaly (Gen. li. 66), 
an' i Betel* (Gen. xxxi. 13), an' i Isiraely 
(Gen. xx i iii. 20), etc. Eo amin' ny boky 
izay hira (ooetry) matetika ny hoe El no 
enti-milaza izay soperlativa : tahaka ny hoe 
tendrombvhitr' Andriamanitra = tendrorabohi- 
tra nvo dia avo (Sal. xxxvi. 7), sederaii* 
A ndriamanitra= sedera andrian-kazo (Sal. 
lxxx. 10) ; etc. Ny hoe B'ney Ehm (zanak' 
(ploraly) Andriamanitra) eo amin' ny Sal. 
xxix. 1 sy lxxxix. 6, no ataon' ny sasany 
ho milaza anjely, fa ny sasany kosa manao 
hoe fa zanaky ny mahery no dikany marina. 
Maro ny anaran' olona misy ny hoe El ho 
vaki-teny voalohany eo aminy, tahaka ny 
hoe Elia, E/isa, Ely, Etd&da, etc. ; ary 
amin' ny anarana sasany indray, El no vaki- 
teny farany, tahaka ny hoe Samo^/a, Le- 
mof/u, GabrWa, etc. 

2. Eloah (siugolara) ; 3. Elohim (ploraly), 
Tsy hita ny hoe Eloah afa-tsy amin' ny boky 
hira, indrindra eo amin' ny Joba, sy ny boky 
voasoratra teo aoriana, dia Daniela sy Nche- 
mia ary Tantara. Teny enti-milaza ny 
sampy koa izy, fa tsy ny Andriamanitra 
marina hiany (Dan. xi. 37, 38 ; Hab. i. 1 1 ; 



> AND 

Deo. xxxii. 15 ; Sal. 1. 22 ; Hab. iii. 3 ; etc.). 
Nefa ny ploraly, dia Elohim, no atao mate- 
tika kokoa eo amin' ny bokin' ny Test. Tal. 
rehetra, sady fanao indrindra raha ny 
Andriamanitra marina no lazaina. Raha 
izany no heviny, dia asiana artikoly matetika 
ny teny, ary indraindray dia ampian' ny 
teny hafa, tahaka ny hoe lanitra (Neh. i. 4), 
ny lanitra *y ny tany (Jer. xxiv. 3), ny faha- 
marinana ("ny Amena," Isa. Ixv. 16), ny 
maro (Am. iii. 13), etc. Elohim no teny 
enti- milaza ny sampy koa, satria izy ireo 
no ivavahana toa an Andriamanitra marina 
(Eks. xx. 3; xxxii. 31 ; Jos. xxiv. 20 ; Jer. 
ii 11 ; Jon. i. 5, etc.) ; ary tahaka an' i El, 
Elohim koa dia teny atao solon' ny soperla- 
tiva ; zahao Sal. Ixv. 9; lxviii. 15. Ny 
mpanjaka sy mpanapaka koa no natao hoe 
Elohim (andriamanitra) indraindray, satria 
golora-bavan' Andriamanitra aty am bo n in' ny 
tany izy; zahao Sal. Ixxxii. 1, 6; Jao. x. 
34, 35; Eks xxii. b, 27). Ary raha toy ny 
hevitry ny sasany, ny anjely no Itzaiif ny 
teny sasany izay miay ny hoe Elohim amin' 
ny teny Hebreo, dia Sal. viii. 6 sy xcvii. 7 ; 
nefa kosa, raha Andriamanitra (Jehova) no 
atao dikan' ny voidohany amin' ireto, ary 
andriamanitra (sampy) ny dikan' ny faharoa, 
dia raazava ny hevitr' izy roa. Ea na dia 
hita marina aza fa ny hoe Elohim no enti- 
milaza ny anjely, ao amin' ny teny sasany 
toa milaza fanahy sasany izay tsy olona, fa 
ambonin' ny olombelona, aiy anefa tsy dia 
Andriamanitra; zahao 1 Sam. xxviii. 13 sy 
Zak. xii. 8. 

Ary misy teny hafa koa tokony hodinihina 
eto, dia ny hoe 'B'ney Elohim,' izay hoe, 
zanak* (ploraly) Andriamanitra (Job. i. 6 ; 
ii. 1 ; xxxviii. 7), ary, 'B'ney ha-Elohim,' 
izay hoe, zanaky (ploraly) ny Andriamanitra 
(Gen. vi. 2, 4). Eo amin' ny bokin' i Joba 
ny anjely no nolazain' ity teny ity ; ary izy 
ireo no atao hoe zanak' Andriamanitra, satria 
Izy no nahary azy, tahaka Izy nahary any 
Ada ma (izay atao hoe koa "zanak' Andria- 
manitra" (Lio. iii. 38), nefa tsy teraka ny 
anjely, tahaka ny olombelona. Ary nomena 
azy izany anarana izany koa satria uy anjely 
dia mitovy fomba amin' Andriamanitra, 
Izay fanahy ("fanahy manompo izy rehe- 
tra"), fa indrindra satria masina tahaka Azy 
ny anjely. Ary iztiny no naiiomezana ny 
olona tsara fanahy koa ny anarana hoe "za- 
nak' Andriamanitra" eo amin' ny teny maro 
audi.' ny Tet-t. Vi.o. (Jao. i. 12, etc.) Fa 
ny teny eo amin' ny Gen. vi. 2, 4 dia saro- 
pantarina, ary mbola tsy mifanaraka ny 
hevitry ny olon-kendry izay efa nandinika 
nzy frnra. Jza moa ireo "zanak' Andria- 
manitra" talohan* ny Sufo-drano lebibe izay 
nifidy vady ho azy tamin' ny zanakavaviu* 
ny olona, ary dia niteraka ireo olo-mahcrv, 
dia lehilnhy manan-daza? Mizara ho telo 
loha ny hevitry ny olona amin' izany: (1) 
Ataon' ny sasany fa ny "zanak' Andnama- 



Digitized by 



Google 



AND 

mtn" voalaza etoana dia anjely, izay 
nofitahin' ny filan-dratoy rehefa hitany ny 
hatsaran-tarehin' ny vehivavy at^ an-tany, 
ka dia nivady tarainy. Nefa koaa, sarotra 
inoana izany, fa na cUa toy tokony hitompo 
teny fantatra aza iaika ny amin' izay hain' 
ay anjelv hatao, ary izay toy bainy, toy 
mifanaraka loatra izany hevitra izany amin' 
izay lazain' ny Soratra Masina ny amin' ny 
fomban' ny anjely, indrindra ny tenin' ny 
TorapontaLka voalaza eo amin' ny Mat. xxii. 
30. Ary na dia ny teny noaoratan' i Joda 
tza (and. 7) no entina hanamarina ity hevi- 
tra ity, raha dinihina taara izany teny izany, 
fiaTonavonana, fa tay filan-dratoy, no lazain' 
iJoda ho heloka nahavery ny anjely izay 
nanota. (2) Ary ataon' ny aaaany koaa fa 
ny hoe "zanak' Andriamanitra" milaza olona 
mahery, na olona lehibe, na olona lava, izay 
naka vady tamin' ny olona ambanimbany. 
Nefa tay hita izay nahadiso ny fanambadiana 
toy izany, na izay nahatonga azy ho niteraka 
zanaka toy mitovy tamin' ny olombelona 
rehetra. (3) Ary hoy ny aaaany indray, 
fa ny taranak' iSeta, izay nanaiky an' 
iJehova ay nanompo Azy, no natao hoe 
"zanak' Andriamanitra;" fa ny taranaky 
Kaina koaa, izay tay nanaja Azy, no natao 
hoe "olona" Many. (4) Fa ataon' ny aaaany 
indray koaa fa tonga anaram-pokon' olona 
ireo anarana roa ireo ; fa Adama, hoy ny 
teny (Gen. t. 3), « 'niteraka ^dia Seta) tahaka 
ny tarehiny, araka ny endriny," dia mpa- 
nota, tahaka ny rainy hiany, fa toy mba 
"tahaka ny tarehin' Andriamanitra" intaony 
(and. 1), izay nanaovana an' i Adama tamin' 
ny voalohany. Koa amin' izany, hoy ny 
saaany, ny taranak' i Seta nanaiky fa mpa- 
nota izy, ka "zanak' olona" Many, fa toy 
nriendrika hatao hoe "zanak' Andriamani- 
tra" intoony ; dia tonga toa anaram-pirenena 
izay nahafantarana ny taranak' iSeta ny 
hoe "zanak' olona." Fa ny taranak' i Kaina 
koaa dia niavonavona tahaka an- drain y ; toy 
mba nanaiky fa lavo tamin' ny voninahitra 
azon' i Adama razany tamin' ny yoalohany 
izy, ka dia mbola nandoka tena hoe "zanak' 
AndriamaMtra." Ity hevitra farany ity no 
tokony ho marina, nefa toy azo itompoana 
teny fantatra, fa zavatra saro-pantarina. 

Ary mbola misy zavatra hafa koa tokony 
hodnuhina, dia izao : Raha tray Many 
Andriamanitra, nahoana ny teny ploraly 
(Elohim) no end -mil aza Azy amin' ny tenin' 
ny Hebreo, izay nrenena fatra-pitandrina 
|zany hevitra izany ka dia vavolombelona 
izany indrindra teo amin' ny nrenena ? Fa 
na dia ploraly aza ny naona, ny verba sy ny 
teny hafa mikambana aminy koaa dia singo- 
jara. Hoy ny aaaany : Ajidriamanitra dia 
he?erina ho titambarana sy fikambanan' ny 
zavatra tanteraka sy tsara rehetra, dia toy 
anipy ny teny singolara hilaza ny fahalehi- 
biazany. Ary araka ny hevitry ny maro 
koa, Elohim, dia teny ploraly, no nanamba- 



38 AND 

ran' Andriamanitra ny tenany bo f amantarana 
fa Telo ny fomban' Andriamanitra, dia ny 
Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, 
nefa Irny hiany izy Telo. Fa izany dia 
mikasika amin' ny Theology, izay toy voala- 
zan' ity Dikwonary ity loatra. — J.8. 

AN OKI AN A. Efatra ny teny Hebreo 
nadika hoe ( andriana,' 'mpifehy,' 'andrian- 
dahy,' 'mpanapaka,' ary indraindray, 'mpa- 
njaka,' eo amin' ny Test. Tal. ; dia holazaina 
ttorairay izay heviny avy : — 

1 . Nagid : izay mialoha, mpUarika, na 
lehibe; dia teny enti-milaza olona izay 
voatendry hitmdrina raharaha, na hiantoka 
izany, na izay nomena fahefana hifehy ny 
maro; zahao 1 Sam. ix. 16; 1 Mpan. xiv. 
7 ; 1 Tant. xxvi. 24 ; 8al. lxxvi. 12 ; etc. 
Eo amin' ny Dan. ix. 2.j dia teny enti- 
milaza an' i Kristy io ; f a eo amin' ny xi. 
22 koaa, dia milaza any Pitolemy Filometora, 
mpanjakan' i Egypta, izy. 

2. Nadib : izay manotne sitra-po, malaza, 
avo razana ; zahao 1 Sam ii. 8 ; Sal. xlvii. 9 ; 
ovii. 40 ; cxiii. 8 ; cxviii. 9 ; Oha. xxv. 7 ; etc. 
Ity teny ity tamin' ny voalohany dia milaza 
olona taara fanahy izay toy mety manainbaiii- 
tena amin' ny lainga na ny fitaka na ny 
hihitra, dia vao izay avo razana na ambo- 
nimbony. Fa Nagid (1) koaa milaza voalo- 
hany izay andriana na leMbe, dia vao izay 
taara fitondran-tena ka manaoizay miendrika 
ny olona taara fanahy (Oha. viii. 6). 

3. Nasi: izay amndratra ; teny malalaka 
milaza andriandahy sy mpanjaka ity (1 Mpan. 
xi. 24 ; Ezek. xii. 10 ; etc.), sy loham-pire- 
nena na loham-pianakavy ((San. xvii. 20 ; 
Nom. i. 44 ; iii. 24 ; vii. 10 ; xxxiv. 18 ; 
lTant. vii. 40; etc.). 

4. Sar : mptfehy, lohan* ny olona iray toko, 
andiiana na loholona ; dia teny enti-milaza 
ny lehiben' ny mpitondra-kapoaka sy ny 
leMben' ny mpanao mofon' i Farao, mpanja- 
kan' i Egypta (Gen. xl. 2), sy ny mpifehy 
Egyptiana izay nifehy ny Zanak' Iairaely 
tany Egypta (Eks. i. 11), ary ny lehiben' ny 
mpiandry omby aza (Gen. xlvii. 6). Teny 
enti-milaza ny komandin' ny miaramila koa 
ity (Eks. xviii. 21 ; 2 Mpan. i. 9 ; etc.), ary 
mpanjaka, na izay toy voafetra, na izay 
nanoa. (1 Sam. xxix. 8; Jer. Ii. 69; eto.) 
Eo amin' ny Dan. viii. 11, Andriamanitra no 
atao hoe "Komandin' (Sar) ny maro;" ary 
amin' ny and. 25, ny Mesia no atao hoe 
"Andrian' (Sar) ny andriana" (sar). 

5. Akasdarpenim : teny Persiana milaza 
ny mpanapaka ny flzaran-tany tamin' ny 
fanjakan' i Persia ity ; zahao Ezr. viii. 36 ; 
Est. iii. 12; viii. 9; ix. 3; Dan. iii. 2, 3, 
27 ; vi. 2, 3.— j.s 

ANDREA no anankiray tamin' izy roa 
iahy izay azon' i Jesosy voalohany indrindra 
ho mpianatra h an araka Azy ; Jona na Jaona 
no anaran-drainy, Betonida no tanuna nitoe- 
rany, ary ny manarato no raharahany. 
Mpianatr' i Jaona Mpanao-batisa izy, anef a 



Digitized by 



Google 



AND 

raha nandre ny tenin' iJaona milaza an 1 
i Jesosy, fa Zanak' ondrin' Andriamanitra 
Izy, dia nandao an' i Jaona izy ka tonga 
mpianatr' i Jesosy (Jao. i. 35-40). Nitootra 
teo amin' nv Tonipo izy aildrotrizay, fa niala 
ndray vetavety; asa izay resaka nataon' 
izy ay Jesosy, fa tsy voalaza izany ; anefa 
hitantaika fa izany no nahafantarany fa 
Kristy tokoa Jesosy, ary nandeha izy nitady 
namana hilazany izay efa hitany Ary 
voalohany, Andrea nihevitra ny rahalahiny, 
dia Simona (Petera), ka dia nitaona azy 
ho any amin' i Jesosy (Jao. i. 41). Tsy 
fantatra izay zokiny tamin' izy mirahalahy, 
anefa fantatsika fa izay nantsoina taloha 
dia tonga faharoa kosa raha ny raharaha 
nataony avy no heverina. Taorian' izany 
dia nantsoin' i JeBOsy izy mirahalahy (Mat. 
iv. 18; Mar. i. 16), ary tokony ho tamin' 
izay no nandaozany ny zavatra rehotra 
hanarahany ny Tompo ; ary manaraka izany 
indray Andrea nofidiny Jesosy ho isan' ny 
Roa ambin' ny foio lahy (Apostoly). Eo 
amin' ny tantara milaza ny nampihinanan' 
ny Tompo ny olona dimy arivo, dia miseho 
indray ny anaran' i Andrea, fa izy no 
nitondra ilay zazalahy izay nanana ampempa 
dimy sy hazandrano roa tamin' i Jesosy 
(Jao. vi. 1-14). Koa ataon' ny sasany fa 
Andrea nino ny herin' ny Tompo Jiampi- 
tombo izany ho sahaza iroo olona maro be 
ireo. 

Ary ela taorian' izany vao hita indray ny 
anaran' i Andrea eo amin' ny Filazantsara, 
dia tamin' ilay Talata talohan' ny nahafa- 
tesan' ny Tompo. Nisy proselyta sasany 
izay efa tonga tao Jerosalema, ary tsy tiany 
hiala indray raha tsy tafahaona amin' i Jeso- 
sy izy. Niteny tamin' iFilipo voalohany 
izy ireo, fa Filipo kosa nilaza tamin' i Andrea ; 
ary Andrea sy Filipo nilaza indray tamin' 
i Jesosy (Jao. xii. 22). Misy mihevitra fa 
Andrea no mahay olona noho ny namany, 
koa amin' izany dia tian' ny olona hohato- 
nina izy. Ary ny anaran' i Andrea dia 
voalaza indray ho isan' ireo mpianatra roa 
lahy izay nanatona an' i Jesosy ka nanontany 
azy nv amin' ny fotoana hanatanterahany 
ny teniny sasany (Mat. xii. 3). Koa hitantsi- 
ka fa izay zavatra makza indrindra amin' 
ny tantaran' i Andrea dia ny fahazotoany 
hitondra olona any amin' i Jesosy. Ary 
misy manao hoe fa na dia ny nitondran' 
i Andrea an' i Petera tany amin' i Jesosy 
hiany aza no vitany, dia hita fa asa lehibe 
tokoa izany sady ampy tsara ho fankalazana 
azy. Tsy misy fantatra marina ny amin' 
ny niafaran' i Andrea; misy lovan-tscfina 
anefa milaza fa nitory teny tany Skytia sy 
Akaia ary Asia Minora, etc , izy ; ary 
nohomboana tamin' ny hazo mitanamboko- 
voko tany Patroy any Akaia, hono, no naha- 
fatesany, nefa tsy fantatra na marina izany 
na tsia. Raha ny sarin' i Andrea no ala- 
hatra amin' ny an' ny Apostoly namany, ny 



M AND 

hazo mitanambokovoko mitarehy toy izao X 



no atao miaraka aminy, fa tamin' izany, 
hono, no nahafatesany. — h.e.c. 

ANDRO: dia teny nentin' ny nanoratra 
ny Soratra Masina hilaza ny elanelan' 
ny fiposahan' ny masoandro sy ny filente- 
hany, dia izay misy ny mazava, ampitahaina 
amin' ny alina, dia ny maizina ; ary nentiny 
koa ny hoe andro hilaza ny ora efatra amby 
roa-polo, izay toa ahataperan' ny masoandro 
ny alehany indray mandeha manodidin' ny 
tan v. Ny hoe "nisy hariva, arv nisy marai- 
na no fiteny koa milaza ny faharoan' ireo 
hevitra roa ireo (Gen. i. 6, etc.). Samy hafa 
be hiany anefa ny fanaon' nv firenena samy 
hafa ny amin' ny niantombohan' ny fanisana 
andro : tao amin' ny sasany, ny maraina no 
niandohan' ny andro ; tao amin' ny sasany, 
ny mitatao-vovonana no izy ; tao amin' ny 
sasany koa, ny hariva no izy ; ary tao amin' 
ny sasany indray, ny mamaton' alina no 
niandohan' ny andro vaovao. Araka ny 
teny eo amin' ny Genesisy, toko voalohany, 
ny Jiosy nanaraka ny fahatelo amin' iroo 
f anao efatra ireo, ary nanisa ny andro hatra- 
my ny filentehan' ny masoandro; koa ny 
Zoma niantomboka tamin' ny harivan' ny 
Alakamisy, ary tapitra raha nilentika nv 
masoandro amin' ny Zoma. Zahao Lio. xxiii. 
54 sy Jao. xix. 42. Ny andro rlravoravoana 
sy fifadiana sasany koa no nasain' ny lalany 
Mosesy mba hian^mboka amin' ny harivan' 
ny andro mialoha izany (Lev. xxiii. 5, 32). 

Ny fizaran' ny andro izay voalaza voalo- 
hany eo amin' ny Baiboly dia "maraina sy 
hariva" (Gen.i. 6), ary, "mitataovovonana ny 
andro" (Gen. xliii. 16). Ary fanampin' ireo 
telo ireo, misy teny hafa koa, fito na valo no 
isany, milaza ny fizaran' andro madinidinika 
kokoa, sahalahala amin' ny fitenin' ny Mala- 
gasy hoe : 'ahitan-tsoratr' omby,' 'valri- 
mHSoandro,' etc. Ary izao no izy : — 

Nesheph : avy amin' ny verba izay toy ny 
hoe 'mandrivotra* ; ary milaza ny rivotra 
mangatsiatsiaka izay mialoha ny nposahan' 
ny masoandro ary miaraka amin' ny filente- 
hany, na manaraka izany (zahao Gen. iii. 8 ; 
ny hoe "hariva ny andro" raha adika mihitsy 
dia "ny rivotry nv andro"). Nadika hoe 
fahazavan? ny andro (Job. vii. 4) ; mazava ratsy 
(1 Sam. xxx. 17); tnaizimaizina (Job. xxiv. 
16) ; ary, hariva (Isa. v. 11) ity teny ity. 

Shakar : avy amin' ny verba izay toy ny 
hoe 'miposaka,' na 'mipoaka.' Nadika hoe 
maraina koa (Gen. xix. 16). ary mazava^atsy 
ny andro (Jos. vi. 16) izy. 

Tsaharim, dia fahazai ana roa, na fahaza- 
vana indrindra (Gen. xliii. 16), no hevitr' 
izany ; ka mitovy hevitra amin' ny hoe hofa- 
nan 1 tty andro (Gen. xviii. 1). Izy roa dia 
teny enti-milaza nv andro mitataovovonana. 

Erev : avy amin ny verba izay toy ny hoe 
'mangaro' ; ary milaza ny hanran' ny 
andro (Mpit. xix. 9). Ny teny eo amin' ny 
Eks. xii. 6 nadika hoe "amin' ny hariva," 



Digitized by 



Google 



AND 

dia "eUtnektn* ny hariva roa" no tena 
dikany mihitey. Koa nifanditra ny Raby, 
mpampianatra ny lalan 1 i Mosesy, ny amin' 
ny hevitr' izany teny izany ; fa ny iray toko 
nanao azy ho milaza ny andro elanelan 1 ny 
filentehan 1 ny masoandro sy ny mam a ton' 
alina; fa ny iray toko kosa nanao azy ho 
milaza ny andro olanelan' ny 3 sy ny 5 ny 
fam&ntaranandro. Ny faharoa amin* ireo 
mila ho marina, raha ny teny nosoratany 
Josefosy no heverina. 

KaUoth : avy amin' ny verba izay toy ny 
hoe 'mizara ho roa, 1 ary milaza ny tnitasak' 
elim. 

Ny amin' ny fizarana ny andro sy ny alina 
bo nambenana telo sy efatra, zahao fiambe- 

HASA. 

Ny hoe andro no enti-milaza koa ny andro 
rehetra, hatramin' ny voalohany ka hatramin 1 
ny farany (Eng. time), zahao Gen. xlvii. 8 ; 
ary teny milaza fahoriana koa izy (Sal. 
xxxvii. 13, sy ny fitsaran 1 Andriamanitra 
(Joel. i. 15), sy andro firavoravoana, ua 
tittdngerenan 1 ny andro nahaterahana (Hos. 
tii. 18) ; ary raha ploraly izy dia milaza 
volana (Gen. xxix. 14) sy taona (Isa. xxxii. 
lOjkoa. 

Tsy mba nomen' ny Jiosy anarana ny 
andro fito amin 1 ny herinandro — tahaka ny 
fanaontsika sy ny fanaon 1 ny firenena maro, 
na tamin , ny taloha, na ankehitriny, fa ny 
»W ny andro, araka ny filaharany manaraka 
ny Sabata, no nanononany azy ; dia ( ny 
andro voalohany,' *ny andro faharoa, 1 etc. — 
J.s. 

AHDBO JTAHATEBAHANA: Fitsingerenan 1 
iy. Hatrizay cla dia ela izay efa fanaon' 
ny firenena maro ny mitandrina sy mahatsiaro 
ny andro nahaterahan 1 ny olona, ary raha 
mitaingerina ny taona dia mifaly izy ka 
manasa ny havana aman-tsakaizany. Ny 
fitangerenan 1 ny andro nahaterahan 1 ny 
zanakalahy matoa dia natao andro firavora- 
yoana indrindra (Job. i. 4, 13, 11) ; ary toy 
izany koa taxnin 1 ny an 1 ny rapanjakan 1 
iEgypta, talohan 1 ny andro nahaveloman 1 
i Joeefa aza (Gen. xl. 20). Izany andro izany 
dia masina tao amin 1 ny Egyptiana ; ka tsy 
nanao raharaha akory izy, fa nifaly hiany. 
Ary tsy ny andro hiany, fa ny ora nahate- 
rahan' ny Egyptiana aza dia notsarovany ; 
dia nanao f anasana ho an 1 ny sakaizany izy 
tamin' ny fitsingerenan' ny andro, sady 
novangiany izy. Tsy mba fanaon 1 ny Jiosy 
anefa izany ; ary tsy misy teny eo amin 1 ny 
Baiboly milaza ny nitandremany andro toy 
wany. Misy hiany ny teny milaza ny nita- 
ndreman 1 i Heroda mpanapaka ny fitsinge- 
renan 1 ny andro nahaterahany (Mat. xiv. G), 
fa ny fomba fitandrcmana izany no nahatonga 
ny nahafatesan 1 iJaona Mpanao-batisa ; nefa 
fantatra marina fa tiau' i Heroda sy ny 
mpianakaviny ny fanaon 1 ny Komana, na 
dia izay nikasika tamin 1 ny fanompoan-tsa- 
opy aza. Ary ny Jiosy tsy nitandnna andro 



35 ANG 

toy izany, hono, satria ny sampy, izay nohe- 
verin 1 ny firenena sasany ho tomnon 1 ny isaky 
ny andro tsirairay, no nohajain* ny olona 
indrindra tamin 1 ny nitsingerenan 1 ny andro 
nahaterahany. Misy ny sasany anefa izay 
mihevitra fa fitsingerenan 1 ny andro nanja- 
kan 1 i Heroda no notsarovany sy nifaliany, 
araka izay voalaza eo amin 1 ny Mat. xiv. —J. 8. 

ANDBON' NY TOMPO (Apok. i. 10) ; 
dia ny voalohan 1 andro isan-kerinandro, izay 
andro masin'-ny Kristiana sy andro fitsaha- 
ran 1 ny mpanompon 1 i Knsbr amin 1 izay 
asany rehetra manaraka ny nolo ; tahaka an 1 
i Kristy koa nitsahatra tamin' ny asan f ny 
nanavotany antsika. Ary atao hoe * * Andron' 
ny Tompo" ity, satria (1) fiherenana sy faha- 
tsiarovana ilay andro nitsaharan 1 i Jesosy 
sy nitsanganany ; ary satria, (2) "IzyZanak' 
olona no Tompon 1 ny andro Sabata koa 1 * 
(Mar. ii. '/8). Zahao sabata..— w.m. 

AKDBONOO : zahao anaka, hometa, xoaha 
sy letaha. 

ANETA (Eng. anisa ; Anethum graveolemS : 
dikan 1 ny teny Girika hoe amthon io teny 10, 
ary milaza zava-maniry na anana. Madinika 
ny voany, sady manitra no mafanafana, ary 
dia natao funaf ody hatrizay ela izay izy, fa 
mampahatanjaka ny tena, hono, sy mahafaly 
ny fo. Ary atao fihinana koa ny voan* ny 
anisa any amin 1 ny tany maro. (Heverin 1 
ny sasany anefa fa dila (Eng. dill) no dikan 1 
ny teny Grika izay marimarina kokoa noho 
ny hoe anisa.) Na dia isan' ny anana madi- 
nika aza ny anisa, dia izy no nandoavan 1 ny 
Fariseo ny fahafolony tamin 1 ny mpisorona, 
niarakn tamin 1 ny fahafolon' ny anana hafa 
koa ; ka dia nanarin' i Blristy izy amin 1 ny 
teny hoe : "Lozanareo — fa mandoa ny faha- 
folon 1 ny solila sy ny atieta ary ny komina 
hianareo, nefa navelanareo izay lehibe 
amin 1 ny Lalana," etc. (Mat. xxiii. 23.)— 

J. 8. 

ANGANO, Roa hiany ny angano voalazan 1 
ny Baiboly, ary izy roa tsy mba nolazain 1 ny 
mpaminany nirahin 1 Andriamanitra, fa teny 
nentin' olona fotsiny hanatnpy sy hanazava 
ny anatra nomeny. Ny voalohany dia ilny 
natuon' iJotama tamin' ny mponina lao 
Sokema, ho fananarana ny tsy nahatsiarovany 
ny soa nataon 1 iGideona rainy taminy, dia 
nnnao angano izy ny amin' "Ny Hazo nifidy 
Mpanjaka' ' (Mpit. ix . G-2 1 ) . Ary ny angano 
anankiray koa dia ilay nataon 1 i Joasy, mpa - 
njakan' ny Isiraely, namaly ny fireharehan' 
i Amazia, mpanjakan' ny Joda ; fa nanao 
angano izy ny amin 1 "Ny Tsilo tany Liba- 
nona ta-hahazo ny Zanakavavin 1 ny Sedera 
any Libanona ho Vadin 1 ny Zanani-lahy" 
(2Mpan. xiv. 8-10). Ary hit antsika marina 
fa tsy ampy veliveiy ny angano hilaza ny 
hevitra marina izay lehibe indrindra ; koa ny 
fanofiaraKa, fa tsy mba ny angano, no nentin 1 
ny mpaminany tany aloha sy Jesosy Tompo 
tato aoriana hilaza ny amin 1 ny fanjakan 1 
Andriamanitra.— J. s. 



Digitized by 



Google 



ANJ «6 

ANJSLY (Heb. maVaeh; Grika, aggelos ; 
Eng. angel; Fr. aw^e). *Iraka' no hevitry 
ny teny Hebreo sy Grika izay nadika hoe 
'anjely amin' ny teny Malagasy, ary indrai- 
ndray foana milaza iraka fotsiny C Job. i. 14 ; 
1 8am. xvi. 19V; ary indraindray Koa milaza 
olona izay niranin' Andriamanitra hanambara 
ny sitrapony : na mpaminany (Hag. i. 13; 
Mai. iii. 1) ; na mpisorona (Mai. ii. 7) ; na 
mpitandrina ny fiangonana (Apok. i. 20). 
Teny en ti- milaza ny zavatra tsy manan-nina 
koa ity teny ity : dia ny andri* rahona (Eks. 
xiv. 19) ; ny rivotra (Sal. civ. 4) ; ary ny 
aretina (Sal. lxxviii. 49 (?) ; 2 Kor. xii. 7). 

Fa ny ankabiazan' ny teny nadika toy izao 
dia milaza ireo fanahy raaro sy ma sin a ary 
mahery ireo izay tsy mitovy fomba amin' ny 
olombelona, fa manompo an' Andriamanitra 
any an-danitra ary irahiny hanompo sy 
liiaro ny olona tsara fanahy koa aty ambonin' 
ny tany. Koa tsy mitovy fomba amin' 
Andriamanitra ny anjely, na dia natao hoe 
"zanak' Andriamanitra aza izy indraindray 
(Job. i. 6 ; xxxviii. 7), fa mpanompony sy 
fanahy nataony hiany izy ; ary tsy ampitovina 
akory Andriamanitra sy izy. Eo amin' ny 
Epistily tamin' ny Hebreo (i. 14) ny anjely 
no lazaina ho "fanahy," nefa kosa niseho 
matetika tamin' ny tena hiany, ary toa 
tahaka ny olona ny tarehiny raha hitan' 
olona izy. Fa ny amin' ny fomban' izany 
tenan' ny anjely izany tsy misy voambara 
umintsika, nefa angamba mitovitovy amin' 
ny tena izay hananan' ny olona tsara fa 
nahy amin' ny fiainana ho avy izy, izay 
lazain 1 i Paoly hoe "tena misy fanahy," 
ampitahaina amin' ny "tena misy aina" 
ananantsika ankehitriny (1 Kor. xv. 44). 
Mifanaraka amin' izany koa ny tenin' ny 
Tompo manao hoe, fa amin' ny fananga- 
nana ny maty ny tsara fanahy ho tahaka 
ny anjelin' Andriamanitra (Mat. xxii. 30). 
Tsy misy fetra ny tsi-fitovian' Andriama- 
nitra sy ny olombelona, koa tsy mahagaga 
akory raha misy fanahy maro karazana ao 
nnelauelan' Izy sy isika, dia fanahy izay 
lnanan-kery sy fahaizana lehibe lavitra noho 
izay ananantsika, nefa mpanompon' Andria- 
manitra hiany, satria asan' ny tanany 
izy. 

Maro ny teny ao amin 1 ny Soratra Maaina 
izay ahaf antarantsika fa bctsaka dia belaaka 
ny anjely ; zahao Dan. vii. 10, "arivoarivo 
no nanompo Azy, ary alinalina no nitsanga- 
na teo anatrehany ;" Mat. xxvi. 63, "anjely 
tsy oraby roa ambin' ny foio lejiona" (ny 
lejiona dia miaramila maro mind -dia, toko- 
ny ho 3000—6000); Lio. ii. 13, "anjely 
maro be avy any an-danitra ;" Heb. xii. 
22, "ny anjely tsy omby alinalina." Ary 
raha ny filaharan' ny zava-manan-aina sy ny 
tsi-fitovian' ny olombelona aza no heverina, 
dia angamba misy filaharana ao amin' ny 
anjely : misy ambony sy ambany, misy mpi- 
fehy sy izay fehezlny ; fa raha ny teny sa- 



ANJ 

sany no dinihina dia tsy mitovy ny fahefana, 
na ny voninahitra, na ny fahendrena ana- 
nan* ny anjely masina. Ny tenin' i Zakaria 
(i. 11) toa milaza anjely ambonimbony, izay 
mitsangana eo anatrehan' Andriamanitra, 
ary ampitahaina amin' izay ambanimbany 
ka irahiny hanaony sitra-pon' i J eh ova; zahao 
iii. 7. Eo amin* ny bokin LDaniela, Mikaela 
anjely no atao hoe "anankiray amin' ireo 
andriana lehibe" (x. 13), ary, "andrian- 
dehibe" (xii. 1) ; ary nadika hoe 'arikan- 
jely' amin' ny teny Grika izany, dia teny 
nontin' ny Apostoly indroa milaza ny anjely 
lehibe sady mahery ; zahao ahtjlinjelt. 

Raha ny tenin' i Jesosy Kristy nosora- 
tan' i Matao sy voalaza teo no heverina, toa 
tsy misy lahy na vavy ao amin' ny anjely ; 
ary tsy misy teny akory milaza anjelivavy. 
Ny sampin' ny Jentilisa dia lazaina no 
andriamani-dahy sy andriamani - bavy (I 
Mpan. xi. 6 ; Asa. xix. 27), sady lazaina ho 
niteraka andriamanitra hafa izy ; fa ny So- 
ratra Masina kosa milaza ny anjely ho lahy 
izy rehetra, mba haneho fa inanana tombom- 
boninahitra ny lahy, fa tsy mba hanavaka 
azy amin' ny vavy tsy akory. Ny anjely no 
lazain' ny teny sasany ho tahaka ny tanora 
fanahy ny tarehiny (Mar. xvi. 6), ka dia 
milaza ny ha tan j ah any sy ny heriny tsy 
miova na mihakely izany. Tsy mety maty 
ny anjely (Lio. xx. 36) ; nefa satria Andria- 
manitra hiany "no manana ny tsi-fahafate- 
sana" avy amin' ny fombany, ny faharetan' 
ny anjely dia avy amin' ny sitra-pon' Andria- 
manitra biuny. Dia tsy avy tamin' ny ma- 
ndrakizay ny niandohan' ny anjely, fa nisy 
fotoana naha-tsy ary azy. Koa satria tsy 
misy teny milaza ny nanaovan' Andria- 
manitra ny anjely niaraka tamin' ny nanao- 
vany izao tontolo izao, angamba ela dia ela 
talon an' izany ny nanaovan' Andriamanitra 
azy ; ary mifanaraka amin' izany koa ny 
teny eo amin' ny Job. xxxviii. 4-7. 

Ny amin' ny fombam-panahin' ny anjely, 
dia azo lazaina fa hendry lavitra noho ny 
olona izy ; fa hoy ny teny : "Fa ny amin' iza- 
ny andro na ora izany dia tsy misy mahaiala 
na dia ny anjely any an-danitra aza" (Mar. 
xiii. 32 ; zahao koa, 2 Sam. xiv. 17, 20). 
Ary koa, lehibe ny herin 1 ny anjely, raha 
ireo teny ireo no heverina : Sal. ciii 20, 
"hianareo anjeliny, izay mahery indrindra" 
2 Tea. i. 7, "anjelin' ny heriny ;' r 2 Pet. ii. 1 1, 
"ny anjely aza izay mihoatra amin' ny 
taujaka sy ny hery. Ny fahamatinan' ny 
anjely dia voalazan' ireo teny ireo : Lio. ix. 
26, "anjely masina;" 1 Tim. v. 21, "ny 
anjely izay voafidy." Ary ny faha/inare- 
tana ananan' ny anjely dia fantatra rahateo, 
satria masina izy, nefa lazaina marina eo 
amin' ny Lio. xx. 36 koa, izay manao hoe, 
fa ny voavonjy ao amin 1 ny fiainana ho avy 
dia "mitovy amin' ny anjely sady zanak' 
Andriamanitra." Ny fitiavan* ny anjely ny 
olombelona, ary ny faniriany mba hamonjena 



Digitized by 



Google 



ANJ M 

iokft, dia hita marimarina am in' ny tenin' 
ny Tampo hoe : "Fa misy nfaliana . . . . eo 
anatrehan' ny anjeliu' Andriamanitra ny 
amin' ny mpunota iray izay mibebaka" (Lio. 
xt. 7, 10). 

Ny fanompoana a toon' ny anjely t dia ny 
anaovany rnharaha hahatanteraka ny sitra- 
pon* Andrianianitra Tompony, dia lazaina 
marimarinn eo amin* ny Soratra Masina. Ny 
anarany aza (anjely=»raA;a) dia vavolombe- 
k«a fa mpanompon' Andriamanitra izy. Ny 
teny sasany no ahafantarantsika fa omena 
nharaha hataony izy amin* izay momba ny 
famonjena, na ny fampijaliana ny ratsy 
fanahy amin' ny andro fitsarana, zahao Mat. 
xin. 41, 49 ; xxiv. 31 ; Lio. xvi. 22. Ary ny 
tantara maro, na amin' ny Teat. Tal., na 
ny Teat. Vao., no ahitantsika fa niseho ma- 
tetika ny anjely mba hamonjy ny olona tsara 
fanaby sy hanambara ny sitra-pon' Andria- 
manitra tamin' ny mpanompony ; zahao 
Gen. xix. 10, 16-22 ; 2 Mpan. vi. 17 ; Dan. 
vi. 22; Lio. i. 11, 26; ii. 9; Asa. v. 19, 
20; x 3, 19; xii. 7; xxvii. 23; etc. Ary 
ny anjely no nirahina indraindray mba ha- 
mpijaly ny rntsy fanahy sy handringana ny 
fahavalon* Andriamanitra; zahao Gen. xix. 
13; 2 Mpan. xix. 35; Asa. xii. 23; etc. 
Ary matetQca angamba, na dia tsy hita aza 
ny anjely, dia miaro sy manompo ary maha- 
«oa ny mino izy, fa lazaina ho "fanahy 
manompo* ' izy, "nirahina hanao fanompona 
ho an* iaay handova famonjena*' (Heb. i. 14) ; 
vakio koa Sal. xxxiv. 7 ; xci. 1 1 ; Mat. xviii. 
10. Kanefa koaa, tsy avy amin' ny sitra-pony 
hiany no anaovan* ny anjely izany, fa araka 
ny didin' Andriamanitra Izay maniraka azy ; 
zahao Sal. ciii. 20; civ. 4 ; Heb. i. 13, 14. 
Koa amin' izany, tsy ny anjely no tokony 
hiankinftnt***** gy hanaovantsika fivavahana, 
fa Andriamanitra Tompony, izay ivavahany 
sy hajain' ny anjely rehetra (Kol. ii. 18 ; 
Apok. xix. 10 ; xxii. 9). 

Vitsy hiany ny teny milazu izay ataon' ny 
anjely any an-danitra, nefa raha ny an dim - 
ny aasany no heverina, toa mitoetra eo ana- 
trehan' Andriamanitra izy, sady midera 
sy mankitlaza Azy mandrakariva ; vakio 1 
Mpan. xxii 19 ; lia. vi. 1-3 ; Dan. vii. 9, 
10; Apok. vii. 11, 12. 

Anjely mpiaro isam-batan' olona. Raha toy 
ny hevitry ny mpanoratra Kristiana tamin' 
ny t^l^l»<s isan' olona dia ambenan' ny anje- 
ly avy, izay miaro azy amin' ny loza sy 
mamporiaika azy hanao ny marina. Hevitry 
ny Jiosy sy ny Mohamedana koa izany. Ne- 
fa koaa, tsy mifanaraka amin' ny tenin' ny 
Soratra Masina loatra izany, fa ny teny 
entina mba hanamarina io hevitra io, dia 
Mat. xviii. 10, tsy mampianatra fa isan' 
olona no ambenan' ny anjely, fa milaza fa 
ny zanaky ny olona mino, na ny malemy 
indrindra amin' ny mpianatr' i Kristy, tsy 
tokony hoheverina ho tainontsinona, satria 
ay anjely aza mety manompo azy. 



ANK 

Anjelin' ny Devoly. Ampianarin' ny To- 
mpo isika fa misy anjely sasany izay mpano- 
mpon* ny Devoly (Mat. xxv. 41) ; ary toa 
anjely afa-boninahitra ireo, satria "tsy nitana 
ny anjara-fanapahany" (Jod. 6), fananota (2 
Pet. ii. 2), ka dia voaozona sy very izy ; 
zahao demonia.. 

Ny amin' Hay Anjely be voninahitra sy 
mulaza indrindra, Izay atao hoe "Ny Anjclin' 
iJehova" sy "Ny Anjelin* Andriamanitra" 
zahao jehova; fa tsy mba anjely nataon' 
Andriamanitra izany, fa fisehoan' i Jehova 
sy fanambarana ny tenany tamin' ny olo- 
mbelona. — J. 8. 

ANK0AY : zahao voboxaheky. 

ANTIKEISTY. Teny tsy hita eo amin' 
ny Baibciy ny hoe Antikristy, afa-tsy 
amin' ny Epistily nosorntan' i Jaona ; zahao 

1 Jao. ii. 18, 22; iv. 3; 2 ; Tao. 7. Ny he- 
vitry ny teny hoe anti dia indraindray solo, 
ary indraindray mpandrafy na mpunokitra. 
Dia mizara roa araka izany ny iheveran' ny 
olona an' i Antikristy : ny sasany manao 
azy hitovy amin' ireo Kristy sandoka lazain' 
ny Tompo (Mat. xxiv. 6, 24) ; fa ny sasany 
koaa tsy manao azy ho mpanandoka fotsiny 
hiany, fa ho mpandrafy an' i Kristy sy faha- 
valony. Hitantsika amin' ny tenin' i Jaona 
fa nisy Antikristy maro efa niseho sahady 
(1 Jao. ii. 18) ; fa na dia izany aza, mbola 
misy anankiray lazainy ho avy ; fa aingolara 
ny hoe Antikristy amin' ilay teny manao 
hoe : "Efa renareo fa ho avy ny Antikristy." 
Fa iza moa izany Antikristy izany ? Maro 
ny hevitra efa nataon* ny olona amin' izany. 
Ny hevitra izay efa nekena ela indrindra dia 
ny manao an' i Antikristy ho fahavalo ana- 
nkiray rut8y fanahy indrindra izay hiseho alo- 
han' ny hihavian* i Kristy. Nony taoriana, 
ny Papa no atao hoe Antikristy ; ary ny Kato- 
lika Komana indray nanao ny Protestanta ho 
izy. Ny fiangonan' ny Grika kosa nilaza 
an' i Mohameda ho Antikristy. Ary misy 
koa ny sasany manao azy ho fanoharana mi- 
laza ny hitomboan' ny ratsy sy ny hanohe- 
ran' ny maro an' l Kristy. Noho izany 
sarotra ny milaza marina izay Antikristy, dia 
tsy mety raha mitompo teny fantatra ; ary 
tokony hoheverina koa, fa na dia efa nisy 
aza izay tandindon' i Antikristy sy mpia- 
loha azy, angamba izay tena Antikirsty 
mbola tsy niseho ambarak' ankehitriny. 
Raha toy ny fihevitry ny maro, Antikristy 
hiany ilay lazain' i Paoly eo amin' ny 

2 Tesaloniana (ii. 1-12). Ary izao koa 
no teny azo ampitoviana amin' ny filazana 
an' i Antikristy : Mat. xxiv. 3-31 ; 1 Tim. 
iv. 1-3 ; 2 Tim. iii. 1-5 ; Dan. vii. 7- 
27; viii. 8-25; xi. 36-39; Apok. xiii. 
1-8, 11-18; xvii. 1-18; xix. 11-21.— 

W.E.O. 

ANTI0KIA. Misy tan ana roa natao hoe 
Antiokia voalazan' ny Baiboly ; ny ananki- 
ray tony Syria, ary ny anankiray tuny Pi- 
sidia. 



Digitized by 



Google 



ANT 

(i) Antiokia any Syria. Fonv mbola 
nanjaka tuny Syria ny Grika, izany ta- 
nana izany no renivohiny ; ary raha Syria 
no nataon' ny Romana zana-tanin' iRo- 
ina, dia Antiokia mba tanana nitoeran' ny 
governora. Niorina tao amin' ny fihao - 
nan' ny tendrombohitra Libanona sy Tao- 
rosy izy. Misy ony atao hoe Orontesy ma- 
maky ireo tendrombohitra ireo ; tao amo- 
ron' izany ony izany, saiky hoatra ny nosy, 
no niorenan' i Antiokia. Tao akaikiny nisy 
tempoly ho an* i Apollo natao hoe Daphne ; 
ary amin' izany matetika 'Antiokian' i Da- 
phne' no atao anaran' ny tanana. Manara- 
karaka an' i Jerosalema Many ny halazan' 
i Antiokia, raha ny tanana voalazan' ny 
Filazantsara no heverina, fa toa teo no 
nanoronan' ny Apostoly ny Fiangonan' ny 
Jentilisa. Teo indrindra no nandraisana ny 
Jentilisa voalohany (Asa. xi. 20, 21) ; teo koa 
no nisehoan' ny an a ran a hoe 'Kristiana' (Asa. 
xi. 26) ; ary teo koa no niaingan' i Paoly 
hitety ny firenena raitory an' i Jesosy Kristy. 
Lehilahy malaza natao hoe Seleokosy Nika- 
tora no nanorina azy tokony ho B.C. 300. 
Nisy Jiosy maromaro nitoetra teo hatramin' 
ny voalohany ; nanana mpanapaka ho azy 
izy, ary natao nitovy taniin' ny Grika hiany 
ny voninahiny sy ny fahafahany hanao 
raharaha sy ny varotra, etc. Nitombo ini- 
andalana ny hatsarany sy ny halehiben' 
izany tanana izany, ary tamin' ny farany 
dia tonga tanana lehibe tokoa sy tsara tarehy 
izy. Nisy trano sady makadiry no maha- 
finaritra loatra, hono, ny tarehiny. Nisy 
lalambe malalaka anankiray namaky ny 
tanana manontolo, ka nisy andry vato maro 
dia maro teo an -dan in y avy, izay voarafitra 
sy voasoratra tsara ; nef a tsy nisy trano 
nitohy taminy akory, fa haingon' ny lalana 
fotsiny izy. Nomen' i Pompey voninahitra 
indrindra ny tanana ; ary ny Emperora tany 
Roma nanao zavatra maro hahatsara azy, 
toy ny tatezana vato misy f antsona makadiry 
hahazoan' ny mponina rano velona ; sy fivo- 
riana makadiry atao hoe Amfiteatra ; ary 
farihy handroan' ny olona. Horoda Lehibe 
nanao lalambe misy andry- tao an-daniny avy. 
Tanana kely sy afa-boninahitra ankehitriny 
Antiokia, ary ny isan' ny mponina dia tsy 
mihoatra noho 16,000 na 18,000. 

(2) Antiokia any Pisidia (Asa. xiii. 14; 
xiv. 19, 21; 2 Tim. iii. 11): mifanolotra 
amin' i Frygia izany tanana izany, ary Seleo- 
kosy Nikatora no nanorina azy. Nataon' 
ny Romana isan' ny kolonia [kolonia] izy ; 
ary ny anarany in drain dray nataony hoe 
Kai8aria. — j.e. 

ANTIPATBIA : dia tanana teo anelanelan' 
i Jerosalema sy Kaisaria izay nitondran' 
ny miaramila Romana an' i Paoly Apostoly 
tamin' ny alina, *aha nirahina ho any 
Kaisaria hotsaraina izy (Asa. xxiii. 31). 
Tanana naorin' iHeroda Lehibe Antipatria 
izy io, ary ny anarany dia nataony hoe Anti- 



88 ANT 

patria hanome voninahitra an* i Antipatera 
rainy. Lavitra an 1 i Jerosalema 42 maily 
izy, sy lavitra an' i Kaisaria 26 madly. — j.8. 

ANTITEA sy ANTI-PANAHY. Ny fani- 
rian' ny Jiosy mba ho tratr' antitra, ary ny 
nana j any ny anti-panahy, dia hita mihari- 
hary eo amin' ny Soratra Masina. Fa Joba, 
tamin' izy ta-hanambara ny voninahitra sy 
ny haja nomen' ny olona azy fonv mbola 
finaritra izy, dia nilaza fa ny lehilahy anti- 
panahy aza nitsangana raha nandalo azy 
tany an-dalambe (Job. xxix. 8) ; koa 
hitantsika fa voninahitra tokoa izany, 
indrindra raha ny tenin' ny lalan' Andria- 
manitra no tsarovana, manao hoe: "Mi- 
tsangana raha eo anatrehan' ny fotsy volo 
hianao, ka manaja ny tavan' ny anti-panahy" 
(Lev. xix. 32). Ary misy fananarana koa 
tahaka izany hiany ao amin' ny boky atao 
hoe Apokryfa. Ny faheiaveiona dia lazaina 
matetika ho fitahiana lehibe (Gen. xv. 16 ; 
Job. v. 26), ary heverina ho sambatra tokoa 
ilay tanana misy anti-panahy maro (Isa. lxv. 
20 ; Zek. viii. 4) ; fa ny ho faty kosa raha 
mbola tanora dia nataon' ny Jiosy ho isan* 
ny fahoriana mafy loatra izay manjo ny 
olona, na ny mpianakavin' ilay maty toy 
izany (I Sam. ii. 3 4) ; ny anti-panahy no 
heverina ho manana tombom-pahalalana sy 
fahendrena (Job. xii. 20 ; xv. 10 ; xxxii. 9 ; 
1 Mpan. xii. 6-8), ary ny K aide an a dia 
lazaina ho loza loatra satria "tsy nisy 
namindrany fo, na dia ny antitra sy ny fotsy 
volo aza" (2 Tant. xxxvi. 17). Mitovitovy 
amin' ny fanaon' ny Malagasy hiany ny 
fanaon' ny firenena maro ao amin' ny tany 
atsinanan ny Tany Masina, raha ny fan a j any 
ny anti-panahy no heverina, na ny Egyp- 
tiana, na ny Arabo, fa indrindra ny any 
Tsina (China) ; ary amin' izay tsy antitra 
loatra aza, ny zokiny no omem-boninahi- 
tra kokoa, tahaka izay fanao aty amintsikn 
hiany. — j s. 

ANTOKA. Tsy tian' ny Jiosy hatramin' 
ny voalohany ny fanaon' ny mpiantoka, ary 
noho izany hoy Solomona: "Hahita loza 
tokoa ny mianto-bahiny ; fa mitoetra tsy 
manana ahiahy ny tsy tia antoka" (Oha. xi. 
15; vi. 1; xvii. 18; xx. 16; xxii. 26; 
xxvii. 13). Tsy nisy lalana teo amin' ny 
Jiosy ny amin' ny antoka ; kanef a tamin' ny 
andron' i Solomona dia be ny mpiantoka. 
Fanaon' ny Zanak' Isiraely rahateo ny 
miantoka ny namany ; araka izay nolazain' 
iJoda tamin' i Josef a hoe: "Fa ny mpano- 
mponao efa niantoka ny zaza tamin' ny 
raiko" (Gen. xliv. 32). Raha nanao fanekena 
ny Jiosy, dia nifandray tanana, fa hoy ny 
teny : "Anaka, raha miantoka ny namanao 
hianao, ary nandray tanana hiantoka ny 
hafa" (Oha. vi. 1). Ny olona izay nifandray 
tanana tamin' ny tompon' ny trosa dia tonga 
mpiantoka ny trosan' ny tompom-pananana. 
Tao aoriana dia be no mpiantoka, ary ny fa- 
naony nampahory ny olona be hiany.— t.t.x. 



Digitized by 



Google 



ANT 

AJTTSAMOTADY : zahao flidiuca. 

AffTSIAHTSY : saiky tahaka ny androngo 
hiany izy, fa kelikely kokoa. Ary te-hiditra 
ao amin' ny trano izy, araka iiy tenin' 
iAgora (Oha. xxx. 28).— i.d. 

AHTSY : afo-vato, na vato roafy hafa koa, 
no natao antsy tamin' ny voalohany indri- 
ndr* ; vakio Eks. iv. 25 ; Jos. v. 2 ; fa 
tamin* ny aoriana kosa, vy na varahina koa 
do nanaovana antsy samy hafa, na antsy 
fandidian-kanina, na antsy fijinjana, eto. 
Tamin' ny namoran' ny Jiosy ny zanany, 
Tato maranitra, fa tsy vy, no fanao, na dia 
fantatra aza ny antsy vy (Jos. v. 2). — p.o.p. 

AKT8T FIJINJANA : zahao asa (fiasan- 
tany). 

AOGOSTO (Hajaina) : dia anarana nalain' 
iEaio Oktavio, rehefa azony ny fanjakan' 
i Roma, ka neken' ny vahoaka sy ny lehibe 
izy ho Emperora voalohany. Aogosto nanja- 
ka tamin' ny andro nahaterahan' i Kristy 
(Lio. ii. 1), ary nanjaka hatramin' ny taona 
fahenina ambin* ny folo nahaveloman' ny 
Tompontsika tatj ambonin' ny tany. Ny 
Emperora izay nandimby an' i Aogosto naka 
By anarany, toa anarana milaza ny vonina- 
hiny ; ka dia tonga sahalahala amin' ny hoe 
KaLsara ny hoe Aogosto. Ao ainin' ny Asa. 
xxr. 21, Nero mpanjakan' i Roma (b.c. 62) 
no atao hoe Aogosto ("ny mpanjaka ' fotsi- 
ny anefa no dikany ao amin' ny Baiboly 
Voahitsy).— j.b. 

APELA: dia Kristiana anankiray tany 
Roma izay nanaovan' i Paoly veloma sady 
nilazany fa efa "voazaha toetra ao amin' 
iKristy" (Rom. xvi. 10).— J s. 

APIA: dia vehivavy Kristiana, ary ny 
anarany dia nakamban' i Paoly tamin' ny 
anaran i Filemona sy Arkiposy tao amin' ny 
Epistily nosoratany tamin' i Filemona (and. 
2). Angamba vadin' i Filemona izy. — j.s. 

API0-FOROMA: dia tan una nisy tsena 
tao amin' ny la lam be avy tany Poteoly 
mankany Roma, izay nalehan' i Paoly tamin' 
izy nentina nifatotra ho any Roma. Tao 
izy no notsenain' ny Kristiana maromaro izay 
avy niarahaba azy (Asa. xviii. 13). Lavitra 
an' i Roma 43 maily ny tanana, izay atao 
hoe ankehitriny Treponti, nefa rava izy ka 
saiky tsy misy mponina intsony ao. — 

J.8. 

AP0KALYP8A : dia ny anarana anankiray 
ilazana ny bokin' ny Fanambarana ao amin' 
ny Baiboly Voahitsy. Avy amin' ny teny 
Grika izy, sady anaran' izany boky izany 
ao amin' ny Test. Vao. amin' ny teny Grika, 
My ny heviny dia 'fanambarana' na 'fampi- 
seboana.'— j.s. 

APOXBYFA: dia anarana ilazana ny 
twky maro izay noheverin' ny sasany ho 
1 **n' ny Soratra Masina, nefa efa neken' ny 
Fiangonana hatramin' ny ela ho boky nqso- 
tataii' olona fotsiny izy, ka tsy mba isan' ny 
Train' Andriamanitra. Avy amin' ny teny 
Grika ity teny ity, ary ny heviny dia 



W APO 

*miafina,' 'tfli-izy,' 'sandoka,' etc. Nyt 

ny boky isan' ny Apokryfa, vakio eanona. — 

J.8. 

AP0L0NIA: dia tanana any Makedonia, 
izay nolalovan' i Paoly sy Silasy tamin' ny 
nalehany avy tany Filipy nankany Tesalo- 
nika (Asa. xvii. 1).— j.b. 

APOLYONA (Mpandrinaana) : anankiray 
monja ny teny milaza an i Apolyona amin' 
ny Soratra Masina, dia Apok. ix. 11, 
manao hoe : "Ary man ana ny anjelin* 
ny lavaka tsi-hita-noanoa ho mpanjakany 
izy (dia ny valala, zahao and. 3-7) : ny 
I anarany amin' ny teny Hebreo dia Abado- 
na, fa amin' ny teny Grika kosa dia Apolyona 
no anarany. Hitantsika ary fa ny hoe 
Apolyona dia teny Grika, ary mitovy hevi- 
tra amin' ny hoe Abadona amin' ny teny 
Hebreo, ary anaran' ny anjelin' ny lavaka 
tai-hita-noanoa, dia ny Devoly, izy roa. 
Hotsarovan' ny mpamaky Ny Fandchanan* 
ny Mpivahiny fa Apolyona no anarana 
nomena ny Devoly, raha nitsena an' 1 kris- 
tiana mba hanohitra azy tany an-dalana 
izy. — t.t.m. 

APOLOSY: lehilahy Jiosy, izay teraka 
tany Aleksandria any Egypta, ary nahay 
nandaha-tenv (na, nahay tamin' ny fiana- 
rana samy hafa), sady nahery tamin' ny 
Soratra Masina, dia ny teny rehetra eo 
amin' ny Testamenta T aloha. Elaela hiany 
Apolosy vao nahalala tsara ny amin' i Jeso- 
sy Tompo ; efa inpianatr' i Jaona Mpanao- 
batisa izy ary nahalala fa hisy Mesia izay 
tokony ho avy, nefa tsy f antany fa Jesoty 
ary tauy Nazareta no Kristy (Asa. xviii. 24, 
25). Ny batisan' ny fibebahana izay efa 
notorin' i Jaona dia notorin' i Apolosy koa 
tamin' ny zotom-po sy ny fahasahiana. Fa 
rehefa tonga tany Efesosy izy ka nandaha- 
teny raha sendra tsy tao Paoly Apostoly, 
dia hitan' iAkoila sy Prisila vadiny ny 
hazotoan' i Apolosy ary ny tsy fahampian' 
ny fahalalany ; dia naka azy izy mivady 
ary nampianatra azy hahalala marima- 
rina kokoa ny lalan Andriamanitra, dia 
ny lalam-pamonjena amin' ny alalan' 
iJesosy Kristy. Koa rehefa nazava toy 
izany ny sain' i Apolosy, dia nitory an* 
Jesosy izy, ary "nahery nandresy lahatra 
ny Jiosy teo imason' ny olona ka naneho 
tamin' ny Soratra Masina fa Jesosy no 
Kristy" (Asa. xviii. 28). Rehefa afaka 
izany dia nankany Akaia Apolosy ka nitory 
teny tany, indrindra fa tany Korinto. Ary 
nahasoa ny fiangonana tokoa izy fa nandimby 
an' i Paoly, araka izay nolazain' i Paoly hoe : 
"Izaho namboly, Apolosy nandena" (1 Kor. 
iii. 6). Lehibe ny fitiavan' ny mpianatr' 
i Apolosy azy, ka saiky nisy fisarahana tao 
amin' ny fiangonana noho izany ; fa ny sasany 
nandoka azy, ary ny sasany kosa nankafy 
an' i Paoly ho mpampianatra malaza indri- 
ndra (1 Kor. iii. 4). Nifankatia tsara anefa 
izy roa lahy, ary Paoly tsy mba nialona an' 



Digitized by 



Google 



APO 

i Apolosy, fa natoky azy tsars. Tamin' 117 
nanoratan' iPaoly ny Epistily Voalohany 
tamin' ny Korintiana, dia efa raby tao aminy 
Apolosy, dia tany Efesosy (1 Kor. xvi. 12). 
Afa-tsy ny teny ao amin' ny Tit. iii. 13, tsy 
misy teny hafa eo amin' ny Test. Vao. 
milaza an* i Apolosy, ary izany no ahafa- 
ntarantaika fa nikasa hankany Kreta izy 
miaraka amin' iZena mpahay lalana. Ny 
tantara sy lovan-tsofina hafa manao azy ho 
mpitandrlna ny fiangonana tany Korinto 
tamin' ny aoriana; fa hoy ny sasany kosa 
fa fiangonana hafa no notandremany. Ra- 
ha toy ny hevitry ny sasany, Apolosy no 
nanoratra ny Epistily tamin' ny Hebreo, 
fa tsy fantatra marina izany ; zahao ny 

BPI8TILT TAMIN* NY HEBEEO. — P.G.P. 

APO STOLY. * * Ary nanondry roa ambin' ny 
folo lahy" Jesosy Tompo mba "ho ao aminy 
sy hirahiny hitori-teny sady hanana fahefana 
hamoaka ny demonia" (Mar. iii. 14, 15). 
Izany no tenin' i Marka nentiny nilaza ny 
nifidianan' ny Tompo ny Apostoliny. Fa 
araka ny fahendren Andriamanitra amin' 
ny fampielezana ny filazantsara, olona no 
mampianatra olona, sakaiza mitondra saka- 
iza, navana mitaoua havana ; koa nofidin' 
i Jesosy Kristy ny Apostoly, izay nampia- 
nariny ny amin' ny zavatra momba ny fa- 
njakany, ka dia nirahiny indray izy ireo 
mba handeha hitaona ny sasany koa hino 
Azy ; zahao Mat. x. 7, 27. Ary izay nofi- 
diny toy izany dia nataony hoe 'Apostoly' ; 
avy amin' nv teny Grika hoe apostello izany, 
izay hoe raha adika, maniraka ; koa amin' 
izany, ny teny hoe iraka, na izay nirahina, 
no dikany indrindra, ary ny teny eo amin' 
nv Jao. xiii 16 mampiseho ny toetr' ilay 
nirahina, fa tsy iehibe noho ny mpaniraka 
(Kristy) ny iraka (Apostoly). Eo amin' ny 
Epistily voasoratra tamin' ny Hebreo Jesosy 
koa dia lazaina hoe "Apostoly" ; fa hoy ny 
teny : "Hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe 
Izay ekentsika, dia Jesosy" (Heb. iii. 1). 
Ary raha mihevitra izany isika dia hita fa 
ny teny hoe Apostoly dia tsy mba nenti- 
nilaza ny roa ambin' ny folo lahy Apostolin' 
ny Tompo hiany tamin' ny voalohany, fa 
malaladalaka kokoa ny heviny ; vakio Asa 
xiv. 14 ; 2 Kor. viii. 23. Ary izany Roa 
ambin' ny folo lahy izany dia natokan' i Je - 
sosy Kristy hanana fahefana hahasitrana ny 
olona sy hamoaka ny fanahy ratsy na demo- 
nia (Mar. iii. 14; vi. 7: Lio. ix. 1). Ary 
talohan' ny nahafatesan' i Kristy, dia nome- 
ny teny fikasana izy ireo ny amin' ny haha- 
tongavan' ny Fanahy Masina, Izay hirahiny 
hanorina ny Fiangonana at$r an -tany sy 
hitari-dalana azy (Jao. xiv. 16, 17; xt. 26; 
xvi. 13, 24). Ary taorian' ny niakarany 
tany an-danitra, dia tamin' ny Andro Pente- 
kosta, dia tonga ny Fanahy Masina, Izay 
nahazoan' ny Koa ambin' ny folo lahy hery 
hanefa ny sitra-pon'ny Tompo Izay nane- 
ndry azy ho Apostoly. Koa amin' izany 



40 APO 

dia "nanana ny sain' i Krifty" Izy, ary "ni- 
laza ny fahendren' Andriamanitra," ary ny 
Fanahy Masina no nanambaran' Andriama- 
nitra tamin v "tsy amin' nv teny nampia- 
narin' ny fahendren' olona, fa amin' ny teny 
nampianarin' ny Fanahy." (Vakio koa 1 
Kor. ii. 7, 10, 13.) Ary koa, hoy izy: 
"Iraka soion' i Kristy izahay, toa an' Andri- 
amanitra mampangataka anay aminareo .... 
mihavana amin' Andriamanitra anie hiana- 
reo (2 Kor. v. 20). 

Hevero koa fa (1) Kristy nifidy olona, fa 
tsy anjely, ho irany. Ny Apostoly dia lehi- 
lahy niray fomba sy niray f ahalemena tamin* 
izay nitoriany teny (Asa. xiv. 16 ; efa navo- 
tan' i Kristy izy ka nahalala ny hatsaran' 
ny f amonjena izay notoriny . (2) Kristy maha- 
rilra ela nivavaka vao nianiso sy nifidy ny 
Apostoly. Izy nahalala ny hamanny sy ny 
hasarotry ny raharaha izay hataon' ireo ira- 
ny ireo, mbamin' ny fahavalo izay hanohitra 
azy, ary ny fakam-panahy sy ny fitaka 
mbola tao am -pony, dia nivavaka ela ho azy 
Izy ; vakio koa Lio. xxii. 31, 32 ; Jao. xvi. 
6-18. (3) Sady mety no antonona ny ban* ny 
Apostoly; tsy maro loatra, ary tsy vitay 
loatra izy ; zahao Mat. xix. 12. Teo amin' 
ny Jiosy (angamba satria izany no iaan' ny 
zanak' 1 Jakoba), ny isa *roa ambin' ny folo' 
toa ohatry ny zavatra tanteraka tsara. (4) 
Ny toetr y ny Apostoly talohari ny niantsoan- 
i Kristy azy dia miendrika hotsarovana koa : 
(a) Isan' izay nitady sy nanantena ny hihavian* 
ny Mpamonjy izy (Jao. i. 41-46). (b) Tsy 
mba isan' ny mpanora-dalana na ny tnpampia- 
natra ny vahoaka izy (1 Kor. i. 17 ; Asa. iv. 
13); olona tsy mba nahay taratasy izy, 
araka ny hevitry ny Fariseo ; nefa kosa, (d) 
Tsy mba isan 9 ny adala izy, fa nahalala tsara 
ny Soratra Masina ; nanana an' i Kristy ho 
Mpampianatra azy voalohany izy, ary ma- 
naraka izany indray, ny Fanahy Masina 
nitarika azy tamin' izay marina rehetra mba 
hampiomana azy ho amin' ny raharaha ha- 
taonv (Jao. xiv. 19, 26). 

Eta voalahatra toy izao izay tsy main tsy 
ho efa toetran' izay nantsoina ho Apostoly ; 
(1) Efa nanatri-maso ny Tompo sady nahare 
ny teniny izy (Jao. xv. 27; 1 Jao. i. 1-3; 
2 Pet. i. 16, 17). Ary raha nifidy ny ana- 
nkiray hisolo an' i Jodasy Iskariota ny Irai- 
ka ambin' ny folo lahy, dia ny anankiray 
izay "nitoetra tany aminy mandrakariva 
raha niditra sy nivoaka taminy Jesosy Tompo, 
hatramin' ny batisan' i Jaona ka hatramin' 
ny andro nampiakarana Azy,' no nofidiny 
ho vavolombeiona hanambara an' i Kristy 
fAsa. i. 21, 22). Ary toy izany koa Paoly, 
fa izy koa dia nahita niaso ny Tompo (1 Kor. 
ix. 1). (2) Nofidin' i Jesosy tsirairay izy rehe- 
tra (Lio. vi. 13 ; Gal. i 1). Ary toy izany 
koa Matiasa : mpianatru rahateo izy, ary 
raha nanao filokana ny Iraika ambin' ny folo 
lahy hahitany izay hofidin' ny Tompo, dia 
nivavaka izy, ' 'ka iatsaka tamin' i Matiasa 



Digitized by 



Google 



APO 

ny filokana ; ary izy no lany ho isan' ny 
Apostoly indka ambin' ny folo lahy''* (Asa. 
i. 26). (3) Xilazari ny Fanahy Masina ny 
ritra-pott 9 i Jesozy KrUty try, ka toy ni&ulasala 
akory ny amin' ny fampianarana hataony. 
Koa amin T izany, tay diso finoana akory izy 
ny amin* ny zavatra momba ny famonjona 
(I Kor ii. 10, 13, 16; Gal. i. 11, 12) Dia 
tonga fanorenan' ny Fiangonana izy, fa ny 
raino dia '*n*tsangana teo ambonin' ny fano- 
renan' ny Apostoly sy ny rapaminany, ary 
Kristy Jesohy no fehizoro indrindra" (Efe. 
ii. 20). Nizara telo loha ny fahalalan' ny 
Apostoly : — (a) Hanambara ny hevitry ny 
Tnttmenla Tnloka (Lio. xxiv. 27, 45 ; Asa. 
ii., xiii.) (b) Hanambara ny gitrapon* An- 
driamanitra araka ny Testamenta Vaovao, izay 
bo fiteipiky ny finoana sy ny fanao harahin' 
ny fiangonana rehetra (I Jao. iv. 6). (d) 
Ktnambara ny zavatra ho avy ; ary maro ny 
zavatra novinaniny ny amin* ny hiposa- 
han' ny hevi-dratsy ay ny Rain -diso hataon' 
n? mpampianatra sandoka eo amin* ny Fian- 
gonana (Asa. xx. 29, 30; 2 Tea. ii. 3-12; 
lTim. iv. 1-3; etc. J. Ary koa, (4) Ny 
Apostoly sasany, indrindra fa Paoly, no 
notendren* i Kristy ho mpanorina ty ho mpa- 
nme lalana ny Fiangonana (I Kor. xiv. 37 ; 
I Tea. r. 27; 2 Tea. ii. 15; iii. 14) (5) 
Sikny nanao fahagagana izy (Mar. xvi. 20 ; 
Asa. ii. 43; xviii. 11, 12); nahay fiteny 
samy hafa, nahasitrana ny marary, nana- 
ngana ny maty, nahafantatra ny fanahy 
samy hafa, etc., izy (zahao pejy 14, eo 
amboniny indrindra). (6) Nanana fahefana 
Uhibe, izay nihatra tamin' ny fiangonana rehetra, 
izy; ka dia tsy toy ny mpitandrina izay 
mipetraka amin' ny fiangonana iray hiany 
ny Apostoly, aatria "izy nanana ny sain* 
i Kristy" (1 Kor. ii. 16), ary nahazo azy "ny 
fiahiana ny fiangonana rehetra" (2 Kor. xi. 
28). 

Kanefa misy indray izay mety hoheveri- 
ptMka, dia izao : Moa miendrika ho amin' 
izanr raharaha lehibe izany tokoa izay olona 
nantaoin' ny Tompo ho namany tamin izany ? 
Roa taona mahery no nia rattan' ny Apostoly 
timin' ny Tompo ; ary izany andro rehotra 
izany no nandrenesany ny teny notorin' 
i Jesosy tamin' ny olona maro. Ary koa, 
tamin' Izy niresaka tamin' ny olona tsirairay, 
dia ren' ny Apostoly ny tenin' i Jesosy, ary 
matetika koa izy nanadina ny Tompo ny 
amin' ny fampianarany sy amin' ny zavatra 
Wa. (Mat xiii. 10; xv. 15-20; Lio. xxi. 7, 
*te.) Nanaiky ny Tompo ho Kristy nirahin' 
Andriamanitra izy (Mat. xvi. 16; Jao. xvi. 
30), sady fantany fa tsy misy tsy hainy 
Hatao; kanefa na dia izany aza, fantatsika 



41 APO 

fa izy tsy nalaky nahazo am-po ny anton' ny 
nahatongavan' i Jesosy Kristy tat^ an-tany 
sy izay ho toetry ny fanjakana haoriny (Mat. 
xv. 16 ; xvi. 22, 23 ; xvii. 20, 21 ; Lio. ii. 
54; xxiv. 25). Ary tsy izany hiany koa, fa 
rehefa hitany fa tanteraka izay nolazain' ny 
Tompo taminy matotika, indrindra fa ny 
nahafatesany, dia nandositra niala taminy 
izy rehetra ; ary tatnin' ny nandevenana ny 
fatin' ny Tompo aza, tsy izy no nandevina 
Azy, fa olon-kafa. Toa ampy izany rehetra 
izany hampiseho ny toc-panahin' ny Apostoly 
tamin' ny andro nitorian' ny Tompo teny. 
Indraindray toa nitady nv azy izy ( Mar. x. 
35-41) ; mora tezitra izy ka ta-hamaiy ratsy 
izay tsy nety nan dray ny Tompo (Lio. ix 54) ; 
ary nisy taminy koa izay nandoka tena be 
hiany ny amin' ny henn' ny tenany tsy 
hatahotra, nefa rah a nozahan-toetra izy dia 
nanda an' i Jesosy intelo (Mat. xxvi. 33-35, 
69-75). 

Misy hoheverina kosa anefa mba tsy hani- 
niantsika loatra nv Apostoly, dia izao : Jiosy 
izy ireny ; ary fantatsika ny zavatra izay 
nampoizin' ny Jiosy fa hataon' ny Mesia amin' 
ny andro hisehoany : dia ny hanjakanv ao 
Jerosalema sy ny hitondrany ny miaramilany 
handresy izao tontolo izao. Koa gaga ny 
Apostoly raha ny Tompo nanda ny vonina- 
hitra izay tian' ny olona homena Azy ka 
nety nitoetra tamin' ny fahantrana ; nefa tsy 
noho ny tsy fahaizany hiala amin' izany, fa 
noho ny ntiavany rah a too, hampiseho fa 
samy hafa ny fanjakana araka ny nofo sy ny 
fanjakana araka ny fanahy. Koa hitantsika 
fa niandry eia toy izany ny Tompo, ary 
tamin' ny farany dia tsy nanda ho faty Izy ; 
dia fizahan- toe trail' ny Apostoly izany rehe- 
tra izany. 

Ary hevero indray ny fahazotoan' ny 
Apostoly handcha "tahaka ny ondry ao 
ampovoan' ny amboadia," fa toy izany no 
tony nolazain' i Jesosy hampiseho ny haaa- 
rotan' ny asa hataony. Nefa na dia nandre 
izany aza izy, dia nandeha hiany ka tsy 
nanda ny asa nasain* ny Tompo hataony. 
Ary tamin' ny farany, na dia nandositra Azy 
aza izy, dia mbola nivorina tsirairay indray ; 
sady ny tenin' i Jososy taminy rehcfa nitsa- 
ngana tamin' ny maty Izy tsy dia mafy tsy 
akory ; fa fantatry ny Tompo fa tsy ny 
haratsian' ny f on' ny Apostoly no nanda vany 
Azy, fa ny horohoro sy ny tahotra. Marina 
sy mahitsy fo hiany izy, koa raha nieritreri- 
tra ny nataony, dia hitany fa diso izy ka dia 
niverina indray. Ary raha nahazo ny Fanahy 
Masina izy tamin' ny Andro Pentekosta, 
izany indrindra no nahafantarany ny sain* 
i Kristy, ka tonga olom-baovao mihitsy izy. 



* Misy ny mpanoratra saaany anefa mihevitra fa nialoha ny Tompo ny Iraika arabin' ny 
Wo lahy ka nioty manta ; fa Paoly kosa no nokaaain' i Jesoay Tompo ho solon' i Jodasy, 
nj* tsy ho banga isa ny Roa ambin' ny folo lahy. Hitantsika koa fa Paoly dia tonga malasa 
mj nahavita be indrindra tamin' ny Apostoly rehetra, fa Matiasa koaa tsy nanana anarana, 
wj tiy miay teny akory intaony milaza aay. 



Digitized by 



Google 



APO 

Tsy saro-tahotra intsony iij, tsy nalaky Wvy, 
fa nahery tamin' ny teny sy ny asa hitory 
an' i Kristy, dia ny nahafatesany sy ny ni- 
tsanganany tamin' ny maty; "ny anarany 
noho ny finoan' ny anarany," dia "ny finoaua 
izay azo amin' ny alalany," no nahazoany 
hery hanao fahagagana maro ; dia tonga 
vavolombelon' ny Tompo izy "tany Jerosa- 
lema sy erany Jodea rehetra sy tany Sama- 
ria ary hatramin' ny faran' ny tany," ka 
dia tanteraka ny nifidianan' ny Tompo azy 
(Lio. xxiv. 48; Asa. i. 8, 22 ; ii 32; iii. 
16 ; v. 32 ; xiii. 31). Ary izany koa no naha- 
marina ny tenin' i Jesosy taminy manao hoe : 
"Mahatsara anareo ny nalako" (Jao. xvi. 7). 
Hoy Kristy tamin' ny Apostoly : "Iray 
no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehe- 
tra dia mpirahalahy avokoa" (Mat. xxiii. 
8). Kanefa, na dia izany aza, tsy mba ni- 
tovy laza izy rehetra tsy akory. Malaza 
rat9y Jodasy Iskariota noho ny namadihany 
an'iJesosy; Matio koa dia malaza satria 
ny azy no aloha indrindra amin' ny Filaza- 
ntsara Efatra ; ary misy teny fohifohy hiany 
milaza ny asa nataon' i Filipo sy Natanaela 
arv Tomasy. Fa mihoatra lavitra noho izy 
rehetra, dia nisy efa-dahy, dia izy miraha- 
lahy zanak' i Jona (Andrea sy Petera), ary 
izy mirahalahy zanak' i Zebedio (Jakoba sy 
Jaona), izay malaza dia malaza, sady izy no 
nofidin' i Jesosy Kristy ho nam any indri- 
ndra. Fa na dia izy efa-dahy indray aza 
dia tsy nitovy laza ; ary nisy roa lahy tami- 
ny izay nofidin' ny Tompo hanao raharaha 
lehibe, dia Petera sy Jaona. Petera dia ilay 
vato niorenan' ny Fiangonan' i Kristy, na 
ny avy amin* ny Jiosy, na ny avy amin' ny 
Jentilisa (Asa. ii., ix.) ; ary Jaona, ilay 
mpianatra tian' ny Tompo indrindra, no na- 



4» APO 

noratra ny Filazantsara Fahefatra mampise- 
ho an' i Jesosy fa Zanak' Andriamanitra 
tokoa. Nahery finoana sady nazoto nanao 
ny marina Petera, nefa kosa, na dia izany 
aza, indraindray mba nivadibadika hiany 
izy. Ary Jaona kosa dia toa bonaika, sady 
fitiavana no niseho indrindra tamin' ny fa- 
naony, na dia nampiseho fanahy tsy tsara 
sy fainaUan-dratsy aza izy indraindray (Lio. 
ix. 64; Mar. x. 36-41). Ary fantatsika koa 
fa Petera no zokin' ny Apostoly namany 
rehetra, raha ny raharahany no heverina, 
fa miseho mihtirihary izany eo amin' ny 
Testament a Vaovao. Kanefa aza mba misy 
mihevitra fa nanana dimby Petera sy ny 
Apostoly namany, fa ny f ahef ana izay na - 
nanany tsy mba napetrak' i Jesosy tamin* 
nv solony ; ary tsy misy teny na dia iray 
akory aza eo amin' ny Baiboly milaza izany. 
Tsy misy azon' ny olombelona na iza na iza 
hatao, afa-tsy ny milaza izay tokony ho hevi- 
try ny tenin' ny Apostoly, ary ny fitondran* 
ny fiangonana araka ny tenin' i Kristy 
sy ny Apostoly, izay nirahiny ho vavo- 
iombelony rehefa niakatra tany an-danitra 
ny tenany. Nahaiala ny sain' i Kristy ha- 
tramin' ny zavatra madinika aza ny Aposto- 
ly ka dia nahazo nanapaka ny Fiangonana 
araka izay fantany ho hevitr' i Kristy. Fa 
raha ny olona hafa taorian' ny andron' ny 
Apostoly, tsy misy na dia iray akory aza 
manam-pahefana tahaka azy nanapaka ny 
Fiangonana, indrindra fa tsy nanam-pahefa- 
na hamela heloka izy. 

Voalahatra inefatra ao amin' ny Testa- 
menta Vaovao ny anaran' ny Apostoly roa 
ambin' ny foio lahy, dia atao eto izy ireny 
hahitana ny fitoviany sy ny tsi-fitovian' 
izany fandaharana izany : — 



Mat. x. 2-4. 


Mar. iii. 16-19. 


Lio. vi. 14-10. 


Asa. i. 13. 


1 Simona, 


Simona, 


Simona, 


Petera, 


2 Andrea, 


Jakoba, 


Andrea, 


Jakoba, 


3 Jakoba, 


Jaona, 


Jakoba, 


Jaona, 


4 Jaona, 


Andrea, 


Jaona, 


Andrea, 


5 Filipo. 

6 Bartolomeo, 


Filipo, 
Bartolomeo, 


Filipo, 


Filipo, 


Bartolomeo, 


Tomasy, 


7 Tomasy, 


Matio, 


Matio, 


Bartolomeo, 


8 Matio, 


Tomasy, 


Tomasy, 


Matio, 


9 Jakoba (zanak' i Alf eo) 


, Jakoba (zanak' i Alf ec 


, Jakoba (zanak' i Alfeo) 


Jakoba (zanak' i Alfeo) 


10 Lebeo (Tadeo), 


Tadeo, 


Simona (Zelota), 


Simona (Zelota). 


11 Simona (Kananeana), 


Simona (Kananeana), Jrda (zanak' i Jakoba) 


Joda (zanak' i Jakoba). 


12 Jodasy Iskariota. 


Jodasy Iskariota, 


Jodasy Iskariota 





Fanampin' izany koa, Matiasa nofidina 
hisolo an* i Jodasy Iskariota, kanefa araka 
izay efa voalaza teo (pejy 18), tsy hita ma- 
rina na tokony hisaina ho amin' ny Roa 
ambin' folo lahy izy, na tsia. Ary Paoly, 
izay Apostoly malaza noho izy rehetra anga • 
mba noho ny raharaha lehibe vitany sy ny 
epistily nosoratany, dia Apostoly marina, 
fa nantsoin' i Kristy izy (Gal. i. 1 ; 1 Kor. 
ix. 1). Ny amin' ny Roa ambin' ny folo 
lahy tairairay, tsy azo heverina eto ny tanta- 
rany avy, f h aoka bovakina ny teny milaza azy 



tsirairay, dia andrea, bartolomeo, etc., etcj 
Izao anefa no inety hoheverina : raha ireo 
hUaharan' ny anarany efatra eo ambony eo no 
diniliina, hita fa mizara ho telo toko ny Roa 
ambin' ny folo lahy, dia efa-djhy avy isan- 
toko ; ary koa, ny aiiarana voalohany amin' 
ireo toko telo ireo dia sahala eo amin' ny 
tilaharana efatra rehetra ; fa Petera dia voa- 
laza voalohany inandrakariva eo amin' ny 
toko voalohany, ary Filipo eo amin' ny faha- 
roa, ary Jakoba, zanak' i Alfeo, eo amin' ny 
fahatelo. Ny efa-dahy nantsoin' i Kristy 



Digitized by 



Google 



ARA 

roalohany dia alahatra voalohany mandra- 
karivs. Maro amin' ny Roa ambin' ny folo 
lahy no mpihavana : mpirahalahy Petera sy 
Andrea, ary Jakoba sy Jaona, ary Matio sy 
Jakoba kely, ary angamba Joda, zanak' 
i Jakoba (Tadeo), sy Bartolomeo sy Tomasy 
koa ; ary raha tahaka ny hevitry ny sasuny, 
Simona Zelota dia rain' iJodasy Iskariota. 
Maro koa no mihevitra fa nisy onin-dahy 
tamin' ny Roa ambin' ny folo lahy, raha 
tsy valo lahy nza, izay havan' i Jesosy To- 
mpo araka ny nofo. — h.e.c. sy J.8. 

AEA : dia anaran' ny tan una izay renivo- 
hitry ny Moabita ; vakio Nom. xxi. 28 ; Deo. 
ii. 9; Isa. xv. 1. Natao hoe AroopoUsy tato 
aoriana izy ary Rabata-Moaba, dia 'Tanana 
lehibe an' iMoaba.' Zahao raba (2). 

ABABA. Ity dia teny Hebreo milaza *tany 
lemaka sady efitra,' kanefa natao anaran' 
ilay lohasaha otiety nefa raahatratra lavitra 
ao atsinanan' i Pulestina, izay ao anelanolan' 
ny tany havoan* i Joda sy Efraima ao andro- 
fmy, sy ny tany havoan' i Moaba sy Gileada 
ary Basana ao atsinanany, dia izay misy ny 
Ranomaain* i Gal ilia sy ny ony Jordana ary 
ny Ranomasina Maty sy ny lohasaha ao 
atsimony, izay mianatsirao hatramin' ny 
Ioban' ny Golf an' iAkaba. Natao hoe 
Araba Many izy ao amin' ny Jos. xviii. 18, 
fa matetika koa dia adika hoe 'tany lemaka, ' 
na 'tany hay.' (Deo. i. 1 ; ii 8 ; iii. 17; 
i?. 49; Jos. iii. 16; xi. 2; xiii. 3; etc.) 
Ankehitriny ny lohasaha ao anelanelan' ny 
Ranomasina Maty sy ny Golfan' iAkaba 
hiany no atao boo Ny Araba ; fa tany aloha 
kosa toa anaran' ny lohastha lehibe voalaza 
teo, dia nianavaratra hatramin' ny Rano- 
masin' iGalilia koa izy. — j.s. 

A R AB I A. An a ran a roa no ilazan' ny 
Baiboly an' i Arabia, dia ny hoe (1) Ny 
aUinanana (Gen. x. 30 ; xxv. 6 ; Nom. xxiii. 
7 ; Isa. ii. 6) ; na, Ny tanin' ny Zanaky ny 
Atnnanana (Gen. xxix. 1) ; na, Zanaky ny 
AUinanana (Mpit. vi. 3 ; vii. 12 ; 1 Mpan. 
iv. 30; Job. i. 3 ; Isa. xi. 14 ; Jer. xlix. 28 ; 
K/e. xxv. 4). Koa amin' izany ny teny hoe 
Tanin' ny Atsinanana, sy Zanaky ny Atsina- 
Mna dia samy milaza na ny tany atsinanan' 
i Palestina mbamin' ny firenena taranak' Isi- 
maela sy Ketora, na ny tany Arabia rehetra. 
Ary koa (2) Arabia (2Tant. ix. 14 ; Isa. xxi. 
13; Jer. xxv. 24 ; Eze. xxvii. 21). Toasahala 
amin' ny ambony hiany ny hevitr' io teny 
io, dia ny tany sy ny firenena atsinanan' 
i Jordana, sy ny tany avaratry ny peninsolan' 
i Arabia. Azo zaraina ho telo toko Arabia, dia 
Arabia Propria, izay nahazo ny tany rehetra 
hatramin' ny efitra ao avaratra ; Arabia Ava- 
f «fr«, dia ny tany efitra ao avaratra ; ary 
Arabia Andrcfana, izay inahazo ny efitra atao 
hoe Petra, ary ny peninsola misy any 
Sinay. 

(i.) Arabia Propria. Tany avo nefa mia- 
hira mianavaratra izany tany izany ; ny avo 
mdrindra dia ny tendrombohitra manamo- 



« ARA 

rona ny Ranomasina Mena, ary ny tany ao 
atsinannna sy atsimon' ireo tendrombonitra 
ireo. Ny afovoan' ny tany, hono, dia misy 
tendrombohitra sy efitra, nefa matetitetika 
hiany misy tany mahavokatra sady be olona ; 
maro koa ny loharano fantsakana sy ny 
renirano. Ny tany mahavokatra indrindra 
dia ny ao andrefan-atsimo sv ny atsimo. 

(ii.) Arabia Avaratra. Tany efitra, sady 
avo no karankaina izany tany izany ; voafari- 
try ny ony Eofrata sy Syria sv ny efitr' i Petra 
ary Arabia Propria. Indraindray foana no 
misy tany kely mahavokatra, ary ny rano 
hita amin' ny loharano dia saiky tsy azo 
sotroina ; ary misy rivotra mahamay mateti- 
ka izay mampihetsika ny fasika ao amin' ny 
ofitra ka mahafaty olona. Ny anarana nila- 
zan' ny olona ny raponina tao dia "mponina 
an-dasy" (zahao Isa. xiii. 20; Jer. xlix. 31, 
32 ; Eze. xxxviii. 11); ary nahatratra hatrany 
Babylona ao atsinanana izy, ka hatrany 
Egypta ao andrefana (zahao Nom. xxiii. 
7 ; 2 Tant. xxi. 16 ; Isa. ii. 6 ; xiii. 20). 
Taranak' Isimaela ny sasany amin' ireo 
firenena ireo, ary hatramin' ny taloha dia 
olona nifindrafindra fonenana izy. Nandranto 
hatran' India sy Persia izy (Eze xxvii. 
20-24), ary hita ambarak' izao aza ny tany 
' nalehany noho izy misy loharano izay 
! nitobiany sy nihinanan' ny bibiny, fa ni- 
i tondra varotra koa ho any amin' ny tany 
andrefana izy (Gen. xxxvii. 25, 28 ; 1 Mpan. 
x. 15, 25; 2 Tant. ix. 14, 24; Isa. Ix. 6; 
I Jer. vi. 20). 

I (iii.) Arabia Andrefana. Mahazo ny penin- 
solan' i Sinay sy ny efitr' i Petra ity fizurana 
I ity ; ary indraindray saiky nahatratra an' 
I i Arabia Petrea. Hatramin' ny taloha dia nisy 
olona teo natao hoe Horita, izay tsy voalazan' 
I ny Baiboly ny razany (Gen. xiv. 6; xxxvi. 20, 
I 21, 22, 29, 30; Deo. ii. 12, 22). Ny anka- 
biazaiT ny mponina anefa dia taranak' 
i Esao, ary ny anarana nilazana ny tany dia 
Edonia na Idomea, sy ny efitr' i Seira, sy 
ny tendrombohitr' i Seira. Ny amin' ny 
mponina any Arabia, zahao aeabo.— j.e. 
: ABABO. Efa voalaza teo ambony ny 
I amin' ny tany atao hoe Arabia, ka dia 
i holazaina eto ny firazanana amam-pomban' 
1 ny Arabo, izay monina any Arabia. Diso 
I hevitra ny sasany izay mihevitra fa taranak' 
, Isimaela, lahi-matoan' i Abrahama, avokoany 
, olona rehetra monina any Arabia; arynytenin' 
I Andriamanitra nolazain' ny aujelin' i Jehova 
I tamin' iHagara, renin' Isimaela, ny amin' 
| ny toetry ny zanany fGen. xvi. 12) tsy mba 
milaza ny Arabo renetra, fa ny taranak' 
Isimaela hiany. Izy ireo, hoy ny anjely, 
"honina co tandrifiri* ny rahalahiny rehetra," 
izany hoe, banana ny anjara-tany fonenany 
ao atsinanan' ny fonenan' ny havany rehetra 
izay taranak' i Abrahama. Zahao koa Gen. 
xxv. 18. Fa ny Arabo izay monina ao 
atsimon' Arabia tsy mba taranak' Isimaela, 
fa fireharehany hiany no nandokafany an' 



Digitized by 



Google 



ARA 44 

i Abraham* ho razany ; sady uanovany 
uvokoa ny tantara milaza an' iAbrahama 
sy Isaka ary Isimaela, hahazoan' Isiinaela 
tombom-boniuahitra noho Isaka. Raha ny 
bokin' i Genesisy no dinihina, dia ho hita- 
ntsika fa olona maro samy hafa karazana 
no nipetraka tao amin' ny tany atao hoe 
Arabia, na dia toy azo lazaina izay faritry 
ny fonenany avy aza. Koa dia halahatra 
eo ambany ny anaran' ireo firenena maro 
ireo araka ny andro nahaveloman' ny razany 
avy : — 

I. NY TARANAK' iHAMA, dia ny 
taranak' i Kosa, lahi-matoan' i llama ; izy 
ireo no toa nonina voalohany tany Arabia 
Atsimo, dia nifindra ny sasany tato uoriana 
ka nita ny Ranomaaina Mena nankany Afrika. 
Ary avy tamin' izany nataony izany ny hoe 
Kosa dia tonga anarana nialalaka ka mitovi- 
tovy amin' ny hoe 'any atsimo, * ary anarana 
nahafantaran' ny olona inonina any Arabia 
Atsimo sy Etiopia any Afrika. Ny zanak' 
i Kosa dia voalaza eo amin' ny Gen. x. 7. 

II. NY TARANAK' iSEMA, izay nizara 
ho efa -karazana, toy izao : — 

1 . Ny taranak' % Joktana, zanak' i Ebera, 
izay zafiafin'iSema (Gen. x. 26). Araka 
ny lovan-tsofina mbola tanan' ny Arabo, 
Joktana nanjaka tany Yemena, any Arabia 
Atsimo, taorian' ny narapielezan' i Jehovany 
olona avy tany Babela; ary ny Arabo 
monina any Yemena ankehitriny aza mbola 
antsoina amin' ny anaran' i Joktana. Jokta- 
na niteraka zanaka telo ambin' ny folo lahy 
(Gen. x. 26-29J, ary ny anaran' ny sasany 
toa hita amin' ny anaran' ny flzaran-tany 
any Arabia Finaritra. 

2. Ny taranak? iAbrahama, izay nizara toy 
izao :— 

(i.) Hagarima na Hagarila, izay naka ny 
anarany avy tamin' i Hagara reniny ; ary 
natao hoo Isimaelita koa izy, araka ny 
anaran' Isimaela, zanak' i Hagara. Fa teo 
aoriana, dia toa anarana mitokana ho amin' 
ny firenena roa ireo ; ampitahao 1 Tant. v. 
10, 19, 20 sy Sal. lxxxiii. 6. Roa ambin' ny 
folo ny zanakalahin' Isimaela (Gen. xxv. 
13-16), ary firenena roa ambin' ny folo izay 
taranak' ireo samy n antsoina araka ny 
anaran-drainy avy. Ny ankabiazany nonina 
tany an-tsisin' ny tany Palestiua, dia any 
atsinanana sy atsimo- atsinanana. 

(ii.) Ketorita, dia ny taranak' i Abrahama 
sy Ketora vadiny, izay niteraka zanaka 
enin-dahy, dia Zimrana, Joksana, Medana, 
Midiana, Isbaka sy Soaha (Gen. xxv. 2). 
Ny taranak' i Midiana dia malaza indrindra 
amin' ireo [midiana] ; nifanakaiky ny fone- 
nan' ny ankabiazan' ny Midianita sy ny an' 
ny Moabita, fa ny sasany kosa nonina tany 
amin' ny peninsoian' iSinay ; fa Jetro, rafo- 
zan' i Mosesy, dia mpisorona tany Midiana 
(Eks. iii. 1 ; Nom. x. 29). Bildada, isan' 
ny sakaizan' iJoba, dia avy tamin' ny 
taranak' i Soaha. 



ARA 

(iii.) Edomita, dia ny taranak' iEsao, izay 
nahazo ny tendrombohitra Seira sy ny tany 
manodidina azy ho fonenany. Izy ireo sy ny 
Nabateana (dia ny taranak' i Nebaiota, zanak' 
Isimaela) nikambana ka tonga firenena 
mahery sy malaza teo aoriana, ary Petra no 
renivohitry ny fanjakany ; zahao edoma. 

3. Ny taranak 1 i Nahora, zokin' iAbra- 
hama. Ny tany natao hoe Oza, izay nahabe 
an' i Joba, toa fonenan' ireo, mbamin' ny 
tany natao hoe Boza, izay nahabe an' 
iEUho, sakaizan' iJoba; fa Oza sy Boza 
dia anaran' ny zanakalahin' i Nahora (Gen. 
xxii. 21). 

4. Ny taranak' i Lota, zana-drahalahin' 
iAbrahama; dia 

(i.) Moabita, izay nonina tany atsinanan' 
ny Ranomasina Maty, any Arabia Bevato ; 
ary ny havany, dia ny 

(ii.) Amanita, izay nonina tany avaratry 
ny tany Moaba, any Arabia Efitra. 

Ary afa-tsy ireo firenena maro voalaza 
teo, nisy firenena hafa koa lazain' ny 
Sonitra Masina, izay nonina tany Arabia, 
fa izay nihaviany sy firazanany no tsy fa- 
ntatra : dia ny Amalekita, ny Kenita, ny 
Horita, ary ny mponina tany Moan a, Hazo- 
ra, Vedana sy Javana-Meoeala (Eze. xxvii. 
19), Rehefa ela, ny firenena sasany (tahaka 
ny Amalekita) dia naringaua ; ary ny sisa 
dia nifangaroharo be hiany, koa ny anarana 
nahafantaran' ny olona hafa azy dia ny hoe 
'Arabo ;' ka dia tonga firenena izay nato- 
kana tamin' ny firenena hafa rehetra ambo- 
nin' ny tany izy. Ary raha ny toetry ny 
tenany sy ny fahaizan-tsainy no heverina, 
ny Arabo dia firenena manan-daza ; fa tsara 
bika sady matanjaka izy, ary maro ny 
mpanoratra malaza sy ny mpiady mahery 
efa niseho avy taminy. 

Hatrizay ela izay, efa nizara ho roa toko 
lehibe ny Arabo, dia ny mponina ao an- tana - 
na, sy ny mponina any an- efitra, fa izany no 
hevitry ny hoe Bedaoina, izay anarana aha- 
fantarana azy ankehitriny. Araka izay efa 
voalaza teo ny amin' i Arabia, efitra sy 
tany maina ny ankabiazan' ny tany onenan' 
ny Arabo, ka dia tery ny mponina any hiti- 
ndrafindra toby mitady ahitra ho honin' 
ny ondry araan-osy, izay tena fan an any. 
Koa hatramin' ny andron' ny patriarka (izay 
nitovy fomba tamin' ny Arabo hiany) ny 
tany lemaka malalaka any Arabia efa nande- 
handehanan' ny olona sady mpiandry ondry 
no mahay miady; ary hatramin' ny telo 
arivo taona mahery dia saiky tsy niova 
akory ny fombany, na ny fihinany, na ny 
fitafiany, na ny tranony, na ny fanaony, na 
ny fanapahana azy. Koa raha misy ta- 
li afrit a olona roitovy fomba. amin' ny firenena 
maro voalazan' ny Baiboly, dia ao amin' ny 
Arabo monina anv Arabia no mbola ahitana 
izany, dia hatramin' ny zavatra madinidinika 
aza. Mizara ho fokon-olona maro dia maro 
izy, izay minndrafindra mateiika any amin' 



Digitized by 



Google 



ARA 

ny fizaran-tany izay azy. Kely foana ny 
Uny izay voka-javatra, ary ny miasa izany 
dia avelan' ny mponina any an-ofitra ho 
r&harahan' ny mponina ao an-tanana, fa 
ay miasa no ataony ho zavutra mabame- 
natra azy. Lay no itoeran' ny Arabo (Isa. 
xiii. 20 ; Jer. xlix. 28, 29), fa tsy manao 
tranoizy; ary ny lainy dia efa-joro fa lava 
kely ny lafiny roa, refy na refy sy mamaki- 
tratra ny hahavony, fahefatra ka hatramin' 
ny fahenlna ny halavany, ary tokony ho f aha- 
roa ny sakany ; atao am in' ny volon' osy na 
Tolon' angamenavava izy, ka mavo na mai- 
nty ny sorany (Ton. K. i. 5). Ny lainy rehe- 
tra miefitra roa, ary ny efiti*a anankiray dia 
itoeran' ny vehivavy initokana (Gen. xviii. 
9, 12, 15). Milahatra somary boribory ny 
l»y isan-dasy, ary ao ampovoany no andrian' 
ny ondry aman-osy isan-alina. Ny ioham- 
pirenena amin' ny Arabo dia atao hoe sheyk, 
naandriana, ary ny zanaky ny sheyk raa- 
ndimby an-drainy ; nefa mora Many ny 
fanapahuny, ary mpitarika, fa tsy mpana- 
paka loatra, ireo andrian' ny isarn-pirenena 
ireo. Hatrizuy ela izay ny Arabo efa zatra 
mangataka vola an-kermy tamin' ny vahiny 
rehetra sendra mainaky ny taniny (Isa. xxi. 
13) ; dia nalaky niova ho fandrobana izany 
finaony izany, ka dia ataon' ny Arabo fa 
toy manan-tsiuy na henatra izy raha manga - 
latra amin' izay rehetra tsy mahay manohi- 
tra azy, na izay tsy mihavana aminy amin 1 
ny fanomezam-bola azy. Ny niandrasan' ny 
Arabo ny vahiny mandaio mba hungalarany 
ny fananany no voalazan' i Jeromia (iii. 2) 
sy Ezra (iii. 31) ; ary ny hafainganan' ny 
suaraliny mitondra azy lavitra, mba tsy ho 
tratran' ny inanenjika azy, dia toa lazain' ny 
h&. lxiii. 13, 14 ; ary ny nitondrany tatika 
tany amin' ny tany sasany dia lazaina ma- 
tetika; vakio Job. i. 15; 2 Taut. xxi. 16, 
17 ; xxvi. 7. Mahagaga ny fahuizan' ny 
Arabo manenjika biby na olona raha mandi- 
nika sy mitsongo dia azy eo amin' ny f asika ; 
ary kanto ny fahatsiarovany na inona na 
bona izay mihatra amin' ny tenany. Ma- 
hay miaritra hanoanana sy hetaheta ary 
hasasarana ela ninny izy ; sady faingau- 
tsaina sy fatra-pitady zavatra vaovao. Misy 
fitnaon' ny Arabo izay efa nahazatra azy 
hatramin' ny voaiohany, dia ny inamaly 
ra ; fa raha sendra misy olona novonoin' ny 
satiny, na dia tsy nahy aza, ny havan' ilay 
maty tsy main tsy manenjika sy mamono 
ilay namono olona (zahao Nom. xxxv. 9-34, 
sy tan an a fiauovana). Dia mitoraka ady 
tsy mety mitsahatra mandrakizay izany, 
nefa kosa, mampitandrina azy tsara mba tsy 
hiady handatsa-dra. Ary ny tenin' ny 
anjely tamin' i Hagara, milaza izay ho fo- 
mbam-panahin' Isiiuaela zanany sy ny tara- 
n*ny, "izy ho lehilahy toy ny boriki-dia" 
(G«l xvi. 12), dia teny mahamendrika ny 
Arabo rehetra. Tamin' ny andro taloha, 
nialara ny Arabo noho izy tsy nety nam a- 



« AAA 

dika fanekena ary noho ny fahitsiany sy ny 
nampiandranoany vahiny ; fa toa efa niha- 
ratsy ny fombany tco aoriandriana, indrindra 
tamin' ny tany falehan' ny vahiny inaro. 

Tamin' ny andro ela dia ela taloha be ny 
fandrantoana tany Arabia, ka dia tonga 
nan an - k arena ny mponina tao. Tamin' ny 
andron' i Jakoba aza nisy mpivarotra Arabo 
(Isimaelita sv Midianita nifamoivoy nitondra 
zavatra hamidy any Egypta, Gen. xxxvii. 
2S), izay nividy an' i Josef a haroidiny 
indray ho andevon' olona. Ny Arabo koa 
dia isan' ny matilo sahisahy indrindra tamin' 
ny andro taloha fa naka ny vokatry ny ta- 
ny lavitra samy hafa, dia India 9j Abysiuia, 
etc., ho entina any Egypta sy ny tany any 
Asia Andrefana. Izany no nahazoan' ny 
Jiosy zavatra maro avy tany India raha 
mbola tany an-efitra izy (Eks. xxx. 23, 25) ; 
ary Solomona nahazo torn bom -barotra lehibe 
avy tamin' ny fandrantoana natao tany 
amin' ny Ranoinasina Mena (1 Mpan. x. 
10-15). Tamin' ny aoriana indray, ny fire- 
neiia Arabo sasany no lazain' i Ezekiela 
(xxvii. 19-24) ho isan' ny firenena izay na- 
nao rah ar ah a tamin' ny olon-Tyro ; ary be 
koa ny varotra nataon' ny Edomita tao Petra 
renivohiny. 

Hatrizay ela izay tsy mba noresen' ny 
firenena sasauy ny Arabo, ary tsy niova 
loatra ny fombany. Mpanompo-sampy ny 
ankabiazauy hatramin' ny andron' iMoha- 
meda, izay teraka tokony ho diman-jato 
taona taorian' ny andron' i Kristy ; fa izy 
nampitsahatra izany ary nampianatra fa 
Iray hiany ny Andriamanitra sady izy no 
tuna mpaminany farany sady malaza indri- 
ndra nirahin' Andriamanitra. Tonga mpiady 
malaza Mohameda too aoriana, ary ny 
fivavahana nampianariny no nampieleziny 
tamin' ny sabatra ; koa rehefa afaka dhnam- 
polo taona ny fivavahana nampianariny (Mo- 
hamedanisma) no neken' ny firenena maro 
any Asia sy Afrika Avaratra ary any Spania ; 
fa Mohameda sy izay nandiraby azy naudre- 
sy izay rehetra nanohitra azy ary nanorina 
fanjakana mahery; Damaskosy no reni- 
vohiny voaiohany, dia Kiofa, ary Bagdada 
tato aoriaua. Fa ny Arabo tsy manaiky 
fanjakana loatra ankohitriny, na dia toa 
isan' ny fanjakan' i Torkey aza izy. 

Maro ny mpanoratra Arabo efa nanoratra 
boky amin' ny teny Arabika, dia boky fihi- 
rana sy tantara sv boky milaza astronomy 
sy alkomy, mbamin' ny science samy hafa, 
ary maharitra mandraka ankehitriny ny sa- 
sany. Ary ireo boky ireo no manampy 
antsika hahalala ny hevitry ny teny Hebreo 
sasany izay maizimaizina. Ny Korana, izay 
soratra masin' ny Mohamedana, dia boky voa- 
soratra amin' ny teny Arabika. Ny Talao- 
tra sy ny Silamo izay hitantsika aty Mada- 
gaskara dia Arabo araka nyhrazanany. — j.s. 

ABAMA : anarana nilazan' ny Jiosy ny 
ny ftzaran-tany ao avaratr* atsinanan' i Pa- 



Digitized by 



Google 



AftA 

lo9tina ; dia ny tany avo nefa marin-tampo- 
na izay mahatratra hatramin' ny ony Jorda- 
na sy ny ao amoron' ny Farihy Genesereta, 
ka hatramin' ny ony Eofrateay. Tokony lio 
2000ft. ny hahavony ambonin' ny ranoraa- 
sina; ary samy hafa indrindra ny tarehiny 
sv ny toeny noho ny tany manamorona ny 
MecUteraneana. izay atao hoc "tany Kana- 
na" (Gen. xxxi. 18; xxxiii. 18, etc). Afa- 
tsy indraindray foana ny tcny hoc 'Syria' no 
anarana ilazan* ny Baiboly azy mandraka- 
riva. Fa indraindray amin' ny tantara 
voalaza ao amin' ny Soratra Masina misy 
fironena sy fanjakana maromaro madinidi- 
nika voalazan' izany anarana izany : (1) 
Aram-Zoba, na Zoba fotsiny (1 Sam. xiv. 
47; 2 Sam. viii. 3; 1 Tant. xviii., xix.). 
[soba.] (2) Aram-beta-relioba (2 Sam. x. 
6), na Behoba (x. 8). [uehoba.] (3) Aram- 
Maka (1 Tant. xix. 6), na Maka fotsiny (2 
Sam. x. 6). [maka.] (1) Gesora "any Sy- 
ria" (2 Sam. x. 6), ary matetika akambana 
amin' ny anarana hoe Maka izany (Deo. iii. 
14; Jos. xiii. 11, 13 etc.). [gesora.] (5) 
Aram-Damaskosy (2 Sam. viii. 5, 6 ; 1 Tant. 
xviii. 5, 6). Ireo rehetra ireo dia samy na- 
tao Arama na Syria (2 Sam. x. 13), fa nony 
nitombo ny lazan' i Damaskosy, dia izany 
no natao anarany (1 Mpan. xx. 1), ary ny 
anarana hoe Arama dia saiky natao ana- 
rana hilazana an' i Damaskosy hiauy. (Isa. 
vii. 8; 1 Mpin. xi. 24, 23; xv. 18, etc.) 
Fa intelo kosa toa milaza an' iAsyria ny 
hoe Arama (2 Mpan. xviii. 27; Isi. xxxvi. 
11 ; Jer. xxxv. 11). Misy Arama anankiray 
kosa izay zanak' i Komoela, taranak' i Na- 
hora, ary voalaza ao amin' ny Gen. xxii. 
21.— J.n. 

ARAMAIKA na ARAMEANA. Izany dia 
anaran' ny fitenin' ny firenena izay nonina 
tany Mesopotamia sy Babylonia ary Syria 
(2 Mpan. xviii. 26 ; Dan. ii. 14 ; zahao 
abama). Naman' ny teny Hebreo Many izy, 



« AftA 

anefa hafa koa ; ary na dia beteaka aza ny 
tenin* izy roa no sahala, samy hafa be Ma- 
ny ny fanononana azy, ka dia tsy nifanka- 
halala fitcny ny olona roa izay avy tany Ara- 
ma sy avy tany Kanana. Koa amin' izany 
dia Mtantsika fa raha niverina avy tamin' ny 
Fahababoana tany Babylona ny .liosy, ny 
tanora fanahy rehetra dia tsy nahalaia intso- 
ny ny teny Hebreo, izay fitenin' ny razany ; 
koa nony voavaky too an-dalambe tany Je- 
rosalema ny Lalan' i Mosesy, ny Levita ma- 
romaro nitsangana too anilau' iEzra dia 
nandika ny teny Hebreo ho teny Aramaika, 
fa izany Many no hain' ny olona, fa efa 
nahazatra — . . * . 



Neh. 



ttra azy tany Babylon a izany ; vakio 
viii. 1-8. Koa tamin' ny andron* 



i Kristy, Aramaika hiany no fitenin' ny Jio- 
sy, ary izany no tokony ho teny nampiana- 
r.-in' ny Tompo ny vahoaka. Ny teny Ara- 
maika sasany dia rabola hita ao amin' ny 
Filazantsara, dia ny hoe Aba sy Efata sy 
Tal'Ua homy sy Korbana sy Etoy, Efoy, lama 
sabaktany sy Mamona ary Anatema Mar an- 
ata. — J.s. 

ARAONA: dia andriandahy anankiray ,- 
isan' ny Jebosita tompon-tany tany Jerosa- 
lema, izay nivarotra ny tany famoloana teo 
an-tampon' ny havoana Moria tamin' i Da- 
vida, hanorenauy aiitara ho an' i Jehova (2 
Sun. xxi*\ 18-24 ; 1 Tant. xxi. 25). Nanai- 
ky hanome ny tany fotsiny ho an' i Davida 
izy, mbamm' ny omby sy ny hazo fivelezam- 
bary hatao kitay hazo ; nefa tsy nety na- 
ndray azy toy izany D.ivida, fa hoy izy : 
'•Tsy hanatitra fauatitra odorana ho au' 
i Jehova Andriamanitro amin' izay tsy no- 
vidiko alio." Teo amin' ny famoloan' l Ara- 
ona no nanorenan' iSolomona ny Tempoiy 
tao aoriana (2 Tant. iii. 1). — j.s. 

ARARAT A: fizaran-tany bo tendrombobi- 
tra voalaza ao amin' ny Baiboly izany ; toy 
izao no mihalaza azy: (1) Tao nisy ilay te- 
ndrombohitranijanonan' ny sambo-fiara nony 
efa ho ritra ny Safo- 
drano (Gen. viii. 4) ; 
(2) Tanynandosiran' 
ny zanak' iSanke- 
riba, mpanjakan' i 
Asyria, rehefa na- 
mono ny rainy izy 
(2 Mpan. xix." 37 ; 
Isa. xxxvii. 38) ; (3) 
Anarana ilazana ny 
niray tetika tamin' 
iMiny sy Askenaza 
(Jer. Ii. 27). [arime- 
nia.] Tsy msy na- 
halaia izany anarana 
hoe Ararata izany 
ny olon-kendry tao 
amin' ny Grika sy 
ny Rom ana, ary ny 
olona any A rim en i a 



Iwdrombohitra Ararata, 



Digitized by 



Google 



ARA « 

ambaraka androany koa toy nahalala azy, 
nefa misy hianv ny olon-kendry tao amin' 
ny Jiosy nahalala azy hiany, ary Ararata 
no nataony anarany. Ao amin' ny Bai- 
boly ny tany avo marimarin-tampona ao 
Arimenia hiany no lazaiu' io teny io. Ao 
ataimon' ny lemaka atao hoe Arakaeay »y 
ao avaratr* i Mesopotamia izy. Miaara-kevi- 
tra be hiany ny olona ny amin' izay tendro- 
mbohitra nijanonan' ny aambo-fiara (Gen. 
TiiL 4). Misy lehilahy anankim y, izay indray 
nihira tamin' i Aleksandro Lehibe, izay mu- 
nao ny tany be tendrombohitra atao hoe 
Kurdistan ho izy. Nefa maro ny olon-ken- 
dry izao no manaraka ny hevitry ny Peraia- 
na, ary ataony fa ilay atao hoe Ten < ham bo - 
hitr* i JToa no izy. Misondrotra avo ao amin' 
ny tany lemaka atao hoe Arakseay izy io, ary 
misy tendrony roa sahalahala amin' lvotovo- 
rona, ny iray atao hoe lehibe, ary ny iray 
kely; ny hahavou' ny lehibe dia 17,260 ft. 
ambonin' ny ranomasina, ary tokony ho 
14,000 ft. avonoho ny tany manodidina, fa ny 
kely dia 4000 ft. iva noho izany. Ny tampon' 
ny lehibe dia voasaron' ny fanala mandraka- 
riya, ary nataon' ny olona taloha fa tsy azo 
nanihina izy, nefa niay lehilahy natao hoe 
Parrot nananika azy tamin' ny taona 1829. 



ARE 

midezfl niay tempolin-taampy) tao amin' ny 
tan ana Atena izany. Misy lohaaaha avoavo 
manelanelana ny Akropoliay sy izy. Mia- 
katra miandalana hiany ny havoana raha 
ny avaratra, fa ao atsimo koaa dia manao 
hantsankantaana, ka folo refy avo noho ny 
lohaaaha izy. 'Tendrombohitr' i Maraa' no 
natao anarany matetika, satria teo, hono, no 
nitaaran' ny andriamanitra tai-izy an' ilay 
sampy (kintana) Maraa, tamin* izy namono ny 
zanak' ilay aampy hafa natao hoe Neptona. 
Angano izany, nefa nitokian' nv olona tany 
Griaia fahiuy fatratra. Tamin izany havo- 
ana izany no nivorian' ireo mpanolo-taaina 
sy mpanapaka tany Grisia izay natao hoe 
Konaily Arabony ; ary ny KoLsilin' ny 
Diman-jato koaa niangona tao amin' ny 
lohaaaha tao ambaniny. Hatramin' ny ela 
izany fitoerana izany no natao fitsarana ny 
meloka ; ary nahatoky ny olona indrindra 
ny mpitaara teo. Tay nisy olona raiaina 
ho iaan' ireo mpitaara ireo, dia iaan' ny 
Konaily Ambony, raha tay izay efa naha- 
vita ny raharahan' ny Arkona, na mpa- 
napaka ambony, ary izay efa tsara laza 
tamin' ny olona. Talohan' ny andron' ilay 
natao hoe Solon (b. c. 600) ny meloka noho 
ny vonoan' olona, na ny mandratra olona, 



Misy vohitra kely ao atao hoe Argur\ y ary I na ny mahafaty tamin' ny poizina, na ny 

17ftl»V TAnifvu l»onir nnnn T\r\ tanimVinnn' m n ■** A r\i*n. 4-vnv*s\ nn n/ituavoin a +i\i\ fa nnman' 



izany vohitra izany, hono, no tanimbolin 
iKoa; ary ao ambany kely ataon' ny to- 
mpon-tany fa misy ny fasana nandevenana 
an' i Noa. Tay azo inoana loatra a nefa izany. 
Raha heverina izany tendrombohitra Ararata 
iiany, dia izao no toeny : (1) Ny hahavony. 
Mifiondrotra ho 16,000 na 17,000 ft avonoho 
ny ranomasina izy. (2) TXyJiorenany. Toko- 
ny ho ao afovoan* ny tany manelaneian' ny 
Kanoroaaina Mainty ay ny Ranomasina Kas- 
piana ao avaratra izy, ary ny Golfa Fersiana 
»y ny Mediteraneana ao ataimony. Raha 
heverina araka ny nampielezan' Andriama- 
nitra ny firenena, dia tokony ho ao afovoan' 
izao tontolo izao indrindra Arimenia ; ary 
ankehitriny dia fari-tanin' i Roaia ay Torkoy 
ary Persia izy. (3) Ny toetry ny tatty. Tokony 
no be tendrombohitra mirehitra taloha izy, 
nefa miandalana hiany ny fisondrotany ainbo- 
nin' ny tany manodidina. (4) Ny toetry ny 
sndro (climate) Ririnina ny andro hatraniin' 
ny Oktobra ka hatramin' ny May ; foby 
ny lohataona, ary mafana indrindra ny faha- 
Taratra. Amin' ny Aprily mbola voaaaron' 
ny fanala ny tany lemademaka; ary amin' 
&y Septembra dia mandry ny rano raha alina 
noho ny batsiaka. (o) Ny t oka try ny tany. 
T»ara ny abitra maniry ao, ary maru ny 
bibin' ny Arabo izay xnifahy ao. Maniry ao 
&oa ny varimbazaha maro karazana, etc. ; 
ary amin' ny tany avo noho ny any amin' 
ny tany sasany dia masaka tsara ny voalo- 
Wa, gady faingana indrindra no fahama- 
sahan' ny zavatra.— j.r. 

A&EOPAGO : vatolampy avoavo tandrifin' 
^J andrcfan' ny Akropoliay (ilay havoana 



mandoro trano, no notaaraina teo, fa nomen' 
i Solon fahefana koaa hitaara ny mpikomy, 
etc. koa. Taorian' ny nandresen' ny Roma- 
na azy, dia mbola fitsarana nahatoky ny 
olona izany fitoerana izany. Tao atainanan' 
avaratry ny havoana, ary tao an- tampon y 
indrindra, no niangonan' ireo mpitaara ireo. 
Ambarak' izao dia mbola misy ambaratonga 
enina ambin' ny folo voakapa tamin' ny vato- 
lampy miakatra ho amin' ny nipetrahany ; 
ary izany flpetrahan' ny mpitaara izany dia 
voakapa tamin' ny vatolampy koa ; manao 
efa-joro izy ka manatrika ny atsimo, ary 
misy avoavo koa ny ilany manatrika ny 
andrefana sy ny atsinanana. Tsy niay tafony 
akory izy. Izay ananan' ny Areopagoay 
laza amintaika Kri9tiana anefa, dia aatria teo 
no nitorian' i Paoly teny tamin' ny mponina 
tany Atena (Asa. xvii. 22-31). Nalain' ireo 
"filosofera" tany an-taena izy, ka nentiny 
niakatra ireo ambaratonga voalaza eo ambo- 
ny ireo angamba, ary nony tafapetraka teo 
amin' ny fipctrahan' ny mpitsara, ary ny 
olona teo amin' ny ambaratonga ay tao an- 
daniny, dia teo Paoly no nitory teny. — j.u. 

ARETA : dia anarana niombonan' ny mpa- 
njaka maro tany Arabia. Roa ny mpanjaka 
nanana io anarana io izay voalazan' ny 
Apokryfa sy ny mpitantara Jiosy ; fa ny 
Areta voalazan' ny Baiboly nanjaka taorian' 
heu y, ary dia tompon' ny tan an a Damaakoay 
tamin' ny andron' i Paoly Apostoly (2 Kor. 
xi. 32). Ny zanakavavin' i Areta efa nova- 
din' i Heroda Antipaay, fa Heroda ta-ha- 
nam-bady an' i Herodia8y, vadin' ny raha- 
lahiny (Mat. xiv. 8) ; dia niaaotra ny zana- 



Digitized by 



Google 



ARI « 

kavavin' iAreta izy ary nampody azy 
tamin-drainy. Ary izany no niteraka ady 
tamin' i Heroda sy Areta ; koa raha nifiinena 
ny miaramilan' izy roa tonta, dia reay avokoa 
ny an' i Heroda. Ary nony ren' iTiberio, 
emperora any Roma, fa rosy Heroda, Vitelio, 
mpanapaka tany Syria, no nasainy handeha 
hiady amin' i Areta. Fa raha mbola tany 
an-dalana Vitelio, dia maty Tiberio, ary 
Kaligola, izay nandimby azy, dia tay tia an' 
i Heroda, ka dia tsy namonjy azy loatra. 
Koa heverin' ny sasany fa Damaskosy no 
nomen' i Kaligola tamin* i Areta, fa renivo- 
hitra nitoeran' ny mpanjakan' i Arabia izany 
tamin' ny t aloha. Fa heverin' ny sasany 
kosa fa Damaskosy no lasan' iAreta an- 
keriny andro sasany tamin' ny nitoeran' 
i Paoly tao sy ny nandosirany niala indray. 
Raha fantatra marina ny taona nahazoan' 
iAreta any Damaskosy, dia fantatra ny 
taona niovan' i Paoly ho Kriatiana, fa telo 
taona talohan' ny nialan' i Paoly tany Dama- 
skosy izany ; zahao Gal. i. 18. — J.b. 

AKETINA: zahao fanafody. 

ARGOBA : zahao tbakonitisy*. 

ARIELA : dia anarana nilazan' Isaia sy 
Ezekiela mpaminany ny tanana JerosaJema 
(Isa. xxix. 1, 2, 7 ; Ezok. xliii. 15, 16). Tsy 
hita velively izay beviny : ataon' ny sasany 
fa 'Lionan' Andriamanitra' no izy ; nefa 
ataon' ny sasany kosa, fa raha ny tenin' 
i Ezekiela no hevorina, dia 'Fatan' Andriama- 
nitra' no heviny, ka nenti-miiaza ny alitara 
fandoroam-panatitra tao amin' ny kianjan' 
ny Tempoly. — J. 8. 

AEIKANJELY. Mpifehy na lohan' ny 
anjely no hevitr' ity teny ity. Roa hiany ny 
andininy milaza ny arikanjely, dia 1 Tea. 
iv. 16 sy Jod. 9 ; fa tsy misy izay ahafanta- 
rantaika na ny isany na ny fahcfana ananany 
mihoatra noho ny anjely sasany. Ny teny 
vitsy eo amin' ny Test. Vao. anefa no ahi- 
tantaika fa misy filaharana ao amin' ny 
anjely araka ny voninahitra nomen' Andria- 
manitra azy ; fa "ireo fanapahana ay fahe- 
fana any an-danitra" (samy ploraiy ireo) no 
lazain' i Paoly (Efe. iii. 10); ary koa, ny 
"fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny 
hery sy ny fanjakana" (Efe. i. 21) dia 



ARO 

hankany Jopa ao amoron-dranomaaina. Tay 
misy teny milaza an' i Arimatia afa-tsy ireo 
telo yoalaza eo ambony ireo, izay manao hoe 
fa Josefa, ilay mpanolo-taaina taara fanahy 
izay nandevina an' i Jeaosy Tompo, dia avy 
tany Arimatia. — l.s. 

AEISTAKKO : dia Kriatiana avy tany Te- 
8alonika, izay niaraka tamin' i Paoly tamin' 
ny Diany Fahatelo nitety tany (Asa. xix. 
29 ; xx. 4 ; xxvii. 2). Noaamborin' ny 
mpanefy volafotay tany Efeaoay izy ka aaiky 
novonoiny ; ary teo aorian' indray dia tao 
amin' i Paoly tamin' ny nifatorany voaloha- 
ny tany Roma izy, fa lazain' ny Apostoly 
hoe * 'mpiara-mif atotra araiko" (Kol. iv. 10 ; 
Filem. 24). Raha tahaka ny tantara lovan- 
taofina, dia mpitandrina ny fiangonana tany 
Apamea any Frygia izy. — J.s. 

ARKELAOSY : zanak' i Heroda Lehibe izy 
ary nandimby azy tamin' ny nanjakany any 
Idiomoa sy Jodia ary Samaria (Mat. ii. 22) ; 
zahao heroda.— J.s. 

ARMAGEDONA: zahao hara-maqedona.. 

AROERA: izany dia anaran' ny tanana 
efatra any Paleatina, dia izao ; (1) Tanana 
anankiray teo amoron' ny ony Arnona tao 
amin' ny zara-tanin' ny Robena (Deo. ii. 36 ; 
Joa. xii. 2; etc.). (2) Tanana nanandrify 
an' i Raba-Amona, tao amin' ny zara-tanin' 
ny Gada (Nom. xxxii. 34). (3) Tanana voa- 
laza ao amin' ny Iaa. xvii. 2 hiany. (4) Ta- 
nana anankiray tany Joda (1 Sam. xxx. 
28).— js. 

ARONA : dia zanakalahy matoan' i Am- 
rama ay Jokebeda ; avy tamin' ny firenen' 
ny Levy ary rahalahin' i Moseay izy. Teraka 
tokony ho tamin' ny taona B.C. 1674 izy, 
ary rapisoronabe voalohany indrindra tamin* 
ny Jiosy. Raha nanao izay hahafahany tsy 
ho mpitarika ny Isiraelita Moseay, noho ny 
habada-lelany ay ny liadam-piteniny, dia 
Arena no notendren' Andriamanitra ho na- 
many sy lio aolom-bavany, aatria taara fiteny 
izy. Tao anatin' ny efa-polo taona nitoe- 
ran' i Moneay tany Midi an a, Arona dia na- 
nam-bady an' i Eliacba, zanak' i Aminadaba, 
ka niteraka zanakalahy efatra, dia Nadaba, 
Abiho, Eleazara, ary Itamara. 

Raha naaain' Andriamanitra nandeha, dia 



teny toa milaza filaharana ary tsi-fitovian' I nankany an-efitra Arona hitaena ny rahala- 



ireny ka manambara fa misy ambony sy 
ambany ary lehibe sy kely ao amin' ny 
anjely maaina ; zahao koa Kol. i. 16. [anje- 
ly.] Fa tay mety . raha itompoana teny 
fantatra amin' izany, fa tay nambara tami- 
ntsika mihoatra noho izay voalaza too ny 
amin' ny nlaharan' ny anjely na ny arika- 
njely.— J 8. 

ARIMATIA (Mat. xxvii. 67 ; Lio. xxiii. 
51 ; Jao. xix. 38) : dia anaran-tanana izay 
ataon' iLioka hoe 'tanana any Jodia.' Ary 
tokony ho iray hiany, hoy ny sasany, Ari- 
matia sy ny vohitra anankiray atao hoe 
Ramla ankehitriny izao, izay ao an-tenatena- 
lalana raha miala any Jerosalema mba 



hiny sy hitondra azy miverena any Egypta ; 
ary hatramin' ny efa-polo taona nisarahany 
dia vao izay nihaonany tany Horeba izay 
izy mirahalahy no nifankahita ka dia nifano- 
roka. Ary nony tonga tany Gosena izy, 
dia nambaran' i Arona tamin' ny loholon' 
ny Isiraely ny teny rehetra izay nolazain* 
i Jehova tamin' i Moseay. Niornbon-draha- 
raha mandrakariva tamin' i Moseay Arona, 
ka nanaiupy azy hatramin' ny tihaouany 
voalohany tamin' i Farao ka hatramin' ny 
namakiany ny Ranoraaaina Mena, ary teo 
aorinna mbola niara-nanao koa izy miraha- 
lahy. Tany an- tampon -tanety Arona sy 
Hora mbamin' iMoaeay, hitsinjovany ny 



Digitized by 



Google 



ARO 

median' iJosoa tamin' ny Amaleka, ary 
nan oh an a ny tanan' i Mosesy izy roa lahy, 
fa raha naaandratra izany dia nahery ny 
Isiraelita. Ary tato aoriana indray, raha 
niakatra ny tendrombohitra Sinay Mosesy 
bandray ny vato fiaaka roa izay nisy ny Didy 
Folo, Arona sy ny zanany ary ny fito-polo 
lahy tamin' ny loholona niaraka tamin' 
i Mosesy tao an-tenatena-tendrombohitra, ka 
oahita ny aiain , ny voninahitr' i Jehova izay 
hitan' i Mosesy tanteraka kokoa (Eks. xxiv. 
1, 2, 9-11). 

Ary raha mbola naharitra efa-polo andro 
tao an-tendrombobitra Mosesy, dia Arona no 
nsteangana ny olona ho lohany. Koa nisy 
ny nataon' i Arona izay ahafantaranUika fa 
toy nan&m-pinoana tahaka an' i Mosesy ra- 
halahiny izy, na dia nahay nandaha-teny 
aza- r Tuj nahandry ny nitoeran' i Mosesy 
ela tao an-tendrombobitra ny olona, fa na- 
taony fa levon' ny afo izay hitany nideda- 
deda tao an-tampony izy; dia niangona 
nihorakoraka tamin' i Arona izy ka niantso 
azy hanao sampy tahaka izay nahazatra azy 
raha mbola tany Egypta izy. Asa, na tsy 
sahy nanda ny nangatahin' ny olona Arona, 
na tsy nahazo marina ny hevitry ny Didy 
Faharoa izay nandrara tsy hanao sarin - 
javatra hivavahana ; fa nanaiky ny fanga- 
tahaa' ny olona izy ary nandray ny firava- 
bolamena nateriny, ka izany no nanaovany 
ombilahy kely volamena. Anefa kosa, na- 
taon* i Arona ny ombilahy kely angaha 
hampahatsiaro ny olona an' i Jehova Andria- 
mamtra marina, fa nanendry andro hanao- 
vam-panaeana sy hanateram-panatitra ho 
an' i Jehova izy. Dia nanao fanasana ny 
olona ka nihinana sy nisotro ary nandihy 
sy nilalao. Taitra sy nitabataba ny olona 
nony nahatazana an' i Mosesy nidina ny te- 
odrombohitra indray, nitondra ny vato fisa- 
ka roa nanoratan' ny tanan' Andriamani- 
tra ny Didy Folo, ka nangovitra tamin* ny 
nananarany azy izy ary tsy nanohitra ny 
handravan i Mosesy ny ombilahy kely vo- 
lamena sy ny hanorotoroany azy. Ary Aro- 
na, rehef a nanariny Mosesy, dia nanao izay 
hahafa-tainy ny ten any izy ka nilaza ho 
aoteren' ny olona (Eks. xxxii.). 

Nahazo didy ny amin' ny nanaovana ny 
Tabernakely sy ny amin' ny ho fanaon' ny 
mpisorona Mosesy fony izy tany an-tendro- 
nbohitra; koa araka izany, dia Arona no 
notendrena ho mpisoronabe, ary ny zanany 
•y ny taranany ho mpisorona kosa. Ary 
rehefa vita ny Tabernakely, dia nalain' 
i Mosesy Arona sy ny zanany, dia nanidinany 
diloilo ny lohany, sy nampiakanjoiny ny 
fitafiana masina izy, ary natokany hanompo 
an' i Jehova amin' ny fanaon' ny mpiso- 
rona. Ary raha vao naaandratra toy izany 
Arona, dia nisy nan jo azy ka nampahory ny 
fony. Tamin' ny indray andro mamon' ny 
toaka ny zanany roa lahy, dia ny lahimatoa 
■y ny lahiaivo (Nadaba sy Abiho), ka nana- 



9 ARP 

titra afo tsi-izy raha nanao sorona teo ana- 
trehan' Andriamanitra izy ; ary noho izany 
dia maty tampoka izy, nefa tsy navela 
hisaona azy ny mpisorona havany. Dia 
nandefitra ny nan jo azy tamin' ny fangi- 
nana Arona (Lev. x. 1-11). Raha naniny 
an' i Mosesy Miriama anabaviny, noho 
ny vehivavy Etiopiana izay nampakariny 
sady efa nentin' ny rafozany tao aminy 
tao an -toby, dia nanaiky ny nataon' ny 
anabaviny Arona. Nialona an' i Mosesy 
mivady izy mianadahy, nefa nampijalin' 
Andriamanitra Miriama, ka dia boka izy ; 
ary nony nahita izany dia nivalo kosa 
Arona ary nahazo famelan-keloka (Nom. 
xiij. 

Tamin' ny faharoa -polo taona nialany 
tany Egypta dia tonga tany amin' ny efitra 
Parana ny Isiraelita, ary niray tetika ny 
sasany hanohitra sy hanetry an' i Arona sy 
Mosesy. Ary ny mpitari-pikomiana dia 
Kora, avy tamin' ny firenen' i Levy, ary 
Datana sy Abirama, avy tamin' ny ixce~ 
nen' i Kobena. Ary ny nanendren' Andria- 
manitra an' i Mosesy sy Arona sy ny fanka- 
sitrahany azy dia niseho indray tamin' ny 
loza izay nahafaty ny mpikomy tsy omby 
efatra arivo. Ary nony nitan' i Arona ny 
olona maro matin' ny aretim-be toy izany, 
dia nihazakazaka izy ka nanisy afo tao 
amin' ny fitondran-afo, koa nasiany ditin- 
kazo manitra, ary nijanona tao "anelanelan' 
ny maty ey ny velona' ' izy ka nanavotra ny 
olona; ary dia nitsahatra ny aretim-be. 
Ary mba hahafantaran' ny olona indray 
izay nofidina ho mpitarika sy ho lehibe, dia 
nasain' Andriamanitra liitondra tehina avy 
ny loholon' iaam-pirenena. Dia napetrak' 
i Mosesy tao amin' ny Tabernakely ny tehina 
rehetra naterina, ary tamin' ny aiin' iny 
dia tsy niova akory ny sasany, fa nitsimoka 
kosa ny an' i Arona ka namoa amygdala. 
Ary dia notehirizina ny tehin' i Arona mba 
ho famantarana ho an' ny mpiodina (Nom. 
xvi. sy xvii.J. 

Tsy naveian' Andriamanitra biditra any 
Kanana Arona, noho ny tsi-finoany tamin' 
ny nangalan' i Mosesy rano tamin' ny vato- 
lampy tany Meriba (Nom. xx. 8-13) ; ary 
taonandrian' izany ny nahaiasanan' i Arona. 
Nasain' Andriamanitra hiakatra ny tendro- 
mbohitra Hora izy mbamin' i Mosesy sy 
Eleazara zanany teo imison' ny olona reho- 
tra ; dia nesorin' i Mosesy ny fitafiana ma- 
sina ka natafiny an' i Eleazara handimby 
azy, ary dia niafa aina teo an -tampon' ny 
tendrombohitra izy. Ary 123 taona ny 
andro niainan' i Arona, dia nalevin' ny ra- 
halahiny sy ny zanany tao an-dava-bato 
tany Hora izy. Nisaona azy telo-polo andro 
ny Isiraelita ; ary ny Jiosy mbola mitandri- 
na andro ho fahatsiarovana ny nahafatesany 
mandraka ankehitriny. — c.J. 

ARPAXSADA : dia zanakalahy fahatelon' 
i Sema sy razan' iEbera. Teraka roa taona 



Digitized by 



Google 



ASA 

taorian' ny Safo-drano izy ary maty rehefa 
nahatratra 438 taona. — j.8. 

ARTAKSERSESY (Mpiady Uhibe) : dia ana- 
ran' ny mpanjakan' i Persia roa lahy izay 
voalazan' ny Test. Tal. : — 

Artaksersesy (1) : yoalaza eo amin' ny 
Ezra iv. 7 izy, ary ataon' ny olon-kendry fa 
izy no Smerdisa anankiray, mpanandoka 
Magy izay nody ho rahalahin' i Kambysesy, 
faharoa tarn in' ny mpanjakan* i Media. Na- 
ka ny fanjakana an-keriny tamin' ny taona 
B.C. 622 izy ary nanjaka valo volana Many. 

Artaksersesy (2) : yoalaza eo amin' ny 
Neh. ii. 1 izy io, ary ataon' ny olon-kendry 
fa Artaksersesy Makroldera (Ilavatanana) 
sy zanak' i Zerksesy izy, izay nanajaka ha- 
tramin' ny b.c. 464 ka hatramin' ny B.C. 
425.— T.T.M. 

AETEHA : dia Kristiana anankiray naman' 
i Paoly Apostoly, izay nokasain' i Paoly hi- 
rahina ho any Kreta hisolo an' i Titosy (Tit. 
iii. 12).— j.8. 

ABTEHIST: dia ny anarana nahafanta- 
ran' ny Grika ilay sampy nataon' ny lloma- 
na hoe 'Diana.' Zahao diana. — j.s. 

^ A8A : zanak' i Abijama na Abija izy, ka 
dia mpanjaka fahatelo tany Joda (b.c. Ode- 
Si 6). Ny teny milaza ny tantarany dia ao 
amin' ny 1 Mpan. xy. 8-24 sy 2 Tant. xiv., 
xv. sy xyi. Tsara izay nataony, sady mari- 
na too imason' i Jehova Andriamamny izy, 
fa nazoto dia nazoto handrava ny fano- 
mpoan-tsampy. Maka reni-beny aza dia 
naetriny, ary ny sampiny dia nodorany 
tanilan' ny renirano Kedrona (1 Mpan. xv. 
2, 13 ; 2 Tant. xv. 16) ; kanefa Maka no 
atao hoe ' 'renin' ny mpanjaka," ary vonina- 
hitra lehibe indrindra teo amin' ny Jiosy iza- 
ny . Ary rehefa ren' i Asa ny tenin' i Aza- 



Ata-tany (amin' ny fangady iaritina). 
Ny hanin-kohanintsika sy ny fitafiantsika ary 
ny zayatra rehotra ananvntsika dia avy arain' 
ny tany, sady miankina aminy izy rehetra. 

Samy manana ny fombany, raha miasa 
tany, ny firenena rehetra dia manaraka ny 



» ASA 

ria mpaminany, dia nesoriny ny sampy 
rehetra any Joda sy Benjamina ; ary noha- 
vaoziny ny alitaran' i Jehova izay ef a nolotoin' 
ny mpisoron' ny sampy angaha (2 Tant. xv. 
1-9). Ny miaramilan' i Asa dia maro hiany 
sady natanjaka (2 Tant. xiv. 8), ary raha 
Zera Etiopiana no nanafika any Joda ka 
nitondra miaramila tapitrisa, Andriamanitra 
nampahery an' i Asa, ka resy avokoa Zera 
(2 Tant. xiv. 9-16). Tato aorian' izany, 
Basa, mpanjakan' ny Isiraely, dia nanorina 
an' i Rama ka nanao azy ho batery hiadiany 
amin' ny Joda; kanefa Asa nanakarama 
an' iBeni-hadadu I. mpanjakan' i Syria, ary 
izy niady tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely ; 
dia nitsahatra tsy nanao an' i Rama Basa ; 
koa ny vaton' i Rama no nentin' i Asa sy ny 
olon' ny Joda hanao an' i Geba sy Mizpa 
(2 Tant. xvi. 1-6). Fa izay nataon' i Asa raha 
nitady famonjena tamin' ny mpanjakan' 
i Syria izy, fa tsy tamin' ny Andnamaniny, 
dia nahatezitra an' i Jehova, koa Hanany 
mpizaha no nirahiny hananatra an' i Asa noho 
izany. Fa Asa tsy niaiky heloka, fa tezitra 
tamin' i Hanany kosa izy ka nametraka azy 
tao an-trano-maizina. Dia narary tongt>tra 
Asa, nef a tsy nitady an' i Jehova izy hana- 
sitrana azy, fa ny mpanao-fanafody hiany. 
Ary rehefa narary roa taona izy dia maty 
tamin' ny faharaik' ambin' ny folo taona 
nanjakany (1 Mpan. xv. 23 ; 2 Tant. xvi. 
12, 13).— j.w. 

ASA (Fiasan-tany). Ny miasa tany dia 
zavatra hatramin' ny voalohan' izay niaiana 
olona aty ambonin' ny tany (Gen. ii. 16 ; 
iv. 2), ary famantarana hahalalana ny toetry 
ny firenena dia ny fahaizany sy ny faha- 
zotoany miasa ny tany. Raha mbola misy 
fanjakana tsy mandry tsara, ary raha tsy 
mbola mandroso loatra amin' ny fahe- 
adrena ny firenena, dia mifindrafindra 
mihaolohaoio izy ; ary ny fihazan' ny 
bibi-dia sy ny miompy biby no antony 
iehibe amm' ny fivelomany, tahaka ny 
imin' ny Sakalava aty sv ny olona 
Msany ao amin' ny tany hafa mandraka 
inkehitriny aza. Raha tsara ny fiasana 
iy tany, vavolombelona izany fa misy 
fanjakana mandry tsara izany firenena 
zany, ary mandroso mihatsara ny toe- 
ay ny vahoaka. Ary fan ampin' izany 
Jidray, ny f andrantoana sy ny varotra, 
ia ao amin' ny taniny hinny, na ao 
imin' ny tany hafa koa, no famanta- 
*ana fa mnndroso izany firenena izany, 
iraka ny fomban' ny firenena malaza 
imin' izao tontolo izao. Ny tany no 
ototry ny ahazoantsika olombelona 
doa araka ny nofo, ary fantsakana 
angalantsika fivelomana sy harenaizy. 

toetry ny tany sy nv taona ao aminy ay ny 
fah alal any ny amin ny fiasana ho en ti- miasa 
azy. Mahagaga ny hatsaran' ny fiaaan- 
tany ao Eoropa izao : vola betsaka no lany 
hividianany azy, sady marhincry (milina 



Digitized by 



Google 



ASA 

mro karazana ampiasain' ny steam na eton' 
ny rano mangotraka) no atao matetika 
hampiasa azy ; ary mbola mitombo ny 
fahaizan' ny olona amin' ny fiasana tany. 
Kanefa ny milaza ny fiasana ny tany tao 
Kanana no holazaina eto, hahalalantsika ny 
hevitry ny tony ao amin' ny Baiboly milaza 
izany. 

(1) Ny tottry ny tany $y ny taona tany 
Kanana. Kanana dia tany be tendrombohi- 
trasy be loharano ka tsy mba tahaka an* 
i Egypta, izay lemaka dahaolo, sady tsy misy 
rano afa-tsy ny avy amin' ny ony Neily. 
Tany Toavoly tsara sady mahavokatra dia ma- 
hsrokatra izy fony tsy mbola tafiditra tao ny 
Zanak' Isiraely ; zahao Deo. viii. 7-9 ; xi. 
10-12; Nona. xiii. 21-27. Ny fomban' ny 
taona dia sahalahala amin' ny taona aty ami- 
ntsika hiany . Ny ranonorana voalohany mila- 
tgaka amin' ny Oktobra na Novembra, ary 
maharitra mitapatapaka hatramin' ny May. 
Nv ranonorana atao hoe 'loha-orana' dia 
aabala amin' ny orana izay tonga amin' ny 
lohataona aty amintsika ; ary ny hoe 'fara- 
orana' dia ny orana amin' ny fararano sy 
fara- taona (Deo. xi. 14 ; Lev. xxvi. 4 ; Job. 
xxix. 23 ; Oha. xvi. 15 ; Jer. y. 24 ; Hos. 
vi. 3 ; Joel. ii. 23 ; Jak. v. 7). 

Kanefa kosa mangatsiaka ny andro misy 
ranonorana ; fa tsy mafana tahaka ny aty ; 
rakio Oha. xx. 4. Ary raha tsy misy rano- 
oorana kosa, dia mafana ny andro sady 
malazo ny zaya-maniry rehetra, dia miha- 
vasoka ny tarehin' ny tany, ary ny zava- 
manan-aina rehetra toa maniry fatratra ny 
hihavian' ny ranonorana; zahao Job. xxix. 
23. Kanefa ny rano dia taritina tsara ao 
amin' ny kamory ary alefa amin' ny tatatra, 
raha toy milatsaka intsony ny ranonorana 
hanirian' ny zavatra mandritra ny taona, na 
ririnma, na fahavaratra ; zahao 2 Tant. 
xxri. 10 ; Sal. i. 3 ; Ixy. 10 ; Oha. xxi. 1 ; 
Isa. xxx. 25; xxxii. 2, 20; Hos. xii. 11. 
Sady tondraka koa isan -taona ny ony Jor- 
dan* (Joe. iii. 15; 1 Tant. xii. 15; Jer. 
xii. 5 ; xlix. 19), ary ny rano no tatarana 
ary aminy. Ny rano volona dia tadiavina 
ay iadian' ny mpiasa tany sy ny mpiandry 
biby (Gen. xxri. 17, 22 ; Jos. xy. 19 ; Mpit. 
i. 15). Ary mba tsy hahalany ny herin' 
ny tany dia nisy lalana nomen' Andria- 
manitra tamin' ny Zanak' Isiraely hampitsa- 
hatra azy tsy hamboly na hijinja ny tany 
iaaky ny taona fahafito (Lev. xxv. 1-7). 
Ary mba tsy hihahaka hivarotra ao amin' 
ny firenena mpanompo sampy manodidina 
azy ny Zanak' Isiraely, dia tsy navelan' 
Andriamanitra hatao varo-maty ny anjara- 
tany nananan' isan' olona; fa "an' Andria- 
manitra ny tany" (Lev. xxv. 23), ary tian' 
Andriamanitra ny olom-pidiny hitoetra 
ao ay hitandrina azy mitokana tsara amin' 
ny firenena hafa, hanompoany an' An- 
driamanitra velona; zahao Lev. xxv. sy 

JOBELT. 



51 ASA 

(2) Ny zavatra nambolena tao Kanana. Ny 
foto-kanina lehibe fihinan' ny olona dia vary 
tritdka na varimbazaha (Eng. wheat) ; ary 
fanampin' izany dia ny vary hordea (Eng. 
barley) sy ny ampemby (Eng. millet), etc. Ny 
vary tahaka ny aty amintsika tsy voalaza ao 
amin' ny Baiboly, fa varimbazaha no hevitry 
ny teny adika hoe *vary' ao amin' ny Baiboly 
Malagasy. 

(3) Ny miasa ny tany sy ny amafazana azy. 
Ny fangady sy ny plough (fangady taritina) 
no enti- miasa ny tany ; ary ny fomban' ny 
plough dia hita amin' ny sary (p. 60). Ny vy 
maranitra miditra amin' ny tany dia atao hoe 
coulter na f andidiana, ary azo esorina ; zahao 
1 Sam. xiii. 19, 21. (Ny hoe 'coulter' amin' ny 
teny Englisy no adika hoe "fiasana" amin' 
ny Baiboly Voahitsy.) Ny fanindrdnana 
enti- man indrona ny omby izay nitarika ny 
plough dia hoatra ny zaram-pangady, refy 
sy mamakitratra latsaka kely no halavany ; 
aiy misy tahaka ny mondrom-pangady ao 
an-tondrony iray hanaisorana ny vongan- 
tany ho afaka amin' ny plough ; ary misy 
vy maranitra tahaka ny lefona eo amin' ny 
tendrony anankiray hanindronana ny omby 
hampandeha azy tsara. Ka dia azo hatao 
fiadiana hamonoana olona izany ; zahao Mpit. 
iii. 31 ; Asa. ix. 5. 

Indraindray ny mpamafy manaraka ny 
plough ka manipy ny voa ho latsaka amin' 
ny tany voasa eo alohany (Isa. xxviii. 24) ; 
ary indraindray raha malemy rahateo ny 
tany, dia voafafa ny voa amin' ny tany tsy 
nasaina ; ary rantsan-kazo hiany no taritina 
ambonin' ny tany handraofana azy eo amin' 
ny voa voaf afy. 

(4) Ny mijinja sy mively sy mlkororoka ny 
vary. Indraindray ongotana hatramin' ny 
faka ny vary; ary indraindray ny salohiny 
hiany no jinjana, ary ny inololo no ongotana 
hanaovana zavatra ; ary indraindray jinjana 
amin' ny fotony hiany izy dia atao ambo- 
arany ka entma amin' ny sariety ho any 
am-pamoloana, ary ny vodivary no dorana 
hatao zezika hahasoa ny tany; zahao Job. 
xxiv. 10, 24 ; Gen. xxxvii. 7 ; Lev. xxiii. 
10-15; Ro. ii. 7, 16; Isa. v. 24; xlvii. 
14; Jer. ix. 22; Mik. iv. 12; Am. ii. 13. 
Ary raha nijinja ny olona, dia nasain' 
Andriamanitra hamela sisa hangonin' ny 
ny malahelo (Lev. xix. 2, 10 ; Deo. xxiv. 
19). Kanefa mora tamin' ny tompon' ny 
saha izay olona malahelo te-hitsimpom-bary 
any (lio. ii. 2, 7). 

Ny famoloana dia tahaka ny aty hiany, 
kanefa omby no ampandehanina hanitsaka 
sy hively ny vary ; ary ny lalan' i Mosesy 
nilaza fa tsy hakombona ny vavan' ny omby 
raha niasa tahaka izany izy (Gen. 1. 10; 
Mpit. vi. 37; 2 Sam. xxiv. 16, 24; Deo. 
xxv. 4). Ary indraindray tehina na taora- 
kazo no ontina mively ny vary raha kely izy 
(Rota ii. 17 ; Isa. xxviii. 27). Ary misy 
zavatra hafa koa izay atao hoe "fivelezam- 



Digitized by 



Google 



ASA « 

bary" (2 Sam. xxiv. 22 ; Isa. xxviii. 27 ; 
xli. 16; Am. i. 3), dia hazo mavesatra 
misy nify vato na vy maranitra umbaniny ; 
taritin' omby izany harapihintsana ny vary 
sady hanamontsamontsana ny mololo hatao 
fihinan' ny biby onipiana, na handriany. Ary 
in drain dray misy kodia telo eo ambaniny, 
izay nanana ireo nify maranitra ireo ; ary 
itaingenan' ny olona koa ny kalesy misy azy 
harapitombo ny havesany. 

Ary rehefa voavely ny vary dia ataipitsi- 
piny no entin' ny rivotra ny vodivary sy ny 
akofa (Job. xxi. 18 ; Sal. i. 4 ; xxxv. 5 ; 
Jer. iv. 11, 12; Dan. ii. 36; Hos. xiii. 3; 
Lio. ill. 17) ; dia ahofa hialan' ny vato kely 
izy ka dia diovina tsura amin' ny sahiratsy 
sy ny sahafa (Isa. xxx. 24). — j.w. 

ASAFA (Mpamory) : dia Levita, zanaky 
Berekia (1 Tant. vi. 24 ; xv. 17), izay nalaza 
nobo ny fahaizany tamin' ny zava-maneno, 
ka notendren' iDavida hiventy bira tao 
amin' ny Tempoly sy bitandrina ny bira sy 
ny zava-maneno izay fanao tamin' ny fivava- 
hana isan' andro. Ny taranak' i Asafa, na 
"Zanak' i Asafa," no lazaina tamin' ny 
aoriana bo isan' ny mpibira tao amin' ny 
Temooly (2 Tant. xx. 14 ; Ezr. ii. 41 ; iii. 
10 ; Neh. vii. 44 ; xi. 22) ; ary toa rabaraba 
nolovan' ny taranak' i Asafa ny miventy hira 
toy izany (I Tant. xxv. 1, 2). Asafa dia 
nalaza ho mpaminany tamin' ny aoriana (na 
"mpahita") sy mpanao bira (2 Tant. xxix. 
30 ; Neb. xii. 16), ary iraika ambin' ny folo 
ny Salamo misy ny anarany, Sal. lxxiii. — 
lxxxiii. Na marina izany, na tsia, zahao 
8 alamo. Nisy olona telo lahy bafa koa izay 
natao hoe Asafa ny anarany : ny anankiray 
dia mpanora-tantara tamin i Hezekia mpa- 
njaka (2 Mpan. xviii. 18 ; Isa. xxxvi. 3) ; 
ary ny anankiray koa dia mpitandrina ny 
alan' ny mpanjaka tamin' ny nanjakan' 
iArtakseresy (Neh. ii. 8).— j.b. 

ASAHELA: zanakalahin' iZeroia, ana- 
barin' i Davida, izy sy zandrin' iJoaba sy 
Abisay. Nalaza noho ny hafaingan-tongony 
izy ("haingan-tongotra tabaka ny gazela 
izy"), dia f ahaizana izay noderain' ny olona 
tany aloha izany. Ary nony niady tamin' 
ny miaramilau' i Isiboseta nofehezin i Abne- 
ra tao Gibeona izy, ka resy Abnera ka nando- 
sitra, Asahela dia nanaraka sy nanenjika 
azy; ary na dia nangatahin' i Abnera aza 
mba hivily, dia tsy nety izy, koa Abnera 
no voatery bamely azy mba hamonjy tena 
(2 Sam. ii. 18-23). Dia maty teo Asahela 
(zahao abneba sy joaba). — j.s. 

ASAIA : dia anaran' olona efa-dahy voa- 
laza ao amin' ny Test. Tab Tsy nisy malaza 
loatra tamin' ireo anefa, fa ny teny milaza 
azy avy dia 1 Tant. iv. 36 ; vi. 30 ; xv. 6 ; 
ix. 6 ; 2 Tant. xxxiv. 20.— j.s. 

ASAN' NT AP08T0LT. Izany no anara- 
na nahafantaran' ny Kristianu ity boky ity 
hatrizay ela dia ela izay. Nefa angamba toy 
mba anarany tamin' ny voalohany izany, fa 



ASA 

1 'Aaan' Apostoly" (dia ny sasany), satria hita 
miharihary fa tsy voalaza izay nataon' ny 
Apostoly rehetra, fa izay nataon' ny sasany 
hiany izay malazalaza kokoa, indnndra fa 
Petera sy Paoly. Rehefa voalazan' ny mpa- 
noratra ity boky ity ny niakaran' i Jeaosy 
Toinpo tany an-danitra, sy ny nidinan' ny 
Fananv Masina tamin' ny fiangonana, sy 
ny nielezan' ny filazantsara, ary ny fanen- 
jehana izay nan jo ny mino manaraka izany, 
— ny niantsoan' i Kristy an' i Saoly mpane- 
njika bo Apostoly no lazainy, ary ny 
nanendrena azy ho Apostoly tamin' ny 
Jentiliaa. Dia misy teny milaza ny namo- 
han' i Petera ny fanjakan' ny lanitra tamin' 
ny firenena hafa izay tsy Jiosy (toko x.) ; 
ary ny ankabiazan' ny teny sisa eo amin' ny 
boky dia tantara milaza izay nalehan' i Saoly 
(Paoly) nitory ny filazantsara, ary ny nana- 
mbinan' Andriamanitra azy, mbamin' ny 
fahoriana sy ny fanenjehana nieretany hatra- 
min' ny nitondrana azy tany Roma hotsa- 
rain' emperora. Ary ny teny farany ao 
amin' ny boky dia milaza azy nafatotra tany 
Roma miandry ny hitsara azy. Koa ha- 
tramin' ny toko xiii. ka hatramin' ny faran' 
ny boky (toko xxviii.) dia azo atao hoe 
'Asan' i Paoly Apostoly' ity boky ity. Fa 
aoka hoheverina 

1. — Ny Nanoratra ny Asa. Olona iray hiany 
no nanoratra ny Asan' ny Apostoly sy ny 
Filazantsara izay atao hoe ny Filazantsara 
nosoratan' i Lioka. Fa eo amin' ny Asa i. 1 
dia misy teny milaza ny taratasy hafa izay 
nampitondrainy tamin' i Teofilo tany aloha ; 
koa mifanaraka amin' ny teny eo amin' ny 
Lio. i. 3 izany. Koanefa na eo amy ny Fila- 
zantsara, na eo amin' ny Asan' ny Aposotly' 
dia tsy voalaza ny anaran 1 ny nanoratra azy, 
fa izay notantarain' ny olona tao aloha 
hiany no ahafantarana azy ho Lioka, dia 
ilay Lioka voalaza eo amin' ny Kol. iv. 14; 
Filem. i. 24 ; 2 Tim. iv. 11. Ary ny amin' 
i Lioka, zahao lioka, fa ny teny ao no tokony 
hodinihin' ny mpamaky ity. Angamba Je- 
ntilisa hiany Lioka araka ny fireneny sy ny 
firazanany; ary mpanao- fan afody no raha- 
rahany. Ary rehefa tonga Knstiana izy, 
dia n azo to nanao izay tratry ny ainy ha- 
mpandroso ny fanjakan' Andriamanitra ka 
dia nanaraka an' i Paoly. Raha tany Asia 
Minora Paoly, tamin' ny Diany nitety tany 
Fanindroany, dia vao narahin' i Lioka izy ; 
ary ataon' ny sasanv fa ny fahararian' 
i Paoly no nakany an' i Lioka mpanao-fana- 
fody ho namany tamin' izay ; fa ef a narary 
tany Galatia izy (Gal. iv. 13), sady vao avy 
tany Galatia indrindra izy tamin ny nahi- 
tany an' i Lioka tany Troasy. Kanefa zava- 
tra kely no ahafantarantsika izany ; diniho 
tsara Asa. xvi. 7, 8, 10. Raha nilaxa ny 
amin' i Paoly Lioka, dia nolazainy hoe izy ; 
fa rehefa niaraka kosa Paoly sy Lioka, dia 
novany ny teny ka nataony hoe iiahay ; koa 
fantatsika fa ny fltenintsika etj hoe 'izahay' 



Digitized by 



Google 



ASA 



68 



dia tony milaza ny miteny, na ny manoratra, 
jt ny namany ; ka izany no vavolombelona 
hhafamtarantsika fa niaraka tamin' iPaoly 
Lioka no nanoratany hoe : 'Nandeha izahay. 1 
Ary nany tonga tany Filipy any Makedonia 
iiy, dia toa nijanona tany Lioka, nefa ny 
ta-nflan' ny teny hoe *izahay' no famanta- 
rana izany (Asa. xvi. 17 no faran' ny misy 
ny hoe izahay') ; faraha niverina tany Filipy 
taorian' izany indray i Paoly 8y ny namany, 
dia niainga niaraka taminy indray Lioka 
(Am. xx. 5), ka tsy nisaraka taminy intsony 
mandra-pahatongany tany Roma. Raha ni- 
fatotra roa taona tany Kaisaria ny Apostolin' 
ny Jentilisa, ary raha nentiny tany Roma 
hotsaraina izy, dia mbola nomba azy hiany 
Lk>ka, Ary amin' izany, bitantsika izay naha- 
mety an' i Lioka ho nanoratra ity tantara atao 
hoe "Ny Asan' ny Apostoly" ity. Fa amin' 
izay nosoratany dia be no hitan' ny masony 
*y ren' ny sofiny, raha nandeha niaraka 
tamin' i Paoly izy; diniho xvi., sy xx. 5 — 
isviii. Ary koa, raha marina ny hevitry ny 
"jona, angamba nanoratra kcly mandraka- 
rira Lioka, na taiza na taiza nalchany, mba 
hitadidiany taara ny nataony sy izay nihatra 
taminy isan' andro. Tsy hita loatra izay 
voalohany namporisika azy hanoratra : na 
mba nikasa hilaza ny nalohan' i Paoly sy izy 
hiany izy, dia vao nitutra indray ny heviny 
tao aoriana, na manao ahoana. Kanefa 
hitantaika fa tsy ny nalehan' i Paoly hiany 
no roalazany ; fa ny toetry ny fiangonana 
tany Jerosalema tamin' ny voalohany, sy ny 
nataon' ny Apostoly roa anibin' ny folo lahy, 
ary ny toetry Paoly fony izy mbola mpane- 
njika, mbamin' ny nataony rehefa niova izy 
k-inantsoina ho Apostoly koa, — dia voalazany 
avokoa izany. Ary raha mieritreritra isika 
hoe : Ahoana no nahalalan' i Lioka izany 
rehetra izany, nefa ny ankabiazany dia zava- 
tra tsy hitany ? dia azo valiana mora hiany 
ny hevitsika. Fa lehilahy nazoto nitady ny 
fototry ny zavatra nokasainy holazaina Lio- 
ka (Uo. i. 1-4); ary amin' izany, dia t*y 
niaintsy nandinika sy nanadina izay olona 
n ahalala ka azony nanontaniana izy vao 
nanoratra. Ny tantaran' i Paoly tokony ho 
azony tamin' i Paoly hiany ; »ry angamba 
tnisy aza ny teny nosoratan' i Paoly milaza 
ny nalehany, etc., izay nadikan' i Lioka 
fotany hiany, na novany kely foana, dia 
natambany tamin' ny azy indrindru, fa ny 
teny aasany notorin' i Paoly (xx. 18-35; 
«ii. 1-22; xxiv. 10-21). Ary tsy izany 
hiany, fa nisy nahazoan' i Lioka namantatra 
n y toetry ny Apostoly sasany sy ny fiango- 
nana tany Jerosalema, raha naharitra nifa- 
5°tra tany Kaisaria Paoly. Fa roa taona 
uy no tany, ary tamin' izany no tokony ho 
nanoratan' i Lioka ny tantara sasany. Fa 
akaiky an* i Jerosalema Kaisaria, ary anga- 
mba lioka nankany matetika sy tany amin' 
D J" tanana hafa tany Paleatina hanadina 
sy handinika tsara ny mpianatr' i Jesosy 



ASA 

tany ; ary dia azony marina ny toetry ny 
fiangonana hatr' izay niandohany. Ary 
tany Kaisaria hiany no nitoeran iFilipo 
(xxi. 8), izay isan' ny fito lahy nofidin' ny 
fiangonana ho diakona (vi. 6) ; ary tany 
koa no nonenan' i Korinelio sy ny na- 
many tao aloha (x. 1) ; ary tokony ho nisy 
mbola tany hiany izy ireo tamin ny nifa- 
toran' i Paoly tao. Ary amin 1 izany hita- 
ntsika izay fanaon' i Lioka : tsy izay zavatra 
efa hitan ny tenany hiany no nosoratany, 
fa mpanangona izay vitan' ny sasany koa 
izy ; ary izay azony tamin' ny olona naha- 
lala sy ny vavolombelona nahatoky dia 
nadikany ka, nakambany tamin' ny azy. 
Izy dia nazoto nitady ny fototry ny zavatra 
rehetra, ary ny Fanahy Masina koa nitarika 
sy nitondra azy ho amin' ny marina. 

2. — Ny Fotot*-y ny nanoratan'' % Lioka ny 
Asa. Tsy mba teny nampitondrain' i Lioka 
tamin' ny fiangonana iray ity tantara ity ; 
fa ho an ny Kristiana rehetra no nanaovany 
azy, na ny Jiosy, na izay Jentilisa, mba 
hamantarany marina ny zavatra ninoany. 
Fa nisy lehibihy natao hoe Teofilo, izay olona 
nalaza ny ambony toetra angaha (fa hoy izy : 
'Ry Teofilo tsara indrindra,' — Lio. i. 3 
ampitovina amin' ny Asa. xxiv. 3), ary izy 
no nanoratan' i Lioka. Koa fanaon' ny olona 
izany, na tany aloha na tato aoriana: ny 
manoratra boky dia mifidy izay olona tiany 
hotolorany ny boky ataony ; dia soratany na 
tontainy amin' ny boky ny anaran' ilay 
tolorany azy. Fanajana azy izany, kanefa 
ny olona manan-daza, na ny mpanapaka, na 
ny andriana, no anolorana ooky tahaka 
izany. Ar> Lioka nanao toy izany tamin' 
ny boky roa izay nosoratany. Tsy Teofilo 
irery no nanoratany ny tantara, fa ho an' 
ny Kristiana rehetra ; nefa uanaja an' i Teo- 
filo izy ka nanolotra azy ny boky, sady 
nataony ao ny anarany. Koa ny amin' 
i Teofilo, zahao teofilo. Tian' i Lioka ho 
fantatry ny Kristiana rehetra ny nahatante- 
rahana ny tenin' ny Ray tamin ny nidinan' 
ny Fanany Masina sy ny nielezan' ny fila- 
zantsara tamin' izao tontolo izao. Izany 
angamba no nanoratan' i Lioka ny Asan' ny 
Apostoly. Kanefa maro ny zavatra samy 
hafa tokony hianarana amin' ny teny noso- 
ratany, na dia tsy nokasain' izy nanoratra 
azy loatra aza izany. Ny herin' Andriama- 
nitra sy ny fahefana lehibe nomeny ny 
Apostoly dia samy miseho amin' ny tantara ; 
ary hitantsika koa ny anton' ny filazantsara, 
fa ho an' ny firenena rehetra izy, na ny 
zanak' i Abrahama, na ny Jentilisa. Ary 
amin' izany, tokony hodinihina tsara ity 
tantara ity mba hahafantarantsika ny hevi- 
tra sy ny fanaon' ny Apostoly mpanorina 
ny Fiangonana, sy ny zavatra nataony hampi- 
tatra ay hampandroso ny fanjakan' i Kristy, 
sy ny fomba notendreny hotandremana ny 
harahin' ny Kristiana ; ary mba hahitantsika 
koa ny fahoriana sy ny fanenjehana izay 



Digitized by 



Google 



ASA 

hanjo ny mpanompon' iKristy raha nianao 
izay zakauy izy hampahafantatra ny sasany 
ny teny famonjena. 

3. — Ny Tany sy ny Taona nanoratan 1 i Lioka 
ny Asa. Ny teny ao amin' ny toko farany 
no tsy maintsy hoheverina amin* izany. Fa 
hitantsika fa efa tonga tany Roma Paoly, 
sady efa nitoetra tany roa taona izy tamin' 
izay (xxviii. 30, 31); dia fantatsika fa tsy 
talohan' izany no nahavitan' i Lioka ny 
tantara, na dia efa voasorany ela hiany aza 
angaha ny ankabiazany. Ary koa, ny 
nitoeran' i Paoly tany Roma, raha niandry 
hotsarain' i Kaisara ny amin* ny niampangan' 
ny Jiosy azy izy, no zavatra farany voala- 
zan' i Lioka, ka dia tapitra amin' izany ny 
toniny. Tsy misy teny milaza izay nisehoan' 
i Paoly teo anatrehan' ny mpanjaka, na 
milaza ny nahafahany mbamin' ny nalehany 
tao aoriana, ary ny niverenany f anindroany 
tany Roma sy ny namonoauy azy tany. 
Koanefa tokony ho nolazaina indrindra izany 
raha mba zavatra efa f antatr' i lioka ; ary 
angamba tsy nisy mbola tanteraka izany no 
dia tsy voalaza. Mbola tany Roma Paoly, 
sady efa tapitra ny roa taona; ary tamin* 
izany angamba no nahavitan' i Lioka ity 
boky ity, sy nampitondrany azy tany amin' 
iTeofilo. Ary amin' izany, ny taona nano- 
ratany azy dia tokony ho a.d. 63; ary ny 
tany dia Roma. Nisy nitsaharan' i Paoly 
sy nialany susatra tany, fa tsy afaka 
nandehandeha izy sy ny namany, sady 
efa nandroso tokoa ny fanjakan' iKristy 
tamin' izany ; ka dia tian' i Lioka ho 
fantatry ny Kristiana rehetra ny nataon' ny 
Apostoly, sy ny nanorenany ny fiangonana 
tany amin' ny Jiosy ary tany amin' ny Jenti- 
lisa. Ary tsy izany hiany, fa efa antomotra 
ny hisehoan' ny fanenjehana mafy izay hi- 
hatra amy ny mpanompon' iJesosy Kristy, 
ary angamba nisy mpaminany teo amin* ny 
Fiangonana izay naminany ny hihavian' iza- 
ny ; dia izany indr»y no tokony ho nampa- 
hazoto any Lioka hahavita faingana ny boki- 
ny, f andrao hiely ny Kristiana, ka tsy hisy 
hanaovana azy intsony. Ny Kristiana tany 
Roma nahazo ny tantara aloha, dia nandi- 
kany indray izy, ka naeliny tany amin' ny 
tany hafa. 

4. — Ny Zavatra voalaza co amin'' ny Asa. Efa 
voalahatra eo amin' ny Fandaharana (zahao 
ny teny manaraka ity) ny zavatra rehetra 
voalaza sy ny taona nisiany sy ny nanaova- 
na azy, ka dia atao fohy hiany ny teny eto. 
Lioka nampahatsiaro an' i Teofilo, izay na- 
noratany ny boky, ny amin' ny teny ananki- 
ray nosoratany tamin' ny talohan' ity : ary 
nony vita izany dia nilaza ny amin' ny niaka- 
ran' i Kristy tany an-danitra izy, ny nivere- 
nan' ny Apostoly tany Jerosalema, ny nia- 
ndrasany ny Fanahy Masina, ny nidinan' 
ny Fanahy Masina tamin' ny Pentekosta, 
sy ny zavatra mahagaga hita tamin' izany 
andro izany. Rehefa voalaza ny toetry ny 



W ASA 

reni- fiangonana tany Jerosalema, hatramin' 
ny nanenjehan' ny loholon' ny Jiosy azy 
sy ny namonoany an' i Stefana ary ny nane- 
lezany ny Kristiana, dia narabara koa ny 
amin' i Saoly mpanenjika, izay nibebaka ka 
niova fanahy ho Kristiana mazoto sy ho 
Apostoly. Ary tsy ny tany Jerosalema na 
ny tany Palestina hiany no noiazaina, fa ny 
amin' ny nandraisana ny Jentilisa ho isan' 
ny Fiangonana koa. Petera no nankany 
amin' ny Jentilisa aloha, dia vao Paoly; 
ary izay nalehany Paoly sy izay nataony 
no fototry ny teny hatramin' ny toko xiii. ka 
hatramin' ny faran' ny boky ; ary nony nifa- 
totra voalohany tany Roma Paoly, dia nota- 
perin' i Lioka ny tantara, ary taratasy hafa 
no ahafantarana izay nan jo azy tato aoriana. 
5. — Teny nalaina tamin'' ny Tettamenta 



Taloha. 




Asa. i. 20 


Sal. lxix. 25. 


,, i. 20 


, f cix. 8. 


„ ii. 17-21 


Joela ii. 28-32. 


,, ii. 25-28 


Sal. xvi. 8-11. 


„ ii. 31, 35 


„ ex. 1. 


„ iii. 22, 23 


Deo. xviii. 15, 16. 


,, iii. 25 


Gen. xxii. 18. 


„ iv. 11 


Sal. cxviii. 22. 


„ iv. 25, 26 .... 


„ ii. 1, 2. 


,, vii. 3 


Gen. xii. 1. 


» vii. 6, 7 


,, xv. 13, 16. 


„ vii. 26-28 .... 


Eke. ii. 13, 14. 


,, vii. 32 


„ iii. 6. 


„ vii. 33, 34 .... 


„ iii. 5, 7, 8, 10 


,, vii. 35 .. 


„ ii. 14. 


„ vii- 37 


Deo. xviii. 15. 


,, vii. 40 


Eks. xxxii. 1. 


,, vii. 42, 43 .... 


Am. v. 25-27. 


,, vii. 49, 50 .... 


Isa. lxvi. 1, 2. 


,, viii. 32, 33 .... 


Isa. liii. 7, 8. 


,, xiii. 22 


1 Sam. xiii. 14. 



,, xiii. 22 Sal. lxxxix. 20. 

„ xiii. 33 Sal. ii. 7. 

,, xiii. 34 Isa. Iv. 3. 

„ xiii. 35 Sal. xvi. 10. 

,, xiii. 41 Hab. i. 5. 

,, xiii. 47 Isa. xlix. 6. 

„ xv. 16, 17 .... Am. ix. 11, 12. 

,, xxiii. 5 Eks. xxii. 28. 

,, xxviii. 26, 27.. Isa. vi. 9, 10. 

6.—Fizarapia ny Asa, Maro ny fizarana 
samy hafa efa noheverin* ny olona, fa izao 
no tsotra sy mora fantatra. Mizara telo izy : 
1. — Ny niandohan' ny reni -fiangonana tany 
Jerosalema, sy ny nitomboany hatramin' ny 
andro niakaran' i Kristy tany an-danitra ka 
hatramin' ny fanenjehana voalohany tany 
Jodea ; i. — viii. 4. 2. — Ny nielezan' ny mino 
noho ny fanenjehana, ny nandraisan' ny 
Samaritana ny filazantsara, ny nibebahan' 
i Paoly, ary ny nanorenana nv fiangonana ta- 
min' ny Jentilisa tany Antiokia ; viii. 5 — xii. 
3. — Ny nitaran' ny fanjakan' i Kristy tany 
amin' ny Jentilisa, na tany Asia na tany Eo- 
ropa, mbamin' ny nataon' i Paoly sy Barnaba- 
sy ary izay namany sasany koa ; xiii. — xxviii. 



Digitized by 



Google 



ASA 



TA05A. 

a.r Vu.a 



TlBERIO 
nanjaka 
nabaleo- ta- 
na, Aug. 19, 
A. D.14. 
30 783 



36 



789 



i 37 



790 

Kaligola 
nanjaka, 
Mar. 6. 



791 



793 



794 



Klaodio 
no nanjaka, 
Jan. 24. 



,45 



7% 



797 



768 



MPISOBOXABE. 



Kaiapa natao 
mpiaoronabe, AD. 
25. 



Naongan' ny Ro- 
man* Kaiafa. 

JONATANA za- 
nak* Anano ; fa 
naongana indray 
iay. 

Tbofilo 
i Anano. 



Teofilo naongan' 
i Agripa. Simon a 
notendrena, fa 
neaorin' i Agripa 
indray iay tamin' 
isany taona izany 
hiany. 

Matiasa zanak* 
i Anaiy ; nesorin' 
i Agripa, A. D. 43 



Elionaio za 
nak' i Siroona. 



Elionaio, fa ne- 
aorin' i Heroda, 
rapanjakan' i Kal- 
kiay iay. Josrfa 
zanak' i Kamy. 



55 

MPANAPAKA TANT JO- 
_____ DIA. 

Pontio Pilato na- 
tao mpanapaka, A.D. 
~ na 27. 

Kanan-tainy Pila - 
to ka nakarina tany 
Roma; fa raha tay 
mbola tonga tao izy, 
dia maty Tiberio. 



ASA 



NT ZAVATRA VOALAZA EO AMIN' 
NT ASA. 



Afarulo niandry ny 
tany. Mabtlo no- 
tendren' i Kaligola ho 
mpanapaka. 

Herod* Agripa I. 
no tend re n' i Kaligola 
ho tetraka tany Bata- 
nia ay Trakonitiay ary 
Aoranitiay. Herod a 
rahalahiny natao mpa- 
nj akan' i Kal kiay. 



Heroda Antipaay 
nankany Roma hila 
aitraka tamin* i Kali- 
gola, fa noroahiny 
koaa iay, Agripa no 
natao tetraka niaolo 
azy. 



Aobipa nataon' 
i Klaodio ho mpanja- 
kan* ny tany rehetra 
izay naniakan' i He- 
roda Lehibe raibe- 
ny. Hiroda Aobipa, 
mpanjakany Jodea, 
tonga tany amin' ny 
fanjakany, A. D. 42. 



Maty Heroda -Agri 
pa. Kospio Fado 
mpanapaka tany Jo- 
dea. 



Heroda, mpanjaka- 
ny Kalkiay, nahazofii- 
hefana tamin' i Klao- 
dio hanendry ny mpi- 
aoronabe ary hitandri- 
na ny Tempoly ay ny 
fannka maaina. 



Ny niakaran' ny Tompo. Pen- 
tekosta. Ny nidinan* ny Fana- 
hy Maiinn. 

A.D. 30-t*7 no niaian' ny aavatra 
roalasa eo amin' ny Aaa it 42— vi. 8. 
Nandroso taara tany Jeroaalema ny 
fiaoana. 



SU/ana novonoina (viL 59). Niely 
ny mpianatra (viii. 4). Filipo nan- 
kan' 1 Samaria, dia vao Petera ay 
Jaona (viii. 5-25). Filipo nampino 
ilay Etiopiana ary nitory hatrany 
Azota ka hatrany Kaiaaria (viii. 2G- 
40). Nihtbaka Sioly ka nino an 1 
i Krtity tamy ny faran' iaany taona 
izany (?) (ix. 1-19). 



Niadana ny fiangonana (ix. 31). 
Nitety tanana Petera (ix. 32-43). Ni- 
tory tamin' i Komelio ay ny aakai- 
zany tany Kaiaaria iay (x. 1-48). 
Nilnr.a tamin' ny fiangonana tany Je- 
roaalema ny nalehany tany Kaiaaria 
Petera (xi. 1-18). Kehefa nitoetra 
telo taona tany Arabia ay Damaakoay 
(Gal. i. 15-18) Saoly, dia niakatra 
tany Jeroaalema iay (Ny niakarany 
Voalohnny) ka nihaona tamin' i Pe- 
tera (xi. 26-29) ; dia nipetraka tany 
iay 15 andro, fa nony nenjehina, dia 
nampandehanin' ny niino ho any 
Taraoay izy (ix. 30. 31). 



Ny hlazantaar* efa notorina tany 
Antiokia tamin' izay (xi. 19, 20). Bar- 
nabaay nirahin' ny fiangonana tany 
Jeroaalema hankany Antokia; dia 
faly izy raha nahita ny finoan' ny 
Jentiliaa, ary naka an' i Saoly tany 
Taraoay iay. Nitoetra tany Antokia 
herin taona iay roa lahy (xi. 26). Ny 
mpianatra vao natao hoe 'Kriatia- 
na.' Agabo naminany ny moaary 
izay ho avy (xi. 28), dia namory vola 
ny Kriatiana hamonjy ny rahalahiny 
tany Jodia, ary Saolv ay Barnabaay 
no nanatitra aay (Ny niakarany 
Fanindroany ) (xi. 30), fa angamba 
efa maty Heroda vao tonga tany 
Jeroaalema izy roa lahy. 



Jakoba, rahalahin' i Jaona, novo- 
noin' i Heroda Agripa (xiL). Nafa 
totra Petera (tamin' ny Paaka), fa 
novonjen' ny anjelv iay (xii. 3-17). 
Ny nahafatesan' i Heroda Agripa 
tany Ka iaaria (xii. 23) 



Ny JJian 1 i Paoly (Saoly ay Bar- 
nabaay) nitety tany Voatohany (xiii. 
7— xiv. 28) tany Kyproay ay Asia 
Minora (A. D. 46 na 47). 



*A. v. c. dia litera miaolo ny teny La tin a hoe 'Anno urbis conditionis,' izay hoe, raha adika ho 
^ny Malagaay, *Tamin* ny taona hatramin' ny nanorenana ny tanana,' dia Koma ; dia milaza ny 
*g^katramin' ny niaudohan* ny fanjtikana Roman a. 



Digitized by 



Google 



ASA 



TAONA. 
A.D. *A.U.C. 



799 

800 
801 



802 
803 



51 



807 



MPISORONABB. 



Joaefa naongan' 
i Heroda, rapanja- 
kan' i Kalkiay, 
A. D. 47. 

Ananiasy sana- 
V i Nebadaio. 



Ananiasy nira- 
hina ho any Roma, 
fa nanan-tainy izy 
ay Komano noho 
ny niadiany tamin' 
ny Samaritana, ne- 
fa toa tay naetry 
ir.y. 



66 

MPANAPAKA TANY JO- 
DIA. 



ASA 



TlBERIO AlEKSAN- 

dro mpanapaka tany 
Jodia. Mary ny mo- 
aary tany Jodia. 

Ventidio Komano, 
mpanapaka tany Jo- 
dia, ary maty tamin' 
izay Heroda, mpanja- 
kan* i Kalkiay. 



Agripa, zanak' i He- 
roda Agripa, natao 
mpanjakan* i Kalkiay. 



Nero vao nan- 
jaka, Okt. 



r>5 


808 


50 


809 


57 


810 



811 



Komano naongana. 

Felikba natao mpa- 
napaka tany Jodia 
A.D. 53. 



Agripa II., mpanja- 
kan i Kalkiay, naaan- 
dratra ho mpanjakan' 
i Katania, &c. 



ZAVATRA voalaza bo ajom' 

NT ABA. 



Naharitra herintaona mahery kely 
ny nandehanan' iPaoly, dia nive- 
rina tany Antiokia tamin* ny A. D. 47 
na 48 izy. 

Nitoetra ela tany Antiokia iay 
(xvi. 28). 



Nero nanome an' 
i Agripa II. ny tanana 
saaany tany Galilia sy 
Perea. 

Ilay Egvptiana (Aaa. 
xxi. 38) mtondra olona 
maro tany an-efitra. 
Noresen' i Feliksa izy, 
ncfa afaka nandositra 
ny tenany. 



Niay fiaarahan-taaina ny amin* ny 
fora, &c (xv. 1)!; Paoly ay Baraa- 
baay nirahina tany Jeroaalema (Ny 
niakarany FaninUlony) tamin* iaany 
raharaha isaoy (xv. 2, 3 ; Gal. ii. "L, 
dia 14 taona hatr' izay nibebahan' 
iSaoly). Niverina ixy ka nitoetra 
tany Antokia nitory ay nampianatra i 
(xv. 35). Nihaona tamin' iPeterai 
tany Antiokia izy (Gal. ii. 11-21). 
Nifanditra sy msaraka Paoly ay 
Barnabasy. Ny Dian' i Paoly nitety 
tany Fanindroany. Silaay no na- 
many (xv. 40) ary Timoty (xvi 3) ; 
nitety vohitra tany Asia Minora 
hatrany Makedonia ay Griaia ixy 
(xvi. xvii.). Nipetraka tany Korinto 
izy herintaona ay tapany (xviii. 11) 
(nanoratra 1 Tes. sy 2 Tes.) t dia nio- 
ndrana hamonjy ny Pentekoata tany 
Jeroaalema tamin 1 ny lohataon' ny 
A. D- 54 (Ny niakarany Faninefa- 
nyj ; ary raha avy tany, dia niverina 
tany Antiokia ixy (xviii. 22). Tamin* 
ny fararano tamin* io taona io nan- 
deha indray izy ka tonga tany Efe- 
aosy. Fa A polos y efa tonga tany 
Korinto talohan* ixany ka nitory 
tany (xix. 1-8). 



Tany Efcaoay Paoly hatramin' ny 
Pentekoata A. D. 57 (xx. 31 ; 1 Kor. 
xvi. 8, 9). 

Tany izy no nanoratra (ny Epis. 
tamin" ny Galatiana ?) ny Epis, Voa~ 
lohany tamin'' ny Korintiana rehefa 
niala izy (1 Kor. xvi. 8). Angamba 
nankany Korinto tamin* isany koa 
Paoly, nefa t8y voalaza ao amin* ny 
Aaa izany. 
Tamin* ny Pentekoata (A.D. 57), 

taorian' ny tabataba (xix. 23-41), 

dia nankany Makedonia Paoly (xx. 1 ; 2 Kor. ii, 12, 13) dia 
tao izy nanoratra ny Ejris. Faharoa tamin* ny Korintiana 
(2 Kor. ix. 2) ; ary nankany Griaia dia nitoetra tany nandri- 
tra ny ririnina (xx. 2) ka nanoratra ny Epis, tamin* ny 
Romana (A. D. 58). Nandeha an-tanety izy no any Jeroaa- 
lema dia tonga tany Filipy; dia niondrana izy hankany 
Kaiaaria tamin* ny Aprily, ary ny sambo nahazo tany Troasy 
sy Miletoay, &c. vao tonga. Tonga tany Jeroaalema izy (Ny 
niakaruny FanindiminyJ tokony ho andro vitay talohan' ny 
Pentekoata (xx. 1-xxi. 16). No3aniborin' ny Jiosy avy tany 
Aaia izy, ka nentiny teo anatrehan' ny Synedriona ; novo- 
njen' i Lyaia tamin' ny Jioay izy, ka nateriny tany Kaiaaria 
hotaarain' i Feliksa ; dia nidina tany Ananiasy ay ny Syne- 
driona, ary Paoly navelan' iFelikaa nifatotra tany an- 
trano-famatorana (xxi. 27— xxiii. 25). 



Digitized by 



Google 



ASA 



| TAONA. 
A.D, A.D.C. 



812 



60 


813 


61 


814 


62 


815 



63 



816 



MPI80R0NABB. 



Isimaela, sana 
k* iFaby, nataon* 
i Agripa II. mpiso 
ronabe. 

Nankany Roma 
Iaimaela hiampan 
ga an' i Agripa, dia 
naongana {4.. D. 
til), ary Joseka 
Kabt notendrena. 
Naongan* i Agripa 
(A. D. 61 na 62) 
iay, ary Anano na- 
tao mpisoronabe 
hisolo asy. 

Behefa afaka 
telo volana indray, 
dia neaorin' i Agri- 
pa iay, ary Jesosy, 
zanak y Damioaio, 
no notendreoa hi- 
aolo aay. 



57 



mpanapaka tant jo- 

DIA. 



Pobsio Festosy no- 
tendrena hiaolo an' 
iFeliksa, A.D. 60. 



Maty Featoay (A.D. 
62). Kaha nahare iaa- 
ny ny mpanjaka tany 
Koma, Albino no ni- 
rabiny hiaolo asy. 



ASP 

ZAVATRA VOALAZA EO AM IN* 
NY A8A. 



Nifatotra tany Kaiairia Paoly. 
Ilaha nanipang&iu' ny Jioay tany uy 
ary efa ho entina any Jen. a ilerna. 
dia nangatuka handakitra ainin' 
i Kaiaara iay (xxv. 1-12) i namaly too 
anatrehan' i Agripa ay Featoay iay 
(xxv. 13 -xxv. 82) ; ary nauipanate- 
riny au-taambo ho any Itonia, Vaki- 
a Am bo tany Melita iay dia nitoetra 
tauy naodritra ny nriuina (xxvii. 
1— xxviii. 11). 

Touga tany Boiua Paoly (Febroa- 
r>), da nambcnana tao. nefanitootra 
tao an-trano nohofany iay ka nitory 
teny roa taona ngtrangidina (xxviii- 
11-31). Kebefa tapitra iaany taona 
roa iaany dia vitan i Lioka ny Asan' 
ny Apoatoly. Ary tamin' iaany tao- 
na roa iaany angamba no nanoratan' 
i Paoly ny Epit. tamitC ny Efetiana 
sy ny Kolosiana ty File mono, ary ny 
Filipiana. 



T%lakaran > ny Taona nanaovana ny Zavatra Malaza roalaza ao amin' tty Asaii ny 
Apcstoly, araka ny heiitry ny mpanoratra fito lahy avy. 



Ny niakaran* i Kristy 

Namonoana an' i Stefana 

Niovan* i Paoly fanahy , 

Niakaran* i Paoly voalohany tany Jerosalema (ix. 26). 

Namonoana an' l Jakoba Apostoly , 

Niakaran' i Paoly fanindroany tany Jerosalema (xi. 30) . 

:Dian* i Paoly voalohany nitety tany 



{Niakaran* i Paoly fanintelony tany Jerosalema (xv.) .... 

Nahatongavan* i Paoly tany Korinto * 

Niakaran' i Paoly faninefany tany Jerosalema (xviii. 22) 

Nonenan' i Paoly tany Efesosy 

Xiakaran' i Paoly fanindiminy tany Jerosalema (xxi. 17) 
I Nahatongavan* i Paoly tany Roma , 







«0 




a 








g 


3 




•8 


•3 




■a 


1 


1 


* 


1 


I 


a 


u 


(k 


s 


W 


a 


© 


4 


A D. 


A'D. 


A.D. 


A I) 


A.D. 


A.D. 


A.D. 


33 


33 


33 


31 


33 


30 


31 


34 


34 


— 


— 


36 


37 


37 


35 


35 


37 f 


35 


36-38 


37 


38 


38 


38 


— 


38 


39 


41 


41 


44 


44 


44 


44 


44 


43 


43 


44 


44 


44 


44 


44 


4* 


44 


45-46 


44-47 


— 


44 


— 


44 


44 


53 


49 





52 


49? 


48 


48 


54 


62 


54? 


63 


54 


50 


52 


56 


54 


— 


55 


54 


52 


64 


66-69 


:>4-67 


— 


56- 
68 


— 


63- 
55 


66- 
69 


59 


68 


60 


59 


60 


56 


68 


63 


61 


63 


62 


63 


69 


61 1 



1 .^Fandaharana manaraka ny taona. Lioka 
tey milaza ny taona, kanefa milaza ny ana- 
ran* ny mpanjaka By ny mpanapaka izy 
sy ny zavatra hafa izay efa nosoratana tao 
amin* ny taratasy hafa. Dia izany no ma- 
nampy ny xnpandinika azy. Ary ity fanda- 
Wana mialoha ity efa nataon* ny sasany 
hampahazava ny teny, ka tokony ho marina 
aiany ny ankabiazany, ka dhi nadika izy. 
lHa diniho tsara izy. Voalahatra mifa- 
nandrify eo aminy ny taona sy ny mpanjaka 
tany Roma sy ny mpisoronabe tamin* ny 
3'wey, ary ny mpanapaka napetraky ny 
Romana honina tany J odea, ary ny teny eo 
Wttb' ny Asii.— o.c. 



A8D0DA na AZ0T0SY (Asa. viii. 40) ; dia 
isan* ny tan ana dimy izay renivohitry ny 
Filistina. Ary ny nitoerany dia sahabo ho 
30 maily avaratry ny sisin' ny tany Palestina 
any atsimo ; ary telo maily atsmanan' ny 
Ranomasina Mediteraneana. Dia ao an- 
tsasa - dalana anelanelan* i Gaza sy Jopa 
izany. Tamin* ny nidiran' ny Zanak* Isi- 
raely tany Palestina dia nomena ny fire- 
nen* ny Joda ity tanana ity (Jos. xv. 47); 
nefa tsy resin* ny Zanak' Isiraely tamin* 
izay izy. Izay nampanan-daza an* i Asdoda 
dia ny nitoerany tao an -dalana mankany 
Egypta. Ankehitriny dia vohitra kely foa- 
na izy, fa ny anarany teo aloha robola 



Digitized by 



Google 



ASK 



68 



miraikitra aminy hiany, ka tononina hoe 
Asdoda. — l.s. 

A SEE A (Sambatra) : isan' ny zanakalahin' 
iJakoba izy, ary naterak' iZilpa, ankizi- 
vavin' i Lea, vadin' i Jakoba, ho azy (Gen. 
xxx. 13). Ny taranak' i Asera dia isan' ny 
firenena roa ambin' ny folo tamin' ny Zanak' 
Isiraely, fa tsy miay zavatra nataony izay 
nahalaza azy loatra. Raha mbola tany an- 
efitra ny Zanak' Isiraely, ny taranak' i Asera 
nitoby tao anelanelan' ny Dana sy Naftaly, 
tao a vara try ny Tabernakely (Nom. ii. 25- 
29) ; tahaka ny rahalahiny rehetra, izy koa 
naniraka olona hisafo ny tany Kanana, ary 
Setora, zanaky Mikaela, noanaran' ilayirany 
(Nom. xiii. 13). Rehefa voazara ny tany 
Kan an a, ny taranak' i Asera nahazo fonenana 
tao amoron' ny Ranomasina Mediteraneana, 
nianavaratra avy tany Karmela, izay faritry 
ny taniny tao atsimo. Ny anjara-tanin' 
ny Zebolona sy Isakara dia tao atsimo-atsi- 
nanan' ny Asera, ary ny anjaran' ny Naftaly 
tao avaratr' atsinanany ; zahao tlos. xvii. 
10, 11; xix. 24-31; Mpit. i. 31, 32. 
Araka ny teny nolazain' i Jakoba (Gen. 
xlix. 20) sy Mosesy (Deo. xxxiii. 24) talo- 
han' ny nahafatosany avy, dia tany maha- 
vokatra tsara ny anjaran" ny Asera : 

"Aseba, dia avy ao aminy ny matavy 

fihinany, 
Ary izy no ihavian' ny hanim-pin' 

andriana." 
"Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza 

maro Asera, 
Ary hankaaitrahana mihoatra noho ny 

rahalahiny izy 
Ka hanoboka ny tongony amin' ny 

diloilo." 
Nefa tonga kamo loatra izy ka tsy na- 
ndroaka ny olona tompon-tany ; dia mbola 
nonina niaraka tamin ny Foinikana any 
Sidona sy ny tanana sasany izy, izay nita- 
rika azy sy ny faniakan' ny Isiraely hanompo 
ny sampiny tamin ny aoriana (Mpit. i. 31, 
32 ; 1 Mpan. xvi. 31). Ary ny Asera tsy 
mba nanampy ny rahalahiny tamin' ny tafika 
lehibe nentiny handroaka ny Kananita, fa 
nitoetra tao amin* ny scran any hiany (Mpit. 
v. 17).— J.w. 

AS EH AHA : ny sarin' ny sampy Astorata 
sasany, izay natao tamin ny tsangan-kazo, 
no natao hoe Aseraha ny anarany. Zahao 
astabta, sy Mpit. iii. 7 ; vi. 25-30 : 1 Mpan. 
xviii. 19 ; 2 Mpan. xxi. 7 ; xxiii. 6, 14. 
— w.m. 

ASKELONA : dia isan' ny tanana dimy 
izay renivohitry ny Filistina (Jos. xiii. 3 ; 
1 Sam. vi. 17); ary t-imin' izy dimy, Aske- 
lona hiany no seranana, fa tao amoron -dra- 
nomasina no niorenany. Ao an-tsasa-dahtna 
anelanclan' iGaza sy Asdoda izy, dia 10 
maily ataimon' i Asdoda. Samsona nidina 
ho any Askelona (Mpit. xiv. 19), tahaka iiay 
olona misokosoko iny ho any amin' izay tsy 
mba naloban' olona loatra. Askelona dia 



AST 

tao amin' ny zara-tanin' ny Joda, tahaka an* 
i Asdoda hiany, nefa tsy tanany loatra izy, 
fa nohazonin' ny Filistina tompon-tany. 
Heroda Lehibe dia teraka tao Askelona, ary 
nanorina trano mabafin antra maro ho hai- 
ngon' ny tanana izy. Saiky tsy misy tanana 
ao ankebitriny, fa korontam-bato hiany, 
nefa ny mandany mbola mafy sady matevi- 
na. Askolana no anarana mbola ahafanta- 
rana nzy.— l.s. 

ASKENAZA: anankiray tamin' ny telo 
lahy zanak' iGomera, zanak' iJafeta, izy 
(Gen. x. 3). Tao Armenia no nonenan' ny 
taranany voalohany (Jer. Ii. 27), fa toa nifi- 
ndra ho any Asia Minora sy Eoropa izy tao 
aoriana ka tonga niandohan' ny firenena 
sasany any. — j.s. 

ASIA : maro hiany ny teny ao amin' ny 
Test. Vao. milaza an' i Asia, kanefa tsy mba 
ilay kontinenta lehibe izay fantatra anke- 
hitriny amin' izany teny izany no voalazan' 
ireo, na ilay peninsola atao hoe Asia Minora 
aza, fa ny Asia fantatry ny olona tamin' ny 
andro nanoratana ny Test. Vao dia ilay tany 
any Asia Minora any andrefany indnndra, 
izay amoron -dranomasina sady nisy an' 
iEfesosy ho renivohiny. Natao isan' ny 
zana-tanin' i Roma izy tamin' ny nanjakan' 
iAogosto, ary notapahin' ny governora na 
pro- consul. Maro ny tanana lehibe sy ma* 
nan-karena tao Asia, dia ny tanana fito nisy 
ny fiangonana nanoratana ny Epistily Fito 
ao amin' ny Apokalvpsy (ii., iii.), ary ny 
aasany koa. Nozaraina telo izy, dia Mysia 
sy Lydia ary Karia. Zahao Asa. ii. 9 ; vi. 
9; xvi. 6; xix. 10, 22, 26, 27; xx. 4, 16, 
18; Apok. i. 4, 11.— J.s. 

ASIARKA : zahao loholona ant asia. 

A80 : dia tanana sy seranana tao Mysia 
any Asia Minora. Kaorina tao amoron' 
ny Golfan' i Adramytioma izy sady tandri- 
fin' ny ony Lesbosy na Mitylene. Tao no 
nalehan' iFaoly Apostoly avy tany Tro- 
asy mba hiondrana ao an-tsambo hankany 
Mileto sy Foinika (Asa. xx. 13, 14). — J.s. 

ASTASTA, na ASTORETA: anaran-tsa- 
mpy izay nalaza teo amin' ny firenena maro 
f anizay ity, ka nataony ho lohan' ny andria- 
mani-baviny. Tokony ho fan a j ana ny vola- 
na miliafeno no niandohan' ny fomban* ny 
fanompoana azy (Job. xxxi. 26-28), ary izy 
no nataon' ny firenena sasany manaja azy 
hoe: ' 'Mpan jakavavin' ny lanitra" (Jer. 
xliv. 17). Koa zavatra ela dia ela ny fomba 
fanompoana an' iAstoreta, fa tamin' ny 
andron' i Abraham a aza dia hitantsika fa 
nisy taruina tany Syria nantsoina tamin* 
ny anaran' ity sampy ity (Gen. xiv. 5) 
ho fankalazana azy. Tonga ploraly (Asta- 
rUi) indraindray ny anarany, ary angamba 
ny tempoliny maro, na ny sariny samy 
hafa endrika, no m alia tonga ny anarany 
ho ploraly. Renoka loatra ny fanarahana 
an' i Astarta ny Zanak' Isiraely, rehefa 
tonga tany Kan an a izy ; zahao Mpit, x. 6 : 



Digitized by 



Google 



ASY » 

1 Sam. vii. 4 ; xii. 10. Natsahatra teo aori- 
sna izany, nefa nampandrosoin' iSolomona 
indray; dia nahatezitra an' Andriamanitra 
mdrindra izy noho ny nanaovany izany 
(I if pan. xi. 6, 33). Ireo mpaminaniny efa- 
jato izay nihinana tao amin' ny latabatr' 
iJesebela mpanjakavavy, ary izay natao 
hoe 'tapaniinanin' ny Aseraha," dia tokony 
ho mpisorona an' i Astarta (I Mpan. xviii. 
19). Ary nodoroan' iJosia mpanjaka ny 
sampy Astarta rehetra, koa izany no niafa- 
rany tamin' ny tanin' ny [airaefy (2 Mpan. 
xxiii. 13, 14). Rah a ny fototry ny fano- 
mpoana an' i Astarta no dinihina, dia zavatra 
mahamenatra loatra, koa tsy azo soratana 
ny fshavetavetana izay fanao tamin* ny 
bnarahana azy. Zahao koa aseraha sy 
uu.— w.k. 

Ny sarin' i Astarta sasany izay mbola hita 
amia' ny ilan* ny volan' ny Foinikana dia 
hhaka ny vehivavy ny tenany, fa ny lohany 
dia lohan' ombilahy. Matetika misy kinta- 
na koa miaraka amin' ny sariny ; ary teo 
aonana indray, ny tarehiay dia tahaka ny 
obna, fa hodidinin* ny tana-masoandro ; mi- 
taingina liona izy ary mitana varatra sy 
tehiiia eny an-tanany ayy. — j.s. 

ASTAaTA-KABNAIMA : dia anarun -tana- 
na any Basana (Deo. i. 4; Jos. ix. 10), tao 
amia' ny zara-tanin' ny antsasak' ny Manase 
an-daan' i Jordana (Jos. xiii. 31), sady ta- 
nana fonenan' ny zanak' iLevy (1 Tant. vi. 
71). Tanana efa fantatra tamin' ny andron' 
iibrahama io (Gen. xiv. 5), ary ny auarany 
dia avy tamin' ny sampy na andriamanibavy 
iay notompoina tao, nefa nampiany hoe 
f«TMMM, dia 'manan-tandroka.' Angamba 
lehibe ay tsara ny tempolin' io sampy io tao 
Astarta- Kamai ma, ka dia tonga nalaza ny 
tanana nisy azy. Zahao astabta. — j.s. 

A8YHKEIT0 : dia Kristiana anankiray tao 
Roma, izay nanaovan' iPaoly velotna (Horn, 
in. U).-j.S. 

A8YSIA : dia f anjakana lehibe sady malaza 
taoan-daniny roan' ny ony Tigrisy (Gen. ii. 
U) ; ary ny renivohiny dia Ninive (Gen. x. 
11). Ayy tamin' i Asyra (Gen. x. 22), zanak' 
iSem*, no nahazoan' iAsyria ny anarany, 
ary taoriandriana nataon' ny olona tompon- 
tany fa Asyra no lohan' ny andriamaniny. 
Tsy tany lehibe izy tamin' ny andro taloha 
toy akory, fa tany kely teo andrefan' ny ony 
Tigrisy hiany. Nitarina niandulana izy, 
ary tamin' ny furany dia nitatra hatrany 
^Bun' ny tcndrombohitr' i Arimenia ao ava- 
fatra ka hatramin' ny tany mifanolotra 
amin' ny tanana Bagdada ao atsimo. Ny te- 
ndrombohitra an* i Kordistana mamaritra azy 
ao atstaanana ; ary ataon' ny sasany fa ny 
^tr' i Mesopotamia mamaritra azy ao andro - 

tana, fa ny sasany kosa manao azy ho nihn- 

tra tamin' ny ony Eofrata. 
1- Ay Toelran ny Tany. Ao avaratra sy 

ataiaanana misy tendrombohitra avo, ary 

maaaraka izany misy havoana ivaiva kokoa 



ASY 

izay be yato sokay. Manarakaraka izany 
indray misy tany mahavokabokatra maha- 
tratra tokony ho 250 maily ny halavany, 
vao miseho indray ny havoana misy vato 
sokay. Ary ao an-daniny ayy amin izany 
havoana izany misy tany lemaka makadiry 
izay efitra ankelutriny, fa tamin' ny taloha 
dia tany mahavokatra sy be olona izy. 

2. Ny Ftzaran' ny Tany. Nozarazarain' ny 
mpan; to geografy taloha ho raaromaro hiany, 
ary manaraka ny tanana lehibe tao aminy no 
nahazoany ny anarany avy ; fa satria vitsy 
foana no lazaina ao amin' ny Baiboly, dia 
tsy m ihasoa ny milaz i azy eto. 

3. Ny Tanana lehibe dia Ninive, Kala na 
Hala, Asyra, Abola, eto., etc. 

4. Ny Tantaran' % A*yria. Voalazan' ny 
Baiboly fa avy tany Babylona ny tompon- 
tauy taloha (Gen. x. 11), ary ny lovan-tsofin' 
ny ntaolo sy ny tsangam-bato hita ao dia 
manamarina izany. 

5. Ny Andro nitehoan* ny Fanjakana. Fa- 
ntatr' i Mososy Asyria (Gen. ii. 14 ; xxv. 
18; Nom. xxiv. 22, 24) ; fa tsy miseho ao 
amin' ny tmtaran' ny Jiosy ho fanjakana izy 
raha tsy tamin' ny taona tokony ho B.C. 770. 
Hay mpitaatara atao hoe Herodotosy railaza 
fa "tompon' i Asia" ny olon' iAsyria 620 
taona talohan' ny nisehoan' ny fanjakan' 
ny Mediana, B.C. 708. Dia tokony ho fa- 
njakana hatramin' ny taona B.C. 1228 izy. 
Izany angamba no marina. 

6. Ny Mpanjakany voalohwdehany. Araka 
ny filazan' uy olona izay nandinidinika ny 
lovan-tsofin' ny olona tompon-tany, ary ny 
tsangam-bato hita milevina amin ny tany, 
dia tsy Ninive no renivohiny voalohany, fa 
tanana hafa tao amoron' ny ony Tigrisy. 
Nisy mpanjaka efatra ambin' ny folo nanjaka 
teo hatramin' ny taona B.C. 1273 ka hatramin' 
ny B.C. 930. Ny nalaza indriudra tamin' ireo, 
izay natao hoe Tigl.ita-pilesera, no niara- 
beloua tamin' iSamoela. Tsy misy fantatra 
ny amin' ny mpanjaka manarakaraka azy afa- 
tsy ny hoe fa izy no razan' ilay rapandrosy 
mahery natao hoe Sardanapalosy I. sy Sal- 
manesera zunany. Ny zanak' i Salmancsoru 
sy ny zafiny mba nalaza koa ; ary ataon' ny 
sasany fa izany zafiny izany no ilay Pola 
voalazan' ny Baiboly. [pola. J 

7. Ny Mpanjaka hatramin 1 i Pola ka hatra- 
tnin 1 i E<tara~ha<lona. Ao amin' ny bokin' ny 
Mpanjaka Faharoa misy ny anaran' i Pola, 
Tiglata-pilesera, Salmanesera, Sankeriba, sy 
Esara-hadona (2 Mpan. xv. 19, 29 ; xvii. 3 ; 
xviii. 1 3 ; xix. 37) ; ary ao amin' ny bokin' Isain 
misy anarana boo "Sargona, mpanjakan' 
iAsyria" (Isa.xx. 1). Ny tsangam-bato misy 
soratra hitan' ny olona milevina amin' ny 
tany milaza fa rain' i Sankeriba io Sargona io. 
Koa amin' izany, izao no fifandimbasan' ny 
mpanjakan' iAsyria hatramin' ny n.c 760 
ka hatramin' ny b.c. 650 ; dia Tiglata-pile- 
sera II., Salmanesera II., Sargona, Sanke- 
riba, sy Esara-hadona. 



Digitized by 



Google 



ASY eo 

8. Ny Mpanjaka manaraka. Tamin' ny 
nanjakan' i Pola niovaova be biany ny toetry 
ny fanjakttna, i»ry ataon* ny maro fa Pola 
no mpanjaka farany tamin' ny fanjakana 
taloba, ary Tiglata-pilesera II., izay nan- 
dimby azy, no mpanjaka voalohany amin' 
izay ataon' ny olona hoe- "Fanjakana Amba- 
ny." 

9. Ny hevitry ny sasany manao ny Fanja- 
kana ho Rava tamin' 1 izay. Herodotosy no 



ASY 

izay aahy namazivazy azy. Taorian' izany 
indrav dia tay misy tantara milaza azy, raha 
tsy eta ny nandravana ny fanjakana. 

11. Ny Nandravana ny fanjakan i Asyiia. 
Voalazan' Isaia (x. 5-19) ela t aloha izany, 
ary ny Mediana no nahatanteraka izany. 
Araka ny filazan' i Herodotosy, dia tamin' 
ny taona b.o. 633, no voalohany nan ao van' 
ny Mediana fahirano tany Ninive. Elaela 
hiany anefa vao azony ny tan ana. arv raha 



Digitized by 



Google 



ATA 

Ionia, Media, Matiena, Arimania, Asyria 
Propria, Mesopotamia, ny antsasak' iKa- 
padokia sy Kililria, Syria, Foinika, Palestina, 
8/ Idiomea. Ary ny nosy Kyprosy sy ny 
intsasak' iEgypta koa notapahin' i Asyria. 

15. Ny Fahaizari ny otona Taozavatra samy 
ksfa, etc., etc. Tsy dia nahay taozavatra 
loatra izy, afa-tsy ny tao Babylonia. Tsy 
naka tahaka tamin' ny firenena loatra izy ; 
ary raha oharina amin' ny Grika sy ny 
Bomana izy dia tsy nahay mihitsy. Ny 
fomt>am-pitondram-panjakana dia tsy voa- 
lamina akory ; ny forabam-pivavahany dia 
ratsy; ary ny fombany tamin' ny ady dia 
masiaka loatra. — j . b. 

[Na dia tsy nahay tahaka ny firenena 
easany az.-t ny Asyriana, nanam-pahaizana 
tamin' ny fanaovan-taary amin* ny vato 
ij ny fanaovan-trano ninny izy, indrindra 
fa ny tranon' ny mpanjakany. Ny vato 
fisaka maro voasoratra izay vao hita tany 
NuuVe no vavolombelon' izany, ary raha 
ny asa rava avy tamiu' ny tranon' andriana 
nodinihina, dia mahafinaritra indrindra irco 
trano ireo raha mbola tsy noravan' ny faha- 
*alo; zahao ninive, fahieaxo, sy sanke- 

MB1.~ J.8.] 

ATALIA (Izay notmrovan* i Jehova) : renin* 
i Ahazia, mpanjakan' ny Joda, izy ; Ahaba, 
mpanjakan' ny Isiraely, no rainy, ary ny reni- 
ny dia Jezebela. A tali a dia vadin' i Jehorama, 
mpanjakan' ny Joda, ary vehivavy ratsy fa- 
pahy sy loza be loatra izy. Rehefa novonoin' 
iJeho Ahazia, zanak' iAtalia, dia nihevitra 
Handringana ny zanak-' andriana rehetra izy, 
tahazoany ny fanjakana ho azy. [ahazia.] 
Ka dia matin' i Atalia daholo izy afa-tsy ny 
azakely anankiray monja, dia Joasy, zanak' 
i Ahazia, izay novonjen' i Josebn, anabavin- 
drainy, ay vadin' iJoiada mpisoronabe. 
Dia nafenin' iJoseba tao amin' ny efi- 
trano anankiray tao amin' ny Tempoly hatra- 
m ia' ny enin-taona ny zaza mbamin' ny 
mpitaiza azy ; ary Atalia nanjaka tao Jero- 
salema tamin' izany enin-taona izany. Fa 
rehefa omby tamin' ny taona fahafito, dia 
nataon' iJoiada fa efa tonga ny fotoana 
aanehoany amin' ny vahoaka izay mpanja- 
kany tokoa. Koa rehefa voavoatra ny zava- 
tra rehetra, sady vory tao amin' ny Tempoly 
n y manamboninahitra sy ny mpiambina ary 
n 7 olona maro be, dia nentin' iJoiada ny 
»za Joasy, ka nasehony tamin' ny vahoaka 
w> mpanjakany. Dia nohosoran' iJoiada 
n J diloilo ma&ina Joasy, sady nasiany ny 
»troboninahitra ; ary dia nanaiky an' i Joa- 
sy ho mpanjakany ny olona rehetra vory 
tao - Ary tamin' izany, rehefa ren' i Atalia 
n 7 feon' ny olona maro nanakora sy nihoby 
n 7 andriana, dia nandeha faingana nankao 
ytto? ay Tempoly izy hizaha izay f ototr' 
J*aay horakoraka lehibe izany. Koa rehefa 
"fflg* tao izy ka nahita an' i Joasy nijanona 
ko amin' ny fitoeran' ny sezam-panjakana, 
■My nahita ny hafalian' ny vahoaka koa, 



« ATE 

dia nandriatra ny akanjony Atalia ka nia- 
ntsoantso hoe "Fikomiana !" nefa tsy nisy 
nanaiky azy ho andriana intsony. Dia nasain' 
iJoiada ho entina mivoaka ka hovonoina 
miarakaminizay izy ; dia nosamborin' ny 
mpiambina izy ka nentiny tao ivolan' ny 
Tempoly, ary novonoiny tao araka ny tenin' 
i Joiada (2 Mpan. xi. 2 ; 2 Tant. xxii. 10-12 ; 
xxiii.). — d.m. 

ATALIA : dia tanana tao amoron-drano- 
masina any Pamfylia, izay voalaza ao amin' 
ny Asa. xiv. 25 ho nialan' i Paoly sy Barna- 
basy hankany Antiokia, nony vita ny 
nitetezany ny tany tao ampovoan' iAsia 
Minora. Mbola misy vohitra kely ao izay 
atao hoe Adalia. — j.s. 

ATABOTA : dia anaran' ny tanana efatra 
any Palestina izay voalazan' ny Tost..Tal. 
(1) Tanana anankiray tao amin' ny zara- 
tanin' ny Gada (Nom. xxxii. 3, 34). (2) Ta- 
nana tao amin' ny faritry ny tanin' ny Efraima 
sy Mano.se (Jos. xvi. 2, 7). (.'*) Atarot-adara, 
tao amin' ny faritry ny tanin' ny Benjainina 
any andrefana (Jos. xvi. 5). (4) Atarota, 
Tranon' i Joaba (1 Tant. ii. 64).— js. 

ATENA : renivohitry ny tany Grisia izany 
tanana izany, ary isan' ny tanana malaza 
indrindra tany aloha noho ny fahendren' ny 
olona sy ny fahaizany zavatra. Tamin' ny 
nalehan' i Paoly nankany Makedonia dia 
nahazo tany izy, ary toa nitoetra teo elaela 
hiany izy (Asa. xvii. 14-34; ampitahao 
amin' ny 1 Tea. iii. 1). Miorina eo amin' ny 
tany lemaka ao ampovoan' i Grisia izy, lavi- 
tra ny ran o ma sin a tokony ho telo maily. 
Ao amin' izany lemaka izany misy havoana 
vitsivitsy samy mitokana ho azy. Ny avo 
indrindra dia sahalahala amin' Ivotovorona, 
ary ny anarany ankehitriny atao hoe *Te- 
ndrombobitr' i St. George.' Teo ivelan' ny 
mandan' i Atena izany tendrombohitra izany, 
nefa zavatra hita voalohany indrindra raha 
misy manatona ny tanana. Ao atsimon' 
izany tendrombohitra izany misy havoana 
efatra, ary teo amin' ireo no niorenan* ny 
tanana. Ny akaiky an' i St. George amin' 
ireo efatra ireo tokony ho maily iray ny 
halavirany, dia ilay atao hoo Akropoli*y> na 
Baterin' ny Atena ; saiky vatolampy avokoa 
izy, manao efa-joro ny tarehiny. Tokony 
ho 150 ft. ny hahavony, ary marin-tampona 
izy ; 1000 ft. ny halavany miankandrefana 
sy miantsinanana, ary 400 ft. ny sakany 
mianavaratra sy mianatsimo. Ao andrefan' 
ny Akropolisy misy ilay havoana faharoa 
atao hoe Areopago [abeopaoo]. Ao atsimo- 
andrefana indray misy ilay fahatelo atao hoe 
JMkta (Pnyx), izay nivorian' ny mponina; 
ary ao atsimon' izany misy ilay atao hoe 
Moseoma (Museum). Ao andrefana sy ao 
atsinanan' ireo havoana efatra ireo misy 
renirano roa, tsy be loatra ny rano ao aminy, 
fa notatarana be hiany ny ao an-daniny ; 
ary nentina handena ny tany voasa sy ny 
tanimboly ny rano avy aminy. Ao atsimo 



Digitized by 



Google 



ATE 

indray misy ny ranomasina sy ny fitodian- 
tsambo. Nisy mpanjakan' i Atena tony aloha 
nanome azy ny anarany, hono, ka ny voa- 
lohany no nalalny tamin' ny sampy natao 
hoe Atena na Minerva. 

Kekropsa (Cecrops) no razamben' ny Ate- 
niana, ary izy, hono, nanorina ny tanana. 
Ny havoana atao hoe Akropolisy hiany no 
nisy olona tamin' izany, fa tamin' ny na- 
njakan' i Pisistrato ay ny zanany (b.o. 590 — 
514) no niantombohan' ny halazany sy ny 
hatsaran' ny tanana. Tsara tarehy dia tsara 
tarehy sady ma kadi ry loatra ny trano na- 
taon' ireo mpanjaka ireo. Hay mpandre - 
sy malaza atao hoe Zerksesy (Xerxes), mpa- 
njakan' ny Persiana, nandrava azy, ka 
nataony tsy nisy niang-ana. Tuonan' izany 
nisy lehilahy natao hoe Temistoklesy nampo- 
risika ny olona hanao azy indray, dia na- 
tao lehibebe kokoa izy, ary nasiana manda 
mafy ny manodidina. Ny Akropolisy no 
nataony afovoany, ary ny manda mauodidina 
dia 7 J maily no halavany. Tsy ny fiarovana 
ny tanana hiany no nohevcrin' ny nanao 
azy, fa ny mahatonga azy ho mahery hiady 
eo ambony ranomasina ; koa dia nisy ntodian - 
tsambo vaovao namboariny tao amin' ny 
peninsola Pireosy, izay tokony ho 4£ maily 
ny halavirany amin' i Atena. Tamin' ny 
andron' i Periklesy dia nampiany ny manda, 
ka nataony tonga hatrany amin ny fitodian- 
tsambo (b.c. 457). Tamin* ny nanapahan' 
izany lehilahy hendry izany dia betsaka ny 
trano taara ratitra loatra izay nataon' ny 
olona, ary tsy mbola naninona akory izy 
tamin' ny andro nalehun' iPaoly t*ny. 

Ny Akropolisy no be azy indrindra ; ary teo 
aorian' ny nandravan' ny Persiana azy dia 
tsy natao fonenana izany havoana izany, fa 
nivavahana tamin' ny sampy sasany izay na- 
taony ho mpiaro ny tanana kosa. Maro loatra 
ny trano fi vavahana tamin' ny sampy teo, ary 
ambarak' izao aza mbola tsy misy amin' ny 
olombelona izay mahay mikapa vato sy 
manao trano vato tsara tahaka azy. Ny 
vato fotsy atao hoe marble no nanaovana azy, 
ka mahagaga loatra ny hatsarany. Tao 
andrefana hiany no nisy fiakarana nankao 
aminy ; ary tao an- tampon y ambonin* ny 
am bar a ton gu vato marble, fito-polo fita ny 
halavany, misy iiay atao hoe Propylea, na 
fidirana, izav tsara tarehy loatra. Vato 
marble daholo izy rehetra, ary voasarony 
avokoa ny ilan'ny havoana ao andrefana, izay 
168 ft. ny habeny. Rehefa nandalo izany ny 
olona dia vao hita ny hatsaran' ny tempoly 
rehetra. Ny trano lehibe dia natao hoe Parthe- 
non (Tranon' ny Virijina), araka ny anaran' 
ny sampy (Parthenos na Miner ca) nivava- 
hana teo. Saiky tsy hain' olona ny hatsa- 
ran' ny rafi-bato nanaovana azy; ary tao 
koa ny sariolona natao tamin' ny vato ka 
mba mahagaga loatra. Maro izy ireo izay 
novidin' ny Englisy, ka tehirizina any 
Londona izy ankehitnny izao. Fa ny zava- 



*a AVA 

tra tsara sy mahagaga indrindra hita tao, 
dia ny sarin' ny sampy Minerva, izay toa 
olona ny tarehiny. Tao an-kalamanjana mi- 
hitsy izy ; tokony ho fahafito ny hahavony, 
ary ny lefona teny an -t many ny ny aro- 
lohanv samy ankosotra volamena dia tazan' 
ny olona any an-dranomasina aza. Ary 
maro koa ny trano vato tsara tsy azo lazaina 
etoana. 

Tao an -tanana koa nisy vatolampy voa- 
kapa fivorian' ny olona izay natao boribory sy 
ambaratonga izy, ary ny mponina rehetra 
tany Atena mbamin' ny vahiuy koa dia 
nahazo niangona too avokoa izy rehetra. 
Teo amin' ny Pnyx koa nisy fivorian' ny 
olona, ary ny vato toy ny polipitra nitsangu- 
nan' izay niteny tamin' ny olona mbola 
maharitra ambaraka andro any. Raha nitsa- 
ngana tamin' io vato io ny nananatra ny 
olona, dia nahatazana ny hatsaran' ny Akro- 
polisy avokoa izy, koa namporisika azy 
harapihetaiketsika ny sain' ny olona, raha 
nisy tafika na raharaha lehibe tian' ny 
mpanapaka ha tao. Nisy lalambe maromaro 
voalamina tsara tao an-tanana. Ary nisy 
auankiray tsara loatra, izay nisy sary olona 
natao tamin' ny vato marble tao an-daniny 
avy natao ho fahatsiarovana ny maty. 

Olona nitady zava-baovao mandrakariva ny 
mponina tao Atena, araka ny voalazan' ny 
Asan' ny Apostoly (indrindra fa xvii. 21). 
Maromaro ny mpikabary malaza nananatra 
ny nainany mafy noho izany, fa raha vao 
nifankahita ny olona, dia ny fanontaniana 
voalohany izay nataony dia ny hoe : "Inona 
ary no zava-baovao?" Nony nananatra azy 
Paoly dia hoy izv: "Hitako fa amin' ny 
zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin' ny 
andriamanitrareo (sampy) indrindra hi ana - 
reo." Feno tranon -tsampy sy tivoadiana 
etc. ny tanana ; ary ny mpitantara rehetra 
dia miara-milaza azy ho nazoto noho ny 
hrenena relietra tamin' ny fanompoany ny 
sampiny. Nisy fiangonana naorin' i Paoly 
tao Atena, kanefa keiy izany, sady vitsy ny 
Kris tian a tao.— j.h. 

AVAEATEA, Atsimo, Atsinauana, Andre- 
fana. Raha ny vazan-tauy efatra no nola- 
zain' ny Jiosy sy ny fireneua hafa izay 
taranak' i Sema, dw toa nihevitra ny tonauy 
mijanona ao ala-trano manatrika miantsina- 
nana ; koa ny atsinanana oo anatreuaav, ny 
andrefan i eo ivohony, ny atsimo eo amin' ny 
an-kavanany, ary ny avaratra eo amin' ny 
an-kaviany. Koa amin' izany, matetika ny 
hoe anatrehana, ivobony, an-kavanana, ary 
an-kavia no nisoio ny hoe atsinanana, andre- 
fana, atsimo, ary avaratra. 

Avaratra. Dimy ny hevitry ny teny He- 
breo nadika hoe 'avaratra' : (1) Milaza ny 
lauitra ao avaratra izy; (2) ny vazan-tany 
avaratra; (3) izay mianavaratra na mana- 
trika ny avaratra ; (4) ny tuny sy ny fauja- 
kana sasany izay avaratry ny Tany Masina, 
ary ny sasany koa iiay tsy avaratra fa 



Digitized by 



Google 



AVA 

atainanana, nefa ny lalana mankany arainy 
mahazo ny avaratra aloha vao miantsina- 
nana; ary (5) milaza ny rivotra avy any 
avaratra izy. Ny voalohany amin' iroo dia 
lazaina eo amin' ny Job. xxxvii. 22 ; sy 
xxvi 7 ; Oha. xxv. 23 ; fa ny rivotra avy 
any avaratra no mangatsiaka ary manely 
ny rahona any amin ny Tany Masina ; 
zahao koa Mpit. T. i. 6 gy Ezek. i. 4. Ny 
faharoany amin 9 ireo dia voalaza ao amin* ny 
Sal. cviL 3 ; Iaa. xliii. 6 ; Ezek. xx. 47 ; 
xxxii. 30 ; Lio. xiii. 29. Ary ny hevitra 
fahatelo dia hita ao amin* ny 1 Mpan. vii. 25 ; 
Nom. xxxiv. 7 ; Sal. xlviii. 2 ; Ezek. viii. 
14 ; etc. Ary ny hoe 'avaratra' matetika 
milaza ny Umy saaany, dia Babylona (Jer. 
i. 14 ; xlvi. 6, 10, 20, 24 ; Ezek. xxvi. 7), 
Kalriea, Asyria (Zef. ii. 13), ary Media. 
Tao atainanan' iPalestina, fa tay mba ava- 
rany, ireo tany ireo, kanefa eatria ny lalana 
avy taminv nahazo an* i Damaskosy sy Asyria, 
dia natao hoe *ny avaratra' izy. Ary farany, 
ny amin' ilay teny enti-railaza ny rivotra avy 
any avaratra koa, zahao Oha. xxvii. 16 ; 
indraindray mahery loatra izany rivotra 
ixany ary manimba sambo any amin' ny 
Ranotnasina Mediteraneana. — J.8. 

Atdmo : dia ny tany na ny lunitra ao an- 
kavanan' ny firenena izay taranak' i Sema, 
raha manatrika miantainanana izy ; zahao 
avaratra. Enina ny teny Hebreo euti-rail* za 
ny atsimo, ary samy milaza fomba na toe try 
ny tany izay lazainy avy: — 1. Negeb, dia 
teny avy aminy ny verba milaza ny toetr' 
izay maina, aatria ny rivotra avy any atsimo 
dia mahamaina sy mahamay indrindra, fa 
avy amin' ny efitr' i Arabia sy Afrika izy, 
ary hoatry ny fitanehana lehibe ; zahao Lio. 
xiL 55 : "Ary raha avy any atsimo ny 
rivotra, dia hoy hianareo : Haf ana ny andro ; 
dia tonga izany." Ary io teny negeb io no 
enti-mJJaza ireo tany maina ao ateimon' 
iJodea, dia ny efitr' iSiora sy Zina sy 
Parana sy ny tany havoana atao Edoma na 
Idiomea, ary ny a sin' i Arabia Bevato (ny 
tany Negeba) ; zahao Gen. xii. 9 ; xiii. 1,3; 
Nom. xiii. 29 ; Sal. cxxvi. 4 ; etc. Natao hoe 
'Efitr' i Jodea' koa io tany io (Mat. iii. 1 ; 
Jos. xv. 61 ; etc.) ; ary ny lalana avy tany 
Jeroaalema "mankany Gaza; efitra izany" 
(Asa. viii, 26), namaky azy. Nefa kosa, 
indraindray malalaka kokoa ny hevitry ny 
hoe negeb, ary milaza any JocUa (.ler. xiii. 
19) ary Egypta (Dan. xi. 6) koa izy. 2. Ny 
teny Hebreo faharoa, Darom, dia nadika hoe 
**ataimo" hiany, fa tsy fantatra izay heviny 
voalohany ; zahao Deo. xxxiii. 23 ; Mpit. T. 
i. 6. etc. 3. Ny teny fahatelo, Teyman, mi- 
laza izay any an-kavanana ; ary koa, dia ana- 
ran -tany ao atairaon' ny Tany Marina izy ; 
zahao Hab. iii. 3 ; Eks. xxvi. 35 ; Nom. ii. 
10 ; 8al. lxxviii. 26 [temawa]. 4. Ny tony 
fahefatra koa, dia Kin, milaza izay any 
* an-kavanana ay any atsimo; ary teny ma- 
lalaka, milaza ny tany lavitra any atsimo 



68 AVA 

sy ny Oseana Indiana koa, ka dia nadika 
hoe ranotnasina ao amin' ny Baiboly saaany ; 
zahao Sal. lxxxix. 12; Job. xxiii. 9; etc. 
5. Ny dikan' ny teny fahadimy, Keder, dia 
eji-trano na trano Jitehirizan-javatra (Job. 
xxxvii. 9 ; ix. 9). 6. Efitra na tany foana 
no hevitry ny teny fahenina, Midbar, izay 
milaza ny tany atsimo (Sal. lxxv. 6). — j.s. 

Andrefana. Araka izay efa voalaza teo 
f avaratra], ny tany na ny lanitra ao andre- 
ian' ny Tany Masina no lazain' ny Jioay 
hoe 'ivoho,' aatria nihevitra ny tenany ho 
nanatrika miantainanana izy, raha ny vazan- 
tany efatra no nolazainy. Koa teny nentin' 
ny nanoratra ny Soratra Masina hilaza ny 
andrefana ny teny Hebreo hoe 'ivoho' indrai- 
ndray (Isa ix. 11; Job. xxiii. 8). Kanefa 
aatria ny Ranomasina Mediteraneana no fairi- 
try ny Tany Masina ao andrefany, ny hoe 
Tain, 'ranomasina,' no teny neutina matetika 
hilaza ny andrefana. Ary amin' ireo teny eo 
ambany ireo sy ny maro koa, ny ranomasina 
no dikan y marina amin' ny teny Hebreo izay 
nadika hoe 'andrefana' amin ny Baiboly 
Malagasy : Gen. xiii. 14 ; xxviii. 14 ; 1 Mpan. 
vii. 25; Isa. xlix. 12; etc., etc. Ary koa, 
indraindray ny hoe 'tanin' ny filentehan' ny 
masoandro' no teny onti- milaza ny andre- 
fana ; zahao Jos. i. 4 ; Sal. 1. 1 ; ex iii. 3 ; 
Mai. i. 11. Ary misy teny hafa koa milaza 
ny andrefana, dia ny teny izay adika hoe 
'nfindrana,' na 'fialana,' tahaka izay ataon' 
ny masoandro amin' ny hariva ; zahao 1 Tant. 
xii. 15 ; Sal. lxxv. 6 ; ciii. 12 ; etc. Ny 
rivotra avy any andrefana sy atsirao-andre- 
fan a no mitondra ranonorana any Palestina ; 
vakio 1 Mpan. xviii. 43-46.— j.s. 

Atsinanana. Roa ny teny Hebreo eo amin' 
ny Soratra Masina izay nadika hoe 'atsinana- 
na,' dia Kedem sy Mizrak ; ary misy hevitra 
samy hafa kely izy roa. 1. Ny hevitry ny 
hoe kedem, dia izay anoloana, na anatrehan' 
ny olona ; ary n ataon' ny Jiosy anaran' ny 
atsinanana izany, satria nijery miantsina- 
nana izy raha nilaza ny vazan-tany efatra 
[avaratra] . 2. Ny hevitry ny teny Hebreo 
hoe mizrak dia ny iposahan' ny masoandro. 
Raha tsarovana izany dia hitantaika fa roety 
ny teny kedetn raha milaza ny amin' ny 
ampahefatr' izao tontolo izao izy ; tahaka ny 
ao amin' ny Gen. xiii. 14 ; xxviii. 14 ; Job. 
xxiii. 8, 9; Ezek. xivii. 18; ary mizrak, 
raha milaza ny amin' ny atsinanana ho 
manalavitra ny andrefana (Jos. xi. 3 ; Sal. 1. 
1 ; ciii. 12 ; cxiii. 3; Zek. viii. 7 ; Am. viii. 
12). Ary na dia tsy mifanaraka loatra amin' 
izany aza ny teny rehetra eo amin' ny Sora- 
tra Masina, misy koa ny andininy vitsy izay 
toa tsy mifanaraka. Ary indray, eo amin' 
ny teny saaany ny hoe kedetn dia milaza ny 
amin' ny tany izay eo anoloana miantaina- 
nana, tahaka ny eo amin' ny Gen. ii. 8 ; iv. 
16; xi. 2; xiii. 11: xxv. 6). Ny tony 
mizrak kosa dia teny milaza ny amin' ny 
atsinanana lavitra, tahaka ny fitoerana izay 



Digitized by 



Google 



AVI 

iposahnn' ny masoandro (Isa. xli. 2, 26 ; xliii. 
6; xlvi. 11). — t.t.m. 

Atsinanana, Zanaky ny, na, Olona any 
Atsinanana : dia teny malalaka nentin* ny 
mpanorutra ny Baiboly hilaza ny firenena 
maro any atsinanan' ny Tatny Masina ; dia 
ny mponina any Ha ran a (Gen. xxix. 1) ; ny 
Amalekita sy ny Midiana (Mpit. vi. 3, 33 ; 
vii. 12 ; viii. 10) ; ny Arabo (1 Mpan. iv. 
30 ; Jer. xlix. 28) ; ny Sabeana, ny Kaldea- 
na sy ny Arabo (Job. i. 3) ; ary ny Kal- 
deana nentin' i Nebokadnezara (Ezek. xxv. 
4, 10).— j. s. 

AVENA sy BETA- AVENA. (1) Avena dia 
lohasaha anankiray voalazan' i Amosa ^i. 
6). (2) "Ny fitoerana avo ao Avena, " dia 
Betn-avcna na Betela (Hos. x. 8). Betela, 
'tranon' Andriamanitra,' no natao hoe Beta- 
avena, 'tranon-java-poana,' noho ny nana- 
nganana aampy tao. (3) Heliopolisy na Ona, 
tany Egypta, no nataon' iEzekiela (xxx. 17) 
hoe Avena koa.— j.s. 

AVIAVY (Eng. fig ; Fr. figue) : hazo 
voalaza matetika ao am in' ny Soratra Masina 
ny aviavy, fa maro izy no naniry tany Pa- 
lestina (Deo. viii. 8) ; ary nalaza hatramin' 
ny ela dia ela izy noho ny voany, fa sady 
mamy no taara hohnnina. Nefa kosa, tsy 
ny aviavy maniry at}' Madagaskara no lazain' 
ny Baiboly, fa ny ariarim-bazaha, izay 
nentina taty vao faing-ana, fa tsy vokatry 
ny tany hatramin' ny voalohany. Ny ravin' 
ny aviavim-bazaha dia lehibe noho ny ravin* 
ny aviavy, ary ny voany tsara lavitra noho 
izy. Ny teny voalohany amin' ny Baiboly 
milaza ny aviavim-bazaha dia ny eo amin' 
ny Gen. iii 7, izay ahitantsika fa ny raviny 
no nalain' i Adam a sy Eva nataony ftikina 
ho azy rehefa nanota izy. Ary mbola fa- 
naon' ny olona ny manjaitra ny ravin' 
aviavim-bazaha hatao harona sy lovia ary 
elo. Ny mipetraka eo ambanin' ny aloka- 
loky ny aviavim-bazaha sy ny voaloboka no 
lazaina ho famantaran' ny fiadanana sy ny 
fanambinana (1 Mpan. iv. 25 ; Mik. iv. 4) ; 
ary raha sendra tsy vokatra izy dia isan* ny 
fahoriana mafy nan jo ny olona (Sal. cv. 33 ; 
Hab. iii. 17). Ka dia lazaina matetika izy 
sy ny voan-xazo hafa koa, satria ny voan' 
ireo dia tena fihinan' ny olona monina any 
Syria sy Arabia, etc. Nanao ampempa 
aviavy ny Jiosy; ary indraindray koa dia 
nanao katapilasy amin' ny aviavy hahasitra- 
na ny vay izy (2 Mpan. xx. 7). — t.t.m. 

AVIMA, na AVITA. Telo ny hevitr' ity 
anarana ity amin' ny Test. Tal., dia izao : — 
(1) Anaran' ny firenena anankiray izay no- 
nina tany Palestina ela dia ela talohan' ny 
nahazoan' ny Zanak' Isiraely azy. Tany 
atsimo-andrefana, tamoron' ny Banomasina 
Mediteraneana, ny tany nonenany, fa noroa- 
hin' ny Kaftorita na Filistina izy. Gaza 
no faritry ny tanin' ny Avita tao avaratra, 
ary ny onin' i Egypta no f aritra tao atsimo ; 
ary Hazerima no anaran' ny tany tarn in' ny 



64 AZA 

voalohany ; zahao Deo. ii. 23 sy Jos. xiii. 
3. Raha ny niandohan' ny anaruny no 
hoverina, dia 'mponina eo amin' ny rova* 
no hevitry ny hoe Avita. 

Avima (2) : dia ana ran -tan ana tao amin" 
ny zara- tanin' nv Benjamina (Jos. xviii. 22). 

Avima, na Avita (3) : dia anaran' ny olona 
nonina tany Ava, tan ana tany Syria na 
Mesopotamia, izay tsy fantutra ankehitriny 
nv niorenanv. Ny Avita, mbamin' ny mpo- 
nina tao amin' ny tany sasany, no nirahin' 
ny mpanjakan' iAsyria h onin a tao amin' 
ny tananan' i Samaria hisolo ny Zanak' Isi- 
raely, izay efa noreseny ka namponeniny 
tany Asyna. Ny satnpy natao hoe Nibaza 
sy Tartaka nonivavahan' ny Avita (2 Mpan. 
xvii. 24, 31).— t.l. 

AY, na HAY (Korakoram-bato) % natao hoe 
koa Aia (Neh. xi. 31), sy Aiata (Isa. x. 28), 
dia anaran-tanana any Palestina, tao ainin' 
ny zara-tanin' ny Benjamina, atsinanan' i Be- 
tela sy tao anilan' i Beta- avena (Gen. xiii. 3 ; 
Jos. vii. 2 ; viii. 9. Io tanana io dia 
faharoan' izay afaky ny Zanak' Isiraely 
raha vao niditra ny Tany Maaina izy ; 
ary ny mponina rehetra sy ny zava-manan' 
aina dia naringany avokoa, araka ny tenin' 
i Jehova. Noho ny ratsy nataon' l Akana, 
izay naka tamin' ny zavatra natokana ho 
an' i Jehova tany Jeriko (Jos. vii.), dia 
resy ny Zanak' Isiraely tamin' ny niakarany 
voalohany hiady amin' i Ay ; fa teo aoriana 
kosa, rehefa novonoina Akana, Ay dia azon' 
i Josoa tamin' ny fanotrehana ary noravany 
avokoa ; vakio Jos. vii. 2-5; viii. 1-29. — i^e. 

AZABELA : dia anaran' olona dimy lahy 
voalazan' ny Test. Tal. ; ary ireo no teny 
milaza azy avy : 1 Tant. xii. 6; xxv. 18; 
xxvii. 22 ; Ezr. x. 41 ; Neh. xi. 13.— J.8. 

AZABIA (Izay ampiari* % Jehova) : anaran' 
ny olona maro tamin' ny Hebreo, ka dia 
maro ny olona natao hoe Azaria izay voala- 
zan' ny Soratra Hasina. Mitovitovy ny 
hevitr' ity anarana ity sy ny hoe Eleazara 
(AndriamanitfOj Mpanampy ahy), ary maro 
ny mpisorona taranak' i Eleazara no natao 
hoe Azaria. 

Aiaria (1): zanak' iAhimaza izy (1 Tant. 
vi. 9) ; fa Ahimaza dia maty talohan -drainy 
(Zadoka mpisoronabe), ary Azaria no na- 
ndimby an-draibeny ka tonga mpisoronabe 
tamin' ny nanjakan' iSolomona (1 Mpan. 
iv. 1, 2). 

Aiana(2): zanak' iJohanana mpisorona- 
be izy (1 Tant. v. 36). Araka ny hevitry ny 
sasany, ny teny milaza azy ho "nanao 
fisoronana tao amin' ny trano nataon' i So- 
lomona tanv Jerosalema" dia diso fame- 
traka tamin ny nandikana azy, ka tokony 
hakambana amin' ny and. 35 izy, dia ny teny 
milaza an' i Azaria raibeny. 

Azaria (3) : mpisoronabe tamin' ny na- 
njakan' iOzia, mpanjakan' ny Joda, izy; ary 
niaraka tamin' ny mpisorona maro izy nana- 
natra sy nanohitra an' i Ozia, tamin' izy 



Digitized by 



Google 



BAB 6ft 

•thy niditra tao amin' ny Tempoly handoro 
ny zava-manitra (2 Tant. xxvi. 17-20); 
zahao [jozia.] 

Azaria (4) : mpisoronabe tamin' ny na- 
njakan* i Hezekia izy, ary niara-niasa tamin' 
ny mpanjaka hanadio ny Tempoly sy hana- 
Uara ny fomban' ny fivavahana sy ny fano- 
mpoana an* Andriamanitra (1 Tant. xxxi. 
W-13). 

Azaria (5) : rain' i Seraia izy, izay mpiso- 
rooabe farany indrindra talohan' ny nahaba- 
Loina. ny Jiosy tany Babylona (1 Tant. vi. 14). 

Axaria (6) : anankiray tamin' * 4 ny rapiso- 
rona, dia ireo avy tany amin' ny tany lemaka" 
izay namboatra ny mandan' i Jerosalema teo 
tandrifin* ny tranony (Neh. iii. 22, 23). 

Azaria (7) : mpifehy ny miaramilan' i So- 
lomon* izay niambina ny rova izy (1 Mpan. 
iv. 6). 

Azaria (8) : mpaminany izy ary nampori- 
«ka tsara an' i Asa, mpanjakan' ny Jo4a, 
handrava ny sampy (2 Tant. xv.). Zanak' 
i Odeda izy (and. 1), kanefa atao hoe Odeda 
hiany izy amin' ny and. 8. 

Azaria (9, 1 0) : zanak' i Jerohama ary 
zanak' i Odeda izy roa lahy, izay nampaha- 
fantarin' i Joiada mpisoronabe fa mbola ve- 
lona hiany Joasy zanak' andriana ; sady na- 
nampy an' i Joiada izy roa lahy hampanjaka 
an' i Joasy (2 Tant. xziii. 1) ; zahao at alia. 

Azaria (11, 12): zanak' iJosafata, mpa- 
njakan' ny Joda izy roa lahy, ary novonoin' 
i Jehorama rahalahiny (2 Tant.xxi. 2]. 

Azaria (13) : izy dia anankiray tamin' ireo 
"olona mpirehareha," izay nananatra an' 
i Jeremia mpaminany noho ny saina nomen' 
i Jeremia tamin' ny Jiosy tsy hankany Egypta 
rehefa noresen' ny mpanjakan' i Babylona 
izy ; ary izy koa nitondra an' i Jeremia sy 
Baroka niaraka taminy nankany Egypta 
(Jer. xliii. 2-7). 

Azaria (14) : isan' ny telo lahy naman' 
iDaniela izy, ary novan' i Nebokadnezara 
mpanjaka ny anarany ho Abednego (Dan. 
L ft, 7 ; iii. 9) . Zahao abbdnboo. — j.w. 

AZzLAYETA: efatra ny olona natao hoe 
Azmaveta ao amin* ny bokin' ny Tantara 
Voalohany ; dia izao : viii. 36 ; xi. 33 ; xii. 
3 ; xxrii. 25 Izany koa no anaran' ny 
tanana anankiray tao amin' ny tanin' ny 
Benjamin a (Ezr. li. 24). — j.s. 

AZRHLAHA : dia anaran' olona efa-dahy 
Toalazan' ny Test. Tal. ; ary izao no teny 
milaza azy avy : 1 Tant. iii. 23 ; viii. 38 ; 
iz. 1 4 ; 2 Tant. xxviii. 7.— J.8. 

B 

BAB EL A, trano fiarovana. Indray mande- 
ha hiany Babela no voalaza ao amin' ny 
Baiboly (Gen. xi. 1-9), ary tsy vita izy tamin' 
izany. Natao birika izy, ary ny asfalta (ana- 
ran -di tin -tany) no nataon' ny mpanao azy 
solon-drihitra. Araka ny filazan' ny ntaolo 
azy dia tsy naharitra ela izy, fa noravana 



BAB 

vetivety. Nony nentin-ko babo tany Baby- 
lona anefa ny Jiosy, nisy trano makadiry 
anankiray izay nataony ho ilay trano fiaro- 
vana Babola. Misy maro hiany ny olona 
raihevitra fa tahaka azy hiany, nefa tay izy 
akory ilay trano rava izay maharitra amba- 
rak' izao. Tahaka ny pyramida, hono, no 
nanaovana azy, ary toa trano fito mifanongoa, 
hono, ny tarehiny. Voalohany nisy ratitra 
birika natao nisondrotra kely arobonin' ny 
tany lemaka, ary tambonin' io nisy ny trano 
voalohany natao birika tanimanga ; ary natao 
efa-joro mihitsy izy, dia 272 ft. ny lafiny 
avy, ary 26 ft. ny hahavony. Tambonin' 
izany indray nisy ny trano faharoa, efa-joro 
toy ny voalohany hiany, nefa 230 ft. ny 
lafiny avy, ary 26 ft. ny hahavony ; nefa tsy 
natao tao afovoan' ilay voalohany izy, fa 
nanamorona ny lafiny tao ataimo-andrefaay. 
Dia toy izany no nanaovana ny trano fito ; 
ny fahatelo dia 188 ft. ny lafiny avy, 
ary 26 ft. ny hahavony ; ny fahefatra 146 ft. 
ny lafiny avy, ary 15ft. ny hahavony; 
ny fahadimy 104 ft. ny lafiny avy, ary 
16ft. ny hahavony; ny fahenina 62ft. ny 
lafiny avy, ary 15ft. ny hahavony; ny 
fahafito 20 ft. ny lafiny avy, ary 18 ft. ny 
hahavony. Tao an- tampon' ny fahafito, 
hono, nisy ny fiara na fitoerana masina, 
tokony ho 16 ft. ny hahavony, ka nanarona 
ny tampon y rehetra angaha izy. Tao avaratr- 
atsinanana nisy ny efitra fidirana.— J. a. 

BABO, na Fahababoan' ny Jiosy. Nentin- 
ko- babo matetika ny Jiosy, fa notafihin' ny 
fahavalony matetika ny taniny noho ny 
fikomiana nataony tamin' Andriamanitra ; 
ka dia tanteraka ny tenin' i Mosesy hoe : 
*'Dia haelin' i Jehova any amin' ny firenena 
rehetra hianao .... dia hivaro-tena ho andevo- 
lahy sy ho andevovavy hianareo" (Deo. xxviii. 
64, 68). Izay lazain' ny mpanoratra sasany 
hoe 'Fahababoana Voalohany,' dia tsy mba 
famindrana ny Jiosy avy tany Kanana in- 
ndray maka monja tsy akory; fa taona 150 
hatramin' ny namindrana azy voalohany ka 
hatramiu' ny namindrana azy farany ; ary 
ny andro niverenany koa dia naharitra tokony 
ho 100 taona vao tapitra. Ny firenena roa 
sy sasany, izay nahazo ny zara-taniny tany 
an-dafin i Jordana, ary ny olon-Zebolona sy 
Naftaly no voalohany noresen' ny fahavalo ; 
fa tamin' ny tiona b.o. 741, Tiglato-pileaera, 
mpanjakan i Asyria, namely azy ka nitondra 
azy tany Asyria (2 Mpan. xv. 29; zahao 
koa Isa. ix. 1). Vao niseho ho fanjakana 
mahery Asyria tamin' izay, ary maro ny Jio- 
sy no namponenin' ny mpanjaka tany Ninivo 
renivohiny. Salmanesera, izay nandimby any 
Tiglato, niady tamin' ny fanjakan' ny Isiraely, 
ka nampandoaviny hetra Hosea, mpanjukuii 
ny Isirnely. Fa teo aoriana, rehefa tsy na- 
loan' i Hosea ny hetra, dia niakatra indray 
Salmanesera (b.o. 721) ka nahafaka an' 
i Samaria ; ary namindra ny mpanjaka sy ny 
lehibe ary ny. olona mahay zavatra rehetra 



Digitized by 



Google 



BAB 

avy tamin' ny firenena folo ho any Asyria sy 
Media izy (2 Mpan. xvii. 6). Ny olona am- 
bany indrindra sy ny mpiasa-tany angamba 
toy nafiadrany ; fa ny Jiosy izay nafindrany 
no namponeniny tao amin' ny tanana lavitra, 
ary olona avy tany Babylona sy Siosana no 
nalainy ho solony (2 Mpan. xvii. 24). Ary 
izany no nahatapitra ny f anjakan' ny Isiraely. 
Zato taona inahery taorian' izany vao 
noresena ny f anjakan' ny Joda. Indroa no 
namindrana ny Jiosy tany amin' ny fania- 
kana atsimo, araka ny bokin' ny Mpanjaka, 
f i intelo araka izay lazain' i Joremia ; ary ny 
b)kin' i Daniela kosa milaza ny namindrana ny 
sasany talohan' ny fahatelon' ireo aza. Jeremia 
manao hoe fa tamin* ny taona fahafito nanja- 
kan* i Nebokadnezara, rapanjakan' i Babylo- 
na (b.o. 698), nisy Jiosy 3023 nalainy ; tamin* 
ny taona b.o. 588, 832 no nalainy ; ary tamin' 
ny taona b.o. 583, 745 no nalainy ka nentiny 
nankany Babylona ; dia 4600 no isan' izy 
rehetra (Jer. Ui. 28). Ny famindrana fani- 
ntelony dia vitan' i Nebozaradana, mpifehy 
ny miaramilan' i Babylona. Ataon' ny maro 
anefa fa diso ny nandikana ireo isa ireo, 
fa vitsy foana ny olona 4600 raha oharina 
amin* ny vahoaka rehetra tamin' ny firenen' 
iJoda; ary hitantsika koa fa olona 42,360 
no niverina ho any Palestina rehefa navelan' 
iKoresy izy (Ezr. ii. 64). Eo amin' ny 
2 Mpan. xxiv. 8-16, olona 18,000 no lazaina 
ho nafindra ho any Babylona tamin' ny 
indray mandeha, tamin' ny volana fahatelo 
n anjakan' i Joiakima: dia ny mpanjaka sy 
ny vadiny sy ny manamboninahiny ary ny 
andriandahiny ; dia sahala amin' izay lazain' 
i Jeremia ho famindrana voalohany izany, 
dia tamin' ny taona b.o. 598. Rehefa afak' 
izany, Zedekia mpanjaka, izay ef a nanaiky an' 
i Nebokadnezara, dia nikomy ; dia niakatra 
Nebokadnezara ka nahaf aka an' i Jerosalema 
sy nandrava azy, b.o. 688. Ary tamin' ny 
taona manaraka izany, ny vahoaka rehetra 
afa-tsy nv mpiasa-tany dia nentin' i Nebo- 
zaradana no any Babylona (2 Mpan. xxv. 8). 
Raha ampitahaina ny teny rehetra milaza ny 
n ihababoan' ny Jiosy tamin' ny fanjakan' ny 
Joda, dia hita marina fa indroa no namindra- 
na azy. Ny voalohany amin' ireo (b.o. 698) 
dia nokasaina hampitombo ny isan ny mia- 
rarailan' ny firenena izay nandresy azy sy ny 
imn' ny mponina tao an-tananany ; fa tamin' 
ny 18,000 izay nalaina, ny 1000 dia "mahay 
tao-zavatra sy ny mpanery arivo lahy, izay 



66 BAB 

dekia ; nef a izany dia ef a nataon' i Josia sy 
Ahaza koa tamin' ny andro taloha, fa tsy 
rava kosa anefa ny fanjakana tab aka izay 
nataon' i Nebokadnezara tamin' ny niakarany 
fanindroany. 

Ny tantara milaza ny niverenan 1 ny Jio*y 
avy tamin' ny Fahababoana dia ao amin' ny 
bokin' i Ezra sy Nehemia, ary amin' ny boky 
faminaniana nosoratan' i Hag-ay sy Zeka- 
ria. Ny lalana nataon' iKoresy (b.o. 636) 
no nahaf aka azy voalohany ; ary nono izany, 
nisy Jiosy 52,390 niverina ni araka tamin' 
i Sesbazara avy tany Babylona, ary ankizin' 
olona 7337, mbamin' ny omby aman-ondriny. 
Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo, dia 
nanorina ny alitara fandoroam-panatitra in- 
dray, ary nanorina ny fanorenan ny Tempoly 
Faharoa, dia 53 taona taorian' ny nandra- 
vana azy voalohany izany. Nef a najanona 
vetivety ny raharaha, fa ny olon-tSamaria 
tsy navelan' ny Jiosy hiaraka aminy hanao 
ny Tempoly, dia nahazo taratasy tamin' ny 
mpanjaka a* i Persia ny Samaritana nampi- 
janona azy tsy hanao azy intsony. Fa raha 
vao nan j aka iDariosy dia nahazo sitraka 
taminy ny Jiosy ; ary tamin' ny nanapahan' 
i Zorobabela ny Tempoly dia vita, dia tamin' 
ny taona b.o. 516. Tamin' ny taona fahafito 
n anjakan' i Artaksersesy (b.o. 458) Ezra nia- 
katra avy tany Babylona nitondra taratasy 
nomen' ny mpanjaka, ka narahin' ny Jiosy 
maro izy, tokony ho 5000 no isany (Ezr. vh. 
7 ; x. 18-43). Ary tamin' ny taona B.C. 445 
indray, Nehemia, mpitondra ny kapoaky ny 
mpanjaka, no navelany hankany Jerosalema 
hanorina ny mandan' ny tanana ; ary fahe- 
fana be hiany no nomeny azy. Ary ny 
nalehan' i Nehemia nahasoa ny Jiosy indri- 
ndra [nbhemia], fa talohan' izany tsy nanam- 
piarovana tamin' nv fahavalony izy; fa 
rehefa afaka izany dia tonga firenena indray 
nv Jiosy. Angamba maro ny Jiosy niverina 
niandalana manaraka nv andron' i Nehemia, 
ary nipetraka tao amin 1 * ny tanana izay efa 
foana ela manodidina an' i Jerosalema. 

Samy hafa be hiany ny hevitry ny olon- 
kendry ny amin' ny niantombohana sy ny 
nahataperan' ny 70 taona nahababoana ny 
Jiosy izay voalazan' i Jeremia (xxv. 12 ; xxix. 
10). Ny sasany manisa azy hatramin' ny 
nandravana ny Tempolv Voalohany, b.o. 688, 
ka hatramin' ny nahavitana ny faharoa, b.o. 
516. Nef a ataon' ny sasany kosa fa tsy mifa- 
naraka amin' ny tenin' i Jeremia izany, iz*7 

it 1 **TT 1*1 1 :.1ron' 



s imy mahery sy mahay miady" (2 Mpan. xxiv. milaza hoe : "Hovaliako kosa ny mpanjakan 1 



16). Ary tsy niakatra handrava an' iJero- 
Hiloraa sy hanapitra ny fanjakana Neboka- 
dnezara, raha tsy nikomy Zedekia (b.c. 688). 
Fa tamin* izany dia may ny Tempoly, sy 
rava ny tranon' andriana sy ny mandan' ny 
tanana; ary nisy governora notendren' ny 
mpanjakan' i Babylona hanapaka ; ka ity 
famindrana fanindroany ity no andro nandre- 
sana ny Jiosy indrindra sy nahababoana azy. 
Talohan' iz my efa nandoa hetra hiany Ze- 



i Babylona" ho fahataperan' ny taona 70 ; ka 
dia ataon y fa hatramin' ny taona fahatelo 
nanjakan' i Joiakima (b.c. 638) no fzy. — t.tK. 
Fa na dia niverina tany Palestina aza 
ny Jiosy maro, ny ankabiazany nitoetra tao 
amin* ny tany samy hafa nametrahan' nv 
mpanjakan' i Asyria sy Babylona azy. Ta- 
lohan ny nahababoana azy maro ny Jiosy 
efa nipetraka tany Egypta (Zek. x. 6-11; 
Isa. xijc. 18), ary maro no nandositra nankany 



Digitized by 



Google 



BAB 

koa tamin' ny niakaran' i Nebozaradana 
hamely an' i Jeroaalema (Jer. xli. 17). Ary 
betaaka ny Jiosy nankany Sheba koa, ary 
nanan-kery ay fahefana lehibe hiany izy 
tany. [sheba.] 

Ny mpanoratra aasany efa nihevitra fa 
rehefa taf apetraka tao amin' ny tany lavitra 
ny firanena folo, dia nifangaroharo tamin' 
ny oloaa tampon -tany izy, ka dia tsy olona 
natokana tamin' ny nrenena aasany intsony ; 
ary tsy fantatra izay f onenan' ny taranany. 
Kane/a kosa, tsy misy tantara manamarina 
izany, ary hitantaika koa fa tamin' ny andron' 
ny Apostoly. ny nrenena roa ambin 1 ny folo 
no lazaina ho olona fantatra tsara, ka nato- 
kana tamin* ny nrenena mpanompo-sampy 
(Jak. i. 1 ; Aaa. xxvi. 7). Toa ef a nitsahatra 
aTokoa tamin' izay ny fifandirana sy ny 
ftakmana izay mampisaraka ny Boa sy ny 
Folo tamin 7 ny andro taloha (zahao isibais- 
ly) ; ary rehefa tonga "nrenena iray" izy, 
na dia tsy too "amin' ny tendrombohitr' i Isi- 
raely" avokoa aza (laa. xi. 13 ; Ezek. 
xxxvii. 22). Fa ny fahoriana niaretany dia 
nampikambana sy nampihavana ny nrenena 
roa ambin' ny folo ; ary rehefa tsy nosaka- 
nan' ny lalana ny amin' ny tanin-drazana 
intsony izy, satria efa nafindra tao amin' ny 
tany lavitra, dia nif anambady izy ; koa tsy 
misy Jiosy ankehitriny mahalala ny firaza- 
nany v na taranak' ifeobena, na Joda, na 
Efraima, na ny nrenena hafa, izy. 

Tsy mba mahagaga loatra fa yitsy ny 
Jktsy avy tamin' ny nrenena folo no te- 
hiverina any Pales tin a rehefa navelan' i Ko- 
resy izy ; fa efa nitoetra roan-jato taona izy 
sy ny razany tao amin' ny tany atsinanan' 
ny Tany Marina, ary ela dia ela talohan' 
izany aza Jerosalema tsy mba renivohiny, 
na tan an a nireharehany ho voninahitry ny 
taniny. Koa ny ankabiazan' izay niverina 
dia Jiosy izay tsy niala ela loatra tamin' 
ny taniny, indrindra ny zanak' izay nonina 
tany Jeroaalema sy ny tany manodidina azy. 
Angamba olona malahelo sy ambanimbany 
aady olona tsara fanahy ny ankamaroan' 
izay niverina, ka dia nanaiky tsara ny 
lehibe izay nanapaka azy izy. Ary Da dia 
tsy nazoto arokoa izy araka izay notadiavin' 
i£zra aza, dia nampanaiky azy hampody 
ny vadiny izay yahiny sy mpanompo-sampy 
izy ; ary nazoto dia nazoto izy tamin' ny fiva- 
vahana. Tsy mbola nitsahatra avokoa ny 
faminnniana ; ary rehefa nitsahatra izany, ny 
mpaminany nodunbasan' ny mpanora-dalana 
sy ny mpanora-kevi-teny ary ny mpampia- 
natra. Talohan' ny nahababoana azy ny 
Jiosy dia olona mora taomina hanompo 
aampy sy hanaraka ny fomban' ny nrenena 
naaodidina azy : fa taorian' izany kosa, dia 
olona nana j a dia nanaja ny lalan' Andria- 
manitra izy; tsy nety nihaona tamin' ny 
firenena hafa na nianatra ny fombany izy ; 
ary dia nekeny avokoa izay nasain' ny mpi- 
•orona sy ny mpampianatra azy hataony; 



67 BAB 

dia fatra-pitandrina izay rehetra ivelany 
amin' ny fombam-pivavahana izy. Tamin' 
izany andro izany no vao nataon' ny Jiosy 
ny synagoga (dia ny trano fivavahana), ary 
notendreny ny fotoana hivayahana sy hama- 
kiana ny Soratra Maaina eo anatrehan' ny 
olona. Ny Paska, ny Sabata, ny Taona 
Fahafito ary ny Jobily dia vao notandremany 
tsara; ary ny soratry ny Test. Tal. no 
narovany mba tsy hovana akory na dia kitika 
foana aza. Hatr<imin' ny niverenan' ny 
Jiosy avy tany Babylona ny mpisoronabe 
sy ny namany no mpanapaka sy natao 
iehiben' ny fanjakana koa. 

Ny nahababoana ny Jiosy nanova ny 
fanaony be hiany tamin' izay momba izao 
nainana izao koa Ny fitiavany ny tiasan- 
tany, izay nampianarin' ny lalan' i Mosesy, 
efa nihakely tao amin' ny tanim-bahiny ; 
ary tao no nianaran' ny Jiosy fivarotana sy 
fandrantoana ary fampananam-bola, ary ny 
nifanaovany raharaha tamin' ny rahalahiny 
mbola tao amin' ny tany lavitra no nampi- 
tombo lalandava izany fahaizana vao azony 
izany. Ary ny Jiosy izay tsy tafaverina 
koa nahazo soa tamin' ny namany tany 
Pales tina, fa nampahazotoiny hitandrina ny 
lalan' i Jehovaizy. Ny Jiosy izay efa nifindra 
tany Egypta toa efa nosimban' ny fanom- 
poan-tsampy Litany isan-andro (Jer. zliv. 
8) ; fa izay nonina tany Persia kosa (dia tany 
tsy nisy sampy) efa narovana tamin' ny 
halotoan' ny fomban' ny nrenena sasany, 
ary ny nahababoana azy tany efa nahasoa 
azy. Koa hatramin' izany andro izany 
Jerosalema dia tonga renivohitra sy tanana 
masina ho an' ny nreuena roa ambin' ny 
folo rehetra, fa tsy ho an' ny roa hiany, 
tahaka ny tamin' ny andro nisarahan' ny 
Jiosy ho fanjakana roa ; ary ny Zanak' Isi- 
raely rehetra nanao azy ho tanana nisehoan' 
iJehova Andriamaniny. Hitantaika amin' 
ny Test. Vao. fa fanaon' ny Jiosy rehetra 
izay nahazaka izany ny miakatra ho any 
Jerosalema isan- taona hitandrina ny andro 
firavoravoana notendren' ny lalan' i Mosesy 
botandremana ; vairio Asa. ii. 5-11. Ary 
hitantaika koa ny f ahazotoan' i Paoly, rehefa 
tonga Kriatiana aza izy, hiakatra ho any Jero- 
salema hitandrina ny Paska sy ny Pente- 
kosta, etc.; zahao Asa. xviii. 21 ; xx. 16; 
xxi. 13. 

Hitantaika ary fa araka ny fitondran' 
Andriamanitra azy, ny taranak i Abraham a 
sy Isaka ary Jakoba no nentina tany Egypta 
sy Arabia sy Babylonia sy Asyria sy Media 
ary Persia, ka nifindra sy nitombo be hiany 
izy • tao amin' ny tany rehetra atsinanan' 
ny Tany Masina. Ary tamin' ny andron' 
i Paoly dia maro koa izy no tany Asia 
Minora sy Grisia sy Afrika Avaratra, ary 
tany Roma sy ny tanana lehibo any Italy. 
Dia niton dra ny fahalalana ny Andriamani- 
tra Iray sady marina izy tamin' izay tany 
rehetra nalehany, ary namboatra ny lalana 



Digitized by 



Google 



BAB 

halehan' ny filazantsara ; fa maro ny Jenti- 
lisa izay efa nisaraka tamin' ny halotoan' 
ny sampiny ka niara-nivavaka tamin' ny 
.Jiosy no nazoto indrindra sady nanaiky 
ny filazantsara voalohany rehefa notorina 
taminy izany ; zahao Asa. xiii. 42, 43, 48 ; 
xiv. 1 ; xvii. 4, 12 ; xix. 10. 

Tokony hotsarovana koa fa mora Many ny 
toetry ny Jiosy izay nentin' ny mpanjakan' 
iBabylona sy Asyria ho babo; tsy mba 
mpifatotra izy, fa toa natao mitovy vonina- 
hitra tamin' ny olona tompon-tany. Tany 
Babylona ny loholon' ny Jiosy no nitsara 
ny Jiosy ; Daniel a koa nasandratra ho Prime 
Minister tamin' ny fanjakan' i Babylona sy 
Persia, ary ny namany natao mpanapaka ; 
Nehemia no manamboninahitra lehibe ka 
tian' ny mpanjakrn' i Persia ; ary Estera, 
tovovavy Jiosy, tonga vadin' ny mpanjakan' 
i Persia, ary Mordekay havany no nasandra- 
tra ho Prime Minister. Ary tamin* ny andro 
manarakaraka koa dia navela hanaraka ny 
fombany hiany izy sy hitandrina ny lalan' 
i Jehova. 

Ny fahoriana mafy niaretan' ny Jiosy 
tamin' ny nandravan' ny Romana an i Jero- 



68 BAB 

rosalema no tokony hatao hoe 'Fahababoana' 
azy indrindra, fa rehefa novonoina ny maro 
tsy azo isaina, ny Jiosy sisa tany Pales - 
tin a dia namidy ho andevo, ka tsy nisy 
nividy azy intsony. Araka ny tenin' i Jose- 
fosy, 97,000 no nentin-ko babo; ary ny 
ankabiazan' ireo dia nampitondraina^ tany 
amin' ny tan an a lehibe hoTonoina ao amin' ny 
trano filalaovana, na hoviravirain' ny bibi- 
dia ; ny sasany dia natao andevon' ny fanja- 
kana tao Egypta ; ary izay tsy mboia ampy 
17 taona dia tonga andevon' olona. Ary 
taorian' izany indray, tamin' ny nanjakan' 
i Hadriana (a.d. 133), saiky lany ringana 
ny Jiosy tany Palestina. Ary hatramin' 
izany andro izany ka hatramin' ny andro 
vao faingana foana ny Jiosy dia nenjehin' 
ny firenena rehetra atao hoe Kristiana any 
Eoropa, ho valin' ny namonoan' ny Jiosy 
sasany tany Palestina ny Zanak' Andriama- 
nitra, hoy izy, na dia tsy razan' ny Jiosy 
monina any Eoropa aza izy ireo. Ary ao 
amin' ny tany maro any Asia koa be hiany 
ny fahoriana efa niaretan' ny Jiosy, fa 
esoina sy haratsin' ny firenena Mo name - 
dana sy mpanompo-sampy izy. — j.b. 



Filaharan 1 ny andro Nahababoana ny Jiosy, 



TAONA 
B.C. 



741 

721 
598 
588 
587 



FIRENENA NORESENA. 



Ny nreuena roa sy 
sasany tao an-dafin' 
i Jordana, ary Zebo- 
lona sy Naftaly. 

Ny sisan' ny fanja- 
kan 1 ny Isiraeiy. 

Ny mpanjakan' ny 
Joda sy ny lehibe ary 
ny vahoaka 18,000. 

Ny mpanjakan' ny 
Joda sy ny vahoaka. 

Ny sisan' ny fanja- 
kan' ny Joda. 



MPANJAKANY. 



Peka, mpan- 
jakan' ny Isi- 
raely. 

Hosea, mpa- 
njakan" ny Isi- 
raely. 

Joiakina, mpa- 
njakan' ny Jo- 
da. 

Zedekia, mpa- 
njakan' ny Jo- 
da. 

DorananyTe- 
mpoly, ary ra- 
va ny mandan' 
iJerosalema. 



MPANJAKA SY FIRENENA 
NANDRE8Y AZY. 



Tiglato-pilesera, mpan- 
jakan' i Asyria. 



Salmanesera, mpanja- 
kan' i Asyria. 

Nebokadnezara, mpan- 
jakan' i Babylona. 

Nebokadnesara. 



Nebozaradana, mpifehy 
ny mia rami Ian' iBaby- 
lona. 



TANY NAMINDRANA 
AZT. 



Nineve sy tanana 
hafa tany Asyria. 



Hala, Habora sy 
nv tananan' ny Me- 
diana, ary Asyria. 

Babylona. 



Babylona. 
Babylona. 





Filaharan' ny andro NiverenatC ny Jiosy, 




TAONA 
B.C. 


OLONA NIVERINA. 


MPITARIKA 
AZY. 


MPANJAKA. 


ZAVATRA NATAO. 


536 


Jiosy 42,:*G0 avy 
tany Babylona. 


Sesbazara sy 
Zerobabela, 


Koresy, mpanjakan' 
i Persia. 

Dariosy, mpanjakan' 
i Persia. 


Ny alitara naorina 
indray mbamin' ny fa- 
norenan' ny Tempoly. 

Vita ny Tempoly, 
B.C. 515. 


457 


Jiosy (lehilahy) 
1500 sy Levifca 260. 


Ezra, mpiso- 
rona sy mpa- 
noratra. 


Artakseresesy, mpanja- 
kan 1 i Persia. 


Nalahatra ny fom- 
bam-pivavahana, ary 
ny vadin' olona izay 


446 




Nehemia, mpi- 
tondra ny ka- 
poaky ny mpa- 
njakan' i Per- 
sia. 


Artaksersesy. 


vahiny sy mpanompo- 
sampy no nampodina. 
Vita ny mandan' 
iJerosalema, ary ny 
Sabata sy ny andro 
firavoravoana nasaina 
hotandremana. 



Digitized by 



Google 



BAB 

BABYLONA: dia ilay renivohitry ny tany 
Svun y voalazan' ny bokin' iGenesisy, fa 
unin' ny bokin 1 ny Baiboly sisa izy natao 
hoe Kaldta, na tanin' ny Kaldeana. Ny 
rato betsaka, ravan' ny tanana, izay hita 
mileyina amin' ny tany ao atsimon' ilay tany 
atao hoe Babylonia, mbamin' ny taangam- 
bato misy soratra, mampihevitra antsika 
fa tsy renivohitra izy fa tanana kely hiany 
tamin' ny voalohany. Tao amin 1 ny tany 
m&nolotra ny Golfa Persiana no nisehoan' 
nyfanjakan' iBabylona yoalobany, ary dia 
nitarina nianavaratra izy ; ary tamin' ny 
farany, rehefa tonga malaza, dia vao tokony 
ho tonga renivohitra Babylona; an gam b a 
tsy talohan' ny taona B.C. 1700 izany. 

I. Ny Tanana Babylona %y ny Toetoetrany. 
Misy mpitantara roa lahy no ahai antarantsika 
izany, dia Herodotosy ay Ctesias (Tesiasy). 
Araka ny fiiazan' i Herodotosy azy, dia nio- 
rina teo amoron' ny ony Eofrata ny tanana ; 
natao efa-joro izy, ary ny ony namaky azy 
tao afovoany. Nisy manda mafy roa so- 
sona nanodidina azy, ary ny manda tao 
Welany dia 66 maily no halavany ma nodi - 
dina. Tokony ho 200 maily sokera ny 
halehiben' ny tanana. Mahitsy tora-tady 
ny lalan-kaleha tao an-tanana, sady nalahatra 
nifanitsy tsara ny trano, ary natao telo aman- 
efatra mifanongoa izy. Tao isam-pizarana 
nisy trano-fiarovana, ny iray ny lapan' ny 
mpanjaka, ary ny iray koa ilay tempoly atao 
hoe Tempolin' i Belosy. Nisy tetezana natao 
bampikambana ny tapany roa, ny tongony 
dia vato, ary ny tampony dia hazo makadiry 
Toarafitra tsara nahatratra hatramin' ny 
tongotra iray ka hatramin' ny iray koa ; 
sady natao mora neaorina ny hazo. Ny nila- 
zan' i Ctesias azy anef a tsy mif anaraka amin' 
izany ; ny halavan' ny manda, hoy izy, dia 
42 maily hiany ; ary hoy izy koa fa nisy tete- 
zana nizara ho dimy ny ila-tanuna roa, ny 
halavany nataony ho 600 refy, ary ny sakany 
15 refy. Tao amin' ny fiantombohan' ny 
tetezana nisy lapa roa, hono, fa ny tao 
atsinanana no tsara tarehy noho ny tao 
andrefana. Fa nisy lalana nohadina toa 
zohy lava tao ambanin' ny ony tao anelane- 
lan' ireo lapa roa ireo. Dia tsy mif anaraka 
ny mpitantara sasany ny amin* ny halavan' 
ny manda ay ny halehiben' ny tanana ; nefa 
mifanaraka izy rehetra ny amin 1 ny zavatra 
maro sady samy milaza fa tanana makadiry 
Babylona, ary nisy manda mafy sady avo 
nanodidina ozy. Ary izay milaza azy ho 
kely anef a, dia manao azy ho 100 maily so- 
kera ny halehiben 1 ny tanana. Angamba 
tsy ary nisy mponina avokoa ny tanana 
rehetra, nefa be ny olona nonina tao. Voa- 
lazan' ny Soratra Masina ny hahavony sy ny 
haben' ny manda sy ny vavahady (Jer. li. 68 ; 
tmpitahao I. 16 sy li. 63). 

2. Ny ToetrarC ny Tanana rava izao. Maro- 
maro hiany ny vato mbola hita ao. Ary ao 
imoron* ny ony Eofrata, tokony ho dimy 



6» BAB 

maily ambonin' ilay tanana atao hoe Hilla, 
dia misy tany mitaitokantokana sady avo no 
makadiry, dia toy ny efa nangonina sy 
namboarin' olona, na efa nentin' ny rivotra 
sy ny rano angaha. Ary ao ambanin' izany 
tany izany misy biriky tany betsaka izay na- 
naovana trano makadiry dia makadiry. Ary 
ao amin' ny ilan' ny ony koa misy tahaka 
izany, nefa kelikely kokoa. Ary amin' ny 
tany rehetra manolotra izany ony izany sy ny 
manalavitra azy kely koa misy maro hiany ny 
bongan-tany tahaka izany misy nv nahara- 
vana ny trano maro. Misy anankiray anef a 
izay ataon' ny olona efa nandinika azy ho 
ilay trano fiarovana Babela lazain' ny Gen. 
xi. 4-6 ; lavitra any Hilla tokony ho enina 
maily izany [babela]. Ary misy koa izay 
ataon' ny olona ho ilay Tempolin' l Belosy, sy 
ny lapan' i Nebokadnezara. Ary izay maha- 
gaga antsika amin' ireo trano rava rehetra 
ireo, dia ny biriky tany sy ny biriky tani- 
manga nanaovan' ny olona trano makadiry 
sy tsara rafitra toy izany. Ambaraka izao 
aza tsy misy trano makadiry noho ireo. 

3. Ny Tantaran* iBabylona. Araka ny 
voalazan' ny Baiboly, ny niantombohan' 
izany fanjakana izany dia Nimroda (Gen. x. 
6-10). Ny soratra hita amin' ny tsangam- 
bato dia manao ny olona tompon-tany voalo- 
huny ho avy tamin' i Kosa, dia sahala amin' 
ny tompon-tany any Arabia Atsimo sy 
Etiopia. Nv tantaran' i Babylona tamin' ny 
voalohany dia nataon' ny tompon-tany natao 
hoe Berososy ; lazainy fa nisy mpianakavy telo 
tamin' ny fandimbasan' ny mpanjakany ; ny 
iray nisy mpanjaka Kaldeana 49, izay nanja- 
ka taona 458 ; ny faharoa dia mpanjaka Ara- 
bo 9, izay nanjaka taona 246 ; ary ny fahatelo 
kosa dia mpanjaka Asyriana 49, izay nanja- 
ka taona 626. Fa tsy misy fantatsika mari- 
na ny amin' ny mpanjakan' i Babylona raha 
tsy tonga tamin' ny taona b. c. 747, izay nise- 
hoan' iNobonasara, ka hatramin' ny taona B.C. 
331, izay naongan' i Aleksandro ny mpanja- 
kan' i Persia farany. Ny mpitantara natao 
hoe Ptolomy no ahitantsika izany. Misy 
mpanjaka iray hiany anefa tamin' ireo rehe- 
tra ireo izay misy hotantaraina, dia ilay atao 
hoe Mardocempalus (b. c. 721), izay ataon' 
ny Soratra Masina hoe Merodaka-baladana 
(Isa. xxxix. 1), fa raha tsy tamin' ny 
andron' ny rain' i Nebokadnezara tsy misy 
hotantaraina loatra. Tamin' ny nandravana 
any Nineve (b. c. 625), dia tonga fanjakana 
malaza sady nana pa ka ny fanjakana kely 
maro Babylona. Nefa afaky ny miaramila 
Mediana notarihin' i Koresy tampoka foana 
ny tanana, araka izay lazain' i Jeremia (li. 
31), sy araka izay naminanian' Isaia 170 
taona talohan' izany (Isa. xxi. 1-9), dia raha 
nisy fanasana fifaliana nataon' ny olona tao, 
araka izay naminanian' i Jeremia (li. 39). 
Araka ny bokin' iDanicla toa tsy Koresy 
no nahafaka ny tanana, fa Danosa, ilay 
mpanjaka Mediana (Dan. v. 31). Nefa fa- 



Digitized by 



Google 



BAI 

ntatra izao fa tay "Dariosa Mediana" no 
nandresy azy mihitsy, fa mpanjaka hafa 
izay nirahiny (zahao Dan. v. 31 sy ix. 1). 
Niaraka tamin ny nandresen' iKoresy azy 
dia nihaosa ny fanjakan' i Babylona, na dia 
naharitra ho fanjakana ela taorian' izany 
aza. Ary nony nanjaka ilay natao hoe 
Zerksesy (Xerxes), dia tonga almba be hiany 
ny tan ana. Taorian* ny nahafatesan' i Ale- 
ksandro Lehibe, dia nifindra ny mpitondra 
fanjakana ho tany Antiokia, ka dia naetry 
indray Babylona. Ary hatramin' izany dia 
tonga fangalan' ny olona biriky hanaovana 
tanana hafa Babylona. Ilay "tanana maka- 
diry," "tabiha ay reharehan' ny Kaldeana," 
dia efa tonga "korontam-bato" tokoa (Jer. 
li. 37).— J.b. 

BAHOBIMA : dia vohitra nalehan' i Da- 
vida tamin' izay nandosirany an' i Absaloma 
(2 Sam. xvi. 5). Ta6 amoron' ny lalambe 
mankany Jordana raha. miala any Jerosa- 
lema izy. Tao koa ny trano izay nalehan' 
i Jonatana sy Ahimaza tamin' izy nandositra 
ny mpanompon' i Absaloma sy niery tao 
amin' ny lavaka famorian-drano (2 Sam. 
xvii. 18) ; ary tao no nanaovan' i Paltiela 
veloma an' iMikala vadiny rehefa nalain' 
i Davida izy, izay efa nanambady azy taloha 
(2 Sam. iii. 16).— l.b. 

BAIBOLY (Eng. sy Fr. Bible) : dia ny 
anaran' ireo boky maro, izay avy amin' 
Andriamanitra ka milaza ny sitra-pony, ary 
atambatra ho boky iray. Ny teny hoe Bai- 
boly dia avy amin' ny teny Grika bibles, 
biblia, plor., ary 'boky' no heviny raha adika. 
Ny isan' ireo boky ireo dia 66, ary samy 
manana ny anarany avy ; ary rehefa voa- 
tambatraizy dia 'Baiboly' na 'Soratra Masi- 
na' no anarana ahafantarana azy. Ny boky 
39 hatramin' ny Genesisy ka hatramin' ny 
Malakia no atao hoe 'Testamenta Taloha,' 
na Fanekena Taloha, ary teny Hebreo no 
nanoratana azy rehetra. (Misy teny saaany 
anefa ao amin ny boky faramparany sasany 
amin' ny Test. Tal. izay tsy Hebreo, fa Ka- 
ldeana : dia Ezr. iv. 8 sy 18; Dan. ii. 4 — 
vii. 28; sy Jer. x. 11.) Ary ny boky 27 
farany no atao hoe 'Testamenta Vaovao,' na 
Fanekena Vaovao, ary voasoratra amin' ny 
teny Grika kosa izy. Tsy hita ny f anaovam- 
porinta tamin' ny andro nanoratana ny Ba- 
iboly ; ary na dia efa mahay aza ny olona 
tamin' ny andro nanoratana ny Apokalypsy, 
sady vitsy no saro-bidy ny taratasy, fa hodi- 
tra, nahazofisaka, naravin-kazo, na vato aza, 
eto. no nanoratan' ny olona ny heviny [sora- 
tanana]. Tamin' ny taona a.d. 400 mahery 
kely no nisehoan' ny teny hoe Baiboly, fa 
talohan' izany kosa, 'Soratra Masina' mba- 
min' ny teny hafa koa no anarana nahafan- 
tarana ny Tenin' Andriamanitra. 

(1) Ny Testamenta Taloha na Fanekena Ta~ 
loha. Ny hoe 'Fanekena Taloha' no teny 
nentin' i Paoly hilaza ny boky hatramin' ny 
Genesisy ka hatramin' ny Malakia (2 Kor. 



TO BAI 

iii. 14), satria ny boky nosoratan* iMosesy 
sy ny mpaminany milaza ny fanekena nati- 
on' Andriamanitra tamin ny Jiosy. Airy 
indray, misy teny milaza ny 'Bokin' ny fa- 
nekena' ao amin' ny Eksodosy xxiv. 7. 
Talohan' ny nisehoan' ny hoe 'Baiboly', dia 
izao no anarana nahafantaran' ny Fiangona- 
na ny boky maro atao hoe Fanekena 
Taloha: "ny Soratra" (Mat. zxi. 42 ; 2 Pet. 
i. 20) ; "ny Soratra Masina" (Rom. i. 2 ; 
2 Tim. iii. 15) ; "ny Lalana" (Jao. xii 34), 
ary "ny Litera masina." Ary ny Jiosy 
nilaza azy ho "Lalan' i Mosesy sy ny Mpa- 
minany ary ny Salamo" (Lio. xxiv. 44) ; 
"ny Lalana sy ny Mpaminany" (Mat. v. 
17) ; "ny Bokin' (ploraly) ny Fanekena" 
(2 Mpan. xxiii. 2). Ny amin' ny isan' ny 
bokin' ny Baiboly sy ny filaharany, zahao 
ny pejy voalohany ao amin' ny Baiboly ; ary 
ny amin' izay nanoratra azy avy, zahao ny 
anaran' isam-boky tsirairay ao amin' ity 
Diksionary ity. Tamin' ny andron' i Nebo- 
kadnezara voadotra tao amin' ny Tempoly 
Voalohany ny ankabiazan' ny boky amin' 
ny Testamenta Taloha ; fa Ezra sy Nehernia 
sy Hagay sy Zakaria ary Malakia, hono, no 
nanoratra azy indray avy tamin' ny kopy 
tsy very, ary ny boky nosoratan' ny tenany 
avy no nampiany koa, ka dia tapitra tamin' 
izay ny Testamenta Taloha. 

(2) Ny Testamenta Vaovao, na Faneken* 
Vaovao; zahao Heb. viii. 6-13; x. 1. Tsy 
misy teny ao amin' ny Test. Vao. milaza ny 
fitambaran' ny boky rehetra hatramin' ny 
Matio ka hatramin' ny Apokalypsy ho boky 
iray ; fa maro ny teny nosoratan' ny Aposto- 
ly mananatra ny fiangonana mba handray 
sy hamaky ny taratasy na Epistily nosora- 
tany ho tenin' Andriamanitra ; vakio 1 Kor. 
iv. 1 ; Kol. iv. 16 ; 1 Tes. v. 27 ; 2Tes. iii. 
14 ; 1 Tim. vi. 14 ; Apok. xxii. 18, 19 ; etc. 
Fa ny amin' ny nanambarana ny boky re- 
hetra ao amin' ny Tes. Vao. ho boky iray, sy 
ny naneken' ny fiangonana rehetra azy ho 
Soratra Masina, zahao kjlnona. 

Ny Baiboly milaza ny sitra-pon' Andria- 
manitra ary "mampahahendry antsika ho 
amin' ny famonjena amin' ny finoana izay 
ao amin' iKristy Jesosy;" ary tsotra sy 
mora f antatra ny teny ao aminy milaza izay 
fototry ny famonjena ny olombelona. Koa 
tsy mety raha ny teny sasany hiany no vaki- 
na sy heverina, fa ny boky rehetra amin' ny 
Baiboly tokony hodinihina, araka ny didin' 
ny Tompo hoe : "Diniho ny Soratra Masi- 
na" (Jao. v. 39 ; zahao koa Isa. viii. 20 ; 
2 Tim. iii. 15-17).— t.b. 

BAIBOLT MALAGASY. Ny dikan' ny 
Soratra Masina ho teny Malagasy dia vi- 
tan' ny misionarin' ny London Missionjiry 
Society voalohany indrindra tokony ho enim- 
polo taona mahery izay, dia Rev. David 
J ones ( Jaonjy lava), izay tonga taty Antana- 
narivo, tamin' ny Okt. 4, 1820, ary Rev. 
David Griffiths (Grifisy), izay tonga tamin' ny 



Digitized by 



Google 



BAI 71 

May 15) 1821. Ary izy roa lahy ireo dia 
mpttari-d&lana ka nanomboka ny asa mbola 
tmptndrcwointaika ambaraka ankehitrinv. 
Xiadyfo nianatra teny Malagasy izy sady 
nazoto nanorina sekoly sy nampianatra. Ary 
nony efa nahaihay izy dia nandroso na- 
ndika ny Baiboly ho teny Malagasy. Ny 'roa 
amtrin' ny folo lahy,' izay lohandohan' ny 
mpampianatra, dia nisy nanampy azy tsara 
tamin izany raharaha lehibe izany . Tamin' 
ny Jan. 1, 1827, dia nisy santatra kely 
natao porinta ; ary izao no teny nosoratany 
nilazsazy: "Ny andro voalohany (Jan. 1) 
amin' ity taona lty (hoy izy) dia nolaninay 
nanfaiana sy nanaovana porinta ny toko 
Toalohany arain' ny Filazantsaran' iLioka, 
b tianay hohamasinin' izany raharaha iza- 
uyity taom-baovao hanaovanay ny asanay 
miaonary ity, mba hampiboiboika ny loha- 
ranoa' aina amin' ity tany maina sy mazana 
ity. HieHely ho tonga hoatra ny ony arivo 
anie izy hampiova ity tany ity ho tanimbolin' 
iJehova." Izany ary no hevitra tao am- 
pon' ny mpiasa, ary nambinin' Andriama- 
nitra ny asany, ka nony tamin' ny volana 
Martsa, tamin ny 1830, dia vita porinta ny 
Testamenta Vaovao, ka telo arivo no naeliely 
tamin' ny olona. 

Ary nony efa vita ny Testamenta Vaovao, 
dia mbola niasa fatratra hiany ny Misionary 
haaapitra ny Testamenta Taloha. Lasa 
nody tamin' ny taona 1830 Key. D. Jones; 
fa nisy roa lahy kosa tonga taoriandriana ka 
niara-niasa tamin -d Rev. D. Griffiths, dia 
Rev. David Johns (Jaonjy fohy izany), to- 
nga tamin' ny Sep. 1826, sy Rev. J. J. 
Freeman, tonga tamin' ny Sep. 1827. Niara- 
niaaa tsara izy telo lahy ireo ka nif anatona 
Datetika, dia mbola nampandrosoiny ny 
oanaovany ny porinta ny Testamenta Talo- 
ha. Kanef a nony efa nadiva ho vita izany, 
dia nisy zavatra nampalahelo loatra. Tamin' 
ny Mar. 1, 1835, dia nisy kabarin' Andriana 
lehibe tany Imahamasina nisakana ny olona 
toy hivavaka intsony. Mbola tsy tapitra 
»kory ny nandikana ny Baiboly, nefa, indro, 
nisy fisakanana sy f anenjehana sahady . Vao 
roainka nitombo aza tamin' izany ny fani- 
n&n' ny misionary hahavita ny Baiboly. 
Pantany fa tsy hahazo hijanona ny tenany ; 
fanvtenin' Andriamanitra (dia ny Baiboly 
Tapitra) dia tiany hatolotra ny Kristiuna 
Malagasy, mba hisy hanoro saina azy sy 
bampahatanjaka ny finoany, rehefa lasa izy. 
Ary tontosa tsara ny ninny, ka tamin' ny 
volana Jona dia nisy vita ; ary na dia hovo- 
aoina aza izay hita mi tan a Baiboly, be hiany 
ny Malagasy sahy nandray ; ary ny Baiboly 
'0 gisa tsy voazara dia nalevina tao anatin' 
ny tany, ka rehefa lasa ny misionary, dia 
langalana miandalana ireny mandra-paha- 
liainy. 

Tsy azo lazaina loatra ny natao tanelane- 
wj' ny taona 1835 sy 1873 ; fa izao no toko- 
ny bodinihinareo, raha ta-hahalala izany : — 



BAI 

1. Ny Baiboly lehibe nahitsin-dRev. D. 
Griffiths (Londona, 1855—1865). 

2. Ny Filazant8:tra misy Fizahan-teny 
(Londona, 1870). 

3. Ny Filazantsara natao am-paragrafy 
(Antananarivo, 1873). 

Ny raharahan' ny Komity voatendry ha- 
nitsy ny Baiboly dia niantomboka tamin' ny 
volana Desembra, 1873, ary ny andro naha- 
vitany ny asany dia tamin' ny Aprily 30, 
1887. Ary tamin' ny Alatsinainy, 2 May, 
dia nisy fivoriana lehibe sady raabafin antra 
tao an-Trano vato ao Ambonin* Ampamari- 
nana hisaorana an' Andriamanitra noho ny 
nahavitana ny raharaha. Tsy asa nataon' ny 
Sosiety iray izao, fa nikambanan' ny Sosiety 
Protestanta rehetra aty an-kibon' Imerina ; 
ary tsy nankinina tamin' ny Vazaha hiany, 
fa be Koa ny Malagasy nanampy anay ; ny 
anaran' ny nanao dia voalaza tsara eo amin' 
ny Tantarari ny Fiangonana eto Madagaskara ; 
vakio pp. 74-79; 167, 168 ; 418-440. 

Ary tiako holazaina fohifohy izao ny 
anton' ny nandanianay taona maro tahaka 
izany sy ny nahafoizan' ny Sosiety mampiely 
Baiboly vola be nanaovana izany raharaha 
izany. 

Misy ny sasany angaha ta-hanon tany hoe : 
Nahoana no tsy nijanona amin' ny vitan' ny 
misionary taloha isika? Moa tsy efa hita 
tsara va ny herin' ny Tenin' Andriamanitra 
tamin' ny naharetan' ny maritiora, sy tamin* 
ny nandoroana ny sampy, ary tamin' ny 
mtomboan' ny fiangonana P Fanontaniana 
mety hovaliana izany ; ary aoka ho fantatry 
ny mamaky ity fa tsy funomezan-tsiny ny 
tany aloha no nikambananay nanamboatra 
sy nanitsy ny dikan' ny Baiboly. Tsangam- 
bato mafaza ho an' ny misionary nialoha 
anay ny Baiboly voadikany ; kanef a tsy nety 
afa-po izahay, fa niasa fatratra indray ni- 
tady hanatsaratsara sy hanazavazava kokoa 
ny efa vitany. Ary holazaina etoana ny 
mahamety izany. 

(1) Zavatra iarahn-mahita, raha ny tanta- 
ran' ny fiangonana any amin' ny tany samy 
hafa no dinihina, fa tsy vitan' ny olona 
indray mihira ny mahatanteraka tsara ny 
dikan' ny Baiboly. Ny Baiboly Latina 
famakin' ny KatolDta Romana ( VolgataS dia 
nadikan' i Jeroma tamin' ny sentory falicfa- 
tra (vita a. d. 404). Kanofa nisy Baiboly 
Latina tokony ho roan-jato taona mahery 
talohan' izany aza, ka ny hanazava sy 
h an a tsara izany no nikatrohan' i Jeroma. 
Ary toy izany koa ny Baiboly Englisy. Ma- 
ro no niasa nandika ny B.iiboly ho fiteni- 
nay, vao vita tsara ilay efa nahazatra ny 
Englisy rehetra hatramin' ny taona 1611 no 
ho mankaty. Ary tokony ho rcnareo hiany 
fa, na dia tsara sady teny ankamamin' ny 
Englisy eran' ny tany rehetra aza io Baiboly 
io, mbola nisy niasa indray vao haingana 
hanitsy azv, ka ny Testamenta Vaovao dia 
vita tamin' ny taona 1881, ary ny Testame- 



Digitized by 



Google 



BAK 

nta Taloha tamin' 117 taona 1885 (vakio 
Teny Soa 1882, p. 22). Dia hitantaika amin' 
izany fa tsy ny Baiboly Malagasy hiany no 
nabitsy, fa ny an' ny fironona sasany koa. 

(2) Ny zavatra anankiray izay mahamety 
ny nanitsiana ny dikan' ny Baiboly dia ny 
fitomboan' ny fahaialan' ny olona. Tsy mi- 
ianona amin' ny efa fantatry ny razana isi- 
ka, fa miampiampy isan-taranaka ny faha- 
lalana. Ary azo lazaina marina fa niampy 
betsaka ny fahalalana ny Soratra Masina 
tato aorian' ny taona 1835. Nandroso avo- 
koa na ny f ahaizana teny Hebreo sy Grika, 
na ny fahalalana ny tootry ny tany lazain' 
ny Baiboly mbaiuin' ny tantarany sy ny 
fomban' ny olona; ary t9y azo lavina, fa 
na dia mbola be aza ny teny maizina sy 
manahirana hita ao amm' ny Baiboly, dia 
mabazo fahalalana izay mampahazava azy 
kokoa noho ny hitan' ny tany aloha isika. 

(3) Misy zavatra anankiray koa tokony 
hotsarovantsika : Miova miandalana ny fite- 
nin' ny firenena rehetra ; ka ny teny naha- 
zatra ny tany aloha dia tsy fanao loatra ato 
aoriana. Saiky tahaka ny lamody arahin' 
ny olona amin' ny fitafiany ny fiovan' ny 
fiteniny. Ary noho izany dia tsy maintsy 
hamboarina sy hahitsy indraindray ny dikan' 
ny teny sasany mba hazava tsara amin* ny 
olona. 

(4) Ary tokony hosaintsaininareo koa fa 
vahiny no nandika ny Baiboly ho teny Ma- 
lagasy, fa tsy tompon-tany. Ary hitanareo 
fa, na dia ny Vazaha efa za-tany aza, mba 
mety miroky hiany ny fiteniny indraindray. 
Ny nahatonga ny teny maro ho raaizimaizina 
tamin' ny Baiboly taloha dia avy tamin' 
izany ; ary ataoko fa mbola misy zavatra 
maro azo hogasina kokoa rahatrizay. Kanef a 
tamin' ity farany ity dia Malagasy sady 
mahay no mahatoky no niara-niasa taminay, 
koa izany no nampahazava sy nahatsotra ny 
teny maro. 

Izany ary no fotopototry ny tokony hotsa- 
rovana, raha mandray ny Baiboly Voahitsy. 
Hitanareo amin' ny pejy voalohany fa ny 
teny Hebreo sy Grika no narahinay ; fa na 
dia malaza aza ny Baiboly Englisy sy ny 
Baiboly Latina, tsy ireny tsy akory no na- 
taon' ny Mpaminany sy ny Apostoly, etc. 
Ary raha dinihinareo koa ny pejy voalohany 
dia misy mahatsiaro ny mpiasa, dia ilay 
mifono braketra. Andriamanitra anie hita- 
hy ny asan' ny * 'Revision Committee. " 

Ary ny amin' ny zavatra maro hafa koa 
izay miendrika hodinihina sy tsarovana ny 
amin' ny Baiboly Malagasy, dia ilay vao 
voahitsy. Mba vakio ny teny milaza azy 
isam-bolana eo amin' ny Teny Soa, 1893. 

— W.E.C. 

BAKA : dia tany lemaka nalehan' ny olo- 
na raha niakatra teo amin' ny Tempoly mba 
hivavaka. Notsarovan' i Davida indrindra 
izany tamin' izy efa noroahina ka nanao ny 
Salamo lxxxiv. (and. 6.) Ataon' ny olona 



W BAL 

fa ao ambanin' ny tendrombohitr' i Ziona no 
misy izany tany lemaka izany. Ary mifa- 
naraka amin' izany koa ny teny voalazan' 
ny 2 Sam. v. 23 hoe "ny hazo- balsam a," fa 
izany, bono, no hevitry ny teny. — j.b. 

BALA, na BELA (Tompoko ; 1 Mpan. xviii. 
21 ; Isa. xlvi. I ; Hos. ii. 16) : dia lohan' 
ny andriamani-dahy nivavahan' ny firenena 
maro tamin' ny andro taloha. Tokony ho 
fanajana ny masoandro (2 Mpan. xxiii. 5) 
tamin' izay niantombohan' ny fonompoana 
an' i Bala ; tahaka ny fankalazana an' 
i Astarta dia fanajana ny volana tamin* 
ny niandohany [astarta] ; ary nakambana 
tany amin' ny tany sasany ny fanarahana 
ireto sampy roa ireto (Mpit. ii. 12, 13). 
Ny olona any Foinika dia nanao ny anaran' 
i Bala hoe Bala-samen, izany hoe 'Tompon' 
ny lanitra.* Ary sampy ela dia ela ity, 
fa notompoin' ny Kananita izy raha mbola 
tsy tonga tany Kanana ny Zanak' Isiraely 
(Nora, xxii. 41), sady tonga hatrany amin' 
ny tany maro mifanalavitra. Any amin' 
ny fitoerana sasany an' i Britania Lehibe dia 
mbola hita ambarak' izao ny fitoerana avo 
nanaovana ny afo fandoroana ho an' i Bala 
fahiny ; ary ny fomba sasany mbola tan an' 
ny olona adalaaala 10, araka ny lovan-tsofina, 
dia avy tamin' ny fanarahana an' i Bala tany 
aloha ela dia ela. Misy havoana anankiray 
any Skotianda izay atao hoe 'Tilliefo/tane* ny 
anarany, izany hoe, raha adika, 'Tendrombo- 
hitry ny af on' i Bala. ' Ary tany Irelanda nisy 
andro fifaliana isan-taona tamin' ny 1 May, 
izaynataony hoe Bcltein ('Afon' i Bala'), dia 
andro nameloman' ny vahoaka afo tany an- 
tampon' ny tendrombohitra rehetra raha vao 
maraina koa ny andro, ka nampandehaniny 
ny ombiny mba hitety ny afo ; ary izany, 
hono, nataony ho ody fanefitra ny aretina 
amin' izany taona izany. 

Maro samy hafa ny anaran' ity sampy 
malaza ity, man araka ny tan ana, na tendro- 
mbohitra, na fitoerana hafa izay nisy ny 
sariny na ny tempoliny, dia toy izao: Bala- 
sidona no anarany tany Sidona, ary Bala- 
peora tao amin' ny tany Moaba, satria tao 
amin' ny tendrombohitr' i Peora nisy tempo- 
lin' iBala. Ireo anarany samy hafa ireo 
raha atambatra dia natao hoe *Balima' (Heb., 
"ireo Bala" ao amin' ny Baiboly Vbahitay, 
zahao Mpit. ii. 11 ; 1 Mpan. xviii. 18 ; Hos. 
ii. 15, 19), izay anarana ploraly milaza azy 
rehetra. 

Ny Jiosy dia voaloton' ny fanarahana an' 
i Bala, raha mbola nirenireny tany an-efltra 
tao atsimo-atainanan' i Kanana izy (Nom. 
xxv. 2, 3 ; Deo. iv. 3) ; ary na dia nam pi - 
jalin' i Jehova mafy aza ny Zanak' Isiraely 
tamin' izay, dia mbola naverin' ny zanany 
nandimby azy indray izany rehefa tonga 
tany Kanana izy (Mpit. ii. 10-13). Koa 
raha tsy tamin' ny andro nitsaran' i Gideona 
ny Isiraely (Mpit. vi.— -viii.), dia naharitra 
sady nahery tamin' ny Jiosy izany fanompo- 



Digitized by 



Google 



BAL 

any an' i Balima izany ambara-pihavin' 
iSamoela, izay nampandrava azy rehetra. 
Nihetsika in dray ity fomba ratsy ity tamin' 
ny andron* ny fahadalan' i Solomona ; ary 
nony otnby tamin' izay nanjakan' i Jezebela 
tao amin' ny Iairaely, dia saiky tsy nisy na- 
hafcsiaro an* Andriamanitra intaony (1 Mpan. 
xii. 18). Ary na dia noravan' ny mpanjaka 
sasany aza ny Balima tamin' ny andro taori- 
andriana (2 Mpan. iii. 2 ; x. 28), tea tsy nety 
sitrana izany aretim-panahy izany, fa nitra- 
ngaindray ka naharitra mandra-pahatapitry 
ny fanjakan' ny Isiraely (2 Mpan. xvii. 16). 
Ary ny fanjakana atsimo (Joda) dia mba 
sahalahala toetra tamin' ny Isiraely hiauy 
amin' ny fanompoany ity aarapy Bala ity 
(2 Mpan. viii. 27 ; xi. 18 ; xvi. 3 ; xxi. 3 ; 
2 Tant. xxviii. 2). 

Ny amin' ny fomba fanao tamin' ny 
ftrarahana amin' i Bala, dia nisy alitarany 
sy tempoliny, ary ny aariny dia natsangana 
tany amin 1 ny fitoerana avo, na havoana, 
na tampon -trano aza (1 Mpan. xvi. 32 ; 
2 Mpan. iii. 2; Jer. xix. 5; xxxii. 29). 
Maro aady samy haf a karazana ny mpisorony 
sy ny mpaminaniny (2 Mpan. x. 19) ; ary nv 
zavatra naterina tany aminy dia zava-mam- 
pofona hodorana (2 Mpan. xxiii. 5) sy omby 
(1 Mpan. xviii. 26) ; ary ny zazakely, zanaky 
ny rapivavaka taminy aza, dia nodoran' afo 
too ambonin' ny alitarany (Jer. xix. 5). 

2. Bala-berita (Tompon ny fanehena) : dia 
ilay sarin* i Bala izay notompoin' ny Zanak' 
Isiraely tany Sekema, rehefa maty Gideona 
mpitaara (Mpit. viii. 33; ix. 4, 46). 

3. Bala-peora : zahao bjlla : zavatra nisy 
filan-dratsy sy fahalotoana be loatra ny 
fombam-panajana ity aampin' i Bala tany 
Moaba ity; zahao Nom. xxv. "Ireny dia 
tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho 
amin' ilay mampahamenatra" (Hos. ix. 10). 
Ary ny firenena Midianita koa, nampian' 
ny Moabita, dia nanaraka ity aampy ratsy 
ity (Norn. xxxi. 15, 16). 

4. Bala-ieboba, na Belzeboba {Tampon 1 ny 
UJitrm ; Mat. x. 2d) : dia ilay aampin' i Bala 
tao Ekrona, izay nataon' ny olona ho mahay 
manaaitrana are tin a (2 Mpan. i. 3). Ao amin' 
ny filazantaara Grika dia atao hoe Belzebofc, 
— Tornpon -tany, na Tampon- trano (fa samy 
izy hi any) — ny sipelin' ny anarany; zahao 
Mat. xii. 23, 44. Koa dia mba fanevatevan' 
ny Jiosy azy izany angaha, raha ny voalo- 
hany no izy ; fa raha tompon -trano kosa no 
beviny, dia ny demoniaka izay nidiran' ny 
fanahy ratsy tamin' ny andron' iKristy no 
heverma angaha. Sampy nalaza sady takai- 
kin' ny tanin' ny Jiosy ity, koa izany no 
nanaorany an' i Satana, lohan' ny demonia, 
hoe 'Belzeboba' (Mat. xii. 24, 27 ; Lio. xi. 
Id). Ary raha tahaka ny teny sasany ao amin' 
ny Soratra Masina, dia demonia na devoly ny 
sampy rehetra ; vakio Deo. xxxii. 17 ; 2 Tant. 
xi. 15; Sal. cvi. 37; 1 Kor. x. 20; ary 
zahao demonia. — w.x. 



TS BAL 

BALA (tanana). Amin' ny Soratra Masi- 
na hitantsika matetika ity anarana ity mitohy 
amin' ny anarana hafa, ka dia natao ana- 
ram-bobitra izj*. Nefa ny anton' izany dia 
tay hita loatra. Raha toy ny hevitry ny 
sasany, ny fanajan' ny olona ny sampy atao 
hoe Bala no nahatonga izany ; dia tokony 
ho tsy anarana avy tamin' ny Zanak' iMraely 
izany anarana izany, fa avy tamin' ny 
tompon -tany hatry ny faha^ola. Fa ny 
sasany kosa mihevitra fa m\\\\/Mjitocra»<t, na 
izay mi*y % izay zavatra lazain' ny vaki-teny 
manaraka azy. Ary misy izay manamarina 
izany hevitra izany, fa ny hoc On fa ay beth 
(trano, na izay mi*y) dia samy nnaran' ny 
tanana sasany, fa Bala-sulisa ay Bala-tamara 
no natao hoe koa /frta-saliaa sy /frto-tamara. 
Ny tany amam-bohitra miay anarana tahaka 
izany dia izao : 

1. Bala: dia ana ran' ny tanana ananki- 
ray voalazan' ny I Tant. iv. 33. Toa-iray 
hiany izany tanana izany ay Baleta-bera 
(Jos. xix. 8). 

2. Bala(h): (a) dia anarana hafa naha- 
fantaran' ny olona an' i Kiriata-jearima na 
Kiriata-bala. Hitantsika ity amin' ny Jos. 
xv. 9, 10; I Tant. xiii. 6. Amin' ny Jos. 
xiii. 6 dia atao hoe: "Ny tendrombohitr' 
i Bala" izy, ary amin' ny toko xv. 60 sy 
xviii. 14, Kiriata-bala. Balah dia tokony 
ho anarana avy tamin' ny Kananita teo 
aloha ; zahao koa 2 Sam. vi. 2. (b) Anaran' 
ny tanana anankiray amin' ny zara-tanin' ny 
Simeona, akaikin' ny sisin-tany any atsimo ; 
Jos. xv. 29 ; xix. 3 ; 1 Tant. iv. 29. 

[3. Bala-gada: dia tanana teo "amin' ny 
lohasahan' i Libanona am-bodin' ny tendro- 
mbohitra Hermona" (Jos. xi. 17 ; xii. 7). 
Ny bokin' i Josoa no ahafantarantsika fa izany 
no isan' ny fizaran-tany tany Kanana izay 
mbola tsy lasan' ny Zanak' Isiraely tamin' 
ny nahafatesan' i Josoa, dia "ny Libanona 
rehetra any atsinanana hatran' i Bala-gada, 
eo am-bodin' ny tendrombohitra Hermona, 
ka hatrany akaikin' iHamata" (Jos. xiii. 5). 
Ka dia ataon' ny olon-kendry maro fa Bala- 
gada dia sahala amin' ilay tanana nataon' ny 
Grika hoe Heliopolisy, izay hoe, 'Tananan' 
ny masoandro,' satria teo nisy tempoly niva- 
vahan' ny olona tamin' ny masoandro ; fa 
Balbek no anarana nomen' ny tompon-tany 
azy mandraka andro any. Maro ny andry 
vato sy ny rindrin-trano vato mbola hita any 
Balbek, ary ireo dia ny sisa tay rava tamin' ny 
tempolin' ny masoandro. Fa ny sasany anefa 
manao hoe fa Bala-gada dia sahala amin' 
ny tanana hafa atao hoe Bania.% izay ao 
amin' ny loharano iandohan' i Jordana. — 

J.8.] 

4. Bala-hamona: dia anaran -tany nisy 
tanim-boalobok' i Solomona, izay naha- 
vokatra be (Ton-K. viii. 11). 

5. Bala-hazora : dia izay niandrasana ny 
ondrin' iAbsaloma; ary tao koa no namo- 
noany an' i Amnona zokiny (2 Sam. xiii. 23). 



Digitized by 



Google 



BAL 



74 



BAL 



6. Bala-hermona : dia anarana hafa naha- 
fantataran' ny sasany ny tendrombohitra 
atao hoe Hermona (Mpit. iii. 3 ; 1 Tant. v. 
23). Ataon' ny sasany anefa fa anaran- 
tanana teo amin' ny tendrombohitra, na 
akaikiny ; ary raha toy ny hcvitry ny sasany 
indray, ity sy Bala-gada dia tanana iray 
hiany. 

7. Bala-meona: dia anaran' ny tan ana 
anankiray naorin' ny taranaky ny Robena 
(Noin. xxxii. 38 ; 1 Tant. v. 8). Tamin' ny 
andron' iEzekiela, dia nataony hoe "ra- 
vaky ny tany" ity tanana ity sy ny sasany 
nifanakaiky taminy (Ezek. xxv. 9) ; nefa 
iasan' ny Moabita izy tamin' izay. 

8. Bala-peraiima : izay nandresen' iDa- 
vida ny Filistina sy nandringanany ny 
sampiny (2 Sam. v. 20; 1 Tant. xiv. 11). 
Koa noho ny fahalalantsika ny anton' ny 
nanomezana ity anarana ity, dia vavolombe- 
lona tsy azo lavina izany fa ny hoe Bala 
dia tsy nilaza ny sampy hiany mandrakariva, 
fa indraindray milaza tompo, na izay misy, 
araka izay voalaza teo [bala] ; fa Bala- 
perazima raha adika dia milaza 'izay misy 
fandravana.' 

9. Bala-salisa: dia voalaza amin' ny 
2 Mpan. iv. 42 hiany io tanana na tany io ; 
angamba tsy lavitra an' i Gilgala izy. 

10. Bala-tamara: dia voalaza amin' ny 
Mpit. xx. 33 hiany. Tao akaiky any Gibea 
amin 1 ny zara-tanin' ny Benjamina izy ; ary 
tao no niadian' ny firenen' ny Benjamina sy 
ny firenena iraik' ambin' ny f olo. Ny * 'hazo- 
palman' iDebora" (Mpit. iv. 6) dia teo 
akaikiny angaha. 

11. Bala-zefona : dia anaran -tany any 
Egypta, tandrifin' izay nitan' ny Zanak' 
Isiraely ny Ranomasina Mena (Eks. xiv. 2, 
9 ; Nom. xxxiii. 7). — l.s. 

12. Baleta: dia anaran-tanana tao amin' 
ny anjara-tanin' ny Dana izany (Jos. xix. 
44), ary angamba sahala tamin' izay nataon' 
iSolomona indray teo aoriana (1 Mpan. ix. 
18). 

13. Baleta-bera: raha adika ho teny Ma- 
lagasy ity anarana ity, dia 'Fantsakana 
masina' no heviny. Ka anaran-tanana ana- 
nkiray tany amin' ny zara-tanin' ny Simeon a 
izy, tao akaikin' ny sisin-tany atsimo 
(1 Tant. iv. 33 ; Jos. xix. $). 

BALAKA (Foana) : zanak' i Zipora izy, ary 
mpanjakan' ny Moabita tamin' ny andro 
far am par an' ny nandehannn' ny Zanak' Isi- 
raely tany an-efitra. Balaka nanao faneke- 
na tamin' ny Midianita ka nananiby an' 
i Balama hanozona ny Isiraely ; fa foana ny 
fikasany, araka ny lazaina eo amin' ny Nom. 
xxii.— xxiv. Zahao koa Jos. xxiv. 9 ; Mpit. 
xi. 25 ; Mik. \i. 6 ; Apok. ii. 14. — e.h.s. 

BALAMA {Tompoii ny olona na, JFattdri- 
tiganana ny olona) : zanak' i Beora izy sady 
lehilahy nomena fahalalana haminany ny 
zavatra ho avy, na dia olona ratsy fanahy 
aza izy (Nom. xxii. 6) ; ary nohajain' ny 



Midianita sy ny firenena rehetra nanodidina. 
Nonina tao Petora, tanana any Mesopotamia, 
izy (Deo. xxiii. 4), ary nalain* i Balaka, 
mpanjakan' i Moaba, avy tany Arama ho 
any amin' ny tendrombohitra atainanana 
(Nom. xxiii. 7). Balama no lazaina ho isan' 
izay nitoetra teo amin' ny mpivavaka tamin' 
ny sampy, nefa nahalala ny Andriamanitra 
marina izy. Tamin' ny andron' i Balama 
ny Isiraelita nitoby teo amin' ny tany lema- 
k' i Moaba, ary rehefahitan' i Balaka, mpan- 
jakan' i Moaba, fa efa resin' ny Zanak' 
Isiraely ny Amorita, dia nanao fanekena 
tamin' ny Midianita hiaraka aminy izy mba 
hiady amin' ny Isiraelita ; dia naniraka 
olona tany amin i Balama izy haka azy sy 
hanatitra fanomezana. Ary rehefa ren' 
i Balama ny tenin' ireo loholon' ny Moaba 
sy ny Midiana mangataka azy hanozona ny 
Isiraelita, dia nisaJasala izy ny amin' ny 
mety hatao ka nampiandrano azy handry tao 
an-tanana, mba ho fantany amin' ny alina 
ny sitra-pon' Andriamanitra amin' izany. 
Fa tsy navelan' Andriamanitra handeba hia- 
raka amin' ireo iraka ireo izy, dia nolazain' 
i Balama izany taminy. 

Kanefa tsy kivy ny mpanjakan' i Moaba, 
koa naniraka andriandahy malaza kokoa no- 
ho ireo indray izy. Nanda indray i Balama, 
nefa nampiantrano azy koa handry tao an- 
tranony izy mba ho fantany izay holazain' 
Andriamanitra aminy indray. Ary satria 
fatra-pangataka izy ka tsy nanaiky ny tenin' 
Andriamanitra azony voalohany, dia nahazo 
izay nangatahiny izy, nefa tsy araka ny 
sitra-pon' iJehova. Dia nandeha izy niara- 
ka tamin' ny irak' i Balaka. Fa tezitra 
Andriamanitra noho ny ditra nataon' i Bala- 
ma, ka ny anjelin' ny Tompo nijanona tao 
an-dalana hisakana azy ; ary nony nampa- 
ndroso ny borikiny hiany izy sady nikapoka 
azy mafy (fa tsy hitan' i Balama ny an jely), 
ny boriky notaingenany aza no nampitene- 
mn' Andriamanitra, ka nanao feon' olona 
izy hananatra ny hadalan' i Balama sy ny 
ditrany (Nom. xxii.) Dia nihaona tamin' 
i Balaka sy ny loholony tao an-tampon- 
tendrombohitra izy, izay hahatazanany ny 
tobin' ny Zanak' Isiraely milahatra tsara 
teo ambaniny amin' ny tany lemak' i Moaba. 
Nikasa hanozona azy Balama hahazahoany 
vola aman-k arena avy tamin' i Balaka, fa 
Andriamanitra kosa nanery azy hilaza fita- 
hiana hiany sy ny handresen* ny Isiraely ny 
fahavalony, ary ny handringanana ny fire- 
nena izay hanohitra azy. Efatra ireo teny 
faminaniana nolazain' i Balama, ary xnaha- 
finaritra indrindra ny fanoharana sy ny 
haingon-teny nola/.ainy, nefa tsy sitra-pony 
nolazainy i?.any (Nom. xxiii., xxiv.). 

Ny fam})ianaran' i Balama dia lazaina ao 
amy ny Apok. ii. 14 ; ary misy izay mi- 
hevitra fa Balama hiany dia ilay Nikolasy 
mpampianatra ny Nikolaity, satria mitovito- 
vy ny hevitiy ny anarana roa, dia Balama 



Digitized by 



Google 



BAR 

■gr Nikolaoay [hzkolaittI. Na dia of a foana 
aza ny fikaaan iBalama nanozonany Zanak' 
Isiraely, dia nanome hevitra ny Moabita izy 
hitaxika azy hanota amin' ny fijangajanga- 
na. Ary izay avy tamin' izany no lazaina 
amin' ny Nom. xxv. Taorian' izany indray 
ny Zanak' Isiraely niady tamin 'ny Midiani- 
ta, ary Balama dia matin 1 ilay firenena noka- 
aainy hozonina (Nom. xxxi. 8). — e.h.b. 

BALBAlf A (Heb. Uori ; Eng. balm ; Gen. 
xxxvii. 25 ; xliii. 11 ; Jer. viii. 22 ; xlvi. 11 ; 
LL 8; Ezek. xxvii. 17): dia anaran-ditin- 
kaao manitra dia manitra sady saro-bidy, 
izay tian' ny olona maro tany Asia sy Pales - 
tins ary nataony ho fanafody tsara indrindra. 
Ny karazan' ny hazo nanalana azy misy 
fisalasalana kely, kanefa saiky fantatra ma- 
rina ho ditin-kazo nalaina tamin' ny hazo 
atao hoe BaUamodendron opobalsamum sy Bal- 
ta m o d tndron Gileadense. Sahirana ny olona 
hatr&min' ny ela hahalala izay hazo nana- 
lana azy, fa ankehitriny toa fantany fa avy 
amin' ireo hazo voalaza ireo ; fa misy ditin- 
kazo alaina avy amin' ireny ka amidy amiu' 
ny tsena maro any India sy Asia Atsimo sy 
Asia Andrefana ankehitriny. Araka izay 
hita ao amin 9 ireo teny voalaza eo ambony 
ireo, ny balsama dia natao fanafody izay mety 
mahasitrana ny aretina maro samy hafa, ary 
ny anarany ataony hoe Od-i-balessan. Izay 
rehetra fantatra ny amin' io zavatra io dia 
mifanaraka tsara amin' ny teny voasoratra 
amin' ny Baiboly milaza azy. Ny mpano- 
ratxa taratasy sasany teo aloha ef a nilaza fa 
teo Jodia hiany no naniriany tamin' ny 
voalohany, nefa fantatra tsara ankehitriny 
fa tany Arabia nonihaviany voalohany indri- 
ndra. Nisy tenin-drazana tamin' ny Ara- 
bo milaza fa ny mpanjakan' i Sheba, dia 
ilay voalaza amin' ny 1 Mpan. x. 1-13, no 
nitondra azy tao Palestina niaraka tamin' ny 
zavatra saro-bidy maro nentiny haterina any 
amin' i Solomona. Betsaka ny balsama na- 
niry tao Gileada sy tao Jeriko tato aoriana ; 
ary tao En-jedy sy tao amoron' ny Ranomasi- 
na Maty tokony ho efa nisy ala be hazo bal- 
t a mode ndron. Rehefa tonga firenena mahery 
ny Romana dia nahazo azy koa sady tiany 
indrindra, ka dia tonga fanaony ny mandoro 
azy teny an-dalambe, raha nihoby ny miara- 
mOa avy tany an-tafika ka namaky ny tanana 
tamin' ny andro firavoravoana, noho ny na- 
ndreaeny ny fahavalony ka tapitra ny ady. 

— R.T. 

BAHY : maro ny olona natao hoe Bany izay 
voalazan' ny Testamenta Taloha ; ary izao 
no teny milaza azy avy; 2 Sam. xxiii. 36; 
lTant. vi. 46; ix. 4; Ezr. ii. 10; x. 38; 
Neh. viii. 7 ; xi. 22.— j.s. 

BAB: teny Hebreo io, ary zanaka-lahy no 
heviny, raha adika ; nefa kosa, f anao amin' 
ny teny hira (poetry, dia ny Salamo, boky 
faminaniana, etc.) hiany izy ao amin' ny 
Testamenta Taloha, fa tsy amin' ny teny 
tootra toy ny tantara. Amin' ny teny Syria - 



W BAR 

ka anefa, io teny io dia mitovy f anao amin' 
ny teny Hebreo hoe fow=zanakalahiny ; koa 
tamin' ny andro aoriana, rehefa tonga fite- 
nin' ny Jiosy ny teny Syriaka dia fanao 
tamin' ny nanomezana anaran' olona ny hoe 
bar, toy izao: 2farjesosy= zanak' iJesosv; 
Bar} ona= zanak* iJona; ^arnabasy=zanaky 
ny fananarana. Koa ny hoe bar ao amin' 
ny Test. Vao. dia mitovy fanao sy hevitra 
amin' ny hoe ben amin' ny Test. Taf. [ben.] 
— J.8. 

BABABAST {Zanak 1 i Abasy) : dia lehilahy 
izay efa nohelohina ho faty noho ny fiodinana 
sy ny vonoan' olona nataony (Mar. xv. 7 ; 
Lio. xxiii. 25). Mpiodina izy ka miendrika 
hovonoina araka ny lalan' ny Romana, ary 
satria mpamono olona koa izy dia tokony 
ho novonoina araka ny lalan' ny Jiosy. 
Nefa kosa, fatratra ny fanirian' ny" loholon' 
ny Jiosy hamono an' iJesosy Tompo, ka 
mpamono olona aza tahaka an' i Barabasy 
no nofidiny halefan' iPilato mpanapaka, 
fa tsy **ny Masina sy ny Marina" (Mat. 
xxvii. 16-26; Mar. xv. 7-16; Lio. xxiii. 18- 
25 ; Jao. xviii. 40). Barabasy efa nanohitra 
ny fanjakan' ny Romana an-keriny, fa 
Jesosy tey nety nanao izany ary tsy namela 
ny vahoaka hanao Azy ho mpanjakany ; koa 
Baraba/y no tian' ny olona, fa Jesosy kosa no 
laviny ka nangatahiny hohomboana tamin' 
ny hazo-fijaliana. — j.s. 

BAEAKA (Helatra) : zanak' Abinoama 
tany Kedesy izy, ary isan' ny Mpiteara izay 
nanapaka ny Zanak' Isiraely fony tsy nana- 
mpanjaka izy, ary nahafaka ny Zanak' 
Isiraely tamin' ny Kananita fahavalony izy. 
Debora mpaminanivavy no namporisika azy 
hitarika ny Zanak' Isiraely hiady sady 
niaraka taminy koa. Olona iray alina no 
nentin' i Baraka teo amin' ny tendrombohi- 
tra Tabora, izay tsy azon' ny kalesy vin' ny 
Kananita hiakarana, ka nitoby teo izy. 
Tokony ho nisy tafio-drivotra sy kotrokorana 
mafy namely ny Kananita (Mpit. v. 20) ; 
ary tamin' izany dia nasian' i Baraka mafy 
koa izy, ka resiny avokoa ; ary Sisera, mpi- 
fehy ny miaramilan' i Jabina mpanjakan' ny 
Kananita, dia matin' i Jaela ; ka dia nandry 
efa-polo taona ny tany (Mpit. iv. ; v.). Zahao 

DEBORA Sy JAELA. — J.W. 

BARBARIANA (Gr. barbaros; Eng. barba- 
riana) : dia teny nalaina tamin' ny teny 
Grika sady nentin' ny Grika hilaza ny firenena 
hafa rehetra; fa hoy ny fiteniny: "Izay 
tsy Grika dia barbariana." Izany koa no 
hevitr' i Paoly Apostoly tamin' izy nanoratra 
hoe : "Ananan' ny Grika sy ny firenena hafa 
rehetra (Gr. 'barbariana') trosa aho" (Rom. 
i. 14). Eo amin' ny 1 Kor. xiv. 11, n adika 
hoe "vaka" ny hoe barbaros amin' ny Test. 
Grika ary milaza teny tsy fantatra; fa 
amin' ny Kol. iii. 11 kosa, ny hoe 'barba- 
riana' toa milaza ny firenena notapahin' ny 
fanjakana Romana izay tsy niteny Grika ; 
ary ny hoe 'Skytiana' dia ny firenena sasany 



Digitized by 



Google 



BAR 

izay tsy nanaiky ny mpanjakan* iRoma. 
Eo amin* ny Ana. xxviii. 2, ny mponina tany 
Melita, izay nahavakian' ny sambo nitondra 
any Paoly nankany Roma, no atao hoe 
'barbariana' ("tompon-tany" anefa ao amin* 
ny Baiboly voahitsy), satria avy tany Kar- 
tago any Afrika izy, ka tsy nitovy ny 
fitoniny, na tamin' ny Grika, na tamin* ny 
Romana. Na dia toa anarana eso aza ny 
niandohan' ity teny, fa toa inihiza teny miro- 
kiroky sy mivakavaka, satria tsy fantatra, 
teo aoriana dia tonga anarana nekena ho tsy 
mahamenatra izv ; fa teny nentin' ny mpa- 
noratrn Jiosy hilaza ny Jiosy, ary ny Romana 
koa nanaiky ny teniny ho isan' ny barba- 
riana. Tamin' ny Egyptiana tany aloha 
nisy tony mitovy hevitra amin' ity ; ary ny 
olon-Tsina (China) koa ankehitriny, hono, 
miantso ny firenena any Eoropa hoe 'barba- 
riana.'- J. s. 

BAR-JE80SY : zahao elyma. 

BAR- JON A (ZanaV i Jona) : anaran' i Pe- 
tera Apostoly izany ka railaza ny firazanany 
(Mat. xvi. 17). [petera.] 

BARNABASY [Zanaky ny fananarana) : dia 
anarana nomou' ny Apostoly an* i Josef a, 
izay lehilahy avy tamin' ny taranak' i Levy, 
nefa tany Kyprosy no nahaterahany (Asa. 
iv. 36). Ary muy zavatra dimy no aha- 
fantarana azy eo amin' ny filazantsara : — 
(1). Vetivety taorian' ny andro nidinan' ny 
JFanahy Masina, raha "niray fo syfanahyny 
olona rehetra izay nino, ary tsy nisy nanono- 
na ny fananany ho azy na dia iray aza," dia 
voalaza fa namidin' i Barnabasy ny sahany, 
ary nentiny ny vola vidiny hakambana 
amin' ny volan' ny fiangonana hiveloman' 
ny mino rehetra. Tokony ho be angaha 
ny vidin' ny azy, na nisy toe-panahy teara 
niseho tamin* ny nanaterany izany, ka noho 
izany dia voalaza mazava ny nataony. (2) 
Raha avy tany Damaskosy Paoly, dia 
"nitady hiray tamin' ny mpianatra izy," 
nefa natahotra azy ny mpianatra, ka sahi- 
rana tokoa Paoly tamin' izay fa tsy nisy 
tamin' ny Apostoly nanaiky azy ho Kristiana, 
fa ny fanenjehana nataony teo aloha no 
notsarovany indrindra. Ary raha mbola toy 
izany no toeny, dia avy amin' i Barnabasy 
no nahazoan' i Paoly fikambanana tamin' ny 
Apostoly ; ary angainba efa nifankahita 
rahateo izy roa lahy. (3) Tamin' ny niele- 
zan' ny filazantsara ho ren' ny olona tao 
Antiokia, noho ny teny notorin' ny sasany 
"avy tany Kyprosy sy Kyrcna" (Asa. xi. 
19-26), dia hitan' ny Apostoly tao Jerosa- 
lema fa Barnabasy no nety halefa hamangy 
•ny olona tao Antiokia hampianatra azy amin' 
izay mety hatao amin' ny fitondrana ny 
fiangonana. Ary toy mba niasa foana izy 
tsy akory, fa "maro be ny olona nanaxnpy ho 
an' ny Tompo." Ary tsy izany hiany koa, fa 
hi tany fa tsy zavatra mora hatao ny mitondra 
ny fiangonana tao Antiokia, eady fantany 
izay lehilahy mety ho namany; koa lasa 



» BAR 

nankany Tarsosy izy hitady 



an' iSaoly; 
tokony "ho tamin* ny taona a.d. 44 izany. 
Dia niara-nksa izy roa lahy tamin' ny 
nitondrana ny fiangonana tao Ajitiolria. Ary 
vetivety dia nirahiu' ny fiangonana hitondra 
fiantrana ho any amm' ny Kristiana tao 
.Todia izy roa lahy (Asa. xi. 30). Ary raha 
tafaverina tamin' izany izy dia niaraka 
tamin' i Paoly Barnabasy tamin' ny Diany 
Voalohany hitory ny filazantsara (a.d. 48, 
49), nefa ny nosy atao hoe Kyprosy sy ny 
tany Asia Minora hiany no noteteziny tamin* 
izay. Ary taorian' izany indray dia iraky 
ny fiangonana tao Antiokia izy ho any Jero- 
salema, haka hevitra amin' ny Apostoly ny 
amin' izay tenin' ny sasany milaza fa *'raha 
tsy forana araka ny fanaon' iMosesy" ny 
Jentilisa izay nino, "dia tsy azo vonjena 
izy" (Asa. xv. 1-35). Ary tamin' izav dia 
noteudren' ny namany izy ho Apostoly ho 
any amin' ny tsi-voafora, ka dia niverina 
tany Antiokia izy. (4) Ary tsy mba ela 
taorian' izany (a.d. 51) Paoly dia nihevitra 
ny amin' ny halehany indray hitory ny 
filazantsara, sady tiany koa raha Barnabasy 
no ho namany. Kan jo nisy izay nampisa- 
raka azy roa lahy; fa tian' i Barnabasy 
hitondra an* Uaona Marka, izay zanak' 
anabaviny, hiaraka aminy ; fa tsy mba tian' 
i Paoly kosa izany noho ilay nilaozany azy 
raha tany Perga tamin* ny Fandehanany 
Voalohany. Mafy tokoa izany fifandirana 
izany, ka tsy hitany intsony izay hifanara- 
hany, koa nisaraka izy ; dia samy nandeha 
tamin* ny nalehany avy izy roa lahy. Ary 
nankany Kyprosy Barnabasy sy Marka 
(Asa. xv. 36-39), ary tsy hita intsony izay 
tantarany taorian' izany. (5) Anefa kosa 
miseho indray ny anarany eo amin* ny Teat. 
Vao., fa voalaza fa tany Antiokia koa izy 
tamin' ny andro raha saiky nihemotra kely 
Petera, "satria natahotra ny momba ny 
famorana izy" ka toa tsy nety niara- 
nihinana tamin' ny Jentilisa (Gal. ii. 11-14). 
■Ary Barnabasy koa dia toa nila ho diao 
hevitra tamin' izany, ary mafy ny nanana- 
ran' i Paoly an' i Petera noho ny nihemorany 
toy izany. 

Tsy fantatra akory ny niafaran' i Barna- 
basy, sady tsy mif an araka ny lovan-tsofin' 
ny Jiosy milaza azy. Misy hiany milaza fa 
nankany Milana any Italy izy ka tonga 
mpitandrina ny fiangonana tao. Misy koa 
Epistily anankaray, voazara ho toko iraika 
amby roa-polo, izay nosoratan' i Barnabasy, 
hono; kanefa ankehitriny kosa tsy misy 
manaiky azy ho nanoratra izany, fa ataon* 
ny olon-kendry fa tamin' ny sentory faharoa 
no vao nosoratany izy. — h.b.o. 

BAROKA (Sambatra) : dia lehilahy avo 
razana, zanak' i Nona ary rahalahin-tSeraia, 
izay tandapa sy "andriandahy malemy fana- 
hy*' tamin' ny andron' iZedekia, mpanja- 
kan' nv Joda. Baroka dia lehilahy be saina 
sy be iahalalana, hoy ny tantaran' ny Jiosy, 



Digitized by 



Google 



BAR 

ndy sakaiza tsy mahafoy sy mpanoratra 
ho an' i Jeremia mpaminany. Nenjehin' ny 
lefaibe sy Joiakima mpanjaka izy tamin' ilay 
izy nanoratra voalohany ny tenin' i Jehova 
voalazan' i Jeremia ; nefa tsy azony, fa "na- 
fcnin* i Jehova izy." (Jer. xxxvi.) Rehefa 
totura Nebokadnezara, mpanjakan' i Baby- 
kma, ka nanao fahirano an i Jerosalema, 
dia nafatotra sy natao an-trano-maizina, 
hono, izy sy Jeremia mandra-pahafak' i Ne- 
bokadnezara ny tan aim. Ary taorian' izany, 
izy roa lahy dia nampangain' ny olona sisa 
tany Joda (izay nandoaitra ka tsy lasan-ko- 
babo), fa ta-hanolotra ny tany rehetra ho 
any amin' i Nebokadnezara izy, ka dia ne- 
ntioy an-keriny tany Egypta izy roa lahy 
(Jer. xliii.) ; ary raha tahaka ny hevitry ny 
mpitantaran' ny Jiosy, dia samy maty teo 
izy sy Jeremia. — w.M. 
BABSABA8T : zahao josefa babsababy sy 

JODASY BAB3ABAST. 

BARTIMEO {Zanak 1 i Titneo) : dia mpa- 
ngataka jamba anankiray tany Jeriko (Mar. 
x. 46), izay nipetraka teo amoron-dalana 
nangataka, raha niala tany Jeriko hiakatra 
ho any Jerosalema ny Tompo, tamin' ny 
nandehanany ho any Jerosalema farany 
indrindra. Na dia nisy nananatra azy aza 
mba hangina, mainka nampinanananu azy 
izany hoe : "Ry Jesosy, Zanak' iDavida 6, 
mamindra fo amiko." Ary Jesosy nijanona, 
dia nasainy hantsoina izy ; dia nahaaitrana 
azy ho afaka amin' ny fahajambana Izy, ka 
nahiratra ny mason' i Bartimeo tamin' izay, 
ary dia nanaraka an' i Jesosy tany an-dala- 
na izy. Tsy misy teny hafa ao amin' ny 
Test. Vao. milaza azy. — t.t.m. 

BARTOLOMEO {Zanak' i Tolomeo) : dia ana- 
nkiray tamin' ny Roa ambin' ny folo lahy 
Apostolin' ny Tompo (Mat. x. 3 ; Mar. iii. 
18 ; Lio. vi. 14 ; Asa. i. 13). Ankehitriny 
saiky tsy misy olona izay tsy manaiky fa 
Bartolomeo sy Natanaela dia olona iray 
hiany. Eo amin' ny Filazantsara nosora- 
tan' i Jaona tsy miseho akory ny anaran' 
i Bartolomeo ; fa ny niantsoan' i Jesosy an' 
i Natanaela ho mpianatra dia voalaza hiany ; 
dia toy ny niantsoany ny sasany koa izay 
tonga Apostoly. Fa Matio sy Marka ary 
Lioka dia milaza an' i Bartolomeo, ary ny 
anarany dia mikambana amin' ny an' iFi- 
Upo, dia ilay voalazan' i Jaona fa nitondra 
an' i Natanaela ho any amin' ny Tompo. 
Ary tsy izany hiany koa, fa tsy mba tena 
anarany loatra ny hoe Bartolomeo, fa 'Za- 
nak' i Tolomeo' no heviny, raha adika, dia 
toy ny nilazany an' i Petera hoo Bar-Jona, 
izay toy ny hoe 'Zanak' i Jona.' Raha ma- 
rina izany havitra izany, dia teraka tany 
Eana any GJalilia Bartolomeo (Jao. xxi. 2) ; 
ary taorian' ny niakaran' ny Tompo tany 
an-danitra dia misy tantara sasany milaza 
fa nitori-teny tany India izy. Misy lovan- 
taonna koa milaza fa tany Arimenia no nale- 
hany hitory ny filazantsara ; ary tao, hono, 



n BAd 

izy nendahan-koditra velona, ary rehefa vita 



izany dia nohomboana tamin' ny hazo-fija- 
liana, nefa ny 1 oh any no natao tambany. 

— H.E.C. 

BABZILAT: lehilahy anti-panahy sady 
nanan-karena izay nonina tany Rogelima 
tany Giieada, ary nampiseho marimanna ny 
fitiuvany an' iDavida, raha nandoaitra tany 
an-dafin' i Jordana Davida noho ny fiko- 
miana nataon' i Absaloma. Nampitondrainy 
hanina betsaka sy fandriana ary zavatra 
hafa koa ho an' i Davida sy ny olona nana- 
raka azy (2 Sam. xvii. 27 ; xix. 32). Rehefa 
maty Absaloma ka niverina Davida, Barzi- 
lay no nasainy hiaraka aminy sy hiara- 
mitoetra aminy any Jerosalema, hundraisany 
ny valin' ny soa nataony tamin' ny mpa- 
njaka ; nefa anti-panahy loatra Barzi lay ta- 
min' izay, dia nahu(a-tsiny izy ka niverina 
tamin' ny fonenany hiany. 

Misy roa lahy hafa koa natao hoe Barzilay 
voalazan' ny Testamenta Taloha : — (1) dia 
olo-Meloha anankiray, izay nanana zanaka- 
lahy, izay narapakatra an l Mikala, zanak' 
i Saoly, ho vadiuy (2 Sam. xxi. 8) ; ary, 
(2) mpisorona anankiray izay nanam-bady 
ny zanak' ilay Barzilay any Giieada voalaza 
teo, ka dia nantsoina araka ny anarany 
(Ezra. ii. 61 ; Neh. vii. 63).— b.h.b. 

BASA, (Heb. Ba'aaa). Raha tafasaraka 
ho fanjakana roa ny fanjakan' ny Jiosy, dia 
ny Joda sy ny Isiraely, Jeroboama, zanak' 
iNebata, no mpanjaka voalohany tamin' 
ny Isiraely, ary Nadaba zanany nandimby 
azy. Kanefa noho ny ratsy nataon' i Jero- 
boama, tsy navelan' Andriamanitra ho maro 
mpandunby izy ; koa Basa nikomy tamin' 
i Nadaba ka namono ny mpianakavin' i Jero- 
boama rehetra, dia mati-maso izy (1 Mpan. 
xv. 27-30). Zanalr' iAhia, avy tamin^ ny 
firenen' ny Isakara, Basa, ary olona ambanim- 
bany toetra hiany izy (1 Mpan. xvi. 2) ; nefa 
tonga mpanjaka fahutelo tamin' ny Isiraely 
izy, ary ny zanany nandimby azy. Kanefa tsy 
tsara ny toetrany teo imason' Andriamanitra, 
ka dia nanarin' l Jeho mpaminany mafy dia 
maf y izy, ary ny mpianakaviny dia naringa- 
na noho ny fahotany (1 Mpan. xvi. 1-13). 
Niady tamin' i Asa, mpanjakan' ny Joda, izy, 
fa Beni-hadada, mpanjakan' i Syria, izay 
efa sakaizany, notambazan' i Asa, ka dia nia- 
natsimo nanampy azy izy sy hiady amin' 
i Basa ; dia niala Basa tamin' ny ady satria 
resy izy (2 Tant. xvi. 1, 6 ; 1 Mpan. xv. 32). 
Ny renivohitr' iBasa dia Turza, tanana 
mahafinaritra (Ton- K. vi. 4), ary tao izy no 
nalevina rehefa nanjaka 24 taona (1 Mpan. 
xv. 33 ; xvi. 6). Ny taona nanjakany dia 
B.C. 953-931.— J.w. 

BASANA : dia fizaran-tany ao atsinanan' 
ny ony Jordana. Natao hoe indraindray 
"ny tany Basana" (1 Tant. v. 11 ; ampitahao 
Nom. xxi. 33 ; xxxii. 33) izy, ary indrai- 
ndray koa "Basana rehetra" (Deo. iii. 10, 
13; Jos. xii. 6; xiii. 11, 30); fa matetika 



Digitized by 



Google 



fiAT 

Basana fotsiny no teny milaza azy. Lasan' 
ny Zanak' Isiraely ny tany taoriana kelin' 
ny nahazoany ny tanin' iSihona, hatrany 
Am on a ka hatrany Jaboka. Voalaza tsara 
ny faritr' izany tany Basana izany. Hatra- 
min' ny "faritr' iGileada" ao atsimo ka 
hatramin' ny tendrombohitra Hermona ao 
avaratraizy (Deo.iii. 3, 10, 14; Jos. xii. 5; 
1 Tant. v. 23) ; ary hatramin* ny lohaaahan' 
i Jordan a ao andrefana ka hatrany Salkaha 
sy ny faritry ny Gesorita ao a tain an ana (Jos. 
xii. 3-6 ; Deo. Hi. 10). Nomena ho anjara- 
tanin' ny antsasaky ny firenena Manase izy 
(Jos. xiii. 29-31). Tany be ahitra Basana, 
ary nalaza noho ny hazo oka maniiy ao 
sy ny ondry sy ny omby matavy ao anaty 
ala (Deo. xxxii. 14 ; Sal. xxii. 12 ; Ezek. 
xxvii. 6; xxxix. 11 ; Am. iv. 1 ; Mik. vii. 
] 4) ; ary mbola tany mahavokatra indrindra 
izy. — j.h. 

BASEMATA (Manitra) : (1) dia isan' ny 
vehivavy telo vadin' i Esao izy. Araka ny 
teny ao amin' ny Gen. xxxvi. 3, dia zanak' 
Isimaela Basemata, kanefa ao amin' ny toko 
xxvi. and. 34 kosa, voalaza ho zanakavavin' 
i Elona Hetita izy. Ary tsy hita loatra izay 
ifanarahan' izany teny roa izany, kanefa 
araka ny hevitry ny maro, zanak' Isimaela 
tokoa Basemata, ary Mahalota koa (Gen. 
xxviii. 9) no anarany. 

Basemata (2) : zanakavavin' i Solomona 
izy ary vadin' i Ahimaza, izay isan' ny ma- 
namboninahitra tamin' izay (1 Mpan. iv. 15). 

— D.M. 

BATA (Heb. sy Eng. bath) : zahao fama- 
baka. 

BATH : teny Hebreo io, zanakavavy no 
heviny, ary akambana matetika amin' ny 
teny nafa izy ho anaram-behivavy, tahaka 
ny hoe JfalAsheba, ifatAshoa, etc. Ny fanao 
amin' izany dia sahalahala amin' ny teny hoe 
Ben sy Bar, izay milaza zanakalahy. — j.s. 

BATISA (Gr. baptismos : Eng. baptism : Fr. 
bapthne). Ny Batisa dia fomba notendren' 
i Jesosy Kristy Tompo ho marika na f ama- 
ntarana hatao amin' izay rehetra manaiky 
sady ekena ho mpianany, ary ho fanoha- 
rana amin' ny asan' ny Fanahy Masina ao 
am-po. 

1.— Ny Batisa tamin 1 ny firenena izay tsy 
Jiosy. Tamin' ny firenena saaany taloha, 
na dia nivavaka tamin' ny sampy aza izy, 
dia nisy fomba sahalahala amin' ny batisa 
izay notandreman' ny olona vao nivavaka na 
nanatitra zavatra tamin' izay nekeny ho 
andriamaniny izy. Nandro na nanasa ny 
tenany izy vao nivavaka. Ary ao amin' ny 
Mohamedana, mbola isan' ny fomba tandre- 
many fatratra ny manasa tongotra aman- 
tanana vao mandroso mivavaka ao an-trano 
fiangonany (moska) izy. Noho izany, misy 
kamory lehibe eo an-kianjan' ny trano fia- 
ngonany, ary ao no anasan' ny mpiangona 
rehetra ny tongony aman-tanany sy ny 
tavany koa* 



» BAT 

2. — Ny Batisa tamin 1 ny Jiosy. Indrindra 
fa tamin' ny Jiosy no nisy izany fombam- 
pivavahana izany (Gen. xxxv. 2 ; Eka. xix. 
10 ; Lev. xv. ; xvii. 15 ; xxii. 4-6 ; xvi. 26, 
28 ; Nom. xix. 10). Tsy nisy tamin' ny 
Jiosy, na dia ny mpisoronabe aza, nahazo 
nanatona an' Andriamanitra raha tsy nana- 
dio ny tenany sy ny fitafiany aloha. Ary 
mba no tanteraka izany, ny tavy lehibe 
hanasan' ny mpisorona ny tongony- aman- 
tanany dia isan' ny zavatra niseho niharihary 
teo amin' ny kianjan' ny Tabernakely sy ny 
Tempoly. Ny amin' ny nanaovana izany, 
vakio Eks. xxx. 17-21. Raha nisy mpiso- 
rona tsy nanao izany, dia ho faty izy. Ity 
didin' Andriamanitra ity angamba no notsa- 
rovan' i Davida tamin' izy nanao hoe : "Ma- 
nasa ny tanako noho ny fahamarinako aho 
ka te-hitoetra eo akaikin' ny alitaranao, 
Jehova 6" (Sal. xxvi. 6). Ny nanokanana 
ny mpisoronabe ho amin' ny raharahan' ny 
nsoronana no tokony ho notsaroany amin' 
izany. Zavatra telo no natao taminy : nosa- 
sana tamin' ny rano izy ; nohosoran-diloiio 
izy ; ary nanaterana fanatitra izy (Eks. 
xxix. 4 ; xl. 12 ; Lev. viii.). Tamin' ny 
andron' i Jesosy Kristy sy ny Apostoly dia 
ef a nitombo betsaka izany fanasana sy f ana- 
diovan-tena tamin' ny Jiosy izany noho ny 
teuin-drazany (Mar. vii. 3, 4). Ary anga- 
mba izay voalohany sady malaza indrindra 
tamin' izany fomban-drazany izany dia ny 
batisa natao tamin' ny proselyta, dia ny 
olona avy tamin' ny Jentiliea izay niala 
tamin' ny fanompoan-tsampy ka tonga mpa- 
nompon' i Jehova. 

3. — Ny Batisa nataon 1 i Jaona. Noho izany 
f anaon' ny Jiosy izany dia tsy fomba vaovao 
taminy loatra ny batisa nataon' i Jaona 
Mpanao-batisa, ka dia nanatona azy ny olona 
maro nangataka batisa taminy. Tsy azo 
lazaina marina izay fomba sy hevitry ny 
batisa nataon' i Jaona, fa toa nisy hevitra 
tao anelanelan' ny batisa na fanadiovana 
tamin' ny Jiosy, sy ny batisa notendren' 
i Jesosy Kristy izany. Fibebahana anefa 
no hevitra lehibe tamin' ny batisa nataon' 
i Jaona ; ary izay nataon y batisa dia nanaiky 
fa tokony hadio fo sy fitondrantena. Ny 
olon-kendry anankiray nanao hoe : "Ny 
batisa nataon' i Jaona no tahaka ny tetezana 
ialana amin' ny f omban' ny Jiosy ho amin' 
ny f omban' i Jesosy Kristy." Ny teny voa- . 
soratra amin' ny Asa. xviii. 25, 26 sy Asa. 
xix. 1-6 no ahitantsika fa tsy mitovy ny 
batisa nataon' i Jaona sy ny batisa nataon' 
ny Apostoly. 

4. — Ny nanaovan* i Jaona Batisa an* i Jesosy. 
Ny zavatra malaza indrindra nataon' i Jaona 
Mpanao-batisa dia ny nanaovany batisa an' 
i Jesosy. Behefa telo- polo taona Jesosy, dia 
niala tao Nazareta Izy ary nanatona an' 
i Jaona tao Jodia ka nangataka hataony 
batisa. Tamin' ny voalohany dia saiky tsy 
nanaiky Jaona, fa noho ny teny nataon' 



Digitized by 



Google 



BAT 

iJeeoey taminy dia nanaiky hiany izy ka 
mnio batiaa Azy. Ary raha vao vita 
ixanj, dia niaokatra ny lanitra, ary nidina 
ny Fanahin' Andriamanitra tahaka ny vo- 
roinailala ka nankeo amboniny (Mat. iii. 
13-17). Tamin' izany Jesosy. dia natokana 
ho amin' ny raharahany, ary teo aoriana 
kely dia niseho tamin' ny olona rehetra Izy 
ho Mpampianatra avy amin' Andriamanitra. 
Jewsy Tompo dia tsy nanana ota hibebaha- 
na, ary tay niay fahadiovana mbola hotadia- 
rinjr ; kanefa aatria tonga solon' ny olona, 
izaympanota, Izy, dia natao batisa tahaka 
azy, fa izao, hoy Izy, "no mety aminteika 
hahatanteraka ny fahamarinana rehetra." 

b.—Ny BatUa nataon' i Jesosy ay ny mpia- 
way. Araka ny teny voaaoratra amin' ny 
Jaonaiv. 1, 2, dia tay mba nanao batiaa 
Jeaoay, fa ny mpianany hiany no nanao; 
kanefa izany teny izany no ahatantarantsika 
fa raha vao nampianatra Jeaoay, dia nana- 
ngona ny mpianatra Izy, ary ny f omba na- 
ndraiaany sy naneken' i Jeaoay ny olona bo 
mpianany dia ny batiaa hiany. Ary rehef a 
nitsangana tamin' ny maty Jeaoay, ny batiaa 
niseho marimarina ho fomba na famanta- 
rana izay notandreman' ny Apostoly sy 
ny namany, ary izay natao tamin' ny 
olona rehetra izay nanaiky an' i Jeaoay, 
na tamin* izay nekena ho mpianany ; dia 
tahaka ny fora taloha, izay famantarana na 
marika natao tamin' ny taranak' i Abraha- 
ma rehetra. Mazava ny tenin' ny Tompo 
amin' izany, fa taloha kelin' ny niakarany 
ho any an-danitra, dia hoy Izy tamin' 
ny mpianany : "Mandehana hianareo, dia 
ataovy mpianatra ny firenena rehetra, 
manao batiaa azy ho amin' ny anaran' ny 
Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahv Maai- 
na, sady mampianatra azy hitandnna izay 
rehetra nandiaiako anareo" (Mat. xxviii. 
19). Ary hitanteika fa nanao araka izany 
ny Apoatoly, fa nanao batiaa ny olona izay 
mlataaka ho mpianatr' i Eristy izy (Aaa. ii. 
38, 41 ; Tiii. 36, 38; ix. 18; x. 47, 48; 
xri. 15, 33 ; xviii. 8 ; xix. 6). 

6.— Ny Fanoharana amin* ny Batiaa, ay ny 
Anarana enti-milaza azy, Eo amin' ny Tea- 
tamenta VaoTao, ny batiaa no oharina amin' 
ny Safo-drano tamin' ny andron' iNoa 
(1 Pet. iii. 21) ; ay amin' ny namakian' ny 
Zanak' Iairaely ny ranomaaina sy ny toetra- 
ny tambanin' ny rahona (1 Kor. x. 1, 2) ; 
syamin'ny fora (Eol. ii. 11); ary amin' 
ny fahafatesana sy ny fahoriana (Mar. x. 
38, 39 ; Lio. xii. 60). Ary izao koa no ana- 
fitna sasany enti-milaza ny batiaa: "Ny 
rano" (Aaa. x. 47) ; "Ny rano fanaaana 
<Efe. t. 26) ; ary amin' ny Tit. iii. 6 miay 
ny teny hoe : "Ny fanasan' ny fiterahaua 
indray," koa araka ny hevitry ny maro, diu 
i>y Utxaa no lazaina amin' izany. 

7.— Ay Fomba fanaovana Batisa. (1) Ny 
Teny fanao amin' ny batiaa izay efn narahin' 
ny Fiangonana hatramin' ny andron' ny 



T» BAT 

Apoatoly dia ny tenin' i Jeaoay Tompo roa- 
soratr' i Matio (xxviii. 19), ka aaiky fanao 
eran' izao tontolo izao, na aiza na aiza misy 
Eriatiana, ny manonona ny teny hoe : *'Iza- 
ho manao Batiaa anao (Kanona) amin' ny 
anaran' ny Rav sy nv Zanaka ary ny Fa- 
nahy Masina, miaraka amin' ny faniaiana 
ny rano. Ary na inona na inona ny fomba 
hafa izay arahina, na ny vavaka, na ny 
tenin' ny Soratra Maaina vakina miaraka 
amin' izany, ny fanononana ireo teny ireo 
(mbamin' ny rano afafy, na alataaka, na ny 
manoboka olona ao ana ti -rano) no maha- 
batiaa marina azy. 

(2) Ny Fomba fanaovana batiaa tay dia ary 
mitovy amin' ny fiangonana rehetra, fa 
hatramin' ny ela efa niay fisarahan-kevitra 
amin' izany. Ny hevitry ny teny Grika 
baptize, izay nahazoana ny tenintsika hoe 
'batiaa', dia malalaka, fa manoboka, manata, 
mandena, dia aamv heviny avy. Hevero ireo 
teny ireo : Lio. xi. 38, *«Fa gaga ny Fariaeo, 
raha nahita fa tsy niaaaa (Gr. baptizo) Izy 
vao nihinana;" Mar. vii. 4, **Ary raha nvy 
any an-taena, dia tay mihinana izy raha 
tay misasa (Gr. baptizo) aloha. Ary misy 
fomba maro koa izay noraiainy hotanana, 
dia ny manasa (Gr. baptistnos) kapoaka sy fa- 
marana mbamin' izay fanaka varahina;" 
Heb. vi. 21, "Ny fampianarana ny amin' 
ny fanaaana (Gr. bapti$mos) maro ;" Heb. 
ix. 10, "ny fanaaana (Gr. baptisinos) samy 
hafa." Koa araka ny hevitry ny Eristiana 
sasany, raba hatao batisa ny olona, dia 
tokony hatsoboka eo anaty rano izy, ary 
izany, hoy izy, ary izany hiany, no batisa 
marina ; dia fanao amin' ny fiangonana sa- 
sany izany mandraka ankehitriny, dia ny 
fiangonana Grika rehetra, sy ny Eristiana 
izay atao hoe 'Baptista' amin' ny fiangonana 
Proteatanta, ary ny sasany koa. Ary ny 
teny sasany ao amin' ny Testamenta Vaovao, 
tahaka ny Rom. vi. 4, hoe: "Niara-nalevina 
taminy tamin' ny batiaa ho amin' ny fahafa- 
tesana isika," sy Eol. ii. 12 ; ary 1 Eor. x. 
2, hoe : "Natao batisa ho amin' i Mosesy tao 
amin' ny rahona sy ny ranomaaina," etc., 
no entiny hanamarina ny heviny. Eanjo 
toa fanoharana hiany ireo ' teny ireo ka tsy 
azo terena ho vavolombelona loatra. 

Tsy azo lazaina marina izay fanaon' ny 
Apostoly sy ireo fiangonana voalohany. An- 
gamba dia natsoboka tao anaty rano indrai- 
ndray hiany ny olona, indrindra fa tao 
Palestina sy ny tany mafana tahaka azy, 
raha sendra nisy rano, na ony na farihy, teo 
akaiky; kanefa toa tsy izany mandrakariva 
ny fanao, fa raba ny nanaovana batiaa ny 
olona telo arivo tamin' ny Andro Pentekoata 
(Asa. iii. 41), sy ny nanaovana batisa ilay 
mpiandry trano-maizina sy ny ankohonany 
tao Filipy (Asa. xvi. 33) no heverina, dia tsy 
azo ekena fa natsoboka tao anaty rano ireo. 
Eoa hatramy ny ela dia ela efa fanaon' ny 
ankabiazan' ny fiangonana, na Proteatanta, 



Digitized by 



Google 



BAT 

na Katolika Romana, raha manao batisa, ny 
manatete rano, na ny manidin-drano amin' 
ny lohan' ny olona, dia araka ny fanaontsika 
Kris ti an a eto Madagaskara Many. Fa 
ataon' ireo fa ny manisy rano amin' ny tena, 
na ny mandena azy, na ny manopy rano, na 
ny mamafy rano, na ny mantttete rano, na 
ny manidin-drano, dia ampy taara, sady 
Batisa marina araka ny didin' i Kristy To- 
mpo. Hevero koa ireo teny ireo : Isa. xliv. 
3, 4. "Fa handatsaka rano amin' izay ma- 
ngetaheta Aho ; eny, handatsaka ny Fana- 
hiko amin* ny taranakao Aho;" sy Ezek. 
xxxvi. 25, "Dia hofafazako rano madio 
hianareo, kahadio;" fa toa milaza ny feto- 
zan' ny fomba fiinaovam- batisa izay arahi- 
ntsika ireo teny ireo. 

Ny fomba fanaovam-bati&a anefa dia zava- 
tra kely ka tsy mampaninona loatra; ny 
manisy rano no fotony, ary raha izany no 
atao, dia manaraka ny hafatry ny Tompo 
isika. 

8. — Ny Olona izay tokony ha too Batisa. 
Araka ny hafatry ny Tompo voalaza amin* 
ny Matio xxviii. 19, 20, ny olona rehctra 
izay i to nana ny filazantsara sy # ampiana- 
rina hitandrina ny didin' i Jesosy Kristy dia 
tokony hatao batisa. Ny hafatry ny Tompo 
tsy mahazo ny fitorian-teny ay ny fampiana- 
rana hiany, fa mahazo ny batisa koa. Ataon' 
ny sasany fa tsy tokony hatao batisa ny olona 
raha tsy hita marina fa efa niova ny fony, 
aady manam-pinoana tsara an' i Kristy izy ; 
kanefa raha ny tenin' ny Tompo voasoralr' 
i Matio no harahina, dia izay rehetra manai- 
ky ny tenany ho mpianatra, na izay ekena 
ho mpianatra, dia azo hatao batisa hiany. 
Hitantsika koa fa izany no fanaon' ny Apos- 
toly, fa na iza na iza no nanatona azy, raha 
tsy nisy tsiny hita miharihary tao aminy, 
dia nataony batisa hiany. Koa amin' izany 
Simona Magosy mpanao-ody, raha nanao hoe 
fa nino sy nibebaka izy, dia nataon' i Fiiipo 
batisa, na dia hita tamin' ny aoriana aza fa 
nihatsaravelatsihy izy ka tonga tena fahava- 
lon' ny Fiangonana (Asa. viii. 9-24}. Ary 
Ananiaay ay Safira mivady koa dia iaan' ny 
fiangonana tao Jerosalema ka natao batisa, 
na dia hita tamin' ny aoriana aza fa izy koa 
dia namita-tena ka resin' ny fitiavam-bola 
sy ny lainga (Asa. v. 1-11). Tokony hita- 
ndrina tsara ny fiangonana mba tsy handray 
olona izay tsy miendrika sady ratsy fitondran- 
tena ; kanefa raha misy manao hoe fa mibe- 
baka ka te-hilatsaka ho isan' ny mpianatr' 
i Kristy sy ho mpanompony, ka toa mif ana- 
raka amin' izany izay hita maso eo aminy, 
dia tokony horaisina hatao batisa izany 
olona izany. (Ny fiangonan' ny Kristiana 
hatao hoe 'Baptista' anefa tsy manaiky izany, 
fa mitompo teny fa ny olona izay fnntatra 
marina fa tena Kristiana no tokony hatao 
batisa, ary izy hiany.) 

9. — Ary hoy indray ny sasany: Moa ny 
Zazakely sy ny Ankizy madinika no tokony hatao 



W BAT 

Batisa va f aa ny olona lehibe hiany ? Ary toy 
miray hevitra ny Kristiana rehetra amin' 
izany, fa ireo voalaza teo atao hoe *Baptista' 
ireo manda mafy fa tsy mety ny fanaovana 
batisa ny zazakely ; fa izay atao batisa, hoy 
izy, dia tokony ho olona izay mibebaka sy 
mino an' i Kristy ka mahalala tsara ny tenin' 
ny filazantsara ; koa ha tao n' ny zazakely 
ahoana, hoy izy, no mahatanteraka izany? 
Koa inona ary no mety sy mifanaraka amin' 
ny sitrapon' i Kristy Tompo? 

Eo amin' ny Testamenta Vaovao tay ma- 
zava loatra amin' ny teny Malagasy ny teny 
milaza fa ny zazakely tokony hatao batisa ; 
ary tahaka izany hiany amin' ny Baiboly 
Englisy; kanefa aoka izao hevitra izao no 
hodinihina sy lanjalanjaina tsara : — 

(a) Ny hafatra nataon' ny Tompo dia 
malalaka sy mahazo ny olona rehetra, fa ny 
zazakely sy ny ankizy madinika dia ho ana- 
tin' ny teny hoe "ny firenena rehetra." 

(b) Jesosy Tompo nandray zazakely fony 
Izy mbola taty ambonin' ny tany ary nilaza 
"fa an' ny toa azy ny fanjakan' ny lanitra" 
(Mat. xix. 14) ; sady tezitra Izy tamin' ny 
mpianany izay te-hisakana azy tsy hanatona 
ny Tompo (Mar. x. 13-16), "dia nitrotro azy 
Izy dia nametra-tanana taminy ka nitso- 
drano azy." Ary koa, tamin' ny indray 
andro Jesosy Tompo nandray zazakely ka 
nametraka azy teo afovoan' ny mpianany, 
izay efa nifanditra ny amin' izay ho lehibe 
indrindra; "ary raha notrotroiny ilay zaza, 
dia hoy Izy : Na zovy na zovy mandray zaza 
iray tahaka itony amin' ny anarako, dia 
mandray Ahy" (Mar. ix. 36, 37), 

(d) Ny zazakely tao amin' ny Jiosy nofo- 
rana ka tonga tao anatin' ny f anekena na- 
taon' Andriamanitra tamin' i Abrahama ; ary 
sarotra inoana fa ny soa sy fitahiana momba 
ny Fanekena Vaovao dia latsaka sy ambani- 
m ban in' ny momba ny Fanekena Taloha. Fa 
hoy Petera Apostoly tamin' ny Jiosy izay 
voatsindrona tam-pouy : "Ny teny fikasana 
dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an' izay 
rehetra lavitra" (Asa. iii. 39). Raha tahaka 
ny tantara tehirizin' ny Jiosy koa, ny zanaky 
ny proselytra no natao batisa ka voaray ho 
isan' ny Fiangonan' ny Jiosy, tahaka ny ray 
aman-dreniny hiany. 

(e) Ny Testamenta Vaovao milaza fa ny 
Apostoly, raha nanao batisa ny mino sasany , 
dia nanao batisa ny ankohonany koa, dia ny 
teo an-tranony rehetra. Izany no nataon^ 
iPaoly tany Filipy tamin' i Lydia "mbamin^ 
ny ankohonany" (Asa. xvi. 15) ; sy tamin 
ilay mpiandry trano-maizina tao Filipy koa 
"mbamin' izay azy rehetra" (and. 33). Paolv 
koa "nanao batisa ny ankohonati i Stefanasy 
(I Kor. i. 16). Toa mahagaga mihitsy raha 
tsy nisy zazakely sy ankizy madinika na iray 
aza teo amin' ireo trano telo ireo ! Ary aoka 
hotsarovana koa fa ny teny Grika adika 
hoe "ankohonana" (oiA-<w=trano) dia mitovy 
hevitra indrindra amin' ny teny Hebreo beth 



Digitized by 



Google 



BAT « 

(=trano), izay atao dikany ; ary io teny hoe 
klk io dia milaza zanaka mihitsy. Aoka 
hodinihina izao teny izao : Eks. i. 21 ; 
1 Sam. xxv. 28 ("taranaka"=Heb. trano) ; 
1 Mpan. ii. 24 ; Asa. x. 2 ; etc., etc. Koa 
azo lazaina marina fa ny Apostoly nanao 
batisa ny zanaky ny raino niaraka tamin' ny 
rainy sy renin y. Dia matoky tsara isika fa 
manaraka ny aitrapon' i Kristy sy ny fomba 
notendren' ny Apostoly, sady miray fomba sy 
fanao amin* izay efa nataon ny ankabiaznn' 
ny Fiangonan' i Kristy hatramin' ny voa- 
lohany ka mandraka ankehitriny, raha ma- 
ndray ny zazakely isika ny manao batisa azy. 
Kanefa misy zavatra ha fa koa efa nampie- 
ritreritra ny Kristiana ay ny mpitindrinu 
fiangonana sasany, dia izao : Moa ny zanaky 
*jr olona rehetra t na iza na iza, tokony horahina 
ly hatao baiisa va ? Taia, fa ny zanaky ny olona 
izay Kristiana aahady na izay raaniry ta- 
hanatona an' i Kristy, sy ny zaza izay sendra 
kamboty ka tezain' olona izay Kristiana, na 
ha?any na olon-kafa, — izy hiany no tokony 
horaiaina; satria ireo no azo arapoizina fa 
hampianarina tsara rehefa lehibe sy ho tari- 
hina amin' ny lalana tokony halehany . Fa tsy 
tokony hataotao foana ny batisa, fandrao ha- 
taon'ny olona ho mitovitovy amin'ny ody, izay 
toy misy antony sy hevitra lehibe ao aminy, 
fa fomba foteiny . ( Vakio koa ny teny milaza 
ny mahamety ny fan aovam- batisa ao amin' 
Ny Sakaizan 1 ny Mpitandrina, pp. 92-94.) 

10. — Ny Olona izay tokony Hanao Batisa. 
N&velan' i Kristy malalaka izany ; ary hita- 
nt&ika fa tamin' ny nandraisany mpianatra, 
Izy tsy mba nanao batisa, fa ny mpianany ; 
ary izany no nataony angamba fandrao hisy 
hiiwvitra fa ny batisa nahazo fitahiana sy 
fahaioavana avy tamin' izay nanao azy (Jao. 
iv. 2). Ary tahaka izany koa, tamin' ny 
undraisan' iPetera Apostoly an' iKornelio 
sy ny ankohanany ho mpianatr' i Kristy, izy 
koa tsy nanao batisa azy, fa "nasainy natao 
batisa izy," toa tsy nampaninona akory izay 
aanao izany. Tsy nisy olona voatendrin' ny 
Apostoly hanao batisa, fa ny mahamety ny 
batisa sy ny mahatonga azy ho batisa marina 
tsy mba miankina loatra amin' izay olona ma- 
mo azy. Fa raha mba mpanompon' i Kristy 
izy, na iza na iza no mety manao, na vehivavy 
ua, raha tsy misy olona haf a, ary raha atao 
•nun' ny fanajana sy ny finoana ary ny fiva- 
▼ahana, ary ho amin' ny anaran' llay Telo 
Marina, dia batisa marina izany. Nef a kosa, 
toa mety raha ny fanaon' ny fiangonana 
reaetra no mbola arahina, ary ny mpita- 
ndrina, izay solom-bavan' ny fiangonana, no 
manao batisa ny olona lehibe na ny zaza- 
J*ly ao an-trano fiangonana sy eo anatre- 
tan' ny be sy ny maro. 

11. — JVy Anton 1 ny Batisa ay ny zavatra 
dmpianariny. Maromaro izany, fa izao an- 
gunba no fotopotony indrindra : — 

(I) Famantarari* ny Fahadiovam-po izay tsy 
*ai*t*y hatao izany. Ny batisa mampiana- 



BAT 

tra antsika'fa maloto ny fon' ny olombelona 
ka tsy maintsy hodiovina vao ankaaitrahan' 
Andriamanitra izy. Koa amin' izany, ny 
rano, izay mahadio sy mahafaka ny loto 
amin' ny zavatra rehetra, no atao fanoharan' 
ny fahadioyana tadiavin' Andriamanitra. 
Koa maro ny tenin' ny Soratra Masina 
manamarina izany : "Diovy hysopa aho dia 
ho afa-pahotana aho, dia hadio ; sasao aho, 
dia ho fotsy manga tsakatsaka." Ary hoy 
.Jesosy Tompo : "Raha tsy hosasako hianao, 
dia tsy manana anjara amiko hianao." Ary, 
"Raha tsy misy fahamasinana, dia tsy hisy 
olona hahita ny Tompo" (Sal. ii. 7 ; Jao. 
xiii. 8; Heb. xii. 14). 

(2) Kast sy Antoky ny Fanavaozan* ny 
Funahy Masina ny fo. Ary amin' izay 
mandray azy amin' ny fo mino sy mibebaka 
ny batisa dia "fanasan' ny fiterahana indray 
sy ny fanavaozan' ny Fanahy Masina" (Tit, 
iii. 5). Ary tahaka ny kasem-panjakana 
atao eo am-bodin' ny taratasy dia vavo- 
lombelona sy antoka fa tsy maintsy ho to sy 
tanteraka ny teny voasoratra eo amin' izany 
ta rata ay izany, dia toy izany koa ny batisa 
tsy dia famantarana hiany, fa kase sy 
fanomezan-toky koa fa ho tanteraka amin' 
ny mino an' i Kristy ny fitahiam-panahy 
rehetra voalazan' ny Fanekena Vaovao. Dia 
hoy Ananiaay tamin' iSaoly : "Mitsangana, 
miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa 
hianao ka hosasana ho afaka amin' ny faho- 
tanao" (Asa. xxii. 16). Ary hoy Petera 
koa : "Ny rano, izay mamonjy anareo 
ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan' io 
tandindona io, — tsy ny fanesorana ny faha- 
lotoan' ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny 
fieritreretana tsara eo anatrehan' Andria- 
manitra" (1 Pet. iii. 21). 

(3) Famantaran* ny Fanoloran-tena (raha 
mba olona lehibe) ho an J i Jesosy Tompo. Raha 
atao batisa isika dia manolo-tena ho mpa- 
nompon' i Jesosy Tompo sy ho mpianatr* 
i Jesosy Mpampianatra. "Minoa, ary aoka 
hatao batisa ;" "Mibebaha, ary aoka hatao 
batisa, ' ' hoy ny f eon' ny filazantsara. ' 'Fa na 
iza na iza hianareo no natao batisa ho an' 
i Kristy, dia nitafy an' i Kristy" (Gal. iii. 27). 

(4) Fanolorana ny Zanatsika ho amin J Andria- 
manitra Rainy (raha mba zazakely no atao 
batisa}. Amin' ny anaovana izany, manaiky 
isika fa fanomezana avy aminy ny zaza, ka 
dia Azy izy. Manaiky isika fa Jesosy Tompo 
no Mpiandry tsara, Izay mbola be fitiavana 
ny zazakely, dia tahaka izay fanaon y fony 
Izy mbola tat J an- tan y, sady mety mandray 
azy rehetra ankehitriny. Ary koa, raha ny 
zazakely no eutina hatao batisa, ny rainy sy 
ny reniny manaiky fa manana adidy hitondra 
ny zanany amin' ny lalana tsara tokony 
halehany ; ary izany adidy izany tsy azony 
hafindra amin' ny sasany na iza na iza. 

12. — Ary misy Hevi-diso sasany ny amiri* 
ny Batisa izay tokony hotandremana sao 
voafitaka isika, dia izao : — 



Digitized by 



Google 



BAT «* 

(1) Tsy mba fomba mahavonjy \y Batisa. 
Ny rano mitete amin' ny loha, na izay 
mipaka arain' ny term (raha sendra mitso- 
boka ao anaty rano avokoa ny olona), tsy 
mba mahafaka ny halotoan' ny fanahy. 
Tandindon' izany izy, fa tsy mba izy tokoa. 
Aloka hiany izy, fa tsy mba tena zavatra. 
Fanobarana ay fampianarana fa tokony hisy 
fahadiovam-panahy izy, fa tsy mba tenan' 
izany fabadiovam-panaby izany. Zavatra 
mety dia mety batao ny batisa, satria didin' 
i Kristy izany, indrindra fa raha arahin' ny 
finoana sy ny fibebabana marina. Raha 
tanteraka izany dia hotanteraka koa ny 
tenin' i Petera Apostoly voalaza teo ambony 
(1 Pet. iii. 16). 

(2) Ny Batisa amin 1 ny Rano hiany dia tsy 
ampy, raha tsy mist/ koa ny Batisdn* ny 
Fanahy Masina. Vakio Mat. iii. 11; Jao. i. 
33 ; Asa. i. 5. 

13. — Ny faharetan' ny Didin' ny Tompo 
ny amin 1 ny Batisa mandraka ankehitriny. 
Angamba fantatry ny sasany fa misy Kris- 
tiana sasany izay tsy manao batisa, fa 
ataony, hono, fa fomba fanao mety tamin' 
ny andro voalohany nitorian' ny filaza- 
ntsara hiany izany, fa tsy mba nokasaina 
haharitra mandrakariva, hoy izy ; kanefa 
kosa, ny didin' i Kristy dia mazava tsara ny 
amin' ny hanaovan' ny mpianany ny batisa 
miaraka amin 1 ny fampianarana sy ny hanao - 
vany mpianatra any amin' ny fircnena rehe- 
tra. Sady tsy mba nasian' i Kristy fetr' 
andro, na nanaovany hoe, hatramin' ny 
taona vitsy, na maro; na, manaova batisa 
hianareo aloha, raha mbola adaladala sy kely 
fahalalana ny olona; fa ny fahatongavan' 
ny fahataperan' izao tontolo izao hiany no 
fetr' andro nataony. Ary tsy misy teny 
iray aza nosoratan' ny Apostoly milaza fa 
hisy fotoana izay tsy hanaovana ny batisa 
intaony, fa nanaraka ny tenin' ny Tompo 
izy na aiza na aiza no nalehany ; ary 
izany koa efa narahin' ny Fiangonana Ma- 
sina hatramin' ny andron' ny Apostoly ka 
mandraka ankehitriny. Dia hitantsika fa 
diso hevitra ireo Kristiana tsy manao batisa 
ireo, fa tsy arahiny ny didy tsotra sy mora 
f antatra napetrak' i Kristy hotandreman' ny 
mpianany hatramin' ny fahataperan' izao 
tontolo izao. 

14. — Ny Batisa misolo ny Maty. "Hanao 
ahoana izay atao batisa ny amin' (na, nasolo) 
ny maty ? Raha tsy hatsangana mihitsy ny 
maty, ahoana ireny no atao batisa ny 
aminy?" (I Kor. xv. 29.) Maro saray hafa 
ny hovitry ny olona ny amin' ny "batisa 
misolo ny maty, " ka tsy azo fantarina izay 
marina. Toy izao no hevitra sasany : ( 1 ) Nisy 
Itnao tao Korinto angaha, hoy ny sasany, 
raha misy maty tsy vita batisa, dia ny havany 
anankiray no natao batisa nisolo azy, ary 
izany fanao izauy, hoy izy, no notsaroan' 
4 Paoly amin' ity tony ity. (2) Ny sasany 
milaza fa ny batisa voalazan' iPaoly dia 



BED 

fanoharana amin* ny fahoriana sy ny fane- 
njehana, ka dia toy izao, hoy izy, no he- 
viny : Nahoana ny olona no mitondra fa- 
horiana noho ny finoany ny amin' ny maty 
(na, noho ny finoany fa hitsangana ny ma- 
ty), raha tsy mba hitsangana izy ? (3) Ary 
araka ny hevitry ny sasany kosa, dia toy 
izao no he viny : Raha atao batisa ny olo- 
na, hoy izy, dia ny fitsanganana amin' ny 
maty no isan' ny zavatra ekeny, fa ny fila- 
zan tsara no mampianatra izany marimarina ; 
ary tokony ho toy izao, hoy izy, ny hevitr' 
i Paoly : Nahoana no natao batisa ny olona 
ka manaiky ny amin' ny maty fa hitsangana 
izy, raha tsy mba hitsangana izv ? Maro hafa 
koa ny hevitry ny olona •amin' ity tenin' 
i Paoly ity, fa tsy azo lazaina eto avokoa 
izy. — b.b. sy j.s. 

BATSEBA {Zanakavavin' ny fianianana) : 
zanakavavin' lEliama sy zafin' iAhitofela 
ary vadin' iOria Hetita izy. Rehefa lasa 
Oria niaraka tamin' ny miaramilan' i Davida 
hanao fahirano any Raba, dia hitan' i Da- 
vida Batseba, fa vehivavy tsara tarehy indri- 
ndra izy ; koa nampanalain' i Davida ho ao 
an-tranony izy ary nosavihiny (2 Sam. xi. 
4, 5 ; Sal. li. 2). Dia nanana anaka Batseba, 
kanefa tao aoriana dia maty ilay zaza nate- 
raka tamin' ny fijangajangana toy izany 
(2 Sam. xii. 15-18). Ary rehefa maty Oria 
vadiny, izay novonoina tamin' ny ady noho 
ny hafetsena sy ny fitaka efa nasain' i Davida 
hatao aminy (xi. 16 ; zahao davida sy oria), 
dia novinadin' i Davida Batseba (xi. 27). 
Ary niteraka zanakalahy efatra izy : dia 
Solomona, Samoa, Sobaba sy Natana (2 Sam. 
v. 14 ; I Tant. iii. 5). Rehefa tratr' antitra 
Davida, Adonia lahi-matoany nitadv hampio- 
dina ny vahoaka mba hahazoany handimby 
an - drain y. Kanefa ny fanjakana efa noka- 
sain' i Davida ela ho an' i Solomona. Dia 
nirahin' i Natana mpamin'any Batseba ha- 
mpahatsiaro an' i Davida izany, dia neken' 
i Davida izay nangatahin' i Batseba. Ary 
tao aoriana, rehefa nanjaka Solomona, Ba- 
tseba niseho teo anatrehany indray andro 
hanao f angatahana ho an' i Adonia, ary hita 
marina tamin' izay nv fanajana lehibe naae- 
hon' i Solomona tamin -dreniny (1 Mpan. ii. 
19). Araka ny tantara sy lovan-tsofina 
tehirizin' ny Jiosy, Batseba, hono, dia vehi- 
vavy mahay sady kinga saina ; ary izy, hono, 
no namorona ny anatra tsara voalaza ao 
amin' ny Oha. xxxi. — d.m. 

BEDANA : dia anaran' olona izav lazidna 
eo amin' ny 1 Sam. xii. 11 ho isan' izay 
nirahin' iJehova hamonjy ny Isiraely, ka 
nalahatra toy izao ny anarany sy ny anaran' 
ny Mpitsara sasany : Jerobala, Bedana, Jef ta, 
Samoola. Nefa kosa, satria tsy misy teny 
hafa milaza uzy, dia hovorin' ny sasany fa 
izy sy ilay Jaira voalazan' ny Mpit. x. 3 
dia olona iray hiany. Fa amin' ny Baiboly 
Kaldeana, ny anaran' iSamsona misolo ny 
hoe Bcdana ; fa amin' ny Baiboly Grika sy 



Digitized by 



Google 



BEL 83 

Syriaka ary Arabika kosa, Baraka no misolo 
azy ; nefadiso filahatra ny anaran' ny Mpitsa- 
ra, raha izany no izy. Ary ataon' ny sasany 
indray fa diso dika ny sipelin' ny anarany, 
ka tokony ho Abdona izy, dia ilay Mpitsara 
lazaina eo amin' ny Mpit. xii. 13, 15. 

Bftdana (2) : zanak' i Olama, avy tamin' 
ny taranak' iGileada (1 Tant. vii. 17).— J.s. 

BEDOLA (Heb. bedoUuh) : dia anaran - 
javatra sarobidy voalaza ao amin 1 ny Gen. 
ii. 12 sy Nom. xi. 7. Ary satria lazaina 
miaylra amin' ny volamena sy ny vato soa 
atao hoe *beryla* (Heb. 'sohama') izy, dia 
heverm' ny mpanoratra maro tany aloha fa ny 
bedola dia vato soa. Nefa kosa, raha toy ny 
hevitry ny maro ankehitriny, dia anaran - 
ditin-kazo izy, ary avy amin* ny hazo ananki- 
ray karazan' ny palma (BorastusJlabclUforini«), 
izay maniry any Arabia sy Persia sy Media 
ary India. Raha marina izany, ny bedola dia 
ditin-kazo sady manitra no mangidy ka natao 
fanafody, ary mitoTitovy . amia' ny miora 
izy. — J. 8. 

BEHEMOTA. Izany biby makadiry be 
izany dia voalaza ao amin 1 ny bokin' i Joba 
(xl. 15-24) ; nefa mbola tsy fantatra marina 
izay izy tokoa. Araka ny hevitry ny sasany, 
ny elefanta no izy, ary ny rinoserosy, araka 
ny hevitry ny sasany koa ; fa ny mpanoratra 
maro kosa mihevitra fa ny hipopotamosy na 
lalomena, no izy ; ary ny teny milaza azy 
ao dia mif an araka amin' izany tokoa, Biby 
makadiry sady mahery indrindra izany hipo- 
potamosy na behemota izany, ary mafy sy 
matevina ny hodiny ; ary na dia inonina ao 
anaty rano aza izy dia homana ahitra tahaka 
ny omby hiany (Job. xl. 15), ary matory ao 
ainbanin' ny hazo manaloka. Tsy azo sa- 
mborina na folahina ny behemota, ka dia tsy 
mahasoa ny olona izy, na dia matanjaka aza 
(Job. xl. 24). Misy andininy hafa koa 
milaza ny behemota, kanefa "biby" hiany 
no dikany, toy ny ao amin' ny Sal. I. 10 ; 
lxxiii. 22*; sy Jer. xii. 4 ; f a uy hevitra voalo- 
han' ny hoe 'behemota' dia biby (ploraly) ; nefa 
kosa, toa teny enti-milaza biby ananMray 
koa, dia ny hipopotamosy, satria izy no saiky 
lehibe sy matanjaka indrindra amin' ny biby 
rehetra. — i.n. 

BEXA : zahao fahabana. 

BEKERA: zanakalahin' iBenjamina izy, 
ary lahi-aivo (Gen. xlvi. 21 ; 1 Tant. vii. 6). 
Satria tsy misy teny milaza fokon-olona 
tamin' ny taranak' i Benjamin a izay nantsoi- 
na araka ny anaran' i Bekera tamin' ny andro 
aanisana ny Zanak' Isiraely tao amin' ny 
tany lemak' iMoaba (Nom. xxvi.), dia ataon' 
ny maro fa Bekera, na izay nandova azy 
sady lohan' ny fireneny, nampakatra vehi- 
vavy avy tamin' ny taranak' iEfraima, 
ka dia nisaina tamin' ny fironena Efr ai- 
ms izy sy ny zanany ; zahao Nom. xxvi. 
35, 52-66 x; xvii. ; 1 Tant. vii. 20, 21. 

W.B. 

BEL: zahao bala. 



BEL 

BELA (Fandringanana) : anankiray tamin' 
ireo tanana dimv ratsy fanahy tao amin' ny 
lohasahan' i Sidima ; ary nokasain' Andria- 
manitra haringana, nefa navel a noho ny 
hataka nataon' iLota mba handosirany sy 
hitoerany any. Natao hoe Zoara ny ana- 
rany tato aoriana (Gen. xiv. 1 ; xix. 23). 
[zoaea].— J.S. 

BELA. (1) Mpanjakan' iEdoma ananki- 
ray sy zanak' iBeora; Dinhaba no renivo- 
hiny, ary toa nanjaka tamin' ny andron' ny 
Mpitsara izv (Gen. xxxvi. 32 ; 1 Tant. i. 43). 
(2) Zanakalahi-matoan' i Benjamina izy, ary 
avy taminy ny olona natao hoe Zanak' i Bela 
(Gen. xlvi. 21 ; Nom. xxvi. 38). (3) Zana- 
kalahin' iAzaza, avy tamin' ny hrenen' 
iBobena. izay nonina tao Aroera (1 Tant. 
v. 8) — j.s. 

BELIALA, sy Zanak' iBELIALA. Ao 
amin' ny Test. Tal. dia adjektiva fotsiny 
hiany ny hoe Bel\ala y fa tsy anarana tsy 
akory. Ny heviny dia tsy vanofia, na tsy 
zarizary, ary ny hoo "zanak' iBeliala" dia 
enti-milaza olona ratsy fanahy izay tsy 
natahotra an' Andriamanitra na nanaja olona 
(Mpit. xix. 22; 1 Sam. i. 16; ii. 12). Ao 
amin' ny Baiboly Voahitsy nadika hoe 4 'olona 
tena ratsy fanahy" ilay teny hoe "Zanak' 
i Beliaia" tao amin' ny Baiboly taloha. 
Koanefa tamin' ny andron' iKristy dia efa 
tonga anaran-tSatana ny hoe Beliaia, fa 
satria izy indrindra no tena ratay, sady rain' 
ny zavatra rehetra tsy mety vanona sady 
izay mahavokatra ny ratsy (2 Kor. vi. 15). 
— W.M. 

BEL8AZABA : mpanjakan' ny Kaldeana 
farany indrindra izy ; fa tamin' ny andro 
nanjakany, Babylona renivohiny dia lasan' 
i Koresy, mpanjakan' i Media. Lehilahy be 
sitra-po sy masiaka loatra Belsazara, sady 
mpanompo sampy, na dia fantany hiany aza 
ny Andriamanitra marina sy ny nampijaliany 
an' i Nebokadnezara noho ny haratsiany 
(Dan. v. 22). Tamin' ny andro nanjakan' 
i Belsazara, avy ny Mediana ka niady tamin' 
ny fanjakan' i Babylona ary nanao fahirano 
tany Babylona ; nefa noho ny hamafin' ny 
mandan' ny tanana, dia nandany taona maro 
foana ny Mediana. Dia nanao saina hafa 
koa Koresy, mpifehy ny Medians, ka nampi- 
vily ny ony Eof rata izay namaky an' i Baby- 
lona ; dia izay efa f alehan' ny rano tonga 
lalam-be hiakaran' ny fahavalo hahazoany 
ny tanana. Ary tamin' izany alina izany 
indrindra no nanao van' i Belsazara fanasana 
lehibe ho an' ny andriandahiny sy ny mana- 
mboninahinv ary ny vaditsindranony. Ni- 
hinana sy nisotro ka leon-divay izy rehetra ; 
ary tamin' ny firehareban' ny fon' i Belsaza- 
ra, ny f anaka masina nalain' i Nebokadnezara 
tamin' ny Tempoly tany Jerosalema tany 
aloha no nasainy nalaina ; ka ireo no niso- 
tro an' i Belsazara sy ny namany divay, sady 
nidera ny sampiny izy. Fa tamin' izany ora 
izany indrindra no nisy rantsan- tanana ni- 



Digitized by 



Google 



BEL «* 

seho ka nanorntra teny efatra teo amin' ny 
rindrin' ny trano nipetrahan* ny mpanjaka 
sy ny lehibe. Nangovitra tery Belsazara 
nony hitany izany, fa tsy fantany izay 
hevitry ny teny voasoratra. Nefa koBa, 
niampanga azy ny eritreriny, koa natahotra 
izy andrao lozanohambaran' izany teny voa- 
soratra toy izany teo anatrehauy. Ary relief a 
tsy hain' ny olon-kendry rehetra tany Baby- 
lona ny hamaky ny teny na hanambara izay 
heviny, dia Daniela mpaminany no nantsoi- 
na; ary izy nananatra an' i Belsazara mafy 
noho ny nnratsiany, dia vao namaky sy 
nandika ireo teny efatra nosoratan' ny 
rantean-tanan* Andriamanitra teo amin' ny 
lafin-tranon* andriana ireo, ka nilaza fa ny 
fanjakan* iBabylona dia voaisa ka tapitra, 
ary Belsazara no voalanja ka latsa-danja, 
ary ny fanjakany dia voazara ka noraena ny 
Medianasyny Persian a. (Zahao menk, mene.) 
Ary tamin* izany, Daniela nampiakanjoina 
jaky, ary nasiana rojo volainena tamin* ny 
Tozony, ary nantsoina an-kabary izy ho 
mpanapaka fahatelo teo amin' ny fanjakana. 
Ary tamin* izafty alina izany— nngamba 
vetivety foana rehefa vitan' i Daniela ny 
nandikana ny teny— dia tanteraka ny teny, 
ka lasan* iKoresy Babylona. ary Belsazara 
mbamin* ny vahoany maro no novonoina 
(Dan. ▼.)• Zahao babylona sy kobesy. 

Fa iza moa Belsazara ? ary nanao ahoana 
ny nahazoany ny fanjakan' i Babylona ? 
Raha ny teny ao amiu' ny bokin' i Daniela 
hiany no dimhina, toa nodimbasan' i Belsa- 
zara Nebokadnezara, ka tsy nisy mpanjakan' 
iBabylona haia tanelanelan' izy mianaka. 
Nefa kosa, ny tenin* ny mpanoratra hafa 
milaza mpanjaka efatra izay nandimby an* 
i Nebokadnezara, ary ny anaran' i Belsazara 
tsy mba lazainy akory. Ny anaran* ny 
mpanjaka roa amin* ireo efatra ireo dia 
Yoalazan* ny boky hafa eo amin* ny Soratra 
Hasina, dia Evila-merodaka, zanak* i Nebo- 
kadnezara (2 Mpan. xxv. 27), sy Nergala- 
sarezera (Jer. xxxix. 3, 13) ; ary roa koa tsy 
Yoalazan* ny Soratra Masina, dia Labrosoar- 
kada sy Nabonedosy. Ary io mpanjaka 
f ahef atra sy farany io, hoy ny tantara, tsy 
mba tany Babylona tamin* ny nahazoan' ny 
Mediana azy, fa tany Borsipa, ary tsy mba 
novonoin' ny Persiana. Koa amin* izany, 
toa tsy mifanaraka ny tenin* ny Baiboly sy 
ny tantara hafa, ka hatry ny ela hiany no 
tsy hitan* ny olon-kendry izay ifanarahan* 
izy roa. Fa vao faingana anefa, dia tamin* 
ny taona 1854, nisy vato voasoratra vao hita 
tany Mugheir (Ora) any Mesopotamia, ary 
ny teny eo aminy milaza fa tamin* ny taona 
faramparany nanjakan* iNabonedosy, dia 
naka an* % Bil-shar-azar zanany hiaraka ma- 
njaka aminy izy ary nanaiky fa hantsoina 
hoe mpanjaka koa. Ka ity soratra vao hita 
ity no mampifanaraka ny teny roa : Bil-shar- 
azar dia ilay Belsazara voalazan' ny bokin* 
i Daniela ; ixy dia tany Babylona, fa Nabo- 



BEN 

nedosy rainy dia tao an-tanana hafa tamin* 
ny nihavian* ny fahavalo. Ary ny amin' ny 
mantsoana an* i Belsazara hoe 'zanak* i Ne- 
bokadnezara* (Dan. v. 18, 22), dia ataon' ny i 
mpanoratra maro fa satria Nabonedosy efa 
nandrombaka ny f anjakan' i Babylona an- 
keriny (fa tsy mba nandova azy izy), dia 
nampakatra ny zanakavavin* i Nebokadnezara 
ho vadiny, araka ny fanaon* izay mahazo 
fanjakana toy izany; ka dia zafin' i Nebo- 
kadnezara Belsazara, fa malalaka ny hevitry 
ny hoe "zanaka*' amin* ny teny Hebreo, 
tahaka ny amin* ny teny Malagasy koa. 
Ary ilay vato voasoratra vao hita manaxaia 
koa ny teny ao amin* ny bokin* i Daniela, 
milaza fa Belsazara nanandratra an 1 i Da- 
niela ho "mpanapaka fahatelo" amin' ny 
fanjakany. Fa tamin* ny taloha, maro do 
efa nan on tany hoe : Moa tsy nokasain* i Bel- 
sazara ny hanome voninahitra lehibe indri- 
ndra ho an' i Daniela, ka n ahoana re no tay 
nataony ho mpanapaka faharoa tamin' ny 
fanjakana, fa nataony fahatelo hiany koaa: 
Dia hitantsika amin* izay voalaza teo fa t*r 
azon* i Belsazara hatao izany, fa izy hiany 
no faharoa tamin' ny f anjakan* iBabylona, 
satria mbola velona Nabonedosy* rainy. Koa 
dia mazava ankehitriny ny teny, sady mifa- 
naraka indrindra amin' ny tantara hafa.— J.S. 

BELTESAZABA: zahao daniela. 

BELZEBOBA: zahao bala. 

BEBT (zanakalahy) : dia teny Hebreo izay 
fanao matetika amin* ny anaovana anaran' 
olona, tahaka ny hoe ifen jamina, Benony, 
ifemhadada, etc. Tahaka ny fanaon' ny 
Malagasy hiany, ny firenena voalazan* ny 
Baiboly tsy manana anaram-pianakavy (fa- 
mily name), araka izay fanaon' ny firenena 
any Eoropa; koa ny tena anaran* olona 
dia ampiana matetika ny hoe Ben— =Zam- 
dranona, mba hanavaka azy amin* ny olona 
sasany izay mitovy anarana aminy. Koa 
ifcmhadada dia zanak 1 iHadada; itewaia, 
zanak' i Aia ; etc. Fa tsy izany hiany anefa, 
fa ny hoe Ben dia entina matetika bilaza 
olona izay mahay zavatra anankiray na zatra 
ny fomba anankiray, etc. ; koa izay niha- 
vana tamin' ny irak* iKristy no nataony 
hoe "zanaky ny fihavanana** (Lio. x. 6)» 
Jodasy, izay nanao heloka tokony hahavery 
azy, dia nataony u zanaky ny fahatezerana" 
(Jao. xvii. 12) ; Josesy, ilay naman* iPaoly, 
satria nahay nananatra sy nanome toky ny 
minoizy, no natao hoe Barnabasy="*MW*y 
ny fananarana** (Asa. iv. 36. Bar dia mitovy 
hevitra amin* ny hoe Ben; zahao bab).— J- 8 ' 

BEKAIA: zanaky Joiada mpisorona-be 
izy ary mpifehy ny miaramila mpiambina 
an* i Davida, dia ny Keretita sy ny Pele- 
tita (2 Sam. viii. 18 ; 1 Tant. xviii. 17). 
Benaia dia nanaraka ny telo lahy mahery 
sy malaza indrindra izay nanompo an' 
i Davida, fa talohan' ny telo -polo lahy 
malaza izy; ary ny zavatra mahayaga 
nataony dia voalaza eo amin' ny 2 cton* 



Digitized by 



Google 



BEN * 

-mfi. 20-23 ; 1 Taut. xi. 22-25. Benaia 
niandany tamin' i Solomona hiany tamin' ny 
fikomiana nataon' iAdonia, ka dia nataon' 
i Solomona commander-in-chief ho solon' 
i Joaba izy ho valin' ny soa nataony ; ary 
izy hiany no nirahina hamono an* i Joaba 
(f Mpan. i. 36 ; ii. 29-36 ; iv. 4). 

Benaia (2). Io Benaia faharoa-io no natao 
hoe *Piratonita ;' avy amin' ny taranak' 
i Efraima izy , ary iaan' ny lehilahy mahery 
telo-polo izay nanompo an 1 iDavida, ary 
komandin' ny borigedra faharaik' ambin* ny 
folo (2 Sam. xxiii. 30 ; 1 Tant. xxvii. 14). 
Ary koa, Benaia no anaran' ny olona maro 
hafa koa : dia ny mpiaorona sy Levita sasa- 
ny (iTant. xv. 18, 24; 2 Tant. xx. 14; 
xxxi. 13) ; ay ny andriandahy roa lahy 
tamin' ny firenen* iSimeona (1 Tant. iv. 36) ; 
ay ny efa-dahy izay nampaka vady vahiny 
taorian' ny Fahababoana (Ezr. x. 25, 30, 35, 
43) ; ary ny rain' i Pelatia andriandahy, ta- 
min' ny andron* iEzekiela (xi. 1, 13). — J.s. 

BEH-AMY (Zanaky ny cloko) : zanaka- 
lahin' ny zanakavavin* iLota faravavy ay 
Lota rainy ; ary anaran a nokaaaina ho faha- 
t8iaroyaii' ny fahamenaran' ny nahaterahany 
(Gen. xix. 38). Kazan* ny Amonita na 
B'ney Amona izy. — t.t.m. 

BEVI-HADABA (Zanak' i Hadada) : dia 
anaran* ny mpanjakan' i Syria telo lahy izay 
nanjaka tany Damaakoey. Ny hoe Hadada 
dia anaran* ny aampy anankiray izay no torn - 
poin* ny Syriana tamin* izany. Ary ny hevi- 
try ny hoe zanak 1 i Hadada, dia milaza fianki- 
nana azniny ay f anarahana azy, ary raitovy 
fanao amin' ny anarana hafa koa izay miay 
ny anaran-teampy. 

Beni-hadada (1) : dia ilay mpanjakan* 
i Syria izay notambazan' i Aaa, mpanjakan* 
ny Joda, mba hiady amin* ny fanjakan* 
ny Iairaely, ka dia nanery an* i Baaa hiverina 
hiaro tena izy (1 Mpan. xv. 18). [aba..] 
Ary heverin' ny saaanv fa io Beni-hadada 
io ay ilay Hadada Edomita, izay niodina 
tamin' i Solomona (I Mpan. xi. 14), dia olona 
iray hiany. 

Beni-hadada (2) : mpanjakan* i Syria ay 
zanak' ilay . Beni-hadada voalaza teo. Ny 
tantaran* io mpanjaka io dia mifanolana be 
hiany amin* ny tantaran* iAhaba, mpanja- 
kan' ny Iairaely, fa niady mandrakariva izy 
roa lahy [ahaba]. Nefa reay izy tamin* ny 
fa ran y noho ny hadiaoan-keviny fa nitovy 
fomba tamin' ny aampin* ny Syriana Jehova, 
fa nataon' i Beni-hadada ho "Andriamanitry 
ny havoana" Izy, mefa tay nanan-kery hiaro 
ny olony teo amin' ny tany lemaka (1 Mpan. 
xx. 1-30). Farehefa nandresy azy Ahaba, 
dia tay namely azy mafy izy, fa nanao fane- 
kem-pihavanana taminy; ary notandreman' 
i Beni-hadada izany roa ambin' ny folo- taona ; 
fa rehefa afaka izany, dia niady tamin' 
i Jorama, zanak' iAhaba izy, ka nitondra 
tafika hanohitra ny fanjakan* ny Iairaely. 
Fa tay nahefa na inona na inona tamin' izay 



BEN 

izy, aatria izay rehetra nokaaainy hatao dia 
nambaran* i Eliaa mpaminany tamin' i Jora- 
ma (2 Mpan. vi. 8-12). Rehefa afaka taona 
aaaany anefa niady tamin' ny Iairaely indray 
Beni-hadada ary nanao f ahirano an' l Jorama 
tao Samaria renivohiny ; dia faran' izay na- 
hantra ny mponina tany, fa lany ny hanina 
rehetra, ka saiky matin ny moaary izy. Fa 
tamin' izany indrindra dia nandoaitra tampoka 
ny fabavalo, araka izay noyinanin' i Eliaa ; fa 
nandre feo izy nony alina ka nihevitra fa 
horakoraka nataon' ny miaramila vahiny 
maro izay notambazan' i Jorama hiady ho 
azy izany; dia ny hamoojy ny ainy hiany 
no noheverin* i Beni-hadada ay ny mpano- 
mpony. Tamin' ny taona manaraka izany 
aendra nankany Damaakosy Eliaa, koa aatria 
fantatr* i Beni-hadada fa Eliaa no nahafoana 
ny fikaaany, dia naniraka manamboninahitra 
anankiray natao hoe Hazaela no anarany 
hanontany an* i Eliaa raha ho aitrana amin* 
ny a re tin a nankarary azy tamin' izay izy, 
na taia. Ary hoy ny famalin' i Eliaa : "Ho 
aitrana tokoa hianao ; kanefa Jehova ef a 
naneho ahy fa ho faty tokoa izy.*' Ary 
tanteraka izany rehefa afaka kelikely, fa 
Hazaela hiany no naka lamba lena ka naha- 
faty an' i Bani-hadada teo am-pandriany ; 
ary dia nanjaka nandimby azy izy, b. o. 884 
(2 Mpan. viii. 7-15). 

Beni-hadada (3) : mpanjakan' i Syria ay 
zanak' ilay Hazaela voalaza teo, aady nandi- 
mby azy izy. Noreaen* i Joaay, mpanjakan* 
ny Isiraely, intelo io Beni-hadada io, ary ny 
tan ana rehetra izay nalain' i Hazaela rainy 
tamin* ny fanjakan* ny Iairaely dia azon' 
i Joaay indray (2 Mpan. xiii. 3, 24, 26 ; Am. 
i. 4, 6). — j.b. 

BEN JAMINA (Zanaky ny tanana ankava- 
nana) : faralahin* i Jakoba izy ary naterak' 
iRabely, ilay vady tiany indrindra. Izy 
irery hiany tamin' izy roa ambin' ny folo 
lahy no teraka tany Paleatina rehefa taf ave- 
rina avy tany Harana Jakoba. Tao akaikin' 
i Betlehema no nahaterahan' i Benjamin a, fa 
Rahely reniny aarotim-piterahana teny am- 
pandenanany ka nanome azy anarana hoe 
Benony (''Zanaky ny fahoriako") ; kanefa 
novan-drainy ny anarany ho Benjamin* 
koaa, mba hilaza ny hafaliany (Gen. xxxv. 
16-18, zahao eo am bony). Tsy miey teny 
milaza an' iBenjamina indray tanelanelan' 
ny nahaterahany sy ny andro taloha kelin' 
ny nidinan' i Jakoba mianakavy nankany 
Egypta. Fa izy no naaain' i Joaefa haterin' 
ny rahalahiny ho any aminy ho antoka fa 
olona marina, fa tay mpiaafo ny tany, ny 
rahalahiny folo lahy. Ary na dia nolavin' 
i Jakoba ela aza ny mahafoy an' iBenja~ 
mina hiaraka amin' ny rahalahiny hankany 
Egypta, nanaiky hiany izy taonana, aatria 
efa ho lany ny hanina, ary ny zanany 
tsy nahazo nividy intaony raha Benjamin a 
tsy hiaraka aminy. Ary rehefa tonga tany 
Egypta izy mirahalahy, ny fitiavan' izy 



Digitized by 



Google 



Sen i 

rehetra an' iBenjamina, indrindra izay 
naschon' iJoda taminy, no nanambaran' 
i Josef a ny tennny tamin' ny rahalahiny sy 
nanaovany soa tamin' izy rehetra (Gen. 
xiii. — xlv.). Dia hita marimarina amin' 
izany tantara izany fa tian- drain y indrindra 
Ben j amin a ("fa ny ainy mifamatotra amin' 
ny am* ny zaza,'' Gen. xliv. 30), fa very 
Josefa, izay iray tam-po taminy, sady samy 
zanaky ny vady tian' i Jakoba indrindra izy 
mirahalahy. Kanefa kosa, tsy mba ankizy 
madinika intaony Benjamin a raha nankany 
Egypta, fa efa lehilahy lehibe, ary nitondra 
zanakalahy niaraka taminy (Gen. xlvi. 21) ; 
ny saaany amin' ireo anefa toa zafiny, ampi- 
tahao (Nom. xxvi. 38 sy 1 Tant. vii. 6, 8 ; viii. 
1). Ary manaraka izany tsy misy teny intso- 
ny milaza an' i Benjamin a irery, fa ny fire- 
nona avy taminy dia misy hotantaraina hiany. 

Firenena kely ny taranak' iBenjamina 
tamin' ny voalonany (zahao Sal. lxviii. 27) ; 
tamin' ny naniaan' iMosesy ny olona tamin' 
ny taona faharoa taorian ny nialany tany 
Egypta ny isan' ny mahay miady avy tamin' 
ny firenen' ny Benjamin a dia 35,400 (Nom. 
i. 37) ; kanefu tamin' ny nidirany tany Ka- 
nana efa nitombo ho 46,600 izy (Nom. xxvi. 
41). Nalahatra tao an-ilan' ny Efraima ny 
tobin' ny Benjamina tany an-efitra (Nom. 
ii. 18-20), ary rehefa voazara ny tany 
Kanana ny anjara-tanin' ny Benjamina 
nifanolana tamin' ny anjara-tanin' ny Efrai- 
ma, izay tao avarany, ary tamin' ny an' ny 
Joda, izay tao ataimony (Jos. xviii. 11-28; 
zahao ny Sarin- taniny Pakstina araka ny 
Jizarany tamin 1 ny Firenena Boa ambin* ny 
folo). Tamin' ny andron' ny Mpitsara ni- 
kambana niady tamin' ny Benjamina ny fire- 
nena iraika ambin' ny folo, satria ny olom- 
Benjamina niaro ny namany sasany izay efa 
nanao zava-betaveta ka nanome henatra ny 
Zanak' Isiraely rehetra ; ka dia lany ring-ana 
ny firenen' i Benjamina, na lahy na vavy, 
na ankizy madinika, afa-tsy enin-jato lahy 
hiany izay nandositra namonjy ny ainy tany 
an-tendrombohitra (Mpit. xix. xx.). Ka- 
nefa teo aoriana dia nanenina ny firenena 
iraika ambin' ny folo, sao ho mati-maso 
avokoa ny firenen' ny Benjamina, satria tsy 
nanam-bady ireo enin-jato lahy ireo ; koany 
vehivavy avy tany Jabesi-gileada no nomeny 
ho vadin' ny sasany, ary nony tsy ampy 
izany, dia nanome hevitra azy izy hisambo- 
tra tovovavy maro tany Silo xa hampakatra 
azy hovadiny (Mpit. xxi.). Ny ditrany sy 
ny haaiahany nasehon' ny Benjamina tamin' 
izany andro izany, ary tamin' ny andro hafa 
koa, efa novinanin' i Jakoba razany tamin' 
ny tso-drano nolazainy talohan' ny nahafate- 
sany (Gen. xlix. 27) amin' ny teny hoe : 

"Benjamina dia amboadia mamiravira ; 

Nony maraina homan-dremby izy, 

Nony hariva mizara babo." 

Nitombo faingana indrav ny isan' ny 
olom-Benjamina, ary tamin' ny andron' 



\ BER 

iAsa mpanjaka nisy avy tamin' ny Benja- 
mina lehilahy matanjaka 28,000 izay naha- 
tana ampinga sy nahalefa tsiplka (2 Tant. 
xiv. 8). Rehefa nikomy tamin' iReboboama 
ny firenena folo, ny ankabiazan' ny firenen' 
ny Benjumina mbola nanaiky ny zafin' i Da- 
vida ho mpanjakany ; ary izy sy ny firenen' 
ny Joda no nfkambana ho fanjakan ny Joda 
ka tonga firenena iray (1 Mpan. xii. 21 ; 
Ezr. i. 5 ; iv. 1). 

Nalaza ny firenen' ny Benjamina noho ny 
fahaizany hiady, indrindra fa tamin' ny fito- 
firana vato amin' ny antsamotady, fa maro izy 
no nahay na tamin' ny tanana ankaviany 
na ankavanany ka tsy diso, na hoatra ny 
singam-bolo aza ; sady nahay tahaka izany 
hiany tamin' ny tsiplka koa izy (Mpit. xx. 
16 ; 1 Sam. xx. 20, 36 ; 2 Sam. i. 22 ; 
1 Tant. viii 40 ; xii. 2; 2 Tant. xvii. 17). 
Ary na dia kely aza ny firenen' ny Benja- 
mina, nahazo voninahitra lehibe izy, fa Ehoda 
Mpitsara, izay nahafaka an' Isiraely tamin* 
ny Moabita, dia avy tamin' ny Benjamina 
(Mpit. Hi. 16) ; ary ny mpanjakan' ny Isi- 
raely voalohany, dia Saoly, avy tamin' ny 
Benjamina koa (1 Sam. ix. 16, 17). Ary 
mihoatra noho izany aza, Paoly Apostoly, 
izay nazoto nampiely ny nlazantaaran' i Je- 
sosy Kristy noho ny olona rehetra, dia avy 
tamin' ny firenen' ny Benjamina (Fil. iii. 5). 
Araka ny tantaran' ny Jiosy, ny faritry ny 
anjara-tanin' ny Benjamina tao atsimo na- 
maky an' i Jerosalema tao amin' ny kianjan' 
ny mpisorona amin' ny Tempoly, ka ny 
ilany atsimon' ny alitaran' ny fanatitra- 
hodorana dia tao amin' ny tanin' ny Joda, 
fa ny ankabiazany tao amin' ny anjaran' ny 
Ben lamina ; ary ny tranon' ny Tempoly, 
dia izay masina indrindra, dia tao amin' ny 
tanin' ny Benjamina avokoa. Koa izany 
no heverin' ny maro ho hevitry ny teny 
nolazain' iMosesy tamin' izy ni tso-drano 
ny Zanak' Isiraely talohan' ny nahafa- 
tesany (Deo. xxxiii. 12) amin' ny tony 
hoe: 

"Ary ny amin' ny Benjamina dia hoy izy : 
'Ny malalan' i Jehova h on in a fahizay eo 

aminy, 
Dia halofany mandrakariva 
Ary hobabeny eo an-damosiny.' " 

Nisy lehilahy hafa koa natao hoe Benja- 
mina izay voalaza ao amin' ny 1 Tant. vii. 
10 sy Ezr. x. 32.— J.w. 

BENONY (Zanaky ny fahoriako) : dia ana- 
rana nomen' i Rahely ny zanany vao teraka 
(Gen. xxxv. 18). Efa ho faty tamin' izay 
Rahely, ary ny anarana nomeny dia noka- 
sainy hilaza ny alahelony, fa "Zanaky ny 
fahoriako" no hoviny, satria ny niterahan' ny 
zaza no nabafatesany. Fa tsy tian' i Jakoba 
rainy ity anarana ity, dia novany ho 'Benja- 
mina,' hilaza ny hafaliany. Zahao bekja- 
mina.— J.B. 

BEBA (Eng. b$ar ; Fr. our*). Marokara- 
zana ny biby masiaka atao hoe bera (bear) 



Digitized by 



Google 



BER 

' ny teny Englisy, fa ny bera izay 
fantatry ny olona ao arain' ny tany Syria 
dia atao hoe Ursus Uabellinus ; izany bera 
izany dia biby lehibe sy matanjaka, ary 
miova ny tarehin' ny volony tahaka ny biby 
hafa aasany. Raha tanora izy dia mavo 
antitra ny volony, ary mainty ny tongony ; 
fa araka ny halehibeny dia nuhamavo tanora 
koaa izany; rehefa lehibe tokoa izy dia 
tonga fotsy aomary vony, ary mihafotsy 
hiany isao-taona ambara-pahatongany ho 
fotsy dia fotsy tahaka ny volon' ny bera 
namany any amin' ny tany avaratra indri- 
ndra. Tia ny raonina amin' ny ala-be ny 
bera; ary izao tey miay bera betaaka any 
Palestina, satria voajinja ny ala-be maro 
any. Kanefa mbola miay ao amin' nv tendro- 
mbohitra Libanona. Ny fitoerana izay mi- 
ay azy betaaka indrindra dia ny tsefa-bato 
aasany ao amin' ny ilan' ny hady izay 
andehanan' ny ony Leontesy. Ny vavan' 
ilay ony dia ao amin' ny Ranomasina Medi- 
teraneana ao avaratra kelin' i Tyro ; ary ny 
oram-panala levona avy amin' ny tendro- 
mbohitra Libanona no mandeha aminy. 



Ny Bera. 

Ny bera any Palestina dia tokony ho 
dimy na enina nta ny halavany ; fa ny bera 
fotsy any amin' ny tany manga- 
tsiaka dia tokony ho telo ambin' 
ny folo na efatra ambin* ny 
folo fita ny halavany. Ary na 
dia mavesatra sy midrahodraho 
ary tsy mahay mandeha tongotra 
faingana aza izy, dia mahay mia- 
katra faingana dia faingana amin' 
ny hazo, satria man an a hoho lava 
matanjaka, sady mifaingoka izy ; 
enina intsa ny halavan' ny hoho- 
ny. Ary koa, mahay milomano 
anrin' ny ony lehibo indrindra sy 
ny ranoma&inu koa izany biby 
izany, satria matavy loatra izy ka 
tsy mety milentika. 

Ny hanina tian' ny bera mavo 
dia ny zava-mauiry, ny rantsan- 
kazo tanora, ny fukun-kazo izay 
ohazany amin* ny tongony, sy 



W BER 

ny voan-kazo, nefa ny tantely no hanina 
tiany indrindra. Kanefa raha mangatsiaka 
ny andro dia mitady nofon-javatra izy, ka 
misambotra biby kely na hazun-drano, fa tsy 
mety miady amin' ny olona loatra izy, satria 
biby saro-tahotra ; fa raha noana indrindra 
na tezitra izy, dia miady mafy amin' ny 
olona, ary raha trotroiny, hono, ny lehilahy 
iray, dia tsy mahakihina akory izy, fa ho 
faty. Raha miady ny bera, dia mamely 
mafy sady tampoka amin' ny hohony mara- 
nitra izy, dia raanotikotika ny nofo rehetra 
amin* izany. Ny indray mamely hiany dia 
mahafaka ny hoditra sy ny volo rehetra amin' 
ny lohan' ny olona (Hos. xiii. 8). 

Hatrarain' ny efatra na dimy volana, raha 
mangatsiaka ny andro, ny bera mavo dia 
miditra ao an-davaka, na ao amin' ny hazo 
poakaty, ary matory ao, fa tsy mila hanina 
izy ambara-pifohany. Fetsy koa ny bera ka 
sarotra hazaina. Ary raha mihaza biby hafa 
izy dia nrijoko azy satria miadam-pandeha ; 
zahao Fitom. iii. 10. Ary ny fahatezerany dia 
voalaza ao amin'ny 2 Sam. xvii. 8 sy Oha. zvii. 
12. Indraindray masiaka ny bera ka mamo- 
no olona, toy ny beravavy roa izay namiravi- 
ra ny zatovolahy roa amby efa-polo izay nana- 
kora an' iElisa (2 Mpan. ii. 23, 24). N a mono 
bera Davida (1 Sam. xvii. 34, 35). — i.d. 

BERA : dikan' ny teny hoe Ash na Aeesh 
izany, ary anaran' ny constellation anankiray 
(na kintanamaro mifanakaiky toerana), izany, 
izay noheverin' ny astronomera ho mitovitovy 
amin' ny tarehin' ny biby atao hoe Bera. 
Hita eny amin' ny lanitra any avaratra 
izany, indrindra fa amin' ny fararano sy ny 
ririnina. Fito ny kintana lehibe amin' izany 
konstelasio izany, ny efatra somary efa- 
ioro, ary ny telo toa misy rambony, ary 
ireo no atao ao amin' ny bokin' ny Joba 
hoe "ny Bera mbamin' ny zanany" (xxxviii. 
32) . Voalaza niaruka amin' ny kintana hafa 
koa ny Bera ho famantaran' ny heriny Je- 
hova ; vakio koa Job. ix. 9.— j.s. 



Digitized by 



Google 



BER 88 

BEBA (Heb. beer ; Eng. well) dia teny 
Hebreo izay akambana amin' ny anaran' ny 
tanana maro any Palo a tin a ; ary raha voa- 
dika ho teny Malagasy izy dia 'fantsakana' 
no heviny. Nefa kosa, tsy dia fantsakana 
tahaka ny aty Imerina ao am-bodin' ny ha- 
voana ny fantsakana lazain' ny hoe beer 
amin' ny Baiboly, fa luvaka voahady lalina 
ho famoriana ny rano ao anibanin' ny tany ; 
ka sahalahala amin' izay ataon' ny Betsimi- 
saraka ao amoron-dranomasina. Koa satria 
kely ny rano any amin' ny tany sasany 
lazain' ny Soratra Masina, ny fantsakana 
sasany voahady lalina toy izany, izay tsy 
ritra man'dritra ny taona, no nivorian' ny 
olona ka nanorenana tanana lehibe ny tany 
nanodidina azy teo aoriana. Be ny vola 
lany tamin' ny nanaovana ny fantsakana 
sasany, fa nasiana rafi-bato fandrao hianjera 
ny tany ka ho tototra ny lavaka; ka dia 
noheverin' ny olona ho mpanao soa tokoa 
izay nihady fantsakana ho azy ; zahao J ao. 
iv. 12. 

Bera (1) dia anaran' ny fantsakana ana- 
nkiray nitobian' ny Zanak' Isiraely tao 
an-koatra ny renirano Arnona ; ary io fan- 
tsakana io no nohadin' ny andriandahy sy 
ny lohoion' ny vahoaka (Nora. xxi. 16- 
18). Raha toy ny hevitry ny sasany, io 
Bera io, sy ilay Ber-olima voalaza eo 
amin' ny Isa. xv. 8 ho tanana any an- 
tsisin' ny tany Moaba, dia tanana iray 
hiany. 

Bera (2) : tanana tao amin 1 ny zara-tanin' 
ny Joda, izay nandosiran' Uotama, zanak' 
i Gideona, noho ny natahorany an' i Abime- 
lekazokiny (Mpit. ix. 21). — j.b. 

BEBA-LAHAI-ROT (Fantsakan' Ilay velona 
nahxta ahy, na, FanUakan* ilay velona na 
dia nahxta aza) ; dia fantsakana na loharano 
any an-efitra atsimo, eo amin' ny lalana 
mankany Egypta, tanelanelan' iKadesy sy 
Bareda (Gen. xvi. 14). Tao no nahitan' 
i Hagara ny Anjelin' i Jehova, ary ny anaran' 
ny loharano dia fahatsiarovan' ny hafaliany 
fa mbola velona hiany izy, na dia nahita 
Azy aza. Takaikin' io fantsakana io no 
nonenan' Isaka talohan' ny nahafatesan' ny 
rainy ary taorian' izany koa (Gen. xxiv. 
62; xxv. 11).— j.b. 

BERAKA (Fisaorana) : dia tany lemaka 
izay niangonan' i Jehosafata sy ny olony, ka 
nisaorany an' i Jehova noho ny nandreseny 
ny fahavalony (2Tant. xx. 26), dia ny Moa- 
bita ny Amorita ary ny Meonita. Ary mbola 
toy izany hiany no anaran' izany tany lemaka 
izany izay ao anelanelan' iTekoa sy ny 
lal am be izay avy any Betlchema mankany 
Hebrona. — P.O. p. 

BEREA: dia tanana any Makedonia izay 
voaluza ao amin' ny Asa. x vii. 10-16 Mahari- 
. tra ambarak' izao izy, ka Vcrria no atao ana- 
rany. Miorina ao atsinanan' ny Tendrombo- 
hitra Olympia ny tanana ary mahatsinjo 
ny tany lemaka atao hoe Axius sy Haliac- 



BER 

raon. Misy 15,000 na 20,000 ny mponina 
ao. Tanana nalehan' iPaoly sy Silasy Be- 
rea, rehefa niala tany Tesalonika izy roa 
lahy ; ary ny olona maro tao dia nalaza noho 
ny fahazotoany nandinika ny Soratra Masina 
hahalalany raha marina ny teny notorin' 
ny Apostoly, na tsia. Sopatera, izay nana- 
raka an' iPaoly tamin' ny nalehan y hitory 
teny, dia avy tany Berea (Asa. xx. 4). — 

J.B. 

BEBEKIA {Notahin 1 % Jehova): dia ana- 
ran' ny olona maro voalazan' ny Teat. 
Tal. : —(1) Ny anankiray tamin' ny zanak' 
iZerobaDela, sady taranaky ny mpanjakan' 
ny Joda (1 Tant. iii. 20). (2) Lehilahy 
lazaina ho rain' i Mesolama izay nanampy 
tamin' ny nanorenana ny mandan' i Jerosa- 
lema (Neh. iii. 4, 30). (3) Levita isan' ny 
taranak'iElkama (lTant ix. 16). (4) Mpia- 
ndry varavarana tao an-trano nitoeran ny 
fiara (1 Tant. xv. 23). (5) Isan' ny loholona 
amin' ny firenen' ny Efraima tamin' ny 
andron' iAhaza mpanjaka (2 Tant. xxviii. 
12V. (6) Rain' i Asa ary mpiventy hira 
(lTant. xv. 17). (7) Rain' iZekaria mpa- 
minany (Zek. i. 1, 7). — J.s. 

BERENIKA : zanakavavin' i Heroda Agri- 
pa I. izy, ary anabavin' i Agripa mpanjakan' 
ny Jiosy (Asa. xxv. 13, 23 ; xxvi. 30). Ve- 
hivavy ratsv fitondrantena loatra Berenika ; 
ny rahalahin-drainy, dia Heroda, mpanja- 
kan' iKalkisy, no vadiny voalohany, ary 
rehefa maty izy dia niara-nitoetra tamin* 
i Agripa anadahiny hoatra ny vadiny izy. 
Dia nanam-bady indray Berenika, ary Pole- 
mona, mpanjakan' i Kilikia, no vadiny faha- 
roa. Rehefa afaka kelikely dia niverina ho 
any amin' ny anadahiny indray Berenika, 
ary taorian' izany dia tonga tokantranoma- 
son' i Vespasian a sy Titosy, izay samy erape- 
rora tany Roma. Nony nentin' iFestosy 
Paoly hanatrika an' i Agripa tany Kaisaria, 
tao koa Berenika, ka dia nihaino ny teny 
nalahatry Paoly izy. — d.m. 

BERIA : efatra ny olona natao hoe Beria 
ao amin' ny Testamenta Taloha ; ary izao no 
teny milaza azy avy : Gen. xlvi. 17 ; 1 Tant. 
vii. 20; viii. 13; xxiii. 10. — j.b. 

BERI-8HEBA : (Fantsakam - pianianana) : 
dia anaran-tanana ela indrindra any Pales ti- 
na, ao amin' ny faritry ny tany any atsimo. 
Roa ny tantara milaza ny niandohany : ara- 
ka ny voalohany (Gen. xxi. 31), dia nisy 
fantsakana nohadin' i Abrahama tao, ka na- 
hazo ny anarany avy tamin' ny fanekena 
nataon' i Abrahama sy Abimeleka, mpanja- 
kan' ny Filistina, satria nianiana too izy roa 
lahy. Koa natao mafy ny fanekena tamin' 
ny nanomezan' i Abrahama ondrivavy kely 
fito tamin' i Abimeleka ; ary satria sheba ny 
teny Hebreo milaza 'fito,' dia heverin' ny 
sasany fa izany no anton' ny anarana hoe 
Beri-*A^a. (2) Ny tantara faharoa kosa mi- 
laza fa ny anarana hoe Beri- sheba dia avy 
tamin' ny fanekena nataon' Isaka tamin' ny 



Digitized by 



Google 



BET W 

mpenjakan' ny Filistina (Gen. xxvi. 31-33) ; 
nefa angamba ny fanekena nataon-drainy 
tamin' i Abimeleka no notsarovana tamin' ny 
and. 18 sy 33. Tany Beri-sheba Abrahama 
nitoetra ela, ary too izy namboly hazo ho 
ntoeratn-pivavahana tamin' i Jehova (Gen. 
xxi. 33). Tao amin' ny zara-tanin' ny Joda 
Beri-aheba tany aloha, fa teo aoriana kosa 
nomena an' ny Simeona (Jos. xv. 28 ; xiz. 2) ; 
koa aatzia tanana ataimo indrindra tany Pa- 
lectina izy, ny halavan' ny Tany Masina 
matetika nolaxaina amin' ny teny hoe "ha- 
trany Dana (avaratra indrindra) ka hatrany 
Beri-aheba," zahao Mpit xx. 1; 2 Sam. 
xrii. 1 1 ; etc , tahaka ny halavan' i Madagae- 
kara no laxaina indraindray amin' ny fiteny 
hoe "hatrany Antomboka ka hatrany Fara- 
dofay." Tany Beri-aheba no nametrahan' 
i Samoela ny zanany ho mpitaara hanapaka 
ny tany ataimo (1 Sam. viii. 2) ; ary tany koa 
no nivavahan' ny Jiosy tamin' ny aampy 
tamin' ny andron' iOzia mpanjaka (Am. v. 
5; viii. 14). Mandraka ankehitriny aza, 
mbola miay fantaakana fito eo akaikin' ny 
tanana. Boa no lehibe, ary dimy no kely ; ary 
anelanelan' ireo roa lehibe ireo dia dimam- 
polo refy. Ny halehiben' ny anankiray dia 
taharoa mahery, ary hatrany ambany izay 
miay rano dia fahavalo mahery, fa lalina 
Loatra izany fantaakan-drano izany. Voa- 
Toatra amin' ny rafl-bato taara izy; fa ny 
rato ao amoron' ny fantaakana dia efa tonta 
avokoa fa azon' ny mahazaka nentin' ny 
mpantaaka hatrizay ela izay. — j.s. 

BETA (Heb. beth). Ny hevitry ny teny 
bath dia trano ;' ary amin' ny Soratra Ma- 
sina matetika Beta no akambana amin' ny 
anarana hafa, tahaka any Bet-ekeda, na 
"Trano fivoriana" (2 Mpan. x. 12), ey Betle- 
hema, na "Trano mofo," ary Betsaida, na 
l< Tranon-kazan-drano.'' Malalaka anef a ny 
ny hoe fete, ary toy milaza trano hiany, fa 
tempoly ay fonenana ary fitoerana, araka ny 
hen try ny teny hafa mikambana aminy. — 

L.B. 

BKRYLA : zahao vato aoa. 

BET ABABA (Tranon 1 nyjitana) : dia ana- 
ran' ny tany anankiray tao ankoatr' i Jorda- 
na, izay nanaovan' i Jaona batisa ny olona 
izay nanatona azy (Jao. i. 28). Tany koa 
no namonoan' ny olon-Efraima ny Midiani 



ta, izay nandoaitra rehefa noreaen' i Gideona 
(Mpit. vii. 24). Tokony ho niay fitoerana 
roa aamy natao hoe Beta-bara : ny anankiray 
tany atainanant, ankoatr' i Jordana, ary ny 
anankiray koaa dia tany aodrefana ; nefa tsy 
axo lazaina marimarina izany. Ac amin' ny 
manoakripta ela indrindra ny hoe 'Botania' no 
mijsolo ny hue 'Betabara,' ka dia toy izany ny 
teny ao amin' ny Baiboly Voahitsy. — l.s. 

BETI-HOROKA {Tranou 1 ny tanyUmpona) : 
dia anaran' ny vohitra roa, ny anankiray 
natao hoe "Beti-horona ambony," ary ny 
anankiray koa "Beti-horona ambany" (Job. 
xvi. 3, 6 ; 1 Tant. vii. 24) ; ary tao amoron' 



BET 

ny lalana avy any Gibeoua mankany Azeka 
sy ny tany lemaka nonenan' ny Filistina izy, 
(Jos. x. 10, 11). Tao amin' ny fari-taniny 
anelanelan' ny zara- tarda' ny Benjamin a sy 
ny Efraima Beti-hoi-ona (Jos. xvi 3, 6) ; ary 
tamin' ny nizarana ny tany Kanana, dia 
lasan' ny Efraima izy ka nomena ny Levita, 
zanak' iKohata (Jos. xviii. 13, 14 ; xxi. 22 ; 
1 Tant. vi. 68). Ny lalana miakatra ho any 
Joda sy Jerosalema avy tamin' ny tany lema- 
ka amoron -dfanomasina mamaky an i Beti- 
horona ambony sy Beti-horona ambany ; koa 
satria sarotra ny nakarnna dia natao trano- 
fiarovana sy Aambenana izy roa mba hisa- 
kana ny fahavalo miakatra avy any andre- 
fana; zahao I Mpan. ix. 17 ; 2 Tant. viii. 6. 
Tany Beti-horona no nandreson' i Josoa ny 
mpanjakan' ny Amorita izay nikambana 
mba hiady amin' ny olon' i Gibeona (Jos. x. 
1-12).— L.8. 

BETAKIA (Tranon-date, voankazo) : dia 
vohitra kely akaiky an' i Jerosalema (Jao. xi. 
18). tokony ho roa maily ao atsinanany. Be- 
tarda dia fonenan' i Lazarosy ary Maria sy 
Marta anabaviny ; ary vohitra nalehan' ny 
Tompontsika matetika izy ka dia voalaza 
eo amin' ny Filazantsara Efatra. Ny niore- 
nan' ny tanana dia tao ankoatran' ny te- 
ndrombohitra Oliva fMar. xi. 1 ; Lio. xix. 
29) ao amoron' ny lalana mankany Jeriko. 
Vohitra kely foana ankehitriny Betania, tsy 
mihoatra noho ny roa-polo ny trano ao, ary 
El-Azariyeh — anarana nalaina tamin' i Laza- 
rosy — no ahafantarana azy izao ; fa tao no 
nanaovan' i Jesosy ny lehibe indrindra tamin' 
ny fahagagana, dia ny nananganany an' 
i Lazarosy tamin' ny maty rehefa nalevina 
tao am-paeana hef arena izy (Jao. xi. 1-44). 
Toa tany Betania no nitoeran i Jesosy tamin' 
ny niakarany ho any Jerosalema isan-taona 
(Mat. xxi. 17 ; Mar. xi. 12 ; Jao. xii.) ; ary 
tao akaiky an' i Betania Izy no niakatra ho 
any an-danitra (Lio. xxiv. 50). — l.s. 

BETEL A (Tranon' Andriamanitra) : tanana 
malaza tany Palestina ity tanana ity* aady 
isan' ny tanana masina izy. Tany Betela 
no nandrian' iJakoba raha nanonofy ka 
nahita tohatra niorina tamin' ny tany, izay 
nipaka tamin' ny lanitra ny lohany (Gen. 
xxviii. 19). Ny fitoerana izay nandrian' 
i Jakoba dia akaiky ny tanana natao hoe Lozy 
(Mpit. i. 23) ; nefa teo aorian' ny nahatonga- 
van' ny Zanak' Isiraely tany amin' ny Tany 
Masina ny anaran' ny tanana dia natao hoe 
Betela, ary voalaza matetika amin' ny Baiboly 
izy. Tamin' ny andro tsy mbola nisian' ny 
mpanjaka tamin* ny Isiraely dia nankany 
Betela ny vahoaka h an on tany amin' Andria- 
manitra izay mety hatao (Mpit. xx. 18, 28, 31 ; 
xxi. 2) ; tao koa no nitandreman' iFinehasa, 
zafia' i Arona, ny fiaran' ny fanekena (Mpit. 
xx. 26-28 ; xxi. 4) ; ary tato aoriana indray, 
Betela dia isan' ny tanana nalehan' i Samoela 
hi taara ny olona (1 Sam. vii. 16]. Ary tao 
no nasiun i Jeroboama ny zanak omby vela* 



Digitized by 



Google 



BET 90 

mena anankiray hatao sampy hivavahana; 
fa tamin' ny faran' ny andron' i Jeroboama 
kosa dia lasan' ny Joda ny tan an a (2 Tant. 
xiii. 19). Nalehan' i Elia mpaminany koa 
izy, ary misy teny milaza fa tao no nitoeran' 
"ny zanaky ny nlpaminany ,, (2 Mpan. ii. 2, 
3). Ary teo aorian' ny andron' i Josia, izay 
nandravany alitarateo (2 Mpan. x xiii. 15-19), 
tay misy teny loatra milaza an* i Betela ao 
amin* ny Soratra Masinn afa-tav Ezr. ii. 28 
sy Neh. vii. 32 ; 



BET 



BETESDA(7V 

nom - pamindram 
po t na Tranofbo 
boihan-drano) : d 
anaran' ny faril 
anankiray tany J 
rosaloma, tao aka 
kin' ny tsena fivi 
rotan' on dry (Ja 
v. 2). Nisy fidiri 
na dimy nunodid 
na izany faril 
izany ; ary ireo d 
ampy nitoeran' r 
marary betaak 
izay niandry ny t 
hetaiketaehan' n 
rano. Tao amii 
ity farihy ity i 
nanasitranan' i J< 
sosy ilay lehilat 
izay efa narary 2 
taona. Misyfamo- 
rian-drano na ka- 
mory lehibe any 



Jerosalema ao amoron' 
ny mandan' ny tanana ao atsinanana, ary 
ao avaratry ny tokotany niorenan' ny 
Tempoly, izay heverin' ny maro ho Be- 
teada. Birket Israil no anarany ankehitri- 
ny. — L.s. 

BET1FAGA 
(TVanori* aviavy) : 
dia anaram-bohi- 
tra anankiray tao 
amin' ny ilan' 
ny tendrombohitra 
Oliva, dia ao amo- 
ron' ny lalana avy 
tany Jerosalema 
mankany Jeriko. 
Voalaza ny anara- 
ny miaraka amin' 
ny anaran' iBeta- 
nia (Mat. xxi. 1 ; 
Afar. xi. 1 ; Lio. 
xix. 29), ka dia 
nif anakaiky izy roa 
angaha. Fa anke- 
hitriny izao dia 
rtkTa avokoa ny vo- 
hitra, ka tsy misy 
vato roa xnifano- 
ngoa aza hita 



marina izay morenany. — L.8. 

BETLEHEMA (Trano-mofo) : dia isan' ny 

tanana any Pa lee tin a izay ela indrindra, ary 

satria tanana nahaterahnn' iJesosy Kriaty 

Tompontaika dia tanana manan-daza kokoa 

noho ny sasany izy. Fahataloba ela 'Efrata' 

no anarany (Gen. xxxt. 16, 19; xlviii. 7), 

ary teo aorian' ny nahatongavan' ny Zanak' 

Isiraely tany Kanana hiany no ahitantaika 

nv imHranv Virw» 4 R«fl«>»otrja •' ao amin* ny 

r tokony ho enina 

maily ao ataixnon' 

Jerosalema. In- 

Iraindray dia na- 

ao hoe Betlehe- 

na- Jodaizy (Mpit. 

ivii. 7 ; 1 Sam. 

cvii. 12; Rota i. 

I, 2). Tany Bet- 

ehema no none- 

ian' i Davida raha 

nbola zazalahy aa- 

ly niandry ny on- 

Irin-drainy, ary 

any no nanosoran' 

Samoela azy ho 

npanjakan' ny Iai- 

•aely (1 Sam. xvi. 

L-13). Ny tanta- 

•a voaaoratra amin* 

jy bokin' i Rota 

nilaza an' i Be tie - 

lema indrindra, fa 

%r rt i t> * j fi\ ***> no nitoeran' 

Ny Fanhy BetesdafJ) i ^ QtLZh izay M- 



hahaf antarantsi k a 



Ny Vamvahadin* i Betlehema. 



mpakatra an' i Rota ho vadiny (Rota ii. 4). 
Tamin' ny andron' iRehoboama mpanjaka 
Betlehema dia natao tanana mirova (2 Tant. 
xi. 6) ; ary avy tany no nialan' ny olona 
nirai-dia nankany Egypta (Jer. xli. 17). 
Mika mpaminany nilaza fa any Betlehema 
no hiterahana an' 
iKristy (v. 2); ka 
dia fantatry my 
mpanora - dalana 
izay hisehoan' ny 
Mpamonjy (Mat. 
ii. 6, 6; Jao. vii. 
42). Amin' ny 
Test. Vao. hita- 
ntaika indray ny 
{•narany hoe Bet- 
lehema- Joda (Mat. 
ii. 1, 6) ; ary koa, 
natao hoe "Tan Ji- 
nan' i Davida" izy 
(Lio. ii. 4). Fit 
raha mbola inaha- 
ritra izao tontolo 
izao, Betlehema no 
malaza satria teo 
nonahaterahan' ny 
Mpamonjy, dia Je- 
sosy Zanak' An- 
driamanitra, Izay 



Digitized by 



Google 



BET M 

mseho teo amin'ny nofo. Tany Betlehema 
— trano-mofo' — no nisehoan' Izay "Mofo 
Telona," ary "Mofon' aina" (Jao. vi. 48-61). 
Mandraka ankehitriny misy tanana hiany ao, 
ka aahabo ho 3000 ny isan' ny mponina izao, 
sady Kristiana avokoa izy, hono. 

Batlehema (2) : tan an a tao amin' ny zara- 
tanin* ny Zebolona, izay tsy yoalaza afa-tsy 
eo amin' ny Jos. xix. 16.— l.8. 

BETOELA (Lehilakin* Andriamanitra) : dia 
zanak' i Nahora, rahalahin' i Abrahama, ary 
rain' i Labana sy Rebeka (Gen. xxii. 23 ; 
xxiv. 15, 24, 47, 60 ; xxv. 20 ; xxviii. 2, 3). 
Ka dia yoalaza matetika toy izany aza ny 
anarany, mdray xnandeha hiany Betoela no 
miseho amin' ny tantara ; ary tamin' izany 
aza, toa ambanimbanin' i Labana zanany izy 
(Gen. xxiy. 60) ; fa Labana hiany no toa 
aitarika ny raharaha rehetra ny amin* ny 
haneken' i Rebeka ho vadin' Isaka. Koa 
xnaro sady aamy hafa ny heyitry ny mpano- 
ratra ny amin' ny anton' izany fahambanian' 
i Betoela izany. Kef a kosa, f anaon' ny olona 
amin' izany tany izany izay nataon' i Laba- 
na ; fa ny anadahin' ny tovovavy no mpiaro 
azy indrindra ka namaly izay saby hanao 
ratsy aminy, ary nitarika ny raharaha rehe- 
tra raha niay ta-hanambady ny anabaviny ; 
zahao ny tantaran' iLevy ay Simeona ary 
Dina anabaviny, Gen. xxxiv. 5, 11, 25 ; za- 
hao koa Mpit. xxi. 22 ; 2 Sam. xiii. 20.— J. 8. 

BET8AIDA (Tranon-kazandrano). Roa ny 
tanana natao hoe Betaaida yoalazan' ny Fila- 
zantaara Efatra, dia izao : 

(1) "Betaaida any Galilea" (Jao. xii. 21) 
dia tanana nahaterahan' i Andrea sy Fetera 
ary Filipo (Jao. i. 44 ; xii. 21). Tao amin' 
ny tany lemaka natao hoe Genesareta izy 
(Mar. vi. 45, 63), ka dia tany Galilia Andre- 
fana. Ny anaran' ny tanana dia famanta- 
rana fa maro ny mpaka hazandrano nitoetra 
tao ; ary Betaaida no isan' ny tanana nanao- 
van' l Jeaosy fahagagana maro sady notene- 
niny mafy noho ny tai-finoany (Mat. xi. 21). 

(2) Beuaida-Joliasy. Raha Mar. vi. 31-63 
ay Lao. ix. 10-17 no heverina, dia toa ao 
atamanan' ny Ranomaain' i Galilia ny tanana 
natao hoe Betaaida, izay nampihinanan' 
i Kriaty ny olona 6000. Ary f antatra marina 
fa misy tanana tao atsinanana natao hoe 
Betaaida, izay nataon' i Filipo tetraka ho 
lehibe sady taara tarehy lavitra noho ny 
toairany tany aloha ; ary dia nomen' i Filipo 
anaran a hoe Betsaida-Joliasy, mba hanavaka 
azy amin' ilay Betaaida hafa any Galilia, ary 
mba hanomo yoninahitra an' i Jolia, zanaka- 
yavin' ny emperora tany Roma, Ary tao 
Betaaida no nanaoyan' i Filipo f anasana lehibe 
sady voaravaka taara, ka nony maty izy 
tao no nandevenana azy. Ity Betaaida tao 
atainaoan' ny Ranomaain' i Galilia ity tokony 
ho nojax aina eo amin' ny Mar. viii. 22. — L.8. 

BETI-8AHA {Trano fiUaharana) : dia ta- 



aiaa anankiray tao amin' ny zara-tanin' ny 
(iTant. vii. 29). Raha yao tonga ny 



BEZ 

Zanak' Iairaely tany Palestina, ny Kananita 
tompon-tany nonina tao, ary tsy noroahin' ny 
Zanak' Iairaely izy, fa navelany hitoetra tao 
hiany (Mpit. i. 27). Rehefa resin' ny Filistina 
Saoly mpaniaka, ny fatiny sy ny fatin' ny 
zanany telo lahy dia nohomboan' ny Filistina 
tamurny mandan' i Beti-sana, fa tao akaikiny 
no nandreseny an' i Saoly sy ny miaramilany ; 
fa rehefa afaka kely tonga ny olon' i Jabesi- 
gileada nony alina, dia nanesotra ny f aty ka 
nandevina azy (1 Sam. xxxi. 10-13). — l.b. 

BETI-8EMESY (Tranon* ny masoandro). 
Efatra ny tanana natao Beti-semesy ▼oaia- 
zan' ny Test. Tal., ary angamba tanana 
nivavahan* ny olona tamin' ny masoandro izy 
rehetra fony mbola tsy tonga ny Zanak' Iai- 
raely. (1) Tanana tuo amin Y ny sisin' ny zara- 
tanin' ny Joda tany avaratra (Jos. xv. 10 ; 
2Tant. xxviii. 18); ary nomena ny mpiso- 
rona ho isan' ny tanana honenany (Jos. xxi. 
16). Tao amin' ny tanana izay an' ny Dana 
nisy anankiray natao hoe Ir-semesy {'Tana- 
narC ny masoandro,' Jos. xix. 41), ary izy 
sy Beti-semesy dia iray hiany angaha. 



Tany Beti-semesy no nitondran' ny Filistina 
ny fiaran' ny fanekena ; koa faly loatra ny 
mponina tao, ka dia sahy hanaisotra ny 
saron' ny fiara sy hijery ny ao anatiny izy. 
Fa noho ny tsy nanajany ny zavatra masina, 
maro ny mponina tao Beti-semesy no novo- 
noin' i Jehova (1 Sam. vi. 9-19). (2) Tanana 
tao amin' ny sisin- tanin' ny Isakara (Joa, 
xix. 22). (3) Tanana tao amin' ny zara-tanin' 
ny Naftaly tany an-tendrombohitra, sady 
tanana mirova, fa ny mponina tsy mba 
noroahin' ny olo-Naftaly (Jos. xix. 38 ; 
Mpit. i. 33). (4) Tanana ela tany Egypta 
izay voalazan' iJeremia (xliii. 13), ary sahala 
amin' izay atao hoe Ona ao amin' ny Gen. xii. 
45. Malaza noho ny fivavahana tamin' ny 
masoandro tao izy sy ny fahendren' ny mpi- 
soron' ny Egyptiana izay nonina tao. — J.B. 

BEZALELA {Ao amin? ny alok y Andria- 
manitra, na, Zanaky ny Fiarovan* Andriama- 
nitra) : dia mpiasa mahay avy tamin' ny 
firenen' ny Joda, izay nitandrina ny raharaha 
rehetra momba ny nanaovana ny Tabernakeiy 
tany an-efitra mbamin' ny fanaka sy ny 
fombany (Eks. xxxi. 1-11; iTant. li. 3, 
20). Ary mba hahavitan' i Bezalela taara 
izany raharaha masina izany, dia nampia- 
narin' ny fanahin' Andriamanitra izy, hahi- 
ratan' ny sainy sy hahaizan' ny tanany. 
Oholiaba sy ny sasany izay niaraka tamia' 
i Bezalela nanao ny raharahan' ny Taberna- 
keiy, nef a toa samy fehin' i Bezalela, izay lehi- 
be n' ny mpiasa rohetra ireo. Nolazain' ny 
boky Eksodosy izy ho nahazo "fahendrena sy 
fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin* ny 
tao-zavatra samy hafa: dia ny hihevitra 
hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy vola- 
fotsy ary varahina . . . mba hanaovany ny 
tao-zavatra samy hafa." — J.s. 

BEZEKA. Nwy tanana roa izay natao 
hoe Bezeka tany Palestina ; nifanakaiky tao 



Digitized by 



Google 



BIB ** 

amin' ny lalana mankany Beti-sana avy tany 
Sekema izy (] ) Tan ana naniakan' i Adoni- 
bezeka (Mpit. i. 6). (2) Tanuna izay nani- 
aan' iSaoly mpanjaka ny vahoakany vao 
nandeha hamonjy ny an' i Jabesi-gileada izy 
(lSam. xi. 8).-^l.b. 

BEZERA : dla isan' ireo tanana euina izay 
natokana handosiran' ny ropainono olona 
izay efa nahafaty olona tsi-nahy (Deo. iv. 
43; Jos. xx. 8; xxi. 36; 1 Tant. vi. 78). 
Tany an-efltra izy, tao amin' ny tany lemak' 
iMoaba sady tao amin' ny zara-tanin' ny 
i Robena, ka dia atsimo indrindru amin' ny 
tanana fiarovana enina izy. [tanana fiabo- 
vaxa.—j s. 

BIBILAVA sy MEN A SANA. Enina ny 
teny Hebreo ao amin' ny Baiboly enti-milaza 
ny karazan' ny bibilava sy ny menaratm, dia 
samy hobeverina kely tsirairay izy. 

1. Nachash. Teny malalaka io*ka enti- 
milaza ny karazam- bibilava raaromaro. Voa- 
laza ny hafetseny (Gen. iii. 1) ; ny fahe- 
ndreny (Mat. x. 16) ; ny herin' ny sasany 
hahafaty raba manaikitra (Sal. lviii. 4 ; cxl. 
3 ; Obab. xxiii. 32 ; Nom. xxi. 9) ; ny 
fanaony inainitsaka ao anaty fefy sy ao anaty 
lavaka ao amin' ny rindrin-trano (Mpit. T. 
x. 8 ; Amo. v. 19) : ny itoerany eo amin' ny 
tany maina be faaika (Deo. viii. 15) ; ny 
fabaizany mandeha faingana, na dia tsy 
manan-tongotra aza (Ohab. xxx. 19) ; ary ny 
anatodizany (Isa. lix. 6). Ny fahaizan' ny 
olona sasany mabafolaka ny bibilava dia 
zavatra fantatra hatramin' ny andro ela 
taloba sady voalaza ao amin' ny Sal. lviii. 
b; Mpit. T. x. 11; sy Jer. viii. 17. Ny 
bibilava dia voalazan' ny Soratra Masina ho 
mihinam-bovoka (Gen. iii. 14 ; Isa. lxv. 25 ; 
Mik. vii. 17) ; ary marina hiany izany, fasa- 
tria ny rembin'ny bibilava dia haniny eo amin' 
ny tany, dia vovoka koa no ateliny miaraka 
amin' izany. Ary fantatra marina fa tamin' 
ny namitahan' ny Devoly an' iEva, dia 
naka ny endriky ny bibilava izy, koa amin' 
izany izy dia atao hoe "ilay menarana ela" 
(Apok. xii. 9 ; 2 Kor. xi. 3). Koa hatramin' 
ny ela indrindra, saiky amin' ny firenena 
rehetra, ny bibilava dia atahoran' ny olona 
ka ataony ho ohatry ny hery ratsy sady 
manimba ; ny firenena sasany anefa manaja 
azy ho andriamaniny. Ny "menaran' afo" 
izay nampahory ny Isiraelita tany au-efitra 
dia angamba karazam- bibilava hita mate- 
tika any Arabia, dia ilay atao hoe Cerastes, 
na ny Naia haje, izay mahafaty faingana 
raba manaikitra (Nora. xxi. 6-9). Ny are- 
tina mahamay na ny fanaintainana mampa- 
ngirinry fatratra avy amin' ny nanakerany 
ny olona angamba no nanaovana azy hoe 
"menaran' afo. 11 

2. Eph'eh dia teny hita ao amin' ny Job. 
xx. 16; Isa. xxx. 6 sy lix. 5 (ao amin' ny 
Baiboly Hebreo), ary adika hoe "vipera" ao 
amin' ny Joba, izay toa karazam- bibilava ma- 
dinika nefa mahafaty fainganu raha manai- 



BIR 

kitra. Ilay bibilava nirailriti a Umin' ny ta- 
nan' i Paoly tany Melita angamba dia vipera. 

3. Aoahub. Indray mandeha hiany no 
ahitana ity teny ity, dla ao amin' ny Sal. cxl. 
3, ary adika hoe "menarana," Raha tahaka 
ny hevitry ny sasany, dia ilay bibilava atao 
hoe Adder , na Puff-adder (Bng.), izany, izay 
misy mamakitratra ny halavany, ary mana- 
bontsina ny tendany raha tezitra izy. 

4. Fethea. Ity teny ity dia hita ao 
amin' ny Deo. xxxii. 33 ; Job. xx. 14, 16 ; 
Sal. lviii. 5; xoi. 13; Isa. xi. 8. Raha 
tahaka ny hevitry ny sasany, ny bibilava 
izay ataon' ny Hebreo hoe fethen dia ilay 
bibilava atahoran' ny olona indrindra atao 
hoe Cobra (Kaja haje), izay hita any Egypta 
sy India ary ao amin' ny tany hafa koa. 
Vakio Teny Soa, Deo. 1887, pejy 187. 

5. Tsepha : zahao Ohab. xxiii. 32 ; Iaa. 
xi. 8; xiv. 29; lix. 5; Jer. viii. 17. Tsy 
fantatra marina izay karazam -bibilava voa- 
lazan' ireo teny ireo. 

6. Shephiphon (ao amin' ny Gren. xlix. 
17 hiany). Izany bibilava izany angaha dia 
ilay atao hoe Hormd viper t na 'vipera 
manan-tandroka' (Cerastes) , izay miery ao 
anaty lavaka ka manaikitra ny olona ma- 
ndalo. Izay atao hoe 'tandrony* anefa dia 
ny vanginy roa eo amin' ny taolam-balaxio- 
rano ambany, izay lava ka mitranga hoatra 
ny tandroka roa. — j.s. 

BINOY : anaran' olona dimy voalazan' ny 
bokin' i Ezra sy Nehemia izany ; zahao Ear. 
viii. 33; x. 30-38; Neb. vii. 15; x. 9.—J.8. 

BILDADA {Zanaky ny jtfan&irttna) : ana- 
nkiray tamin' ireo telo lahy sakaizan' i Joba, 
izay avy namangy azy tamin' ny fahoriany ; 
izy nandaha-teny faharoa tamin' ny teny 
fifandirana nentin' izy telo lahy nanohitra 
an' i Joba (Job. ii. 11; viii. 1 ; xviii. 1 ; 
xxv. 1). Natao hoe 'Sohita' izy, ary araka 
ny Septoaginta, dia andriana na lehiben' 
iSoaha, dia ny tany nonenan' ny taranaky 
Soaha, zanakaiahy f ahenina an' l Ketora sy 
Abrahama. Mafy hiany ny teny nentin' 
i Bildada hanohitra an' i Joba, ary maro ny 
fanoharana nataony ; ary tezitra izy aatzia 
Joba nanamarina ny tenany, ka dia naneso 
sy nanameloka azy izy.— t.t.m. 

BILHA: dia ankizivavin-dRahely, vadin' 
i Jakoba. Nony hitan-dRahely fa tsy nite- 
raka izy dia naloniny Leaha rahavaviny, 
an* Bilha dia nalain' i Kahely ka nomeny an' 
i Jakoba ho vadiny mba hahazoany zaza 
aminy. Dia niteraka zanakaiahy roa ho an' 
i Jakoba Bilha, ary Dana sy Naftaly no 
natao anarany (Gen. xxx. 1-8.J. — d.x. 

BIBIKY (Eng. brick; Fr. briqm). Zava- 
tra tsy fantatra ela loatra tat^ Maoagaskara 
ny fanaovam-biriky, fa tamin' ny taona 1864 
no vao nampianaran' Ingahy Cameron ny 
Malagasy izany, tamin' izy nanomboka nanao 
ny Trano Fitsaboana any Analakely. Nefa 
kosa, ny biriky fanaovan-trano efa fantatry 
ny firenena any Eoropa sy Asia try Afrika 



Digitized by 



Google 



BIR l 

ela dim ela : ary hatramin' ny telo ariTO taona 
izay ny Egyptiann sy ny olom-Babylona ary 
ay nrenena sasany nanao biriky sy trano 
buiky ; ary ny biriky voadotra betsaka na- 
taony maharitra mandraka ankehitriny ho 
vavolombelon' ny fahaizan' ny mpanao azy 
tamin' ny andro fahiny. 

Ny biriky roalazan' ny Baiboly dia roa 
karaaana: (1) Biriky natao tamin' ny tany 
manga misy tany ravo ary naaiana mololo 
na bozaka hampitambatra azy tsara, ary 
dia nahahy tamin' ny hain' andro. Biriky 
tahaka izany no roalazan' ny Soratra Masina 
indrindra ; ary ny fanaorana azy no tena 
fanompoana nataon' ny Zanak' Isiraely raha 
mbola andevo tany Egypta izy (Eka. i. 13, 
14). Ary ny aary ao amin' ny lafin- tranon' 
ny tranon -tsampy sy ny fasana, izay mbola 
maharitra mandraka ankehitriny any Egy- 
pt*, no ahitantaika ny fanaon' ny Egyptiana 
tamin' ny nanaoTany biriky sy ny nandra- 
fetany azy, eto. Saiky ny trano rehetra 
tany Egypta, na ny tranon' olona, na ny 
tranon' ny fanjakana, dia trano biriky, ka 
dia tena raharahan' ny olona maro ny manao 
biriky. Sady mora vidr no mora atao ny 
biriky ahahy amin' ny Lain* andro ; dia ny 
ampiantany sy ny fefy sy nv mandan-tanana 
sy ny tranon' olona ary ny fasana— dia natao 



k Blft 

biriky avokoa izy rehetra ; ny tranon-tsampy 
hiany sy ny fasan' ny mpanjaka no natao 
▼nto mafy. Rehefa hi tan' ny lohibe tany 
Egypta fa betsaka ny biriky notadiavin' ny 
vahoaka, dia nanao lalana izy mandrara ny 
olona rehetra tsy hanao biriky, fa ny 
fanjakana hiany no nanao ka nivarotra 
azy tamin' izay nanao trano. Ary satria 
betsaka ny olona efa nobaboina tamin' ny 
tafika nentin' ny Egyptiana, dia nahavita 
biriky mora foana ny tanjakanu, ka nahazo 
yola be hiany toy izany izy. Ary f andrao 
hisy hanao biriky ho azy ny olona, dia nisy 
marika natonta tamin' ny isam- biriky tairai- 
ray, misy ny anaran' ny mpanjaka na ny 
lehibe ; ary mbola hita mandraka andro any 
ny soratra tamin' ny biriky nalaina tamin' 
ny trano efa rava any Egypta. Koa satria 
tonga andevon' ny fanjakan' i Egypta ny 
Zanak' Isiraely, izy, tahaka ny olona avy 
tamin' ny fircnena hafa koa, nanao biriky 
betsaka ho an' ny tompony ary nanao trano 
fitehirizam-bary sy fitenirizan-drakitra, mba- 
min' ny trano hafa koa ho an' ny mpanjakan' 
i Egypta (Eka. i. 11). Efa hita koa fa be- 
tsaka indrindra ny biriky misy ny anaran' 
i Thothmes III. ; ary izy dia isan' ny 
mpanjakan' i Egypta izay nanjaka tamin' ny 
nitoeran' ny Zanak' Isiraely tany. 



Ny fanaovcma sy fandatsaham- Biriky too amin* ny Egyptiana. 



Ny fanao tamin' ny nanaovana biriky izay 
miseho amin' ny sary yoalaza teo dia mito- 
ritory amin' izay mbola fanao any Egypta 
msndraka ankehitriny. Ny tany dia nentina 



an-karona avy tamin' ny Neily, dia natao 
an -ton tany, dia naaiana rano vao nohosen' 
ny tongotry ny mpiasa. Ary hita amin' ny 
sary fa lty raharaha ity, izay mafy indrindrn, 



Digitized by 



Google 



BIT 

dia nataon' 117 olona fotsy hoditra, dia izay 
efa nobaboina, fa tsy mba nataon' ny Egyp- 
tian a tompon-tany, izay miseho ho mena 
hoditra; fa raharaha mahareraka izany ka 
tsy nataon' ny Egyptians ; zahao Nah. iii. 
14, 15. Ary ny fanao sisa tamin' ny nanao- 
vana biriky dia sahalahala amin' ny fanao 
aty amintsika. Tamin' ny aoriana dia tonga 
mafimafy kokoa ny fanompoan' ny Zanak' 
Isiraely, fa tsy nomona mololo intsony izy, 
fa nasaina hankany an-tsaha hitady vodi- 
vary ho solon' ny mololo, nefa ny isan' ny 
biriky hutaony dia tsy latsaka noho ny tamin' 
ny talohrt hiany (Eks. v. 6-19). Ny ankabia- 
zan' ny biriky fanaon' ny Babyloniana sy ny 
Asyriana tamin' ny nanaovany trano dia 
biriky nahahy tamin' ny hain' andro hiany ; 
ary rehefa nodorana ny tranon' ny andriana 
tany Nineve, dia nirodana ny rindrin- trano 
azon' ny ranonorana, ary ny vato-nsaka 
yousoratra izay toa temitry ny en -trano dia 
nianjera, fa ny tarehiny tao no ambany dia 
nosaronan' ny biriky izay nody tany indray 
rehefa afaka kely ; ary dia narovana tsara 
izy hatramin' ny andro vao faingana izay 
nahitan-dry Mr. Layard sy ny Vazaha sasany 
azy. [nineve.] 

(2) rfy biriky nataon' ny olona taorian' ny 
Safo-drano hanaovany ny trano avo tany 
Babela dia biriky voadotra (tahaka izay 
ataon' ny Malagasy hoe tanimangcL), ary 
bitomcna na atfalta no natao solon' ny aokay 
handrafetana azy (Gen. xi. 3). Biriky voa- 
dotra toy izany no natao tany Babylona koa, 
ary betsaka izy no mbola hita ao amin' ireo 
bongan-tany misy trano rava any Babylona 
sy Nineve. Indraindray dia nasiana zavatra 
hoatra 11 y varinesy na fitaratra ny biriky, ary 
nisy sary sy soratra samy hafa natao ho hai- 
ngon' ny trano. Manify ireo biriky ireo ary 
efa-joro somary lavalava. — j.s. 

BI80PY (Gr. episkopos ; Eng. bishop ; Ft. 
evtque) : vakio mpitandrina. 

BITEENA : teny Englisy (bittern) izany, 



Biterna. 



94 BOK 

ary ao amin' ny Baiboly taloha dia natao 
dikan' ny teny Hebreo hoe kippod ; ary 
angamba marina hiany izany nandikana azy 
izany, fa voalaza miaraka amin' ny aama sy 
ny vorona hafa izy (lea. xiv. 23 ; xxxiv. 1 1 ; 
Zef. ii. 4). Vorona lehibe ny bi tenia (Botau- 
rus stellaru) sady karazan' ny vano, ary hita 
matetika ao amin' ny hotsaka sy ny honahoua 
izy. Ao amin' ny Baiboly Voahitey anefa 
dia nadika hoe (( sokina" ny teny Hebreo, 
nefa toa tsy marina izany, fa 'biterna' no 
tokony ho izy. — J.s. 

BITYNIA : fizaran-tany tao Asia Minora 
voalaza ao amin' ny Asa. xvi. 7 sy 1 Pet. i. 1. 
Bitynia, ilay fizaran-tany tamin' ny fanja- 
kana Rom ana, dia nifanila tamin' i Asia tao 
andrefana, ary an' iFrygia sy Galatia tao 
atsimo sy atsinanana, ary ny Ranomasina 
Mainty dia tao avaratra ; fa novana mateti- 
tetika hiany ny fari-tany tao atsinanana. 
Nisy mpanjaka natao hoe Nikomedesy HI. 
nanome azy ho an' ny Roinana. Ny tanana 
izay renivohiny no natao hoe Niksea, izay 
malaza noho ny Konsilia lehibe vory tao 
tamin' ny taona a. d. 325, mba hihevitra izay 
tokony hatao amin' ny olona maro natao hoe 
Ariana, izay diso finoana. — j.b. 

BOANERJESY, izay hoe raha adika, Zana- 
baratra, dia anarana nomen' ny Tompo an' 
iJakoba sy Jaona, zanak' i Zebedia (Mar. 
iii. 17). Izay fantatry ny Tompo ny amin' 
ny ho toe-panahin' izy roa lahy no nano- 
mezany azy izany anarana izany angaha. 
Nomen' ny mpanoratra sasany anarana hoe 
'Apostolin' ny Fitiavana' Jaona ; kanefa 
kosa tsy avy tamin' ny fahalemen-taainy 
izany tsy akory ; ary indraindray aza niseho 
fatratra ny fahazotoan' izy roa lahy ka tsy 
azo deraina akory ny teniny (Lio. ix. 54 ; 
Mar. ix. 38 ; x. 35-41). Ary hevoro koa ny 
teny sasany nosoratan' i Jaona eo amin' ny 
epistiliny, nentiny nanda ny hevitra tai-izy, 
fa nazoto dia nazoto nanambara izay fantany 
ho marina izy (1 Jao. ii. 9, 22 ; 2 Jao. 10).- 

— H.E.C. 

BOAZA: dia lehilahy nanan-karena tany 
Betlehema, izay ha van' iElimcleka, vadin' 
i Naomy . Rehefa tafaverina Naomy sy Rota 
vinantoni-vavy avy tamin' ny tany Hoaba, 
Boaza dia nampakatra an' i Rota ho vadiny, 
sady nanavotra ny tanimbarin' iMalona, 
vadin' iRota, izay efa maty ; zahao ny 
bokin' i Rota. Obeda no zanak' i Boaza sy 
Rota, dia tonga isan' ny razan' iJesosy 
Kristy Tompo izy (Mat. i. 6). 

Boaza koa no natao anaran' ny andry 
varahina anankiray tao am-bavahadin' ny 
Tempoly nataon' iSolomona. Tao anilany 
an-kavia izy, ary nisy andry hafa natao hoe 
'Jakina' tao an-kavanana 1 .ary samy fahe- 
fatra sy mamakitratra avy ny hahavony 
(1 Mpan. vii. 15, 21 ; 2Tant. iii. 15).— p.t».P. 

BOKA : zahao fanafody. 

BOKIMA (Fitomaniana) : dia anarana no- 
mena ny fitoerana anankiray tao andrefan' 



Digitized by 



Google 



BOR •» 

i Jordan*, iaay nisehoan' ny Anjelin' i Jeho- 
rm tamin' ny Zanak' Isiraely mba hananatra 
azy noho ny tsy nanarahany ny didin' An- 
dnamanitra sy ny halainany tsy handray ny 
tany so*. Too no nitomanian' uy olona, ka 
izany no nahazoan* ny tany anarana (Mpit. 
iL 1-5). Tany avaratr' J Gil gala Bokima, 
ary tsy lavitra an' iSilo-angaha izy.— J.8. 

B0X80 (Heb. Uauuhr ; Lat. buxus ; Eng. 
hex) : anaran-kazo voalaza indroa amin' ny 
Soratra Maaina, dia amin' ny Isa. zli. 19 sy 
lx. 13. Tsy fantatra marina ny hazo nola- 
zain' ny Hebreo hoe teassur ; fa Iaaia mi- 
laza azy ho isan' ny hazo izay natao ho 
▼ooinahitr' iLibanona, ka hita amin' iza- 
ny fa naniry betsaka any izy. Koa araka 
ny hevitry ny olona sasany, izany dia kara- 
zan* ny aedara natao hoe §herbina, izay kely 
kokoa noho ny tena aedara, ary ny sampany 
koamiioro kokoa noho ireny. Ny endriny 
dia saiky mitovy amin' ny Jilao aty, nefa 
nufanizxna kokoa ny raviny, aady f ohy kokoa 
no tsy miay tonona tahaka ny azy. Kanefa 
koea maro ny olona izay raihevitra fa ny teny 
Hebreo milaza ny hazo bokao ( Buxm temper - 
virtn*). Izany hazo izany mboln maniry 
betsaka any Koropa sy Asia, ary tokony ho 
efa nwy tao an-tendrombohitra Libanona, ka 
nentina niaraka tamin' ny hazo aedara izay 
nampanalain' iSolomona hanaovana ny te- 
mpoly. Hiizo taara aady maf y no mateza ny 
bokao, ary ny tarehin' ny volon-kazo dia vony 
taara, saiky tahaka ny vandrika, fa ny rayi- 
ny anef a dia kely lavitra noho izany. Amin' 
ny tany sasany hazo fohifohy hiany ny bokso 
ka tsy mihoatra noho ny 13 na 14 fita, fa 
amin' ny sasany koaa dia saiky 30 fita ny 
hnhavo ny.— b.t. 

BOBIKT (Ft. bourrique ; Eng. aw) : mitovy 
tarehy ny boriky manomno sy ny boriki-dia, 
kanefa aamy haf a indrindra ny ataony sy ny 
fanahiny, fa tsy azo folahina ny boriki-dia. 
Ary mihoatra noho izany, ny zana-boriki-dia, 
na di«. teraka ao amin' ny fisoko aza ka mito- 
mbo any an-taaha, tsy mety ho voafolaka 
tahaka ny boriky manompo tsy akory, antria 
dia mandrakarira izy. 



Jtwiki'dia. 



BOZ 

Biby mahay mandeha faingana noho ny 
soavaly ny boriki-dia. Hendry koa izy ; 
mahiratra mdrindra ny masony ; ary malady 
ny fandrenesany sy ny fHnamboloany ; koa 
dia sarotra sy mafy indrindra ny misambotra 
azy. Toy ny fanaon' ny bidi-dia haf a, dia 
miakatra ny tanety izy mba hitazana ny 
fahavalony. Miara-mandeha ny boriki-dia 
hatramin' ny telo na efatra, ary indrindra 
hatramin' ny zato aza no mi ray dia ; ary 
miara-mandehandeha lavitra izy mba hitady 
hanina. Raha mahazo amin' ireny ny 
olona, saiky tsy mety mitondra entana na 
mitarika ny kalesy izy (Job. xzxix. 5-8). 
Maharitra hanoanana ela dia ela toy ny 
ramevu ny boriky, ary raha maraorao ny 
tany, na be vato aza, din afaka mandeha 
faingana noho ny soavaly izy, satria manana 
kitro kely sy maranitra, fa mibolisatra ao ny 
kitron -tao aval y. 

Ny fanao tamin' ny taloha dia mba ho 
fi tain gin a izy ; ary raha fotsy fa tsy mavo izy 
dia mety ho an' ny mpanjaka sy ny mpanan- 
karena, toy ny voalaza ao amin' ny bokin' ny 
Mpitsara (v. 10). Fa ny boriky fotay dia 
fain gam- pan deha noho ny mavo, kanefa tsy 
matanjaka izy, ary tsy mety velona amoron- 
dranomasina toy ireo. Amin' ny fahava- 
ratra dia mena kely ny volon' ny boriki-dia, 
ary mainty ny eo ambonin' ny lamosiny ; fa 
amin' ny ririnina manaraka dia miova mai- 
nty fotsy indray izy. 

Tsy nety nihinana ny nofon' ny boriky ny 
Jiosy ; kanefa, satria mafy ny mosary tany 
Samaria tamin' ny andron' i Elisa, dia nihi- 
nana nofom -boriky hiany ny olona satria 
saiky maty noana izy (2 Mpan. vi. 25). Ny 
olona hafa any Syria tia indrindra ny nofony, 
ary araka ny heviny tsy misy hena fy toy 
izany. Ny faherezan' ny boriki-dia mande- 
ha dia voalaza ao amin' ny Jer. ii. 24. 

— I.D. 

BOZA : zanakalahi-aivon' i Milka sy Na- 
hora izy ((>en. zxii. 21). Eliho, sakaizun' 
iJoba, dia atao hoe 'Bozita,' dia taranak' 
i Boza an gah a izy, fa avy tany Arama (Job. 
xxxii. 2), ary Arabia Efitra na Be vato no toa 
fonenan' ireo; zahao Jer. xxv. 23. (2) Nisy 
Boza anankiray koa voalaza ao amin' ny 
taratasy milaza ny taranak' i Gada (I Tant. 
v. 14). — p.o.p. 

BOZBA (1) : tan ana tany Edoma izany, dia 
ilay tananan' iJobaba, zanak' iZera, izay 
isan' ny mpanjaka voalohandohany tamin' 
I izany tany izany (Gen. xxxvi. 33 ; 1 Tant. 
i. 44). Izany koa angaha no ilay voulazan' 
Isaia (xxxiv 6; lxiii. 1) sy Jeremia (xlix. 
13, 22) sy Amosa (i. 12) ary Mika (ii. 12). 
Ataon' ny maro fa maharitra ambaruka izao 
izy, nefa Kl-Bittaireh no anarany, ka miorina 
ao amin' ny tany avo ataimo-atainanan' ny 
Runomasina Maty izy. 

Bosra (2) : dia tanana voalazan' i Jeremia 
ho isan' ny tananan' i Moaba (Jer. xlviii. 24) 
kalazainy ho ao amin' **ny tany leranka;'* 



Digitized by 



Google 



DAL 

dia tokony ho ao amin' ny tanety avoavo ao 
at sin an an' ny Ranomasina Maty izy . — j.b. 

[Raha toy ny hevitry ny sasany anefa, ilay 
Bozra voalazan' i Jeremia dia toy ao atsina- 
nan' ny Ranomasina Maty, fa ao avaraba- 
ratra ; ary ao amin' ny tany atao hoe anke- 
hitriny Hauran, dia atsinanan' iJordana. 
Isan' ny tanana lehibe sy tsara r antra indri- 
ndra ao amin' ny tany atsinanan' i Jordan* 
io Bozra io. Efatra maily no halavan' ny 
mandany, ary betaaka ny trano teo ivelan' 
ny manda aza. Mafy indrindra ny trano 
fiarovana, fa ef a rava ela ny tanana, ary vitsy 
foana ny mponina ao ankehitriny. Ny ana- 
rana ahafantaran' ny olona azy izao dia 
Busrahy fa Bostra no anarany tamin' ny na- 
hafahan' ny Grika sy ny Romana azy. — J.8.] 



D ABE RATA: anaran -tanana tao amin' ny 
faritry ny tanin' ny Zebolona atsimo- 
atsinanana, fa an' ny Isikara (Jos. xxi. 28 ; 
xix. 12; 1 Tant. vi. 67). Isan' ny tanana 
nomena ny zanak' i Levy Daberata, ary tao 
amin' ny ilan' ny tendrombohitra Tabora no 
niorenany ; fa mbola misy vohitra kely ao 
atao hoe Debarieh.— J.a. 

DAGONA (Hazandrano) : dia anaran-taa- 
mpy ambony indrindra tany Filistia, ary 
tao amin' ny tanana Gaza sy Asdoda no nisy 
ny teinpoliny (Mpit. xvi. 23 ; 1 Sam. v. 1-3). 
Ary nisy koa tanana roa natao hoe Beti- 
dagona, na Tranon -dagona, tao amin' ny 
zara-tanin' ny Joda sy Asera, izay tokony ho 
efa nisy ny tempoliny koa (Jos. xv. 41 ; xix. 
27). Tahaka ny lehilahy, hono, no endriky 
ny sarin' i Dagona hatramin' ny lohany ka 
hatramin' ny tratrany, fa ny ambany kosa 
dia tahaka ny hazandrano. Tao amoron - 
dranomasina ny tany Filistia, ka izany an- 
gaha no fototr' izay nivavahan' ny olona 
tamin' ny sampy hazandrano toy iny. Ny 
tempoliny tany Asdoda dia noravan' ny Jiosy 
tamin' ny taona B.C. 148. Ary ao amin' ny 
tany sasany amoron' ny Ranomasina Medi- 
tereneana dia mbola atao hiany, hono, ny 
fombam-panajana an' i Dagona; nefa kosa, 
tsy fan ta try ny mpanao fa fanajan-tsampy 
no nisehoan' izany. — w.M. 

DALMANOTA: dia tanana ao atsinanan' 
ny Ranomasin' i Gal ilia, akaiky an' i Mag- 
dala (Mat. xv. 39 sy Mar. viii. 10). Tokony 
ho tao amin' ny fitoerana atao hoe "ny loha- 
rano mangataiaka" no niorenan' ny tanana. 

[MAOD AI*A . ]— J . R . 

DALMATIA : tany avoavo manamorona ny 
Ranomasina Adriatika ao atainanana, ary 
mahatratra hatramin' ny ony Naro any atsi- 
mo ka hatramin' ny ony Savosy any avaratra. 
Titosy no nirahiu' i Paoly hankany Dalmatia 
(2 Tim. iv. 10). Ary Paoly koa efa nitory 
teny tao By tamin' ny tany manodidina 
azy (Rom. xv. 19). — j.r. 



96 DAM 

DAHARY : vehivayy tany Atena izay na* 
mpanaikena ho Kristiana noho ny teny no- 
torin' i Paoly teo anatrehan' ny olona maro 
be vory tao. Noheverin' ny sasany taloha 
fa vadin' i Dionyaio Areopagita ity vehivavy 
ity, kanefa tsy misy teny manamarina azy 
akory (Asa. xvii. 34). -d.m. 

DAMASKOSY: tanana ela aady malaza 
izany. Miorina ao amin' ny tany lemaka 
makadiry sady mahavokatra ao atsinanan' ny 
tendrombohitra tomandavana atao hoe Anti- 
Libanona, ao amoron' ny efitr' i Syria. So- 
mary boribory ny lemaka, ary ny mamaky 
azy dia tokony ho 30 maily, ary ny ony koa 
atao hoe Abana sy Farpara (2 Mpan. v. 12) no 
fototry nv fahavokaran' izany tany lemaka 
izany. Ilay mpitantara malaza atao hoe 
Josefosy manao ny tanana ho naorin' i Oza 
zanak' l Arama sy zafin' i Soma. Amin' ny 
tantaran' i Abrahama (Gen. xiv. 15) no ahi- 
tantsika ny anarany voalohany amin' ny 
Soratra Hasina, ary ilay mpiandry ny tra- 
non' i Abrahama no avy tany (Gen. xv. 2). 
Tsy voalazan' ny Soratra Maaina indray izy 
raha tsy tamin' ny andron' i Davida (2 Sam. 
viii. 5 ; 1 Tant. xviii. 5), izay niadian' ny 
Zanak' Isiraely tamin' i Syria. Nahery Da- 
vida tamin' izay ka "nahafatesany olona 
22,000 koa ny Syriana," koa dia tonga to- 
mpon' izany tany izany Davida ka namerraka 
miaramila Isiraelita teo (2 Sam. viii. 6). Ta- 
min' ny andron' i Solomona indray nisy mpa- 
nompon' ny mpanjakan' iZoba natao noe 
Rezona izay nanandra-tena ho mpanjakan' 
i Damaskosy, ary izy dia tonga f ahavalon' ny 
Isiraely (1 Mpan. xi. 23-25). Taoriana kelin' 
izany ny mpianakavin' iHadada no tonga 
nahery teo, ary Beni-hadada, zafin' ilay nia- 
dy tamin' i Davida, niaraka tamin' i Baaa, 
mpanjakan' ny Isiraely, koa hiady tamin' 
i Asa (1 Mpan. xv. 19 ; 2 Tant. xvi. 3) ; ary 
taorian' izany indray dia niaraka tamin' i Asa 
izy namely an' i Basa (1 Mpan. xv. 20). No- 
diasan' ny zanany atao hoe Hadada IV. izy 
(Benihadada hiany no anarany amin' ny So- 
ratra Maaina), izay noresen' i Ahaba (1 Mpan. 
xx.). Telo taona taorian' izany indray dia 
raikitra ny ady, satria Ahaba nanao azy ho 
tompon' ilay tanana atao hoe Ramota-gileada 
(1 Mpan. xxii. 1-4). Resy teo Ahaba ka 
maty ; ary noho izany dia nahery ny Syriana 
teo Damaskosy. Tamin' ny nanjakan' i Jo- 
raraa dia namely sy narapahory ny Isiraely 
indrindra izy ary niton dr a tafika hanao fahi- 
rano an' i Samaria knnefa ny fanjakany dia 
vonjen' Andriamanitra ti*min' nyiHhagagana 
(2 Mpan. vi. 24 ; vii. 6, 7). Rehefa afnka 
izany toa sahirana loatra ny tompon-tany tany 
Damaskosy niaro ny taniny tamin' ny mpa- 
njaka mahery ha fa izay namely azy. Tamin' 
izay Beni-hadada dia novonoin' i Hazaela 
m pan om pony ary dia tonga mpanjaka Haza- 
ela araka ny naminanian' i Elisa (2 Man. viii. 
15). Taoriana kelin' izany nanjakan' i Ha- 
zaela izany (tokony ho b. o. 884) dia nasian' 



Digitized by 



Google 



DAN 

ka 



ny Asyriana izy ka resiny tokoa. Fa ny 
Isiraely kosa dia noresen' i Hazaela, ary ny 
zanany koa, izay natao hoo Beni-hadada, 
mba nahery tahaka an-drainy hinny. Fa 
tamin' ny aoriana dia nanjuka Joasy, zauak' 
i Joahaza, aTy izy namely an' i Beni-hadada, 
ka 4 *intelo no nandresen' i Joasy azy, ka dia 
azony indray ny tananan' ny Isiraely' ' 
(2 Mpan. xiii. 25). Tamin' ny nanjakan' i Je- 
roboama II., ilay nandimby an' i Joasy, dia 
resin' ny Isiraely indray ny Syriann (tokony 
ho B.C. 836), ka azon' ny Isiraely Damas- 
kosy (2 Mpan. xiv. 28). Zato taona taorian' 
izany indray (tokony ho B.C. 742) tokony 
ho niandany tamin' ny Isiraely hanohitra 
an' i Joda ny Syriana (2 Mpan. xv. 37). 
Dia namely an' i Jerosalema izy ary nikasa 
hanaiaotra an' iAhaba mpanjaka (Isa. vii. 
1-6 ; 2 Mpan. xvi. 5). Tsy tanteraka izany 
anefa, fa nomban' ilay Tiglato-pilesera Aha- 
ba, ka dia matiny ilay mpanjakan' i Syria 
natao hoe Rezina ; ny fanjakan' i Damasko- 
sy no noravana ka lasan' ny Aayriana ; ny 
tanana koa no noravana, ary ny mponina dia 
nentina ho babo tany Asyria (2 Mpan. xvi. 9 ; 
ampitahao Isa. vii. 8 ay Am. i. 5). Tsy 
tafarina intsony hatramin' ny ela Damaskosy 
noho izany nandringanana azy izany. Tsy 
fantatra izay andro nanorenana ny tanana 
indray; fa tamin' ny Persiana no tompon' 
ny tany Paleatina dia tanana malaza indray 
Damaskosy. 

Tamin' ny andron' i Paolv Apostoly Dama- 
skosy ay ny tany manodidina azy dia tonga 
fiza ran -tany tamin' ny fanjakan' i Areta, 
mpanjaka Arabo, izay napetraky ny Romans 
teo (2 Kor. xi. 32). Be ny fandrantoana 
natao tany Damaskosy ; ary divay sv volon- 
ondry indrindra no namidin' ny olona teo. 
Maharitra ambaraka ankehitriny Damaskosy, 
ary mbola tanana lehibe izy sady renivohitry 
ny fizaran-tany, araka ny fitondran' ny fa- 
njakan' i Torkey azy, ary ao no ipetrahan' ny 
governora. Mbola ao hiany, hono, ilay 
"lalana atao hoe Imahitsy" (Asa. ix. 11). 
Ny olona ao manondro koa ilay fi toerana izay 
nisehoan' iJesosy tamin' iPaoly, nefa tsy 
azo itokiana loatra izany. Tokony ho 1 50, 000, 
hono, ny isan' ny mponina any Damas- 
kosy ankehitriny. Maromaro hiany ny trano 
vato any izay trano fiangonan' ny Kristiana 
tany aloha, nefa efa lasan' ny Mohamedana 
hatramin' ny ela, ka efa tonga moska (trano 
fivavahan' ny Mohamedana). Ary na dia 
izany aza, mbola hita miharihary eo am- 
bonin' ny varavaramben' ny trano anankiray 
izao teny izao voasoratra amin' ny teny 
Grika: "Ny fanjakimao, ry Kristy 6, dia 
fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahanao 
maharitra hatramin' ny taranaka fara-man- 
dimby!" Faminaniana tokoa izany, izay 
mbola ho tanteraka avokoa. — j.b. 

DANA {Mpanome rariny) : dia anaran' 
ny zanakalahin' iJakoba fahadiminy, izay 
naterak' i Bilha, ankizivavin-dRahely, ho azy 



* DAN 

(Gen. xxx. 6, 6). Tsy misy teny hafa mi- 
laza an' i Dana, ary kely koa ny tantara ny 
amin' ny firenena nantsoina araka ny ana- 
rany. Iray hiany ny zanakalahin' i Dana, 
dia Hosima na Sohama (den. xlvi. 23 ; 
Noin. xxvi. 42), kanefa efa nitombo ho 62,700 
ny isan' ny lehilahy matanjaka avy tamin' 
ny firenen' ny Dana tamin' ny nialan' ny 
Zanak' Isiraely tuny Egypta (Nom. i. 39) ; 
ary nitombo indray ho 61,400 izy vho niditra 
tany amin' nv tany Kanana (Nom. xxvi. 
43). Be isa indrindra tamin' ny firenena 
roa ambin' ny folo tamin' izany izy, ary tsy 
nisy nihoatra azy afa-isy ny lirenen' ny Joda 
hiany. Kanefa, na dia izany aza, tsy mba 
tonga isan' ny nanan-daza teo amin' ny 
Isiraely akory Dana; ary ny anarany tsy 
mba voalaza ao amin' ny tantara firazanana 
ao amin' ny 1 Tant. iv.— ix., na amin' ny 
anaran' ny firenena roa ambin' ny folo voa- 
lahatra ao amin' ny Apok. vii. 4-8. Samsona 
hiany no lehilahy malaza avy tamin' ny fire- 
nen' ny Dana ; koa satria nitaara ny Zanak' 
Isiraely sy namonjy azy tamin' ny Filistina 
f ahavalony izy, tanteraka tamin' izay angaha 
ny teny nolazain' i Jakoba razany talohan' 
ny nahafatesany (Gen. xlix. 16) hoe : 
"Dana hitsara ny olony 
Tahaka ny anankiray amin' ny firenen' ny 

Isiraely." 
Ny tobin' ny Dana tany an-efitra dia tao 
avaratry ny Tabernakely : ary taoriana indri- 
ndra tamin' ny filaharan' ny olona raha na- 
ndroso nandeha izy (Nom. ii. 25, 31 ; x. 26). 
Ary izy koa no f arany izay nahazo lova tamin' 
ny nizarana ny tany Kanana (Jos. xviii. 2 ; 
xix. 40). Ny zara-tanin' ny Dana dia tao 
amoron-dranomasina ataimo-andrefana ; tany 
mahavokatra tsara izany, kanefa toa tery 
loatra ny olona, fa ny Amorita nampahory 
azy tamin' ny voalohany (Mpit. i. 34), ary 
ny Filistina teo aoriana; ary ny tanana 
maro izay anjaran' ny Dana mbola tanan' 
ny Filistina, fa tsy naharesy azy nv olon' ny 
Dana. Kehefa maty Samsona, dia nitady 
fonenana hafa ny firenen' ny Dana, ary 
nony hitan' ny mpisafo nirahiny fa nisy 
tany sadv malalaka no mahavokatra tany 
avaratr' i Kanana indrindra, dia nifindra 
tany ny maro ary nandroaka niala ny 
olon-tSidona izav efa nonina tao tany 
aloha (Mpit. xviii.). Ka dia tanteraka ny 
teny novinanin' i Mosesy (Deo. xxxiii. 22) 
hoe: 

"Dana dia zana-diona, 
Miantsampy avy ao Basana izy." 
Ary ny fahasahisahiany sy ny fahafetaena 
nasehony tamin' izay no nahatanteraka ny 
tenin'*i Jakoba (Gen. xlix. 17) hoe : 

"Dana ho menarana ao amoron-dalana, 
Ho bibilava misy tandroka ao amoron- 
dalana izy, 
Izay manaikitra ny kitrokelin' ny soavaly, 
Ka potraka miantsilany ny mpitaingina 
azy." 



Digitized by 



Google 



DAN •• 

Ary ny ton tar a milaza ny nahazoan' nj' 
firencn' ny Dana ny tany avaratra no ahi- 
tantsika koa fa efa nihemotra tain in' ny 
fivavahana marina izy ka tonga mpanompo 
sawpy sady ratsy fomba loatra koa. — J.w. 

DANA : tanana tany amin' ny sisin-tanin' 
i Palcstina avaratra indrindra izany, tahaka 
any Beri-sheba, izay tanana any amin' ny 
sism-tany atsimo indrindra kosa. Koa izany 
no nisehoan' ny teny hoo "hatran' iDana 
ka hatran' i Beri-sheba" raha ny tanin' ny 
Isiraely rehetra no tian-kolazaina ; zahao 
J Sam. Hi. 20 ; 2 Sam. iii. 10 ; etc. Lnisy 
na Lesema no anaran' ny tanana tamin' ny 
voalohany, fa novan' ny olon' ny Dana, ka 
nataony hoe Dana no anarany, ho fahatsia- 
rovana sy f ana j ana an' i Dana razam-beny. 
Ny amin' ny nahazoan' ny firenen' ny Dana 
ny tanana sy ny tany manodidina azy, zahao 
ny teny eo ambony ary Mpit. xviii. sy Jos. 
xix. 47. Ny teny farany milaza ny tanana 
Dana dia 1 Mpan. xv. 20 sy 2 Tant. xvi. 4, 
fa lasan' i Beni-hadada, mpanjakan' i Syria, 
izy, mbainin' ny tanana hafa koa.-- j.w. 

DANIELA (Andriamanitra no Mpittara 
ahy) no fahefatra tamin' ireo "xnpaminany 
lehibe." Avo nrazanana Daniela (Dan. i. 
3, 6), fa raha tahaka ny filazan' i Josef osy, 
dia avy tamin' ny taranak' i Davida sy ny 
mpanjakan' ny Joda izy (Josef osy, boky x. 
toko x. ; zahao koa 1 Tant. iii. 1). Tokony 
ho teraka tany Jerosalema izy (Dan. ix. 16) ; 
ary raha mbola tanora dia nentin' i Nebokad- 
nezara tany Babylona, rehefa resy ny Jiosy 
tamin' ilay fahirano voalohany nataon' i Ne- 
bokadnezara tany Jerosalema (b. g. 604). 
Ary angamba ny mba hitana azy ho toky 
sy antoka ny amin' ny hanatanterahan' 
i Joiakima, mpanjakan' ny Joda, ny fane- 
kena nataony tamin' i Nebokadnezara no 
nitondrany an' i Daniela sy ny namany 
maromaro, izay zanaky ny lehibe, ho any 
Babylona. Nofinidin' ny mpanjaka izy sy 
ny namany telo lahy, dia Hanania sy Misaela 
ary Azaria, mba hitoetra any an-dapany sy 
hampianarina ny fiteny sy ny fahendren' ny 
Kaldeana ; sady no van' ny mpanjaka ny 
anaran' i Daniela ka nataony hoe Beltesa- 
jsara, izany hoe "Andriandahy ankasitrahan' 
iBela" (sampy). Ary nony vantan' ny vao 
tonga tao izy ireo, Daniela dia niseho bo 
zazalahy natahotra an' Andriamanitra sady 
hendry loatra. Nisy fady tamin' ny Jiosy 
ny hanim-py izay naroso hohanin' i Daniela 
«y ny sakaizany telo lahy isan-andro, sady 
nanaterana tamiii' ny sampin' ny mpanjaka 
izany hanina izany. Ka dia niera tamin' ny 
lehibe Daniela sy nangataka famelana ho 
azy sy ny namany mba ho afaka tsy hihinana 
izany. Ary noho ny fitiavan' ilay tandapa 
an 1 i Daniela, dia navelany hihinana zavatra 
hafa ho solon' izany mba tsy hahadiso azy 
amin' ny lalan' Andriamanitra. Nambinina 
mandrakariva izy ka nankaaitrahan' Andria- 
manitra sy ny olona rehetra : koa nampiana- 



DAN 

rin' Andriamanitra izy hahalala fahendrena 
ambony lavitra noho ny fahendrena niana- 
rany tamin' ny Kaldeana. Raha mbola 
tanoranora hiany Daniela, ny anarany efa 
ambentinteny teo amin' izay rehetra niray 
firenen a tamin y noho ny hamarinam-pana- 
hiny sy ny fahendren y (Ezek. xiv. 14, 20 ; 
x xviii. 3). 

Tahaka ny nannndratana an' i Josefa tany 
Egypta noho ny fahalalana nomen' Andria- 
manitra azy hanambara ny nofin' i Farao, dia 
tahaka izany no nanandratana an' i Daniela 
tany Babylona, rehefa nahalaza ny nofin' 
i Nebokadnezara izy. Nasandratry ny mpa- 
njaka ho lehiben' ny Magy (dia ny olon- 
kcndi7) izy ary ho nipanapaka ny an- 
tokony Babylona rehetra. Angamba tsy teo 
izy tamin' ny andro nanenjehana ny namany 
telo lahy izay tsy nety nivavaka tamin' 
ilay sari -olona volamena lehibe iny (Dan. 
iii.). Ary tany aoriandriana dia namba- 
rany tamin* ny mpanjaka izay hevitry^ ny 
nofiny faharoa, manambara ny hampijalian' 
Andriamanitra azy noho ny nreharehany, 
sady nasehon' i Daniela taminy ny mety 
hatao niba handosirany izany loza ho avy 
izany (Dan. iv.). 

Tamin' ny andro nanjakan' iBelaazara 
(izay zafin' i Nebokadnezara) dia toa efa 
naetry ny voninahitr' i Daniela tao amin' ny 
fanjakana. Nefa nirahina ho any Soaana 
(Dan. viii. 1, 2), renivohitry ny mpanjakan' 
i Persia, izy. Ary tany ho any no andro 
nahitan' i Daniela taindrimandry nampa- 
hafantatra azy ny amin' ny fanjakana lehibe 
sasany izay hiseho handrava an' i Babylona, 
ary hifandimby sy hifandrava amin' ny 
andro manarakaraka, mandra-pihavin' ny 
fanjakana izay tsy azo ampihorohoroina 
(Dan. vii. ; viii.). 

Rehefa nadiva ho avy izay hahafatesan' 
i Belsazara sy ny hahalasanan' i Darioaa Me- 
diana ny f anjakany, dia nambaran' i Daniela 
tamin' ny mpanjaka izany, koa naaandratra 
indray ho mpanapaka f ahatelo izy. K anjo 
maty tamin' ny alin' iny Belsazara (Dan. v.) ; 
ary rehefa tonga ny andro nanjakan' iDa- 
riosa dia mbola notoviny tamin' i Daniela 
hiany ny voninahitra nomen' i Belsazara azy 
teo, sady nokasain' iDariosa hasandratra 
Daniela hatao faharoa ao amin' ny taniny 
rehetra (Dan. vi. 3). Kan jo nakmin' ny 
lehibe sy ny andriandahy sasany Daniela, 
ka niraisan' ireo tetika hovonoina izy ; nefa 
mbola nambinina izy ary narovan' Andria- 
j manitra, ua hatramin' ny vavan' ny liona 
aza (Dan. vi.). 

Efa antitra Daniela tamin' izany andro 
izany, nefa mbola novelomin' Andriamanitra 
izy hahatratra izay faran' ny andro nitoeran' 
ny Jiosy tany Babylona. Dia velona izy 
nahita izany soa niriny sy nangatahiny ela 
izany (Dan. ix. 1-19) ; nefa tsy mba isan' 
izay niverina nankany Kanana izy, fa ni- 
toetra teo amin' ny mpanjakan' i Babylona 



Digitized by 



Google 



DAN W 

sakaizany hiany. Efa anti-panahy loatra 
izy, fa sahabo ho 90 taona tamin' izay, sady 
efa Toky aoa ka toy nanam-pilana intsony. 

Tamin' ny taom-bitsy sisa izay mbola 
niainan' i Daniela koa, dia nasehon' Andria- 
manitra azy ny zavatra lehibe maro ho avy, 
izay efa tanteraka ela izao : dia ny hih avian' 
ny Mesia Andriana sy ny fanavotana ha- 
taoay, mbamin' ny hamonoana Azy; ary 
koa, ny handravana ny tanana masina ay ny 
Tempoly, ary ny nampielezana ny firenen' ny 
Jiosy rehetra (Dan. ix.). Daniela nahita ny 
Zanak' olana tamin' ny voninahiny, fony 
mbola tsy tonga nofo Izy (Dan. x.), ary 
zavatra maro koa izay maizina ay miafina 
ka mbola toy tanteraka (Dan. xi.), dia 
hatramin' ny hitsanganan' ny olona masina 
izay maty sy ny voninahitra izay azy any 
ankoatr' izany aza (Dan. xii.). Tsy mba 
nahita anjara holovany intsony ao amin' ny 
tany Kanana izy, fa ny Kanana any an- 
danitra no novantaniny. Dia "Mandehana 
hianao, ry ley Daniela ! mandra-pihavin' ny 
farany ; fa hitsahatra hianao ka hitsangana 
ho ao amin* ny anjaranao amin' ny andro 
farany." — w.m. 

Afa-tsy ilay Daniela malaza voalaza too, 
nisy telo lahy hafa koa natao hoe Daniela 
izay lazain' ny Test. Tal. : - (2) Zanakolahin' 
iDarida faharoa, izay naterak' iAbigaila 
(1 Tant. iii. 1). Eo amin' ny 2 Sam. iii. 3 
dia natao hoe Kileaba kosa izy. (3) Isan' 
ny mpisorona taranak' Itamara, izay niveri- 
naniaraka tamin' i Ezra (Ezr. viii. 2). (4) 
Mpisorona anankiray izay nanisy kase ny 
fanekena nataon' iNehemia (Neh. x. 6). 
Angamba izy sy ilay Daniela fahatelo teo 
dia olona iray hiany. — j.s. 

DAJilELA, Ny Bokin' i. Na dia isan' ny 
boky faminaniana aza ny bokin' i Daniela 
amin' ny Baiboly Englisy sy Malagasy, tsy 
mba toy izany amin' ny Baiboly Hebreo ; 
fa nalahatry ny Jiosy ho isan' ny Hagiogra- 
fa izy, dia ny Salamo sy ny Ohabolana ary 
ny boky hira sasany, ary ny boky tantara 
faramparany, dia Ezra, Nehemia, etc. 

1. — Ay Nanoratra ity boky ity. Araka ny 
a nar a na efa nomena azy hatr' izay ela izay, 
Daniela hiany, izay tantarany indrindra no 
lazain' ny boky, no tokony ho nanoratra 
azy koa, na ny ankabiazany aza ; vakio 
vii. 1, 28 ; viii. 2 ; ix. 2. Ary ny amin' ny 
tantaran' i Daniela, zahao ny teny mialoha 
ity. 

2.— Ny Anion 9 ny nanoratana ny bokin* 
i Daniela. Azo zaraina ho roa toko lehibe 
ity boky ity, dia Tantara (i.— »vi.) t ary Fami- 
n*mana (vii.— xii.), samy voalahatra araka 
ny andro nanaovana na nilazana ny zavatra 
voalaza eo aminy. Nefa kosa, tsy mba 
tantara milaza ny zavatra rehetra izay natao 
tamin' ny nitoeran' ny Jiosy tany Babylona 
izr, na tantara milaza izay rehetra nataon' 
i Daniela aza, fa vitay ny zavatra voalaza. 
Fa toy izao no anion' ny nanoratana ny 



DAN 

boky, dia mba hanambara ny zavatra maro 
sady vaovao no mahagaga izay nataon' 
Andriamanitra hamonjy ny olony, na dia 
tamin' ny andro be fahoriana aza. Fa 
tamin' izay dia toa voaely sy voahahaka ny 
firenena masina, satria efa nobaboina izy; 
ary toa foana ny fikasan' Andriamanitra 
tamin' ny nifidianany ny Jiosy ho olona 
mitokana ho Azy. Koanefa tamin' izany 
andro izany aza, .Teh ova naneho marimarina 
fa tsy nahafoy ny olony Izy, fa mbola 
nomba azy sy uiaro azy tao amin' ny tanira- 
bahiny. na dia tafasaraka tamin' ny Tempoly 
sy ny Tany Masina aza izy. Koa ny andro 
naharetan' ny Jiosy ny fahatezeran' Andria- 
manitra sy ny valin' ny ratsy nataony tonga 
andro nahitauy famindram-po sy ntahiana 
lehibe. Fa Andriamanitra nanangana efa- 
dahy ho vavolombelona ho Azy tao amin' ny 
tanin' ny olona mpanompo sampy, ary 
namonjy azy tamin' ny loza mahatahotra, 
dia ny lafaoro nisy afo mirehitra, ary ny 
lavaky ny liona. Ary amin' izany, ny 
mpanjaka roa lahy, dia Nebokadnezara sy 
Dariosa, samy nanaiky fa Jehova, Andria- 
manitry ny Isiraely, hiany no Andriamanitra 
marina (Dan. iii. 28, 29 ; iv. 37 ; vi. 26, 27). 
Ary dia hitan' ny olom-Babylona sy ny 
Persian a fa Isiraely mbola olon' Andriama- 
nitra, fa tsy mba nafoiny ho very ; ary ny 
fuhalalana ny fivnvahana marina dia niely 
Livitra dia lavitra teo amin' ny firenena izay 
tsy mbola nahalala ny anaran' i Jehova. 
Ary koa, raha mbola maizina ny andro, ary 
toa efa nofoanan' ny fahavalon' ny Jiosy 
ny fikasan' Andriamanitra, tamin' izany 
indrindra no nambaran' Andriamanitra 
tamin' i Daniela ny hihavian* ny Mpamonjy, 
ay ny hanaovany avotra noho ny olona, ary 
ny handrosoan' ny fanjakany hatramin' ny 
fahataperan' izao tontolo izao ^ix. 24-27). 
Ny zavatra mahagaga voalazan' ity boky ity 
(i. — vi.) dia vaovao sy mitokana ho azy sady 
miharihary, ary manahatahaka ireo fahaga- 
gana nataon' Andriamanitra tany aloha tany 
Egypta. Ary ny antony dia mba hampa- 
naiky ny mpanjakan' i Babylona ay Persia 
ary ny vahoakany fa misy Andriamanitra 
marina, Izay Tompon' izao rehetra izao, Izay 
ambony lavitra nono ny sampv rehetra ; ary 
mba hampihevitra ny Jiosy, izay efa tonga 
maditra sy mafy hatoka sady tsy mino, fa 
ny herin' i Jehova tsy mba nihena, fa mbola 
lehibe tahaka ny teo amin' ny tany Egvpta 
fahiny hiany. Ary ny faminaniana koa izay 
voasoratr' i Daniela (vii. — xii.) dia zavatra 
mitokana ho azy, ka tsy mba tahaka ny 
faminaniana maro eo amin' ny boky noao- 
ratan' ny mpaminany hafa. Hitantsika 
marimarina fa lehilahy be fahalalana izay 
nanoratra ity boky ity, aady fantany ny 
toetry ny firenena maro ay ny tantarany. 
Fa ny fiovaovan' ny fanjakana sady lehibe 
no mahery, ary ny fifandimbasany, no 
fototry ny faminaniana indrindra. Ary 



Digitized by 



Google 



DAN 100 

hitantsika koa fa ny tandindona sy ny ohatra 
maro nentin' i Daniela hanambara ny sitra- 
pon' Andriamanitra dia nalainy tamin' ny 
fomban' ny tany Kaldea, izay nitoerany 
tamin' izay ; fa ny biby samy hafa hitany 
(vii. 48) dia sahalahala amin' ny sary vato 
lehibe nataon' ny Kaldeana sy ny Asyriuna 
sady nivavahany. 

3. — Ny Zavatra lazaina amin' 1 ny boh'xrC 
x Daniela. 

(i.) Tantara. Ny nifidianana an' i Daniela 
sy ny namany telo lahy ho isan' ny olon- 
kcndry sy ny tandapan' i Nebokadnezara, 
mpanjakan' i Babylona ; ary ny nifadiany 
ny hanina fa din' ny Jiosy (i.). Ny nofy 
nonofisin' i Nebokadnezara, aryny nanamba- 
ran' i Daniela ny heviny relief a tsy hain' ny 
olon-kendry izany (ii.). Ny amin' ny sari- 
olona volamena lehibe natsangan' i Neboka- 
dnezara hivavahan' ny vahoakany ; ny 
nan da van' i Sadraka sy Mesaka ary Abednego 
tsy hiondrika teo anatrehany ; ny nanipa- 
zana azy tao amin' ny lafaoro nisy afo 
mirehitra ; ary ny namonjen' Andriamanitra 
azy tamin' izany (iii.). Ny nofy nonofisin' 
i Nebokadnezara hampanetry tena azy ; ny 
nireharehany ; ny nahatanterahan' ny nofy ; 
ary ny nodian' ny sainy sy ny nanomezany 

nnninafiitvii an' i Talinra fi-xr \ nJ\r Tanooans 



DAN 

ary izany koa 



voninahitra an' iJehova (iv.). Ny fanasana 
lehibe nataon' i Belsazara ho fiderana ny 
sampiny ; ny rantsan-tanana niseho ka nano- 
ratra teo amin* ny rindrin-trano ; ny loza 
hanjo azy ; ny nandikan' i Daniela ny teny 
voasoratra ; ny voninahitra nomena azy ; 
ary ny namonoana an' i Belsazara tamin' 
izany alina izany (v.). Ny voninahitra 
nomen' iDariosa mpanjaka an' i Daniela, 
sy ny nialonan' nv lehibe azy ; ny nani- 
pazana an' i Daniela tao amin' ny iavaky 
ny liona ; ary ny namonjen' Andriamanitra 
azy tamin' izany (vi.). 

(ii.) Faminaniana. Ny fahitana roa lazaina 
eo amin' ny toko ii. sy vii., mbamin' ny 
ohatra momba azy, dia toa loha-hevitra 
ahitantsika ny antony lehibe ny amin' ny 
faminaniana rehetra eo amin' ny boky. Ny 
fandrosoana sy ny fitomboan' ny herin' ny 
fanjakana samy hafa amin' izao tontolo izao, 
mandra-pihavin' ny fanjakan' ny lanitra, dia 
nambaran' Andriamanitra tamin' i Daniela. 
Ary fanjakana efatra no hitany, ny aoriana 
manan-kery noho izay nialoha azy sady na- 
ndresy azy : dia ny fanjakan' i Babylona sy ny 
Medo-Persiana sv ny Grika ary ny Romana. 
Fa ny fanjakan* Andriamanitra mandresy 
azy rehetra, fa izany hiany no maharitra, ary 
ankalazaina indrindra amin' ny hisehoan' ny 
Mesia ho Mpitsara sy Tompon' izao tontolo 
izao. Kanefa kosa, mandra-pihavin' ny 
fanjakan' Andriamanitra amin' ny hery toy 
izany, dia haharitra fahoriana betsaka samy 
hafa ny olon' Andriamanitra. Lazaina mari- 
marina izany andro fahoriana izany amin' 
ny toko viii. sy xi., izay manambara koa ny 
ady mafy hataon' ny Jiosy amin' ny andron' 



ny Makabiosy ; ary izany koa anefa dia 
tandindon' ny ady farany sy ny fahoriana 
farany rabola hiaretan' ny Fiangonana. Ny 
isan' ny andro mandra-pihavin* ny Mesia 
dia isa voafetra sy masina, dia herinandron- 
taona fito-polo (ix.). Rehefa afaka izany 
dia ho faty ny Mesia, tsy noho ny heloky 
ny tenany, fa noho ny an' ny olombelona ; 
vita sady tanteraka tsara ny avotra hataony ; 
ny fahamarinan' Andriamanitra dia hiseho, 
fa Jerosalema sy ny Tempoly ho foin* 
Andriamanitra horavana. Ary ny Isiraely 
marina tsy mba hitsangana avy amin' izany 
fahafoizana azy izany rah a tsy tapitra izao 
tontolo izao, dia amin' nv hitsanganan* ny 
olombelona rehetra amin ny andro farany 
(xii.). 

4. — Ny Teny nanoratana ny bokiri* i DonieU 
dia Kaldeana na Aramaika ny sasany (ii. 4 — 
vii. 28), ary Hebreo kosa ny teny sisa (i. 1-— 
ii. 4 ; viii. — xii.). 

6. — Ny Hamarinan* ny bokin' i Daniela dia 
efa neken' ny Jiosy sy ny Kristiana hatra- 
min' ny andro taloha indrindra. Maromaro 
hiany ny mpanoratra tamin' ny andro tato 
aoriana efa nanda fa tsy nosoratan' i Daniela 
izy ; nefa kosa, ny zavatra mahagaga voalaza 
eo arainy, ary ny zavatra maro madinidinika 
novinanin' i Daniela, no fototry ny tsy nane- 
ken' ny sasany azy indrindra. Efa nomen' 
ny sasany anarana hoe koa ity boky ity 
Apokalypsa, na Fan am bar an a, eo amin' ny 
Test. Tal., satria maro ny zavatra lazaina ny 
amin' ny fiainan-tsi-hita sady mbola ho avy 
dia tahaka ny zavatra maro lazain' ny 
Fanambarana eo amin' ny Test. Vao. Ary 
izao koa no hevitra sasany manamarina ny 
tenin' ity boky ity : (a) Eken' ny nanoratra ny 
Test. Vao. ho isan' ny Soratra Masina izy"; 
zahao Mat. xxiv. 15 ; 2 Tea. ii. 3 ; ampitahao 
Dan. vii. 10, 11 ; Heb. xi. 33. Ary ny ana- 
rana hoe ZanaV olona (Dan. vii. 13) nonalain' 
i Kristy ho anarany. (b) Raha tsy nisy 
lehilahy tahaka an' i Daniela, izay nanan- 
kery sy be voninahitra tany Babylona tamin' 
ny andro nahababoana ny Jiosy, dia tsy hita 
akory izay niverenany ho any amin 1 ny 
Tany Masina ; fa ny tantaran' i Daniela 
manazava izany. (d) Araka ny tenin' i Jo- 
sefosy, ny faminanian' i Daniela dia nola- 
zaina tamin' i Aleksandro Lehibe, nony tonga 
tany Jerosalema izy, B.C. 333. (e) Ny boky 
tantara atao hoe Makabiosy Aloha (voasoratra 
B.C. 120-100) dia misy teny avy amin* ny 
bolrin' i Daniela ; ka dia f amantarana marina 
izany, fa nosoratan' el a tamin' ny andro 
taloha izy. (/) Daniela nolazain' iEzekiela 
fxiv. 14-20; xxviii. 3) ho malaza noho ny 
tahendreny sy ny fahamarinany ary ny 
fahalalana lehibe nomen' Andriamanitra azy ; 
ka dia mifanaraka avokoa ny teniny sy izay 
lazaina ny amin' i Daniela eo amin' ity 
boky ity. (g) Ny fahalalana ny fomban' ny 
Kaldeana mbamin' ny fanaony sy ny tanta- 
rany ary ny fivavahany, izay nasehon' ny 



Digitized by 



Google 



DAT 

nanoratra ity boky ity, dia vavolombelona fa 
olona efa nitoetra ela tany Kaldea izy. (h) 
Ny zavatra lazaina ny amin' ny Media, 
try ny tai-fisian' ny hevitra hafahafa izay 
nitranga teo amin' ny Jiosy tato aoriana, 
dia manamarina ny bevitr' izay manao hoe 
fa nosoratan' iDaniela izy. Ary farany, 
(i) ny fomban' ny tony nanoratana ny boky 
dia TaTolombelona koa fa tsy mba nosora- 
tana taorian' ny andron' i Daniela loatra izy ; 
fa misy izay itovian' ny teny ao aininy, By 
ny teny eo amin' ny bokin' i Ezra sy Eze- 
kiela- — j.s. 

DARIOSA {Mpanjaka, na Mpanapaka) : 
anarana nifandimbasan' ny mpanjaka samy 
hafa tany Media sy Persia izany. Misy 
mpanjaka teJo lahy natao hoe Dariosa voalaza 
ao amin* ny Soratra Masina : — 

1. "Dariosa Mediana" (Dan. xi. 1; ix. 
1 ; vi. 1) : zanak' iAhasoerosy izy, ary avy 
tamin' ny taranaky ny olo-Media, dia ilay 
nahazo ny fanjakan' i Babylona rehefa maty 
Belsazara; roa am by enim-polo taona izy 
tamin' izanv (Dan. v. 31). Iray taona hiany 
izay nanjakan' io Dariosa io no voalaza 
(Dan. ix. 1 ; xi. 1), nefa taona malaza tamin' 
ny tantaran' ny Jiosy izany, fa Daniela 
nasandratry ny mpanjaka ho mpanapaka 
lehibe indrindra noho ny soa nataony sy ny 
fahendrena hita tao aminy. Ary taorian' ny 
ny famonjena mahagaga nataon'. Andriama- 
nitra ho an' i Daniela, Dariosa nanao lalana 
ka nandidy ny vahoakany rehetra hanaja ny 
Andriamanitra marina (Dan. vi. 26). foko- 
ny ho mpanjaka farany tany Media izy io. 

2. ••Dariosa, mpanjakan' i Persia :" zana- 
kalahin' i Hystaspesy io Dariosa io, ary izy 
no Toalohany amin ny mpanjaka Perso- 
Ariana. Dariosa nanao soa tamin' ny Jiosy, 
araka izay efa nataon' i Koresy tany aloha 
(Ezr. v. 7 ; vi. 1). Mpiady lehibe izy, nefa 
resin' ny Grika tany Marathon (b.c. 490). 

3. ••Dariosa Persiana" (Neh. xii. 22): 
dia izay natao hoe Dariosa II., na Dariosa 
III., dia ny mpanjaka farany tany Persia. — 

Z.H.B. 

DABDA : dia anaran' ny lehilahy ananki- 
ray voalaza ao amin' ny 1 Mpan. v. 11, izay 
nalaza noho ny fahendreny ; fa Solomona 
no lazaina ho "hendry noho ny olona rehe- 
tra : eny, hendry mihoatra noho Etana 
Ezrahita sy Hemana sy Kalkola aiy Darda, 
zanak' iMahola." Araka ny hevitry ny 
a&sany, ny hoe "zanak' iMahola," dia 
tokony hadika hoe, <4 zanaky ny didy," na 
"mpanao hira ;" fa ny andro nahavelomany 
sy ny tantarany no toy fantatra. Voalaza 
indray ny anarany ao amin' ny 1 Tant. ii. 
6. Zahao ktana. — J.8. 

DAT AH A: dia loholona anankiray avy 
tamin' ny taranak' iRobena, izay nirai- 
tetika tamin' i Kora sy ny sasany hanohitra 
an'iAronampisoronabe. Nef a tezitra Jehova 
noho izay nataony; koa rehefa nivavaka 
MoaMy, dia nisokatra ny tany teo ambanin' 



101 DAV 

ny lain' i Datana sy ny namany ary nitelina 
azy velona, mbamin' ny vady aman-janany ; 
dia nikatona indray ny tany (Nom. xvi. 
1-34). Zahao arona.—j.s. 

DAVIDA {Mpitia, na Malahi) : dia ilay 
rapiaudry ondry izay nofidin' Andriamanitra 
ho ropanjakan' ny olony, ary ton^a mpiady 
malaza nandresy ny firenena maro nanodidi- 
na azy ; dia ilay Davida izay natao hoe 
"lehilahy araka ny fon' Andriamanitra," 
sy *'mpanao hira mahannaritra amin' ny 
Isiraely ;" ary izay razan' iJtsosy Kristy 
Tompo, fa Izy aza naka ny anarany ananki- 
ray avy tamin' i Davida, fa matetika Izy 
dia nantsoina hoe "Zanak' i Davida." 

Mizara efatra ny tantaran' i Davida, dia 
toy izao: — I. Ny fahatanorany, raha tsy 
mbola nilatsaka ho tandapa tamin' i Saoly 
izy; II. Ny nauompoany an' i Saoly; III. 
Ny nanjakany tamin' ny Jodn hiany tao 
Hobrona ; ary IV. Ny nanjakauy tamin' ny 
Isiraely rehetra. 

I. Ny Fahatanorari* i JJavida, raha t*y mbola 
nilatsaka ho tandapa tamin' i Suohf izy. Ny 
filazana ny fi razan an' i Davida dia hita ao 
amin' ny bokin' iRota (iv. 1S-22); ary hita 
amin' izany fa Jew, rain' i Davida, diazafin' 
i Boaza sy Rota, vohivavy Moaba ; ary izany 
nihavanany tamin' ny olon' i Moaba izany 
angaha no nametrahan' i Davida ny ray 
aman-dreniny, izay efa antitra, tao amin' ny 
mpanjakan' i Moaba, raha nenjehin' i Saoly 
izy (I Sam. xxii. 3). Jcso no anaran-drainy, 
ary nonina tao Betlehema izy, ary tao no 
nahaterahan' i Davida. [betlehema.] Ny 
anaran -dreniny tsy fantatra ; ary teny fohy 
roa hiany no nolazain' i Davida ny aminy ; 
Sal. lxxxvi. 16 sy exvi. 16 angamba no 
ahafantarantsika kcly ny toctrany ; ary 
amin' izany dia hita fa vehivavy natahotra 
an' Andriamanitra izy sady nazoto nanompo 
an' Andriamanitra no nitaona ny zanany 
hanompo Azy koa. 

Nanana zanakalahy fito Jese, ary Davida 
no faralahy tamin' ireo (1 Tant. ii. 13, lo) ; 
ilay atao hoe "Eliho, izay isan' ny rahala- 
hin' i Davida," ao amin' ny 1 Tant. xxvii. 
18, tokony ho sahalaamin' ilay "Eliaba lahi- 
matoa" voalaza ao amin' ny 1 Tant. ii. 13. 
Ny zanakalahin' i "Sina" na <4 Simea" roa 
dia misoho indray teo aoriana ao amin' ny 
tantaran' i Davida. Ny anankiray amin' ireo 
dia Jonadaba, izay nanolotra sain-dratsy an' 
i Amnona, zanak' i Davida (2 Sam. xiii. 3) ; 
ary ny anankiray koa dia Jonatana (2 Sam. 
xxi. 21), izav tonga mpanolo-tBaina an' 
i Davida tamm' ny aoriana (lTant. xxvii. 
32). 

Ao amin' ny 1 Tant. ii. 16, 17, Zeroia sy 
Abigaila dia lazaina fa anabavin' i Davida ; 
kanefa tsy mba zanak' i Jese an gab a izy roa 
vavy; ary ao amin' ny 2 Sam. xvii. 25, 
Abigaila dia atao hoe "zanakavavin' iNa- 
hasy." Zahao nahasy. Ny zanakalahin' 
i Zeroia sy Abigaila dia Abisay sy Joaba sy 



Digitized by 



Google 



DAV 

Asahela ary Amasa ; ary ao amin' ny tanta- 
ran' iDavida teo aoriana dia miseho ho 
aakaizany sy namany hiany izy efa-dahy, ka 
toa mitovitovy taona taminy, na dia zanak' 
anabaviny aza izy. 

Davida dia tian-drainy araan-dreniny, 
tahaka an' i Josef a hiany, ary ny hevitry ny 
anarany dia 'sombin-aina,' na 'tiana.' Ka- 
nefa nesoin' ny zokiny tahaka an' i Josef a 
koa izy; ary tamin' izy ireo nilatsaka ho 
miaramila nanaraka ny mpanjaka, Davida 
no nirahiny hiandry ondry teny an-tsaha. 
Tamin' izay koa tonga zatra ny misaintsaina 
sady nahazo hevitra tsura sy lehibe izy ; ary 
ny herin-tsainy tokony ho nitombo sy 
nandroso lalandava. Ny filalaovan' i Davida 
sy ny fanalany andro dia ny mitendry 
lokanga sy ny mihira ny fiderana an' Andria- 
raanitra ; ary ny fahaizany mitendry lokanga 
dia tonga malaza, ka dia ren' ny mpanompon' 
ny mpanjaka aza izany (1 Sam. xvi. 18, 23) ; 
dia nalain' iSaoly Davida hamangivangy 
azy raha narary am-panahy izy. Teny an- 
tsaha koa tonga zatra mandehandeha lavitra 
Davida hiandrasany ny ondriny, sady niana- 
tra ho hendry hiambina azy tsy ho azon' ny 
bibi-dia; ary indraindray dia niseho ny 
fahasahiany hiady amin' ireny, na dia biby 
nampahatahotra sy nahatsiravina aza ny 
sasany ; dia tonga matanjaka sy mavitrika 
sy faingan-dia ary mahay mikendry amin' 
ny teipika indrindra izy (1 Sam. xvii. 34-36 ; 
Sal. xviii. 33, 34). 

Ny teny voalohany milaza an' iDavida 
dia ny nanosoran' i Samoela azy handimby 
an' i Saoly tao an -tranon- drain y tany Be tie- 
hema (1 Sam. xvi. 1-13). Ary ny Salamo 
izay azo lazaina marimarina fa tokony ho 
nosoratan' iDavida tamin' izany fizarana 
voalohan' ny fiainany izany dia Sal. i., viii., 
xix., xxiii., sy cxxxix. (?). 

II. Ny TantaraiC i Davida raha mbola Mpa- 
nompon 1 i Saoly izy (1 Sam. xviii. —2 Sam. i.). 
Ny namonoany an' i Goliata tao Efesa- 
daraima (1 Sam. xvii.) no nilat&ahany ho 
tandapa tamin' i Saoly mpanjaka, izay tsy 
nahatadidy loatra ny tavany, ka nan dray 
azy tahaka ny olona izay tsy mbola hitany 
akory (xvii. 54-68; ampitahao xvi. 19, 23). 
Ary ity fizarana faharoa amin' ny tantaran' 
i Davida ity dia raizara efatra indray : — 

1 . Ny nitoerany niaraka tamin* i Saoly tao an- 
tranony ka hatramin' ny nandoairany (1 Sam. 
xviii.— xix. 17). Ary niseho tamin' izany fa 



10* DAV 

fifaliana ary ny dihy nataon' ny vehivavy 
maro no nampirehitra fialonana tao amin' ny 
fon' i Saoly tamin' i Davida, ka dia nitady 
h»mono azy izy. Kanefa mbola nitombo 
ny fahaizan' iDavida hitondra tena, dia 
natahotra azy Saoly. Ny lazany niely tany 
amin' ny Filistina koa noho ny heriny niady 
taminy (xviii. 6-30) ; fa mainka nankahaU 
an' i Davida Saoly, dia nitady olona hamono 
azy; kanefa Jon atari a sy Mikala namonjy 
azy, ka dia lasa nandositra izy (xix. 1-17). 

2. Ny nandosiran' i Davida. Nanatona an' 
i Samoela tao Naiota tany Rama izy tamin' 
ny voalohany ; ary tsy miay teny milaza ny 
nihaonan' izy roa lahy afa-tsy tamin' ity 
sy tamin' ny nanosoran' i Samoela an' i Da- 
vida, fony izy mbola tovolahy (xix. 18-24). 
Mbola nan an tena hiany izy fa azo hampiha- 
vanina indray izy sy Saoly (xx. 5-7, 26) ; 
kanefa raha ren' i Davida ny tenin' i Jona- 
tana ny amin' ny toe-panahin' i Saoly, dia 
very fanantenana izy ka tsy nahita hevitra 
afa-tsy ny mankany amin' ny Filistina, dia 
ilay fahavalony tany aloha (xx. 1). Fa tamin' 
ny nalehany tany dia namangy an' i Ahime- 
loka mpiaoronabe tao Noba izy, ary nody ho 
irak' i Saoly, dia nahazo mofo ho vatsy, sy 
ny sabatr' l Goliata ho fiadiana, izy (xxi. 1- 
9). Fa izany nitsidihany tao Noba izany no 
nampidiran' i Saoly loza ho an' ny mpisorona 
maro teo aoriana, ka dia nalahelo indrindra 
Davida noho izany (xxii. 7-23). Tsy nitoe- 
tra ela tany amin' i Akisy, mpanjakan' ny 
Filistina, izy, fa ny sabatr' i Goliata angaha 
no nahafantaran' ny olona azy; dia nody 
very saina izy, ary izany no nahazoany 
nandositra indray (xxi. 10, 15). Raha toy 
ny hevitry ny sasany, ny Salamo nosoratan' 
i Davida tamin' izany fizaran' ny tantarany 
faharoa izany dia Sal. xxxiv., lvi., sy liv. ; 
ary fanampm' izany, hoy ny sasany, 8al. 
vi., vii., xxxv., xxxvi., cxl., oxli., sy exliii. 

3. Ny nitondran 1 iDavida ady nandeJiandeha 
(1 Sam xxii. 1 — xxvi. 26). Tamin' izany, 
Saoly mbola mpanjakan' ny tany, ka dia 
toa mpikomy sy jiolahy foana Davida, raha 
tsy tadidintsika fa nenjehin' i Saoly tamin' 
ny iolom-po masiaka indrindra izy ; kanefa 
kosa, izy dia nitsimbina ny ain' i Saoly 
indrindra, fa tsy namono azy, na dia azony 
moramora foana hiany aza izy indraindray. 
Ary raha dinihina ny tenin' ny ankisrin' 
i Nabala (xxv. 14-16, 34), dia ho hitantaika fa 
ny miaro ny fananana sy ny bibin' ny olona 



lehilahy raalakv tian' olona loatra Davida ; fa I manan-karena, ary ny mandray aminy izay 
Jonatana, lahunatoan' i Saoly, tonga raiki- •«»«- *»« «w<j«w»«*.» «— mn .«. M i>-o ««, „~ 
pitia fatratra taminy, ary ny fifankatiavan' 
izy roa lahy nitombo dia nitombo, na dia 
tadiavin' i Saoly hankahala an' i Davida aza 
Jonatana (xviii. 1-4). Ary Mikala koa, 
faharoan' ny zanakavavin' i Saoly, tia an' 
i Davida, dia nomen' i Saoly ho vadin' i Da- 
vida izy (xviii. 20-28). Noderain' ny olona 
rehetra koa izy noho ny famonjena nataony 
ho an' ny Isiraely; kanefa ny hira sy ny 



ampy ho fiveloman' ny mpanaraka azy, no 
fomban' iDavida tamin' izany nitondrany 
ady nandehandeha izany. Sarotra ny man da - 
hatra ny nalehany rehetra tamin' izany, 
kanefa azo akambakambana toy izao : —(a) 
Tonga tao amin' ny lava-bato Adolama izy, 
ary olona efa-jato no nanatona azy, mbamin' 
ny mpianakavin-drainy, izay notadiavin' 
i Saoly hovonoina koa angaha (xxii. 1, 2); 
ary ny ray aman-draniny no napetrany tao 



Digitized by 



Google 



DAV 

amin' ny havan-drazany tany Moaba, nry 
ot mpanjakan' i Moaba dia niaro azy (xxii. 
3, 4). Ary tokony ho tamin' izany koa no 
nanaovan' i Nahasy, mpan jakan' i Amona, 
soa tamin' i Davida, fa nifanakaiky Moaba 
sy Amona (2 Sam. x. 1-2). (b) Tamin' izy 
nitoetra "tao amin' ny batery fiarovana" 
(1 Sam. xxii. 5), ireo telo laby mahery 
nanovo rano teo amin' ny fantsakana any 
Betlebema, na dia nam ben an' ny Filistina 
aza izany, ary nitondra azy tany amin' 
i Davida hoaotroiny ; kanjo tsy nety nisotro 
ny rano Davida, satria nanao vy very ny 
ainy izy telo laby babazoany azy, fa nani- 
dina azy ho fanatitra-aidina ho an' i Jebova 
izy (2 Sam. xxiii. 14-17; 1 Tant. xi. 16-19). 
Tamin* izany koa nisy Gadita iraika ambin' 
ny folo laby mahery nanatona azy, izay nita 
an* i Jordana, na dia tondraka aza ny rano ; 
ary izy ireo nataon' i Davida ho mpifehy ny 
mia rami lany teo aoriana (1 Tant. xii. 8-15). 
Ary koa, ny olom-Benjamina sy ny Joda sa- 
aany no nentin' i Amaaay, zanak' i Abigaila 
anabavin' i Davida, ary tonga mpifehy ny 
miaramilany koa izy (1 Tant. xii. 16-18). (d) 
Naaaria' i Gada mpaminany mba tsy hitoetra 
ao amin' ny fiarovana intsony Davida, dia 
nifindra ho any an-ala tany Hareta (1 Sam. 
xxiL 5) ; ary teo izy no nahare fa ny Filis- 
tina niandry tany Keila, dia nankany izy ka 
nandreay azy teo, dia nonina tao Keila izy 
{xxiii. 1-6)* Abiatara mpisoronabe niala 
tamin' i Saoly tamin' izay ka nanatona an* 
i Davida tany Keila (xxiii. 6). [abiatara.] 
Ary dia nitombo ny isan' ny miaramila izay 
aanaraka an' i Davida ka tonga enin-jato 
laky (xxiii. 18) ; dia niara-nitoetra taminy 
tao Keila izy. (e) Tonga Saoly hanao fahi- 
rano an' i Kefla, ary Davida sy ny miarami- 
lany laaa tany amin' ny efitr' iZifa "araka 
izay azony haleha;" ary Saory nanenjika 
azy na aiza na aiza nalehany "tahaka nv 
manenjika taipoy eny an-tendrombobitra^ 
xxvi. 20). Tany no faran' ny nibaonan' 
i Jonatana sy Davida (xxiii. 16, 18) ; ary tao 
Maona tsy maintsy efa nosamborina Davida, 
raba tPy tonga ny teny milaza ny nanafiban' 
ay Filistina ny tanin' ny Isiraely. (/) Laaa 
nankany Engedy Davida (xxiii. 29), ary 
Saory nanenjika azy indray teo ka nitondra 
3000 lahy nanaraka azy. Ary dia niditra 
tao amin' ny lavaka lehibe izay nieren' 
i Davida sy ny miaramilany izy, kanef a tsy 
nasaano azy Davida, fa ny aisin-dambany 
bisary no notapahiny ; ary rebefa hitan' 
i Saoly ny niarovan' i Davida ny ainy, dia 
nanenina izy nobo ny ratsy nntaony tamin 1 
i Davida ka nody indray (xxiv.). Raba 
nitaahatra ny fanenjehana azy, dia niditra 
tao Maona indray Davida ; ary tamin' izany 
dia nisebo Nabala, ilay lebilaby mabihitra 
sady vadin' i Abigaila, vebivavy hendry, 
izay tonga vadin' i Davida rehefa maty 
tampoka Nabala (xxv.). Ary nampakarin' 
i Davida koa Abinoama avy tany Jezirela, 



1W DAV 

tanana akaikin' i Maona sy Karimela (Jos. 
xv. 65, 66) ; ary izy angamba no vadiny 
talohan' i Abigaila (1 Sam. xxv. 43; xxvii. 
3; 2 Sam. iii. 2). Kanefa tsy ela dia 
namadika ny fanekena Saoly, dia nanenjika 
an' i Davida indray izy ka nitondra olona 
3000 nankany amin' ny efitr' iZifa; kanefa 
azon' i Davida indray izy, nefa narovan' 
i Davida indray ny ainy ; dia menatra Saoly 
ary niverina tany amin' ny fitoerany (xxvi.). 
Nv Salamo liv., lvii., lxiii., sy cxlii., no 
tokony ho nosoratan' i Davida tamin' izany 
fizaran' ny tantarany izany. 

4. Ny Nanompoati 1 i J)atida an y i Aki*y, 
mpanjakari* ny Filistina (1 Sam. xxvii. 1 — 
2 Sam. i. 27). Raha tonga fanindroany 
tany amin' i Akisy Davida, tsy mba irery 
toy ny tamin' ny voalohany, fa nitondra 
miaramila voalahatra tsara, ary ny vady 
aman-janany koa no nentiny ; ary Akisy 
nanome azy ny tanana Ziklaga, izay tao 
amin' ny fari-tany mipaka amin' ny tania' 
ny Isiraely, hitoerany (xxvii. 1, 6). Nitoetra 
tao izy herintaona sy efa-bolana (xxvii. 7) ; 
ary nisy leliilahy roa amby roa-polo mpitora- 
bato sy mpandefa-tsipika nanatona azy, 
dia olom-Benjamina avy tamin' ny rahala- 
hin' i Saoly ireo (1 Tant. xii. 1-7). Dia 
niady matetika tamin' ny firenena izay 
tompon' ny tany tany aloha izy, ary nilaza 
tamin' i Akisy fa ny babo efa azony dia 
nalainy tamin' ny firenena izay nanana 
fanekena tamin' ny Isiraely (xxvii. 8-12; 
xxviii. 1, 2); nefa fitaka izany izay tsy azo 
hamarinina, na dia nampahatoky an' i Akisy 
an' i Davida aza izany. Kanefa na dia 
natoky an' i Davida aza ny mpaniakan' 
ny Filistina, ny andriandabin' ny Filistina 
tsy natoky azy akory, ary tsy namela azy 
hiaraka aminy tamin' ny ady nahafateaan' 
i Saoly sy ny zanany (xxix.). Dia nody ho 
any Ziklaga Davida sy ny olony, ary rehefa 
tonga teo izy dia hita fa efa nodoran' ny 
Amalekita ny tanana, ary efa nobaboiny ny 
vady aman-janany rehetra izay navelaay 
teo. Tezitra tamin' i Davida ny olona ka 
niresaka hitora-bato azy, kanefa nampangina 
azy Abiatara mpisorona, izay nilaza ny 
tenin' Andriamanitra taminy. Ary dia nisy 
avy hanampy azy avy tamin' ny Manase 
(1 Tant. xii. 19-21), ka dia nanenjika ny 
Amalekita izy ary namonjy ny olona sy ny 
fananana rehetra izay efa lasany, ary nahaze 
babo hafa koa (xxx.). Rehefa afaka indroa 
andro taorian' ny nabatongavany tao Zikla- 
ga, dia nisy lehilahy anankiray tonga teo 
am in' i l)»tvida ka nilaza taminy ny nandre- 
sen' ny Filistina ny Isiraely tany Gilboa sy 
ny nahafatesan' i Saoly sy ny zanani-lahy 
(2 Sam. i. 1, 2). Ny fu ha tezeran ' i Davida 
tamin' ilay nilaza, satria nolazamy koa fa 
izy no namono an' i Saoly, ary ny fibirana 
milaza ny alahelony an' i Saoly sy Jonatana, 
no faran' ity fizarana lehibe fabaroa amin' 
ny fiainan' i Davida ity (2 Sam. i.). 



Digitized by 



Google 



DAV 

III.— Ny Nanjakan 1 i Davida tao Hebrona 
fiio taona ny tapany (2 Sam. ii.— v. 5). Nia- 
katra tao Hebrona, tanana malaza tany Joda, 
Davida, ary tao izy no nohosoran' ny olon' 
ny Joda ho ropanjakany (ii. 1-7). Ary 
tamin' izany no nanoratan' i Davida ny Sal. 
xxvii., hoy ny sasauy. Fa Abnera nampa- 
njaka an' Isiboseta, zanak' i Saoly, tamin* 
ny olon' Isiraely sisa (2 Sam. ii. 8-10). 

Ary ny tsy nisakanan' ny Filistina izany, 
na dia efa nahery tany Gilboa aza izy, anga- 
mba nataony fa vitsy olona loatra izy hana- 
paka an-kory ny tany rehetra ; ary angamba 
nanampo koa fa hiady an-trano ny Joda sy 
ny Isiraely. Ary koa, Akisy mbola natoki- 
toky an' l Davida ho sakaizany ; ary izany 
antraha no tsy niadian' ny Filistina tamin' 
i Davida tamin' izy vao tonga mpanjaka. 
Nefa niseho tokoa ny ady tamin' izay nana- 
raka an' i Davida sy izay niandany tamin' 
Isiboseta, ary naharitra cla izany ; fa niha- 
hery Davida, ary Abnera Many no nahery 
tamin' izay niandany tamin' Isiboseta (ii. 
12— iii. 6). Kanefa nahatezitra an' i Abnera 
Isiboseta, dia nikomy tarainy izy ary nikasa 
hitondra ny fanjakan' ny Isiraely ho any 
amin' i Davida. Fa tsy nety nanaiky izany 
Davida raha tsy eutina any aminy Mikala, 
zanakavavin' i Saoly, izay vadiny tany aloha. 
Ny fitiavany azy no nanaovany izany anga- 
ha, ary fantatr' i Davida fa hanamora ny 
fon' ny vahoakan' i Saoly hanaiky azy ho 
mpanjaka, raha ny zanakavavin' i Saoly no 
mbola vadiny. Rehefa ren' i Joaba ny amin' 
i Abnera, dia natahotra fandrao ho tonga 
komandin' ny miaramila hisolo azy izy, raha 
tanteraka izay nokasainy; ka dia namono 
an' i Abnera am-pitaka izy. Nalahelo Da- 
vida noho izany, fa tsy sahy hampijaly an' 
i Joaba izy (iii. 7-39). Kanefa raha nisy 
olona namono an' Isiboseta koa ary nitondra 
ny lohany tany amin' i Davida, ka nanantena 
fa hankasitrahan' i Davida izany, dia novo- 
noin' i Davida avokoa ireo, ka notapahiny ny 
ton go tr a aman-tanany, dia nahantony tao 
Hebrona ; fa ny lohan' Isiboseta kosa dia 
naleviny tao am - pasan' i Abnera (iv.). Re- 
hefa maty ny zanak' i Saoly, dia nanatona 
an' i Davida tao Hebrona ny olon' Isiraely 
sy ny Joda rehetra ary nanangana azy ho 
mpanjakany ; ary fanekena no nataon' i Da- 
vida taminy, dia nohosorana fanintelony ho 
mpanjaka Davida tamin' izany. Dia nifaly 
ay nanao fanasana hateloana tao Hebrona ny 
olona (lTant. v. 1-3; xi. 1-4). 

IV. — Ny Nanjakan 1 % Davida tao Jeromlema 
telo amby telo-polo taona (2 Sam. v. 5 — 1 Mpan. 
ii. 11). 

1. Ny nanorenana an 1 i Jeronalema ho reni- 
rohitra, ay ny fandrosoan? ny fanjakana. Hi- 
tan' i Davida fa Hebrona tsy antonona ho 
renivohitry ny fanjakany lehibe, dia nitady 
ny hafa izy. Nisy tanana fiarovana mafy 
anankiray sisa izay mbola nohazonin' ny 
Jebosita, taranaky ny olona tompon-tany 



104 DAV 

fahiny, ka tsy mbola afaky ny Zanak' Isi- 
raely. Teo anelanelan' ny zara-tanin' ny 
Benjamina sy Joda izy, ary izany no nirin' 
i Davida hatao renivohiny. Dia niadian' 
i Davida sy ny olony ny tanana, ary af any ; 
fa Joaba, ilay mpitarika ny adin' i Davida 
rahateo, no voalohany izay tafakatra tao 
amin' ny tanana ; ary izy indray no natao 
ho "lohany sy ho komandin' " ny miaramila 
rehetra (1 Tant. xi. 6). Dia nifindra tao ny 
mpanjaka, ary batery sy fiarovana vaovao 
no nataon' i Davida sy Joaba hanamafy azy ; 
ary ny anarana anankiray nomena azy dia 
'Tananan' i Davida' (2 Sam. v. 6, 9 ; 1 Tant. 
xi. 4-9). Rehefa hitan' ny Filistina ny 
fitoraboan' ny herin' i Davida, dia tonga 
niady taminy izy ; fa resin' i Davida indroa 
izy, ary ny sampiny nodorany (v. 17-26; 
1 Tant. xiv. 8, 16). Fa Hirama, mpanjakan' 
iTyro, kosa nitady fihavanaua tamin' i Da- 
vida, dia nanao fanekena izy roa tonta, ary 
nisy fihavanana izay naharitra ela avy tamin' 
izany; ary ny trano na lapan' l Davida 
no nataon' ny olona avy tany Tyro (v. 11; 
lTant. xiv. 1). 

Ny fiaran' Andriamanitra mbola tao Bala 
na Kiriata- jearima (vi. 2 ; Jos. xv. 9, 60) ; 
dia nihevitra hamindra azy ho any Jerosa- 
lema Davida; nefa satria raharaha lehibe 
dia lehibe izany, dia nangoniny ny loholona 
sy ny mpifehy avy amin' ny Isiraely rehetra 
hilany hevitra (vi. 1 ; 1 Tant. xiii. 1-6). 
Ary ny solo-vavan' ny vahoaka rehetra 
mbamin' ny mpanjaka lasa nankany Kiriata- 
jearima haka ny fiaran' i Jehova. Kanefa 
noho ny nahafatesan' i Oza teny an-dalana, 
dia navela tao amin' ny tranon' iObed- 
edoma telo volana ny fiara (vi. 1-11 ; 1 Tant. 
xiii. 5-14). Dia hitan' i Davida fa tsy mety 
raha ny omby no mitarika ny fiara amin' ny 
kalesy, fa ny Levita hi any no tokony hito- 
ndra azy (Nora. iv. 16; Deo. x. 8; xxxi. 
9) ; dia nandahatra ny zanak' i Arona (mpi- 
sorona) sy ny Levita mba hitondra azy izy 
(I Tant. xv. 2, 12-15). Koa tamin' ny 
fanajana sy fifaliana lehibe no nampiakaran' 
i Davida sy ny Isiraely rehetra ny fiara ho 
any Jerosalema (vi. 12, 19; 1 Tant. xv. 
2-28; xvi.). Ny teny mafy navalin' i Da- 
vida an' i Mikala noho ny nanesoan' i Mi- 
kala azy tamin' izany dia mampiseho fa 
izany andro sy raharaha izany no nataon' 
i Davida ho ambony sy malaza noho izay 
rehetra efa nataony tany aloha (vi. 20-23*; 
1 Tant. xv. 29). Ny Salamo tokony ho noao- 
ratan' i Davida tamin' izany dia ny xxix. 
sy xxx., ary angHmba ny xv., xiv., lxviii., 
ci., sy cxxxii. Rehefa tafapetraka tsara 
tamin' ny tranony Davida, dia nihevitra 
hanao Tempoly ho fitoeran' ny fiaran' An- 
driamanitra izy; ary na dia nanome toky 
azy aza Natana tamin' ny voalohany, dia 
tonga ny tenin' i Jehova tamin' ny ampitso 
milaza fa sitrak' Andriamanitra ny nananan' 
i Davida izany hevitra izany (1 Mpan. viii. 



Digitized by 



Google 



DAV 

18) ; kanefa satria efa nnndatsa-drn betsaka 
sady efa niady matetika izy, dia tsy izy, fa 
ny zanany, no hanao ny tranon' iJehova 
(ITant. xxii. 8; xxviii. 3). Dia nataon' 
i Davida ho raharahany lehibe taorian' izany 
ny manangona ny zavatra rehetra izay 
tokony ho enti-manao ny Tempoly (2 Sam. 
vii. ; ITant. xvii. : xxii.). [solomona; te- 
mpoly.] 

2. Ny nandakarat? i Davida ny fanjakana. 

(«) Ky amin 1 ny miaramila sy ny fombari* 
ny ady. Raha mbola niftndrafindra Davida 
3y ny miaramila izay nanaraka azy, dia 
nozaraina ho telo toko na borogedra izy, dia 
roan-jato lahy avy ; ary ny nianambonina- 
hitra nifehy azy dia natao hoe ny "telo lahy 
mahery voalohany." Ny anaran' iroo telo 
lahy ireo dia Jasobeama, Eleazara sy Sama 
('J Sam. xxiii. 8-11; 1 Tant. xi. 11-14). 
L*am- borogedra dia nozaraina ho folo toko 
indray, ary nisy manamboninahitra telo -polo 
nifehy azy, izay natao hoe "ny lehilahy 
mahery tamin' ny miaramila." Ary nisy 
telo lahy "nalaza noho ny telo -polo lahy, 
nefii tsy nahomby azy telo lahy izy ;" Abi- 
say sy Benaia no anaran' ny roa amin' ireo. 
Ny anaran* izy rehetra, mbamin' ny zavatra 
nahalaza azy, dia voalaza an amin' ny 2 Sam. 
xxiii. 8-39 sy I Tant. xi. 10-47. Fa rehefa 
m torn bo sy nandroso ny fanjakana, ka efa 
voalahatra tsara ny fomban' ny miaramilany, 
dia nalahatr' i Davida toy izao izy : — (i.) Ny 
miaramila rehetra, na ny foloalindahy izay 
azo nantsoina hanafika, dia 288,000. Ary 
nozarainy ho roa ambin' ny folo toko izy 
ki 24,000 no isan' ny iray toko; ary nifa- 
ndimby nanao matso isam-bolana ireo roa 
ambin' ny folo toko ireo ; ary samy nanana 
kapiteny isan-toko avy izy. Ary raha dinihina 
ny anaran' ireo kapiteny roa ambin' ny folo 
ireo, dia hita fa nofidina tamin' ireo "lehi- 
lahy mahery" izay nanaraka an' i Davida 
hatramin' ny voalohany izy (I Tant. xxviii. 
1-15). Tamin' ny tafika nentin' i Davida 
tsy mbola nisy miaramila nitaingin-tsoavaly, 
na niady teo amin' ny kalesy, tahaka ny 
tamin' ny fomban* ny tafika nentin' ny fire- 
nena manodidina azy (ITant. xxvii. 34; 
2 Sam. xx. 23). (ii.) Ary fanampin' izany, 
nisy izay voatendry ho "mpiambin' an- 
driana" (1 Tant. xi. 25) ; ary ireo tsy mba 
nampodina tahaka ny hafa, fa nitoetra andro 
aman* alina ao akaikin' ny tranon' ny nipa- 
njaka, ary voaomana mandrakariva hanao 
izay raha rah a hitranga tampoka izy. Natao 
hoe koa Keretita sy Poletita ireo (2 Sam. viii. 
18; xv. 18; xx. 7, 23; I Mpan. i. 38, 44; 
1 Tant. xviii. 17) ; ary Benaia, zanak' i Joiada 
rapiaoronabe, no nifehy azy (2 Sam. xx. 23). 

(b) Xy amin 1 ny mpanao fanjakana. (i.) 
Ary nisy koa roa ambin' ny folo lahy 
mpitahiry ny fananan' ny mpan jaka ( I Tant. 
xxvii. 25-31); (ii.) sy mpanao rah a rah a sy 
mpitsara (ITant. xxvi. 29-32; (iii.) ary 
mpanolo-taaina sv mpanaraka ny mpanjaka 



105 DAV 

mandrakariva, izay nakany heritra ny 
amin' ny raharaliam • panjakana {cabinet ; 
1 Tant. xxvii. 32-34 sy 2 Sam. xx. 23-2<i). 

(d) Ary ny amin 1 ny momba ny fanompoana 
an' Andriamanitra na ny Jiiaiahana, dia toy 
izao no filaharany : — (i.) Nisy mpaminany 
roa lahy izay nitadiavan' i Davida hevitra 
mandrakariva: dia Gada (1 Sam. xxii. 5; 
2 Sam. xxiv. 11-19; ITant. xxix. 29; 
2 Tant. xxix. 25) sy Natana (2 Sara. vii. 
2, 3, 17 ; xii. 1-15, 25 ; 1 Mpan. i. 8-11, 22, 
etc.). (ii.J Nisy koa mpisoronabe roa lahy 
avy tamin ny taranak' i Arona, dia Zadoka 
(ITant. xii. 28; xvi. 39; xxiv. 3; xxvii. 
1 7) sy Abiatara ( I Sam. xxiii. 9 ; xxx. 7 ; 
2 Sam. xv. 29; 1 Mpan. i. 7 ; ii. 26, 27; 
1 Tant. xv. 11). (iii) Ny mpisorona dia na- 
lahatra ho efatra amby roa -polo toko mifa- 
ndimby ; ary naharitra hatramin' ny andron' 
i Kristy izany fifandimbaaana izany (I Tant. 
xxiv. 4-19; Lio. i. 5). (iv.) Ny Levita dia 
naluhatra ho mpihira ao an -tranon' Andria- 
manitra sy mpiambim-baravarana ary mpi- 
tandrina ny fananana izay efa napotraka 
tamin' ny tranon' Andriamanitra hatramin' 
ny andron' i Samoela (I Tant. xxv. ; xxvi. 
1-28; zahao koa 1 Tant. xxiii.). 

3. Ny ady nataon y % Davida tamin' ny jire~ 
nena manodidina^ sy ny tantarany mandrapa- 
hafatiny. Ny fanjakan' i Davida dia nitatra 
faingana tato aorian' ny nifindrany tany 
Jerosalema ; fa teny fohy hiany no holaz una 
eto milaza izany. Zahao. ny anaran' isan- 
tany avy hahitana marimarina ny tantarany. 
Tsy ampy folo taona taorian' ny nahafahan' 
i Davida any Jerosalema, dia resin y koa ny 
Filistina tao androfana (2 Sam. viii. 1 ; 1 Tant. 
xviii. 1), ary ny Moaba tao atainanana 
(2 Sam. viii. 2 ; 1 Tant. xviii. 2) ; ary Zoba, 
mbarain' ny Syriana hafa izay tonga nana- 
mpy azy, tao avaratr' atainanana (2 Sam. viii. 
3-8; ITant. xviii. 3-8); ary tamin' izany 
Toy, mpanjakan' i Hamata, nanao fane- 
kena tamin' i Davida, hisakaiza aminy sy 
hanampy azy amin' ny ady (2 Sam. viii. 
9, 10 ; 1 Tant. xviii. 9, 10) ; ary ny EJoma 
koa tao atsimo no noreaen' i Davida (2 Sam. 
viii. 14; 1 Tant. xviii. 13; ny hoe "Syriana 
valo arivo sy iray alina" ao amin' ny 2 Sam. 
viii. 13 dia tokony ho "Edomita" angaha, 
araka ny teny ao amin' ny 1 Tant. xviii. 12 
sy ny loha-teny amin' ny Sal. lx. Ary ny 
Amonita, izay namadika ny f anekena nataony 
tamin' i Davida, sady nanao totika tamin' ny 
mpanjaka hafa akaiky hiady aminy, dia 
noresen' i Davida koa; zahao 1 Sam. x. 
1-19; xii. 26-31 ; ITant. xix. 1-19; xx. 
1-3. Tamin' ireo ady ireo dia tokony ho 
nosoratan' i Davida ny Sal. lx., lxviii., cviii., 
ex. ; ary angamba xviii., xx., sy xxi. koa. 

Tamin' ny nanaovan' i Joaba fahiruno tany 
Raba any Amona, izay naharitra ela, no 
nisehoan' ny fahotan' i Davida mampahame- 
natra sy mampalahelo tamin' i Batseba sy 
Oria (2 Sam. x.). Nanarin' i Natana Davida. 



Digitized by 



Google 



DAV 



106 



DAV 



ary nibebaka mafy noho ny hadisoany izy, 
dia navelan' Andriamanitra ny helony ; ka- 
nefa satria nainpiteny ratsy ny fahavalon' 
iJehova izay nataon' iDavida, dia nainpi- 
jaiina mafy izy, hahitan' ny olona rehotra 
ny fahamarinan' Andriamanitra, ary mba 
hampisehoan' Andriamanitra ny fankahalany 
ny fahotana. Hoy ny tenin' iJehova: "Tsy 
hiala amin' ny taranakao mandrakizay kosa ny 
sabatra." "Indro, Izaho of a hahatonga loza 
aminao avy ao amin* ny ankohonanao hiany" 
(2 Sam. xii. 10, 1 1) ; ary izany sy ny fampora- 
fesana nataon 1 iDavida no fototry ny faho- 
riana izay nanjo azy tamin* ny faramparan' 
ny niainany. Ny Salamo li. no nosoratany 
tamin' izany, ary augamba Sal. xxxii. koa. 
Ary ny zanakalahin' iDavida no nampidi- 
doza tamin' ny rainy ary nampitabataba ny 
fanjakana. Nosavihin' i Amona, zanak' 
i Davida, Tamara anabaviny, izay iray tam- 
po tamin' i Absaloma ; ka dia matin' i Absa- 
loma Amnona, ary lasa nandositra ho any 
amin' i Talmay raibeny tany Gesora izy ka 
nitoetra tao telo taona (2 Sam. xni.Y. Fa 
rehefa hitan' iJoaba ny fanirian' iDavida 
hahita an' i Absaloma indray, dia nanao 
saina izy ka nampiverina azy ho any Jero- 
salema; kanefa Davida tsy nety nihaona 
laminy raha tsy afaka roa taona indray 
(2 Sam. xiv.). 

Ny fikomian' i Absaloma tamin- drainy 
no nanaraka vetivety. Tao Hebrona izy 
niseho ho mpanjaka, ary raaro tamin' ny 
vahoaka nomba azy ; dia nandositra niala 
tany Jerosalema Davida sy ny mpanom- 
pony, mbamin' ny miaramila mpiambiua 
azy; ary nisy enin-jato lahy koa izay efa 
nanaraka azy avy tany Gata tany amin' 
ny Filistina ka tsy nety nisaraka taminy 
(2 Sam. xv. 13-18^. Kanefa izay nanaraka 
an' i Absaloma dia saiky ny olon' Isiraely 
rehetra (2 Sam. xvi. 16); ary Ahitofela 
nanome hevitra azy hifantina lehilahy roa 
arivo amby iray alina hanenjika an' i Davida 
sy hamono azy (2 Sam. xvii. 1-4). Kanefa 
Hosay, sakaizan' iDavida, izay efa nody 
ho sakaizan' i Absaloma, no nahafoana izany 
hevitra izany noho ny fitahian' Andriama- 
nitra an' iDavida (xvii. 14), ary niandry 
mba hiomana tsaratsara kokoa Absaloma. 
Fa niomana kosa Davida raha nanatona azy 
ny olona tao atsinanan' i Jordana, ary rai- 
kitra ny ady tao Efraima ; dia rosy ny 
fahavalon' iDavida, ary Absaloma novonoin' 
iJoaba tamin' izy nandositra, na dia efa 
nomen' ny mpanjaka teny aza mba hami- 
ndra fo aminy (xviii. 6, 14). Mafy loatra 
ny alahelon' i Davida nony reny fa maty 
izy (xviii. 18, 33; xix. 1-8); dia nihevitra 
izy hanongaua an' i Joaba tsy ho mpifehy 
ny miaramilany intsony ary hanandratra 
an' i -Amasa hisolo azy (xix. 13). Kanefa 
tsy azo hahongana mangina tahaka izany 
ny lehilahy masiaka tahaka an' i Joaba ; 
nry tsy ela taorian' izany dia namono an' 



i Amasa am-pitaka izy, na dia zana-draha- 
vavin-dreniny aza Amasa (xx. 9, 10). Hoy 
ny sasany, fa tamin' izany taona izany no 
nosoratan' iDavida ny Sal. cxliii., xlii., 
lv., lxix., cix., ary angamba ny iii. sy iv. 

Tamin' ny nampiverenana ny mpanjaka 
ho any Jerosalema indray dia nisy tifandi- 
rana tamin' ny firenen ny Joda sy ny 
firenen' ny Isiraely hafa (2 Sam. xix. 9-15, 
41-43), ary izany no nanome toky an' iSeba 
Benjamita hampiodina ny vahoaka indray. 
Mahagaga ny fahafainganan' ny olona hiala 
amin' ny mpanjaka hanaraka izany lehilahy 
ratsy fanahy izany (2 Sam. xx. 1, 2) ; ary 
izany dia nampiseho fa ny fitiavan' ny va- 
hoaka an' i Davida efa nihena hiany noho 
ny hamafian' ny fitondrana ny fanjakana 
tamin' izany, fa ny fampitahorana avy 
amin' ny miararamilany hiany no fototry ny 
fitondrany fanjakana. Amasa nanangona 
ny miaramilan' ny Joda hanenjika an' i Seba, 
fa diso fotoana izy, ary Abisay no nirahin' 
iDavida hanampy azy (xx. 4-6); kanefa 
Joaba nitsena an' i Amasa ka namono azy, 
dia nitarika ny miaramila izy ary nahatrutra 
an' i Seba teo Beta-maka. Matin' ny olona 
tao an -tan ana Seba, ary ny lohany dianatsipy 
tany an-koatry ny manda ; dia tapitra tamm' 
izany ny ft ko mi ana, ary Joaba niverina tany 
Jerosalema ; ary na dia mpanjaka aza Da- 
vida, dia tsy sahy niteny azy inteony (2 Sam. 
xx. 1-22). Kanefa tsy mba tapitra ny fita- 
batabana tamin' izany, fa nihetsika indray 
ny Filistina. Niady inefatra izy sy ny 
Isiraely, araka ny teny ao amin' ny 2 Sam. 
xxi. I o-22; ary Davida saiky matin' ny 
fahavalo tamin' ny ady voalohany, fa novo- 
njen' i Abisay ; ary dia tsy navelan' ny 
manamboninahitra hiseho amin' ny ady in- 
tsony izy. 

Nisy fahoriana roa hafa koa izay nanjo ny 
Isiraely rehefa antitra Davida, dia (i.) ny 
mosary telo taona nipaka (2 Sam. xxi. 1-14). 
Ary hoy nv valin' ny tenin' i Jehova, fa ny 
namonoan iSaoly ny Gibeonita no an ton' 
izany ; fa namadika ny tenin' i Josoa izy 
(Jos. ix. 23-27). Ary tsy nahazo nanda izay 
nangatahin' ny olon' i Gibeona Davida, dia 
lehilahy fito avy tamin' ny zanak' iSaoly 
hahantona ao Gibeona. Kizipa no renin' ny 
roa lahy ; ary rehefa ren' i Davida ny alahe- 
lony sy ny faharetany niaro ny Iatin , izy 
fito lahy, dia nahamora ny fony izany, ka 
nampandevina azy tamin' ny fasan* ny mpia- 
nakaviny izy, mbamin' ny taolan' i Saoly sy 
Jonatana (2 Sam. xxi. 1-14). (ii.) Ary ny 
fahoriana faharoa dia ny areti-mandoza na- 
haritra hateloana izay nahafaty olona fito 
alina hatniny Dana ka hatrany Beri-aheba 
(2 Sam. xxiv. 15). Ary ny nahatongavan' 
izany dia ny nampanisan' ny mpanjaka ny 
vahoakany, dia zavatra nampahatezitra an' 
iJehova. Efa nisara-tsaina ny olona ny 
amin' izay nahadiso an' iDavida tamin' 
izay. Tsy tian' i Joaba aza ny tenin' ny 



Digitized by 



Google 



DAV 

mpanjaka, ary tsy naka ny isa^i' ny Levy 
*y ny Benjamina izy (1 Tant. xxi. 3-5). 
Kanefa tsy tokony hoheverint&ika fa ny 
nakana ny isan' ny vahoaka fotsiny hi any 
no nahadiso ny mpitondra fanjakana, satria 
iodroa Andriamanitra nampanisa an 7 i Mo- 
K9j ny Zanak? Isiraely (Nom. i. 1, 2, sy 
xxvi. 2). Toy izao angamba no nampaha- 
teaatra an* Andriamanitra tamin' i Davida : 
Nahazo hevitra Davida mba hampitatra ny 
faujakany ho lebibebe kokoa ; ary na dia 
fantany aza fa tsy nifanaraka tamin' ny 
atrapon' Andriamanitra izany, mbola note- 
hiriziny tao am -pony ny faniriana hanao 
izany. Ary satria tsy nahazo niankina ta- 
min' Andriamanitra hanambina azy amin' 
izany raharaha izany izy, dia tiany ho 
hita ny isan' ny olony hangalnny miara- 
mila izay tokony ho ampy hiady amin' 
ny fahavalony ary hahalasa ny tany izay 
tadiaviny. Ary satria nataony fa tsy ha- 
nkaaitrahan' ny vahoaka izany, dia "Joaba 
sy ny komandin' ny miaramila nivoaka 
tao anatrehan' ny mpanjaka handamina 
ny lehilahy amin' ny Isiraely" (2 Sam. 
xxi v. 4). Ny areti-mandoza naharitra ha- 
teloana, sy nahafaty olona betsaka tamin' ny 
tanin' ny Isiraely rehetra, kanefa natsahatr' 
Andriamanitra izany raha vao tonga kely 
hiony tao Jerosalema (I Tant. xxi. 15). Ary 
fahitana nampahatahotra niseho teo amin' ny 
famoloan' i Araona na Ornana teo ivelan' ny 
mandan' i Jerosalema : fa anjely mitondra 
wbatra voatsoaka teny an-tanany no niseho 
tamin' i Davida sy ny loholon' ny Isiraely. 
Ary Ornana sy ny zauany efa-dahy koa no 
nahita izany dia niery. Dia nangataka Da- 
vida mba hamidin' i Ornana ny famoloany, 
ary nanaiky izy, ary fivoadiana ho an' i Je- 
hova no naorina teo (2 Sam. xxiv. ; 1 Tant. 
xxi.). 

Tamin' izany ny Tabernakely dia nitoetra 
tao Gibeona (1 Tant. xxi. 27-30). Kanefa 
hhan' i Davida fa tsy any Gibeona, fa any 
amin' ny famoloan' i Ornana, no hanorenana 
ny tempolin' Andriamanitra izay mbola ha- 
taon* ny zauany (lTant xxii. 1) ; ary teo no 
ntoeran' ny alitara varahina, raha vita ny 
Tempoly, ary naharitra ho fototry ny fiva- 
vahan' ny Isiraely tokony ho arivo taona 
izany [mobia]. 

Ny tabataba farany voalaza rehefa anto- 
motra ny andro hanafatesan' i Davida din 
izao : Adonija, lahimatoan' i Davida, nialo- 
sa an' iSolomona, ary nitady hanandra- 
tena bo mpanjaka ; ary Abiatara, anankiray 
tamin' ny mpisoronabe, sy Joaba ilay lahi- 
lahy mahery, no nomba azy. Kanefa Da- 
vida nanangana an' i Solomona ho mpanjaka 
try nampiseho azy tamin' ny vahoaka. Fa 
Zadoka mpisoronabe sy Benaia ary Natana 
nomba azy ; ary vetivety dia foana ny nka- 
•an' i Adonija (1 Mpan. i.). Sal. ii., ary 
ingamba ny xoii. koa, no nosoratan' i Davida 
tamin' izay. 



107 DAV 

Ny nhirana farany nataon' i Davida dia 
voalaza ao amin' ny 2 Sam. xxiii. 1-7 ; ary 
amin' izany izy dia nilaza izay tokony ho 
toetry ny mpanapaka ny olona : ho "marina 
sady manapaka amin' ny fatahorana an' 
Andriamanitra;" ary na dia nanaiky aza 
izy fa tsy nahatratra izany tsipika izany 
mandrakariva ny tenany, dia nilaza koa ny 
fahatokiany fa ho tanteraka ny fanekena 
nataon' Andriamanitra taminy raha hiseho 
ny Mpanjaka lehibe, dia Jesosy Kristy. 

Ny anatra farany nomen' i Davida an' 
iSolomona, izay handimby azy, ny amin' 
i Joaba sy Simey ary ny zanak' i Barzilay no 
nataony raha antomotra ny andro hahafate- 
sany (1 Mpan. ii. 1-9). Ary dia nody mandry 
izy (araka ny tenin' i Josefosy, raha 70 tao- 
na ny androny), ka nalevina teo amin' ny 
Tananan' i Davida (1 Mpan. ii. 10). Ny 
fasan' i Davida tonga fandevenana ny mpa- 
njakan' ny Joda rehetra teo aoriana; ary raha 
niverina avy tamin' ny famaboana tany 
Babylona ny Jiosy, dia mbola hita tandrifin' 
ny mandan' ny tanana takaikin' "ny tranon' 
ny lehilaby mahery" (Neh. iii. 15, 16).— 
j.w. 

DAVIDA, Tananan' i. Roa ny tanana no- 
men' ny Soratra Masina izany anarana iza- 
nv: ~~0) -A- amin' ny 2 Sam. v. misy teny 
milaza fa rehefa lasan' i Davida Jerosalema 
na Jebosy, ka azony ny trano-narovana teo 
amin' ny Tendrombohitra Ziona, dia ' 'nitoe- 
tra tao anatin' ny batery fiarovuna izy, ka 
ny anarany nataony hoe Tananan' i Davida ;" 
zahao koa 1 Tant. xi. 7. Koa hatramin' 
izany andro izany ny batery fiarovana sy ny 
tranon' andriana tany Ziona no natao hoe 
Tananan' i Davida, mba hanavaka *zy amin' 
ny sisan' i Jerosalema (1 Mpan. iii. 1 ; viii. 
1 ; 2 Tant. v. 2). Ao atsimo-andrefan' i Je- 
rosalema ny Tananan' i Davida, ary tandri- 
fin' i Moria, izay niorenan' ny Tempoly ; ary 
tao no nandevenana an' i Davida sy ny mpa- 
njaka nandimby azy (1 Mpan. ii. 10 ; 2 Tant. 
ix. 31 ; etc.). Mbola maharitra ao, hono, 
nv fasan' i Davida, ary misy trano mafy 
efa- joro atao hoe Trano-fiarovan' i Davida. 
[Zahao jerosalema sy ny sarintany ao.] 

(2) Betlehema koa no lazain' i Lioka hoe 
"Tananan* i Davida" (ii. 4, 11); satria tao 
no nahaterahany sady nitoerany raha mbola 
zaza izy. Anarana tsy hita ao amin' ny 
Testamenta Taloha izany, nefa toa tonga 
fanao tamin' ny andron' ny Tompontsika. 
I [betlehema.] — j.s. 

DEBIBA dia anaran' ny tanana telo any 
Paleatina: (1) Tanana tao amin' ny tendro- 
mboliitr' i Joda, ka isan' ny tanana folo any 
andrefan' i Hebrona. Kiriata-sefera, •Tana- 
nan' ny boky,' no anarany voalohany, ary 
Kiriata-sanah, 'Tananan' ny palma' (Jos. 
xy. 49, 15, 16; Mpit. i. 11). lo Debira io 
dia itan' ny tanana ncmena ny mpisorona 
honenany (Jos. xxi. 15 ; 1 Tant. vi. 58) ; 
mbola tsy hita marina izay niorenany. (2) 



Digitized by 



Google 



DEB 

Tanana tany amin' ny faritry ny tanin' ny 
Joda avaratra ary akaikin' ny "Lohasahan' 
iAkora" (Jos. xv. 7); koa tsy lavitra any 
Jeriko izy. (3) Ny fari-tanin' iDebira" no 
lazain' ny Jos. xiii. 26 ho faritry ny zara- 
tanin' ny Gada, ka dia akaiky an' i Maha- 
naima angaha izy. — j.s. 

DEBORA (Renitanlely) : dia anaran' ny 
vehivavy roa voalazan' ny Test. Tal. (1) 
Mpitaizan-dRebeka, reniny Jakoba, io De- 
boraio; ary niaraka tamin-dRebeka tamin' 
izy nankany Kan an a avy tany Padan-arama, 
ho vadin' lsaka. Maty tao akaikin' i Betela 
izy rehefa anti-panahy, dia nalevina tamba- 
nin' ny oka anankiray ; ka ny anaran' ilay 
hazo no natao hoe Aloni-bakota= ii 'H.a.zo oka 
fitomaniana" (Gen. xxxv. 8). Rah a toy ny 
hevitry ny sasany, Debora no nirahin-dRe- 
beka haka an' i Jakoba, araka ny teny 
nomeny azy talohan' ny nialan' i Jakoba 
(Gen. xxvii. 45). Fa ny sasany kosa raihe- 
vitra fa maty Rebeka tamin' izay, ary Debora 
ef a lasa hitsena an' i Jakoba hanambara ny 
nahafatesan' ny reniny ; dia izany, hono, no 
nahamety kokoa ny anaruna nomena ilay 
hazo hoe "Hazo oka fitomaniana;" fa tao 
no nisaonan' i Jakoba tsy ny mpitaizan- 
dreniny hiany, fa ny reniny koa. 

Debora (2) : mpaminanivavy sy vadin' 
iLapidota io Debora faharoa io, ary nitoetra 
tao amin' ny trano lay angamba, ambanin' 
ny hazo rofia (na palma) teo aneianelan' 
iRama sy Betela, ary nitsara ny Isiraely 
izy (Mpit. iv. 4, 5). Tamin' ny andron' 
i Debora ny Zanak' Isiraely efa nihemotra 
tamin' ny fivavahana marina "ka nanao 
ratsy teo imason' i Jehova." Dia navelan' 
Andriamanitra ny mpanjaka manodidina azy 
hanan-kery arainy ka handresy azy, ary dia 
nampahory azy roa-polo taona izy. Ary 
rehefa afaka izany dia nibebaka ka nitaraina 
tamin' Andriamanitra ny Zanak' Isiraely. 
Dia nihaino ny fitarainany Andriamanitra, 
kanefa namoi-fo hiany ny olona, ka tsy sahy 
hanohitra ny fahavalony izy raha mbola tsy 
nitsangana Debora hanome toky azy (Mpit. 
v. 7). Dia niantso an' i Baraka, lehilahy 
avy tamin' ny firenen' ny Naftaly, izy, ho 
komandin' ny miaramila hiady amin' i Sisera 
ay izay niaraka taminy ; fa hoy Baraka : 
"Raha hiakatra koa hianao dia sahy handeha 
hiany alio, fa raha tsy izany dia tsy handeha 
mihitsy aho." Dia niakatra ho any Kadesy 
izy mianaka ka nanangona miaramila maro ; 
dia nivoaka Baraka ary nandresy an' i Sisera, 
komandin' ny miaramilan' i Jabina, mpanja- 
kan' iHazora, fa nomban' Andriamanitra 
Baraka sy Debora. Ary Baraka nanenjika 
an* i Sisera, izay nandositra nianavaratra ; 
ary Sisera nandeha an-tongotra ka niery tao 
an -trano -lain' iHebera Kenita. Ary Jaela, 
vadin' i Hetera, nanome toky an' i Sisera 
hiala sasatra tsy hanana ahiahy ao an-truno- 
ny ; kan jo r.amono azy izy raha natory Sisera. 
[jaela.] Nitsahotra tomm' izay ny ady, 



iw DEL 

ka niadana ny tany ef a-polo taona ; ary tsy 
misy tantara xnilaza an' i Debora manaraka 
izany. Ny tonon-kira nataon' i Debora milaza 
ny nandresena ny fahavalo dia heverin' ny 
mpanoratra rehetra ho isan' ny mahafinaii- 
tra indrindra nmin' ny Testaments Taloha ; 
vakio Mpit. v. — d.h.s. 

DEDANA, Roa ny olona natao hoc 
Dedana izay voalazan' ny Test. Tal. : — 
(1) Ny zanakalahin' iRama, zanak' iKosa 
(Gen. x. 7) ; ary (2) ny lahiaivon* i Jok- 
sana, a zanak' iAbrahama sy Ketora (Gen. 
xxv. 3). Samy razan' ny firenena avy izy 
roa lahy ; ary lazaina matetika eo amin* ny 
Soratra Masina ny tantarany. Raha toy 
ny hevitry ny sasany, tany Arabia Atsimo, 
tamoron' ny Golfa Persiana, no nipetrahan' 
ny taranak' i Dedana, zanak' i Kosa ; fa any 
misy tanana atao hoe Dedana na Dadena. 
Toa akaikin' Idoraea no fonenan' ny tara- 
nak' i Dedana, zanak' iAbrahama; zahao Jer. 
xlix. 8 ; xxv. 23, sy Ezek. xxv. 13. Ny 
Syriana nanao varotra tamin' ny Dedanita, 
taranak' i Kosa ; ary ivory sy hazo mainty 
ary Iambi fitaingenan-tsoavaly no nentiny 
hamidy any Tyro ; zahao Isa. xxi. 13 ; Ezek. 
xxvii. 20; xxxviii. 13. — p.q.p. 

DEK ALOQA : zahao didy folo. 

tfEKAPOLISY (Tanana folo): dia anaran' 
ny tany ao atsinanan' i Jordana sy ny Fari- 
hin' i Galilia, izay nisy tanana lehibe folo, 
ary avy tamin' izany ny anarany; zahao 
Mat. iv. 25; Mar. v. 20; vii. 31. Rehefa 
lasan' ny Romana Syria (b.c. 65), nisy 
tanana folo naoriny indray izay nasiany to- 
mpon-tany vaovao, ary nomeny voninahitra 
mihoatra noho ny sasany. Araka ny tenin' 
i Pliny mpanoratra Romana, izao no anaran' 
ny tanana folo: Skytopolisy, Hiposy, Ga- 
dara, Pola, Filadeifia, Gerasa", Dona, Kanata, 
Damaskosy, ary Rafana. Araka ny soratra 
hafa kosa, Kapitoliasy sy Abila no isan' ny 
tanana folo ; ary Josefosy manao hoe fa 
Skytopolisy no lehibe indrindra amin' izy 
rehetra ; koa raha marina izany Damaskosy 
tsy mba isany. Afa-tsy Skytopolisy, any 
atsinanan' i Jordana ny tanana folo; nefa 
kosa, rah'i ny tenin' iMatio sy Marka no 
heverina, Dekapolisy dia anarana nomena 
ny tany malalaka na atsinanan a na andrefaiT 
ny ony. Tany be olona indrindra Dekapo- 
lisy tamin' ny andron' i Kristy, fa maro ny 
nanatona Azy avy tany mba hihaino ny 
teniny sy hahita ny asa mahagaga nataony ; 
fa ankenitriny kosa efa efitra ny tany ka 
saiky tsy misy mponina akory. — j.s. 

DEL I LA (Malahelo, na, Mijejojejo) : dia 
vehivavy janga nefa ambonimbony toetra, 
izay tian' i Samsona. Nonina tany Soreka 
izy, izay lohasaha teo aneianelan' ny zara- 
tanin' ny Joda sy ny tanin' ny Filistina. 
Notambazan' ny mpanapaka FiHstina dimy 
lahy izy tamin' ny harem-bevava hamadika 
an' i Samsona. Dia ni taona sy nanery an* 
i Samsona isan-andro Delila, mandra-pila- 



Digitized by 



Google 



DEM 



zany izay nitoeran' ny heriny indrindra ; 
ary nony reny tokoa izany, dia nataony izay 
oahazoan' ny fahavalony azy (Mpit. xvi. 
4-21). [samsoxa.] Tokony ho vebivavy 
Filisitma Delila, nefa tsy fantatra marina 
iany. Ampitahao Nom. xxv. 1, 6 ; xxxi. 
16; Mpit. xiv. 1; xvi. 1.— d.m. 

DEMASY: dia Kristiana avy tany Tesa- 
lonika, izay naman' i Paoly tamin' ny nifa- 
tortny voalobany tany Roma (Kol. iv. 14 ; 
Filem. 24). Fa teo aoriana kosa, rehefa na- 
fatotra fanindroany Paoly, Demasy nandao 
azy noho ny fitiavany an* izao tontolo izao, 
ary lasa nankany Tesalonika izy (2 Tim. iv. 
l ft ). Asa na natahotra ny fahoriana sy 
fanenjehana izy, na manao ahoana, fa tsy 
ni*y teny hafa milaza azy. — t.t.m. 

DEMSTBIO (1): mpanefy volafotsy tany 
Efeaosy, izay nanao sary volafotsin' i Diana 
sampy, ary sarin' ny tempoly nivavahan' ny 
olotia taminy (Asa. xix. 24). Ireo no novi- 
din* ny vahiny sy nentiny raha lasa nody ho 
kiadiny sy ody hatao mpiaro azy. Maro ny 
otena sy ny vahiny izay tonga tao Efesosy, 
fa sampy nalaza dia nalaza Diana, ka dia 
nividy ny sariny izy, ary izany no nahazoan' 
i Demetrio sy izay iray lahasa taminy harena 
be. [mana.1 

Demetrio (2) : mpianatra malaza tamin' 
ny andron' ny Apostoly izy, ary noderain' 
iJaona; zahao i\ Jao. 12. — p.g.p. 

DEMON I A (Gr. daimonion ; Eng. demon) : 
teny nalaina tamin' ny teny Grika ny hoe 
demonia, ary milaza ireo fanahy ratsy maro 
izay mpanompon' iSatana ka manao ny 
atra-pony, ary izay lazaina matetika eo 
amin' ny Teat. Vao. ho niditra tao amin' ny 
olona sasany ka nampahory azy. Raha toy 
ny hevitry ny mpanoratra Grika sasany, ny 
hoe demonia dia nalaina tamin' ny teny izay 
dikany dia 'mahalala,' satria ny demonia 
noheverin' ny Grika ho fanahy be f ahalalana. 
Hafa kely anofa ny hevitry nv mpanoratra 
•asany ny amin' ny niandohan ity teny ity. 

Ary tokony holazaina fa na dia milaza 
fanahy ratsy mandrakariva aza ny hoe 
demonia amin* ny Test. Vao., tsy mba toy 
izany no heviny ao amin' ny boky nosoratan' 
ny Grika sy ny Komana izay mpanompo 
sampy. Fa malalaka ny hevitry ny hoe 
demonia raha lazain' ireo, fa milaza (1) ny 
fanahy rehetraizay ambonin' ny olombelona, 
hatramin' ny Avo indrindra aza ; milaza (2) 
ny wimpy na andriamanitra rehetra tsirairay ; 
milaza (3) ireo sampy na andriamanitra 
ambanimbany ; ary koa milaza (4) fanuhy 
asany izay ao anelanelan' ny andriamanitra 
sy ny olona. Amin' ireo faramparany, ny 
«sany nonoheverina ho tsara mandrakariva, 
try ny saaany kosa ho ratsy. Raha tsy misy 
ajektiva akambana amin' ny hoe demonia, 
fta milaza fanahy tsara ny ankabiazan' ny 
teny misy azy. Ny demonia tsara sasany 
nobererina ho mpiaro ny tanana, ary ny 
many indray ho mpiaro sy mpiambinu ny | 



m DEM 

olombelona. Ary koa, ny hoe demonia no 
nentina milaza (5) vintana, na zara. Araka 
ny boky milaza ny finoana sy ny fivavahana 
neken' ny Giika sy ny Rcmana izay nano- 
mpo sampy, ny demonia noheveriny ho 
fanahy anelanelan' ny andriamanitra sy ny 
olona, sy ir.panalalana ho an' ny olona raha 
nivavaka tamin' ny sampy izy. Ny demonia 
noheverina koa ho roa karazana : ny ana- 
nkiray dia ny fanahin' ny olona tsara fanahy, 
izay nohajaina rehefa maty, ary teo aoriana 
dia nasandratra ho demonia, ary tamin' ny 
farany tonga andriamanitra aza. Ny fana- 
hin' ny olona ratty fanahy kosa noheverina 
ho tonga demonia ratsy. Ary ny karazan' 
ny demonia fahnroa dia nialazalaza kokoa 
noho ny olona, fa tsy mbu nanana vatana 
akory izy. Ny demonia izay fanahin' ny 
olona maty din nivavahan' ny mjmnompo 
sampy (Deo. xxvi. 14; Sal. cvi. 28; Isa. 
viii. 49) ; koa mba hanavaka ny Andriama- 
nitra marina amin' ireo, Jehova no atao hoe 
matetika "ny Andriamanitra tr/ona" (Deo. 
v. 26). Ary nataon' ny Grika sy ny Romana 
koa fa nisy demonia sasany izay forabam- 
panahiny dia ratsy avokoa, ka tsy mba 
tahaka ny hafa izay tsy nanimba ny olona, 
afa-tsy izay nahatezitra azy. Ary ireo 
demonia ratsy ireo noheverina ho nialona ny 
olona tsara fanahy ka dia nanao izay hainy 
hisakana azy tsy hanao ny marina, fandrao 
hahazo f ah a tin are tana bebe kokoa noho izay 
azon' ny demonia izy. 

Izany ary no hevitry ny firenena mpano- 
mpo sampy tany aloha ny amin' ny demonia, 
fa inona kosa no ampianaran' ny Test. Vao. 
antsika amin' izany? Ary voalohany, hita 
mazava fa raha ny demonia no lazain' ny 
nanoratra ny Baiboly, fanahy ratsy izy 
rehetra, fa tsy misy demonia tsara tsy akory, 
araka izay noheverin' ny Grika sy ny Ro- 
mana. 

1. Ny amin' ny fomban 1 ny domonia, dia 
fanahy izy ; zahao Mat. viii. 10 ; x. 1 ; xii. 
43, 45 ; Mar. ix. 20 ; Lio. x. 20 ; etc. Koa 
dia lazaina ho manaria. fahafalana ny sitra-po 
izy (Mar. i. 24; Lio. iv. 34; Jak. ii. 11); 
iii. 16), ary hery khibe koa (Mat. viii. 2S-32 ; 
Mar. ix. 26 ; Efes. vi. 12). Tsy misy teny 
milaza marimarina na mitovy fomba tamin' 
ny anjely ny demonia, ka naetry tamin' ny 
toetran' ny anjely izay tsy nanota izy, na 
manao ahoana. Nefa kosa, satria iraka sy 
mpanao raharaha ho an' i Satana izy, anga- 
mba izany hiany no toetrany tany aloha. 
Angamba mitovy fomba amin' i Satana izy, 
fa Satana no atao hoe "andrian' ny demonia," 
ary ny fikambanan' ny demonia izay noroa- 
hin' i Jesosy no nataony hoe Satana (Mat. 
xii. 24-21); Lio. xiii. 16) ; ary ny hoe "fa- 
nahy maloto," izay milaza azy (Mat. x. 1 ; 
Mar. iii. 11), dia anarana nomena ny anjely 
izay very voninahitra koa (Apok. xvi. 13; 
xviii. 2), ary anaran' i Satana koa izany 
(Mar. iii. 30, zahao and. 22). Koa raha 



Digitized by 



Google 



OEM 

izany rehetra izany no heverina, angamba 
tsy diso hevitra izay manao hoe fa ny demo- 
nia voalazai.' ny Test. Vao. dia isan' ireo 
"anjely izay nanota," ka "tsy nitana ny 
anjara-fanapahany" (2 Pet. ii. 4; Joda 6). 
Araka ny tenin' i Paoly Apostoly, iray hiany 
ny demonia sy ny sampy nivavahan' ny 
firenena (I Kor. x. 20, 21), izay noheverin' 
ny Jiosy ho ratsy fanahy. 

2. Ny amin' ny fombam-panahiny, ny 
demonia no lazaina ho ratsy sy maloto (Mat. 
x. 1 ; xii. 45 ; etc.) ; ary momba ny fanja- 
kan' ny fahamaizinana izy, sady irahin' 
i Satana hahatanteraka ny ratsy tiany hatao 
^Mat. ix. 34; xxv. 41 ; Efes. vi. 12). 

3. Ny amin' izay xtoerarC ny demonia, dia 
lazaina ho "voahazona amin' ny fatorana 
mandrakizay ao amin' ny maizina, ho amin' 
ny undro fitsarana lehibe" (Joda 6 ; 2 Pet. 
ii. 4). Lazaina koi fa ao amin' "ny lalina ,, 
na ny "lavak* tsy hita noanoa" izy (Lio. 
viii. 31 ; Apok. is. 1-1 1). Nefa kosa, 
angamba ny hcvitr' ireo teny ireo* dia izao, 
fa ao am-pijaliana ny demonia, sady saka- 
nana tsy hanao izay sitra-pony avokoa izy ; 
fa ny teny sasany milaza azy ho afaka 
handehandeha ; zahao Efes. ii. 1 ; vi. 12. 

4. Ary ny teny hafa ao amin' ny Test. 
Vao. milaza ny demonia no ianarantsika koa 
fa maro izy (Lio. viii. 30 ; Mar. xvi. 9 ; 
Apok. xii. 7, 8) ; sady masiaka sy inandoza, 
fa nampahory ny olona betsaka tamin' ny 
andron' i Kristy izy (Mar. ix. 17, 20, 26; 
etc.) ; nefa nahalala sy nanaiky an 1 i Jcsosy 
Tompo izy (Mat. viii. 29 ; Mar. i. 24 ; v. 
/ ) ; ary tsy nahatohitra ny heriri 1 % Kristy 
izy (Mar. ix. 25, etc.). Zahao demoxiaka. 
— J.8. 

DEMONIAKA. Tamin' ny andron' i Kris- 
ty sy ny Apostoliny maro ny olona noiazain' 
ny Test. Vao. ho nampahorin' ny demonia 
na fanahy ratsy, ary ireo no atao hoe demo- 
niaha, na, olona azon' ny demonia. Ary 
raha ny tenin' izay nanoratra ny Filazantsara 
Efatra no dinihina, dia izao no arapianariny 
antsika ny amin' ny hery nananan' ny de- 
monia nampahory ny olona sasany : -Ny 
demonia nolaznina ho niditra tao anatin' ny 
olona ka nahazo hery taminy, dia nampahory 
sy nampijaly azy fatratra, na tamin' ny 
tenany na ny fanahiny (Mat. xv. 22) ; ary 
dia nampihcvitra azy sy nampiteny azy, ary 
nampanao azy toy izay tsy fanaony raha 
mbola tsy tah'ditra ny demonia tao aminy. 
Hitantsika koa fa ny demonia nandatsaka 
ny olona sasany izay azony tao anaty afo sy 
tao anaty rano (Mat. xvii. 15), ary namira- 
vira sy nampihinjihinjy azy (Lio. ix. 39) ; ary 
ny sasany no nataony ho moana sy jamba 
(Mat. xii. 22). Tsy mba mafy toy izany 
mandrakariva anefa ny nitondran' ny de- 
monia azy, fa nisy n'hetsehana mafy indrai- 
ndray, ary toa afaka amin' ny heriny kosa 
indraindray ny olona, fa mala taminy ny 
demonia. Koa satria mahantra loatra ireo 



no DEM 

demoniaka ireo, sy mampalahelo indrindra 



ny toeny, dia isan' ny asa mahagaga nataon' 
i Kristy hatramin' ny andro vao nande- 
handehanany hanao soa ny mamoaka ny 
demonia (Mat. iv. 24 ; Lio. iv. 35 ; 
etc.) ; ary ny hery hanao izany no nomeny 
koa tamin' ny Apostoly sy ny fi to -polo 
lahy nirahiny hitory ny fanjakan' ny 
lanitra (Mat. x. 8; Lio. x. 17). Ny 
demonia izay nahazo hery tamin' ny olona 
sasany toy izany dia lazaina ho niditra sy 
nivoaka tamin' ny olona; ary lazaina koa 
izy ho niteny sy niresaka tamin' i Kristy, 
ary nanao fifonana taminy mba tsy hampija- 
liny izy alohan' ny fotoana (Mat. viii. 29 ; 
Lio. iv. 24). Nahalala ny anaran' i Kristy 
ireo demonia ireo; ary ny fahefana sy ny 
voninahitra ary ny raharahan' ny Tompo dia 
fan tan y tsara. Koa ny namoahan' i Jesosy 
ny demonia no isan' ny famantarana no- 
meny fa Mesia tokoa Izy (Mat. xii. 28) ; ary 
nanaiky koa Izy fa, man araka ny fanoratana 
ny anarany any an-danitra, dia zavatra 
mety hifalian' ny mpianany ny nahazoany 
hery hamoaka ny demonia (Lio. x. 17-20). 

Fa na dia toa mazava aza izany teny 
rehetra izany, fa tamin' ny andron' i Kristy 
nisy tokoa fanahy ratsy izay navelan* 
Andriamanitra hanan-kery lehibe amin' ny 
olona sasany, kanjo, efa nataon' ny mpano- 
ratra sasany fa he vi -diso izay tanan' ny 
Jiosy hiany izany hevitra izany ; ka dia tsy 
nisy tokoa ny demonia, hoy izy, fa ny olona 
nolazaina ho azony dia olona nararin' ny 
androbe sy ny fahaverezan-tsaina, etc. Ary 
satria noheverin' ireo olona marary ireo, sady 
noheverin' ny Jiosy rehetra, fa nampahorin' 
ny demonia izy, dia neken' i Jesosy sy ny 
Apostoly hiany izany heviny izany, hoy izy, 
na dia fantany aza fa diso hevitra izy ireo. 
Nefa kosa, tsy azo ekena izany, sady tsy 
m if an araka amin' ny teny betsaka noiazain' 
ny Filazantsara Efatra milaza ny demonia 
sy ny olona narapahoriny. Marina hiany 
fa ny hevi-dieo sasany tsy mba toherin' 
i Jesosy loatra satria mbola kely ny faha- 
lalan' ny mpianany, dia navelany hoha- 
zavain' izay mbola hatao sy mbola ham bam. 
aminy amin' ny ho avy izany. Fa tsy mba 
nambara tamin' ny Apostoly, na ny Fiango- 
nana taorian' ny nialan' i Kristy, fa diso 
hevitra izay nihevitra fa nanan-kery ny 
demonia sady nampahory ny olona ; ary 
raha misy manao hoe: fantatry ny Tompo 
fa tsy nisy demonia nanan-kery tahaka 
izany, nefa Izy niresaka taminy sady nana- 
natra azy sy nandroaka azy, etc., dia tay 
hita izay teny noiazain' iELristy tokony 
hekena ho marina, ary izay tsy marina. 
Saro-pantarina tokoa ny zavatra sasany 
nolazaina ny amin' ny demonia sy ny hery 
nananany ; nefa sarotra hinoana ny zavatra 
maro lazain' ny Baiboly ; ary aleo manaiky 
izany toy izay mandrava ny fanorenan' ny 
Filazantsara tahaka izay ataon' ny sasany, 



Digitized by 



Google 



DEO 

Lay manao hoe fa ny Tompo nanaiky hevitra 
izay fantany ho diso, ka dia nananatra 
ny demon ia Izy ay niresaka taminy ary 
nandro&ka azy, kanjo fantany fa tsy nisy 
demonia akory, fa narary hiany, sady voafi- 
taka ny olona ! Sanatria rah a Jesoay Tompo 
bo heverintsika ho nety namitaka ny olona 
tahaka izany ! 

Ny aaaany ef a nanontany hoe : Nuhoana 
moa ny fanahy ratay no navelan' Andriama- 
nitra hanan-kery lehibe toy izay nolazain' 
ay Filazantaara Efatra, ay hampahory foana 
ny olona ? Sarotra hiany ny maxnaly izany 
fanontaniana izany. Nefa kosa, angamba 
toy diso ny sasany izay mi ho vi bra fa ny 
maro izay azon' ny deinonia dia olona ef.i 
oaaarain-po amin' ny fanaovan-d ratay ay 
ny fahalotoana; dia tonga malemy ay osa 
izy, ka toy nanan-kery intsony hanohitra ny 
Deroly. Tahaka an* i Ahaba, toa "nivaro- 
tena hanao ratay izy," ka dia nobaboin' ny 
Deroly hanao ny aitra-pony (2 Tim. ii. 26). 

Ary indray : Nahoana moa no niaeho ta- 
min' ny andron' i Kriaty indrindra ny hery ay 
ay halozan' ny demonia ? ary tay mba niaeho 
loatra talohan' izany andro izany, na taorian' 
izany ? Dia tay f antataika marina ny an ton' 
izany ; nefa kosa, angamba ny fanahy ratay 
sy ny herin' ny maizina no navelan' Andria- 
manitra hanan-kery lehibe indrindra tamin' 
izay mba ho id ta marina fa ny herin' 
i Kriaty dia lehibe lavitra noho ny azy ; fa 
boy ny Apoatoly: "Izao no niaehoan' ny 
Zanak' Andriamanitra, dia ny handrava ny 
asan* ny Devoly" (i Jao. iii. 8). — J.s. 

DENARIA : dia anaran' ny karazana 
anankiray amin* ny vola voatonta (volafotay) 
nataon' ny Komana. Hatramin' ny B.C. 217 
ka hatramin' ny nandravana an' i Jerosalema 
dia vola raisin* ny Jiosy koa ny denaria, ary 
tazaina matetika amin' ny Teat. Vao. (Grika) 
izy (Mat. xviii. 28; Mar. xiv. 5; Lio. x. 
36; xii. 15), ary indray mandeha koa, nadika 
hoe farantsa kely fotainy izy (Mat. xxii. 
19). Kanefa kosa, 'venty — na mahery 



a 



ly, na lataaka kely, tay f antatra marina— 
tokony ho dikan' ny hoe 'denaria;' ary tamin' 
ny andron* i Kriaty ny denaria dia karaman' 
ny mpiasa-tany tany Paleatina noho ny 
raharaha nataony tamin' ny andro iray 
[Mat. xx. 2, 9, 13). Tamin' izany andro 
izaay koa niay sarin' ny emperora any 
Roma natonta tao amin' ny ilany an an ki ray 
ny denaria; dia hoy Jeaoay tamin' ny Ji^sy : 
"An* iza io aary ay aoratra io ? Hoy izy 
taminy : An' i Kaisara" (Mat. xxii. 20, 21 ; 
Mar. xii. 16). Zahao vola — j.s. 

D£OTEBONOMIA dia ny aaarana Grika 
noraen' ny Jiosy nonina tao Aleksandria ny 
boky fahadimy noaoratan' i Mosesy ; ary 
raha adika ho teny Malagaay izany, dia 
'Lalana Faharoa' na ' Fame ren an -teny' no 
beriny, dia ilay anaran a omena azy tao 
vain* ny Baiboly taloha. Ary ny nanome- 
unaazy anarana tahaka izany ny nilazan' 



in DEO 

i Mosesy f ttnindroany ny didy ay ny lalana 
maro, mbamin' ny tantara aaaany izay 
efa voalaza tany aloha amin' ny Ekaodosy 
By Levitikosy ary Nomery, kanefa naveriny 
indray. Ny ankabiazan' ny teny eo amin' 
ity boky ity no notorin' i Moaesy teo anatre- 
han' ny Zanak' Iairaely tamin' ny volana 
faharaik' ambin' ny folo amin' ny taona 
fahefa-polo izay nandehandehanany tany 
an-'efitra; fa efa hita an' Uordana tamin' 
izay ny zanaky ny olona izay nivoaka 
tany Egypta, ary efa antomotra ny andro 
hahafate8an' i Moaesy mpitarika azy. Ary 
ny teny efa notorin' i Moaeay voalohany dia 
noaoratany koa tato aoriana, mba tay hoha- 
dinon' ny Zanak' Iairaely ny lalan' i Jehova 
ay ny aoa rohetra efa nataony ho azy. Et'a 
nadiva hiditra tao amin' ny tany Kanana 
ny Zanak' Iairaely tamin' izany andro izany, 
ary Moseay ta-hampihevitra azy ny amin' 
ny fahamarinana sy ny fahadiovam-po izay 
tadiavin' Andriamanitra. Ny boky atao hoe 
Levitikoay efa nampianatra azy izay fomba 
fanao tokony hotandremany amin' ny fivava- 
hana ay ny fanompoany an' Andriamanitra ; 
fa ny teny ao amin' ny Deoteronomia koaa 
no nokaaaina hampianatra azy izay fanahy 
mahamendrika ny mpanompon' i Jehova. 
Efa maty ny olom-baventy rehetra izay 
nandre ny Lalana nomena tany Sinay, fa ny 
zanany koa tay maintay handre ny lalana avy 
amin' ny vavan' i Moaesy. Dia nitaangana 
too afovoan' ny Iairaely ny Mpanome-lalana, 
ary nananatra ay nanome toky, nandidy ay 
naraporiaika azy izy; 8atria efa nambarau' 
Andriamanitra tamin' ny fiovaovan' ny olony 
amin' ny andro ho avy, ay ny ratay izay 
hataony, ay ny fahoriana hieretany noho 
izany, ary ny famindram-po hasehon' i Je- 
hova aminy, raha mibebaka izy. 

1. — Ny Zavatra voalaza eo amin* ny Deotero- 
nomia. Ny ankabiazan' ny teny eo amin' 
ity boky ity dia tori -teny telo nalahatr' 
i Moaesy taloha kelin' ny hahafatesany. 
Ary fanampin' izany koa, misy ny Fihiran' 
i Moaeay 8y ny Tao-drano nataony ary ny 
teny milaza ny nahafateaany. 

(a) Ny tori- teny voalohany dia i. 6 — iv. 40, 
ary alahatra amin' ny teny fohifohy ny 
zavatra malaza amin' ny tantaran' ny Zanak' 
Isiraely tamin' ny efa-polo taona vao tapitra 
tamin' izay, fa indrindra ny tai-finoany ny 
tenin' i Jehova, izay niaakana ny ankama- 
roany tsy hiditra amin' ny Tany Maaina. 
Ary ny nahazoan' ny olona ny tany atsina- 
nan' i Jordana, sy ny nandreseny ny fahavalo 
maro aahady no nolazain' i Moaesy koa, 
hanome toky azy handroao ay hainoaka ny 
olona tompon-tany any andrefan' ny ony. 
Misy ny teny fohifohy izay nampian' ny 
olona tamiu' ny andro munaraka hanazava 
ny teny milaza ny anaran' olona ay anaran- 
tanana, etc., amin' ity tori -tony voalohany 
ity; zahao ii. 10-12, 20-23; iii. 9-12. 
Tamin' ny andron' iEzra angamba no 



Digitized by 



Google 



DEO 



lis 



DEO 



nampiana izany teny fohifohy izany. Ary 
fanampin' izany, dia misy teny milaza ny 
tana n a telo izay natao ho fandosirana tany 
atsinanan' iJordana (iv. 41-43). 

(b) Tabaka ny amin' ny tori-teny voalo- 
hany hiany, ao amin' ny faharoa koa misy 
fitarihan-teny milaza ny andro sy ny fitoe- 
rana nitorian' i Mosesy azy (iv. 44-49). Ny 
torx-Uny faharoa, izay lava indrindra amin' 
izy telo, dia hatramiu' ny v. 1 ka hatramin' 
ny xxxvi. 19 ; ary ny Didy Folo, mbamin' 
ny didy maro bat'a koa nomena tany aloha 
tany Sinay no nambara indray, fa novana 
kely izy sady nampiana. Fa maro ny didy 
noraen' Andriamanitra tamin' ny voalohany 
izay mety hotandreman' ny olony raha mbola 
nandehandeba tany an-efitra izy, fa tsy mani- 
nona lottra rehefa nahazo tany honenany izy. 
Koa Jehova hiany no nolazain' i Mosesy ho 
tokony ho tian' ny Zanak' Isiraely sy hivava- 
hany; ary ny Jitiavana an' i Jehova no 
nambarany ho fototry ny fanorapoana Azy. 
Ary ny olona no naaainy hitandrina tsara 
fandrao ho voafitaka izy ka hanompo ny 
sampin' ny firenena manodidina azy, ary 
fandrao hirehareha foana satria efa nofidin' 
Andriamanitra ho olon-tiany indrindra izy. 
Dia nandroso Mosesy hilaza zavatra maro 
mety hataon' ny olona amin' ny fombam- 
pivavahana : dia ny fitoerana masina hanate- 
rany ny fanatitra, ny fanatitra ankaaitrahan' 
i Jehova, ny zavatra hof adina, ary ny fotoana 
masina na andro firavoravoana. Manaraka 
izany indray, ny fombam-panjakana no 
nambaran' i Mosesy, dia izay tokony ho 
toetry ny mpi tsara sy ny mpanapaka ary ny 
mpanjaka; ary izay hataon' ny Isiraelita 
raha miady amin' ny firenena hafa izy. Ary 
fanampin' izany rehetra izany, misy didy 
maro ny amin' ny fifankatiavan' ny olona, 
sy ny fifanarahan' izay miara-mitoetra, ary 
izay mety hatao raha misy manana ady 
amin' ny namany. 

(d) Xy tori-teny fahateh dia xxvii. 1 — 
xxx. 20; nefa tsy mba nolazain' i Mosesy 
irery ity teny ity, fa izy sy "ny loholon' ny 
Isiraely" niaraka nananatra ny olona. Ny 
La Ian' i Jehova no nasainy hosoratana amin' 
ny tsangam-bato voalalotra sokay, izay 
haorina any amin' ny tendrombohitra Ebala, 
rehefa tafiditra umin' ny tany Kanana ny 
Zanak' Isiraely. Ary voalaza koa ny ozona 
maro hahatratra ny ratsy fanahy, izay hoto- 
nonin' ny Levita sasany any an-ilan' ny 
tendrombohitra Ebala, ary ny fitahiana ho 
azon' ny tsara fanahy kosa, ka hotononin' 
ny Levita sasany koa any an-ilan' ny 
tendrombohitra Geriziraa. Ary fanampin' 
izany dia misy teny fananarana mnro sainy 
hafa ary teny fikasana koa ; ary Mosesy toa 
nifona mafy tamin' ny olona mba hitandrina 
ny Lalnn' i Jehova Andriamaniny. 

(e) Manaraka ny tori-teny telo, ny nano- 
loran' i Mosesy ny Lalana voasoratra tamin' 
ny Levita hotehiriziny no voalaza, ary ny 



anatra nomeny fa hovakina ny Lalana eo 
anairehan' ny vuhoaka rehetra indray 
mandeha isam-pito taona (xxxi.). Dia mhsy 
ny fihirana nataon' i Mosesy ho ren' ny 
olona ho fahatsiarovana ny hery sy ny 
voninahitr' i Jehova, ary ny nifidianany sy 
ny niarovany ny olony (xxxi. 20 — xxxii. 44). 
Ary farany, dia ny tso-drano nolazain' 
i Mosesy manambara izay ho toetry ny fire- 
nena roa ambin' ny folo tsirairay amin* ny 
andro ho avy (xxxiii.). 

(/) Ny teny farany eo amin' ny bokin* 
i Deoteronomia milaza ny nahafatesan' i Mose- 
sy tany an-tampon' i Pisga, rehefa nasehon' 
Andriamanitra tarainy ny Tany Masina, izay 
hi tan' ny masony, fa tsy mba hodiavin' ny 
tongony. Ary voalaza koa ny nandevenan' 
Andriamanitra an' i Mosesy, sy ny nisaonan' 
ny Isiraely azy efa- polo andro, mbamin' ny 
voninahitra nomen' i Jehova azy mihoatra 
noho ny mpaminany sy ny olona masina hafa 
rehetra (xxxiv.). 

2. — Ny Fifanarahan' ny boky Deoteronomia 
sy ny boky telo mialoha azy. Satria maro ny 
zavatra lazaina amin' ity boky ity izay tsy 
hita amin' ny boky telo, sady maro koa ny 
teny toa tsy mifanaraka amin' izy roa tonta, 
dia efa noheverin' ny mpanoratra sasany fa 
Deoteronomia tsy mba nosoratan* i Mosesy, 
fa nosoratan' olona hafa elaela hiany teo 
aoriana, hoy izy. Ary ny teny satany izay 
heverin' ireo mpanoratra ireo ho tsy mifana- 
raka dia izao : (a) Ny tendrombohitra izay 
atao hoe Sinay ao amin' ny Eksodosy sy 
Nomery no atao hoe Horeba kosa amin' ny 
Deoteronomia. Mora valiana izany anefa, 
fa Horeba no anarana malalaka milaza ny 
tendrombohitra rehetra, fa Sinay kosa no 
tendrony anankiray. (b) Ny mpisorona sy 
ny Levita, hoy izy, no nolazain' ny Deotero- 
nomia ho olona initovy raharaha ; nefa kosa, 
ny mpisorona no atao hoe Levita koa mba 
hanavaka azy amin' ny mpisorona sandoka, 
fa taranak' i Levy hiany ny mpisorona ma- 
rina rehetra; zahao koa Deo. xviii. 3-8. (d) 
Eo amin' ny Deo. i. 22, Mosesy no lazaina 
ho naniraka ny mpisafo roa ambin' ny folo 
lahy araka ny teniu' ny olona, fa amin' ny 
Nom. xiii. 2 kosa Andriamanitra no lazaina 
ho nandidy an' i Mosesy haniraka azy. Nefa 
mora hita fa tsy mifandiso izy roa ; ny olona 
nangataka tamin' i Mosesy aloha ; ary Mo- 
sesy dia naka hevitra tamin' Andriamanitra, 
Izay nanaiky fa mety hiany ny maniraka 
ny mpisafo. (e) Araka ny Deo. i. 44, ny 
Amorita no lazaina ho nonina tany an- 
tendrombohitra, fa araka ny tenin' ny Nom. 
xiv. 43-45 kosa, ny Amalcka no lazaina ho 
nonina tany. Fa saingy ny Amaleka no 
firenena mahery indrindra tamin' ny tompon- 
tany any Palestina, matetika ny anarany no 
toa solon' ny hoe 'mponina any Kanana.' 
Ary koa, amin' ny teny manaraka amin' ny 
Deoteronomia hiany, samy lazaina izy roa, 
na ny Amorita na ny Amaleka. Ary mba 



Digitized by 



Google 



DEO 

toy izany koa amin' ny teny sasany izay toa 
»y mifanaraka amin 1 ny boky telo; raha 
dinfhina tsara kokoa izy, dia hita marina ny 
n knar* h any ; ary ny t8i-fahampian , ny 
fiiulalantsika hiany no toa tsy ifanarahan' 
ny teny sasany koa. 

Ary maro ny teny sy ny didy nolazain' 
ity buky ity izay tsy voalazan' ny boky telo. 
Ary tsy mahagaga izany, fa ny tori-teny eo 
amin ny Deoterononiia dia nolazain' i Mo- 
sesy ela taorian' ny nanomezana ny Lalana 
tjiy Sinay. Efa hiditra amin' ny Tany 
ilasma ny Zanak' Isiraely tamin' izay ; ary 
Mosesy nampahafantatra azy zavatra maro 
iay t*y raaninona azy loatra raha mbola 
itindehandeha tany an-efitra izy. Koa am in' 
uany, misy didy vaovao ny amin* ny fitoe- 
rana irey izay hanateran' ny olona fanatitra 
(xii. 5) ; sy ny amin* ny fahafolon-karena 
htteriny ho fanatitra (xii. 6, 11, 17; xiv. 
22); sy ny amin' ny mpaminany sandoka 
fxiiL) ; ary ny amin' ny mpanjaka sy ny 
uitondrany ny fanjakana (xvii. 14) ; etc., 
etc. 

3.— Ay Xanoratra ny boky Deoteronomia. 
Raha toy ny hevitry ny Jiosy hatramin' ny 
roalohany sy ny ankabiazan' ny mpanoratra 
h*vi-teny tato aoriana, Mosesy hiany, izay 
nilaza vara ny ankabiazan' ny teny eo amin' 
ny boky, no nanoratra azy koa. Nefa 
kosa, satria bafa ny fanao sy ny fomba- 
titeny hita amin' ny Deoteronomia noho ny 
twin' ny boky telo mialoha azy, dia ataon' 
ny aosany fa efa nosoratana elaela taorian' ny 
andron' i Mosesy izy. Nefa tsy mahagaga 
akory fa misy tsi-fitoviana toy izany, satria 
*amy hafa be hiany ny andro sy ny anton' 
tiv nanoratana azy roa tonta, ary samy hafa 
iiy toetry ny olona nilazana azy sy ny toetry 
ny razany, izay nomena ny Lalana tamin' 
ny voalohany. Ary izao hevitra izao no azo 
cntina hanamarina ny hevitr' izay raanao hoe 
ii Mosesy no nanoratra ny Deoteronomia, 
fa tsy olona hafa izay velona too aoriana : 
■,*) Maromaro ny teny milaza ny tantara sy 
ny toetry ny nrenena sasany izay nahery sy 
nalaza talohan' ny andro nidiran' ny Zanak' 
Isiraely tany Kanana, nefa naringana ka 
tsy hita intsony taorian' izany izy ; dia ny 
amin' ny ny olon' iBasana (i. 4) sy ny 
Emiraa (ii. 10) sy ny Horita (ii. 12) sy ny 
Zamzoroita ary ny Refaita (ii. 20, 21 ; iii. 3). 
'•) Xy toetry ny tany Egypta koa dia fan ta- 
rry ny lehilahy nanoratra ity boky ity ; 
ztLao xi. 10., etc. (d) Maro ny didy noraen' 
ny nanoratra azy ny amin' ny handresena 
ny tany Kanana ; nefa teny foana izany 
n»ha nosoratana ela taorian' ny andron' 
i Hoeesy izy ; zahao xii. 1., etc. ; xx. 1., etc. 
Ary koa, (r) Mosesy no lazain' ny boky 
marimarina ho nanoratra azy (xxxi. 19), 
nry izany koa no fitcnin* ny Test. Vao. ; 
^ihao Mat. xix. 7, 8; Mar. x. 3; Asa. iii 
-1; vii. 37. Ny toko farany anefa dia 
Utantaika marina fa nosoratan' olona hafa 



118 DIA 

teo aoriana, satria ny nahafatesan' i Mosesy 
sy ny nandevenana azy no lazaina eo aminy. 
Kaha toy ny hevitry ny sasany, ny toko 
farany amin' ny Deoteronomia no tokony ho 
toko voalohany amin' ny Bokin' iJosoa 
tamin' ny andro vao nanoratana azy. 

4. — Xy Andro nanoratana ny Deoteronomia. 
Raha marina ny hevitra voalaza eo ambony, 
ary tokony ho marina tokoa, fa Mosesy no 
nanoratra ity boky ity, dia tamin' ny taona 
taloha kelin ny nidiran' ny Zanak' Isiraely 
tamin' ny Tany Masina no nanoratana azy ; 
zahao i. 3. Nefa kosa, tsy mifanaraka iiy 
hevitry ny olon-kendry ny amin' izany taona 
izauy, fa sarotra ny mahita azy marina ; dia 
izao no taona samy hafa lazain' ny olona 
samy hafa : b.o. 1608 (Hales), 1553 (Jackson), 
1451 (Usher), 1491 (Petavius). 

5. — Xy teny Faminaniana milaza ny hihavian' 
ny Mesia. Mpaminany anankiray Izay ho 
tahaka an' i Mosesy, nefa lehibe sy malaza 
noho izy, no nolazain' i Mosesy eo amin' ny 
Deo. xviii. 16-19. Ary hatramin' ny andro 
nisehoan* i Jesosy Kristy tatj ambonin' ny 
tany dia niankinan' ny Jiosy tsara fanahy 
izany teny izany (Jao. i. 4.) ; vi. 14), sady 
nentin' ny Apostoly hanamarina ny teniny 
fa Jesosy avy any Nazareta no ilay Mpami- 
nany lehibe Izay tokony ho ayy (Asa. iii. 22, 
23; vii. 37). Ary ny Samaritana koa, izay 
tsy nanaiky ny boky hafa amin' ny Test. Tal. 
ho Soratra Masina, fa ny boky dimy noso- 
ratan' iMosesy hiany, nanantena ny hiha- 
vian' ny Mesia, satria Izy no nolazain' ity 
teny eo amin' ny Deo. xviii. 15-19 ity ; 
zahao Jao. iv. 25. — j.b. 

DEKBE : tanana tao amin' ny atsinanan' 
ny lemak' i Lykaonia ao avaratry ny tendro- 
mbohitra Taorosy ; ary alehan' ny olona 
amin' ny lalam-be mamaky ny tany. Voa- 
laza ho tanana nalehan' i Paoly indroa izy 
(Asa. xiv. 20, 21 ; xvi. 1 ; xx. 4).— j.b. 

DEVOLY : zahao satana. 

DIAKONA (Gr. diakonos ; Eng. deacon). 
Izany no anaran' ny mpandraharaha sasany 
tao amin' ny fiangonana hatramin' ny an- 
dron' ny Apostoly (Fil. i. 1 ; 1 Tim. iii. 
8-13); ary hodinibina izao ny fomban' ny 
olona izay natao hoe 'diakona' eo amin' ny 
Test. Vao., sady hoheverina ny fanontaniana 
efa nataon' ny sasany ny amin' ny niando- 
han' ny diakona sy ny rahumha nataony. 

I. — Kaha toy ny hevitry ny mpanoratra 
sasany, ny diakona teo amin' ny Fiangonan' 
ny Kristiana dia nitovy fomba sy raharaha 
tamin' ny lehilahy natao hoe (Jhazan tamin' 
ny synagogan' ny Jiosy, ary izay atao hoe 
"mpanao raharaha" (lio. iv. 20) sy "mpia- 
ndry raharaha" (Jao. vii. 32) amin' ny Test. 
Vao. Nefa kosu, tsy dia mitovy fomba na 
raharaha tsy akory izy roa tonta, fa ny 
Chazan teo amin' ny synagoga dia toa 
mpiandry trano hiany, sady nitahiry ny 
taratasy hoditra nahorona nisy ny Soratra 
Masina hovakina isan-tSabata. 



Digitized by 



Google 



DIA 



114 



DIA 



II. — Raha toy ny hevitry ny maro indray, 
ny teny eo amin' ny Asa. vi. 1-6 no railaza 
ny niandohan' ny raharahan' ny diakona teo 
amin' ny Fiangonana. Fa io tony io milaza 
ny nanendrona ny fito lahy tamin' ny 
fiangonana tao Jerosalema, hitandrina ny 
fanomezam-piantrana ho amin' ny mpito- 
ndratena izay isan' ny fiangonana tao. Moa 
diakona nitovy foraba sy raharaha tamin' 
ny diakona voalazan' i Paoly amin' ny 
epistiliny tato ooriana va ireo lito lahy ireo ? 
Na dia ataon' ny m;iro aza fa nitovy hiany 
izy roa tonta, dia tay lata loatra izay mana- 
marina izany hoviny izany. Fa malaluka 
dia malalaka ny tony Grika hoe diakonia 
(nadika hoe 'fiantrana,' Asa. vi. 1, fa fano- 
mpoana no dikany marina) ; ary ny amin' 
ny hoe diakona koa, dia mpanompo hiany no 
heviny voalohany, ka dia entin' ny nanoratra 
ny Test. Vao. hilaza ny fanompoana rehetra, 
na inona na inona, na ataon* iza na ataon' 
iza, ho amin' ny fanjakan' Andriamanitra 
aty arabonin' ny tany : na izay ataon' ny 
mpitandrina (2 Kor. xi. 23; Efes. vi. 21; 
Kol. i. 7., etc.), na ny evanjelista (1 Tes. iii. 
2), na ny Apostoly (Asa. xx. 24; xxi. 19; 
Rom. xi. 13; 2 Kor. vi. 4., etc.), na ny 
mpaminany (1 Pot. i. 12), na ny anjely 
(Heb. i. 14), na Kristy aza (Rom. xv. 8). 
Raha ny tony milaza ny nanendrena ilay fito 
lahy no heverina, mbamin' ny teny mitohy 
aminy, dia toa zavatra natao satria tandrifiu' 
ny raharaha tamin' izany andro izany hiany 
izy, fa tsy mba kasaina hotandreman' ny 
Fiangonana mandrakizay tsy akory. Ha- 
tramin' izany andro izany ny Apostoly efa 
nizara ny vola fiantrana nomena ho fana- 
rapiana ny malahelo teo amin' ny fiangonana. 
Fa teo aoriana kosa, rehefa nitombo ny 
raharahan' ny Apostoly, ny rapitondra-tena 
sasany toa tsy nahazo ny anjarany marina, 
ka dia nisy fimonomononana kely. Koa dia 
nataon' ny Apostoly fa mety raha hisy lehi- 
lahy sasany fidin' ny fiangonana hitandrina 
tsara ny raharaha tahaka izany. Nef a toa tsy 
raharaha izay ha tao mandrukizay eo amin' 
ny Fiangonana izany tsy akory, fa rehefa 
tapitra ny fanomezam-piantrana isan- andro 
(ary tsy naharitra ela izany), toa tapitra koa 
ny raharahan' ireo fito lahy voafidy hita- 
ndrina azy. Nefa kosa, na dia tsy azo 
ekena aza fa ny diakona lazaina eo amin 1 ny 
epistily tao aoriana no lazaina amin' ity teny 
amin' ny Asa ity, hita marimarina fa tian' 
ny Apostoly ho fantatry ny mino fa izay 
mampianatra sy raitandrina ny fiangonana 
tsy tokony ho sahirana loatra amin' ny raha- 
raha hafa izay raikasika amin' izao tontolo 
izao. 

III. — Inona ary no raharahan' ny diakona 
indrindra, dia ny diakona lazaina eo amin' 
ny epistily? Nobo ny havitsian* ny teny 
milaza azy dia saro-baliana izany. Mora 
hiany ny mamaly hoe, fa ny raharaham- 
piangonana izay mihatra omin' izao fiainana 



ankehitriny izao dia anjaran' ny diakona, fa 
ny fampianarana sy ny raharaham-panahy 
no anjaran' ny Apostoly sy ny mpitandrina ; 
fa tsy misy teny loatra azo entina hanama- 
rina izany. Raha ny fombam-panahy ma- 
hainety ny diakona araka ny tenin' i Paoly 
no heverina, dia toa mitovitovy amin' izay 
tadiavina amin' ny mpitandrina hiany izany 
(1 Tim. iii.) ; ka dia tsy azo inoana fa voa- 
vaka mihitsy araka izay voalaza teo ambony 
ny raharahan' izy roa tonta. Ary koa, raha 
izany hiany no raharahan' ny diakona, 
hataony ahoana no hahazo "fahasahiana ba 
amin' ny finoana izay ao amin' i Kristy 
Jesosy?" (1 Tim. iii. 13.) Izany moa no 
vaiin ny fahazotoany amin' ny fitandremana 
tsara ny volan' ny fiangonana sy ny fandoa- 
vany ny fiantran' ny fiangonana ? 

IV. — Fa raha nanan-draharaha tamin' ny 
zavatra momba ny f anahy ny diakona lazain' 
i Paoly, fa tsy tamin' ny raharaha mihatra 
amin' izao fiainana ankehitriny izao hiany, 
inona ary no tsy itovian' ny diakona sy ny 
mpitandrina (episkopo) na loholona (pre*by- 
tera) ? Fa hitantsika marina fa olona tsy 
dia nitovy anarana na nitovy raharaha izy 
roa tonta, fa samy lazaina mitokana ny 
anarany amin' ny teny misy azy (Fil. i. 1 ; 
1 Tim. iii. 1, 8). Toa tsy nitovy voninahitra 
tamin' ny mpitandrina ny diakona, ary toa 
ambanimbany kokoa ny raharahany ; fa 
izany no ampianarin' i Paoly amin' ny teniny 
hoe: "fa izay efa mahavatra tsara ny asan' 
ny diakona dia mahazo toerana (na fuandra- 
tana) tsara ho an' ny tonany." Hitantsika 
koa fa na dia tsy nahay nampianatra aza ny 
olona, dia azo fidina ho diakona hiany izy, 
raha tsara fanahy sy tsara fitondran-tena 
izy araka ny fitsipika nataon' i Paoly, dia 
1 'mitandrina tsara ny zava-miafina amin' ny 
finoana amin' ny fieritreretana madio." Fa 
ny mpitandrina kosa (episkopo, na bisony) 
dia nolazaina ho tsy maintsy hahay mampia- 
natra. Ary mihoatra noho izany, dia tsy 
misy teny hafa amin' ny Test. Vao. ahafa- 
ntarantsika ny amin' ny diakona ; nefa kosa, 
misy teny maro amin' ny boky hafa milaza 
ny raharahan' ny diakona teo amin' ny 
fiangonana tao aorian' ny andron' ny Apos- 
toly. Dia toy izao : lazaina ho nanampy ny 
mpitandrina izy tamin' ny nitandremana ny 
Fanasan' ny Tompo, ary nitondra ny mofo 
sy ny divay tamin ny mpandray, izay samy 
nipetraka teo amin' ny fitoerany avy tao 
am-piangonana ; namory ny vola fiantrana 
nomen' ny fiangonaua izy ary nilaza ny ana- 
ran' izay nanome ; ary nitahiry ny lovia sy ny 
kapoaka, etc., fanao amin' ny Fanasan' ny 
Tompo izy. Tao amin' ny fiangonana sasany 
ny diakona namaky ny teny nalaina tamin' 
ny Filazantsnra izay voalahatra hovakina 
isan' Alahady alohan' ny famakia-mofo. Teo 
aniiti' ny fiangonana sasany dia navela hanao 
batisa ny diakona ; ary tato aoriana indray 
nisy raharaha hafa nomena azy hataony. 



Digitized by 



Google 



DIA "« 

Tsy hita marina raha navela hitory tony ny 
diakona, na tsia, nefa angamba nanao izany 
hiany indraindray izy. Koa raha izany te- 
nia' ny mpanoratra sasany izany no heverinu, 
Umin' ny andro manaraka ny audron' ny 
Apostoly ny diakona dia mpanao raharaha 
teo amin' ny fiangonana ary nanampy ny 
mpitandrina, nefa tsy dia nitovy taininy. 
Ary azo nofidina ho mpitandrinu koa izy, 
raha lavorary sady tsy nanan-tsiny ny na- 
naovany ny raharahan' ny diakona. 

V. — Ny fahaizana sy ny fornbam-panahy 
niahamety ny diakona dia nolazain' i Paoly 
anuV ny 1 Tim. iii. 8-12. Ny diakona, 
hoy izy, tokony ho tsara laza sy hajain' 
ny olona noho ny hatsaram*panahiny ; ho 
maotona, tsy miroa teny, dia olona nnteuy 
ny marina mandrakariva ; tsy tia divay 
i*; tsy tia harena maloto, izany hoc, tsy 
milatftaka ho diakona mba hahazo vola 
ary amin' ny olona ; mitana tsara ny zava- 
nuafina amin' ny finoana amin' ny fieritre - 
retana madio; olona efa voazaha-toetra ka 
tsy manan-tsiny ; manam-bady tokana ary 
manapaka tsara nv zanany sy ny ankoho- 
nany. Ny vadin ny diakona koa lazainy 
fa tokony ho vehivavy mitondra tena tsara, ho 
maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon- 
ttna, ary mahatoky amin' ny zavatra rehetra. 

Ary raha toy ny hevitry ny sasany, ny 
olona natao hoe "ny zatovo" (Asa. v. G, 10) 
no sabala amin' ny diakona ; nefa tsy hita 
izay manamarina izany, ary vitsy loatra ny 
teny milaza azy ka tsy ainpy hanainarina 
izany hevitry ny sasany izany. 

VI.— Efa nalahatra toy izuo ny raharahan' 
ny diakona : — 

A. — Ny raharaham-piangonana izay mihatra 
«»in' Izao JUiinana izao ; ary izany indray 
dia mizara toy izao : — 

l-—3 r y mitandrina ny latabatra (Asa. vi. 
-) ; dia (a) Ny latabatry ny Tompo. Ny 
diukona dia manampy ny mpitandrina amin' 
&y fitandremana ny Fanasan' ny Torapo. 
Ny mpitandrina dia mamaky ny mofo sy 
nianidina ny divay, fa ny diakona kosa no 
wanolotra azy am in' ny olona eny am-pipe- 
trahanyavy. Ary izany tsy main tsy araboa- 
nna amin , ny mety sy ny mahamendrika. Ny 
latabatra dia tokony ho antonony sy tsara. 
Ny kapoaka aman-dovia dia aoka mba tsy hi- 
sonaoty na ho matroka, fa hadio hahafinari- 
tr» ery ny fijery azy ; ary tokony hadio tsara 
ny Umban-databatra. Tokony ho voavoatra 
teara ny mofo sy ny divay. (b) Ny latabatry 
»y malahelo. Hoy ny tenin ny Tompo : 
''Ny malahelo dia etf aminareo mandraka- 
riva" (Jao. xii. 8) ; koa raharahan' ny 
diakona ny mba hamangy sy hamonjy ireo. 
Ny volam-piangonana izay tehirizin , ny 
diakona tokony hozaraina amin' ny mala- 
nelo izay iantrana, hahazoan' izy rehetra ny 
anjarany avy. (d) Ny latabatry ny mpampia- 
»*tra. Fa raharahan' ny diakona ny mita- 
ndrina tsara mba hahazoan' ny mpampianatra 



DIA 

ny sekoly ny karama an ton on' ny asa ataony. 
Matetika dia tapaka ny fampianarana ny 
ankizy madiniku, satria tsy lavorary ny fana- 
mpiana efa nifanekena. (e) Ny latabatry ny 
mpitandrina. Ny diakona tokony hampoii- 
sika ny fiangonana ipetrahany mba handoa 
vola ho an' ny mpitandrina, fa raha sady izy 
no homena ka dia izy indray no mamporiMka 
uy olona handoa vola ho azy, dia mba maha- 
saikatsaikatra hiany izany. Marina hiany 
fa mbola tsy fanaon' ny fiangonana maro at y 
Madagaskara ny handoa vola ho fivoloman' 
ny mpitandrina ; kanefa zavatra tokony lio- 
kendreny izany, fa mazava ny tenin' i Paoly 
amin' izany tamin' izy nanao hoo : "Toy 
izany koa no nandidian' ny Tompo, fa izay 
mitory ny filazan tsara dia hahazo fivelomana 
amin' ny filazantsara ;" vakio koa 1 Kor. 
ix. 7-14. 

2.—Ny mitahiry ny volam-pianyonana. Ny 
famoriam-bola dia zavatra tsy maintay hatao, 
fa io no isau' izay hampandrosoantsika ny 
fanjakan' Andriamanitra. Tsy dia fomba 
vuovao izany tsy akory, fa efa fanaon' ny 
fiangonana hatramin' ny voaloliany ; fa hoy 
Paoly tamin' ny Korintiana: "Ny amin' ny 
famoriam-bola ho an' ny olona masiiia, dia 
manaova koa hianareo toy izay nasaiko 
nataon' ny fiangonana any Galatia" (1 Kor. 
xvi 1). Ary ny fomba amam-potoana ha- 
naovan' ny fiangonana izany dia lazainy koa 
amin' ny andininy manarakaraka, hoe : 
"Amin' ny andro voalohany isau-kerinandro 
dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra 
na amin' inona na amin' inona no anambi- 
nana azy." Dia raharahan' ny diakona ny 
mitahiry ny vola voangona ; koa izay vola 
miditra sy izay mivoaka samy tokony hoso- 
ratany ao amin' ny boky natokana ho an' 
izany, ary tokony hisy f otoana hilazany amin' 
ny fiangonana izay toetoetran' ny volany. 

3. — Ny mitandrina ny trano Jianyonana. 
(a) Ny taravarana. Ny miambina izany dia 
aujara- raharahan' ny diakona ; dia mba 
hisakana ny olona tsy hivoaboaka foana, 
indrindra raha ny vavaka no atao. Olona 
manan-tsaina sy faha/otoana no tadiavina 
ho amin' izany raharaha izany. (b) Ny amin'' 
ny Jlpctrahana. Ny vahiny vao miditra to- 
kony hotarihin-dalana ka hapetraka amin' 
ny fitoerana mahamendrika azy. Ary koa, 
ny amin' ny fipetrahan' ny olona, dia aoka 
hatao amin' ny filaminana tsara. Aoka tsy 
hisy olona ao am-bohon' ny mpitori-teny ; 
ary aoka mba hifanatrika ny mpitori-teny 
ay ny mpiangona rehetra, fa tsy hiamboho 
azy. Ary koa, ny diakona dia tokony ha- 
zoto hikarakara ny trano fiangonana, na ny 
fanadiovana azy, na ny fanamboarana azy. 

B. — Ny raharaham-piangonana izay mihatra 
amin'* ny Fanahy. Raha ny teny ao amin' 
ny Asa (vi. 3, 8) sy ny 1 Timoty (iii. 8, 9) 
no heverina, hitantsika marimarina fa tsy 
mba tapitra amin' izay raharaha momba ny 
mitandrina latabatra sy ny trano fiangonana 



Digitized by 



Google 



OIA 



116 



DIA 



liiany no tandrifin' ny ataon' ny diakona, 
fa izao indray koa no tokony hataony : — 

(1) Ny mamangy olona, din (a) Ny marary 
ny ny zoim-pahoriana. Matetika ny olona 
izay mafy hatoka sy maditra raha mbola 
finaritra sy matanjaka, dia azo taomina 
hiaiky heloka raha inarary. Ary ny mama- 
ngy ny marary dia isan' ny zavatra hohe- 
verin' iJesosy Tompo indrindra amin' ny 
Andro Fitsarana (Mat. xxv. 36, 40; vakio 
koa Jak. i. 27). Ary koa, (b) Ny hanatona 
hatao Baixsa sy ny handray ny Fanasaif ny 
Tompo. Be no manahirana amin' izay efa 
tafiditra ao amin' ny fiangonantsika, fa 
tafiditra ao ny tsy manam-palialalana sy ny 
tsy voaova fo sy fanaby. Ary nobo izany, 
ny diakona raiaraka amin' ny mpitandrina 
dia tokony hanao izay tratry ny tana amin' 
ny famangiana ny olona te-hiray amin' ny 
fiangonana (vakio 1 Kor. iii. 9-17). Ary 
koa, (d) Ny ofona izay efa napctraky vy fiango- 
nana. Matetika ireo dia hadinoin' ny dSa- 
kona, ka heveriny ho tsy raharahany intsony. 
Fa ny sasany amin' ireo dia efa latsaka 
am-pamoizam-po ka Isy miangona akory ; 
koa aoka hovangian' ny diakona izy ka 
taomina hibebaka sy bitsotra noho ny ratsy 
nataony ; ka dia ho tantcraka angamba izay 
lazain' i Jakoba (v. 19, 20). Nefa tsy mba 
irony yoalaza teo irony hiany no tokony 
hovangian' ny diakona, fa izao koa : — (e) Ny 
olona rehetra izay miangona ao am-piangonana. 
Ny diakona tokony hizara raharaha ka 
zarainy isan-tanana ny mpiangona rehetra. 
Tsarovy izay nataon' iPaoly tany Efesosy 
(Asa. xx. 20). Fantatsika fa amin' ny isan- 
tanana misy resin-daina ka tsy miangona 
akory. Misy koa maizin-tsaina ka tsy 
raahazo am-po marina ny tenim-pamonjena. 
Koa bo ny soa azon' ny diakona hovitainy, 
raha tsy mandany andro foana amin' ny 
rosaka tsy raahasoa, fa mba manao izay 
hainy kosa hamporisika ny olona vangiany 
hanompo an' Andriamanitra sy hitaona ny 
ankohonany koa hanatona ny Mpamonjy. 

(2) Ny fitariham-pivarahana ao am-piango- 
nana, sy ny fitorian-Uny. Araka izay efa 
voalaza, mety ho raharahan' ny diakona ny 
mahavita ny anjarany amin' ny fitondrana ny 
vavaka sy ny faraakiana ny Soratra Masina 
ary ny fitoriana ny filazantsara ao am-pia- 
ngonana, raha mba manana izay fahaizana 
tandrifin 1 izany rehitra izany izy. 

Araka ny fanaon' ny fiangonana sasany, 
dia ny fiangonana Katolika Komana sy ny 
fiangonana Grika ay ny fiangonan' ny Bisopy 
ary ny sasany koa, ny olona atao hoe 'sob- 
diakona' no ambany indrindra amin' ny 
mpanao raharaham-piangonana ; ary mana- 
raka azy indray, ny diakona dia saiky mitovy 
amin' ny mpitandrina (presbytcra) sady nii- 
tori-teny izy, fa tsy a vela hamaky mofo, 
na hanao ny raharaba sasany amin' ny 
fivavahana, indrindra fa ny manonona sy 
manambara ny faroelan-keloka {absolution) . 



Fa araka ny fanaon' ny fiangonana sasany 
kosa, dia izay mitovy fomba amin' ny anka- 
maroan' ny Kristiana eto Madagaskara, ny 
diakona no manampy ny mpitandrina amin* 
ny fandraisana ny Fanasau' ny Tompo, sy 
mitahiry ny volan' ny fiangonana, sy mama- 
ngy ny marary sy izay ta- hanatona ny 
Fanasan' ny Tompo, sy mitandrina ny trano- 
fiaugonana, ary manao izay raharaha hafa 
i izay toa mikasika amiu' izao tontolo izao. — 
I j.s. sv KDVD. 

DIAKOM-BAVY. Ny tantaran' ny fiango- 
nana tarain' ny andro manaraka ny andron' 
ny Apostoly no ahafantarantsika fa ui&y 
vehivavy SHsany voateudry ho diakona tao 
amin' ny fiangonana. Fa tay hita marima- 
rina raba nisy toy izany tao amin' ny 
fiangonana naorin' ny Apostoly, na taia. Eo 
amin' ny Horn, xvi. 1, Foiby (vehivavy) no 
atao hoe "mpanompon' ny fiangonana izay 
any Kenkrea" (diakonos no teny Grika 
milaza azy, fa feminina ny artikoly) ; ary 
izany teny izany no entin' ny sasany hana- 
marina ny hoviuy fa nisy tokoa ny diakom- 
bavy tamin' ny andron' ny Apostoly. Nefa 
kosa, efa hitantsika teo fa malalaka ny teny 
Grika, fa milaza 'mpanompo' fotsiny ny hoe 
diakonos ; ary angamba mpiandry trano na 
mpanadio ny trano fiangonana hiany io 
Foiby voalazan' iPaoly io. Ny teny eo 
amin' ny 1 Tim. v. 3-10 sy iii. 11 ary Tit. 
ii. 3 koa no heverin' ny sasany indray ho 
milaza diakom-bavy ; nefa kosa, raha dini- 
hina tsara ireo teny ireo, dia hita marina fa 
ny voalohany milaza ny amin' ny vehivavy 
mpitondra-tena sy mahantra izay tokony 
handray liantrana avy tamin' ny fiangonana ; 
ary ny faharoa milaza ny amin' ny vadin* 
ny diakona ; ary ny fahatelo indray milaza 
izay mahamety ny vehivavy anti-panahy. 
Mety hiany angamba ny hanendry vehivavy 
sasany hanao raharaha eo amin' ny fiango- 
nana, indrindra fa ny mamangy ny vehi- 
vavy ; nefa t^y azo lazaina marina fa nisy 
voatendrin' ny Apostoly hanao izany, tahaka 
ny nanendreny ny mpitandrina sy ny dia- 
kona.— J. 8. 
DIALT: zahao famantaranandbo. 
DIAMONDRA (Heb. jahalom ; Eng. dia- 
mond ; Fr. diamante). Vato soa sady saro- 
bidy indrindra noho ny vato soa rehetra ny 
diamoudra. Araka ny hevitry ny olona 
sasany, nisy azy teo amin' ny saron-tratran' 
| ny mpisoronabe, tamin' ny andalany faharoa, 
nefa vato hafa izy, araka ny hevitry ny 
sasany kosa (Eks. xxviii. 16). Misy teny 
koa ao amin' ny Ezek. iii. 9: "Ataoko toy 
ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho 
[ ny vatolampy aza." Ny anarany amin' ny 
| Grika dia 'adamant,' ary ny dikany dia 
'mampilefitra ny tana-masoandro.' Zahao 
koa Jer. xvii. 1 sy Zak. vii. 12. 
| Ny diamondra no mafy indrindra amin' 
I ny zavatra rehetra ; tena karbona izy, ary 
I iray volo sady kristaly. Saiky inandrakariva 



Digitized by 



Google 



DIA 117 

dia fotsy izy sady tsy misy volo toy ny rano 
madio ; fa raha misy zavatra miharo aminy, 
na dia kely indrindra aza, dia tonga fotsi- 
maiiity, vony, maitso, inavo, ary indraindray 
misj bita voni-mena, manga, n:ena, ary 
mainty aza. MainirapiiMtra indrindra izy 
?ady kmtera-pahazavana, kanefa raha sendra 
misy zavatra miharo aminy, dia tonga tay 
tautera-pahazavana intsony izy. Raha kaso- 
hina izy dia misy elektrisity, kanefa tsy 
misy izany raha misy hafanana, ary izany 
no U»y itovian' izy sy ny topaza. Ny toe- 
traay dia miselatselaka. Mirehitra izy raha 
ktroana oxygen bebe ny rivotra avy amin' 
ny fitsufan-ufo kely {blow-pipe) mamelona 
ny lelafo, ary dia levona ka miova ho asidra 
karbonika izy. Nuho ny hamaiiny tsy laitra 
Liahin-javatra hafa, dia ny vovoky ny 
diamond r a liiany no azo andidiana sy aino- 
tsbna ny diamondra . 

Ny fahaizana handidy ny diamondra dia 
zavatra fantatry ny olona tany India sy 
Taina (China) tarain' ny voalohany ; ary ny 
tiara indrindra dia avy any India mandraka 
ankehitriny aza. Misy maro any Brazila, 
f i uy ny lehibe indrindra ; ny fitadiavana 
azy tany aloha dia raharahan' ny andevo, 
iry raha sendra nahita auankiray mavesatra 
nuho 17 karata izy, dia nalefa tsy ho andevo 
intsony. Ny diamondra kely, na izay tsy 
Uara tarehy loatra, dia torotoroina amin' 
ny laona tsy, ary mety hainotsiana vato 
w*a hafa na vato-kristaly hatao solo-inaso. 
Misy fomba hafa andidiana azy, ary ny 
hahamaroan' ny zorony inadinika no maha- 
aaro-bidy azy. 

Ny diamondra malaza indrindra dia ny 
an' ny Kajah any Mattan, satria tsy misy 
Ithibe tahaka izany ; tahaka ny atody kely 
izy, fa letnpoua amin' ny f antra kely. Ny 
governora tany Borneo to-hividy azy, ary 
nanaiky hauome $ 500,000, ary ny sambo- 
mpiady roa lehibe sy tafondro maro ary 
vanja sy fatsaka betsaka ; fa tsy nanaiky 
ny Rajah, fa araka ny hcviny, hahita loza 
izy sy ny mpianakaviny raha mivarotra azy ; 
ary ny vahoakany nanao azy ho ody, ka 
raha asitrika ao amin' ny rano izy, dia 
Biananu hery hahasitrana ny aretiua rehetra 
ny rano, hoy izy. Misy anankiray malaza 
koa an' ny mpanjakan' i Trosia, ary ny vidiny 
dia $ 650*000. 

(Zahao koa vato boa, mba hahitana ny 
hevitry ny volon' ny vato soa rehetra.) — i.d. 

DIANA, na Artemisy. Andriamani-bavy 
■wiaza indrindra tany Efesosy ity, ary 
katmnin' ny tany maro manodidina aza 
(Aaa. xix. 24-37). Izy ity, hono, dia hafa, 
fa t*y mba nitovy tamin' ilay Diana nivava- 
hana tany Roma sy tany Grisia, fa tokony 
i»o isan' ny sampy Astarta nivavahan' ny 
Kananita (zahao astarta), ary ny fanajana 
ny volana no ninndobany. Kanefa rehefa 
tonga ny Grika maro izay avy honina any 
Iowa, Jca hitany ity sampy efa nohajaina 



DIA 

ela tany ity, dia noheveriny ho sahala amin' 
ilay Artemisy na Diana izay efa nohajainy 
rahateo tany amin' ny tanin-drazany ; ka 
dia novany ny anarany ka nataony hoe 
Artemisy, dia teny Grika mitovy amin' ny 
anarana hoe Diana teo amin' ny Romana. 
Ny sariny voalohany tany Efesosy dia 
tsangan-kazo lava izay nataon' ny tompon- 
tany ho nilatsaka avy tany an-danitra 
(Asa. xix. 3*>). Miendri-behivavy maro nono 
misatroka satro-boninahitra ny an-tampon' 
ny hazo, fa ny ambaniny kosa tsy mba 
endri-javatra akory, fa huzo tsy voarafitra 
fotsiny hiany. Ary ny tempolin' i Diana 
tany Efesosy dia anankiray tamin' izay 
nataon' ny ntaolo ho zavatra fito mahagaga 
amin' izao tontolo izao. Ny halavany dia 
71 refy, ary ny sakany 37 rcfy. Ary nisy 
ai.driny vato fotsy 127, sarny 10 refy avy 
no hahavony ; 220 taona no nanorenana azy, 
ary mpanjaka maro sy firencna betsaka no 
niombon-druharaha tamin' ny nanaovana 
azy. Ny ia rehetra no fadin' ity sampy ity, 
dia tsy nisy biby natao fanatitra hovonoina 
akory teo, ary izay olona mitondra fiadiana 
tsy nahazo nanakaiky azy. Ny sarin' ity 
tempoly natao inadinika tamin' ny volafotsy 
ity no nahazoan' ny Efesiana sasauy harem - 
be vava (Asa. xix. 21, 25) ; fa maro ny vahiny 
avy lavitra izay tonga tany Efososy mandra- 
kariva mba hivavaka ao amin' ny tempolin' 
i Diana, ka nazoto nividy ireo tsitranotrano 
ireo ho cntina mody sy hatao sampy masina 
ao an-tokantranony, dia toy ny fanaon' ny 
olona teto tamin-dliakelimalaza fahiny. Ny 
lazan' ity sampy sy ny tcmpoliuy ity dia 
vao nihena tamin' ny nitorian' i Paoly ny 
filazantsara tany Efesosy. Efa voarava cla 
izao izy, ary >ao faingana hiany no nisy 
olona nahita izay nitoeran' ny tempoly ; fa 
maro ny vato vaventy, tapatapan' ny andry 
lehibe misy soratra sy sarin' olona no vao 
hadina ka nentina tany Englanda ho vavo- 
lombelon' ny fahaizau' ny olona nanao 
azy fahizay. — w.m. 

DIBONA : dia tanana tany Moaba atsina- 
nana, ao amin' ny tany lemaka, tokony ho 
telo maily avaratry ny ony Arnona. Isan' 
ny tanana nijanonan' ny Zanak' Isiraely 
tamin' ny niakarany ho any Kanana izy ; 
fa lasan' ny olon' ny Gada tamin' ny voalo- 
hany izy (Nom. xxxiv. 45; xxxii. 34), ary 
izany angaha no nanomczana azy ny anarana 
hoe Dibona- Gada; fa teo aoriana kosa dia 
isan' ny tanana tao amin' ny zara-tanin' 
ny Robcna (Jos. xiii. 9, 17). Rehefa nihena 
ny herin' ny fanjakana, dia lasan' ny 
Moabita indray Dibona, ka dia lazain' Isaia 
sy Jeremia ho isan' ny tananan' ny Moaba izy 
(Isa. xv. 2 ; Jer. xlviii. 18). 

Eibona (2) : tanana tao amin' ny zara- 
tanin' ny Joda, izay natao hoe koa Dimona. 
Nonenan' ny Jiosv io Dibona io rehefa tafa- 
verina avy tany fcabylona izy ; zahao Neh. 
xi. 25.— J.8. 



Digitized by 



Google 



Dia 



118 



DID 



•$* 



^ 

>» 



o 

s 



§ 



I 

<3 



£ 



DIDBAKMA: zahao vola. 

DIDY FOLO, Ny (Eks. xx. 1-17), na 
"Teny folo," dia ny Lalana izay nambaran' 
ny vavan' Andriamanitra tarn in' ny Zanak' 
Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay any 
an -antra tamin' ny andro fahadimam-polo 
rehefa laaa niala tany Egypta izy. Ny 
Didy Folo dia voalazan' ny Soratra Masina 
mandrakariva hoe "Ny Lalana," koa na 
dia maro be aza ny didy masina nomen' 



Andriamanitra ho tandremantaika, ireo no 
fototra ihavian' ny sisa rehetra, izay zana- 
kevitra na fanambarana sy fanazavana izany 
Lalana izany. Ary koa, natao hoe "Ny 
Fanekena" izy, ary ny vato fisaka roa nano- 
ratana azy dia "Ny Vato fanekena izay 
nataon' i Jchova" (Deo. x. 9, 10). Ny Ka- 
tolika Koinana sy ny fiangonana Loteriana 
sasany dia mampiray ny didy voalohany sy 
ny faharoa, ary ny afenony azy ho folo 



Digitized by 



Google 



DID 

cha ny didy fahafolo no tapahiny ho roa. 
Kane/a raha ampitahaina ny Eks. xx. 17 sy 
Deo. v. 21, dia hita fa iray Many ny didy 
ao ka tsy azo zaraina ho roa. Ary satria 
msromaro izao ny hevi-diso ny amin' ny 
Lalan' Andriamanitra atorony ao arain' ny 
Didy Folo, aoka mba hoheverina izuo mana- 
rakaraka izao : — 

1.— Ny Anton' ny nanomezan* Andriamani- 
tra ny Didy Folo. 

Tsy mba lalana voalohany nomen' Andria- 
manitra tamin' ny olona izao Didy Folo izio, 
fa efi nisy rah ate o ny lalan' Andriamanitra 
naainy hotandremana hatrizay andro nanao- 
rany ny razantsika voalohany indrindra. 
Kaiaa sy Hama efa Yoaheloka sy voaozona 
nobo ny ratsy nataony, na dia tsy mbola 
Toalaza akory ny didy hoe: "Aza mamono 
olona," sy "Manaja ny rainao sy ny reni- 
ns©," Misy ny lalan* Andriamanitra voaso- 
ratra ao am-pon* ny olona ; koa tarain' ny 
Toalohany, raha mbola tsy nisy ota, dia 
ampy azy tsara io lalana io, ka nahafanta- 
rsn' ny razantsika ny marina sy ny mety 
msndrakariva. Kanefa rehefa tafiditra ny 
ota, dia nihamaizina ny sain' ny olona, sy 
n ih ad a l a ny eritreriny, ka simba ny endrik' 
Andriamanitra tao anatiny, dia tonga tsy 
ampy intsony ilay lalana anakam-po ha- 
hafantarany ny amin' Andriamanitra sy 
ny mety hatao hahazoana sitraka amin' 
Andriamanitra. Ny firenena rehetra nanao 
andriamanitra maro sy tompo maro, ka 
mampitombo ny endn-javatra nandohale- 
hany nanala baraka ny Tompon' ny aina ; 
tonga zavatra maivana aminy ny mitonitony 
foana ny anaran' Andriamanitra, koa noha- 
(finoiny ny andro Sabata. Nihena tao amin' 
ny tany maro ny fanajana ny ray aman- 
dreny ; ary ny ain' olona no natao zavatra 
tsy nisy vidiny ; ary koa ny manintaka, ny 
mangalatra, ny mandainga, etc., no nataon' 
n? maro ho zavatra tsy maninona raha tsy 
hi tan' olona. 

Koa izany ary no anton' ny nanaovan' 
Andriamanitra ny Didy Folo androtrizay, 
dia ny mba hanambara marimarina indray 
amin' ny olona rehetra ny lalana voalohany 
ixay efa voasimban' ny ota ny fahalalana 
azy at$- ambonin' ny tany. Nisy zavatra 
iray loha koa izay nokendren' Andriamanitra 
mihiUy tamin' izany, dia izao : Ny hampa- 
Hita ny mpanota ny otany hampanatona azy 
an* i Kristy Mpamonjy (Rom. hi. 20 ; vii. 7). 
"Xy Lalana dia mpitaiza ankrika ho amin' 
iKristy" (Gal. iii. 22, 24). Fa ny poroW 
tuny dia ho hita amin' ny tony raanaraka- 
nUca ambany. 

2. — Sy Fuhnkhiben' ny Latin' Andrinma- 
*itr* mmin* ny Didy Folo Raha ny fijery 
**y eo ivelany, dia toa fandrarana vitsy sy 
Jaby hiany no ao, sady misy zavatra maro 
i«y fantatsika ho tena ratsy, nefa toa tsy 
TOalazan' ny Didy Folo, toy ny leony, ny 
fijangajangana, ny lolom-po, ny luinga, ny 



»»• DID 

fanambakana, etc. Ary satria mbola zaza 
sy adala ny Zanak' Isiraely fahizay, koa 
vao afaka teo tamin' ny fandevozana sy ny 
fanorapoan-tsampy tany Egypta izy, dia 
teny vitsy sy tsotra no n en tin' Andriama- 
nitra hampianatra azy aloha. Koanefa na 
dia izany aza, ho hitantsika fa feno sy 
tanteraka tsara ny lalana ao amin' ny Didy 
Folo, ka tsy misy ratsy akory izay tsy 
voararany, ary ny marina sy ny mety rehe- 
tra dia andidhny hataontsika. Ataon' ny 
Soratra Masina mandrakariva izy hoe u Ny 
Lalana," "Ny Faneken' i Jehova;" ary izay 
mahay mankato azy avokoa ka tsy mandiso, 
dia omena fiain^na. "Raha te-hiditra any 
amin' ny fiainana hianao, tandremo ny didy " 
(Mat. *ix. 17-20); "Ataovy izany, dia ho 
velona hianao" (Lio. x. 28 ; Rom. vii. 7-19). 
Nv fitiavana hiany no fahatanterahana ny 
lalana amin' ny Didy Folo (Rom. xiii. 9-10) ; 
koa mora hita amin' izany fa na inona na 
inona no tsy mifanaraka amin' ny fitiavana 
an' Andriamanitra sy ny fitiavana ny na- 
mana dia helohin' ny Didy Folo. 

Raha ny lalan' ny fanjakana manaraka ny 
nofo, dia ny miposaka hiany no hitany, koa 
izany biany no azony didiana na helohin a. 
Fa Andriamanitra kosa dia f anahy ka mahita 
ny miafina, ary ny Lalana koa dia f anahy 
(Rom. vii. 14). Koa dia tsy mba teny voa- 
soratra tamin' ny vato fisaka roa, na izay 
vita porintra amin' ny fitenin' olombelona 
ankehitriny, no mahambara ny tontalin- 
kevitry ny Lalan' Andriamanitra, satria 
* 'velona sy mahery ny tenin' Andriamanitra 
ka inaranitra noho ny sabatra roa lela." 
Ary raha a tao toy izany ny fiheverantsika 
ny Didy Folo, dia hita fa tsy misy soa tsy 
andidiany, ary tsy misy ratsy tsy rarany. 
Ny mpi leony dia hita ho voan' ny Didy 
Folo, fa inpamono olona izy ka mamono ny 
tenany. Ny rapaudainga koa hita fa iharan' 
ny didy fahasivy, izay manda sy mandrara 
ny lainga rehetra, na lehibe na kely. Ny 
mpijangajanga sy ny mpihevitra ratsy aza 
dia samy naman ny mpanintaka, koa dia 
meloka tahaka azy hiany. Ny fanambakana 
dia halatra miafina. Ny fahihirana dia 
fanompoan-tsampy. Koa izay manao lolom- 
po ka "tsy tia ny rahalahiny, dia mpamono 
olona izy." "Koa izay mahalala hanao soa, 
nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany." 

3. — Ny maha- Tsy mety M*ova ny Didy Folo. 
Raha ny nataon' Andriamanitra tamin' ny 
nanambarany azy no heverina, dia misy po- 
rofo amin' izany aza fa tsy hovana ny Didy 
Folo raha mbola maharitra koa ny tany. 
"Nilaza ireo teny rehetra ireo Andriama- 
nitra" (Eks. xx. 1). Izany no mahambony 
sy mahutokaua azy. Tamin' ny nanamba- 
rany azy dia nomen' Andriamanitra vonina- 
hitra ny Didy Folo izay tsy misy tahaka 
izany nomeny ny didiny rehetra ao amin' ny 
bokin' iMosesy. Andriamanitra nidina avy 
tany an-danitra androtrizay, ka ny olona 



Digitized by 



Google 



DID 

rehetra nandre ny feony avy tao anaty afo 
nilaza izany teny izany navoakan' ny vavan' 
Andriamanitra. Koa taorian' izany kcly 
dia nosoratany tamin' ny vato fisaka roa 
sady nasainy hatao anatin' ny vata fiara teo 
arain' ny fitoerana masina indrindra tamba- 
nin' ny Shekina afo, izay tsy azon' olona 
nakekena afa-tsy ny mpisoronabe biany 
indray mandcha isan taona. Moa tsy hita- 
ntsika amin' izany fa ny didiny sasany 
nomeny ny Jiosy, toy ny amin' ny fisoronana, 
ny fanalamboady, ny fanadiovana, ny banina 
fadina, etc., dia niniaii' Andriamanitra ba- 
tsahatra raha tonga ny fotoaua, fa ny Didy 
Folo kosa nokasainy baliaritra mandrakizay ? 
Tsy tamin' ny alal m' i Mososy na olona 
akory no nandidiana azy, fa Andriamanitra 
liiany no nanonona azy. Tsy mba voasoratr' 
olona tamin' ny taratasy ho mora simba, 
na ranomainty maluky miala, fa ny rantsan- 
tanan' Andriamanitra no nanoratra azy 
tamin' ny vato. Fa tsy izany biany, fa 
ny fon' ny olon' Andriamanitra no mbola 
anoratana azy izao, tahaka ilay nanora- 
lany azy tao am-pon' ny olona tamin' ny 
voalohany indrindra. "Ho foana ny lani- 
tra sy ny tanv, fa tsy bo foana ny 
toniko." 

Ary koa, raba mba zavatra azo ovana hiany 
ny Didy Folo, dia iza avy no azo esorina ? 
Kaha mbola misy biany izay olombelona 
aty an-tany, na rebefa omby any anatin' 
ny mandrakizay izy rehetra aza, moa bisy 
izay Andriamanitra hafa tokony hivavahana ? 
Sa bo tonga mety biany ny manala baraka 
Azy, ka sarin -juvatra any an-danitra no 
bampitabaina aminy ka biondreban' ny mpi- 
vavaka va ? Ny onaran' i Jchova moa, ka 
bo azo tononina amin' ny tsi-fanajana Azy ? 
Sa azo hadinoina va ny Sabatn any an-dani- 
tra rebefa tsy misy rabarahan' ny nofo batao 
intsony, ka Sabata sy andro fitsabarana 
raabaritra (Heb. iv. 9) ny andro rehetra any ? 
Ny miendrika homem-boninabitra, na ray 
aman-dreny, na iza na iza, moa tsy maintsy 
homem-boninabitra va izy na ny :imin' izao 
iiainana izao na ny amin' ny fiainana ho 
avy ? Angamba tsy azo batao intsony ny 
famonoana na ny fanintabana rebefa tonga 
ny fiainana tsi-hita sy ny fombany vaovao, 
fa ny fo tsy tia sy maloto dia mbol t bo 
balan' Andriamanitra. Ary raboviana moa 
ny asa tsi-marina na ny teny tsi -marina no 
ha vol an' Andriamanitra batao amin' ny 
fanjakany \ 

Koa raba izany, nianao ahoana ny hevitry 
ny sasany izay manuo ny Didy Folo bo 
rabarahan' ny Jiosy faliizay biany, ka tsy 
mba adidy amintsika akory, fa ny Filaza- 
ntsara biany (hoy izy) no tokony barabina? 
Diso izy ka tsy iuahalala ny Soratra Masina, 
fa Kri«*ty tsy avy nunimba ny Lalana, fa 
nanambara sy nanazava ary nahatmtcraka 
azy (Mat. v.). Vakio koa Kom. vii. 7, 22, 
25 sy Jak. ii. 11, 12. 



190 DID 

Raha ny teny hoe: "Tay mba ambanin' 
ny Lalana ny Kristiana," dia misy hiany 
izay mahamety izany, raha ny lalana amin' 
ny fombam-pivavahana sy ny fisoronana ary 
ny fanjakan' ny Jiosy fahizay no antsoina. 
Avy tamin' Andriamanitra mihitsy ireo didy 
ireo, kanefa hitantsika mandrakariva ao 
amin' ny Baiboly fa tsy mba nokasainy 
haharitra izy, fa niaraka noravany tamin' 
ny nandravany ny Tempoly sy ny firenena. 
Ary raha ny lalati' ny Didy Folo aza, izay 
efa hitantsika ho lalana mandrakizay, dia 
tsy mba ambanin' izany intsony isika hitady 
fanitsiana sy fiainana ao noho ny fahatua- 
rinan' ny tenantsika, fa Kristy no fanitsiana 
sy fiainana ho an' izay rehetra mino Azy. 
Ary tsy mba ambanin' ny fanozonan' ny 
Lalana intsony ny mino, noho ny ota teo na 
ankehitriny; fa Kristy nanavotra antsika 
tamin' ny fanozonan' ny Lalana, fa voaozona 
ho antsika Izy (Gal. iii. 13). Kanefa isika 
mbola ambanin' ny Lalana ho fitsipika 
alehantsika sy ohatra hitondrana ny aina. 
Andriamanitra tsy mba miala tsy ho Mpa- 
njaka raha tonga Raintsika sv' Mpaznela 
h el ok a, fa tsy maintsy manjaka Izy, ary ny 
lalam-panjakany mbola tsy maintsy hekena 
sy hotandremana. 

Koa raha misy manao hoe: "Tsy ilana 
didy intsony amin' izany aho, fa ny fitiavana 
an' i Kristy no manery sy mitarika ahy 
hanao ny zavatra rehetra ankasitrahan' 
Andriamanitra;" dia tsara ilany izany, fa 
lozantsika raha tsy voaterin' ny fitiavana 
an' i Kristy. Nefa ny fitiavana izay tsy azo 
didiana kosa dia latsa-danja be loatra ; fa 
ny faran-keviny raha fotorana moa tsy toy 
izao va : "Izay tiako hatao dia hataoko, fa 
ny sasany bavela?" Raha ny zanakao no 
manao aminao hoe : "Ry raiko o, tiako dia 
tiako hianao, ary ny mba hahafaly anao 
mandrakariva no iriko ambonin-javatra. 
Kanefa amin' ny fitiavako hiany no anaovako 
izany, fa aza mba mandidy, fa tsy tiako 
loatra raba didididianao." Moa hataon- 
drainy ho mety va izany ? Ary raha ny 
roin-jaza aty an-tany aza tsy hankasitraka, 
dia hanao ahoana ny Ray lehibe any au- 
danitra, raha ataon' olona tahak' izany Izy ? 
"Raha Ray Aho, aiza ary izay hajakof' ary 
raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Aby ? ? ' 
hoy Izy (Mai. i. 6). 

4. — Xy Filaharait* ny Didy Folo sy ny Fifa- 
mpikambanany. Ny didy izay voalohany araka 
ny filaharany, dia voalohany koa raba ny 
lioviny sy ny fabalcbibiAzany no heverinteiku. 
Ny finoana fa misy Andriamanitra, ary ny 
fahiilalami Azy, no iandoban' ny fahamari- 
nana rehetra ao anatintsika. Zavatra mora 
tralry ny sainn, sady misy vavolombeloim 
mnro ao amin' ny firenena rehetra, fa ny 
fuhalalana an' Andriamanitra no mahatuu^t 
ny fitiavana ny namana. Moa tsy "feuo 
fonenan' ny fandozana ny fitoera-maizina 
amin' ny tany ?" (Sal. lzxiv. 20.) Izay t»y 



Digitized by 



Google 



DID 

in* Andriamanitra tgy dia mba 
oatahotra ny am in' izay hamalian' Andria- 
manitra azj. Koa inona indray moa no 
mahaaakana azy tsy hanao ny ratsy rehetra 
izay tiany hatao ? Tsy misy, raha tsy ny 
tahotra amin' olona fotainy hiany. 

Hitantsika amin' izany fa ity voalohany 
ity dia lohan* ny didy folo rehetra aza, 
in drill dra fa lohan' ny didy telo izay mana- 
rakaraka azy. Ny didy voalohany mana- 
mbara fa misy Andriamanitra Tokana, ka 
Izy hiany no tokony hotompointsika ay hiva- 
vahantsika olombelona (Mat. iv. 10). Ny 
didy faharoa mampianatra nntsika ny amin* 
izay fomba mety hatao raha mivavaku aminy 
isika : "Aza manao sarin -javatra. ...aza 
miankohoka eo anatrehany ary aza manompo 
ary." Ny fahatelo milaza amintaika fa 
zavatra tokony hatao amin' ny fan aj an a ny 
firavahana ay ny f anompoantaika Azy : ( 'Aza 
manonona foana ny anarany." Ary ny 
fahefatra dia mametra izay andro indrindra 
hivavahantaika amin* Andriamanitra: "Ma- 
hatsiaroTa ny andro Sabata hahamasina 

Misy zavatra holazaina ny amin* ny didy 
auankiroa amin* irony, dia ny faharoa sy ny 
fahefatra. Zahao kely ny Eks. xx. 4-6, 
8*11, dia hi tan talk a fa maro indrindra noho 
ny teny amin' ny didy sasany rehetra ny 
teny end -milaza ny faharoa sy ny fahefa- 
tra. Amin' izy roa dia misy teny tokony ho 
ay j saaaka noho ny teny rehetra eo amin' ny 
didy valo namany. Vitsy hiany ny teny enti- 
milaza ny didy sasany : "Aza mangalrttra," 
"Aza mamono olona," "Aza mijanga- 
janga," etc. Ary koa, tsy didy akory 
ny teny maro ao amin' ny faharoa sy ny 
fahefatra, fa fampianarana sy fananarana 
maromaro izay nanampin' Andriamanitra ny 
didy roa. Inona no nahatongavan' izany ? 
Heyero kely angeha. Amin' ny tany izay 
misy ny FUazantsara saiky tsy misy izay 
sahy hitsungana hanohitra ireo didy valo 
ireo eo imason' ny olona, fa zavatra maha- 
menatra antsika rehetra ny mandainga, sy 
ny mangalatra, sy ny mamono olona, sy ny 
tsy manaja an' Andriamanitra, ary ny tsy 
manaraka ny ray sy ny reny. Maro no diso 
wain' ireo didin' Andriamanitra ireo ; nefa 
ttiky tsy misy aahy handa azy tsy ho didin* 
Andriamanitra. Koanefa maro no sahy 
maada ny didy faharoa sy ny fahefatra. 
Maro no manao hoe: "Mety indrindra ny 
mivavaka eo anatrehan' ny sary ; soa ho 
antaika raha ny sarin' i Jesosy na ny sarin' 
ny olo-masina no ho entintsika mivavaka 
amin' Andriamanitra :" ka dia ajanony tsy 
hatao ao amin' ny bokiny ny didy faharoa, 
sady manala ny ten in' Ajidnamanitra izy. 

Tuhaka izany, misy olona betsaka izay 
manohitra mafy ny didy fahefatra. Hoy 
n y sasany hoe : * 'Tsy misy intsony ny Sabata, 
fa efa nataahatr' Andriamanitra izany." 
Ary ny sasany manao hoe : "Tokony ha- 



ill did 

nkamaaina ny Alahady maraina isika ; kanef a 
mety hiany raha mitondra ny ankizy madi- 
nika hilaolao sy hisangisangy rehefa hari- 
variva ny andro." Dia tokony hotsarovan' 
izay rehetra manao izany fa zavatra hi tan' 
Andriamanitra tamin' ny teo aloha ela be ny 
ho fahadisoany. Ka dia narovan' ny anatra 
betsaka izay nanampiny ny didy faharoa sy 
fahefatra. 

Raha mandroso hihevitra ny didy enina 
manarakaraka isika, dia ho hitantsika fa tsy 
ny amin' Andriamanitra intsony, fa ny amin' 
ny olona no hanaovana ireto. Ny lalana 
mampitandrina ny an' Andriamanitra aloha, 
nefa tsy mijanona izy ambara-piarony ny 
an' ny olona koa. 

Koanefa misy samy hafa ireo didy enina 
ireo ny amin' izay olona hanaovantsika azy. 
Toy izao : ny didy fahadimy manambara ny 
mety hatao amin' ny olona sasany. Fa ny 
didy sisa milaza ny mety hatao amin' ny 
olona rehetra. Tsy amin' ny ray sy ny reny 
hiany no andidiana antsika hoe : ' 'Aza ma- 
ngalatra," "Aza mamono," etc. Ary kosa, 
tsy amin' ny olona rehetra no andidiana an- 
tsika hoe : ' 'Mankatoava azy ; " f a ny ray sy 
ny reny hiany no misy didy hankatoavantsika 
azy. Tsy misy anatra ao amin' ny didy 
fahadimy milaza ny tokony hatao amin' ny 
rahalahy na ny anabavy, na ny vady na ny 
zanaka, na ny tompo na ny mpanompo, na ny 
mpanjaka na ny vanoaka, etc. Nahoana P Sa- 
tria (araka izay fanaon' ny Soratra Masina) 
ny zavatra iray izay miseho aloha no entina 
hatao ohatra amin' izay rehetra manaraka- 
raka azy. Ny fankatoavan' ny zaza ny rainy 
sy ny reniny no voalohan-draharahany rehefa 
mby aty arabonin' ny tany. Koa ny zaza- 
kely izay mahalala ny Rainy Izay any an- 
danitra, ka dia manaraka ny rainy sy ny 
reniny aty ambonin' ny tany, araka izay 
nandidian' Andriamanitra azy, dia hitombo 
sy handroso amin' ny fanaovan-tsoa rehetra. 
Raha manana rahalahy sy anabavy, dia ho 
be fitiavana azy izy. Rehefa lehibe ka 
hanam-bady aman-janaka, dia ho olona tia 
ny vadiny ary hitandrina tsara ny zanany 
izy. Ny tompony hohajainy ; ny mpa- 
nompony ho ha soa v in y ; ny andriana dia 
harahiny sady omeny voninahitra. Hoy ny 
olon-kendry hoe: "Zaro amin' izay lalana 
tokony halehany ny zaza, ka na rehefa 
antitra aza izy, dia tsy hiala amin' izany" 
(Oha. xxii. 6). 

Ny didy dimy izay mbola sisa no mana- 
natra ny amin' izay mety hataontsika amin' 
ny olona rehetra na zovy na zovy, ary na 
aiza na aiza no ifanenantsika aminy. Ary 
ny filaharan-keviny no holazaina. Tsy 
tonga tsy nahy ho voalohany ny teny hoe : 
"Aza mamono olona." Ary misy an tony 
mahatonga ho didy farany ny teny hoe : 
"Aza mitsiriritra." Ny olona roa lahy 
mifanatrika no banjinin' ny Lalan' Andria- 
manitra. Hianao no anankiray, ary ny 



Digitized by 



Google 



DID 199 

anankiray koa dia ny nama- 
nao na iza na iza, fa ny 
tokony hatao amin' ny anan- 
kiray no tokony hatao amin* 
ny rebetra. Dia miseho oo 
ny Lalan' Andriamanitra mba 
hiaro ny namanao amin' izay 
ratsy rebetra bataonao aminy. 
Dia tonga akaiky azy aloha 
ny lalana, fa lavitra anao ; fa 
rebefa afaka kely dia miala 
amin' ny namanao ka mana- 
tonatona anao mpanuo ratsy, 
ambara-pabomby ao amin 1 ny 
fonao. Ny zavetra izay akai- 
kin' ny namanao indrindra 
dia ny ainy, izay ao anatin' 
ny tenany, ary lavitra anao 
izany. Hianao tsy mabazo 
manao miboatra nobo ny mamono azy. 
Raha mabay mamono ny tenany hianao, 
tsy misy ratsy mihoatra nobo izany ho 
azonao hatao aminy intsony. Dia tonga 
ny lalana bamonjy sy hiaro azy, ary 
miantso anao amin' ny feo mahery hoe : 
"Aza mamono olona." 

Eo akaikin' ny namanao sady tiany tahaka 
ny ainy — indro ! ny vadiny. Ta-hanao ratsy 
amin' ny vadiny hianao, raba tsy afaka 
hamono ny tenany ? Dia misoho indray ny 
lalana mahatsiravina, mba hiaro ny vadiny 
hoe: "Aza mijangajanga." Ary koa, eo 
ivelan' ny namanao, nefa tsy akaiky azy toy 
ny ainy sy ny vadiny, dia misy ny fananany. 
Mikasa hangalatra ny fananany angaha 
hianao ? Dia mandroso raanatona anao indray 
ny lalana, manao hoo : "Aza mangalntra." 
Anao hiany ny vavanao hitcnenanao lainga 
hiampanganao azy. Tsia, tsy afaka hianao, 
fa mandroso indray manakaiky anao ny la- 
lana, dia mamely ny vavanao ratsy hoe : 
"Aza mety ho vavolombelona mandainga." 
Inona koa no bataonao ? Ny ratsy miposaka 
tsy hainao ; ny mandainga tsy azonao hatao ; 
moa tsy misy sisa ? Eny, misy hiany. 
Midira ao amin* ny fonao, fa trano-fiaro- 
vana izany, ary raihevera mangingina ao 
amin' izay ratsy mbola hataonao amin' ny 
andro sisa. Endrey, miara-miditra aminao 
ity lalana ity ho any amin* ny fiaro- 
vanao maizina, ary mamely ny sabany 
mihebibeby ny filan-dratsinao rebetra hoe: 
"Aza mihovitra ratsy hianao, aza initsiriri- 
tra." 

Misy famindram-po lebibe miaraka amin' 
ny fahamarinan' Andriamanitra ao amin' ity 
Lalana mampahatahotra ity. Fa ny fontsika 
noivoahan' ny manao sain-dratsy, ny vonoan' 
olona, ny mijangajanga, ny mangalatra, ny 
miampanga lainga, ny manompa, etc. Ao- 
ka isika hazoto indrindra bitandrina ny 
fontsika, fa izany no ivoahan' ny aina.— - 

W.M. 

DIDBAKMA:>ahao vola. 
DIDYMOSY : zahao tomasy. 



DIH 



Dieralahy, 

DIEEA (Heb. Ayyal ; Eng. deer). Ity dia 
anaran'ny karazam- biby maromaro izay natao 
"madio" araka ny Lalan' iMosesy ka navela 
hohanin' ny Zanak' Isiraely, satria maxidi- 
nika banina izy sy mivaky kitro (Deo. xii. 
15; xiv. 5). Ny dieralahy manana tandro- 
ka lehibe mirantsandrantsana, ary faingam- 
pandeba, na ny laby na ny vavy, sady tsara 
tareby no malemy fanahy. Natao tandindon' 
ny n'renena taranak' i Naf taly ny dieravavy 
(Gen. xlix. 21) ; ary ny hatsaran ny nofony 
hatao fihinana dia hita ao amin' ny 1 Mpan. 
v. 3, izay milaza azy ho isan' ny biby inaro 
natao fihinana tao an-tranon' iSolomona 
mpanjaka. Maro hiany ny ohatra nalaiu* ny 
nanoratra ny Baiboly avy tamin' ny fanaon' 
ny diera ; dia ny faniriany rano hosotroiny 
(Sal. xlii. 1) ; ny fitsambikiny (Isa. xxxv. 6) ; 
ny hatsaran-tarehiny (Ton-K. ii. 17); ny 
hafaingam-pandebanany (2 Sam. ii. 18) ; 
Hab. iii. 18, 19); ny tifankatiavan' ny lahy 
sy ny vavy (Ohab. v. 18, 19); ary ny fall a - 
tahorany kotrokorana (Sal. xxix. 4, !)) ; etc. 
Fatra-pitandrina sy fatra-piaro ny z an any 
ny dieravavy ; koa avy amin' izany, ny haha- 
fatratry ny fahorianahanjo ny Zanak' Isiraely 
no nolazain' i Jereraia, fa hoy izy: "Ary na 
dia ny dieravavy ny an-tsaba azu, raha mite- 
raka, dia mahafoy (ny zanany) nobo ny tsi- 
fisian' ny ahi-maitso" (xiv. 5). Ataon* ny 
olona fa ny biby atao hoe "diera" ao amin* 
ny Baiboly Malagasy dia sahala amin' izay 
ataon' ny Euglisy hoe "red deer," izay tsy 
hita intsony any Palestina. — J.8. 

DIHY. Ny dihy dia lazaina mandrakariva 
amin' ny Soratra Masina ho famantaran' ny 
fifaliana ; ary matetika no ampitahaina amin* 
ny fisaonana hampiseho ny tsi-fitovian' izy 
roa tonta (Mpit. T. iii. 4 ; ampitahao Sal. 
xxx. 11 sy Mat. xi. 17). Tamin' ny andron' 
i Mosesy sy ny mpaminany ny dihy no 
lazaina miaraka amin' ny tonon-kira sy ny 
kipantsona (Eks. xv. 15; xx. 20-32), indri- 
ndra raha taitra tampoka ny vahoaka ka tsy 
ampy ny feony ban eh o ny fahatairany. Ny 



Digitized by 



Google 



DIN 



138 



DIV 



Shy no nataon' ny Egyptiana ho isan' ny 
fombam-pivavahana ; ary iiay "andro fira- 
rcravoana ho an* i Jehova" izay nolazain' 
iMosesy tamin' iFarao (Eka. v. 1) no to- 
kony ho nanaovana dihy niaraka tarn in' ny 
iombam-pifaliana hafa koa ; zahao koa Mpit. 
ni. 9-23. Ny dihy no fanaon' ny vehivavy 
Hebreo, indrindra raha faly izy ; ka izany 
no nataony raha tonga avy tany an-tafika 
ny vadiny na ny havany. Ny lehilahy 
Hebreo tsy nandihy raha toy amin' ny fano- 
mpoan-tsanipy (Eks. xxxii. 6, 19) ; fa ny 
reliivavy hiany no nandihy. Tauain' ny 
andro niverenau' ny oiona avy tany an-tafika 
dia be nfaliana ny vahoaka, ary ny vehivavy 
havan' izay nandresy no nitarika ny dihy ka 
nandray azy tamin' ny fifaliana (Eks. xv. 20 ; 
Mpit. xi. 34). Ary izany no naha-samy hafa 
ilay nataon' i Davida raha nampiakatra ny 
furan' Andriamanitra avy tamin' ny tanim- 
bahiny izy (2 Sam. vi. 5-22), satria izy hiany 
no nitarika ny dihy tamin' izay, ary na- 
mpian* ny vehivavy tamin' ny kipantsona 
koa (zahao Sal. lxviii. 25; cxlix. 3 ; cl. 4). 
Ny dihy koa no iaan* ny nlalaovana tsy 
tamin' ny fombam-pivavahana tamin' ny 
andro firavoravoany hiany, fa tamin' ny 
andro nfaliana hafa koa (Jer. xxxi. 4 ; Fitom. 
Jer. v. 15 ; Mar. vi. 22 ; Lio. xv. 15). — e.h.s. 

DIL0ILO: vakio oltva sy hosotra. 

DIHA : zanakavavin' i Lea sy Jakoba izy, 
ary niaraka tamin-drainy nony nankany 
Kanana avy tany Mesopotamia izy. Ary 
rehef a nitoby tandrifin' i Sekema Jakoba, dia 
sendra nivoaka ho any an-tanana Dina, koa 
nahita azy Sekema zanak' iHamora, andriana 
tamin' izany tany izany; dia nisavika azy 
iay ka nandry taininy. Ary satria tian' 
i Sekema indrindra razazavavy, dia nanga- 
taka azy tamin' i Jakoba ho vadiny izy ; 
sady nekeny hanome izay harena rehetra 
haaain' i Jakoba homena azy. Kanefa tezi- 
tra indrindra Simeona sy Levy, anadahin' 
i Dina sady niray tam-po taminy, noho ny 
nandotoan' i Sekema ny anabaviny ; ka dia 
namaly azy sy Hamora rainy tamin' ny 
fitaka izy. Nody nanaiky hanome ny ana- 
baviny ho vadin' i Sekema hiany izy mira- 
halahy, kanefa hoy izy: "Izao hiany no 
azonay hanekena aminareo: raha hoforana 
ay Lehilahy rehetra aminareo." Dia natoky 
azy Hamora sy Sekema, ka fuly nanaiky 
izany teniny izany, sady nampanaikeny koa 
ay olona rehetra teo an-tanana; ka dia 
noforana avokoa ny lehilahy rehetra. Ary 
nony tamin' ny andro fahatelo, rehefa 
narary mafy izy ireo, dia avy tampoka 
i Simeona sy Levy ka nitondra sabatra, dia 
niakatra teo an-tanana ka namono an' i Ha- 
mora sy Sekema ary ny lehilahy rehetra tao. 
Ary rehefa nentiny nivoaka Dina, dia 
nandeha namabo ny tanana izy, ary nofao- 
Hny avokoa izay fananana sy harena hitany 
tao, sady nobaboiny dahaolo ny zaza amim- 
behivavy (Gen. xxxiv.). Tokony hotsaro- 



vana fa fomban' ny tany tamin' ireo firenena 
mirenireny ireo fahizay (ary mandraka anke- 
hitriny aza), raha nisy lehilahy nanabodo 
vehivavy, dia ny anadahiny indrindra no 
nanana adidy hamaly izany ratav izany. Fa 
na dia izany aza, tsy afa-tsiny niihitny 
i Simeona sy Levy noho izay nataony, 
indrindra fa ny namonoany olona maro noho 
ny fahadisoan' ny anankiray. Toa zavatra 
halnn' i Jakoba izay nataon' ny zanany, ary 
tsy mba nohadinoiny, fa tamin' ny andro 
nahafntesany dia niteny izany iudray izy 
(Gen. xxiiv. 30 ; xlix. 0).— d.m. 

DINTA. Misy teny iray hiany milaza ny 
dinta, dia ao amin'ny Oha. xxx. 15. Milaza 
ny biby kely lavalava samy hafa karazana 
izay mitsentsitra ny ran' ny biby hafa. 
Mitoetra ao amin' ny rano, ary tsy mora 
voky izy ; ary amin' izany ny dinta dia 
tonga oha-teny milaza ny olona izay mitady 
zavatra mandrakariva. — i.d. 

DI0NT8I0 (Asa. xvii. 34) : dia mpianatra 
azon' iPaoly fony izy nitory teny tany 
A ten a. Ary ny nanaovana ny anarany hoe 
"Areopagita" dia satria andriambaveuty 
izy teo amin' ny ntsarana tany Atena natao 
hoe Areopago. Tantaraina ho mpitandrma 
tany Atena izy teo aoriana, nefa tsy fantatra 
marina izany. — p.o.p. 

DI0TREFA: dia lehilahy lazain' iJaona 
Apostoly tamin' ny Epistiliny Fahatelo ; 
ary toa isan' ny mpampianatra sandoka izay 
noraran' iJaona izy. Toa mpitandrina ny 
fiangonana anankiray Diotrefa, nefa nitady 
ho lehibo noho ny mpitandriana namany; 
ary dia nanaratsy an' i Jaona aza izy ka tsy 
nandray azy na ny irany, fa nandrara ny 
sasany izay tia ny Apostoly sy ny namany, 
sady nandroaka azy tamin' ny fiangonana 
izy (3 Jao. 9, 10). — -t.t.ic. 

DIVAY (Gr. oinos; Lat. vinum; Eng. wine; 
Fr. du vin). Ranom-boiiloboka indrindra 
no fauaovana divav, ary lazaina voalohany 
amin' ny tantaran i Noa izy (Gen. ix. 20, 
21). Ary raha misy voan-javatra hafa 
lazain' ny Soratra Masina izay nanaovana 
divay fahiny dia ny ampongabendanitra 
hiany no lazaina, nefa tokony ho kely foana 
hiany izany (Ton-K. viii. 2). Andro faha- 
faliana lehibe tany Palestina ny andro faha- 
vokaran' ny voaloboka (na amin' izao anke- 
hitriny izao aza any amin' ny tahaka azy), 
fa tany be voaloboka izy. Nony xnasaka ny 
vokatra dia nangonina teo amin' ny harona 
ary nentina ho any amin' ny famiazam- 
boaboka (Jer. vi. 9). (Zahao faxiazaxa.) 
Ary natao teo amin' ny vata firaisana ao 
ambony amin' ny famiazana izy, izay nisy 
vata roa, ny iray ambony, ary ny iray 
ambany, ka dia nohitsahin' ny olona iray 
na roa na mihoatra, araka ny halehiben' ny 
famiazana ; dia voapotsika ny voaloboka 
tambunin' ny tongony teo amin' ny vata 
ambony, izay nisy loaka makarakara hana- 
tantavana azy; dia afa-nidina ny ranony 



Digitized by 



Google 



DID 

ho amin' ny vata firaiaana azy teo ambony. 
Ary f omba fanaovana divay ela dia ela izany 



(Neh. xfii. 15 ;" Job. xxii. 11 ; Isa. xii. 10 ; 
Jer. xxv. 30 ; xiviii. 33 ; Am. ix. 13 ; Apok. 
xix. 15). Raha mbola toy nohitsahina aza 
ny voaloboka tao amin* ny famiazana, nisy 
ny ranony izay niala ho azy hiany noho ny 
havesaran' ny voaloboka nifanery an-toerana, 
ka dia natokana izy, ary izany no nanaovana 
divay maray angaha (Asa. ii. 13). Ary koa, 
raha nanitsaka tao una tin' ny famiazana ny 
olona, dia nifampiantso sy nif ampirisika izy 
tamin' ny asa natjiony, ary dia tonga mena 
ny ranjony sy ny akanjony azon' ny ranon' 
ny voaloboka (Gen. xlix. 11 ; Isa. xvi. 9, 
10 ; lxiii. 2, 3 ; Jer. xxv. 30). Ary rehe- 
fa afaka ny ranony teo amin' ny famia- 
zana dia natao teo amin* ny zavatra fa- 
ndraisana azy izy, ka napetraka hanaovana 
fermenta (ny mitombo sy miheteika), ary 
nony tanteraka ny fermenta dia natao tao 
anaty tavy hoditra ny divay; nefa mbola 
hivonto kely hiany izy raha omby ao, ary 
raha tonta ny tavy hoditra dia tsy naharitra, 
fa triatra noho ny herin' ny fermenta ao 
amin* ny divay. Ary noho izany fi von ton* 
ny divay izany dia siny hoditra vaovao no 
nanisiana azy (Mat. ix. 17). Ny fandriny 
kely dia navela tao amin' ny divay sasany 
hahatsara azy, nefa raha nentina hosotroina 
dia notantavanina indray izy (Isa. xxv. 6). 

Zavatra mahery ny divay rehetra voala- 
zan' ny Soratra Masina afa-tey ilay natao 
tamin' ny ampongabendanitra ; ary be ny 
teny fananarana mafy ny amin' ny fisotroana 
azy, aady ambara ny vokatra ratay avy 
amin' izany, toy izao : Ho mena ny maso 
(Gen. xlix. 12) ; ny vava Uy ambina (Oha. 
xxi.) ; ny mahavery aaina (Oha. xxxi. 6 ; 
Isa. v. 11 ; Zak. ix. 15; x. 7),; ny fanara- 
hana sampy (Hos. iv. 1 1 ) ; iiy mampivily 
fisainana (Oha. xxxi. 5 ; Isa. xxviii. 7) ; ny 
fahamenarana sy fahadalana (Hab. ii. 15, 
16) ; ary ny faharariana (Hos. vii. 6). — 

P.O.P. 

Fa na dia izany aza, hatr' izay ela izay ny 
divay dia efa famantarana ny nfaliana sy ny 
fanumezan' Andriamanitra (Mpit. ix. 13 ; 
Sal. civ. 15) ; dia nosotroina tamin' ny andro 
faharavoravoana tahaka ny fumpakara tri- 
bady izy (Jao. ii. 3) ; ary caterina niaraka 
tamin' ny fanatitra hafa isan- andro tao 
amin' ny Tabernakely sy ny Tempoly, ary 
tamin' ny andro lehibe koa (Eks. xxix. 40 ; 
Lev. xxiii. 13). Ary na dia tsy nasain' ny 
Lai an a ha tao aza izany, divay telo kapoaka 
no nosotroin' ny Jiosy tamin' ny nihinanany 
ny Paska; dia nenlin' iJesosy Tompo koa 
ny divay, ka nasainy hosotroin' ny mpianany 
amin' ny Fanasan' ny Tompo ho fahatsiaro- 
vana ny rany masina latsaka tany Kalvary 
(Lio. xxii. 17-20).— J.s. 

DODAIMA: teny Hebreo ity, izay hita 
indroa monja ao umin' ny Test. Tal. (Gen. 



124 DIM 

xxx. 14 sy Ton-K. vii. 13), ary milaza 
zava-maniry iray karazana amin' ny ramiary 
(Mandragora officinalis). Zavatra mahery 
fofona ny dodaima, ary ny voany no noha- 
nin' ny olona, indrindra fa ny vehivavy, 
satria nataony fa mahatonga azy ho mahery 
mitera-jaza, hono ; ary izany hevitry ny 
olona izany no manazava ny tenin' i Rahely 
voalaza ao amin' ny Gen. xxx. 14 sy 15. — 
j.s. 

DODO : lehilahy avy tamin' ny firenen' ny 
Iaakara izy, ary raiben* i Tola, izay isan' ny 
Mpitsara (Mpit. x. I). 

Dodo (2) : lehilahy Ahohita sy rain' 
i Eleazara, anankiray tamin' ny olona mahery 
sy matanjaka telo lahy izay nanompo an' 
iDavida (2 Sam. xxiii. 9; 1 Tant. xi. 12). 
Raha toy ny hevitry ny sasany, io Dodo 
faharoa io dia sahala amin' ilay voalazan' ny 
I Tant. xxvii. 4, ka lazaina eo ho mpandra- 
haraha tamin' ny antokon' ny Zanak' 
Isiraely izay niakatra nanao ny fanora- 
poany tamin' ny volana faharoa isan- 
taona. 

Dodo (3) : lehilahy avy tany Betlehema, 
ary rain' i Elanana, izay isan' ny lehilahy 



mahery tamin' ny miaramilan' iDavida 
(2 Sam. xxiii. 24 ; 1 Tant. xi. 26 ; 2 Tant. 
xx. 37).— t.t.m. 

DOEGA: dia olona Edomita ary mpi- 
fehy ny mpiandry oudrin' i Saoiy mpanjaka. 
Sendra tany Noba izy tamin' ny nahatonga- 
van' iDavida tany, tamin' izy nandositra 
an' i Saoly ; ary hitan' i Doega ny soa na- 
taon' iAnimeleka tamin' iDavida, dia ny 
nanomezany azy ny sabatr' i Goliata, sy ny 
mofo masina nalaina tamin' ny latabatry ny 
mofo aseho (1 Sam. xxi. 7). Koa rehefa 
tafaverina tamin' ny tompony Doega, dia 
nambarany tamin' i Saoly izay efa hitany ; 
ary Saoly dia nampaka an' iAhimeleka sy 
ny mpisorona namany, ka niampanga azy 
ho mpikomy noho ny soa nataony tamin' 
iDavida. Ary na dia nahafa-tsiny aza 
Ahimeleka, dia nasain' i Saoly hovonoina 
izy sy ny namany. Fa nony tsy noty 
naninji-tanana hamono ny mpisoron' Andria- 
manitra ny manamboninahitra, Doega no 
nasain' i Saoly hamono azy. Ary dia nanai- 
ky am-pifaliana Doega, ka ny mpisorona 
rehetra sy ny vady am an -j an a ay tany Noba 
novonoiny ; dia lany ringana ny taranak' 
i Fly, afa-tsy Abiatara, izay nandositra ka 
nanaraka an' iDavida (1 Sam. xxii. 9-20). 
[ahimeleka.] — J.s. 

DOHA: (1) zanak' Lrimaely izy ary isan' 
ny razam-ben' ny Iaimaehta any Ara- 
bia ; avy taminy no nahazoan' ny tany 
manodidina ny tanana ny anarany (Gen. 
xxv. 14; lTant. i. 30; Isa. xxi. 11). (2) 
Tanana teo amin' ny tendrombohitr' i Joda, 
akaiky an' i Hebrona (Jos. xv. 26). Ny 
trano rava amin' izany tanana izany mbola 
hita ao atsimo -andref an' i Hebrona, tokony 
ho enina maily.— j.b. 



Digitized by 



Google 



DOt 

DOMOHIK A. Ny teny voaloliany amin' 
ny Soratra Masina milaza izany vorona izany 
dia Gen. xv. 9. Tsy nisy vorona ompiana 
tany Paleetina afa-tsy ny domohina ey ny 
voromailala, hatramin ny andron' iSolomona 
no ho miakatra ; fa izy no nampaka ny 
▼OTombola avy tany India. Ny domohin- 
drofia angaha no noaolon' ny Zanak' Isiraely 
hatao fanalamboady raba mbola tany an- 
efitra izy, satria misy maro dia maro izy 
amin' ny hazo rofia rehetra. Natao oliatra 
amin' ny fahadiovana ny domohina, fa 
manam-bady indray mandeha hiany amin' 
ny andro iainany rehetra izy. Ny fandelia- 
nany iaan-taona sy ny fiverenany isan-doha- 
taona dia voalaza ao aniin' ny Jer. viii. 7 
sy Ton-K. ii. 11, 12 ; ary ny feony malahelo 
no noharin' i Asa fa tamin' ny tenany mala- 
helo raha nitaraina tamin' Andriamanitra 
(Sal. lxxiv. 19). Misy domohina maro 



"T 



ao amin' ny tany Palestina rehetra, ary misy 
ny domohin-drofia koa any amin' ny loha- 
sahan' iJordana. Ny domohina na ny 
roromailala no n a sain' ny Lalan' iMosesy 
haterin' ny olona izay tsy nahazaka ondry 
na omby raha nanatitra fanalamboady izy ; 
sahao Lev. ii. 14; v. 7 ; xii. 6, 8 ; xiv. 
22, 30 ; xv. 14, 29 ; Lio. ii. 24.— i.d. 

DORA : dia ny tany lemaka nananganan' 
i Nebokadnezara ilay sary volamena hivava- 
han' ny vahoany (Dan. ill. 1). Ataon' ny 
saaany fa ao amoron' ny ony Tigrisy no 
nisy azy ; fa ny saaany kosa manao 
axy ho ao ataimo-atsinanan' i Babylona. — 
J.a. 

DORA: dia tanana ela an' ny Kananita, 
ao amorun' ny Ranomasina Mediteraneana 
(Joa. xii. 23 ; xvii. 11 ; 1 Mpan. iv. 11) ; ny 
tompony dia niaraka tamin' l Jabina mpanja- 
kan i Hazora hanohitra an' iJosoa (Jos. xi. 
1, 2). Dora dia tanana utsimo indrin^ra 
amin* ny Foinikiana ; ary lazain' i Josefosy 
ho seranana tao amin' ny fari-tanin' ny 
Manaae andrefana, sy nv fari-tanin' ny 
Dana avaratra, ary akaikin i Karmela. Ao 
anatin' ny zara-tanin' ny Asera Dora, nefa 
nomena an' ny Manase izy (Jos. xvii. 11; 
If pit. i. 27). Tsy mba noroahin* ny firenen' 
ny Manase ny olona tompon-tany ; nefa 
tamin' ny andron' i Davida sy Solomona dia 
nandoa hetra izy ; ary tany Dora no name* 
traban' iSolomona ny anankiray tamin' ny 
olona roa ambin' ny folo lahy izay namorv 
lwt>inft sy nanao nahandro ho azy (Mpit. i. 
27, 28; 1 Mpan. iv. 11). Ao amin' izay 
naoorenana an' i Dora misy vohitra kely izao 
atao hoe Tantiora misy trano telo-polo tafo, 
ary samy natao avy tamin' ny vato nanao- 
Tana ny tanana tany aloha. Fito mailv any 
avaratr' i Kaisaria izy, ary efatra ambin' ny 
folo maiiy any atainanan' ny vodivona atao 
hoe Karmela. — J.s. 

DOTAHA (Lavaka famorian-dratw) : dia 
tanana any amin' ny zara-tanin' ny Efraima, 
tokony ho 41 maily any avaratr' iSekema. 



125 EBA 

Lazaina indroa hiany ao amin' ny Soratra 
Masina Dotana : tany no nalehan' i Josefa 
hitady ny rahalahiny ; ary tany Dotana no 
nametrahany azy t;io amin' ny lavakn, dia 
namidiny tamin' ny olo-Midiana izay sendra 
nandalo tamin' izany (Gen. xxxvii. 14-17). 
Tany Da tana koa no nonenan' i Elisa mpa- 
minany ; ary tao no niakaran' ny roiaramila 
nirahin' ilay mpanjakan' i Syria hisambotra 
azy. Fa ny anjelin' iJehova kosa no 
nirahin' Andriamanitra hiambina nv mpa- 
nompony, ary hitan' ny ankizilahin' ny 
mpaminany izy rehefa nivavaka Elisa 
(2 Mpan. vi. 8-23).— j.s. 

D0EKA8Y : zahao tabita. 

DR08ILA : zanakavavin' i Heroda Agripa 
I. izy, ary nalaz:t nohony hatsaran-tarehiny, 
nefa mba vehivavy ratay toetra hiany. 
Feliksa, mpanapaka Romana tany Jodia, 
nitaona an' iDrosila hisintaka amin' ny 
vadiny voalohany, ka dia novinadiny izy ; 
dia niaraka tamin' i Feliksa ho any Kaisaria 
izy, ary tao no n andron esany ny tori- teny 
nataon' iPaoly (Asa. xxiv. 4). Drosila sy 
ny zanani-lahy niara-maty tamin' ny nivoa- 
han' ny afo sy vato voaempo avy tamin' ny 
tendrombohitra Vesoviosy tamin' ny taona 
a.d. 79.— D.M. 

DRAO0NA. Misy teny maro hiany milaza 
ny dragona ao amin' ny Soratra Masina ; 
indraindray ny biby lehibe, na ao amin' ny 
ranomasina, na ao amin' ny tany efitra, no 
lazainy ; ary indraindray kosa toa oha-teny 
milaza ny Devoly, toy ny ao amin' ny Isa. 
Ii. 9. [Isefa ataon' ny saaany kosa fa tokony 
hadika hoe "mamba" io teny io ka dia 
ohatra milaza an' iEgypta io teny io.] 
Vakio koa Apok. xii. 3-17 ; xx. 2. Ny teny 
hoe dragona toa milaza biby makadiry be, 
ka tahaka ny menarana lehibe mitoetra eo 
amin' ny tany, na tahaka ny mamba, na 
ny antsantsa anaty ranomasina. Ny heviny 
raha atao amin' ny ohatra dia milaza ny 
olona masiaka sadv loza be. Toy izany ny 
teny milaza an' i Farao, mpanjakan' i Egypta 
(Ezek. xxix. 3). — i.d. 



EBALA: dia anaran' ny tendrombohitra 
anankiray ao amin' ny Tany Masina ; 
ary teo amboniny ny Zanak' Isiraely no 
naaaina hanonona ny ozona izay hanjo azy 
raha tsy hitandrina "ny lalan' i Jehova izy. 
Ny fitahiana kosa no hotononiny ambonin' 
ny tendrombohitra Gerizima, izay tandrifin* 
i Ebala ; vakio Deo. xi. 26-29. Raha dini- 
hina ny teny milaza azy dia hita fa nifana - 
kaiky ny tendrombohitra roa ka nisy lohaaaha 
teo anelanelany. Tao akaikin' iSekema 
izy (Mpit. ix. 7) ; ary tamin' ny andron' 
iJosefosy Ebala sy Gerizima dia anarana 
nahafantaran' ny olona ny tendrombohitra 
roa, dia i Ebala tany avaratr' iSekema ary 



Digitized by 



Google 



EBE 

Gerizima tany atsimo. Arika ny teny ao 
amin' ny Deo. xxvii. 4-8 Ebala no lazaina 
ho fitoerana hanaovana alitara (fandoroam- 
panatitru) ho an* i Jehova, ary hanoratana 
ny Lalany amin' ny teny mazava tsara. Fa 
ny manoskripta Hebreo izay tanan' ny 
Samaritana kosa manao an' i Gerizima ho 
tendrombohitra hanaovana izany rahetra 
izany ; ary izany no neatin' ny Samaritana 
hatr izay ela izay hanamarina ny teniny 
fa i Gerizima no tendrombohitra nofidin* 
Andriamanitra ho fitoerana masina ; zahao 
Jao. iv. 20. Ary azo ekena fa mahagaga 
rjiha ny tendrombohitra hanononana ny ozona 
no hanaovana fisaorana ny fifaliaaa, fa tay 
izay tendrombohitra hanononana nj Jitahiana. 
Nefa angamba mariua hiany ny teny araka 
ny Baiboly tehirizin' ny Jiosy. Ny firenena 
izay nasain' Andriamanitra hijanona eo 
ambonin' i Ebala hanambara ny ozona dia 
i Robena sy Gada ay Asera sy Zebolona sy 
Dana ary Naftaly (Deo. xxvii. 13), fa ny 
rahalahiny kosa nijanona t .o ambonin* i Ge- 
rizima hanambara ny fitahiana ; ny zanak' 
i Levy anef a no nisolo vava ny olona maro 
ka nanonona ny teny tamin' ny feo mahery. 
Hantaankautsan* ila i Ebala tany atsimo, ary 
kely ny zava-maniry ao aminy ankehitriny, 
fa tany aloha kosa dia natao ambaratonga 
avokoa ny ilany andrefana hambolena zava- 
tra, dia hazo oliva sy voaloboka, etc. Ny 
hahavon' i Ebala dia mitovitovy amin' i Ge- 
rizima, fa samy tokony ho 900 fita ambonin' 
ny lohasahan' iSekema izy roa. — J.s. 

EBEDA: dia teny Hebreo milaza mpa- 
nompo na andevo, ary hita matetika ao amin* 
ny Soratra Masina akambana amin' ny teny 
hafa hatao anaran' olona. Ary io teny 
akambana aminy io dia anaran' olona hajaina, 
na anaran-tsampy ivavahana. Koa amin' 
izany matetika ny hevitry ny hoe 'Ebeda' 
dia mpivavaka, na olona efa nanolo-tena ho 
mpanompon' Andriamanitra, na ho mpanompo 
sampy. Koa ny hevitry ny hoe Abed-nego 
dia Mpivavaka amin 1 i Nego (Nebo) ; Ebeda- 
meieka, Mpivavaka amiti* i Moleka ; Abdela, 
Mpivavaka amin' Andriamanitra; Abdi, mpi- 
vavaka amin 1 i Jah (Jehova) ; etc. Mitovi- 
tovy hiany ny hoe i Ebeda, Abeda, Obeda 
sy Abdona, ary izy fotsiny, na dia tsy misy 
tony fan am piny aza, no anaran' ny olona 
sasany lazain' ny Test. Tal. ; zahao Mpit. 
ix. 26; xii. 13; Ezr. viii. 6; Rota iv. 17; 
I Tant. ii. 37 ; viii. 23.— J.s. 

EBEDA-MELEKA (Andavon 1 ny mpanjaka, 
na, Mpivavaka amin 1 i MoUka) : dia tandapa 
Etiopiana anankirav izay nanompo an' iZede- 
kia, ny mpanjakan i Joda, ary naneliugelina 
hanafaka an' iJeremia mpaminany tamin' 
ny trano-maizina (Jer. xxxviii. 7). Ary voa- 
vonjy izy raha lasan' ny Kaldeana Jerosa- 
lema noho izany nataony izany, ary satria 
natoky an' i Jehova izy. — t.t.m. 

EBENEZEBA (Fato famonjena) : dia ana- 
rana nomena ny tsangambato naorin' i Sa- 



i*e EDE 

moela too anelanelan* iMizpe sy Sena, bo 
fahatsiarovana ny famonjena nataon' i Jehova 
ho an' ny Zanak' Isiraely raha niady tannin 7 
ny Filistina izy ka nandresy azy; zahao 
1 Sam. vii. 12. — J.s. 

EDA { Vavolombelona) : dia anarana nomen' 
ny taranak' i Robena sy Gada ary ny 
antsisaky ny firenen' iManase ny alitara 
lehibe naorin y teo atsinanan' iJordana ho 
vavolombelona fa na dia tafasaraka tamin 7 
ny rahalahiny tao andrefan* ny ony aza izy, 
dia mbola nanana anjara tamin' ny fivava- 
hana marina sy ny fitahiana momba izany, 
sady nanaiky an' i Jehova hiany ho Andria- 
maniuy izy (Jos. xxii. 34). Tsy hitsi eo amin' 
ny manoskripta Hebreo rehetra anefa io teny 
io, fa amin' ny Baiboly Syriaka sy Arabika 
dia eo hiany izy. — j.s. 

EDEN A: dia anaran' ny tany nisy ilay 
saha izay nonenan' i Adama sy Eva tamin' 
ny voalohany. Amin' ny teny Persiana dia 
atao hoe Farad isa na 'fahafinaretana' izy ; 
ary tany malalaka natokana sy nambolena 
hazo samy hafa maha-te-hizaha izany Edena 
na Paradisa izany. Lazaina eo amin' ny Gen. 
ii. 8-14 izy hoe: * 4 Ary Jehova Andriama- 
nitra nanao a ah a tao Edena tany at si nanana, 
ka napetrany tao ralehilahy izay noforo- 
niny. Ary nampanirin' i Jehova Andriama- 
nitra teo amin' ny tany ny hazo rehetra izay 
maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny 
hazon' aina teo afovoan' ny saha sy ny hazo 
fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ary nisy 
ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha ; 
hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra. 
Ary ny anaran' ny voalohany dia Pisona ; 
io no mandeha manodidina ny tany Havila 
rehetra, izay misy volamcna ; ary tsara ny 
volamena amin' izany tany izany; any ny 
bedola sy ny vato beryla. Ary ny ony faha- 
roa dia Gihona ; io no mandeha manodidina 
ny tany Kosy rehetra. Ary ny anaran' ny 
fahatelo dia Hidekela; io no mandeha ta- 
ndrifin' i Asyria. Ary ny ony f ahefatra dia 
Eofrata." 

Koa "tao Edena tany atsinanana" no nisy 
izany saha izany. K anefa tsy hita ma- 
rina izay nitoerany indrindra sy nalehan' izy 
rehetra amin' ny ony efatra voalaza teo. Ny 
natao hoe Hidekela dia ny ony Tigrisy an- 
gaha ; ary ny Eofrata dia ny Eofrata hiany ; 
fa ny roa sisa tsy fantatra. Ny sasany ma- 
nao any Pisona ho ny ony Ganges any 
India ; ary Gihona no heverin' ny sasany ho 
ny ony Neila any Egypta ; kanefa tsy hita 
izay manamarina izany, koa dia zava-mia- 
nna izy. 

Ny teny hoe Edena sy Paradisa no enti- 
milaza tany izay maha-te-hizaha sy lnaha- 
vokatra (2 Mpan. xix. 12 ; Isa. xxxvii. 
12). Be ny lovan-tsofina amin' ny firenena 
samy hafa milaza ny fahafinaretana azon' ny 
razany tany aloha tao Edena; ary mbola 
misy fahalalana maizimaizina ao an-tsain' ny 
olombelona rehetra izay manambara fa izy 



Digitized by 



Google 



EDO 

efa niala tamin' ny fahasambarana, ka dia 
maniry izav mahasolo izany izy. Fa ny 
anno an' i Jesosy Kristy man ana any Edena 
any an-danitra, dia ny "lova tsy mety ho 
am ha, tay yoaloto, tay mety levona, voata- 
Hry any an-danitra ho azy." Vakio koa 
Apok. ii. 7. — p.o.p. 

Edena (2) : dia anaran' ny tanana ananki- 
ray lazaina miaraka amin* i Harana ay K ane 
ary Sheba, ho namoaka lamb a ay fitafiana 
t*ira tarehy hovidin' ny olona any tany 
A*yria (Ezek. xxvii. 23). Raha toy ny he- 
vitry ny olona maro any Edena dia sahala 
amin' ny tan Cm a atao hoe Aden ankehitriny, 
dia se ran an a any Arabia Atsirao ao amin" ny 
ravan* ny Ranomasina Mena. — J.s. 

EDOKA na IDOMEA : dia anaran' ny tany 
anankiray lazaina matetika ao amin' ny 
Tea. Tal., ary mifanolotra amin' ny sisin' ny 
Tany Maaina ao atsimo-atsinanana. 

1. Xy niandohavC ny Anaran' ny tany. 
Avy tamin' i Eaao lahi-matoan' i Jakoba ny 
anarana hoe Edoma, fa hoy ny teny ao 
amin' ny Gen. xxv. 30 ; "Ary hoy Eaao 
tamin* i Jakoba: Mba anomezo ahy hoha- 
mko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho. 
(Izany no nanaovana ny anarany hoe Edo- 
ma.)" Ary tao aoriana, raha mbola velona 
rainy; dia lasan' i Eaao ny tany be tendro- 
mbohitra nonenan' ny Horita. Tendrombo- 
hitra Seira no anaran' izany tany izany 
tamin' ny voalohany, ary menamena ny tany 
ao nn-i!an' ny tendrombohitra ; koa izany 
angramba no nanomezana ny tany ny hoe 
Edoma (mena). Zahao Gen xxxii. 3; xxxvi. 
16, 43 ; Mpit. iv. 5 ; Obad. 8, 9, 19. Lazai- 
na indray mandeha hiany no amin' ny Test. 
Yao. Edoma, fa Idomea kosa no anarany 
amin' ny teny Grika (Mar. iii. 8). Ny 
hoe Ssira dia anaran' ny tany Edoma tamin' 
ny roalohany ; ary angamha avy tamin' 
i oVira, razamben' ny Horita, izay nonina tao, 
no nahazoan' ny tany anarana (Gen. xiv. 
6; xxxvi 20-22); nefa kosa, satria ny he- 
ritr* izany teny izany dia 'maraorao,' dia 
izany, rana toy ny hevitry ny sasany, no 
anton* ny nanomezana ny tany ny anarana 
boe Seira. Ary natao lioe Seira izy ela tao- 
rian' ny nahazoan' ny taranak' i Eaao azy, 
ary hatramin' ny andro farany lazain' ny 
tantara ao amin' ny Teat Tal. ; zahao Jos. 
xi. 17 ; 2Tant. xx. 10 ; Exek. xxv. 8. 

2. Ay nitoeran* i Edoma, sy ny Fari-taniny. 
Edoma na Idomea dia mifanolotra amin' 
iPaleatina ao amin' ny aisiny atsimo-ataina- 
nana, dia mianatsimo hatrany ka hatramin' 
ny lohan' ny Golf an' i Akaba. Ao andre- 
fan' i Edoma dia ny lohaaaha lehibe sy 
malalaka atao hoe Arabah ; ao atsimony dia 
ny Golf an' i Akaba; ao atainanany dia ny 
tfirr* i Arabia ; ary ao avarany dia ny 
tinin' i Moaba. Ny halavan' ny tany mia- 
navaratra ay mianataimo dia 100 maily, ary 
ay halehibeny dia tokony ho 20 maily. Za- 
hao Nom. xx. 14-20 ; xxxiii. 37 ; Mpit. xi. 



ltr EDO 

17, 18 : Nom. xxi. 4. Tany be tendrombo- 
hitra Edoma, araka izay hevitry ny anarana 
enti-milaza azy ao amin' nv fiaiboly sy ny 
mpanoratra tantara (Deo. l 2 ; ii. 5). Ny 
faritry ny tany any avaratra dia "ny loha- 
sahan-driaka Zereda" (Deo. ii. 13, 14, 18; 
Nom. xxi. 12), fa Wady eUAhty no anarany 
ankehitriny. 

3. Ny Tantaran'ny Tany. Lazaina voaloha- 
ny izy ao amin' ny Gen. xiv. 6, fa mpanjaka 
efatra niaraka nitondra tafika avy tany atsi- 
nanana no lazaina ho namely "ny Horita tany 
an -tendrombohitra Seira.' Olona va verity 
g-oavana ay avy tany Asia Andrefaua ny 
Horita, ary mponina tao anaty lava -tany sy 
lava-bato izy, fa izany no hevitry ny anarany 
(Gen. xxxvi. 20-30) ; ary olona niompy om- 
by aman-ondry izy. Relief a nahazo vady 
tamin' ny vehivavy Kananita Eaao, ka 
nampalahelo an-drainy aman-dreniny izany, 
dia niara-nitoetra tao amin' ny Horita izy, 
ary toa tonga olon-dehibe tany izy nony 
niverina avy tany Padan-arama Jakoba raha- 
iahiny (Gen. xxvii. 46 : xxxvi. 6-8). Na- 
ndre8y sy nandringana ny Horita Esao (Deo. 
ii. 12, 22) ; ary ny taranany sasany, dia ny 
olon' Amaleka, niala tany Edoma ka nonina 
teo amin' ny tany efitra atsimon' i Palesti- 
na (Gen. xxxvi. 12; Eks. viii. 14). Nizara 
ho foko na firenena maro ny Edomita, ary 
s my nanana ny andrianany avy izy (Gen. 
xxxvi. 15-19); nefa toa nikambana ho fire- 
nena iray izy rebotra nony nisy ady, sady 
nofchczin' ny andriana anankiray izay natao 
hoe mpanjaka (Gen. xxxvi. 31-39). Ampi- 
tah;io Eks. xv. Io sy Mpit. xi 17. 

Na dia iray razana hiany aza ny Zanak' 
Isiraely sv ny Edomita, ary na dia nora- 
ran' ny Lalana aza ny Zanak' Isiraely 
lioe: "Aza atao ho fahavetavetana ny Edo- 
mita, fa rahalahinao izy" (Deo. xxiii. 8), 
nifankohala fatratra izy hatramin' ny voalo- 
hany. Tamin' ny Zannk' Isiraely nangata- 
dalana tamin' ny olon' Edoma hankanesany 
ho any Kanana, dia nolavin' ny Edomita 
izany. Ary hatramin' ny 400 taona mana- 
raka izany tsy misy teny milaza an' i Edoma. 
Saoly nitondra tafika ka niady tamin' ny 
Edomita (1 Sam. xiv. 47) ; ary rehefa afaka 
taona vitsy hiany Davida nandresy azy teo 
amin' ny Lohasaha Maairasira ao atsimon' 
ny Kanomasina Maty, ary nametraka mia- 
ramila hiambina ny tany (2 Sam. viii. 14). 
Ary Ezion-gabera, tananan' ny Edomita, no 
nataon' i Solomon a seranana, ary avy tao no 
nialan' ny sambony haka ny vokatry ny 
fr.ny lavitra (1 Mpan. ix. 26 ; 2Tant. viii. 18). 
Tamin' ny andron' i Solomona nisy an (Irian - 
dahy tompon-tany tany Edoma nitady mba 
ho afaka amin' ny fanapahan' i Solomona, 
fa tsy tanteraka ny fikasany (1 Mpan. xi. 
14). Dia nanoa ny fanjakan' Isiraely hiany 
ny Edomita hatramin' ny andron* i Josa- 
fata ; fa tamin' izay dia niaraka tamin' ny 
Moaba ay ny Amona hiady aminy izy, kanef a 



Digitized by 



Google 



EDO "• 

resy izy, satria nampian' i Jehova ny Zanak* 
lsiraely (2 Tant. xx. 21). Faniodina indray 
izy rehefa afaka izany ary nifidy mpanjaka ; 
ary na dia resin* iAmazia, mpanjakan' ny 
Joda, aza izy, ka mnro no novonoiny (2 Mpan. 
xiv. 7), dia tsy mba nanan-kery tammy 
loatra taorian' izany ny Zanak' lsiraely. 
Ary rehefa nibena ny herin' ny fanjakun' ny 
lsiraely sy ny Joda, ny olon' Edoma dia 
nampitatra lalandava ny fanjakany. Ary 
tsy izany biany, fa nony niakatra Nebokad- 
nezara biady amin' i Jerosalema, maro ny 
Edoraita niaraka tammy, ka toa nazoto 
sy faly izy bamono sy handroba ny Jiosy 
rehefa afaka ny tanana. Ny halozany ta- 
min' izany dia lazaina eo amin 1 ny Sal. 
cxxxvii. ; ary izany indrindra no nilazan' ny 
mpaminany sasany teny maro ny amin' ny 
loza mabatahotra izay hanjo an* i Edoma ; 
vakio. Jer. xlix. 17 ; Fitom. J. iv. 21 ; Ezek. 
xxv. 13, 14; Obad. 10-21. Noho ny nana- 
mpiany ny Kaldeana ny olon' Edoma no 
navelany hitoetra tany Palestina atsimo sy ny 
tany elanelan' izany sy Egypta. Ary izany 
no nanomezan' ny mpanoratra sasany ny 
anarana hoe Idomea amin' ny tany rehetra 
elanelan' ny Arabab sy ny Mediteraneana. 



EDO 

Kanefa nony nampitatra ny fanjakany 
tany andrefana ny Edomita, ny tany izay 
fonenany indrindra dia lasan'ny firenena bafa 
natao hoe Nabateana, izay nipetraka tany 
Edoma ary nanorina ny fanjakana natao 
hoe Arabia Petrea, na Bevato. Areta no 
anaran' ny mpanjakany sasany ; ny zanaka- 
vavin' i Areta anankiray dia nampakarin' 
i Heroda Antipssy (Mat. xiv. 3, 4) ; ary izy 
biany no nahazo an' i Damaskosy tamin' ny 
andro niovan' iPaoly fanahy tao (Asa. ix. 
25 ; 2 Kor. xi. 32). Idomea dia lasan' ny 
Romana a.d. 105, ary nitombo be hiany ny 
haren' ny olona tamin' ny nanapaban' ny 
Romana ny tany. Be dia be ny varotra 
natao tany, fa ny lalambe mankany India sy 
Persia namaky an' Idomea. Tamin' izany 
no nanaovana ireo tranon' andriana sy te- 
mpoly sy fasana tsara tareby any Petra reni- 
vobitra, izay mbola maharitra tsy simba 
loatra ka nigagan' ny olona sendra manda- 
lo azy. Tsy mba narafitra anefa ireo, fa 
nodidiana avy tamin' ny vatodidy ao anilan' 
ny lohasaha izay nanorenana ny tanana (jereo 
ny sary). Fa tsy mba asan' ny tanan' ny 
Edomita ireo, fa nataon' ny taranak' i Nebai- 
ota, labi-matoan' i Isimaely, sady zaodabin' 
iEsao (Gren. xxv. 13; xxvi. 
3). Nony nandroso ny herin* 
ny Jiosy tamin' ny andro 
nanjakan' ny Makabiosy, 
Idomea dia lasany indray, 
ary notapahin' ny governora 
Jiosy. Ny anankirav tamin' 
ireo, izay efa teraka tany 
Idomea, dia tonga mpanapaka 
tany Joda, dia ilay natao hoe 
Heroda Lehibe, * 'mpanjakan' 
ny Jiosy," izay nan jaka tamin' 
ny andro nahaterahan' i Jesosy 
Kristy (Mat. ii.). Rehefa ni- 
hena ny herin' ny Romana, 
dia lasan' ny Mobamedana 
Idomea, ary izy nahatanteraka 
ny teny ma ndoza efa nolazain' 
ny mpjiminany. 

4. A r y Toctry ny Tany anke- 
hitriny. Amin' izao andro 
izao dia tany foana ka tsy 
misy mponina loatra Edoma. 
Rava ny tananany, ary vobitra 
kely foana telo na efatra no 
sisa ; fa efa tanteraka avokoa 
ny tenin' ny mpaminany voa- 
lazan' ny Isa. xxxiv. 13; Ezek. 
xxxv. 14; Jer. xlix. 17. Teo 
amin' izay niorenan' iBozra 
renivohiny misy vohitra kely 
atao hoe Buaairek ; ary Petra, 
renivobitra tamin' ny naha- 
zoan' ny Nabateana ny tany, 
dia atao hoe Wady Mt*sa t na 
Lobasaban' i Mosesy. — J.s. 

Ny Trano sasany any Petra, renivohitr* i Edoma, nodidiana avy tamin 1 ny vatolampy. 



Digitized by 



Google 



EFE 

tnWH Y : anankiray tamin' ny tanana 
ela izay renivohitr' iBasana, sy f one nan' 
i Oga, mpan jakany f arany, izay isan' ny lehi- 
Uhy goavana (Deo. i. 4 ; Jos. xii. 4). Tao 
akaikin' i Edrehy no nentin' i Oga ny miara- 
milany hanohitra ny Zanak' Isiraely ; ary 
tao koa dia resy ny olony, ary izy novonoina 
iDeo. iii. 1). Dia iasan' ny Zanak' Isiraely 
tamin 1 izay Edrehy sy ny tanana hafa an* 
i Basana (and. 10), ary tonga anjaran' ny 
antsa&aky ny firenenan' ny Manase izy (Jos. 
xiii. 12, 31). Tsy misy teny hafa milaza 
an' i Edrehy, ary tsy fantatra na nonenan' 
ny olon* i Manase izy, na tsia. Edhra no 
anarana ahafantarana ny tanana ankehitri- 
ny, fa vitsy foana ny raponina ao, ary ny 
ankabiazan' ny tanana dia rava. Vato mai- 
nty no nanaovana ny trano, ary ny rindrina 
gy ny tafony ary ny varavarany aza dia 
Vato avokoa ; ary rana toy ny hevitry ny 
olona efa nandinika azy, ela dia ela no na- 
naovana ny trano sasany, dia tamin' ny 
andron' ny Refaita na olona vaventy, izay 
tompon-tany voalohany indrindra. Tanana 
lehibe Edrehy tamin' ny nahazoan' ny Ro- 
mana ny Tany Masina, ary teo aoriana nisy 
trano fiangonan' ny Kristiana, sady nitoe- 
ran 1 ny bisopy ny tanana. 

Edrehy (2) no anaran' ny tanana anankiray 
hafa koa tao amin' ny tendrombohitr' i Na- 
ftaly, akaikin' i Kadesy (Jos. xix. 37).-J.s\ 

EFAHA: zuhao fauarana. 

EFES-DAMIMA (Faritry ny ra=Fitsaharan' 
rty fandat$ahan-dra) : dia anaron' ny fitoera- 
na anankiray tao amin' ny zara-tanin' ny 
Joda, "tanelanelan' i Soko sy Azeka." Tany 
no nitobian' ny Filistina talohan' ny namo- 
noan' i Davida an' i Goliata sy ny nandre. 
sen* ny Zanak* Isiraely azy (1 Sam. xvii. 1). 
Anarana nomena tao aoriana angaha io, 
satria nitsahatra tamin' izany ny fandatsa- 
hana ny ran* ny Zanak* Isiraely rehefa re- 
siny ny fahavalony. Eo amin' ny 1 Tant. 
xi. 13 "ny anarany dia atao hoe i\?*-dami- 
ma. — J. s. 

EFESOSY : renivohitra tany Asia Minora 
ity, sady nalaza loatra fahizay. Tsy hita 
marina izay andro nanorenana azy, fa tamin' 
ny taloha ela ; kanefa nitombolaza sy harena 
mandrakariTa izy, na tamin' ny andron' ny 
Grika, na tamin ny andron' ny Rom an a izay 
nampanaiky azy tao. Tamoron' ny Rano- 
masina Mediteraneana Efesosy, dia tamin' 
ny laiiny atsinanana, koa lehibe sy tsara 
loatra ny fitodian-tsambo tany. Ary noho 
izany, dia falehan' ny sambo maro nitondra 
fandrantoaua avy tamin' ny tany rehetra 
izy ; ka dia izany no nahazoany harena be- 
vava niandrakariva. Fa izay nahalaza an' 
i Efesosy indrindra dia ny tempoly (na Iranon- 
tsampy) iray izay naorina teo ho fanajana 
sy fivavahana amin' i Diana, andriamani- 
bavin* ny Grika sy ny Roman a ; sady isan' 
ny zavatra fito loha nigagan' izao tontolo 
izao izany fahizay, ary koa, fivorian' ny 



l» EFE 

olona maro -be avy tamin' ny tany maro 
hivavaka amin' io sampy io. Ary izany 
indray nampanan-karena ny olona betsaka 
tao Efesosy (Asa. xix. 23- 35). [Zahao dia- 
na, demetrio.] Olona zatra tamin' ny 
filan-dratsy ny mponina tai»y Efesosy, sady 
maro ny ombiasy sy xnpanao ody mahery 
tany aminy, ka narnhin' ny be sy ny maro 
izy ireo (Asa. xix. 19). Paoly nampiunatra 
telo taona tany Efesosy, koa nampanaiky 
olona maromaro izy ; sady nisy lehiben' ny 
tany sasany nisakaiza tuminy sy nanampy 
azy tao. Ary tamin' ny nialany nankany 
Makedonia, dia nametraka an' i Timoty hita- 
ndrina ny fiangonana tany izy. Tokony ho 
hendry sy tsara fanahv tokoa ny Kristiana 
tany Efesosy, sady tian* i Paoly indrindra 
izy ; koa samy vonton-alahelo avokoa izy 
rehetra tamin' ilay nandaozan' i Paoly azy 
f arany (Asa. xx. 17-38). Ary ny Epistily 
nosoratany taminy dia vavolombelona milaza 
ny hatsarany sy uhafantarana ny fahaizan- 
tsainy ; fa satria ny fampianarana ao dia 
ambony loatra, ka tsy mba zavatra rono- 
no hanin-jaza, fa noion-kena kosa sahaza 
lio an' ny olona efa lehibe. Jaona Apos- 
toly nanao an' i Efesosy ho antom-ponena- 
ny taorian' ny nahafatesan' i Paoly, ary teo, 
hono, no nanoratany ny filazan tsar any. Koa 
araka izay efa voalazan' i Paoly rahateo, dia 
niposaka tao amin' ny fiangonana tany Efe- 
sosy ireo "amboadia masiaka, tsy miantra 
ny ondry" ireo, ka nanahirana an' i Jaona 
sy ny Kristiana namany rehetra any. 
Rehefa noroahin* i Domitiana, mpanjakan' 
i Roma, hiala tany Efesosy Jaona, ka nitoe- 
tra tany anosy atao hoe Patmo izy, dia 
nomen' i Jesosy Tompo teny hampitondrainy 
amin' ny fiangonana tao Efesosy sady nidera 
azy no naniny ka niampanga azy kely, fa 
efa niala tamin' ny fitiavany voalohany izy. 
Koa nananatra azy Kristy fa mbola hafindra 
ny fitoeran-j irony hiala an' i Efesosy tsy ho eo 
intsony raha tsy hibebakaizy (Apok. ii. 1 — 7). 
Tafaverina tany Efesosy indray Jaona tao- 
rian' izany kely, ary maty teo izy. Fa naha- 
ritra ela dia ela ho reni-fiungonana malaza 
Efesosy, kandrefa nafindra hiany ny h'toeran- 
iirony. Tamin' ny taona a.d. 1326 dia 
lasan* ny Mohamedana ny tanana, ka si- 
mban' ireo avokoa ny voniualiiny (2 Pet. iii. 
8). Ny ranomasina aza efa niala nandao 
ny tany niorenan' i Efesosy ; ary efa tany 
honahona sy be tazo izay aaiky tsy misy 
raponina intsony izy izao.- w.M. 
EFESIAN A, Ny Epistily tamin' ny. 

1. Ny Nanoratra azy. Ny fiangonana 
rehetra teo aloha nanaiky fa Paoly Apostoly 
no nanoratra ity epistily ity, ary ny hevi- 
tra rehetra ao anatiny dia mifanaraka amin* 
izany. 

2. Ny Olona nanoratana azy. Ny ankama- 
roan' ny olona manaiky fa Paoly nanora- 
tra ity epistily ity tamin' ny fiangonana tao 
Efesosy. Fa satria ny teny hoe "any Efe- 



Digitized by 



Google 



EFE 

sosy," amin' ny i. 1, tsy voasoratra 
ny taratasy sasany teo aloha ; ary koa, 
satria Paoly tsy nanonona ny anaran' ny 
olona sasany na nanao voloraa azy, tahaka 
ny fanaony amin' ny epistily sasany ; ary na 
dia efa nitoetra mihoatra noho ny roa taona 
tao Efesosy aza izy, tsy misy teny ao araiii' 
ny epistily milazu izany, dia ataon' ny olona 
sasany fa tsy ho an' ny fiangonana tao 
Efesosy Many no nanoratany azy, fa ho an' 
ny fiangonana maro samy hafa izay nitoetra 
tuny Asia Minora Ary misy olona hafa 
indray inihevitra fa Paoly nanoratra azy 
tamin' ny fiangonana tao Laodikia, ury atao- 
ny fa ny teny amin' ny Kolosiana iv. 16 no 
milnza ity epistily ity. Fa angamba izay 
milaza fa Paoly nanoratra azy tamm' ny 
olona masina tany Efesosy hiany no marina. 
Ny amin' ny tanana fonenan' ny Efesia- 
na, zahao efesosy : ary ny amin' ny sampy 
nivavahan' ny olona tao, zahao diana sy 

DEMETIUO. 

Paoly dia tokony ho voalobany indrindra 
izay nitory ny filazantsara tany Efesosy. 
Ary izany no nataony tamin' ny nandehana- 
ny tany Jerosalema, rehefa niala tany Kori- 
nto, tamin' ny taona a.d. 54 izy (Asa. xviii. 
12) . Tsy nijanona tao afa-tsy indray Alahady 
hiany izy, in navelany tao Prisila sy Akoila; 
ary rehefa lasa Paoly, tonga koa Apolosy 
avy tany Aleksandria. Fa rehefa niakatra 
tany Jerosalema Paoly dia niverina indray 
izy ka nitoetra teo mihoatra noho ny roa 
taona (Asa. xviii. 23 sy xix. 1-10). Tamin' 
izany andro izany ny fiangonana nihabetsaka, 
ary maro ny nomba azy tany an -tan una sy 
avy tamin' ny tany Asia nanodidinn azy (Asa. 
xix. 26). Ary noho izany dia taitra ioatra 
ny mpivavaka tamin' ny sampy, dia nampi- 
tabataba ny olona hanohitra an' i Paoly 
(Asa. xix. 24-41); dia niala tany Efesosy 
indray izy. Tato aoriana, raha izy niala tany 
Makedoma mba hiakatra any Jerosalema 
indray, tonga tao Mileto izy, ary nampaka 
ny loholon' ny fiangonana any Efesosy ka 
nananatra azy tsara, ary nilaza taminy fa 
tsy hahita ny tavany intsony izy ireo (Asa. 
xx. 16-35). Taorian' izany indray dia name- 
traka an' i Timoty tao Paoly. Ary tany hia- 
ny Timoty raha Paoly nanoratra ny Epistily 
Voalohany taminy (l Tim. i. 3), ary angamba 
raha nanoratra ny Epistily Faharoa koa. 

3. Ny Tany sy ny Taona nanoratana azy. 
Araka ny tenin' i Paoly (iii. 1., iv. 20), mpi- 
fatotra izy raha nanoratra ity epistily ity, 
fa tsy azo lazaina marina na tao Kaisaria, 
na tao Roma, no nanoratany azy. Ataon' ny 
olona sasany fa tao Kaisaria izy raha nano- 
ratra azy ; fa ny ankamaroan' ny olona kosa 
mihevitra fa efa niala tany Kaisaria izy ka 
efa tonga tao Roma talohan' ny andro nano- 
ratany azy. Ary tokony ho marina izany, fa 
raha mbola tao Kaisaria Paoly, tsy nisy olona 
navela nankao aminy ioatra ; fa rehefa tonga 
tao Roma izy, nalaladaiaka kokoa ny fia- 



WO EFE 

mbenana azy tamin' ny roa taona, dia na- 
na ton a azy ny olona maro mba hihaino ny 
teny notoriny, ary nitory ny fanjakan' Andri- 
amanitra taminy izy (Asa. x xviii 30, 31). 
Ary toy izany koa ny toetr' i Paoly raha 
nanoratra ity epistily ity izy ; tokony ho 
afaka hitory tamin 1 ny olona izy, fa nanga- 
taka tamin' ny Efesiana hahatsiaro azy amin' 
ny vavaka hataony amin' Andriamanitra, 
mba homena azy ny aloaky ny vavany amin' 
ny fahasahiany hampahafantatra azy ny 
filazantsara (vi. 18-20). Dia tany R^ma 
hiany no nanoratany ny epistily, sady ta- 
natin' ireo roa taona lazain' i Lioka ireo 
(Asa. xxviii. 33). Ary raha izany no izy, 
dia ny taona nanoratany azy tokony ho ta- 
nelanelan' ny taona a.d. 61 sy 63, fa 
angamba tamin' ny taona 62 ; ary nampi- 
tondrainy an' i Tykiko ho any Efesosy, dia 
ilay nitondra koa ny epistily tamin' ny Kolo- 
siana sy tamin' i Filemona. 

4. Ny Anion 1 ny nanoratana azy. Tykiko 
sy Onesimosy efa nirahin' i Paoly hankany 
Asia Minora, ary tsy maintsy hahazo an' 
i Efesosy tamin' ny ialan-kalehany. Tykiko 
nitondra ny epistily nosoratan' i Paoly tamin' 
ny Kolosiana, ary Onesimosy nitondra ny 
taratasy nosoratan' i Paoly tamin' i Filemona 
tompony, izay nonina tao Kolosia. Ary 
tian i Paoly hampitondraina ny epistily 
anankiray ho an' ny Efesiana koa mba 
h an am bar a aminy indray ny fanorenana ny 
Fiangonana, ary ny fitomboany amin' 
i Kristy, Izay efa nomen' Andriamanitra ho 
Lohan' ny zavatra rehetra ho an' ny Fiango- 
nana. Tian' i Paoly hampahalala ny Efe- 
siana ny hatsaran' ny fitiavan' i Kristy azy, 
sy ny halehiben' ny fahafinaretana izay efa 
nomen' Andriamanitra azy tamin' ny alalan' 
i Kristy ; ary namporisika azy izy hanaiky 
ny fomban' ny filazantsara izay mampika- 
mbana ny momba ny Fiangonan' i Kristy, 
na Jiosy na Jentilisa, fa Kristy no anatonan' 
izy roa tonta ny Ray amin' ny alalan' ny 
Fanahy iray. Ary nasehony koa tamin' ny 
olona masina tao Efesosy, izay nahita 
mandrakariva ny tempoly malaza sady lehibe 
izay ho an' i Diana, ny firaisana sy ny faha- 
tsaran' ny tempolin' ny fanahy, izay efa 
natsangan' Andriamanitra teo ambonin' ny 
fanorenan' ny Apostoly sy ny mpaminany ; 
Jesosy Kristy hiany no fehi-zorony indrindra, 
ary ny Kristiana marina rehetra ™»ftraka 
harafitra ao amin' izany tempoly mahafina- 
ritra izany. 

5. — Teny nalaina tamin 1 ny Testament* 
Taloha. 

Efes. i. 22 Sal. viii. 6. 

iv. 8 ,, lxviii. 18. 

iv. 26 ,, iv. 4; xxxviii. 8. 



v. 1 
v. 14. 
v. 31. 
vi. 2 . 
vi. 3. 



.. tten. viii. 21. 
...Isa. lx. 1 (?). 
...Gen. ii. 24. 
...Eks. xx. 12. 
...Deo. v. 16. 



Digitized by 



Google 



EFI 

6. — Fizaruna ny teny. 

I. — Nv fiarahaban' i Paoly ny fiangonana ; 
l I. 2. 

II. — Ny filazana ny fomban' ny Fiango- 
Ma* i Jeeosy Kristy ; i. 3— iii. 

(1) Fisaorana an Andriamanitra noho ny 
»4 rehetra an an an' ny Fiangonana avy 
imin* ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy 
Hasina; i. 3-15. 

(i.) — Amin' ny Ray: — (a) Ny Ray mitady 
«y ho maaina ; and. 4. (b) Manendry azy 
ko amin' ny fananganan' anaka ; and. 5. (d) 
Manome azy f ahasoavana amin' ny Malala ; 
tad. 6. 

(ii.) — Amin'' ny Zanaka : - (a) Fanavotana 
■tanaraka ny haren' ny fabasoavany ; and. 
7. (J) Fahalalana amin' ny fiafenan' ny 
«fidiny ; and. 8, 9. (d) Lova ho an' izay 
mino, na Jioey na Jentilisa ; and. 10-14. 

(iii.) —Amin" ny Fanahy Hasina; and. 
13, 14. 

(2) Ny zavatra nangatahiny ho an' ny 
fiaagoaana; i. 14-23: — (i.) — Mba homen' 
Andriamanitra ny fanahin' ny fahendrena 
iy ny fanambarana amin' ny fahalalana Azy 
tana ; and. 14. (ii. ) —Mba ho f antany : — Ny 
faaantenana ary amin' ny fiantsoany azy ; sy 
ny roninahitry ny lovany ; ary ny hery eo 
sarin* ny olona maaina, izay nisiany teo 
amin' i Kristy, izay natao ho Lohan' ny 
Fiangonana, ; and. 15-23. 

(3) Ny herin' ny Ray amin' ny namelo- 
many ny olony, sy ny anton' ny anehoana 
izany herv izany, ary izay hamonjeny azy ; 
iL 1-10. ' 

(4) Anatra hampahataiaro azy ny toeny 
teo aloha (ii. 11, 12), sy ny toeny rehefa 
nino an' i Kristy izy ; ii. 13-22. 

(0) Ny nanendren' Andriamanitra an' 
i Paoly ho Apostoly ho an' ny Jentilisa ; 
in. 1-19. 

(6) Fanolorana dcra ho an' Andriamani- 
tra; iii. 20, 21. 
III. — Fananarana ; iv. 1 — vi. 20 : 

(1) Ny anton' ny mety hataon' ny Kris- 
tianaizay momba ny fiangonana; iv. 1-16: 
» Noho ny firaiaan' ny Fanahy ; and. 1-16. 
[b) Noho ny fahasoavana samy haf a nomena 
azy rehetra; and. 7-13. (rf) Mba ho tante- 
raka ao amin' i Kristy izy ; and. 14-16. 

(2) Ny mety hataon' ny Kristiana noho 
ny firaiaany amin' i Jeeosy Lohany ; iv. 17 — 
▼. 21 : ny mpivady ; v. 22-33 ; ny mpiana- 
ka; vi. 1-4 ; ny tompo sy ny mpanompony ; 
vi. 5-9. 

(3) Anatra hamporisika azy hahery amin' 
ny adim-panahy, ka hivavaka mafy ; vi. 
10-20. 

IV.— Fara-teny ; vi. 21-34.- r.t. 

IFITET NY FAHDSHAHDEHANANA 
fdiany Zanak' Isiraely). Rehefa novonjen' 
■7 herin' i Jehova ny Zanak' Isiraely, ka 
afaka tamin' ny fahoriany tany Egypta, dia 
Mtin* Andriamanitra hamaky ny efitra sy 
tany foana maro izy vao tonga tao amin' ny 



131 EFI 

Tany Kanana. Herin -taona mahery kely 
hiany no toa nokasain' Andriamanitra tamin' 
ny voalohany handehanan' ny olony tany 
amin' ny efitra ; ary izany herintaona voa- 
lohany izany nolaniny tamin* ny nianaran' 
ny Lalan' iJohova Mpanjakany, sy ny 
fomban' ny fivavahana aminy sy ny fanom- 
poany Azy, ary ny zavatra maro hafa koa 
izay tokony hainpiomana sy hahamety azy 
ho firenena. Ary rehefa tapitra ny herin- 
taona dia tonga tao amin' ny sisin' ny Tany 
Palestina tao atsimo ny ZanHk' Isiraely, ka 
nasain' Andriamanitra hiditra sy handova 
ny tany tamin' izany izy. Nefa kosa, ny 
tsi-finoany no nahakivy azy, ary noho ny 
tsy nantirahany ny didin' Andriamanitra, 
dia nasainy handehandeha sy hiiindrafindra 
sivy amby teio-polo taona indray izy, 
ambara-pahafatin' ny olona vaventy rehe- 
tra izay efa nivoaka tany Egypta; vakio 
Nom. xiii. - xiv. Dia holazaina etoana ny 
toetry ny tany nalehan' ny Zanak' Isiraely 
tamin' ireo efa-polo taona ireo. 

Rehefa tafavoaka avy tany Egypta ny 
olona, tsy mba nanao hitsin-dalana hankany 
Kanana izy. Raha izany no nataony, dia 
angamba tonga tao izy rehefa afaka tapa- 
bolana, fa tsy mihoatra noho 150 maily ny 
halavirany. Nefa hoy ny teny : "Tsy mba 
nentin' Andriamanitra tamin' ny lalana 
nankany amin' ny tanin' ny Filistina izy, 
na dia akaiky aza izany ; fa hoy Andriama- 
nitra: Andrao hanenina ny olona raha 
niahita ady ka hiveiina any Egypta. Fa 
nentin' Andriamanitra nivily ho amin' ny 
lalana any an -efitra amoron' ny Ranomaaina 
Mena ny olona" (Eks. xiii. 17, 18). Fa 
izany lalana izany aza tsy mba nizorany 
mihitsy ; nifindrafindra sy nivilivily ary 
niverimberina izy araka izay nitarihan' 
Andriamanitra azy. Mandritra ny valo amby 
telo-polo taona oia mpirenireny tokoa izy, 
ary nitondra ny ondry aroan-ombiny nifindra- 
findra hitady ahitra, tahaka izay fanaon' ny 
firenena maro amin' ny Arabo mandraka 
ankehitriny . Ary izao koa tokony hotsarova 
na, fa tsy mba voalaza akory ny tantaran 
izay rehetra nataon' ny Zanak' Isiraely mba- 
min' izay rehetra nalehany. Tsy voalaza ny 
anaran' ny tany na ny tanana rehetra nolalo- 
vany, na izay nitobiany; ary tsy fantatra 
ankehitriny izay nitoeran' ny tanana sasany 
izay voalaza aza. Nefa kosa, fantatra hiany 
ny tany sy ny tanana lehibe sy malaza 
iudrindra izay nalehan' ny Zanak' Isiraely, 
ary raha jerena eo amin' ny sarintany ireo, 
dia ho hitantsika ny ankabiazan' ny lalana 
tokony ho nalehany, na dia tsy hita ny 
fiviliviliany rehetra aza. Ary ireo no fitoe- 
rana sasany izay fantatra marimarina ho 
nolalovan' ny Zanak' Isiraely: — 1. Gosena, 
dia ny tany lemaka ao andrefan' ny Go If an' 
i Soeza, izay fonenany indrindra raha mbola 
tsy niala tany Egypta izy. 2. Ny tany no 
atsmanan ny Jianomasina Mena, sady any 



Digitized by 



Google 



EFI 

amorony, izay nalehan* ny Zanak' Isiraely 
rehefa tafitany ny ranomasina. 3 Ny Ten- 
drombohitra Sinay, izay nahazoany ny Lalana, 
sady nitobiany herintauna. 4. Kadeai- Balnea, 
izay niakaran' ny Zauak' Isiraely sasany 
hiady amin' ny Kananita, fa noroseny kosa. 
5. Ny tany lenmk* % Moaba tao atsinanan' 
iJordana, izay nahatonguvany avy tany 
Kadesy tamin' ny lalana atsimo sy atsina- 
nan' ny tany Edoma. Vakio ny tony milaza 

an 1 i KKS0DO8Y, GOSENA, KADESY, Sy SINAY 

tairairay. 

1. — Ny Toetby ny Tany atao hoe ny 
Efitry ny Fandehandeh.vnana. Raha dini- 
hina ny sarintany, dia ho hitantsika fa ny 
tany nalehan' ny Zanak* Isiraely sady nito- 
biany sy nijanonany raatetika tamin 1 ireo 
efa-polo taona ireo dia azo zaraina ho roa ; 
dia (1) ny tany telo-zoro anelanelan' ny sam- 
pany roa amin' ny Ranomasina Mena (dia ny 
Golfan' iSoeza sy Egypta auy andrefana, 
ary ny Golfan' i Akaba sy Edoma any atsi- 
nanana) sy ny Ranomasina Mediteraneana 
any avaratra ; ary (2) ny sisin' ny efitra 
lehibe any Arabia. Ny voalohany amin' izy 
roa dia ilay atao hoe amin' ny teny Arabika 
Et-Tih, izay hoe raha adiku, "Ny Fande- 
handehanana, " ary ny anarany aza dia 
vavolombelon' ny hamarinan' ny Soratra 
Masina. Any avaratra ao amoron' ny Me- 
diteraneana, dia lemaka ny tany, sady be 
fasika sy afo-vato ; fa raha mianatsimo kosa, 
dia avoavo kokoa izy, ary any atsimo- 
atsinanana ny hahavon' ny tany ao ambonin' 
ny ranomasina dia 2000 fita. Maromaro 
hiany ny lohasaha izay mamaky ity tany 
avo ity, ary ao amin' ireo dia niisy tany 
lemaka tsara, ary hazo maniry sy ahitra, 
ary ony vitsy foana miolikolika ao anatin' 
ny lohasaha. Ny faritra atsinanan' ity 
efitra Et-Tih ity dia ilay lohasaha sady lehibe 
no lalina atao hoe Arabah, ary hatramin' ny 
lohan* ny Golfan* i Akaba any atsimo izy, 
ka hatramin' ny Ranomasina Maty any 
avaratra. Hantsankantsana ny sisin* ny 
tany avo ao amoron' ny Arabah, ary vitsy 
sady sarotra haleha ny lohasaha madinika 
avy aminy hiakarana amin* ny tany avo ao 
andrefany. 

Na dia tsy mahavokatra tahaka ny tany 
sasiny aza izany tany izany, ankehitriny 
misy hiany ny ahitra betsaka sy zava- 
maniry ao amin' ny lohasaha sasany, ary 
ampy tsara hamelomana ny ondry araan' osy 
sy omby tsy hita isa. Ary tsy tokony. hohe- 
verintsika fa ny ankabiazan' ny biby nentin' 
ny Zanak' Isiraely no niara-nandeha tamin' 
ny olona sy ny Tabernakely, fa angamba 
nifindrafindra izy hitady ahitra, araka izay 
fanaon' ny fironoua maro any Arabia anke- 
hitriny. Ary koa misy vavolombelona tsy 
azo lavina fa tamin' ny andro taloha, bebe 
kokoa ny ranonorana latsaka isan- taona 
amin' izany tany izanv, ary betsaka ny hazo 
maniry, ary malaladalaka kokoa ny tany 



138 EFI 

mahavokatra azo ambolen-javatra. Fa ny 
ala of a nojinjan' ny Arabo hatao kitay, ary 
tsy misy hazo hafa nambolena hisolo ny 
voajinja, ka dia efa nihena be hiany ny 
ranonorana sy ny fahavokaran* ny tany. 
Dia hitantsika fa nisy hanina tamin' izay ho 
a*n' ny bibin* ny Zanak' Isiraely, na dia 
betsaka dia betsaka aza izy, ary na dia 
nitoetra efa-polo taona tany aza izy. 

Ny tany atsimo- atsinanan' i Et-Tih dia 
atao hoe "ny Efitr* i Parana" Parana], ary 
ny tany avaratr' atsinanany aia "ny efi.tr* 
iZina" (Nom. xiii. 21 ; Gen. xiv. 6). 

Ary any atsimony Et-Tih dia tiy taiijon* 
i Sinay ; izay misy ireo tendrombohitra maro 
sady avo no hantsankantsana natao hoe ' 'ny 
tendrombohitr' Andriamanitra" (Gen. iii. 
1 ; xviii. 5 ; 1 Mpan. xix. 8), izay nisehoan' 
i Jehova tamin' ny voninahitra mahata- 
lanjona sy mahatsiravina, sady nanomezany 
ny Lalany tamin' ny olony. Ao ampovoan* 
ny tendrombohitra misy tany lemaka atao 
hoe Er-Rahah, izay nitobian* ny Zanak* 
Isiraely sady nandrenesany sy nahitany ny 
nanomezana ny Lalana. Ao amin* ny sisin* 
ny taujon* iSinay amoron' ny ranomasina 
misy tany lemaka azo alehan' olona. Zahao 

8INAY. 

Ny lohasaha sady malalaka no lalina atao 
hoe Arabah efa voalaza teo dia nalehan* ny 
Zanak' Isiraely intelo aza, raha tsy mihoatra 
noho izany. Tany main a sy man gen tan a 
izy, ary vitsy foana ny loharano any ; saiky 
iray monja izay misy rano betsaka, dia ny 
loharano any Kadesy. Avo ny tendrombo- 
hitra ao an-daniny avy ka sarotra hiaka- 
rana. 

Ny tany Edoma, izay any atsinanan* ny 
Arabah, dia tsy nalehan' ny Zanak' Isiraely. 
Fa rehefa tonga tamin* nv tendrombohitra 
Hora, izay nahafatesan* l Arona, dia tey 
navelan' ny mpanjakan' i Edoma hamaky ny 
taniny izy ; dia nitodika izy ka niverina 
nianatsimo, ary nanodidina ny sisin' i Edoma 
atsimo sy atsinanana. Ary izany no niton dra 
azy tao amin' ny Kfitr'' i Arabia, izay nalehany 
farany indrindra vao tonga tao amin* ny 
tany lemaka any Moaba, tao atsinanan* 
i Jordana izy. Efitra tokoa izany tany izany ; 
fa tany be fasika sy vato, izay tsy misy rano, 
na hazo, na ahitra, na zava-maitso akory 
aza, ary sarotra aleha lavitra noho ny tany 
efa nalehan' nv Zanak' Isiraoly tany aloha ; 
dia atao hoe "ilay efitra lehibe sady maha- 
tsiravina" izy (Deo. viii. 13). Tao amin' 
izany efitr' i Arabia izany no niaretan' ny 
olona ny hetaheta, ary nokekerin' ny bibi- 
lava-afo izy, ka dia "kivy ny fanahin* ny 
olona noho ny lalana" (Nom. xxi. 4). 
Izany ary no toetry ny tany nalehan* ny 
Zanak' Isiraely raha nankany Kanana 
izy. 

2.— Ny Nifindratindban' ny Zanak* Iai- 
baely. Ny lalana nalehany dia azo zaraina 
ho efatra : — 



Digitized by 



Google 



EFI 



183 EFI 

(ii.) Hatramin* ny Ranomasina Mena ka 



(i.) Hatrany Ramesesa ka hatramin* ny 
Ranomasina Men a. Ramesesa no lazaina ho I hatrany Sinay. Ny tany nalehan' ny Zanak 
tanana nialan' ny olona maro sy ny lehilahy Isiraely too an-dafin' ny ranomasina dia atao 



voaomana hiady (Nom. xxxiii. 3, />) ; fa tsy 
fantatra izay nitoeran' ny tan una. Raha 
toy ny hevitry ny sasany, dia tao andrefan' 
ilay farihy atao hoe Farihy Mangidy izy, 
fa ny sasany kosa dia manao azy ho akaiky 
an* iKairo, renivohitr' i Egypta. Dianizotra 
lankany amin' ny lohan' ny Golf an* i Soeza 
izy, rehef a tonga tany Eta ma, tao an - tsisin' ny 
efitra, dia nivily izy, araka ny didin' i Jehova 
[Eks. xiii. 20 ; Nom. xxxiii. 6). Tamin' ny 
roalohany, ny lalana nalehany toa nitarika 
azy hanodidina ny lohan 1 ny Golfa hankany 
Sinay, izay ao attinanan" ny ranomasina, nefa 
nasain* Andriamnnitra hivily izy, ary hiana- 
tamo tao andrefan 1 ny ranomasina kosa. Fa 
boy nv tenin' i Jehova: (( Lazao amin' ny 
Zanak Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo 
akaikiny Pi-hahirota, eo anelanelan' i Mig- 
dola sy ny ranomasina" (Eks. xiv. 2 ; zahao 
koa Nom. xxxiii. 7). "Dia hoy Farao : 
hum ny tambeiintany izy, ka voahidin' ny 
efiira." Ao ataimon' i Soeza tokony ho efatra 
na dimy maily misy lohasaha malalaka, ary 
to an-ilany anankiray misy tendrombohitra 
aro sady hantsankantsana atao hoe Jebel 
Atoka. Ary teo no tokony ho nitobian' ny 
Zanak' Isiraely talohan' nv namakiany ny 
Ranomasina Mena. Ny hafehiben' ny rano- 
masina tandrifin' i Ataka dia fito maily, ary 
teo no nanaovan' Andriamanitra ilay faha- 
gagana lehibe sy mahatalanjona hamonjeny 
ny olony sy handringanany ny fahavalony, 
dia ny nanaovany lalana tao afovoan' ny 
ranomasina. Fa "rivotra mahery avy any 
atsinanana no nampisavan' i Jehova ny rano- 
masina mandritra ny alina iny, ka nataony 
tany main a ny ranomasina, ary dia voasa- 
raka ny rano." "Ary ny rano dia tonga 
fefy ho azy teo amin 1 ny an-kavanany sy 
teo amin' ny an-kaviany" (Eks. xiv. 21, 
32; vakio koa xv.). 

[Taorian* ny nanoratana ity teny ity — 
tokony ho 18 taona izay — efa nodinihina tsara 
indray ny tany tokony ho nalehan* ny Zanak* 
Isiraely tamin' ny nialany tany Egypta ; 
ary araka ny hevitry ny maro, dia tao 
mtaratr* i Soeza lavitra hiany, tao amin* izay 
atao hoe Bitter Lakes ("Farihy Mangidy"), 
no tokony ho nitany ny ranomasina. Tamin' 
iaany andro izany ny lohan' ny Ranomasina 
Mena dia 30 na 40 maily ao avaratry ny 
faritra an an any ankehitriny; fa noho ny 
habetsahan' ny fasika entin' nv rivotra 
mandrakariva avy amin' ny efitr i Arabia, 
dia nihamarivo lalandava izy, ka ny lohan' 
ny Ranomasina Mena dia manjarv farihy, 
izay nihamarivo koa isan -taona. Noho ny 
aanaovana ny Kanelin' i Soeza anefa, efa 
nofenoina rano indray ny Farihy Mangidy 
ka nihalehibe, nefa mbola farihy hiany izy, 
fa toy mikambana amin' ny ranomasina, izay 
lavitra azy any atsimo.] 



hoe "ny Efitr' iSora" (Gen. xvi. 7), ary atao 
hoe koa "ny Efitr' iEtama" izy (Nom. 
xxxiii. 8 ; Eks. xv. 22). Nalaky nahita 
fahoriana izy, fa tsy nisy rano hosotroiny, fa 
maina ny tany. Nandeha hateloana izy vao 
tonga tany Mara, fa mangidy ny rano teo ; ny 
loharano izay atao ankehitriny hoe Jfawarah 
(Fandringanana) no izy, fa sady masirasira 
no mangidy ny rano no. Elima, izay nale- 
han' ny Zanak' Isiraely manaraka izany, dia 
nahafinaritra azy, fa maro ny loharano teo, 
ary betsaka ny hazo palma (Eks xv. 27). 
Ny lohasaha atao hoe Ghurundel angamba 
no Elima. 

Hatrany Elima ny olona nanamorona ny 
ranomasina, fa rehefa niala tany izy ka 
nianatsimo kely, dia nivily niantsinanana 
kosa. Fa nan akaiky ny ranomasina indray 
izy tany atsimo, ka tonga tao amin' ny 
"Efitr' iSina," izay nitobiany (Nom. xxxiii. 
11) ; ary iray volana ny andro nalehany 
hatrany Ramesesa vao tonga tany izy. Tany 
Sina dia lany ny hanina n en tin' ny olona 
avy tany Egypta, dia nomen' Andriamanitra 
papelika hanavoky azy ; ary tao koa no vao 
nomeny ny mana, izay ho tena fihinany 
mandra-pahatongany amin' ny Tany Kanana 
(Eks. xvi.). Tsy hita marina ny lalana 
nalehan' ny Zanak' Isiraely rehefa niala 
tany Sina izy; fa hoe ny teny: "nifindra 
niala tamin' ny efitr' i Sina izy ka nitoby 
tao Refidiraa" (Eks. xvii. 1). Ao amin' ny 
bokin' ny Nomery (xxxiii. 12, 13) nolazaina 
ho nitoby tany Dopka sy Alosy, fa tsy 
fantatra izay nitoeran' izy roa. Raha toy 
ny hevitry ny ankamaroan' ny mpande- 
handeha izay efa nandinika tsara nv toctry 
ny tany, Refidima dia tao amin' ilay lohasaha 
atao hoe ankehitriny Wady esh-Skeikh t ary 
tsy lavitra an' i Sinay izy. Ary ny lalana 
nalehan' ny Zanak' isiraely hahatongavany 
any dia tao amin' ny lohasaha lalina ao 
ampovoan' ny tendrombohitra avo sy han- 
tsankantsana, ary Wady Feiran no anaran' ny 
lohasaha tokony ho nalehany. 

Tany Refidima tsy nisy rano hosotroin' 
ny olona, ary teo no nanomezan' Andriama- 
nitra azy rano avy tamin' ny vatolampy 
(Eks. xvii. 1-6). Ary nony vao tonga tany 
Refidima, dia notoherin' ny AmaleRita ny 
Zanak' Isiraely ; fa tamin' ny ampitson' iny 
dia voalahatra ny miaramilany voafehin' 
i Josoa, ka dia rosy tokoa ny Amalekita (Eks. 
xvii. 9). Rehefa niala tanv Refidima ny 
olona, dia nitoby teo tandrifin' i Sinay, ao 
amin' ny lohasaha atao hoe Rahah (Fitsaha- 
rana), dia volana iray sy tapany hatramin' 
ny nialany tany Egypta. Ary teo — tafasn- 
raka tamin' izao tontolo izao, tao ampovoan' 
ny tendrombohitra sady avo no mahata- 
lanjona, dia ny tempoly tsy nataon-tanan' 
olona— teo no nahitan' ny taranak' i Abra- 



Digitized by 



Google 



EFI 

hama sy Isaka ary Jakoba, dia ny firenena 
voafidy, ny voninahitr' iJehova, dia ny 
aizina sy ny afo mandevona ary ny helatra 
tao an- tampon* ny tendrombohitra ; ary teo 
no nandrenesany ny kotrokorana sy ny feon' 
ny trompetra nihamafy dia mafy ; ary teo 
no nahazoany ny Lalana, dia ny Didy Folo 
noiazaia' ny vavan' i Jehova. (Eks. xix., 
xx.) Nijanona herintaona latsaka kely tany 
Sinay ny Zanak' Isiraeiy, ary teo no nampia- 
naran' Andriamanitra an' i Mosesy ny lalana 
maro hafa koa sy ny fombam-pivavahana, 
sy ny hanaovany ny Tabernakely sy ny 
Fiaran' ny fanekcna ary ny fanaka masina 
rehetra. (Eks. xxi.— xxxv.) Tany Sinay 
koa no nanaovana izany rehetra izany araka 
ny marika efa nomeua tamin' i Mosesy (Eks. 
xxxiv.— xl.). Ary tany koa no nitandre- 
man' ny olona ny Paska faharoa (Nom. ix. 
6). Fa tany Sinay kosa no nanaovany ny 
ombilahy keiy volamena, ary manaraka 
izany no namalian' iJohova azy noho ny 
fahotany sahisahy. (Eks. xxxii.) 

(iii.) Hatrany Sinay ka hatrany Kadesy. 
"Tamin' ny andro faharoa-polo tamin' ny 
volana faharoa, tamin' ny taona faharoa, dia 
niainga tany tin-efitr' i Sinay ny Zanak' Isi- 
raeiy" (Nom. x. 11, 12). Voalahatra tsara 
ny nandehanany tamin' izay, ary ny Taber- 
nakely sy ny fanaka masina dia nentin' 
ny Levita. Fa sarotra hiany ny milaza 
marina izay lalana nalehan' ny olona tanela- 
nelan* i Sinay sy Kadesy, satria na dia misy 
fitoerana Jito ambin ny folv aza lazaina ho 
nijanonany vao tonga tany Kadesy izy (zahao 
Nom. xxxiii. 16, 36), tsy fantatra akory 
izay nitoeran' ny ankabiazan' ireo. Ary 
koa, tonga tany Kadesy indroa izy. Rehefa 
mala tany Sinay izy dia nandeha hateloana 
ka nitoby tany an-efitra Parana (Nom. x. 
12), tao amin'ny fitoerana izay natao hoe 
Tabera teo aoriana (v. 33 ; xi. 3). Tany no 
nimonomononan' ny Zanak' Isiraeiy, ary dia 
nampijalin' Andriamanitra izy, fa nisy afo 
niseho ka nandoro ny sasany ; dia natao hoe 
Tabera (Fandoroana) izany (Nom. xi. 1-4). 
Nefa koa, nanota indray ny olona, fa fatra- 
paniry hena hohaniny izy ; dia nomen' 
Andriamanitra izany koa, nefa nisy a re tin a 
mafy namely azy, ary betsaka no maty 
tamin* izay. Ary ny anaran' izany fitoerana 
izany dia natao hoe koa Kibrota-hatava 
(Fasam-paniriana), dia ny fasan' izay olona 
liana (Nom. xi. 31-34). 

Hazerota no nalehan y manaraka izany, 
ary angamba tsy lavitra an' i Tabera izy 
(Nom. xi. 35; xxx. 17). Tany Hazerota 
Miriama sy Arona nanome tsiny an' i Mosesy 
noho ny vady efa nampakariny ; ary tany koa 
Miriama dia boka andro vitsivitsy noho ny 
hadalany (xii. 1-15). Toa tsy lavitra tamin' 
ny ranomasina (dia ny Golf an' i Akaba) 
Hazerota, ary angamba tao amorony no 
nalehan* ny Zanak' Isiraeiy nianavaratra. 
Fa ny fitoerana maro lazain' ny Nom. xxxiii. 



134 EFI 

tsy fantatra akory, afa-tsy Ezion-gebera, ao 
amin' ny lohan' ny Golf an' i Akaba. Toa 
nandalo an* i Ezion-gebera izy, dia nianava- 
ratra ka nandroso tao amin' ny lohasaha 
lehibe atao hoe Arabah ; dia nianatsimo izy 
ka nankany Ezion-gebera, ary dia nianava- 
ratra indray izy ka nankany Kadesy. 

Manaraka an' i Sinay, Kadesy toa malaza 
indrindra tamin' ny tany na tanana rehetra 
nalehan' ny Zanak' Isiraeiy. Toa fitoerana 
masina ela talohan' izany andro izany izy 
(fa 'masina' no dikan' ny teny hoe 'Kadesy') ; 
ary tany Kadesy no nampijalin' Andriama- 
nitra azy noho ny tsi-finoany, fa nasainy 
hiverina ary hirenireny valo amby telo-polo 
taona izy, mandra-pahafatin' ny olona va- 
venty rehetra izay nivoaka avy tany Egypta 
(Nom. xiii., xiv.). Tany koa no nikomian' 
i Kora sy Datana ary Abirama ; fa naringana 
kosa izy sy ny rapianakaviny tamin' ny 
tany nisokatra ka nitelina azy velona (Nom. 
xvi.). 

Ny amin' ireo valo amby telo-polo taona 
izay nandehandehanan' ny Zanak' Isiraeiy 
manaraka izany, dia tsy misy teny milaza 
izay nan jo azy, na izay nalehany, afa-tsy 
ilay amin' ny Nom. xxxiii. Ny anaran' ny 
tany hiany, dia ny hoe Et-Tih, toa vavo- 
lombelona sady f ahatsiarovana izany. Ary tsy 
misy teny milaza ny Zanak* Isiraeiy indray 
raha tsy tapitra ny fotoana, ary ny taranaka 
faharoa, izay mbola notarihin'- i Mosesy sy 
Arona hiany, niseho tany Kadesy. 

Toa nitoby eiaela hiany tany Kadesy 
tamin' izay izy. Tany Kadesy maty Miria- 
ma ka nalevina tany (Nom. xx. 1); ary 
tany Kadesy koa dia nomen' Andriamanitra 
fanindroany rano velona betsaka avy tamin' 
ny vatolampy (xx. 11); ary tany Kadesy 
koa no nirahina ny iraka ho solo-vavan' ny 
firenena tamin' ny mpanjakan' i Edoma, ka 
nangata-dalana hamaky ny taniny, hanka- 
ncsany amin' ny Tany Kanana. Nefa nanda 
mihitsy ny mpanjaka ka nandrahona azy 
aza (Nom. xx. 14). 

(iv.) Hatrany Kadesy ka hatramin 1 ny tany 
lemaka any Moaba. Kehefa niala tany 
Kadesy ny Zanak* Isiraeiy, dia namaky 
ny Arabah nianatsimo-niantsinanana izy, ka 
nitoby tao amin* ny sisin-tanin* i Edoma, 
tao am-bodin* ny tendrombchitra Hora. 
Ary raha mbola nitoetra tao izy, dia maty 
Arona mpisoronabe ka niala aina teo an- 
tampon* ny tendrombohitra, ary Eleazara 
zanany nandimby azy (Nom. xx. 22-28 ; 
xxxiii. 38). Ary angamba misy manontany 
hoe : Nahoana no tsy niakatra hiditra tao 
amin* ny Tany Kanana tamin* izay ny Zanak' 
Isiraeiy ? fa efa tonga tamin* ny tany izay 
nandictian' Andriamanitra hiakaran' ny rainy 
valo amby telo-polo taona talohan' izany 
izy. Izao angamba no tsy nidirany avy 
tany atsimo, satria efa voaomana hanohitra 
azy ny Kananita tamin' izay ; fa hitanteika 
fa Arada, mpanjakan' ny Kananita, nivoaka 



Digitized by 



Google 



EFI 135 

kisny ka niady tamin' ny Zanak' Isiraely, 
aefa resiny kosa teo aoriana izy (Nona. xxi. 
1-3; xxxiii. 40). 

Dia nandroao nianatsimo indray ny olona ; 
try rehefa tafavoaka tamin' ny lohasaha 
lehibe, dia ny Arab ah, izy, dia nandalo an' 
iBzkm-gebera indray (Norn. xxi. 4 ; Deo. ii. 
ly, dia niantsinanana, dia nanodidina ny 
asm-tsnin' iEdoma atsimo, dia niditra tao 
imin' ny efitra lehibe any Arabia, ary dia 
nianavaratra hatramin' ny tany lemaka any 
Moaba, tao atsinanan' iJordana. Fa na 
dia tay naharitra ela aza tao amin' izany 
entra any Arabia izany izy, mafy hiany izay 
Biaretanv, dia hetaheta sy hasasarana, ka 
dim reraka loatra ny olona. Fa nimonjo- 
moojo koa izy ka nanome tsiny an' Andria- 
manitra, ary nanaratsy an' iMosesy: koa 
unin' izany, dia nisy bibilava mahafaty 
betaaka navelan' Andnamanitra hiakatra ao 
unin* ny toby, ary maro ny olona maty 
tamin* izany. Nefa kosa, nony nibebaka izy, 
i Mosesy no nasain' Andriamanitra hanao 
njim- bibilava Tarahina hijeren' ny olona efa 
roakaikitra ; koa izay nijery azy dia aitrana 
(Nom. xxi. 1-9). 

Dia tonga tao amin' ny sisin-tanin' i Moaba 
ay Zanak' Isiraely ka nitoby tao amin' ny 
tany lemaka. Teo anelanelan' izy sy ny Tany 
Kanana, tao an-dafin' iJordana, dia niay 
tany izay f onenan' ny Araorita ; dia nnngata- 
dalana izy, fa nanda kosa i Sihona, mpanja- 
kan f ny Amorita, ka nivoaka hiady amin' ny 
okm' Andriamanitra. Fa resy teo anatre- 
han' ny Isiraely Sihona sy ny olony, ka laaan' 
ny Isiraely ny taniny, dia tany be ahitra sy 
tsara indrindra. Manaraka izany indray. 
Oga, mpanjakan' i Basana, nanohitra azy, fa 
izy koa dia resin' ny Z*tnak' Isiraely, ka dia 
laaan' ny Isiraely ny taniny. Dia ny firenen' 
iReobena sy Gada ary ny antaasaky ny 
Manase nangataka ary nanazo izany tany 
ao atainanan' iJordana izany ho anjara- 
taniny. 

Raha mbola nitoby tao amin' ny tany 
lemaka ny Zanak' Isiraely, dia taitra ny 
fan' iBaLaka, mpanjakan' i Moaba, nony 
httany ny hamaroany sy ny nandreseny ny 
fahayalany. Dia nampaka an' i Balama 
npanunany aandoka hanozona azy izy, fa 
Balama kosa no nasain' i Jehova hilaza ny 
kitamany ny olony (Nom. xxii. — xxi v.) ; dia 
nanome hentra ny Moabita sy ny Midiani- 
ta hametraka fahatafintohinana eo anoloan' 
ny Zanak' Isiraely izy. Ary tanteraka 
many ny hevi-dratsy nomen' i Balama, koa 
betaaka dia betaaka ny olona matin' ny 
arettn-dratsy sy ny sabatra. Fa ny Mi- 
dianita koa no naringana, araka ny didin' 
i Jehova ; ary Balama dia maty tamin' ny 
ady (Nom. xxxi. 16 ; xxy., xxxi.). [ba- 
laxa; bujlxa.] 

Efa nadiya no tapitra ny efa-polo taona 
tamin' izay. Efa nilaozana ny entra lehibe 
ay mahatahotra ; ary teo anatrehan' ny 



EFR 

Zanak' Isiraely ny 'Tany Fikasana.' Mo- 
sesy no nasain' Andriamanitra hanisa ny 
olona, ary 601,730 no is an' ny lehilahy izay 
raihoatra noho ny roa-polo taona; ary 
angamba telo lahy hiany tamin' ireo no 
nisaina tany Sinay sivy am by telo -polo taona 
tany aloha (Nom. xxvi. 63-65), dia Mose9y 
sy Josoa ary Kaleba. 

Ary Mosesy, izay efa- nitarika ny olon' 
Isiraely efa-polo taona, dia nananatra azy 
sy nanambara indray ny Lalan' i Jehova, ary 
nihira ny fibirany farany milaza ny fifaliany 
sy ny fisaorany an' i Jehova ; dia nanao 
veloma tamin' ny olona sy nitso-drano azy 
izy; dia niakatra tao an -tampon' iNebo 
mba hiala aina [mosesy]. Izy efa nitarika 
ny Zanak' Isiraely tany an -efitra, ary rehefa 
maty izy, dia tapitra ny f andehandehany tany. 

Ny sarin tany tokony hozahana sy hodini- 
hina tsara raha ity teny mialoha ity no 
v akin a. — j.s. 

EFODA: dia isan* ny akanjo na fomba 
fitafiana masina izay nasain' Andriamanitra 
hotafin' ny mpisoronabe (Eks. xxviii. 4). 
Tamin' ny voalohany ny mpisoronabe hiany 
no nitafy ny efoda, fa teo aoriana kosa dia 
fanaon' ny mpisorona rehetra (1 Sam. xxii. 
18), ka dia tonga famantaran' ny raharahan' 
ny fisoronana izy. Koa satria ny efoda dia 
fonony nafehin' ny saron-tratra nentin' ny 
mpisoronabe teny an-tratrany, dia tonga 
fanao koa ny mitnfy azy tamin' ny fomba 
fanompoan-tsampy izay niseho tamin' ny 
andron' ny Mpitsara (Mpit. viii. 27 ; xvii. 5 ; 
xviii. 14). — e.h.s. 

EFEAIMA ( Vokatra be) : dia zanakalahy 
faharoan' iJosefa, izay nateraky Asenata, 
zanakavavin' i Poti-fera, ho azy tany Egypta. 
Ny an ton' ny nanomezana azy ny anarana 
hoe Efraima dia ny nihamaroan' ny ankoho- 
nan' i Josefa ; kanefa angamba ny toetry ny 
taona nahaterahan' i Efraima no nanampy 
izany, satria teraka tamin' ny taon-jma 
fito izy (Gen. xli. 50-52). Manase no zokiny 
niray tam-po taminy, kanefa raha nitso- 
drano azy roa lahy Jakoba, ny tanany an- 
kavanany no nataony teo ambonin' ny lohau' 
i Efraima, ho faminaniana fa hanam-bonina- 
hitra mihoatra noho ny an' i Manase izy 
(xlviii. 20) ; kanefa tsy ny tenany no nahazo 
izany, fa ny taranany tamin' ny andro aoriana 
ela. Tokony ho roa-polo taona, na mahery 
aza, ny andron' i Efraima tamin' izay, satria 
tokony ho dimy taona izy tamin' i Jakoba 
nidina nankany Egypta, satria teraka fony 
tsy mbola tonga ny taona mosarena izy (xli. 
60) ; ary Jakoba nankany Egypta raha tsy 
mbola tapitra ireo taona ireo, ary naharitra 
fito amby ny folo taona vao maty izy (xlvii. 
28). Ary ny fito ambin' ny folo taona, 
ampian' ny taon-jina saaany sy ny taona 
mosarena rehetra, dia tokony ho mihoatra 
noho ny roa-polo taona. Tamin' ny andro 
nahafatesan' i Josefa, rain' i Efraima, nisy 
zafiafiny (1. 23). 



Digitized by 



Google 



EFR 

Ny tso-drano nolazain 
i Efraima dia faminanian 



iJakoba raiben' 



y hamaroan' ny 
taranany sy ny voninahitra ho azony amin' 
ny andro aoriana ; fa hoy Jakoba : 

"An dri amain tra ame hitahy ireto zaza 

ire to; 
Ary aoka ny anarako sy ny anarany 
Abrahama sy Isaka raiko no hanono- 
nana azy ; 
Ary hitombo maro dia maro eo amin' 

ny tany anio izy." 
Ary koa: "Hianao no hitsofan' ny 

Isiraely rano hoe : 
'Hataon' Andriamanitra anie ho tahaka 
an' i Efraima sy ho tahaka an' i Ma- 
nase hianao.' 
Ary Efraima dia nataony ho alohan' 
iManaso" (Gen. xlviii. 16, 20). 

Koa rehefa niala tany Egypta ny Zanak' 
Isiraely, ny isan' ny firenen i Efraima dia 
40, 500 ; fa nihona kosa izy tamin' ny efa- 
polo taona tany an-efitra, ary nony voaisa 
indray ny olona talohan' ny nidirany tany 
Kanana, dia 32, 500 hiany ny isan' ny 
taranak' i Efraima; zahao Nom. i. sy 
xx vi. 

Firenena niavonavona sy mora sosotra ny 
Efraima, ary nalaky nimonjomonjo tamin' 
ny sasany izy raha nisy zavatra natao ka 
tsy nierana taminy, hahazoany ny voninahi- 
tra ; zahao Mpt. viii. 1 ; xii. 1 ; 2 Sam. xix. 
41-43. Kanefa indraindray dia nandrara 
ny tsy mety nataon' ny sasany izy, ary 
nanisy soa ny mahantra koa (2 Tant. xxviii. 
9-15). Nifampialona fatratra Efraima sy 
ny firenen' ny Joda teo atsimony, kanefa 
nanaiky tsar a any Davida ho mpanjaka 
noho ny fahaizanv sy ny heriny izy (1 Tant. 
xii. 30), na dia nihena ny voninahitr' i Seke- 
ma sy Sioa aza tamin' ny nananganan' 
i Davida an' i Jerosalema ho renivohitra. Fa 
na dia izany aza, nikotrana izy tamin' 
ny nanjakan' iSolomona, ary Jeroboama 
Efraimita notadiavin' i Solomona hovonoina 
(1 Mpan. xi. 26-40); ary rehefa niseho ny 
hadalan' i Rehoboama, zanak' iSolomona, 
ka nisaraka ho fanjakan a roa ny Zanak' 
Isiraely, Jeroboama no mpanjaka voalohany 
tamin' ny fanjakan' ny Isiraely, ary nano- 
rina an' i Sekema tany an-tendrombohitr' 
i Efraima ho renivohiny (1 Mpan. xii. 
25). 

Ary taorian' izany ny tantaran' ny firenen' 
i Efraima dia sahala amin' ny tantaran' ny 
fanjakan' ny Isiraely [isiraely], satria tsy 
nanan-kery loatra ny firenena ao avaratr' 
i Efiaima ary tsy naharesy ny tompon-tany 
taloha. Ary matetika ny hoe Efraima tonga 
anarana sol on' ny hoe Isiraely ao amin' ny 
Soratra Masina; zahao Isa. vii. 9 ; xi. 13; 
ary ny teny betsaka ao amin' ny bokin' 
iHosea. 

Ny zara-tanin' ny Efraima dia tao am* 
povoan' ny Tany Masina mi hi tsy, ary isan' 
ny tany tsara sy mahavokatra indrindra 



M« EFR 

any Palestina. Nv faritry ny taniny dia 
ny Ranomasina Mediteraneana tao andre- 
fany, sy ny ony Jordana tao atsinanany ; 
tany avarany ny anjara-tanin' ny Manase, 
ary tany atsimony ny anjaran' ny Benjamina 
sy Dana (Jos. xvi. 5 ; xvii. 7). Zahao koa 
ny tso-drano nolazain' i Jakoba milaza ny 
fitahiana ho azon' i Josefa sy ny taranany 
(Gen. xlix. 25). Ny tany izay anjaran' 
i Efraima sy Manase dia natao hoe Samaria 
tamin' ny andro manaraka rehefa notapahin' 
ny Romana ny Tany Masina. Fizaran-tany 
malaza izany satria (1) lalambe falehan' ny 
rapandehandeha hatramy ny atsimo ka 
hatramy ny avaratra, ary hatramy ny 
andrefana ka hatramy ny atsinanana, ary 
mandrakariva nisy olona betsaka namaky 
azy. (2) Teo koa ny tany Sekema sy ny 
fantsakan' i Jakoba ; teo koa ny tendrombo- 
hitra malaza roa atao hoe Ebala sy Gerizima ; 
teo koa ny tan an a Silo, izay niangonan' ny 
ioholona raha nizara ny Tany Masina izy, 
sady nitoeran' ny Fiara hatramy ny andron' 
iJosoa ka hatramy ny andron' iEly; ary 
teo koa ny fasan' i Josoa izay nohajain' ny 
Isiraely rehetra. 

Ny lehilahy malaza avy tamin' ny firenen' 
i Efraima, izay nitarika azy ho lehibe sy 
hanam-boninahitra dia Josoa, zanak' i Nona 
(1 Tant. vii. 27), dia lehilahy nofidin* 
Andriamanitra hitarika ny Zanak' Isiraely 
tamin' ny ady (Eks. xvii. 9) sy hanapaka 
azy (Eks. x*xii. 17). Izy koa dia isan* ny 
roa amby ny folo lahy nirahina hisafo ny 
tany Kanana (Nom. xiii. 17; xiv. £), sady 
tonga mpandimby an' i Mosesy izy ary 
nampiditra ny Zanak' Isiraely tany Kanana 
(Jos. i. 2). [J080A.]— J.W. 

EFRAIMA (ala) : ny alan' i Efraima izay 
nahafatesany Absaloma (2 Sam. xviii. 6-8), 
dia tany atsinanan' i Jordana, ary tsy lavitra 
any Mahanaima. Tsy hit a izay nahazoany 
ny anaran' ny firenena izay anjara-taniny 
dia tany an-dafin' ny ony. Raha toy ny 
hevitry ny sasany, ny namonoana ny olon' 
i Efraima betsaka tao anatin' io ala io tamin' 
ny andron' i Jefta mpitaara no nanomezana 
azy ny anarany (Mpit. xii. 4-6) ; fa hoy ny 
sasany kosa fa tany no nitondrany ny olon' 
i Efraima ny ondry aman' osiny hahazoany 
ahitra, satria io alan' i Efraima io dia 
tandrifin' ny anjara-taniny tao an-dafin' ny 
ony, ka dia natao hoe 'alan' i Efraima' 
izy. — j.s. 

EFRAIMA (tanana) : dia tanana tany an- 
efitr' i Joda, izay nieren' i Jesosy nony niseho 
ny fanenjehana manaraka ny nananganany 
an' iLazarosy tamin' ny maty (Jao. xi. 54). 
Ity angamba dia ilay tanana Efraima lazaina 
eo amy ny 2 Tant. xiii. 9 miaraka amin' 
i Betela ; ary sahala koa amin' i Ofra (Jos. 
xviii. 23). Taiijibeh no anarany ankehitriny, 
dia tanana ao an -tampon' ny tendrombohitra 
avoavo, tokony ho telo amby ny folo maily 
any avaratr' i Jerosalema. — J.s. 



Digitized by 



Google 



EGL w 

XFEAIMA (tendrombohi- 

tra): dia anaran' ny te- 
ndrombobitra na havoana 
maro, ao aniin' ny anjara- 
t*nin' ny Efraitna ay Be- 
Ejamina (Jos. xvii. 15 ; 
iii. 50 ; xx. 7 ; Mpit. vii. 
24 ; xvii. 1 ; 1 Sam. ix. 
4; lMpan. iy. 8). Tamin' 
ny andron' iJosoa dia be 
tla ireo havoana ireo (Jos. 
xriL 18), fa vitsy foana 
dt hazo mnniry ao anke- 
hitriny. Lazaina miaraka 
&min' i Basana ny Tendro- 
mbohitra Efraima ho tany 
be ahitra (Jer. i. 19), dia 
ny lohaaaha maroraaro ao 
an-elanelan' ny havoana ; 
ary mbola tahaka izany hia- 
ny ny toetrany mandraka 
ankehitriny. — J.8. 

EFRATA : dia anaran a 
nahafantarana an' i Be- 
tlehema taloha indrindra 
(Gen. xxxv. 16 ; xlvii. J). 
Ary raha ny teny ao am in' 
ny Rota i. 2 no dinihina, 
toa anaran -tany koa Efrata, 
ary Betlehema no renivo- 
hiny. Zahao koa Mika v. 2, 
ampitahaina amin' ny Mat. ii. 6. Ny anarany 
diatokony ho nalaina tamin' ny fahavoka- 
ran' ny tany manodidina an' i Betlehema, fa 
be tanimboaloboka sy oliva ny ilan' ny 
havoana, ary be tanimbary ny lohaaaha ; fa 
'fahavokarana' no hevitry ny hoe Efrata. 

Efrata : vadin' i Kaleba, zanaky Hezrona 
sy renin' i Hora, ary reniben' i Kaleba mpi- 
aafotany (1 Tant. xiii. 19, 60).— j.b. 

KFK0HA: zanak' iZohara, ilay Hitita 
izay nanao varo-maty ny sahany sy ny 
zoby tao Makpela tamin' iAbrahama ho 
fandevenana (Gen. xxiii. 8). 

Efrona: dia anaran' ny tendrombohitra 
koa, izay natao faritry ny tany anjaran' ny 
taranak' i Joda (Jos. xv. 9). — P.O. p. 

EGLOHA: mpanjakan' ny Moaba ananki- 
ray, izay nampian' ny taranak' i Amaleka sy 
Amona, ary dia nandresy ny Zanak' Isiraely 
izay nonina tany atsinanan' iJordana, sy 
tany ataimo-andrefan' ny ony. Jeriko no 
nataony ho f onenany ; ary nampanompo ny 
Zanak' Isiraely valo ambin' ny folotaona izy. 
Rehefa af aka izany, dia novonoin' i Ehoda izy 
(b.c. 1428), ary dia afaka ny olona tamin' 
ny herin* ny Moabita (Mpit. iii. 12-30). 
Zahao ehoda. 

Eglona: dia isan' ny tan an an' ny Kana- 
nita. Ny mponina tao dia niaraka tamin' 
ny toxnpon-tany namany hanohitra ny olona 
tao Gibeona, izay efa nanao fanekem-pihava- 
nana tamin' ny Zanak' Isiraely (Jos. x. 3). 
Tao amin' ny tany lemaka amoron-dranoma- 
sina any ataimo no niorenan' ny tan ana (xv. 



EGY 



Ttmpolin-tsampy anankiray any Egypta. 

33, 39) ; ary rehefa resin' i Josoa ny mpa- 
njaka dimy, dia lasany koa Lakisy sy Eglona 
ary ny tan ana hafa koa nifanakaiky taminy 
(x. 34). Tsy misy tanana intsony any, fa 
bonga hiany sisa no ao amin' izay niorenany, 
ary atao hoe Ajlan no anarany ankehitriny. — 
J.s. 

EGOZA : teny Hebreo ity ary milaza hazo 
anankiray izay mafy hodi-boa, nefa mamy ny 
ao anatiny (Ton-K. vi. 11). Raha tahaka ny 
hevitry ny botanista, ny hazo atao hoe Walnut- 
tree amin' ny teny Englisy no izy. — J.s. 

EGYPTA : dia anaran' ny tany ao amin' 
ny sisin' i Afrika avaratr' atsinanana, izay 
lazaina matetika ao amin' ny Soratra Masina, 
fa indrindra ao amin' ny Test. Tal. Afa-tsy 
ny Tany Masina hiany tsy misy tany izay 
tantarany sy ny toetrany ary ny fombany 
tokony ho fantatry ny Rristiana tsara 
tahaka an' i Egypta. Fa tany no naleban' 
i Abrahama, razamben' ny firenena voafidy ; 
Egypta no nitondrana an' i Josef a ho andevo, 
kanefa teo aoriana, tany izy no nasandratra 
ho mpanapaka f ah area ; Egypta no nalehan' 
i Jakoba rainy mbamin' ny ankohonany, 
ary tany no nonenan' ny taranany efa-jato 
taona ; tany Egypta ny Zanak' Isiraely 
niaritra fahoriana mafy, kanefa tany no 
nasehon' i Jehova ny heriny ka novonjeny ny 
olony tamin' ny fahavalony. Ary teo ao- 
rianu in dray, rehefa tonga firenena sy fanja- 
kana ny Zanak' Isiraely, ny mpanjakan' 
i Egypta nihavana indraindray tamin' ny 
mpanjakan' ny Jiosy, ary indraindray niady 



Digitized by 



Google 



EGY 

taminy kosa. Ary raaro ny teny famina- 
niana milaza ny handringanana ny olon' 
i Egypta sy ny hanetrcna ny fanjakuny. 
Ary tato aoriana indray, Egypla no nando- 
siran* i Josefa sy Maria Virijina ay Jesosy 
Zaza noho ny nahatahorany an' i Heroda ; 
koa Egypta efa noharaasinin* ny Zanak' 
Andriamanitra, fa Izy nischo teo amin* 
ny nofo andro sasany. Ary fanampin* 
izany rehetra izuny, Egypta dia nalaza 
indrindra noho ny fahaizan* ny olona 
torapon-tany sy ny fahendreny tamin' ny 
andro taloha, ary noho ny tempolin* ny 
sainpy sy ny fasana sy ny pyramid*, ary 
ny zavatra raaro hafa koa izay efa vita 4000 
taona izay, nefa mbola raaharitra tsy simba 
loatra ny ankabiazany mandraka ankehitriny . 
Ny toetry ny tany Egypta koa manavaka 
azy amin* ny tany hafa rehetra ao amin' 
izao tontolo izao : fa tany saiky tsy misy 
ranonorana izy, nefa efa tany mahavokatra 
indrindra hatramin' ny voalohany. Koa noho 
izany, dia holazaina etoana ny zavatra maro 
izay fantatra ny amin' io tany io. 

1 . — Ny Anaran 1 ny tany. Ao amin' ny Test. 
Tal., 'Mizraima' no anaran' ny tany Egypta, 
ary satria teny dual (milaza roa) io, angamba 
ny fizaran' ny tany ho Egypta Ambony, 
dia ny any atsirao, sy Egypta Ambany, dia 
ny tany telo-zoro amoron' ny ranomasina, no 
lazain' ity anarany ity. Ao amin* ny Gen. 
x. 6, Mizraima no lazaina ho isan' ny zanak' 
i Hama, ary ao amin' ny Sal. cv. 24, Egypta 
no atao hoe "ny tanin' iHama." Ny teny 
nilazan' ny Egyptiana ny taniny fahiny dia 
Kern, ary ny hevitr' izuny teny izany dia 
*mena antitra.' Mitovitovy amin* izany koa 
ny anarana ahafantaran' ny Arabo azy anke- 
hitriny, dia Mist, fa ny hevitr* izany dia 'tany 
(na f otaka) mena. ' * 'Patrosa' ' koa dia anaran' 
ny fizaran-tany anankiray tany Egypta (Jer. 
xliv. 15) ; ary "Rahaba" koa no teny milaza 
any Egypta (Sal. lxxxvii. 4 ; lxxxix. 10). 

2. — Ny Fizaran 1 ny (any, sy ny Halehibeny. 
Egypta dia zaraina ho roa toko lehibe : dia 
(a) Egypta Ambony, izay lohasaha lava 
indrindra, fa ety, ao an-dany roan* ny ony 
Neila, dia hatrany Kairo renivohitra any 
avaratra, ka hatramin' ny Riambato Voalo- 
hany any atsimo, dia tokony ho 500 maily ny 
halavany ; fa tsy mihoatra noho roa ambin' 
ny folo maily ny halehibeny, ary matetika 
dia latsaka noho izany aza. Ary (b) Egypta 
Ambany, izay atao hoe koa ny Delta, satria 
telo-zoro izy, dia ny tany lemaka hatrany 
Kairo ka batramin' ny Ranomasina Medi- 
teraneana. Any Kairo dia misampana maro 
ny Neila, ary betsaka ny sakeli-dranony sy 
ny lahin-dranony izay mandena sy mampa- 
havokatra an* i Egypta Ambany. Ny hala- 
van' ny ilany telo amin* ny Delta dia tokony 
ho 120 maily avy. Tany aloha nisy 9582 
maily sokera any Egypta izay noleman' ny 
Neila, fa ny fahatelon' izany tsy ambolena 
ankehitriny. 



188 EGY 

3. — Ny Toetry ny tany, sy ny Ony Neila. 
Tany mahavokatra indrindra ny Delta, fa 
lemaka avokoa ; ary iva hiany ny bonga izay 
niorenan' ny tanana tany aloha; misy hazo 
palma (Date palm) maromaro any, fa vitsy ny 
hazo hafa. Tany aloha dia nolemana avokoa 
ny tany (Gen. xiii. 10), fa efa voatainpina ny 
lalan-drano sasany ; ary ny zozoro, izay 
naniry be dia be fahiny, dia tsy hita akory 
ankehitriny izao. Ny climate (na ny toetry ny 
andrj, dia ny h itsiaka sy ny hafanana, etc.), 
na dia mafana aza, tsy miova loatra raandri- 
tra ny taona, ary mahasalama ny tompon- 
tany. Fa izay maha-stmy hafa an' i Egypta 
sy ny tany hafa rehetra indrindra dia izao : 
fa na dia tany m ihavokatra tokoa aza izy, 
tsy misy ranonorana any afa-tsy ao amoron* 
ny ranomasina hiany. Any Thebes any atsi- 
mo, misy ranonorana sy kotrokorana indray 
mandeha inonja hiany amin' ny efa- taona. 
Ary ny mahatonga izany tsi-fisian-dranono- 
rana any Egypta izany dia an gam b a satria 
elanelan' ny tany mafana sy efitra malalaka 
roa izy, dia Arabia any atsinanany, ary ny 
efitr* i Libya any andrefan' i Af rika. Fa 
ny fahavokaran' ny tany dia avy amin* ny 
ony Neila ; fa zanaky ny Neila mihitsy 
Egypta, fa ny tany lonaka rehetra izay any 
dia avy amin' ny ony hatr' izay ela izay, 
ka dia voasaron' ny dilatra ny fasika izay 
ao ambany. Fa isan-taona dia tondraka ny 
ony ka manafotra ny tanimbary any Egypta ; 
ary ny dilatra entin* ny rano dia manjary 
tany lonaka izay mahatsara ny tanimbary sy 
ny tanimboly, ka dia tsy asiana zezika na 
lavenona loatra izy, satria tsy ufaka loatra 
ny tsiron' ny tany fa havaozin' ny dilatra 
entin' ny ony isan-taona. Koa raha sendra 
tsy tondraka loatra ny rano, dia moaarena ny 
tany, fa tsy misy ranonorana. Nefa indrai- 
ndray foana hiany no misy toy izany, ary 
matetika raha mosarena ny tany hafa rehetra, 
dia nisy vary hiany tany Egypta (Gen. xlii. 
2) ; fa lavitra dia lavitra any ampovoan.' 
i Afrika ny ihavian' ny ranon' ny Neila, ka 
tsy mihena izy, na dia kely aza ny ranonorana 
any Eoropa sy Asia ary Afrika Avaratra. 
Zahao neila. Koa noho ny soa azo avy amin* 
ny ony, ny Neila dia nivavahan' ny Egyp- 
tiana tany aloha. Betsaka dia betsaka ny 
vary izay namidin* ny tompon-tany any 
Egypta tamin' ny hrenena hafa tamin' ny 
andro fahiny ; koa tamin 1 ny nanapahan' ny 
Romana any Egypta dia natao hoe **tranom- 
barin' izao tontolo izao" izy, ary maro ny 
sambo nitondra vary avy tany ho any Roma 
isan-taona ; zahao Gen. xli. 47-49, 67 ; Asa. 
xxvii. 6, 38. 

4.— Ny Fiasan-tany, sy ny Zava-tnaniry any 
Egypta. Ny fahavokaran* ny tany sy ny 
fahazotoan* ny mponina ao dia voalaza 
tsara ao amin' ny Baiboly sy ny boky 
maro, sady hita marimarina eo amin* ny sary 
mbola maharitra ao amin* ny trano vato 
maro any Egypta. Tany be olona indrindra 



Digitized by 



Google 



EGY wo 

izy talohan' ny andron' i Abrahama aza (b.o. 
2100) ; ary na dia vitsy ny mponina ao 
ankehitriny aza, ny nietren' ny tany dia avy 
amin* ny toetry ny fanjakana ao, fa tsy mba 
niova loutra ny hatsaran' ny tany. Ha- 
tramin' ny andron 1 i Abrahama aza Egypta 
dia nahazoan' ny firenena hafa vary raha 
moaarona ny taniny (Gen. xii. 10 ; xxvi. 1, 
2 ; xii. 54) ; ary amin' izao andro ankehi- 
triny izao aza raha tsara ny fomban' ny 
fanjakany, dia mahavokatra tahaka ny tamin' 
ny andro taloha hiany izy. Ny fomba samy 
hafa izay fanaon' ny Egyptiana tamin' ny 
niaaany ny tanimbary dia hita eo amin' ny 
aary voalaza too: dia ny fangalan-drano 
amin* ny gamela avy amin' ny ony handeha- 
nany amin' ny tatatra sy ny sakeli-drano ; 
sy ny mamaky loha, ny miasa tany, ny 
mamafy vary, ny mijinja vary, ny mively 
vary, ary ny mitaona azy any an-tsompi- 
tra. Ny hazo-voaloboka no nambolen' ny 
Egyptiana, ary betsaka ny hazo atao hoe 
bate-palm (hazo karazan' ny rofia sy ny 
Toanio, etc.), dia hazo be voa izay tsara fihi- 
nana. Any Egypta Ambany misy voasary sy 
laoranjy ary voaroy, ary ny voankazo izay 
be any dia date, voaloboka, aviavim-bazaha, 
voara, roasary, voasarimamy, ampongaben- 
danitra, pesy, oliva, voaroy, akondro, sy 
voantango samy hafa. Betsaka sady tsara 
indrindra ny anana maro karazana any 
Egypta, sady foto-kanin' ny olona irony, 
ary notaarovan' ny Zanak' Isiraely indrindra 
raha mbola tany an-ofitra izy, fa hoy izy : 
**Tsaroanay ny voan tango sy ny tongolo 
samy hafa karazana" (Nom. xi. 5) ; ny tsara - 
rnaso sy ny petipoa ary ny voatabia, mbamin' 
ny anana maro hafa koa no fihinan' ny Egyp- 
tiana; ary varimbazaha maro karazana sy 
ampemby, ary fary sy landihazo sy aika, 
sy taraotamo sy paraky ary rongony, etc., no 
rokatry ny tany. Tany aloha koa betsaka 
ny zozoro naniry tany Egypta, ka nanaovan' 
ny olona zahatra hitondrana entana, ary 
ny fanjozoro no nanaovany taratasy. Ny 
roniukazo dia l>etsaka sy maro samy hafa, fa 
ilay atao lotus (karazan' ny voahirana) no 
tian* ny olona indrindra fahiny, ary nataony 
haingony tamin' ny fanasana ; fa vitsy foaua 
ny lotus maniry any Egypta ankehitriny. 

•*. — Ny Biby hita any Egypta. Maro sady 
t*ara karazana ny omby any Egypta, ary ny 
ondry aman' osy koa. Tany aloha betsaka 
ny kisoa tany, fa tsy misy loatra ankehitriny. 
Tamin' ny andron' ny mpanjaka maro izay 
natao hoe Farao, betsaka sady tsara indrindra 
ny soavaly, ary nohafaran' ny firenena 
manodidina hitaingenan' ny miaramilany izy ; 
zaJaao 1 Mpan. x. 28. Maro koa ny boriky, 
ary xnandraka ankehitriny aza dia mbola 
tsara karazana izy. Tany aloha nisy alika 
maro izay tian' ny olona, ary ny saka 
dia nohajainy sy nivavahany aza. Betsaka 
koa ny rameva any Egypta (zahao Gen. 
xii. 16 ; Eks. ix. 3). Tany aloha nisy 



EGY 

hipopotamosy maro tao amin' ny Neila, 
ka nohazain ny olona; fa tsy hita intsony 
any Egypta izy, ary any Nobia aza, izay 
any atsimo lavitra, dia vitsy foana izao. 
Tsy dia maro na tsara tarehy loatra ny vorona 
any Egypta, nefa misy maro izay homana 
ny fatim-biby sy ny zavatra lo, tahaka ny 
papango sy ny voromahery, ary maro koa 
ny vanofotsy (ibis). Betsaka ny mamba any 
Egypta, koa amin' izany ny mpanjakany no 
nolazain' i Ezekiela hoe * 'mamba" na "dra- 
gona" (xxix. 3-5) ; betsaka koa ny sahona, 
ary maro ny bibilava sy ny mambambohitra. 
Tsara tokoa sady maro karazana ny haza- 
ndrano azo avy tamin' ny Neila (Nom. xi. 
5). Indraindray tonga be dia be ny valala ; 
ary izy, miaraka amin' ny lalitra sy ny hao 
ary ny bibikely samy hafa, dia mbola isan' ny 
'loza' man jo ny olona any Egypta . Misy bibi- 
kely tahaka ny voangory (scarabacus) izay no- 
he verin' ny olona ho masina sady nivavahany. 

6. — Ny Olona Tompon-tany tany Egypta 
fahiny. Na dia tany Afrika aza no fonenan' 
ny Egyptiana, tsy dia initovy firazanana 
amin' ny olona mainty izy, fa avy tamin' ny 
firenena fotsy hoditra any Eoropa sy Asia 
Andrefana. Mavomavo hoditra ny lehilahy, 
satria azon' ny hainandro ny ankabiazany, 
fa ny vehivavy ambonimbony dia fptsifotsy 
hiany. Nihety volon-doha izy, afa-tsy 
ny miaramila, ary nanao solovolo izy, 
dia ny volony hiany, izay nisy foto-bolo 
maro sady lava. Afa-tsy ny mpanjaka, ny 
volom-bavan' ny Egyptiana sy ny somony 
no nohetezany. Ny ntafian* ny olona dia 
tahaka ny zipo izay nahatratra ny tongo- 
ny, ary tambonin' io nisy lobaka nahatratra 
ny lohalika. Ny olon-dehibe sy ny manan- 
karena no nanao kapa, fa ny olona amba- 
nimbany kosa dia tsy nikiraro. Ny sarin' ny 
bibilava no famantarana ny fiandrianana, 
arj r nentin' ny mpanjaka teny an-dohany. 

Fatra-pitandrina ny fanompoan' ny sam pi- 
ny ny Egyptiana sady olona be hevitra, 
ary saro-pady koa izy; tia tany sy fanja- 
kana izy, nanaja vehivavy, nanao soa tamin* 
ny vahiny, tsy tia hanim-py loatra ; kanefa 
kosa, oloua jVjojejo izy sy nandainga sy 
nangalatia sy namadi-pauekena sy nilela- 
paladia tamin' ny lehibeny, ary nanevateva 
ny firenena hafa izy, na dia nanao soa tami- 
ny aza. 

7. — Ny Fiteniii ny Egyptiana sy ny Sora- 
tanany ary ny Fahaizany. Ny teny Egyptiana 
dia manahatahaka ny fitonin' ny olon-Tsina 
(China), nefa tahaka izay tenenin' ny firene- 
na sasany any Afrika sy Asia Andrefana 
koa. Fa ny soratra izay nanoratany ny 
heviny dia hafa be hiany amin' izay fanaon' 
ny firenena hafa. Atao hoe hieroglyfika 
ny anarany, izany hoe, raha adika, 'sora- 
tanana masina,' satria ny mpisorona hiany 
no nahalala azy ; ary tsy mba teny izay fika- 
mbanan' ny litera vitsy, tahaka ny fanao- 
ntsika, fa sary kely. Koa raha * vorona' no 



Digitized by 



Google 



EGY wo 

tiany hosoratana, dia uanao sarim-borona 
izy ; ary raha 'liona, ' dia sarin' ny liona no 
nataony ; ny boribory kely dia nilaza ny 
ny 'masoandro,' ary ny totohondry nilaza 
'hery,' ary soratra avo ny iva toy ny alon- 
drano dia solon' ny hoe 'ranomasina.' Koa 
ny flora- tanan' ny Egyptiana dia toa sary sy 
marika madinika bctsaka ; fa teo aorianu 
kosa ny sary sasany dia tonga solon' ny 
litera sasany. Nisy sora-tanana hafa koa 
anefa, izay manahatahaka ny sora- tanan' 
ny firenena hafa, ka atao hoe demotika na 
enkoriala, ary fanaon' ny olona ambanimba- 
ny io : ary io teny io no maxnpitohy ny teny 
hitroglyfika amin' ny teny Koptika, izay 
fitenin' ny Egyptiana ankehitriny. Vao 
faingana hiany no nahitan' ny olon-kendry 
an* i Eoropa ny hevitry ny sora-tanan' ny 
Egyptiana, fa tamin' ny taona 1799 nisy 
taangnmbato hita tao Rosetta, tan ana eo 
amorony andrefana ny vavan' ny Neila. 



EGY 

Misy teny yoaaoratra amin' ny fiteny telo 
samy hafa eo amin' io taangambato io, 
dia Hieroglyfika ay Enkoriala ary Grika. 
Koa rehefa voadinika tsara izany soratra 
izany, dia hita fa hevitra iray hiany ny 
teny telo, ary dia azo tamin' izay ny laJrile 
na fanalahidy hahafantarana ny hevitry ny 
teny hieroglyfika. (Jereo ny aary miaraka 
amin' ity ; ny aoratra eo ambony, izay toa 
sary madinika, dia Hieroglyfika; ny eo 
ampovoany dia Enkoriala ; ary ny eo amba- 
ny din teny Grika. Voatahiry ao amin' ny 
British Museum any London io vato io.) 
Ary hntramin' izany andro izany dia efa na- 
ndroso lalandava ny fahalalana ny tantarnn' 
ny Egyptiana, ary saiky efa voavaky anke- 
hitriny ny teny rehetra voasoratra eo amin' 
ny tempoly sy ny fasana maro any Egypta. 

Olona tia boky sy fahendrena ny Egyp- 
tiana, ary maro ny boky natao tamin' ny 
zozoro izay maharitra mandraka ankehitriny, 



Ky Vato avy any Rotetta any Egypta, misy fomban-Uoratra t$h kar«uam. 



Digitized by 



Google 



EGY 

fa voatahiry tao amin' ny fasan' olona, sy 
Toafono ao anatin' ny lambam-paty. Fa 
ny boky izay ahafantarantsika indrindra 
ny fanao ay ny tantaran' ny Egvptiana dia 
iokjf rate mi*y sary bcttaka, dia ny lafin' 
ny tranon-taampiny ary ny fasan* ny mpa- 
njakany, izay miay sary avokoa, ary soratra 



141 EGY 

manodidina ny sary. Natao tarn in' ny vato 



raafy dia mafy izy ireo, ka tsy simba akory 
ny ankabiazany, fa vato vaventy no nanao- 
vana azy ; ary satria tsy misy ranonorana 
any Egypta, dia tsy maniry ny lomotra ay 
ny volora-bato izay maniraba ny trano vato 
sy sary vato rehetra ao amin' ny tany hafa. 



H 

5 S 



i b 
5. » 



I 



* * 

ft 

| 

-• ? 

* i 

i I 

a 




Digitized by 



Google 



EGY i« 

Ary ireo sary ireo clia mampiseho ny f omban' 
ny Egyptiana avokoa : ny fihinanany sy 
fisakafoany ary ny fanasana nataony ; ny 
miasa tany, ny mamafy vary, ny mijinja 
azy, ny mively azy sy ny mitaona azy ho any 
an-tsompitra ; ny fomban' ny tranony sy 
ny fitafiany ary ny fandriany ; ny miararai- 
lany sy ny tafika ncntiny sy ny tanana 
niadiany ary ny nampijaliany ny olona 
resiny ; ny mpanjakany sy ny voninahiny ; 
ny nanosorauy ny fa tin' olona ary ny nande- 
venany azy ; izuny rehotra izany, ary ny 
zavatra maro hafa kaa izay tsy azo laz una 
etoana, dia hita miharihary eo amin* ny pejin' 
ireo boky vato voaiaza teo ireo. Ary rnihoa- 
tra noho izany aza, hita amin' ireo sary ireo 
ny finoan' ny Egytiana ny amin' ny fanahy 
sy ny fiainana ho avy ary ny fitsarana lehi- 
be. Fa ny fanahin' ny olona no miseho 
holanjaina amin' ny fandanjana lehibe, ary 
misy miampanga azy, ary misy koa mahafa- 
tsiny azy (jereo ny sary ao am-badik' 
ity, fa eo ambany amin' ny ankavanana no 
hita ny mizana lehibe) ; koa ny fanahin' izay 
latsa-danja dia lasa ao anatin' ny kisoa sy 
alika sy biby araam-borona fady, fa ny 
mahery lanja kosa dia ampuiiriiia ao amin' 
ny fifaliana sy voninahitra. Ny soratra eo 
amin' ny laiin-tranon' ny tempoly koa dia 
ahafantarantsika ny tantaran' ny Egyptiana, 
ary ny fifandimbasau' ny mpanjakany hatra- 
min' ny fiton-jato sy roa arivo taona talohan' 



Tempolin-tsampy anankiray mbola hita any Egypta (misy 
loha-andry tahaka ny voninkazo lotus). 



EGY 

ny nahaterahan' i Kristy no ho midina. Eo 
amin* ny taratasy zozoro misy tantara sy 
boky fivavahana ary angano koa. Tsy dia 
tahaka ny teny ao amin ny Baiboly loatra 
izy, afa-tsy ny anatra sasany izay mitovi- 
tovy amin' ny tena ao amin' ny Bokin' ny 
Ohabolana. 

Noho ny fahendreny sy ny fahaizany 
tamin' ny tao-zavatra ny Egyptiana dia na- 
laza noho ny firenena rehetra tamin' ny 
andro taloha ; zahao Asa. vii. 22. Astro- 
nomy, dia ny fahalalana ny kintana sy ny 
masoandro amam-bolana, no hainy, ary ny 
marika ambonimbony. Ny fanaovau-tsary 
amin' ny loko, na teo amin' ny hazo na 
lalotra, no hainy tamin' ny B.C. 2000 aza ; 
ary ny sary vato sasany vaventy dia vaventy 
nataony dia maharitra ho vavolombelon' ny 
fahaizany mandraka andro any. Ny fahai- 
zan' ny Egyptiana amin' ny fanaovan-trano 
(architecture) dia hita miharihary amin' ny 
trano vato lehibe sady tsara tarehy izay 
nataony hivavahany amin' ny sarapiny, ary 
amin' ny fasan' ny mpanjakany izay nolava- 
hana tao amin' ny vatolampy sy ny ilan' ny 
tendrombohitra manamorona ny lohasahan' 
ny Neila. Ary ny fanaovana andohalambo dia 
fantatry ny Egyptiana tokony ho tamin' 
ny taona B.C. 1600. Betsaka sady samy hafa 
ny sarin -javatra natao haingon-trano tao 
Egypta tany aloha. Ny voalohany in irindra 
tamin' ireo dia sarin' ny lotus (voahirana) 
sy voninkazo hafa, fa tao 
aoriana kosa betsaka sady 
maro karazana ny marika, 
izay tsy mba sarin -javatra 
akory, no natao haingon' 
ny tranon' ny Egyptiana, sy 
ny bakoly sy ny lovia ary ny 
zavatra hafa izay nataony. 

8. — yy Tao 'Zavatra tao 
amin 1 uy Egyptiana. Olona 
sady nazoto no nahay tamin' 
ny fanaovan -javatra maro 
ny Egyptiana. Ny lamba 
rongony fotsy sy liariry ma- 
dinika ary lamba volon' ondry 
nataony dia tsara indrindra 
sady nalaza tao amin' ny 
firenena lavitra aza, ary la- 
zain' ny Soratra Masina sy 
ny boky hafa (Gen. xii. 42 ; 
Isa. xix. 9 ; 2 Kron. i. IG). 
Ny soratra teo amin' ireo dia 
nahannaritra sy tsara tareliy 
ka natao amin' ny taretra 
volamena sy volafotsy ; ny 
sasany notciiomina miaraka 
amin* ny tenan' ny lamba 
nisy azy, ary ny sasany kosa 
dia asam-panjaitra. Ny fa- 
nao vain -bakoly koa dia raha- 
rahan 1 ny olona maro (zahao 
Sal. lxxxi. 6), ary ny gilasy 
sy lovia ary tavoahangy 



Digitized by 



Google 



EGY 148 

fitaratra dia nasiana soratra niahafina- 
ritra maro natao amin' ny taretra fitaratra. 
Ny nianefy vy sy vnrabina koa dia hain' ny 
Egyptiana ; ary ny blou-pipt (fitsofan' afo 
fanaon* ny mpanery volafotsy) sy ny ba- 
hirano sy ny taforona, etc., dia fantany 
t*ara. Nahay dia nahay fanafody izy (Jer. 
xliv. 11), ary nahalala ny maiupikanibana 
taolana sendra tapaka izy, ary ny manampina 
nify loadoaka. 

9. — Xy Fanaon' ny Egyptian a tao an-tokan- 
trano. Nisy zavatra izay nanokana ny Egy- 
ptiana tamin' ny firenena hafa, dia ny 
nanujany ny vehivavy ; ary tsy mbi tahaka 
ny olon' i Egypta ankehittiny sy ny fire- 
nena Mohamedana rebetra izy, fa afaka 
nandehandeha ny vehivavy, ary navel a 
hahita sy hiresaka amin* izay lebilaby tsy 
ha v any izy. Tsy mba namporafy loatra 
izy, na dia azo natao aza izany ; ary ny 
tokantranomasony dia toa vadikely. Ny 
lehibe sy ny olona ambonimbony dia tafa- 
»araka tamin * ny olona hafa, ka tsy niva- 
dy taminy. Mofo no foto-kanin' ny Egyp- 
tiana, ary mofo maro karazana no fihinany 
tamin' ny fisakafoany. Ny rantsan-tana- 
ny no natao solon' ny antsy sy ny foroscty 
raha nihinana izy, nefa nanan-tsotro hiany 
izy. Nipetraka teo amin' ny tsihy na 
lamban-gorodona, na teo amin* ny seza izy, 
raha nisakafo, ary tsy mba nandrilika, 
tahaka izay fanaon' ny Jiosy sy ny Grika 
ary ny Romana. Ny dihy sy ny hira no 
tiany indrindra, ary nanarama mpihira sy 
mpandihy maro izy, raha nanao fanasana ; 
nisotro divay be hiany koa izy tamin' izany, 
ary betsaka ny zavatra manitra sy rano- 
manitra sy voninkazo maro karazana nambo- 
ariny hahafaly ny olona nasainy. Ary nisy 
laolao tian' ny Egyptiana indrindra izay taha- 
ka ny katra eto amintsika. Fanao- 
ny koa ny mi ten dry zava-maneno 
samy hafa karazana taniin' ny 
fivavahananataony, dia ny lokanga 
sy ny valiha ay ny sodina sy ny 
ampongatapaka ary ny kipantsona. 

10. — Ny Fivarahana fanaon' ny 
Egyptiana. Ny fototry ny niando- 
han* ny fivavahan' ny Egyptiana 
tany aloha dia ny ody sy ny fana- 
jana ny masoandro sy ny volana 
aman-kintana. Ary niaraka tamin' 
izany nisy koa hevitra marina 
sasany, izay toa fahatsiarovana ny 
fahalalana nomen' Andriamanitra 
ny olombelona tamin' ny voalo- j 
hany. Ary teo aoriana indray, ! 
ny fahatsaram-panahy sasany— | 
dia ny f ahamarinana, ny fahitsiana, 
ny fahadiovana, ny famindram- 
po, etc. — dia natsangan-ko andria- 
manitra sady nivavahany. Ny 
andriamanitra nohajain' ny Egyp- 
tiana dia nalahatra ho telo toko, 
dia ny valo lehibe, ny roa ambin' ny 



EGY 

folo kely kokoa, ary ny sasany izay naka 
anarana tamin' t Osiri*, izay toa lehibeny 
(jereo ny sary, pejy 141). Ny mpanjaka sasa- 
ny sy ny olona malaza koa nobajaina reho- 
fa maty sady 
nivavahana. 
Ny lehibe ta- 
min' ireo an- 
driamanitra 
rehetra ireo 
dia natao- 
ny hoe Xttm 
na Kveph ny 
anarany, ary 
izy no no- 
heveriny ho 
n ah ary izao 
tontolo izao. 
Ny anaran' 
ny sasasy koa 
dia A nun sy 
Mnt sy Khrm 
sy Ftah sy 
Ncich sy Ha 
(ny masoan- 
dro) sy Thoth 
ary At/ior, 
etc. Samy na- 

naiia n y ^ a Ha, na ny Masoandro, anan- 
nanany avy kira U tamin* ny aampin' ny 

izy rehetra, Egyptiana. 

izay ma sin a ho azy, sady tao no nivavahany 
taminy indrindra. Ary samy nanana ny biby 
izay masina ho azy izy rehetra sady noheve- 
riny ho tandindona sy solon' ny sampy, ka 
dia nohajain' ny olona toa an' Andriamanitra. 
Koa amin' izany, ny ombilahy, ny saka, ny 
osy, ny vano fotsy (ibis), ny mamba ary ny 
searahtnis (dia bibikely tahatahaka ny voa- 
ngory), no nivavahan' ny Egyptiana, ary dia 





Thoth, ananhiray tamin' ny samp in 1 ny Egyptiana. 



Digitized by 



Google 



EGY 14* 

nompiana tao an at in' ny tempoly 

ireo biby ireo sy notompoin' ny 

mpisorona betsaka koa. Ary raha 

sendra maty izy, dia fatratra ny 

niaaonan' ny vahoaka azy ; ary ny 

fatiny dia nohosoran-java-manitra 

mba toy ho lo, ary fasana lehibe 

no natao fandevenana azy. (Vakio 

Rom. i. 22-25. ) Osiris no malaza 

indrindra tamin' ny sampin' ny 

Egyptiana, ary noheveriny ho tena 

toara fanahy izy io. Notantaraina 

ho nidina taty arabonin* ny tany 

izy ka nampianatra ny olombelona 

tao-zavatra, nefa novonoin' » Seta 

fahavalony izy sady notetitetehiny ; 

dia nisaonan' Isis, izay an aba v in y 

sady vadiny izy ; dia nohosorany ny 

fatiny ; dia nitaangana indray izy 

ka tonga mpitoara ny maty, ary 

ny marina tamin* ireo dia nantooina 

araka ny anarany ka nan dray ny 

endriny. Koa hitanteika fa maha- 

gaga tokoa ny fitovitovian' ny 

tantaran' i Osiris sy ny tantaran' 

iJesosy Tompo lazain' ny Fila- 

zantoara Efatra. Isis dia anabavin' 

i Osiris nefa vadiny koa, ary Horus no zanany. 

Apep dia bibilava makadiry, izay tena ratoy 

fanahy, na tan din don' ny faharatsiana. Ny 

biby sasany sy ny vokatry ny tany no nentin' 

ny Egyptiana ha tao fanatitra ho amin' ny 

sampiny. Ny fiainana ho avy sy ny faha- 

retan' ny fanahy mandrakizay no nampiana- 

rin* ny mpisorona. Rehefa maty ny olona, 

dia nentina teo anatrehan' » Osiris izy, 

hono ; ary ny fony dia natao teo amin' ny 

lela-mizana anankiray, ary ny volon' ostritsa 

(izay famantaran' ny fahamarinana) no natao 

teo amin' ny lela-mizana anankiray kosa, 

hahitana ra- 
ha latsa-da- 
nja izy, na 
tsia. Dia 
nadinin' ny 
mpitsara 42 
ilay olona, 
hahafanta - 
rany raha 
meloka izy 
ny amin' ny 
fahotana 42 
izay nadini- 
ny indrin- 
dra, na ma- 
nao ahoana 
(jereo ny 
sary, pejy 
141). Koa 
raha afaka 
izy, dia to- 
nga nitovy 
endrika ta- 
Athor : anankiray tamin' ny min'i0*im, 
sampin 1 ny Egyptiana. nefaniovao* 



EGY 





Mummy, na fatin 1 olona voahosotra mba tsy ho Io, 
napttraha eo amin 1 ny fandriana ahhan* ny handeve- 
nana azy. 

va toetra aloha izy, sady nalaim-panahy ; dia 
niditra tao amin' ny fahafinaretana izy, ka 
niara-ni toetra tao amin' ireo andriamanitra 
tao amoron' ny ony misy ran on' aina any an- 
danitra (jereo ny sary, pejy 145). Fa raha 
meloka kosa izy, ny fanahiny dia lazain a ho 
niditra tao anatin'ny biby fady anankiray, dia 
napetraka tao amin' ny fijaliana misy afo sy 
maizina mandrakizay. Ny Jiosy koa niana- 
tra ny fanompoan-tsampy tamin' ny nitoe- 
rany tany Egypta (Jos. xxiv. 14 ; Ezek. xx. 
7, 8) ; ary ny ombilahy kely volamena 
nataony (Eks. xxxii.) dia fanaon' ny Egyp- 
tiana, raha nivavaka tamin' iApis (ombi- 
lahy) izy. Ny sampy natao hoe Refana 
na Kiona (Am. v. 27; Asa. vii. 43) ary 
Astoreta dia sampin' ny firenena hafu, nefa 
nivavahana tany Eg^ypta koa. 

Nisy zavatra hafa koa izay fanaon' ny 
Egyptiana indrindra, ary satna vokatry ny 
finoany ny amin' nv fiainana ho avy sy ny 
faharetan' ny fanahy, dia tokony holazaina 
etoana : dia ny nikelezany aina hiaro ny 
fatin' olona mba tsy ho lo, ary ny vola sy ny 
hasasarana nolaniny hanao fasana. Araka 
izay efa voalaza teo, ny Egyptiana nanaiky 
ny hitsanganan' ny maty ; ary nataony fa 
hahatanteraka izany, raha ny tena no aro- 
vana tsy ho lo mba hikambana amin' ny 
fanahy rahatrizay. Koa be ny vola no nola- 
niny hividianana zava-manitra sy hodi-kazo 
maro karazana ary lamba hamonosana ny 
fatin' olona. Ary rehefa vita ny nanaovany 
izany, dia natao anaty vata nv faty, ka 
natsangana tao an-tranon' ny navan' ilay 
olona maty izy. Momy (mummy) no anarana 
ahafantarana ireo fatin' olona voaharo tsy ho 
lo tahaka izany ireo, ary betsaka izy inaha- 



Digitized by 



Google 



EGY 

ritra mandraka andro 
any, na dia maty to- 
kony ho telo arivo na 
efatra arivo taona izay 
aza ny sasany. Za- 

hao FANOSORAM-PATY. 

Ary lay izany hiany, 
fa raha ny fasana na- 
tion' ny Egyptiana, 
dia nolavahana tao 
amin' ny vatolampy 
sy ny Uan-tendrombo- 
hitra ny sasany, ka 
dia misy efitra betsaka 
dia betsaka sady mala- 
laka. Ny lafi-drihana 
ao amin' ireo fasana 



145 



EGY 



ireo misy sary sy sora- 
tra avokoa, ny anka- 
biazany dia milaza ny 
fitsarana lehibo sy ny 
fiainana ho avy, ary ny 
fahafinareiana na ny 
fijaliana ho azon' ny 
olombelona. Ary raha 
toy ny hevitry ny 
sasany koa, ireo rafi- 
bato vaventy dia va- 
Tenty any Egypta izay 
efa-joro sady kitso- 
loha, ka atao hoe pyra- 
mid, dia fasan' ny 
mpanjakan'ny Egypta 
tany aloha. Koa dia 
hitantsika fa ny fasana £ 
syny fandevenana sy 
ny f aty ary ny fiainana 
hoavy nonoheverin' ny £ 
Egyptiana indrindra 
Ny tranon'ny mpanja- j^Z2 
kany efa rava avokoa, 
ka tsy misy vato mifa- ^ 
nongoa aza navela 
hilaza ny niorenany ; fc 
fa ny f aaany kosa efa 
naharitra efatra arivo 
taona ny sasany, ary ^~ 
toa inbola haharitra ^^ 
miaraka amin' ny ten- 
drombohitra hatramin' 
ny fahataperan' izao 
tontolo izao. 

11. — Ny Lalari ny Egyptiana. Tsy nib a 
tan tit r a hi a loatra ny amin' ny lalan* ny 
Egyptiana, na ao amin' izay nosoratan' ny 
olona tompon-tanv, na ao amin' ny bokin' 
ny mpanoratra vahiny milaza izany. Nefa 
kosa, ny sary mbola hita ao amin' ny tem-. 
poly sy ny fasana no ahafantarantsika fa 
nandry taara ny tany; voambiua tsara ny 
ain' olona, ka tsy nisy nitomlra fiadiuna. 
Ky vonoan' olona hiany no heloka nahafuty ; 
ary ny mandratra sy mauimba olona no 
nataony ho ratsy lavitra noho ny manota 
fady na ny mijangajanga, etc. 




12.— Ny Fanapahana tany Eyypia. Epypta 
notapalrin' ny mpaujaka, kauefa tsy mba 
tsy voai'etra izy t fa ambanin' ny lalana 
hiany, ary ny mpisorona no nanan-kery 
hisakana azy, raha sendra nanao izay tsy 
mety izy. Nozarazaraina ny tany Egypta, 
ary notapahin' ny mpanapaka solom- haven' 
ny andrinna isaky ny fizaran-tany. 

13. — Ny mlomlran tiy Eyyptiana ny Vahiny 
*y ny Fircnrna haj'a. Ny vahiny tsy tian' 
ny Egyptiana loatra, arv tsy nekeny ho 
mitovv voninahitra amin' izy tompon-tany. 
Kanefa mora hiany ny nitondrany ny fire- 



Digitized by 



Google 



EGY 146 

nena tao atsinanana izay niditra tao ambanin' 
ny fanapahany. Ny mpanjakan' iEgypta 
nivady tammy, ary tsy nametraka miaramila 
Egyptiana hiambina ny tany aza izy afa-tay 
teo amin' ny tan una lehibe sasany ; ary ny 
vahoaka tao amin' ireo firenena ireo tsy mba 
nafindrany ho any amin' ny tany lavitra, 
araka izay fanaon' ny Asyriana sy ny Baby- 
loniana. Ary rah a mbola nihavana taminy, 
dia tsy mba nampandoa hetra ny firenena 
hafa izy. Ny tafika nentin' iSisaka sy 
Zerah hiady amin , ny fanjakan' ny Isiraely 
dia tsy araka izay fanaon' ny ankamaroan' 
ny mpanjakan' i Egypta : ary izy ireo no 
heverina ho tsy tena Egyptiana, fa Asyriana, 
na Babyloniana. Fa ny firenena mainty hodi- 
tra any Afrika kosa no noreseny avokoa ka 
nataony andevo sy miaramila. Etiopia any 
atsimo dia natao isan' ny fanjakan' i Egypta, 
ary ny olona sasany avy tany tonga mpanja- 
kan' 1 Egypta aza. 

14. — Ny Miaramila Egyptiana. Ny teny 
ao amin' ny Test. Tal. sy ny sary samy 
milaza fa ny miaramila niady teo amin' ny 
fiara-kodia no fototrv ny miaramila Egyp- 
tiana. Hay Farao lazain' ny Boky Ekso- 
dosy dia nitondra fiara-kodia voafidy 600 
afa-tsy ny fiara-kodiany hafa rehetra hane- 
njika ny Zanak' Isiraely. Fa teo aoriana 
kosa, tamin' ny andron' i Sisaka, nisy miara- 
mila maro nontiny izay tsy Egyptiana, fa 
vahiny, angamba avy tamin' ireo firenena 
noreseny. Ary tato aoriana indray, tahaka 
izany hiany ny miaramilan* i Neko, mpanja- 
kan' i Egypta, fa maro ny Grika notambazan' 
ny Egyptiana hiady ho azy. 

16. — Tantaran* i Egypta. Nisy boky iray 
monja afa-tsy ny sary ao amin' ny tempoly sy 
ny fasana izay ahafantarantsika ny tantaran' 
i Egypta voalohany indrindra. Manetho no 
anaran' ilay nanoratra azy ; isan' ny mpiso- 
rona Egyptiana izy, fa kely hiany ny tcniny 
cfa voatahiry, dia ny anaran' ny mpanjakan' 
iEgypta maro mifandimby, ary tantara 
roa, ny anankiray ny amin' ny mpanjaka 
sasany natao hoe Mpiandri-ondry, ary ny 
anankiray koa ny amin' ny nialan' ny Zanak' 
Isiraely tany Egypta. Kaha toy ny hevitry 
ny olon-kendry sasany izay efa nandinika 
tiara ny sary sy ny soratra ao amin' ny 
tempoly, etc., ny mpanjakan' iEgypta voa- 
lohany indrindra izay tantaraina eo dia 
natao hoe Mcncs, ary velona tokony ho 
tamin' ny taona B.C. 2700 izy. Tsy misy 
teny milaza ny mpanjaka izay nanjaka ha- 
tramin' i Menes ka hatramin' ny taona B.C. 
1500, afa-tsy izay nolazain' i Manetho sy ny 
soratra eo amin' ny tempoly. Fa tao anatin' 
ireo taona 1200 ireo nisy dynasty (dia 
mpanjaka mifandimby avy amin' ny razana 
sy mpianakavy iray hiany izy rehetra) valo 
anibin' ny folo. Ary hatramin' ny andro vao 
faingana aza dia variana ny hevitry ny olon- 
kendry hahalala ny filaharan' izany dynasty 
maro izany; fa raha sendra nifandimby 



EGY 

hatramin' ny 



izy rehetra, hatramin' ny voalohany ka 
hatramin' ny fahavalo ambin' ny folo, dia 
tokony ho talohan' ny taona B.C. 2700 ny 
niandohany. Nefa kosa efa hita ankehitriny 
fa niaraka nanjaka ny dynasty sasany, 
satria indraindray nizara ho roa na mihoa- 
tra aza ny fanjakan' i Egypta, ary ny dynasty 
dia nantsoina araka ny anaran* ny tanana 
izay renivohitry ny fanjakany avy : dia 
Thais sy Memphis sy Elephantis sy Thebes 
ary Xois, etc. Hatramin' ny taona n.c. 
1500 ka hatramin' ny B.C. 360 nisy dynasty 
roa ambin' ny folo ; ary tamin' izany Egypta 
noresen' ny Persiana, ka tsy nisy mpanjaka 
tompon-tany intsony nanjaka tao hatramin' 
izany ka mandraka ankehitriny, dia 2200 
taona. Koa dia tanteraka avokoa ny tenin* 
iEzekiela hoe: "Tsy hisy mpanjaka nvy 
amin' ny tany Egypta intsony" (xxx. 13.). 

Dia holazaina eto ny zavatra malaza sasa- 
ny izay fantatra hatramin' ny andron' i Me- 
nes, ilay mpanjakan' i Egypta voalohany. 
Ny pyramida lehibe, dia ny anankiray amin' 
ireo telo akaikin' i Kairo izay atao hoe Pyra- 
midan' i Ghizeh, no natao tamin' ny nanja- 
kan' ny mpanjaka amin' ny dynasty fahefa- 
tra, izay nitoetra tany Memphis, b.c. 2400, 
ary dia isan' ny mpanjaka mahery indrindra 
izay nanjaka tany Egypta. Ny amin' ny 
Pyramida, zahao Teny Soa, March 1866. Ta- 
min' izany andro ela dia ela tany aloha izany 
efa nandroso tsara ny f ahaizan' ny Egyptia- 
na, ary ny sora-tanana sy ny rafitra ary ny 
tao-zavatra dia samy hainy avokoa, fa ny sary 
ao amin' ny vato vaventy nanaovana ny 
pyramida no vavolombelon' izany. Tokony 
ho tamin' ny taona B.C. 2000 nisy fahavalo 
niseho avy tany avaratr' atsinanana ary 
nandresy ny tompon-tany, ka dia nanjaka 
ela hiany (500 taona, boy ny sasany) tany 
Egypta Ambany. "Mpanjaka Mpiandri- 
ondry" no anarana ahafantarana ireo vahiny 
ireo ; fa tsy fantatra marina izay nihaviany. 
{jerco ny sary miaraka amin* ity.) Hoy ny 
sasany fa Asyriana izy ; ary ny sasany kosa 
mihevitra fa Skytiana, na Etiopiana, na 
Foinikana, na Arabo, izy. Fa tokony hotsa- 
rovana fa tamin' ny andro nanjakan' ireo mpa- 
njaka Mpiandri-ondry tany Egypta Avaratra, 
nisy mpanjaka tompon-tany mbola nanan- 
kery tany Egypta Atsimo hiany. Ilay Farao 
nanjaka tamin' ny nalehan' i Abrahama tany 
Egypta tokony ho isan' ny mpanjaka Mpian- 
dri-ondry (Gen. xii. 15-20). Aryrahatoyny 
hevitry ny sasany, Mpiandri-ondry koa ilay 
Farao nanjaka tany Egypta tamin' ny nito- 
ndrana an' i Josefa tany ho andevo, sady 
nanao soa taminy sy ny mpianakaviny. Fa 
ilay "mpanjaka vaovao" kosa "izay tsy 
nahalala an' i Josefa" tao aoriana, sady na- 
handevo ny Zanak' Isiraely sy n amp ah or v 
azy, no heverina ho isan' ny mpanjaka to- 
mpon-tany, izay nandresy sy nandroaka ny 
mpanjaka Mpiandri-ondry. Koa ny firene- 
na vahiny (dia ny Zanak Isiraely) izay efa 



Digitized by 



Google 




Sarin 1 ny anankiray amin 1 ny "Mpanjaka 
Mpiandri-ondry" tao Egypt a. 

nampiandranoin' ny mpanjaka Mpiandri- 
ondry no nanaovan' ilay mpanjaka vaovao 
(tompon-tany), saina fandrao hody fahava- 
lony izy ary hanampy ny Mpiandri-ondry, 
raha sendra hiady amin' ny Egyptians indray 
izy ireo. Ary angamba marina izany, na 
dia tsy fantatra mihitsy aza. 

Tokony ho tamin' ny taona B.C. 1525 dia 
noroahina niala tany Egypta ny mpanjaka 
Mpiandri-ondry ; ary Ames, dia ny mpanja- 
ka voalohany tamin' ny dynasty faha-18, no 
nanjaka tany Egypta rehetra, na ny Ambony 
na ny Ambany. Tamin' ny andron 1 i Ames 
no nilazana yoalohany ny soavaly ; ary hatra- 
min' izany dia tonga malaza ny soavalin' 
ny Egyptiana. Ny Mpanjaka nandimby an' 
i Ames dia nahery indrindra ; ny anankiray 
nanao ilay tempoly lehibe sy mahagaga an' 
i Karnak (jereo ny taring eo amin 1 ny teny hoc 
no-JlMOna) ; ary ny anankiray koa nandresy 
ny firenena maro tany Asia natrany Nineve 
aza, ary tany Afrika koa. Ny tempoly sy 
ny sary vato vaventy nataon' ireo mpanjaka 
ireo dia ny mahagaga indrindra izay hita 
any Egypta. Tamin ny andro nanjakan' ny 
dynasty faha-19 koa nisy mpanjaka roa lahy 
natao hoe Rameses II. sy Rameses III. izay 
najaza indrindra, na noho ny tafika nentiny, 



EGY 

na noho ny tempoly maro nataony. Tamin' 
ny andron' izy roa lahy Egypta dia nalaza 
sy nahery indrindra, ka tsy nisy fanjakana 
nitovy tarn in y akory. Fa rehofa lasa Rame- 
ses III., dia nihena ny herin' ny fanjakana ; 
ary nisy dynasty hafa (dia ny faha-21) izay 
nanjaka tany Tanis any Egypta Amba- 
ny, ary ny mpisoronabe nahazo ny fanja- 
kan' i Egypta Ambony, tany Thebes. Hay 
andriambavy Egyptiana izay nampakarin' 
i Solomona ho vadiny (I Mpan j. iii. 1) dia 
tokony ho zanaky ny mpanjaka anankiray 
izay nanjaka tany Tanis ; zahao koa 
1 Mpan. xi. 17-19. Ny mpanjaka voalohany 
amin' ny dynasty faha-22 dia Sheshonk I. 
(ilay atao hoe "Sisaka" ao amin'ny Baiboly), 
no nampiray ny fanjakana roa tany Egypta. 
Izy koa nanome toky an' i Jeroboama, rehefa 
nikomy tamin' i Solomona izy, ary niaro azy 
mandra-pahafatin' i Solomona (1 Mpan. xi. 
40) ; ary io Sisaka io koa ninkatra hiady 
tamin' i Rehoboama, zanak' i Solomona, ary 
nitondra vola betsaka ayy tamin' ny Tem- 
poly any Jerosalema sy ny tranon' andriana 
tao (1 Mpan. xiv. 25, 26). Ny mpanjaka 
nandimby azy, dia Osorhon I., izay atao hoe 
Zera ao amin' ny Baiboly, no noresen' i Asa 
mpanjakan' i Joda (2Tant. xiv. 9-16). Ta- 
min' ny andro nanjakan' ny dynasty faha- 
23 sy f aha- 24 dia maty siona Egypta, fa 
tamin' ny faha-25 kosa dia nihahery indray 
izy. Avy tany Etiopia ny mpanjaka tamin' 
io dynasty io, ary nanao izay zakany izy 
hanohitra an' iAsyria, izay nandroso hery 
ka nandresy firenona maro tamin' izay. Ny 
mpanjaka anankiray tamin' ireo (S6) nanao 
fanekem-pihavanana tamin' iHosea mpa- 
njakan' ilsiraely farany (2 Mpan. xvii. 4) ; 
ary ny anankiray koa, dia Tiraka, niaka- 
tra hanohitra an' i Sankeriba, mpanjakan' 
i Asyria, izay efa nanao fahirano any 
Jerosalema tamin' ny andron' i Hezekia 
(2 Mpan. xix. 9 ; Isa. xxxvii. 9). Ny dynasty 
faha-27 dia mpanjaka tompon-tany indray ; 
ary Psameteka I. (b.c. 664) nitondra tafika 
tany Paiestina, ary Asidoda (Azoto) no 
iusany, rehefa natao fahirano sivy amby 
roa-polo taona izy. Farao Neko zanany koa 
niady tany Paiestina mba hanohitra an' 
i Asyria. Tany Megido, Josia, mpanjakan* 
ny Joda, nifanena tamin' iNeko ka niady 
taminy, na dia noraran' ny mpanjakan' 
i Egypta aza izy tsy hanohitra azy, satria 
efa nasain' Andriamanitra izy hiady amin' 
i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona. Fa 
tsy nanaiky izany Josia, ka dia resin' i Neko 
izy ary maty tamin' ny ady (2 Tant. xxxv. 
20-24). Fa rehefa afaka kely indray, Neko 
noresen' i Nebokadnezara tany Karkemisy, 
B.C. 605-4 (Jer. xlvi. 2). Nisy mpanjakan' 
i Egypta hafa taorian' izany, dia Farao Ho- 
fra, izay naniraka ny miaramilany hanampy 
an' iZedekia, mpanjakan' ny Joda farany 
(Jer. xxxvii. 5, 7, 11), ka dia niala tany Jero- 
salema andro sasany ny f ahavalo . Ary rehefa 



Digitized by 



Google 



EGY 



148 



EGY 



lasan' i Nebokadnezara ny tan tin a, ny Jiosy 
izay nandositra dia noraisin' i Hofra taara 
ka narovany tany Egypta. Taorian' izany 
indray Nebokadnezara tea nankany Egypta 
hiady amin' i Hofra ; nefa t«y fantatra ma- 
rina na rosin* ny Babyloniana avokoa izy, 
na tsia ; fa ny mpanjaka izay nandimby au' 
i Hofra dia naherv hiany. Fa nony tonga 
nahery kosa ny fanjakan* i Persia, dia resiny 
avokoa Egypta ; ary tamin' ny taona b.c. 
525 dia lasan* i Kambyses izy, ka tonga 
isan' ny fizaran-tany momba ny fanjakan' 
i Persia. Arynyamin' 
ny tantaran' i Egypta 
taorian* izany, sy ny 
nitoeran* ny Jiosy 
uiaro tany tamin' ny 
nanjakan* ny mpanja- 
ka Grika maro natao 
hoe Tolomy (Ptolemy), 
zahao aleksandhia sy 

TOLEMT. 

16.— Ny Tanana, 
etc., any Egypta. Ny 
tan ana lehibe sy ma- 
laza indrindra ao amo- 
ron' ny ranomasina 
any avaratra dia Ale- 
ksandria, izay serana- 
na naorin* i Aleksan- 
dera Lehibe, b.c. 332. 
[aleksandhia.] Ruha 
miala any Aleksandria 
ka miantsinanana dia 
tonga any Rosetta, ao 
amin' ny vavan* ny 
Neila andrefana. Ka- 
li a mianatsimo avy 
tany Rosetta ka ma- 
nohi-drano dia tonga 
any amin' izay niore- 
nan* i Sais, izay isan' 
ny tan ana lehibe tany 
aloha sady ela indrin- 
dra. Ao amin' ny 
vavan' ny Neila atsi- 
nanana ny tanana 
Damietta, ary ao atsi- 
n an any indray dia izay 
niorenan' i Pelusium 
(ilay atao hoe Sina ao 
amin'nyBaiboly), izay 
tanana mafy sady toa 
vavahadin' i Egypta 
any atsinanana. Ao 
an elan elan' iSina sy 
ny Neila misy bonga 
izay nisy Tunis naZoa- 

na, renivohitry ny mpanjaka Mpiandri-ondry. 
Mbola hita ao ny vato vaventy betsaka nanao- 
vana ny tempoly lehibe, ary ny tsangambato 
maro {obeluk) efa nianjera. Ao atsimo keliri' 
ny fisampanan' ny Neila misy tsangambato 
tokana ao amin' izay nitoeran' iHeiiopolis, 
na Ona. (Ny vadin' i Josef a dia zanakavavin' 



i Poti-fera, mpisorona tany Ona; Gen. xli. 
45.) Atsimon iOna indray dia Kairo, re- 
7iivohitr' i Egypta ankehitrany, ary tanana 
lehibe dia lehibe izy. Momphis, ilay reni- 
vohitra tany aloha, dia an-dafin' ny ony, 
tokony ho folo maily atsimon' i Kairo. Be- 
tsaka dia betsaka ny fasana izay maharitra 
ho vavolombelon' ny halehiben' ny tanana ; 
ary ao koa ny pyramida telo lehibe izay 
atao hoe Pyramidan' i Ghizeh. Efa-joro 
kitso loha izy ; ary ny mahodidina ny ilany 
efatra amin' ny anankiray dia 746 fita avy, 






3 
•i 



£ 

^ 
^ 



ary ny hahavony dia 450 fita. Vato vave- 
nty no nanaovana azy, ary ao anatiny inisy 
efitra vitsy sady koly foana. Ao akaikhf 
ny pyramida misy sary vaventy atao hoe 
Spftinjt. Tahaka ny lion a makadiry bo 
miampatra io sary io, ary ny lohany 
dia tahaka ny loham-behivavy. Tsy mba 



Digitized by 



Google 



EHO 

Tato voarafitra anefa ny Sphinx, fa nenda- 
hana avy tamin' ny vatolampy, ary ny 
halavany dia 188 fita. Fa tsy ozo lazai- 
na etoana ny anaran' ny zavatra mahaga- 
ira raaro izay hita any Egypta raha miay 
miakatra ny Noila. Ao an-ilany roa misy 
tempoly lehibe maro, misy andry vato sy 
vavahady ey tsangambato sy sphinx maro 
milahatra ao an-ilan-droan' ny lalambe mia- 
katra ao amin' ny tempoly. Ny tempoly 
raahagaga indrindra dia ilay any Karnak sy 
Lnxor; ny anaran' ity tanana ity ao amin' 
ny bokin' ny mpaminany dia No, na No- 
Amona [xo-axona]. Misy tempoly sasany 
koa lavahana ao amin' ny vatolampy ao an- 
ilan' ny havoana ; ary maro sady malalaka 
ny fasan' ny mpanjakan' i Egypta natao 
tahaka izany. Ny sarin* ny mpanjaka sasany 
koa izay natao ary tamin' ny vato tokana, 
nefa vaventy dia vaventy, dia isan' ny 
zavatra mahagaga izay hitan' ny vahiny 
mankany Egypta, indrindra satria tsy hita 
velively izay nitondrana azy avy tany lavitra. 
Any an-efitra ao nndrefan' ny Neila misy 
tany mahavokatra tsara nefa kely atao hoe 
Oasts ; toa nosy ao afovoan' ny tany maina sy 
inangentana izy ireo. Any koa ilay lohasaha 
raisy ny farihy atao hoe Natrona ; ary misy 
koa tranon'ny monk izay manaraka ny fivava- 
iiana fanaon' ny Fiangonana Koptika. Tao 
koa no nonenan' ny olona maro mitsitoka- 
ntokana tao an-dava-bato, izay nisaraka 
tamin' ny havana aman-tsakaizany haha- 
zoany fahamasinana mihoatra noho ny sa- 
sany (araka ny heviny). Ao amin' ny efitra 
atxinanan' ny Neila tsy misy tanana loatra 
afa-tsy Soeza ao an-dohan' ny Grolfan' i Soeza. 
Ary mbola hitombo sy hihalehibe io tanana 
io noho ny nahavitan' ny lahin-drano lehibe 
atao hoe "Suez Canal," izay azon' ny sambo 
lehibe haleha avy amin' ny Ranomasina 
Mediteraneana ho any amin' ny Ranomasina 
Mena. 

17. — Faminaniana milaza < ny Egypta. Ny 
ankabiazan' ny tony faminaniana milaza an' 
i Egypt* dia izao: — Isa. xix. ; Jer. xiiii. 8- 
13 ; xliv. 30 ; xlvi. ; Ezek. xxix. — xxxii. Ny 
fahoriana izay nan jo ny tany tamin' ny taona 
hatramin' ny andron i Nebokadnezara ka 
hatramin' nv andro nahazoan' ny Persiana 
ny tany toa lazain' ireo teny ireo indrindra. 
Fa ny teny sasany kosa dia mbola maizina 
hiany, ary angaraba ho tanteraka amin' ny 
aodro ho avy izy. — J s. 

Egypta, Ny Loza Folo tany : zahao loza 

EHODA : zanak' i Gera, avy tamin' ny 
firenen' ny Benjamina izy, ary falmroan' ny 
Mpitsaran' ny Zanak' Isiraely (b.c. 133G). 
Uy efa noiidin' ny namany haniono an' 
i Kglona, mpanjakan* i Moaba, satria Jeriko, 
uay tao anatin' ny zara-tanin' ny Benjami- 
na, no nataon' i Eglona fonenany, raha na- 
mnanompo ny Zanak' Isiraely izy. Nody 
oanatitra hetra ho an' i Eglona i Ehoda sy 



149 EKS 

hilaza zavatra aminy mangingina, kanjo ny 
lefom-pohy izay nentiny teny an-tanany 
ankavia no natsatony tamin' ny kibon' 
i Eglona, izay matavy be, ka nahafaty azy 
izy ; ary rehefa izany dia nitondra ny 
Zanak' Isiraely niady tamin' ny Moabita 
sady nandresy azy ; ka dia nandry ny tany 
valo-polo taona (Mpit. iii. 15-30). — j.w. 

EKLE8IA ; zahao fiangonana. 

EKBONA: anankiray tamin' ny tanana 
dimy izay toa renivohitry ny Filistina, 
sady avaratra indrindra tamin' ireo izy 
(Jos. xiii. 3). Tahaka ny tanana rehetra 
any Filistia, Ekrona dia tao amin' ny tany 
lemaka a moron' ny ranomasina any atsimo ; 
tao amin' ny zara-tanin' ny Joda izy (Jos. xv. 
45, 46 ; Mpit. i. 18), ary isan' ny tanana 
izay faritry ny taniny tao avaratra. Tato 
aoriana indray dia natao isan' ny tananan' 
ny Dana izy (Jos. xix. 43) ; fa tsy tante- 
raka izany, satria lasan' ny Filistina indray 
izy talohan' ny nanjakan' iSaoly (I Sam. 
v. 10). Izay nahalaza an' i Ekrona indri- 
ndra dia ny nampandehanan' ny mponina 
tao ny Fiara ho any Betsemesy. Fa tao no 
nanaovana kalesy hitondrana ny Fiara, ary 
ny ombivavy roa izay nofehezina tamin' ny 
kalesy nandeha an-teitra-po ka nitarika ny 
kalesy sy ny Fiara nankany Betsemesy 
(I Sum. vi.). Bala-Zeboba no anaran' ny 
sampy nivavahana tany Ekrona, ary nataon' 
ny olona ho mahay manasitrana aretina izy 
(2 Mpan. i. 3). Ekrona efa noravana ela 
aia ela, araka ny tenin' ny mpaminany 
(Am. i. 8 ; Zef . ii. 4) ; ary tsy misy tanana 
ao intsony, fa vohitra kely atao hoe Akir ; 
ary misy loharano roa lalina dia lalina izay 
nahazoan' ny tompon-tany rano tany aloha. 
— j.s. 

EKSODOSY na FAHAFAHANA: dia ny 
boky f aharoa amin' ny Lalana na Pentateoka. 
Teny Grika ny hoe Exodos, ary milaza 
'fialana' na ( f ahafahana, ' satria ny nialan' 
ny Zanak' Isiraely tany Egypta no zavatra 
malaza indrindra lazain' ity boky ity. Ao 
amin' ny Eksodosy ny Zanak' Isiraely dia 
voalaza voalohany ho ary firenena ; ary izay 
nataony hatramin' ny nahafahany tany 
Egypta ka hatramin' ny nanorenana ny 
Tabernakely tany Sinay no fototry ny 
tantara ao amin' ny boky. 

A. — Ny Zavatra lazaina ao amin' ny Eksodosy. 
Azo zaraina ho roa toko lehibe ity boky ity, 
dia (a) Tantara, i. 1 — xviii. 27 ; ary (b) 
Lalana, xix. 1 — xl. 38. 

I. — Ary ny Tantara dia mizara roa indray, 
toy izao: — (1) Izay zavatra natao ho fana- 
mboarana ny hamonjena ny Zanak' Isiraely 
tamin' ny fahandevozany ; ary (2) ny naha- 
tanterahana izany famonjena azy izany. 

(I) Ny voalohany amin' izy roa (i. 1 — xii. 
3ti) dia milaza izao zavatra izao: — Ny 
nihamaroan' ny tnranak' iJakoba tany 
Egypta, ary ny fahoriany mafy tamin' ny 
nanjakan' ilay mpanjaka vaoyao izay tsy 



Digitized by 



Google 



EKS «• 

nahalala ny soa nataon' i Josefa tamin' ny 
tany sy ny fanjakana (i.) ; ny nahaterahan' 
i Mosesy, ny namonjena azy raha mbola 
zazakcly, ny nananganana azy ho zanak' 
audrianA, ny nianarany ny fahendren' ny 
Egyptiana, ary ny nandosirany niala tany 
Egypta (ii.) ; ny uiantsoan' Andriatnanitra 
azy ho nipamonjy sy ho mpitari-dalana ho 
an' ny Isiraely (iii. 1— iv. 17), ary ny nivere- 
nany tany Egypta indray (iv. 18-31) ; ny 
nihaonan' i Mosesy sy Arona tamin' i Farao 
hilaza ny tenin' i Jehova ny amin' ny hia- 
lan' ny Zanak' Isiraely, ny hatezoran' ny 
mpanjaka noho izany sy ny nampitomboany 
ny fanompoana hataon' ny olona (v. 1-21) ; 
izay natao indray hampiomana an' i Mosesy 
sy Arona hanao ny raharahany, mbamin' ny 
teny railaza ny nrazanany (v. 22 —vii. 7) ; 
ny zavatra mahagaga sy mahatahotra mam 
nataon' i Jehova hampijaly ny mpanjakan' 
i Egypta sy ny vahoakany ; ary ny nane- 
ndrena ny Pasaka voalohany (vii. 8 — xii. 
36). 

(2) Ny fizaraua faharoa amin' ny tantara 
dia milaza ny nialan' ny Zanak' Isiraely 
tany Egypta, ny nitandremany ny Paska 
ary ny nitondran Andriamanitra azy tamin' 
ny andry rahona sy afo (xii. 37 — xiii. 22) ; 
ny nanaovan' Andriamanitra lalana tao afo- 
voan' ny Ranomasina Mena handosiran' ny 
olony, ary ny nandringanany ny Egyptiana 
izay nanenjika azy hatreo (xiv.) ; ny hira 
fifaliana sy fisaorana nataon' i Mosesy sy ny 
Zanak' Isiraely noho ny namonjen* Andria- 
manitra azy (xv. 1-21) ; ny nimonomononan' 
ny olona noho ny hetahota sy ny hanoanana 
nanjo azy (xv. 22 — xvi. 3) ; ny nanomezan' 
Andriamanitra azy ny mana avy tany an- 
danitra (xxi. 4-36) ; ny tsi-finoan' ny olona 
tany Masa sy Mcriba (xvii. 1-7); ny niha- 
vian' ny Ameleka hiady amin' ny Isiraely, 
ary ny nandresen' i«fosoa azy (xvii. 8- 
10) ; ary ny saina nomen' i Jetro, rafozan' 
i Mosesy, ny amin* ny hitsarany ny vahoaka 
(xviii.). 

II. — Ny fizarana faharoa lehibe amin' ny 
boky Eksodosy dia milaza ny Nanomezana 
ny Lalana, dia ny Didy Folo, ary ny lalana 
maro hotand reman' ny Zanak' Isiraely ny 
amin' ny fanompoany an' i Jehova, dia ny 
fisoronana sy ny hanaovana ny Tabernakely 
sy ny fanaka masina rehetra momba ny 
fivavahana. Ary rehefa vita izany, ny 
nanaovan' i Mosesy ny zavatra rehetra araka 
ny marika nomen' i Jehova azy no lazaina 
voalohany ; ny tantaran' ny nisehoan' i Je- 
hova tao an-tampon' iSinay, ny aizina sy 
kotrokorana sy ny feon' ny trompetra, ary 
ny nilazany ny Didy Folo (xix. 1 — xx. 21), 
ary ny didy maro samy hafa koa (xx. 22 — 
xxiii/33). 

Ary koa, ny niakaran' i Mosesy tao an- 
tampon' i Siiiay (xxiv.) : ary ny nampia- 
naran' i Jehova azy ny amin' ny hanaovany 



ny fiaran' ny fanokona (xxv. 10-22), ny 



lata- I 



ELA 

batra fametrahana ny mofo aseho (23-30), ny 
fanaovan-jiro volamena (31-40), ny Taberna- 
kely (xxvii.), ny altara varahina, (xxvii. 1- 
8), ny kianj an' ny Tabernakely (9-19); ary 
ny akanjo masina fanaon' ny mpisorona - 
be (xxviii.), ny hanendrena ny mpisorona 
rehetra ho amin' ny raharahany (xxix. 1-37), 
ny fanatitra haterina isan-andro (38-46), 
ny altara fandoroan-java-manitra (xxx. 
1-10), ny vola haterin' isan' olona (11-16), 
ny tavy varahina (17-21), ary ny ditin-kaxo 
manitra hodorana isan-andro (22-38). Ny 
anaran' ny olona izay hifehy ny mpiasa 
amin' ny hanaovana izany rehetra izany din 
nolazaina, ary ny nanendrena ny Sabata 
(xxxi.). 

Manaraka izany dia misy tantara indray 
milaza ny nanaovan' ny Zanak' Isiraely ny 
ombilahy kely volamena hivavahany (xxxii. 
1-6); ny hatezeran' i Jehova sy Mosesy 
(7-24) ; ny namonoana ny olona maro noho 
ny fahotany (25-29) ; ny nfonana natacn' 
i Mosesy ary ny namelan' Andriamanitra 
ny heloky ny olona (xxxii. 30 — xxx iii. 23) ; 
ny niakaran' i Mosesy tao an-tampon' i Sinay 
indray, ny nanomezana azy ny didy sasany ; 
ny nidinany hihaona amin ny olona, tamin* 
ny tava namirapiratra (xxxiv.). Dia voa- 
laza ny nanaovana ny Tabernakely sy ny 
fanaka masina rehetra ary ny fitafian' ny 
mpisorona (xxxv. — xxxix.). Ary ny teny 
farany milaza ny nanorenana ny Taberna- 
kely sy ny nitokanana azy (xl.). 

b. — Ny amin* izay Nanoratra ny Boky 
Eksodosy, sy ny Andro ary ny Tany nanoratana 
azy, etc., dia zahao ao amin' ny tony hoe 

PE2TTATE0KA. — J. 8. 

ELA: dia anaran' ny olona enin-dahy 
lazain' ny Test. Tal. ; ny anankiray dia 
isan' ny mpanjakan' ny Isiraely. (1) 
Anankiray tamin' ny loham-pirenena tany 
Edoma (Gen. xxxvi. 41 ; 1 Tant. i. 53). 
(2) Rain' ny manamboninahitra anankiray 
isan' izay notendren' i Solomona hanamboa- 
tra hanina ho azy sy ny tandapany (1 Mpan. 
iv. 18). (3) Ny anankiray tamin' ny zana- 
kalahm' i Kalcba, ilay nirahina hisafo ny 
tany Kan an a (1 Tant. iv. 15). (4) Ny ana- 
nkiray tamin' ny zanakalahin' Iozy, olom- 
Benjamina (I Tant. ix. 8). (6) Ny anankiray 
tamin' ny mpanjakan' ny Isiraely, ary zanak* 
i Basa mpanjaka. ^anao izay ratsy teo 
imason' i Jehova izy, ary nony nanjaka roa 
taona (b.c. 930-929) dia nisotro divay be izy 
ka raamo tao an-tranon' ny mpanompony 
anankiray ; ka dia novonoin' iZimry, "kapi- 
tenin' ny anteasaky ny narakodiany izy." 
Ny mpianakavin' iEla sy ny sakaizany 
novonoina koa ; ka dia tsy nisy nanjaka 
intsony avy tamin' ny mpianakavin' i Basa, 
ary dia tanteraka tamin' izay ny teny efa 
nolazain' i Jeho mpaminany (1 Mpan. xvi. 
0-14). (0) Rain' i Hosea, mpanjakan' Isi- 
raely farany (2 Mpan. xv. 30; xvii. 1).— 



Digitized by 



Google 



ELA 

ETiAHA, Lohaaaha : dia izay nitobian' ny 
Zanak' Isiraely tamin' ny namonoan' iDa- 
vida an' iGoliata (1 Sam. xvii. 2, 19 ; xxi. 
9). Klah dia teny Hebreo milaza bazo 
vaventy atao hoe terebinta, ary ny lohasaha 
oahazo ny anarany tamin' ny habetsahan' 
ny terebinta naniry tao. Tao amin' ny 
zara-tanin' ny Joda io lohasaha io, an-tsisin' 
ny tany lemaka amoron-dranomasina izay 
fonenan' ny Filistina, ary roa ambin' ny 
folo maily ao atsimo-atsinanan' i Jerosalema 
(Jos. xv. 33, 35). Wady es-Sumpt no anaran' 
ny lohasaha ankehitriny, dia avy tamin' ny 
aXasia maniry ao, ary mbola misy terebinta 
vaventy ao koa. — J.s. 

ELA MA : dia anaran' ny zanakalahy 
matoan' i Soma (Gen. x. 22), ary tahaka ny 
olona maro avy tamin' ny taranak' iNoa, 
dia razan' ny firenena anankiray izy ; ary 
ny tany nonenan' izany firenena izany dia 
nantsoina araka ny anaran -drazany (Gen. 
xiv. 1, 9 ; Isa. xi. 11 ; xxi. 2 ; Jer. xxv. 25 ; 
xlix. 34-39 ; Ezek. xxxii. 24 ; Dan. viii. 2). 
Ky tany El am a lazain' ny Test. Tal. dia 
tany atsimon' i Asyria sy atsinanan' i Persia ; 
n&tao hoe Cissia tamin' ny tantara sasany 
izy, ary Susis, na Susiana, tamhi' ny boky 
geografy teo aoriana. Elama dia tany be 
tendrombohitra izay nampisaraka ny tany 
lemaka any Mesopotamia sy ny tany avo 
any Persia, ary koa, tany iva sady maha- 
vokatra ao ambodin' ny tendrombohitra, an- 
elanelan' ireo sy ny ony TigTisy. Olona 
taranak' i Sema sy havan' ny Arameana sy 
ny Asyriana no nahazo an' i Elama ho fone- 
nany ; ary efa tonga fanjakana lehibe sy 
mahery izy tamin' ny andron' iAbrahama, 
fa ny mpanjakan' iElasara (Kaldea) sy 
Sinara (Babylonia) no nanoa ny mpanja- 
kan' i Elama ka niaraka taminy mba hiady 
(Gen. xiv. 1-12). Tamin' izany Elama dia 
nahery indrindra tamin' ny fanjakana rohe- 
tra tany Mesopotamia, dia tahaka an' i Ba- 
bylona tany aloha (Gen. x. 10), ary tahaka 
an' i Babylona sy Asyria tao aoriana. Tsy 
naharitra ela anefa ny fanjakan' i Elama ; fa 
rehef a nihena ny herin' i Asyria, dia niara- 
ka tamin' ny Babyloniana ka uiady tamin' 
i Asyria izy ; ary taorian' izany dia lasan' 
ny Babyloniana Elama. Fa rehofa lasan' 
ny Persiana kosa ny fanjakan' i Babylona, 
Elama koa dia tonga isan' ny fizaran-tany 
notapahln' ny Persiana ; zahao Est. i. ; 
Dan. v., vi. ; Ezr. iv. 9 ; Isa. xxi. 2 ; xxii. 
6 ; ary Susa renivohiny dia tonga isan' ny 
tan ana lehibe nitoeran' ny mpanjakan' 
i Persia (Dan. viii. 2). Dia hita amin' izany 
niovaovan' ny toetr' i Elama izany ny naha- 
tanterahana ny tenin' i Jeremia voalaza teo 
ambony. Ary ankehitriny ny tany natao 
hoe Elama dia anatin' ny fanjakan' i Persia. 
Ireo "Elamita," izay lazaina ao amin' ny 
Asa. ii. 9 ho efa tonga tany Jerosalcma 
tamin' ny andro Pentekosta niaraka tamin' 
ny olona maro, angamba dia taranaky 



1«1 ELE 

ny Jiosy avy tamin' ny firenena folo, izay 
tafatoetra tany Elama ka tsy niveriua 
tamin' ny tanin- drazany. — j.8. 

ELASABA : dia anaran' ny tany anankiray 
any Asia; Arioka mpanjakany niaraka 
tamin' ny mpanjakan' i Elama sy Sinara 
nitondra tafika tany Kanana tamin' ny 
andron' iAbrahama (Gen. xiv. 1). Tsy 
fantatra marina izay nitoeran' io tany io ; 
nefa kosa, satria voalaza miaraka tamin' 
i Elama sy Sinara, dia angamba tany Meso- 
potamia hiany izy. Raha toy ny hevitry ny 
sasany, Elasara dia sahala amin' llay Telasam 
voalazan' ny 2 Mpau. xix. 12. — j.s. 

EL ATA, na ELOTA : dia anaran' ny tana- 
na anankiray tany amin' ny tany Edoma, 
ka lazaina miaraka amin' i Ezion-gebera ; fa 
tao amin' ny lohany ny andrefana amin' ireo 
golfa roa izay rantsan' ny Rauomasina Mena, 
izay natao hoe Sinus Utaniticwi, fa ankehi- 
triny kosa, Golfan' iAkaba, izy. Lazaina 
voalohany izy amin' ny teny milaza ny nande- 
handehanan' ny Zanak' Isiraely (Deo. ii. 8), 
ary teo aoriana indray dia lasan' i Davida, 
rehofa resiny ny tany Edoma (2 Sam. viii. 
14). Avy tany no nialan' ny sambon' 
i Solomona (I Mpan. ix. 26; 2 Tant. viii. 
17) ; fa nony nikomy ny Edomita tamin' 
ny andron' i Jorama, dia tsy nanaiky ny Isi- 
raelita ho torapony intsony ny olon' i Elata 
(2 Mpan. viii. 20), nefa kosa lasan' i Azaria, 
mpanjakan' J Joda, indray ny tanana (xiv. 
22). Rehef a afaka izany indray, "Rezina, 
mpanjakan' i Syria, dia nahalasa an' i Elota 
ho isan' ny fanjakan' i Syria ka nandroaka 
ny Jiosy hiala tao ; ary ny Syriana nankany 
Elota ka monina ao mandraka andro any" 
(2 Mpan. xvi. 6). Tsy voalaza loatra intsony 
ny tanana raha tsy tonga ny andro nanjakan' 
ny Romana, fa nihena lalandava ny lazany. 
Toa nihalehibe indray izy rehofa lasan' ny 
Mohamedana ny tany ; fa ankehitriny kosa dia 
kely foana izy, ary Eylah no anarany. — j.s. 

ELD ABA (Tian' Andriamanitra) sy ME- 
DADA: izy roa lahy dia isan' ny fito-polo 
lahy izay notendren' i Mosesy hanarapy azy 
tamin' ny nanapahany ny Zanak' Isiraely. 
Kaha sendra vory ny namany nanodidina 
ny Tabernakcly hitadiavany izay hitarilian' 
Andriamanitra azy, dia tsy teo izy roa lahy, 
fa naminany sy nampianatra ny olona tao 
an -toby. Ary Josoa dia nanambara izany 
tamin' i Mosesy mba handrarany azy ; fa 
tsy nety nandrara azy akory Mosesy, fa 
naniry kosa mba hanam-panahy tahaka azy 
roa lahy aza ny olona rehetra (Nom. xi. 26- 
29).-— p.o.p. 

ELEALE (Havoan' Andriamanitra) : dia 
tanana tany Moaba tao atsinanan' i Jordana. 
Niorina tao an-tampon-tendrombohitra izy, 
ka izany no nahazoany ny anarany. Lasan' 
ny firenen' i Robena ny tanana, dia naoriu' 
ireo indray (Nom. xxxii. 37), ary tao amin' 
ny siain' ny zara-tanin' ny Kobena sy ny Gada 
izy (Jos. xiii. 26). Rehef a nihena ny herin' 



Digitized by 



Google 



ny fanjakan' ny Jiosy, dia lasan' ny Moabita 
indray Elealc, ary dia nolazain' ny mpami- 
nuny taniiu* izauy fa isan' ny tanana an' 
i Moaba izay haringana izy ; zahao Isa. xv. 
4 ; xvi. 9 ; Jer. xlviii. 34. Betsaka ny trano 
rava mbola hlta ao mbamin' ny manda izay 
nanodidina ny tanana ; El~'al no anarany 
ankehitriny. — J.s. 

ELEAZARA (Andriamanitra mpanampy) : 
dia anaran' ny olona maro tao amin' ny 
Jiosy, sady hita matetika ao amin' ny Sora- 
tra Masina ; fa izay voalaza eo ambany dia 
malaza indrindra. 

Eleazara (1) : zanakalahin' i Arona faha- 
teloizy (Ek. vi. 23, 25) ; rehefaraaty tampoka 
Nadaba sy Abiho zokiny ka tsy niteraka (Lev. 
x. I ; Nom. iii. 4), Eleazara no notendrena 
ho mpifehy ny Zanak' iLevy (Nom. iii. 32). 
Raha mbola velona rainy, izy sy Itamara 
zandriny nanao nv raharahan' ny fisoronana ; 
ary taloha kelin ny nahafatesan' i Arona 
tao an -tampon' i Hora, Eleazara no nampi- 
tafin' i Mosesy ny akanjo raasina fanaon' ny 
mpiaoronabe, ka dia nandimby an' i Arona 
tamin' izauy raharaha lehibe izany izy 
(Nom. xx. 25-28). Niaraka tamin' iMosesy 
Eleazara nampanisa ny Zanak' Isiraely 
(xxvi. 3) ; ary rehefa lasan' ny Isiraelita ny 
Tany Ma sin a, dia izy sy Josoa no nizara ny 
tany (Jos. xiv. 1). Niara-belona tamin' 
i Josoa izy, ary nifanaraka tsara sady nif a- 
nampy izy roa lahy. Eleazara no heverina ho 
velona dlmy amby roa-polo taona taorian' 
ny nidiran' ny Zanak' Isiraely tao amin' ny 
Tany Masina, ary ny teny farany ao amin' 
ny Bokin' i Josoa milaza ny nahaf atesany sy 
ny nandevenana azy. 

Eleazara (2) : zanakalahin' i Abinadaba 
tany Kirjata-jearima, ary notendrena hitan- 
drina ny Fiaran' Andriamanitra izy raha 
mbola nipetraka tao an-tranon-drainy izany 
(1 Sam. vii. 1). 

Eleazara (3) : zanak' i Dodo Ahohita, ary 
anankiray tamin' ilay olo-mahery telo lahy 
izay nalaza indrindra tamin' ny miaramilan' 
iDavida. Izy sy ny namany namely ny 
Filistina, rehefa lasa nandositra ny olon' 
Isiraely, ary niady izy ' 'raandra-pahavizan' 
ny tanany ka efa niraikitra tamin' ny 
sabatra." Izy sy ny naraany roa lahy koa 
namaky ny filaharan' ny miaramila Filistina, 
ka nanovo rano avy tamin' ny fantsakana 
tao Betlehema, rehefa reny ny nanirian' 
iDavida hisotro rano avy amin' izany 
(2 Sam. xxiii. 9, 13-17). 

Eleazara (4) : Levita, zanaky Mahly, ary 
zafin' i Merary, izy (1 Tant. xxiii. 21, 22). (5) 
Mpisorona anankiray tamin' ny nitokanana 
ny Tempoly tamin' ny andron' iNehemia 
(Neh. xii. 42). (6) Zanak' iParosy, izay efa 
nampaka-bady avy tamin' ny vahiny, fa 
nampody azy indray (Ezr. x. 25). (7) Zanak' 
iFinehasy Levita (Ezr. viii. 33). (8) Zanak' 
i Elioda, izay voalaza eo amin' ny nrazanan' 
i Jeaosy Kristy (Mat. i. 16).— j.s. 



i«* ELE 

ELEFANTA: tsy misy teny milaza ny 
elefanta amin' ny Soratra Masina, kanefa 
maro ny teny milaza ny "ivory," izay 
vangin' ny elefanta. Roa karazana izany 
biby makadiry be izany. Ny anankiray hita 
any Asia, ary ny anankiray kosa any Afrika ; 
fa ny any Afrika dia kelikely sady lava loha 
noho ny any Asia, ary ny sofiny koa dia 
makadiry sady manarona ny sorony ; ary 
raha manetsiketsika izany izy dia mikopako- 
paka amin' ny. rivotra ka misy feo toy ny 
ataon' ny elatry ny vorona lehibe ; fohy ny 
rambony noho ny an' ny elefanta any Asia, 
samy hafa ny toetry ny nifiny, ary manana 
vangy roa lava izy ; fa ny any Asia dia 
ny lahy hiany no manana izany. 



Elefanta. 

Rehefa lehibe ka mitsahatra tsy mitombo 
intsony ny elefanta, dia hatramin' ny rcfy 
sy mamaki-tratra ka hatramin' ny faharoa 
na mahery kely aza ny hahavony ; fohy ny 
vozony, ka saiky tsy mahay miherika izy ; 
ary raha te-hijery ny ao am-bohony izy, 
dia tsy maintsy mihodina mihitsy ; leliibe 
ny ranjony, ary saiky ao afovoany tahaka 
ny amin' ny olona ny lohaliny ; ka raha 
mbola tanora izy dia afaka mandohalika 
moramora, kanefa rehefa autitra dia saro- 
tra aminy ny manao izany, ka dia matory 
miUangana izy. 

Mainty mangavoka ny ankabiazan' ny 
elefanta, kanefa misy fotsifotsy, ary saro- 
bidy ireo. Ny orony lava no zavatra maha- 
gag-a indrindra amin' ny ten any rehetra. 
Indraindray valo fita ny halavany ; ary ny 
ao am-potony dia dimy fita sy sasany ny 
manodidina azy; poakaty izany sady nofo 
hiany, ary eo amin' ny tendrony misy vavo- 
rona roa tahaka ny an' ny lambo, ary na dia 
iray hiany aza ny ivelauy, mizara roa ny ao 
ana tiny. Ny orony lava dia azony hetsehina 
amin' izay tiany hanaovana azy, fa hainy hala- 
vaina sy haf ohezina ary af aingoka sy atsotra, 
sady mora alefitra mba haka zavatra kely na 



Digitized by 



Google 



ELI "8 

hanongotra hazo lehibe; ary misy zavatra 
tahaka ny tongotry ny bibm-tsaonjo ao 
ambanin* ny crony lava mba hahaizany 
hamibina tsara ny zavatra tiany hohazonina. 
Ao amin' izany koa no iainan' ny elefanta sy 
isotroany rano ary animboloany ; ary ao 
akaikin' ny tendrony misy mibontsona tahaka 
ny rantaan -tanana, ka dimy intaa no hala- 
vany; ary bainy hetsiketsehina koa izany 
toy ny orony lava Many; mahay maka 
paingotra amin' ny gorodona izy sy mamaba 
ny vonan-kofehy ; mahay mamoha hidim- 
baravarana, ary mahay manoratra amin' ny 
penina aza izy. 

Tokony holazaina koa ny halehiben' ny 
vangin' ny elefanta, fa tsy mabaaoa azy 
amin' ny fitaakoana banina ireo, fa mba 
hiadiany amin' ny f abavalony biany ; maniry 
avy amin' ny valanoranony am bony ireo; 
ary ny balavany dia mihoatra nobo ny refy 
indramdray ; ary ny lanjan' ny antononto- 
nony dia tokony bo fito-polo amby roan-jato 
Hvatra. Ny lanjan' ny elefanta lehibe dia 
enina arivo na fito arivo livatra. 

Ny vanginy dia tsara batao zavatra maro, 
dia ny zaran-antsy sy ny zava-maneno sasany, 
toy ny barimony sy ny piano, sady hanao- 
ran-taary sy ny kilalao samy hafa koa, etc., 
izy. Ny olona mahay indrindra man am boa - 
tra ny ivory dia ny olona any Tsina (China). 
Zava- tsara sady saro-bidy ny ivory ; dia 
Solomon a, izay mpanjaka be hurena, "nanao 
eeza fiandrianana ivory lehibe, ka nope- 
tahany takela-bolamena tsara indrindra" 
(I Mpan. x. 18) ; ary ny sambony nitondra 
ivory avy tany India (x. 22). Ary amin' 
ny feaiboly dia misy teny milaza fa izany 
no ahafantarana ny manankarena ; vakio 
1 Mpan. xxii. 39 ; Sal. xlv. 8 ; Ezek. xxvii. 
6; Am. iii. 16; vi. 4. — i.d. 

ELHA VAN A : mpiady raahory sy malaza 
tamin' ny andron' i Davida izy ; zanaka- 
lahin' i Jaira izy, ary namono an* i Lahmy, 
rahalahrn' i Qoliata, izay nnnan- jaran-defony 
dia tahaka ny voditenona (2 Sam. xxi. 19; 
1 Tant. xx. 6). 

ELhaaana : (2) zanakalahin' i Dodo tany 
Betlehema izy, ary isan' ny miaramila voa- 
fantma telo-polo lahy izay nanompo an' 
i Davida (2 Sam. xxiii. 24 ; 1 Tant. xi. 26).— 

T.T.1C. 

ELIA na ELI J A (Jehova no Andriamanitro) . 
Miseho tampoka ao amin' ny Baiboly ny 
anaran' ity lehilaby ity ; ary na dia rapami- 
nany lehibe sy malaza aza izy, tsy misy teny 
«ypfa«. ny anaran' ny ray aman-dreniny, 
na ny tanana nahaterahany. "Elia Tisbita, 
isan' ny nivabiny tany Gileada" (1 Mpan. 
xvii. 1), no teny voalohany ahafantarantsika 
azy; ary ny sasany mihevitra fa ny hoe 
"Tisbita" dia avy tamin' ny anaran' ny 
tanana nababe azy ; koanefa tsy fantatra 
izay tanana nanana anorana toy izany. Fa 
ny sasany kosa mihevitra fa Elia dia vahiny 
tamin' ny Zanak' Lriraely, ary ny teny hoe 



ELI 

Tisbita dia azo adika hoe vahiny, boy izy. 
Raha vao nisebo izy dia naminany teo ana- 
trehan' i Ahaba mpanjaka nanao hoe : "Tsy 
hisy ando na ranonorana akory amin' izao 
taona izao, raha tsy araka nv teniko." Ary 
ny hihavian' izany tsy nisy fotoana, fa araka 
ny tenin' i Elia hiany, mba tsy h an an an' 
i Ababa f anantenana avy amin' ny mpaminany 
sandoka. Ary rehefa tanteraka ny tenin' 
iElia, ary notadiavin' i Ahaba sy Jezebela 
vadiny hovonoiny izy, Elia dia narovan' 
Andriamanitra, ary tao a moron' ny renirano 
Kerita no nitoerany [iebiti] ; fa nitondran' 
ny goaika mofo sy hena izy isa-maraina, ary 
mofo sy hena isan-kariva (xvii. 3-7). Misy 
ny olona saaany anefa mihevitra fa nv teny 
nadikaboe "goaika" dia tokony adika hoe 
"Arabo ;" ary dia ataony fa olona hiany no 
nitondra banina ho azy. Nefa tsy zavatra 
lehibe amin' Andriamanitra na dia vorona 
toy ny goaika aza no nitondra bena sy mofo 
bohanin' iElia. Ary rehefa tanteraka ny 
an ton' ny nanirahan' Andriamanitra azy 
tany, dia ritra nv rano teo amin' ny ony ; 
ka dia tonga tamin' i Elia indray ny tenin' 
Andriamanitra mampandeha azy no any 
Zarefata, tanana tao amoron-dranomasina 
any a vara tra. Dia tao an-tranon' ny mpi- 
tondratena anankiray tany no nanaovan' 
i Elia fahagagana malaza ; fa ny lafarina 
sy ny diloilo kely nananan' ilay vehivavy 
dia tsy nety ho lany. Ary tao koa no 
nananganan' i Elia ny zanaky ny mpitondra- 
tena tamin' ny maty (xvii. 9-24). 

Ary dia nizahan' Andriamanitra toetra 
indray ny finoan' i Elia, raha nadiva bo 
tapitra ny mosary. Fa na dia nitady ny 
ainy aza Ahaba sy Jezebela, dia nisebo tampo- 
ka tamin' iObadia, mpanompon' i Ahaba, 
izy, ka naniraka azy haka an' i Ababa 
mba hihaona arainy. Ary rehefa tonga ny 
mpanjaka, Elia nananatra azy nobo ny 
hadisoany dia nandidy azy hamory nv mpa- 
minany rehetra izay nanompo an iBala 
sampy ho any Karmela, mba ho hi tan' ny 
olona marimarina izay Andriamanitra tokoa, 
na Jehova, na Bala. Ary ny f amantarana 
nomen' i Elia dia ny afo avy any an-danitra 
handoro ny fanatitra bateriny. Koa ny 
mpisorona an' i Bala namono omby ka name- 
traka azy teo ambonin' ny alitara, dia 
niantso hatramin' ny maraina ka hatramin' 
ny hariva mba bampidinan' i Bala afo 
handoro sy handany ny fanatitra. Nefa tsy 
nisy nihaino na namaly azy. Fa Elia kosa, 
rehefa namboariny ny fanatitra, sady nasiany 
rano betsaka teo amboniny, dia nivavaka 
tamin' i Jehova ; ary Andriamanitra namaly 
azy ka nampidina ny afo, izay nandany tsy 
ny fanatitra hiany fa ny rano aza izay naha- 
feno ny hady nanodidina izay nanaterany 
azy. Koa na dia cfa nisalasala ela aza ny 
olon' Isiraely, rehefa hitany izany zavatra 
mahatalanjona izany, dia niankohoka ka 
niantso hoe: "Jehova, Izy no Andriumani- 



Digitized by 



Google 



ELI 1M 

tra ! Jehova, Izy no Andriamanitra !" Ary 
niaraka tamin' izay Elia dia nampamono ny 
mpaminany an' i Bala, araka ny lalana ny 
amin' ny fanompoan-teainpy ; ary tsy nisy 
sahy hisakana azy. Ary relief a vita izany, 
diit niposaka ny ruhona kely, ka nitombo 
ambara-paha-maintin' ny lanitra avokoa, 
ary tonga ny ranonorana be ; fa raha mbola 
tsy latsaka izany, dia nitsangana teo amin' 
ny kalesin' i Ahaba hankany Jezirela, fa 
Elia koa nihazakazaka teo alohany ho any 
ain-bavahadin' ny tanana. Vakio 1 Mpan. 
xviii. ; Lio. iv. 25 ; Jak. v. 17. 

Toa resy am-panahy Ahaba, fa Jezebela 
kosa nikaga hamaly ratsy an' i Elia noho ny 
naraonoany ny mparainany sandoka. Nia- 
niana tamin' ny anaran' ny andriaraaniny 
izy fa tahaka ny namonoan' i Elia ny mpa- 
minany an' i Bala no hamonoany an' i Elia 
kosa. Dia naniraka tamin' i Elia izy, hilaza 
fa izany no kasainy hatao aminy amin' ny 
ampitso. Angamba natahotra hamono an' 
i Elia tamin' izany izy, fa nikasa hampando- 
sitra azy hiala amin' ny taniny. Ary raha 
izany tokoa no noheverin' i Jezebela, dia 
tanteraka ny heviny, fa lasa nandositra Elia, 
dia namaky an' i Joda, ka tsy nijanona 
mandra-pahatongany tany Horeba, ilay 
tendrombohitra nisehoan' Andriamanitra ta- 
min' ny olony tamin' ny nanomezana ny 
Lalana. Dia hitantsika fa Elia, izay efa 
gahy hanohitra ny mpaminany mpunompo 
sampy sy ny vahoaka ary ny rapanjakany, 
dia natahotra ny tenin' ny vchivavy ananki- 
ray ka toa tsy natoky ny herin' Andriama- 
nitra hiaro azy intsony. Fa Andriamanitra 
kosa tsy niba nahafoy azy, fa tany Horeba 
no nahitan' i Elia fahagagana izay fanamba- 
rana ny herin' Andriamanitra. Tamin' ny 
nalehany nankany Horeba, tsy nihinan- 
kanina akory izy 40 andro sy 40 alina. Ary 
re h of a tonga tao izy, dia nisehoany ny vara- 
tra sy ny horohoron-tany ary ny afo, izay 
natahotra azy ; fa rehefa afaka izany, dia 
nandre ny feon' Andriamanitra, dia feo 
malemy sy mora, nanontany azy hoe : "Ma- 
nao inona aty hianao, ry Elia ?" fa efa 
nandositra lavitra tamin' izay nametrahan' 
Andriamanitra azy izy. Ary ny teny nenti- 
ny nanala tsiny dia ny hoe: "Izaho irery 
hiany no sisa" (tamin' ny mpanompon' 
Andriamanitra), "nefa mbola mitady haha- 
faty ny aiko koa izy." Koanefa Andriama- 
nitra nan am bar a taminy fa mbola nisy olona 
7000 izay tsy nety niondrika tamin' i Bala 
na nanompo azy. Ary dia nasain' Andria- 
manitra izy hitondra teny any amin' i Ahaba, 
hilaza ny fampijaliana hahatratra azy noho 
ny ratsy nataony (1 Mpan. xix. 1-18). 

Fa tamin' izany andro izany Ahaba dia 
mbola finaritra noho ny tsy nahatanterahana 
ny teny mafy efa nolazain' i Elia matetika, 
dia niautafika izy ary nitady izay handroa- 
hany an' iNabota hiala amin' ny tanim- 
boliny. Nefa raha vao maty Nabota, ary 



ELI 



nandeha haka ny tanimboliny Ahaba, dia 
iudro, Eiia nijanona teo anatrehany ka 
nanambara zavatra izay nampivalo'arika ny 
tarehiny, dia ny fahafatesana mahamenatra 
izay hanjo azy, fa Uolelafin' ny alika ny 
rany (1 Mpan. xxi.). 

Ary rehefa afaka izany dia niseho indrai- 
ndray foana Elia, ary angamba nikely aina 
nampianatra tao amin' ny sekolin' ny mpa- 
minany izy. Rehefa maty Ahaba, Ahazia 
zanany no nandimby azy ; fa izy koa tsy 
nanompo an' i Jehova, ary raha narary 
mafy izy dia naniraka tamin' i Bala-zeboba, 
andriamauitr' iEkrona, h an on tan y na ho 
faty izy, na ho sitrana. Fa ny olona nira- 
hiny nifanena tamin' ny lehilahy anankiray 
izay nampiverina azy ; ka dia nasainy nilaza 
tamin' i Ahazia izy ireo fa tsy hidina hiala 
amin' izay farafara niakarany, fa ho faty 
tokoa izy. Ary rehefa voalazan' ny iraka 
ny fomban' ilay lehilahy nifanena taminy, 
dia fantatry ny mpanjaka fa izy no Elia, ka 
dia naniraka miaramila hisambotra azy izy. 
Nefa ny miaramila 50 lahy nirahiny voalo- 
hany dia matin' ny afo avy tany an - dan i tra. 
Dia naniraka 50 lahy indray izy, kanefa 
matin' ny afo koa izy. Fa ny mpifehy ny 
miaramila 50 izay nirahin' i Ahazia faninte^ 
lony dia nifona tamin' i Elia mba tsy hovo- 
noina izy sy izay nomba azy. Dia niaraka 
taminy Elia ka nilaza tamin' ny mpanjaka 
fa ho faty izy (2 Mpan. i.). 

Ary rehefa antomotra ny andro hialan' 
i Elia amin' izao fiainana izao, dia nandeha 
nitety ny sekolin' ny mpaminany izy, ary 
Elisa koa niaraka taminy. Tao amoron' 
i Jordana no nitsangantsanganan' izy niia- 
naka, fa Elia te-hita ny ony ary handia 
indray mandeha ny tanin-drazany. Dia 
nalainy ny lambany ka navalony, ary noka- 
pohiny ny rano ; dia nisaraka ho roa ny 
rano, ka tany main a no nalehan' izy roa lahy. 
Ary raha mbola niresaka Elia sy Elisa, dia 
indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo niseho 
ka nampisaraka azy roa lahy, ary Klia 
dia niakatra tamin' ny tadio ho any an- 
danitra (2 Mpan. ii. 1-11). Ka dia Elia, 
tahaka an' iEnoka koa, no noraena ny voni- 
nabitra lehibe ny miala amin' izao fiainana 
izao nefa tsy mahita fahafatesana; fa ny 
tenany nentina tany an-danitra niaraka 
tamin' ny fanahiny ka tsy nahita ny lo. 

Tamin' ny niovan' iKristy tarehy tany 
an -tendrombohitra avo, Elia niseho indray 
niaraka tamin' i Mosesy, ka niresaka tamin' 
ny Tompo ny amin' ny hahafatesany, ary 
hitan' i Petera sy Jakoba ary Jaona izy 
(Mat. xvii. 3). Nalaza indrindra tamin* ny 
mpaminany izy, ka dia niseho toa solom- 
bavan' izy rehetra hanaiky an' i Jesosy ho 
nahatanteraka ny tenin' ny mparainany. — 

G.A.8. 

ELIABA : (I) zanakalahin' ilielona izy, 
ary lehil>en' ny firenen' ny Benjamina tamin' 
ny nandehandehanany tany an-cntra (Nom. i. 



Digitized by 



Google 



ELI M 

9; ii. 7 ; vii. 24). (2) Olon-dRobena, zanak' 
i Palo, ary rain' i Datana sy Abirama (Nom. 
xxvi. 8, 9 ; Deo. xi. 6). (3) Zanakalahy 
matoan' iJesy, rain* i Davida. Lehilahy 
lava sady tsara tarehy izy, ary nanaraka 
an* i Saoly mpanjaka hiady amin' ny Filisti- 
zia. Fa niavonavona kosa izy ka naneso an' 
i Davida zandriny noho ny fahasahiany sy 
ny faniriny hahita ny ady ; kanefa nolavin' 
Andriamanitra izy, satria hitan' i Jehova 
izay tao am-pony. Zahao 1 Sara. xvi. 6, 7 ; 
xvii. 13, 28; 1 Tant. ii. 13. (4) Levita izay 
isan* ny antokony faharoa ka voatendry 
hitendry ny zava-maneno teo amin' ny Tem- 
poly tamin' ny andron' i Davida, sady inpia- 
adry varavarana koa izy (I Taut. xv. 18, 20 ; 
xvi. 5). Nisy roa lahy hafa koa natao hoe 
Eliaba: zahao J. Tant. vi. 27; xii. 0. — 

ELIADA (Izay fantatr' Andriamanitra). (1) 
Isan' ny zanakalahin' i Davida izy ka t era lea 
taminy rehefa tafatoetra tsara tany Jerosa- 
lema ny fanjakany (2 Sam. v. 16 ; 1 Tant. 
iii. 8). (2) Bain* i Rezona, mpifehy ny 
jiolahy izay nanahirana an' i Solomona, 
ka tonga mpanjakan' i Syria tao aoriana 
(I Mpan. xi. 23). (3) Mpifehy ny miaramilan' 
ny Beniamita, izay nanaraka an' i Josaf ata 
mpanjaka hiady, ka nitarika olona 200,000 
izay nitondra tsipiba sy arapinga. Lazaina 
ho lehilahy mahery miady sady sahisahy izy 
(2 Tant. xvii. 17).— J.s. 

g LTA y ™ A {I* a !/ *f<* nasandratr' Andria- 
manitra) : zanakalahin' i Hilkia izy, sady 
mpitandrina ny tranon' i Hczekia mpanjaka 
(I*a. xxxvi. ; 2 Mpan. xviii. 18, 26) ; ary 
nandimby an' iSebna, izay naongana ho 
valin' ny fireharehany (Isa. xxii. 15-20). 
Lehilahy tsara fanahy Eliakima, fa hoy ny 
tenin' Andriamanitra milaza azy : ' 'Eliakima 
mpanompoko ;" ary hitan tsika koa izany 
amin' ny nataouy tamin' ny nananhan' i San- 
keriba an' i Jerosalema (2 Mpan. xviii. 37; 
xix. 1-5) ; ary indray, tamin' izay nataony 
raha mbola nanao ny raharahan' ny fanja- 
kana izy, fa lazaina ho * 'tonga rain' ny 
mponina tany Jerosalema sy ny taranak' 
i Joda izy" (Isa. xxii. 21). 

(2) Eliakima koa dia tena- anaran' iJoi- 
akima, mpanjakan' ny Joda, izay zanak' 
iJoaia (2 Mpan. xxiii. 34). Zahao joia.- 
koca. (3) Mpisorona anankiray tarain' ny 
andron' i Nehemia, izay nanampy tamin' ny 
nanokanana ny mandan' i Jerosalema, rehefa 
voaorina indray izany (Neh. xii. 41). (4) 
Zanakalahy matoan' iAbioda ary rain' 
i Azora izy, araka ny tony milaza ny 
firazanan' i Jesosy Kristy nosoratan' i Matio 
(i. 13). (5) Zanakalahin' i Melea ary rain' 
tJonana, eo amin' ny firazanan' i Jesosy 
Kristy nosoratan' iLioka (iii. 30, 31). — 

t.T.M. 

ELIAHA : rain' i Batseba, vadin' i Davida, 
izy (2 Sam. xi. 3). (2) Zanak' i Ahitofela, ary 
anankiray tamin' ny miaramila "telo-polo 



ELI 

lahy maherin' i Davida" (2 Sam. xxiii. 34). — 
p.o.p. [Raha toy ny lovan-tsofina tannn' 
ny Jiosy, olona iray hiany izy roa lahy.] 

ELIASIBA : dia anaran' ny olona uiaro 
voalazan' ny Test. Tal. ; zahao 1 Tant. iii. 
24 ; xxiv. 12 ; Ezr. x. 24, 27, 36 ; Neh. iii. 
1, 20, 21. Ny farany amin' ireo, izay 
voalaza koa ao amin' ny Ezr. x. 6, dia 
mpisoronabe tany Jerosalema tamin' ny 
nanorenana ny tanana indray, sady nazoto 
nampandroso izany. Toa havan' iTobia 
Amonita izy, ary rehefa lasa i Nehemia, dia 
namboatra trano honenan' i Tobia tao amin' 
ny kianjan' ny Tempoly. Fa rehefa tonga 
indray Nehemia, dia sady tezitra no nalahelo 
indrindra noho izany izy, ka nampiala an' 
iTobia (Neh. xiii. 4-9).— J. 8. 

ELIELA : dia anaran' ny olona sivy lahy 
voalazan* ny Test. Tal. (1) Anankray, 
tamin' ny lohan' ny antsasaky ny firenen' 
i Manase, izay nitoetra tany atsinanan' 
i Jordana (1 Tant. v. 24). (2) Zanak' iToa, 
tamin' ny mpianakavin' iKohata (1 Tant. 
vi. 34). (3 sy 4) Loholona tamin' ny firenen' 
iBenjamina izy roa lahy (1 Tant. viii. 20, 
22). (5) Lehilahy avy tany Mahava, isan' ny 
olona sahisahy tamin' ny miaramilan' i Davida 
(I Tant. xi. 46). (6) AnanMray koa tamin' 
•ireo (xi. 47). (7) Anankiray tamin' ireo 
Gadita izay nankany amin' i Davida tany 
an-efitra (xii. 11). (8) Lohan' ny taranak' 
i Hebrona, avy tamin' ny firenen' i Kohata 
(xv. 9, 11). (9) Levita anankiray notendren' 
i Hezekia handray sy hitahiry ny fanatitra 
sy ny fahafolon-karena naterina tao amin' ny 
Tempoly (2 Tant. xxxi. 13).— j.s. 

ELIEZEKA (Andriamanitra no fanampiko) . 
Maro ny olona natao hoe Eliezera voalaza 
ao amin* ny Test. Tal. ; dia 

Eliezera (1) : dia anaran' ilay lehilahy 
tokony ho nandova an' i Abrahama, raha tsy 
niteraka izy. Avy tany Damaskosy izy ; nefa 
tsy hita marina na havan' i Abrahama izy, 
na mpanompony isan' ny ompikeliny. Raha 
toy Tiy hevitry ny maro, io Eliezera io sy ilay 
"lehiben' ny mpanompony (Abrahama) teo 
an-tranony, izay rapanapaka ny nananany 
rehetra" (Gen. xxiv. 2), izay nirahin' i Abra- 
hama tany Padan-arama haka vady ho an* 
i Isaka, dia olona iray hiany. Nefa kosa, tsy 
misy teny raanamarina izany ; ary raha toy 
ny hevitry ny sasany indray, Eliezera dia 
havan' i Abrahama, ka tokony ho nandova 
azy raha tsy nanan-janaka izy (Gen. xv. 
2).— J.s. 

Eliezera (2) : zanakalahin' iMosesy fahn- 
roa, ary teraka tuny Midiana raha mbola 
nivahiny tao Mosesy. Nomen-drainy izany 
anarana izany izy satria hoy izy hoe : "Ny 
Andriamanitry ny razako no namonjy ahy 
ka nahafaka ahy tsy ho voan' ny sabatr' 
iFarao" (Eks. xviii. 4; 1 Tant. xxiii. 15, 17). 

Eliezera (3) : zanakalahin' i Bokei a, ana- 
nkiray tamin ny zakalahin' i Benjamin a 
(1 Tant. vii. 8). (4) Mpisorona anankiray 



Digitized by 



Google 



ELI 



156 



ELI 



tamin' ny nanjakan' i Davida, ary voatendry 
hampaneno ny trompotra teo alohan' ny Fiara, 
raha nentina avy tamin' ny tranon' i Obed- 
edoma ho any amin' nv tranon' i Davida izany 
(I Tant. xt. 24). (6) Zanakalahin' iZikry, 
mpanapaka ny Robenita tamin* ny nanjakan* 
i Davida (I Tant. xxvii. 16). (6) Zanaka- 
labin' iDodavaho, avy tany Maresa tao 
amin' ny tany Joda ; dia mpaminany izay 
nananatra an* iJosafata noho ny nihava- 
nany tamin' i Ahazia, mpanjakan' ny Isiraely 
(2 Tant. xx. 37). (7) Lehilahy lehibo anan- 
kiray, dia olona nanan-tsaina izay nirahin' 
iEzra niaraka tamin' ny sasany avy amin' 
ny Ahava ho an' i Kasifia, hitaona ny Levita 
sasany ay ny Netinima hiaraka aminy ho any 
Jcroaalema (Ezr. viii. 16). (8, 9, 10) Mpi- 
sorona, ey Levita, ary Isiraelita anankiray 
avy tamin' ny zanak' iHarima, izay efa 
narapaka-bady vehivavy hafa firenena (Ezr. 
x. 18, 23, 31). (11) Zanakalahin' i Joreima, 
ary iaan* ny razan' i Jesosy Kristy araka ny 
nofo (Lio. iii. 29).— t.t.m. 

ELIFAZA (Andriamanitra mahery) : zanak' 
i Esao sy Ada izy, ary rain' i Temana (Gen. 
xxxvi. 4 ; 1 Tant. i. 35, 36). 

Elifasa (2) : anankiray tamin' izy telo 
lahy sakaizan' i Joba izy (Job. ii. 11), ary 
natao hoe "Temanita;" koa amin' izany 
dia heverina ho taranak' i Temana izy ka 
zanak' ilay Elif aza, zanak' i Esao, voalaza teo 
am bony. Izy indrindra no nalaky nanome 
tsiny tamin' i Joba, satria, raha toy ny heviny, 
ny rapanota dia ampijalin' Andriamanitra 
amin' izao andro iainany izao ; ka ny alahelo 
sy ny fahoriana ary ny aretina manjo, etc., 
dia vavolombelon' ny ota natao sady valin' 
izany, hoy izy (Job. iv., v., xv., xxii.). Tsara 
ny teuy izay nalahatry El if aza noho izay 
nataon' ny naraany, dia Bildada sy Zofara, 
fa nasehony tsara ny fahamasinana sy ny 
fahadioran' Andriamanitra (toko iv. 12-21 
sy xv. 12-16) ; nefa nanan-tsiny Bady diso 
hevitra hiany izy, ka dia norarana mafy 
niaraka tamin' ny namany. Zahao nv bokin' 
ijoiu. — p.g.p. 

ELIFELETA : dia anaran' ny olona enin- 
dahy voalazan' ny Test. Tal. ; ary izao no 
teny milaza azy avy: 2 Sam. xxiii. 34; 
1 Tant. iii. 6, 8; viii. 39; Ezr. viii. 13; 
x. 33.— J.s. 

ELIHO (Andriamanitra- Jehova) : anankiray 
tamin' ny sakaizan' i Joba, ary voalaza ho 
"zanak' i Barakela, Bozita, avy amin' ny 
fokon' iRama" (Job.xxxii. 2) ; aryangaraba 
taranak' iBoza izy, izay zanak' iNahora, 
zokin' i Abrahama (Gen. xxii. 21 ; Jer. xxv. 
23"). Tonga namangy an' i Joba tamin' ny 
fanoriany izy, ary rehefa hi tany fa tsy nisy 
nahavaly ny teny farany nolazain' lJoba, 
dia nandaha-teny ka namaly izay efa voalaza 
izy, sady namoaka ny heviny (xxxii. — 
xxx vii ). Eliho toa zandrin' izy telo lahy 
sakaizan' iJoba izay efa namalivalv teo 
aloha, ary toa efa teo hatramin' ny voalohan' 



ny adi-teny nataony izy sady nitandrina 
tsara izay efa voalahatra. Ny amin' ny 
anton' ny teny nolazain' i Eliho, zahao nt 
bokin' i joba.— j.b. 

Nisy telo lahy hafa koa natao hoe Eliho, 
dia izao; (2) Zanak' iToho, ary iaan' ny 
razan' iSamoela mpaminany (I Sam. i. I}. 
(3) Mpifehyliy firenen' i Joda, ary ananki- 
ray tamin' ny* rahalahin' i Davida (1 Tant. 
xxvii. 18). (4) Anankiray tamin' ny mpi- 
fehy arivo tamin' ny olo-Manase (1 Tant. 
xii. 20), izay nanaraka an' i Davida nankany 
Ziklaga, rehefa niala tamin' ny miaramilau' 
ny Filistina izy taloha kelin' ny ady tany 
Gilboa. Dia nanampy azy izy hanohitra ny 
Amalekita izay nitady hamabo azy sy ny 
olony (ampitahao 1 Sam. xxx.) (o) Levita 
anankiray, isan' ny taranak' i Kora, izay 
vclona* tamin' ny andron' i Davida ; mpiam- 
bim-baravarana tao an-tranon' iJehova koa 
izy, Zanak' i Semaia izy, ary avy tamin* 
ny mpianakavin' i Obeda-edoma (I Tant. 
xxvi. 7). — E.H.S. 

ELIMA (Ilazo maniry, pi.) dia anaran' ny 
tany nitobian' ny Zanak' Isiraely faharoany, 
rehefa tafitany ny Ranomasina Mena. Nisy 
fantsakana roa ambin' ny folo tao Elima, sy 
hazo palma fito-polo (Eks. xv. 27 ; Nom. 
xxxiii. 9, 10). Raha toy ny hevitry ny 
olona izay efa nandinika ny tany nalehan' 
ny Zanak' Isiraely, ny lohasaha atao hoe 
Wady Ghnrundel ankehitriny no Elima. Ao 
amin' ny sisin' ny tany lemaka atsimo- 
acsinanana amoron' ny Ranomasina Mena 
izy ; ary mbola maro ny hazo maniry ao, 
sy misy loharano mamoaka rano betaaka 
sady mamy, izay fivorian' ny tompon-tany 
hampisotroany ny bibiny. — J.8. 

ELIMELEKA (Andriamanitra Mpanjaka) : 
dia anaran' ny lehilahy anankiray avy tamin' 
ny firenen' ny Joda sy ny fianakavian' 
i Boaza, izay nitoetra tao Betlehema tamin' 
ny andron' ny Mpitsara. Noho ny mosary 
mafy tao amm' ny tany Kanana, dia niala 
izy sy ny vadiny mbamin' ny z an any roa 
lahy, dia Malona sy Kiliona, ka nitoetra tao 
amin' ny tany Moaba ; ary maty teo izy sy 
ny zanany roa lahy. Naomy vadiny dia 
niverina tany Betlehema, ary Rota vinanto- 
vaviny niaraka taminy. Arv Rota dia 
nampakarin' i Boaza, izay lehilahy manan- 
karena indrindra, ary avy tamin' ny mpiana- 
kavin' i Elimeleka (Rot. i. 2, 3).— t.t.m. 

ELIOSENAT: fito ny olona natao hoe 
Eliosenay ao amin' ny Test. Vao. ; zahao 
1 Tant. iii. 23 ; iv. 36 ; vii. 8 ; xxvi. 3 ; Ezr. 
x. 22, 27 ; Nom. xii. 45.— J.s. 

ELI8A (Andriamanitra Mpamonjy) dia 
"zanak' iSefata, avy any Abela-mehol* ;" 
ary raha mbola nampiaaa ny ombiny izy, dia 
nantsoin' iJehova hanaraka an' iElia 
(1 Mpan. xix. 19-21) ; ka dia toa nanaraka 
azy izy ambara-piakaran' iElia tany an- 
danitra. Ary rehefa nadiva hiakatra ivy, 
Elisa nangataka mba hahazo indroa toraka 



Digitized by 



Google 



ELI 



i<r 



ELK 



By ianahin' i Elia. Dia noraisin' i Elisa ny 
kmban' iElia, izay latsaka ary tamin' ny 
kalesy afo, ka hitany niaraka tamin' izay 
fa ny Andriamanitry Elia nomba azy tokoa 
{'1 Mpan. ii. 1-15). Na dia tanora aza 
Elisa, dia sola izy, ary ny olona sasany 
nihomehy azy noho izany ka nanakora azy 
tamin' ny nanesoany azy ny ny Andriamani- 
tra notompoiny . Koa dia nozonin' i Elisa izy, 
dia tonga ny beravavy roa avy tany an-ala 
namirarira 42 tamin' ireo ankizilahy madini- 
ka (na zatovolahy) ireo" (I Mpan. ii. 23-25). 

Samy hafa tokoa ny toetry ny raharaha 
nataon' i Elia ay izay nataon' i Elisa. Ny 
r&harahan' i Elia dia ny ma nan at ra mafy ; 
dia naminany ny lijahana lehibe izay ho 
tonga arain' ny mpanjaka sasany sy ny 
Zanak' Isiraely izy. Fa Elisa kosa dia nira- 
hin' Andriamani tra indrindra mba hanana- 
tra ; kanef a ny manambara ny fitiavana sy 
ny fiantran' Andriamanitra no raharabany 
lehibe. Ary na dia fatra-piaro ny vonina- 
hitr' Andriamanitra sy ny irany aza Elisa, 
toy ny fanaon' i Elia hiany, dia mampiseho 
fahalemem-panahy izy hi taona ny mpanjaka 
tsi-mino hanao izay mety sy hampandroso 
ay fanjakan' Andriamanitra. 

Ny andro nanaovan' i Elisa ny fahagagana 
nataony dia tsy hita marina, ka dia tsy 
azonteika halahatra loatra izy. Ny anan- 
kiray tamin' ny yoalohany dia ny nanome- 
zany rano tamin' ny miaramilan' ny mpanja- 
kan' ny Joda sy ny Isiraely ary Edoma 
(2 Mpan. iii.). Izany dia natao amin' ny 
andron' iJehorama, rapanjakan' ny Joda. 
Ary ao amin' ny toko iv., v., vi., vii. sy viii. 
1-15 dia voalaza ny fahagagana hafa koa: 
dia ny nampitomboany ny diioilon' ilay mpi- 
tondratena anankiray ; ny nananganany ny 
zanaky ny vehivavy tany Sonema tamin' ny 
maty : ny nanadiovany ny hanina nisy anana 
mahafaty sendra niharo taminy ; ny nampi- 
tomboany ny mofo kely hahavoky olona 
maro ; nanadiovany ny habokan' i Namana, 
«y ny nampijalian' ny ratsy nataon' ilxe- 
hazy ; ny nahajainban' ny miaramila Syriana 
izay nanao fahirano tao Dotana; ary ny 
nataony too anatrehan' i Ilazacla. Nazoto 
dia nazoto Elisa nitcty tany hananatra ny 
zanaky ny mpaminany; lehibe tokoa ny 
finoany, fa tsy natahotra izy, na dia nataho- 
tra indrindra aza ny mpanompony rah a 
nahita ny miaramila izay nikasa hisambotra 
azy (2 Mpan. vi.). 

Rehefa tonga ny fotoana handringanana 
ny mpianakavm' i Ababa, Elisa dia nanoso- 
tsolika an' i Jeho ho mpanjakan' ny Isiraely; 
koanef a tsy ny tenan' i Elisa no nanao izany, 
fandrao hitanka an' i Jorama hamono an' 
i Jeho izany ; fa ny mpianany anankiray no 
nirahmy ho any Ramota-gileada. Koa dia 
nikomy niaraka tamin* izay Jeho, ka tanteraka 
arokom ny zavatra rehetra no lazain' Andria- 
manitra tamin' ny vavan' i Klia ny amin' 
ny mpianakavin' l Ahaba (2 Mpan. ix.). 



Naminany bt nampianatra Elisa nandritra 
ny taona nanjakan' ny mpanjakan' ny Isiraely 
era-dahy. Nantsoin' iElia ho mpaminany' 
izy raha mbola nanjaka Ahaba ; niakatra 
tany an-danitra Elia tamin' ny nanjakan' 
i Jorama; Jeho sy ny zananf, izay natao 
hoe Joahaza, nanjaka 4.3 tuona ; ary mbola 
veiona Elisa raha nanjaka Joasy, izay 
nandimby an' i Joahaza. Ary noho izany 
tokony ho naharitra 50 na GO taona ny andro 
nampianaran' i Elisa. Ary rohefa nadiva 
hiala aina izy, dia niantso an' i Joasy hankeo 
arainy sy hitondra tsipika sy zana-tsipika; 
ary tamin' izany no nilazany teny ny amin' 
ny haudrc3en' i Joasy ny Syriana (2 Mpan. 
xiii. 14-lli), ary dia maty Elisa. 

Ary Andriamanitra nano.ne voninahitra 
ny fatin' ny mpanompony malaza ; fa nisy 
oloaa nitondra faty halovina, ka nifancna 
tamin' ny tafika ncntin' ny Moabita, koa 
dia taitra ny mpitondra faty ka nanipy ny 
faty too anatin' ny fasan' i Elisa ; koanefa 
nony vao nitohika tamin' ny taolan' i Elisa 
izany, dia veiona indray ilay olona (2 Mpan. 
xiii. 20, 21).— o.a.s. 

ELISABETA {Fianianan 1 Andriamanitra) : 
dia vadin' i Zakaria mpisorona, sady renin' 
iJaona Mpanao-batisa. Teny tsara loatra 
no entin' iLioka milaza ny toe-panahin' 
iElisabeta mivady, fa hoy izy: '*Samy 
marina teo anatrehan' Andriamanitra izy 
mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny 
araka nv didy sy fitsipika rehetra nomen' ny 
Tompo. ' Tsy niteraka raha tsy anti-panahy 
Elisabeta, kancfa be finoana izy, ary rehefa 
nitoc-jaza dia nankalaza an' Andriamanitra 
izy noho ny nitsinjovany azy hahafa-tondro- 
maso azy (Lio. i. 5-7, 23- 2'>). Ary rehefa 
novangian' i Maria, renin' i Jesosy Tompo, 
Elisabeta dia feno ny Fanahy Masiua ary 
nanambara ny hasambaran' i Maria, izay efa 
nomena ho renin* ny Tompo, ary izay niuo 
ka tsy niahanahana fa ho tanteraka izany 
(41-45). Vehivavy avy tamiu' ny taranak' 
i Arona izy, ary mitovy anarana izy sy ny 
Eliseba, vadin' i Arona (Lio. i. 5). — d.m. 

ELK AN A (Azo noho Andriamanitra) : dia 
anaran' ny olona maromoro, indrindra fa 
izay taranak' iKohata, zanaka lahi-aivon' 
i Le\y : — 

Elkana (I) Zanakalahin' i Kora ary lohan' 
ny fokon' olona anankiray izay taranak' 
ifcora (Eks. vi. 24). 

Elkana (2) : Levita avy tamin' ny mpia- 
nakavin' i Hemana ary rain' i Samoela, ilay 
mpitsara sy mpaminany malaza. Tao Kama- 
taim-zofima, teo amin' ny tendromboliitr' 
iEfraima, no fonenany (1 Sam. i. 1-23; 
1 Tant. vi. 34, 35). Io Elkana io, izay veiona 
tamin' ny andiron' i Ely mpisoronabe, nampo- 
rafy roa, dia Hana sy Fenina ; ary Penina efa 
nampakarinv angamba satria moraba liana, 
izay tiany dia tiany indrindra. Toa lehilahy 
mora sy malemy fanahy izy, ary tsara ny 
nataony tamin' ny vadiny (1 Sam. ii. 20). 



Digitized by 



Google 



ELY 

Nisy Lovita enin-dahy hafa natao hoe 
Elkana ; zahao I Taut. vi. 25, 35, 36 ; ix. 
10 ; xii. 6 ; 2 Tant. xxviii. 7.— J.8. 

ELKOSY: dia anaran' ny tanana izay 
nahabo an' i Nahoma mpaminany, izay atao 
hoe "Elkosita" (i. 1). Nisy tanana natao 
hoc Elkosy tany Galilia ; nefa, raha toy ny 
hovitry ny sasany, Nahoma dia zanaky ny 
Jioay anankiray izay nonti-ko babo tany 
Asyria ka nonina tany Elkosh na Alkuth, 
tanana tao amoron' ny Tigrisy. Misy fasana 
ao izay atao hoe 'Fasan' i Nahoma,' arv any 
no falehan' ny Jiosy avy lavitra hatr izay 
ela dia cla izay. mbi hivavaka. lo Elkosy 
io dia cfatra am'»y tolo-polo maily ao ava- 
ratr' izay niorenan' i Niueve. — J.3. 

ELNATANA (Fanoinezan 1 Andriamanitra) : 
izy dia rain' i Nehosta, renin' i Joiakima, izay 
natao hoe : "Elnatana avy any Jerosalema" 
(2 Mpan. xxiv. 8). Sahala amin' ilay Elna- 
tana, zanakalahin' iAkbora, angamba, izay 
ioholona anankiray tany Jerosaloma t imin' 
ny nanjakan' i Jehoiakima, izy. Izy no 
nirahin' i Joiakima tany E^ypta haka an' 
i Oria, izay efa nankany handosirany ny 
hatezoran' ny mpanjaka (Jer. xxvi. 22). Izy 
koa dia isan' ny lohibe izay nifona tarain' 
i Joiakima mba tsy handoro ny horonan- 
taratasy nisy ny tenin' i Jehova milaza ny 
loza haujo ny Isiraeiy sy ny Joda (xxxvi. 25). 

Nisy tolo lahy hafa koa izay natao hoe 
Elnatana, izay Levita tamin' ny andron' 
iEzra (Ezr. viii. 16).— t.t.m. 

ELOLA (Neh. vi. 15): dia anaran' ny 
voiana anankiray tao amin' ny Jiosy, ary 
fahenina amin' ny taona izy, raha ny fom- 
bam-pivavahana no heverina, fa faharoa 
ambiu' ny folo kosa amin' ny filaharan' ny 
voiana amin' ny raharahara-panjakana. Ny 
andro voalohany amin' ny voiana Elola dia 
ny tsinam-bolana amin' ny Septembra ; 
zahao volana. — J.s. 

ELY (Xasamlnitra) : dia mpisoronabe teo 
amin' ny Jiosy fony mbola tao Silo ny fiaran' 
i Jehova (1 Sam. i. 3, 9), sady mpitsara ny 
Zanak' Isiraeiy sy mpitondra ny fanjakany, 
rehefa maty Samsona. Efa-polo taona no 
nitsaran' i Ely ny Isiraeiy, araka ny tcny 
ao amin' ny 1 Sam. iv. 18 ; kanefa raha toy 
ny hevilry ny sasany, ny roa-poio taona 
nitsaran' i Samsona ny olona (Mpit. xv. 31) 
no isan' ireo efa-polo taona iroo ; ary Ely no 
mpisoronabo tarn in' izany, dia tonga mpi- 
tsara izy fanampin' ny fisoronany rehefa 
maty Samsona. Lehilahy tsara fanahy Ely, 
ary nanaikv tsara ny sitra-pon' Andriamani- 
tra izy (I Sam. iii. 18) sady fatra-pitady ny 
fiaran' i Jehova (iv. 18) ; kanefa nisy heloka 
iray loha lehibe izay nahadiso azy tainin' 
Andriamanitra ary nampidi-doza tamin' ny 
teaany sy ny mpianakaviny rehetra. Fa ny 
zanani-iahy, dia Hofinia By Finehasa, dia 
ratsy fanahy loatra sy vetaveta fitondran- 
tena ; arv ny ratsy nataony dia teo amin' ny 
Tabernakely, izay tokony ho efa fitoerana 



«» ELY 

fivavahana sy fanompoana an' i Jehova amin' 
ny fahamasinana ; ary noho izany tonga 
"halan' ny olona ny fanatitra ho an' i Je- 
hova" (I Sam. ii. 12-17", 22). Nanarin' 
i Ely hiany ireo zanany ireo ; kanefa tsy 
nanongana azy izy na nanaisotra azy tamin' 
ny fanaovan-draharaha teo amin' ny Taber- 
nakely ; ary noho izany Andriamanitra nani- 
raka lehilahy izay nilaz a tamin' i Ely fa ho 
tra-doza ny z many, ary nv zafiny no hoso- 
loan' olon-kafa amin' ny nsoronana (I Sam. 
ii. 27-3'J). Naverin' Andriamanitra indray 
tamin' i Samoola, fony mbola zaza izy, izany 
teny mahatahotra izany (I Sam. iii. 1-18) ; 
kanefa tsy niseho izay hahatanterahana 
izany raha tsy tokony ho tamin' ny folo 
taona teo aoriana ; ary tamin' izay dia niady 
ny Isiraelita sy ny Filistina, ary nipotraka 
niandry tony am-bavahady Ely. Dia tonga 
ny miaramila izay efa nandositra tamin' ny 
ady ka nilaza taminy hoe : "Nandositra tea 
anoloan' ny Filistina ny Isiraeiy, ka be dia 
be no maty ; ary izy mirahalahy zanakao, 
Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady 
lasan-ko babo ny fiaran' Andriamanitra." 
Dia "lavo nitsilany tamin' ny sezany teo 
anilan' ny vavahady Ely, ka folaka ny 
vozony, dia maty izy ; ' ' ary valo amby sivy 
folo taona tamin' izay izy (I Sam. iv. 2- 

Ely dia taranak' i Arona, kanefa tsy avy 
tamin' iEliezera zokiny, fa tamin' Itamara 
zandriny (Lev. x. 1, 2, 12) ; ampitahao 
1 Mpan. ii. 27 ; 2 Sam. viii. 17 sy 1 Tant. 
xxiv. 5. Ary koa, tsy miseho ny anaran' 
i Ely sy ny zanany amin' ny tantaran' 
ny firazanan' i Eliezera ao amin' ny 1 Tant. 
vi. 4, 15. Tsy fantatra ny anton' ny na- 
hazoan' ny taranaky ny zandry ny nsoro- 
nana ; anofa tokony ho efa sitrak' Andria- 
manitra izany (I Sam. ii. 30) ; fa ny hainpo- 
dina izany ho an' ny taranaky ny zoky 
no isan' ny fampijaliana nolazaina tamin' 
i Ely ; ary tanteraka izany tamin' i Solo- 
ibona nanaisotra an' i Abiatara tamin' ny 
fisoronana, ary nanangana an' iZadoka, 
taranak' iEliezera, ho solony (1 Sam. ii. 35 
sy 1 Mpan. ii. 26, 27, 35). Zahao koa 

ABIATARA J ELIEZER1 J ITAJCAR1 J ZADOKA. — 
J.W. 

ELYMA : teny Arabika milaza olon-kendry 
io teny io, ary anarana nomena ilay Jiosy 
tany Pafosa any Kyprosy, izay natao hoe 
koa Barjososy. Olon-dratsy fanahy izy io, 
fa mpanao ody mahery sy mpaminany 
sandoka izy ; nefa neken' ny olona tany 
Kyprosy ho lehilahy mahay zavatra tokoa 
izy, dia nitoetra tao amin' i Sergio Paolo, 
mpanapaka ny tany. Fa rehefa tonga Paoly 
sy Barnabasy ka nitory ny filazantsara, dia 
natahotra Ely ma andrao tsy hohajaina intsony 
izy ; dia nanao izay hainy izy hampiala ny 
mpanapaka mba tsy hinoany ny tenin' ny 
Apostoly. Dia nanarin' i Paoly tamin' ny 
teny mafy sy mahatahotra izy ; ary dia 



Digitized by 



Google 



EMI 



tonga jamba andro sasany izy ho valin' ny 
haratai»ny sy ny nanoherany ny filazantsara 
iAsa. xiii. 6-12). Zahao seroio paolo.— j.8. 
EMANIOELA (Amintsika Atidriamanitra) : 
dia unaran' ny zaza izay novinnnin' Isaia 
tamin' i Ahazampanjaka, raha niray tetika ny 
ledraely ay ny Syriana namely ny fanjakan' 
uy Joda (Iia. vii. 1-16). Ary Matio naka izany 
and. 14 izany ho filazana an' i Jesosy Kristy ; 
fa na dia tsy ny anarany amin' ny mpiana- 
kaviny aza izany, raha ny toetr' i Jesosy 
Kristy no heverina, dia antonona Azy, fa 
Izy koa dia "Andriamanitra amintsika, ' ' fa 
nonina telo amby telo -polo taona taty ambo- 
nin' ny tany niaraka tarn in' ny olona Izy. 
Anarana tian' ny mino indrindra izany, 
satria mampahataiaro azy fa olona tokoa 
Jeeosy Kristy, na dia Andriamanitra koa 
aza, Izay nidina taty hamonjy antsika ay 
haznpiray antsika amin' Andriamanitra. — 

O.A.8. 

EM A OS Y : dia anaran' ny vohitra anan- 
kiray lazaina eo amin' ny Lio. xxiv. 13. 
Tamiu' ny harivan* ny andro nitsanganan' 
i Jesosy tamin' ny maty, nisy mpianany roa 
lahy, Klepasy no anaran' ny anankiray, izay 
niala tany Jerosaleina ka nankany Emaosy, 
izay toa fonenany. Jesosy nahatratra azy 
tany an-dalana sy nireaaka taminy sy nana- 
zava ny sainy ary niditra tao an-tranony, 
dia nanambara ny teniny taniiny, nefa nihe- 
lina ka tsy hitauy intsony Izy. Emaosy dia 
Lizaina ho vohitra lavitr' i Jerosalema toko- 
ny ho 60 stadio (fito maily By tapany), fa ny 
uioronany tsy mba voalaza ; ary hatrizay 
ela izay dia tsy, nifanaraka ny olona ny 
amin' ny nitoeran' ny tan una. Fa vao fain- 
gana anefa dia hita ao avaratr' andrefan' 
i Jerosalema izy, ary ny halavirany dia araka 
izay voalazan' i Lioka indrindra. — J.8. 

EMER A LD A : dia anaran' ny vato soa 
anankiray, izay voalohany teo amin' ny 
andalana faharoa amin' ny saron-tratran' 
ny mpisoronabe (Eks. xxviii. 18). Maitso 
tnahafinaritra ny volony, ary atao haingon' 
ny fitafiana sy ny farafaran' ny mananka- 
renaizy (Ezek. xxviii. 13); lazaina koa ho 
isan' ny vato izay fanorcnan' ny Jerosalema 
raovao izy (Apok. xxi. 19). Ny avana 
raanodidina ny lapan' Andriamanitra dia 
oharina amin' ny emeralda (iv. 3). Zahao 
VATO soi. — J.S. 

SMIMA: dia ny fireneua anankiray izay 
tnponina voalohany indrindra tao amin' ny 
toiy lemaka any Moaba (Gen. xiv. 5). Ny 
Ny hevitry ny anarany dia 'fahatahorana' 
(jloraly), na 'olo-mahatnhotra,' ary nomeua 
angamba satria olona vaventy sy goavana 
izy sady mahery miady, tahaka ny Anakita 
*y ny Refaita ary ny sasany koa. Maro 
iiiany ny teny milaza fa nisy olona vaventy 
nonina tany Palestine talohan' ny niakarun' 
ny Zanak' Iairaely tany. Oga, mpanjakan' 
i Gasana, dia isan' ireo (Deo. iii. 11) sy ny 
Anakita (Deo. ix. 2 ; Nom. xiii. 33), ary 



1W ENH 

Goliata (I Sam. xvii. 4), ary ny Emima koa 
(Deo. ii. 10, 11). Josefosy sy Homera ary 
ny mpitantara hafa koa samy milaza ny amin' 
ny olona vaventy izay nonina taty arabonin' 
ny tany tamin' ny andro taloha indrindra ; 
ary ny fasan' ny olona malaza sasany any 
Syria, izay lazaina ho razan' ny firenena 
sasany, dia mbola hita, ary lehibe dia lehibe 
izy. Toa fokon' olona avy tamin' ny fire- 
nena lehibe anankiray Many ny Anakita sy 
ny Refaita sy ny Zozima ary ny Emima. 
Naringana miandalandalana izy rehctra, 
rehefa tonga ny firenena vahiny tao amin' 
ny taninr. Ny tany nonenan' ny Emima 
dia lagan ny Moabita (Deo. ii. 9-11).— J. 8. 

EN, na AYIN : teny milaza 'loharano' io ; 
ka dia teny izay vaki-teny voalohany amin' 
ny anaran -tanana maro any Palostina, satria 
teo akaikin' ny loharano nisy rano betsaka 
no niangonan' ny olona sy nanorenany tana- 
na. Ny tanana lazaina eo ambany manara- 
karaka eo dia nalaza indrindra amin' izay 
raisy ny hoe En- ao aminy. — J.8. 

ENDOBA : dia tanana tao amin' ny zara- 
tanin' ny Isakara, fa nomena tamin' i Ma- 
nage niaraka tamin' ny tanana hafa koa izy 
(Job. xvii. 11). Isan' ny tanana izay tsy 
nafoin' ny Kananita tompon-tany ela ity, 
fa tsy ham' ny Zanak' Isiraely ny mandroaka 
azy. Tany Endora no nihaonan' i Saoly 
mpanjaka tamin* ilay vehivavy mpamosavy 
hahafantarany izay hanjo azy (1 Sam. 
xxviii.) ; ary tao akuikiny koa Jabina sy 
Sisera norcsen' ny Isiraelita tamin' ny 
andron' iBaraka (Sal. lxxxiii. 10; Mpit. 
iv.). Ao amin' ny tany lemak' i Jezirela 
Endora, tokony ho efatra maily atsiinon' 
iTabora. Mbola misy vohitra kely ao, fa 
ny trano dia tsy mihoatra noho roa-polo 
tafo.— j.s. 

EN-EGLAIMA (Loharanon' ny zanak 1 omby) : 
dia tanana any Moaba, tao avaratry ny 
Ranomasina Maty (Ezek. xlvii. 10). — J.8. 

EN-GANIMA (Loharanoti' ny tanimboly) : 
dia tanana tao amin' ny zara-tanin' ny 
Isakara, tao amin' ny tany lemaka atao hoe 
Esdraelona sy tao avaratr' i Samaria (Jos. 
xix. 21), ary nomena ho fonenan' ny Levita 
izy (xxi. 29). Ao amin' izay niorenau' iEn- 
ganima mbola misy tanana atao hoe Jenin, 
ao amin' ny vavan' ny lohasaha midina ho 
amin' ny tany lemaka avy amin' ny havoan' 
i Efraima. Tanana lehibe izy, fa tokony ho 
2000 ny mponina any. Ny loharano ao dia 
mamoaka rano betsaka, izay mandeha sy 
mampahavokv.tra ny tanimbjly akaikin" ny 
tanana. 

En-ganina (2) : dia tanana any Joda tao 
amin' ny tany loinaky ny Filistina, tao am bo- 
din' ny havoana andrefana, ary tsy lavitr 
i Zanoa sy Jarmoti (Jos. xv. 34). — J. 8. 

EN-HAKOKE : dia anaran' ny loharano 
anankiray, izay vao niboiboika, na vao hita, 
rehefa ninntso an' Andriamanitra Samsona 
ka nangataka rano hosotroiny. Fa reraka 



Digitized by 



Google 



ENR 

izy rehefa novonoiny ny Filistina arivo lahy 
tamin' ny valanoranom-boriky, koa natao 
h>e En-hakore izany fitoerana izany ; fa ny 
hevitr' io teny io, rah a adika, dia 'Lohara- 
non' iluy niantso' (an' Andriamanitra) . Tao 
amin' ny sisin-tany androfana tamin' ny 
zara-tanin' ny Joda io loharano io, fa tsy 
hita marina ankehitriny izay nitoerany 
(Mpit. xv. 18, 29).— J.8. 

EN-JEDY (Loharanon 1 ny zanak 1 osy) : dia 
tanana tao amin' ny Efitr' i Joda (Jos. xv. 
62), tao amoron' ny Ranomasina Maty (Ezek. 
xlvii. 10). Ny anarany voalohany dia Ha- 
zezon-taraara, avy tamin' nv hazo pal ma 
(Heb. tamar, palma) maro naniry tao (2 Tant. 
xx. 2). Fantatra tsara izay niorenany, dia 
tao an-tenatenan' ny moron* ny farihy andre- 
fana, izay misy lemaka mahavokatra tsara, 
tokony ho an-tsasaky ny maily sokera ; 
midina avy aniin' ny havoan' iJoda ka 
man amor ona ny rano izy, ary arovan' ny 
vodivona avoavo ao avarany. Ao ambonin' 
io lemaka kely io, tokony ho 400 fita ambo- 
nin' ny farihy, misy loharano atao hoo Ain- 
jidy, izay fitobian' ny Arabo sasany. Ary 
ao ambanimbany misy korontambato betsaka 
ao amin' izay niorenan' ny tanana tany 
aloha. "Ny Amorita izay nonina tany 
Hazezon-tamara" (En-jody) no resin' ireo 
mpanjaka dimy avy tany Mesopotamia 
tamin' ny andron' i Abrahama (Gen. xiv. 
7 ; 2 Tant. xx. 2). Davida nandositra tao 
amin' ny efitr' iEn-jedy rehefa nenjehin' 
i Saoly, izay nitondra olona 3000; dia "lasa 
nitady an' i Daviia sy ny olony tany amin' 
ny vatoJampin' ny osy dia" (1 Sam. xxiv. 
1-4). Teo aoriana indray, En-jody no 
niangonan' ny Moabita sy ny Amorita, izay 
niray tetika hiady amin' i Jerosalema, fa 
resy tany Beraka izy (2 Tant. xx. 2). Ny 
tanimboaloboka tany En-jedy dia nalaza 
tamin' ny andron' i Solomona (Ton. K. i. 14), 
ary balsama koa dia vokatry ny tany ao. — 
j.s. 

EN-HADA : anankiray tamin' ny tanana 
nomena ny nrenen' i Isakara ary tao amin' 
ny sisin-taniny. Lazaina manaraka an' 
i En-gamma (Jos. xix. 21) izy, fa tsy hita 
izay niorenany.— J.s. 

EN-MI SP ATA : zahao kadest. 

EN-UIMONA: dia anaran' ny tanana 
anankiray izay nonenan' ny olon-Joda 
indray, rehefa tafaverina avy tamin' ny 
nahababoana azy izy (Neh. xi. 29). Anga- 
mba sahala tamin' ireo tanana roa atao hoo 
"Aina sy Rimona" (Jos. xv. 32; xix. 7; 
I Tant. iv. 32) izy. Raha toy ny hevitry ny 
sasany, En -rimona dia valo maily avaratr' 
i Berishcba. Any misy loharano mamoaka 
rano betsaka anclanelan' ny havoana roa izay 
niorenan' ny tanana roa teo aloha. — J.s. 

EN-ROGELA {Lohnranon-tongotra) : dia 
loharano akaikin' i Jerosalema, ao amin' ny 
fari-tanin' ny Benjamina sy ny Joda (Jos. 
xv. 7 ; xviii. 16). Ao atsimo-andrefan' ny 



160 enO 

tanana izy, amin' ny fikambanan 1 ny Lo- 
hasahan' i Hinoma amin' ny Lohasahan' 
i Josafata. Lavaka efa-joro misy vato voa- 
rafitra izy, ny halaliny dia 125 fita, ary 
misy rano betsaka. Tany En-rogela no 
nijanonan' iJonatana sy Ahimaza, rehefa 
lasa nandositra Davida, hahafantarany izay 
hataon' iAbsaloma ao an-tanana (2 Sam. 
xvii. 17) ; ary tao koa, an-ilan' ny vato- 
lampy natao hoe Zoheleta, no nanaovan* 
Adonija, lahi-matoan' i Davida, fanasana ho 
amin' ny sakaizany, tamin* izy nitady ny 
fanjakana (1 Mpan. i. 9). — J.s. 

EN-SEMES Y (Loharanon 1 ny matoandrti) ; 
dia loharano, ary angamba vohitra koa, tao 
amin' ny faritry ny tanin' ny Joda, wo 
anelanelan' i Jerosalema sy Jeriko, ary mailer 
iray atsinanan' i Betania (Joi. xv. 7 ; xviii. 
17).— J.s. 

EN-TAPOA (Loharanom-boasary) : loha- 
rano tao amin' ny faritry ny tanin' ny 
Manase (Jos. xvii. 7). [Zahao tapoa.] 

ENOKA : zanakalahi-matoan' i Kaina (Gen. 
iv. 17) izy, ary voalaza fa nanorina tanana 
izay nantsoiny araka ny anarany. 

Enoka (2) : zanak' i Jareda sady rainy 
Metosela izy, ary f ah an to nandimby an* 
iAdama (Gren. v. 18, 21). Ary rehefa 
voalaza ny nahaterahan' i Metosela, din, 
nolazaina koa fa 365 taona no andro niainan* 
i Enoka, "ary niara-nandeha tamin' Andria- 
manitra izy, ka tsy hita izy, fa nentin' 
Andriamanitra" (Gen. v. 24). Ary afa-tsy 
Enoka sy Noa (Gen. vi. 9), dia tsy misy 
olona voalaza fa niara-nandeha tamin* 
Andriamanitra. Ny hevitr' izany teny izany 
dia tokony ho izao, fa nihevitra mandraka- 
riva izay ankasitrahan' Andriamanitra izy. 
Ny nakan' Andriamanitra an' i Enoka sy 
Elia no nataon' ny olona teo aloha ho 
vavolombelona milaza ny hitsanganan' ny 
maty sy ny fisian' ny fiainan-tsi-hita izy 
hitoeran' ny olombelona amin' ny farany. 
Ny teny ao amin' ny Epistily nosoratan' 
iJoda (14, 15) no ahafantarantsika fa 
mpaminany Enoka ary nanunatra ny olona 
ratsy fanahy velona talohan' ny Safo-drano 
lehibe ; ary heverin' ny sasany fa nenjehin* 
ireo izy, ka dia novonjen' Andriamanitra 
raha nontiny ho any an-danitra, araka izay 
voalaza teo. Ary raha toy ny hevitry ny 
olona teo aloha, Enoka sy Elia no ilay vavo- 
lombelona roa voalaza eo amin' ny Apok. 
xi. 3. — H.E.O. 

ENOKA, Ny Bokin'i. Ao amin' ny Epistily 
nosoratan' iJoda, and. 14, 15, misv teny 
toy izao : "Ary Enoka koa, ilay fahafito 
nandimby an' i Adaraa, dia efa natninany 
ireny olona ireny ka nanao hoe : 'Indro, 
tonga Jehova mbamin' ny masiny tsy omby 
aliualina hitsara ny olona rehetra,' " etc. 
Fa aiza moa izany faminaniana nataon* 
i Enoka izay nalain' iJoda izany? Ny 
sasany efa nihevitra fa lovan-tsofina hiany 
izany ka azon' ny Jioey avy tamin' ny 



Digitized by 



Google 



ENO 



161 



EOF 



rmny hatramin' ny andro taloha indrindra ; 
aefa koaa, raha toy ny hevitry ny betas ka 
aaaehitriny. dia nalain' iJoda tamin' ny 
loky atao hoe 'Bokin' i Eaoka' izy. Misy 
ttny maromaro nalaina tamin' izany boky 
izaay ao amin' ny boky nosoratan' ny 
upitaotaran' ny Fiangonana, hatramin' ny 
andron* ny olona mpianatry ny Apostoly 
ka hatramin* ny andron' iEosebio (a.d. 
2S4 - 340) ; ary misy teny koa nalain* ny 
Jiosy izay nanoratra hevi-teny ny amin* 
by Test. Tal. Afa-tsy teny fobifohy tahaka 
izany anefa, tsy niay nahita ny Bokin' 
i Enoka hatramin 1 ny andro taloha ela dia 
ela. Nefa kosa, niay nahare fa voatahiry 
any Abyainia (tany any Afrika, atsiraon' 
i Egypta) io boky io, koa tamin* ny taona 
177 t nisy lehilahy Englisy natao hoe Bruce 
izay nitondra manoakripta telo nisy ny 
Bokin' i Enoka avy tany Abysinia. Voaso- 
ratra amin' ny teny Etiopiana ireo, ary efa 
nadika tamin' ny teny Grika tokony ho 
tamin* ny taona (a..d 350 — 390) angaha. 
Koa manaraka izany efa nadika ho amin' ny 
teny Englisy ay Germana ary Frantaay ny 
boky, ka dia fantatra tsara izao izy. Nefa 
tsy hiita izay nanoratra azy, fa raha toy ny 
hevitry ny maro, dia noaoratan* ny olona 
roa lahy na mihoatra aza izy ; ary angamba 
ny teny voalohany no nosoratana B.C. 144, 
fa ny teny farany kosa taloha kelin' ny 
andro n' i Kristy. Zaraina ho dimy io boky 
io, ary ny antony dia fanambarana sy fana- 
narana maro izay lazaina fa naseho tamin* 
i Eaoka, ary ny sasany tamin* i Noa koa. 
Ny toetry ny olombelona, sy anatra maro 
tandrinV izany, ary ny fitondran' Andriama- 
nitra izao rehetra izao, no voalaza ao. Ary 
bet&aka ny teny milaza ny nanaovana ny 
anjely sy ny nanotan' ny sasany sy ny 
fanapahan' ny anjely ny rivotra By ny 
ranonorana; ary ny fonenan' ny ratsy 
fanahy sy ny olo- marina, rehefa maty izy, 
no voalaza koa. Misy fanoharana koa 
milaza inarimarina ny toetry ny fiainana ho 
avy »y ny hihavian' ny Mesia ary ny hitsa- 
rany izao tontolo izao. Ny fifindran' ny 
fahazavana any an-danitra (ny volana aman- 
kiatana) sy ny fiovaovan* ny taona no lazaina 
koa. Dia voalaza ny nofy nomena tamin' 
i Enoka banambarany amin* ny fanjakan' 
izao tontolo izao izay mbola haseho, sy ny 
bietaan' ny fanjakan' Andriaroanitra hatra- 
min' ny hiaehoan' ny Meaia amin' ny voni- 
aaiiioy aty ambonin' ny tany. Ny fizarana 
fahadimy dia auatra maromaro voalaza fa 
aataon' i Enoka tamin' ny zanany, ary ny 
teny lazaina tamin' ny toko mialoha azy dia 
entina ho fananarana. Misy teny fohifohy 
koa milaza an' i Noa, ary ny anankiray, izay 
atno hoe "ny teny noaoratan' i Enoka," no 
mahatapitra ny bo Icy. 

Ny teny rehetra ao amin' io boky io dia 
vavolombelona fa Jiosy no nanoratra azy; 
ary hitantaika koa izay hevitry ny Jiosy 



tsara fanahy talohan' ny nisehoan' i Kristy. 
Ny heviny ny amin' ny fiainana ho avy sy 
ny anjelv masina sy ratsy fan n by sy ny 
hihavian' ny Mesia ary ny hampitoorana ny 
fanjakan' Andriamanitra dia hita marima- 
rina. Nefa kosa, tokony hotsarovana fa na 
dia nisy teny nalain' i Joda aza tamin' ny 
bokin' i Enoka, ary na dia tiana dia tian' ny 
olona aza izy, tsy mba isan' ny Siratra 
Masina tsy akory io boky io ; ary tsy azo 
entina akory ny teny ao aminy ho fampiana- 
rana tsy azo lavina. N «luin' i Joda ny 
andininy sisany, satria marina iz my teny 
izany, tahaka ny nanalan' i Paoly indroa 
ny teny nosar.itan' ny mpanao tonon-kira 
teo amin' ny Grika (Asa. xvii. 28 ; Tit. i. 
12) ; fa ny ankabiazan' ny boky dia hevitr' 
olona hiany, fa tsy mba tenin' Andriamani- 
tra. — J.8. 

EH08A: zanak' iSeta, sady zafin' i Adama, 
izy (Gen. iv. 26 ; 1 Tant. i. 1 ; Lio. iii. 38). 
EODIA : dia vehivavy izay isan' ny fiango- 
nana tany Filipy, izay toa efa tsy nifanaraka 
tsara tamin' ny vehivavy namany anankiray 
natao hoe Syntyke. Lazain' i Paoly izy roa 
ho vehivavy "izay niara-niasa taminy teo 
amin' ny filazantsara," ka dia nangatahiny 
mba hiray saina izy (Fil. iv. 2, 3). — J.s. 

EOFEATA (Heb. Phrath) : dia anaran' ilay 
ony lehibe sy lava ary malaza indrindra any 
Asia Andrefana, izay lazaina matetika amin' 
ny Soratra Masina. Ny hevitry ny anarany 
dia 'Ony lehibe sady be rano,' ary indrai- 
ndray "ny Ony" fotsiny no anarana enti- 
milaza azy ao amin' ny Baiboly ; zahao Eks. 
xiiii. 31 ; Isa. viii. 7. Roa ny renirano 
izay zanaky ny Eofrata, ary ao amin' ny 
tendrombohitr' Arimenia no iandohany ; 400 
maily no halavan'ny anankiray, ary 270 maily 
ny halavan* ny auankiray kosa, vao mika- 
mbana izy. Ny halehiben' i Eofrata amin' 
izay ikambanany dia 60 refy, ary sady maria 
no lalina izy. Mianatsimo no alehany voa- 
lohany, ary miolikolika ao amin' ny lohasaha 
lalina anelanelan' ny tendrombohitraTaorosy 
sy Anti-Taorosy izy, ka toa mankamy ny 
Mediteraneana ; nefa sakanan' ny tendroinbo- 
hitra Lebanona izy, dia mivily ka miana- 
tsimo- miantsinanana. Dia mamaky ny tany 
lemaka malalaka atao hoe Mesopotamia izy, 
ary 1000 maily no alehany vao miray amin' 
ny Golfa Persiana. Ny halavany hatramin' 
ny niandohany ka hatramin' ny vavany dia 
1780 maily, ary ny roa-tokon' izany dia 
azon* ny lakana sy ny salopy lehibe aleha ; 
ary ny sambo mahazo miakatra 143 maily. 
Lehibe indrindra ny ony raha mbola lavitry 
ny ranomasina 700 na 800 maily izy, dia 
200 refy. Tondraka isan-taona Eofrata 
amin' ny volana May, rebefa miempo ny 
orampanala ao amin' ny tendrombohitra any 
Arimenia. Tany aloha, dia betaaka ny 
lahindrano sy ny sakelidrano nataon' ny 
tompon-tany hitarihany rano avy amin' ny 
ony, ka dia mandeha nampahavokatra tsara 



Digitized by 



Google 



EON 168 

ny tany ao amoron' ny ony ireo ; ary izany 
angaha, mbarain' ny soa azony tamin' 
i Tigrisy, izay raamaky an' i Mesopotamia 
koa, no nahatonga azy ho fonenan' ny olona 
betsaka, sady nanorenana fanjakana lehibe 
sy mahery tahaka an* i Asyria sy Babylona. 
Hatramin' ny andro lazain' ny mpanoratra 
ela indrindra, Eofrata efa lalana aleh m' ny 
mpandehandeba sy ny mpandranto elanelan' 
ny Mediteraneana sy ny Oaena Indiana ; 
ary ny vokatry ny tany sy ny tao-zavatra 
avy any atsinanana dia nentina tao amin' 
i Eofrata ho amin' nv andrefana, ary ny 
avy any an-dafy andrefana clia nentina 
hiantsinanana. 

Ny teny voalohany milaza an' i Eofrata 
dia Gen. ii. 14, ary voalaza ao fa isan' ireo 
ony efatra nandcna an* i Eden a izy. Ary 
tamin' ny nanaovan' Andriamanitra ilay 
fanekena tamin* i Abrahama, Eofrata dia 
lazainy ho faritry ny tany homeny ny tara- 
nak* i Abrahama, fa hoy Izy: "Ny tarana- 
kao efa nomeko ity tany ity hatrany amin' 
ny Onin' i Egypta ka hatrany amin' ny ony 
lehibe, dia ny ony Eofrata" (Gen. xv. 18). 
Ary tamin' ny nanjakan' iDavida sy Solo- 
mona dia tanteraka izany, fa Eofrata no 
faritry ny fanjakany tao avaratr' atsinanany, 
ary ny Onin' i Egypta tao atsirao-andrefany. 
Maro ny tanana lehibe ao amoron' i Eo- 
frata, fa ny malaza indrindra tany aloha dia 
Babylona. Ao amin* ny bokin' ny mpami- 
nany sasany Eofrata dia atao ohatry ny 
fanjakan' i Asyria sy ny heriny, tahaka an' 
i Neily no atao ohatry ny herin* ny fanjakan* 
i Egypta; zahao Isa. viii. 7; Jer. ii. 18. 
Lazaina ao amin' ny hoky voalohany amin' 
ny Baiboly izy ho isan' ny ony nandena an' 
i Edena, fonenan' ny olombelona rah a mbola 
tsy nanota izy, ka dia ony malaza Eofrata ; 
tao amin' ny tany atsinanany no nonenan' ny 
olon' Andriamanitra (dia ny Isiraelita) rehefa 
nolaviny noho ny fahotany, fa nentin' ny 
fahavalony ho babo tao izy (2 Mpan. xv. 29 ; 
xvii. 6) : ary ao amin' ny boky farany amin' 
ny Baiboly dia voalaza indray ity ony lehibe 
ity, fa isan' ny zavatra natao fanoharana 
milaza ny fahoriana lehibe hanjo ny olombe- 
lona amin' ny andro farany izy (Apok. ix. 14 ; 
xvi. 12). — J.s. 

EONIKA : renin' i Timoty izy sv vehivavy 
Jiosy, na dia efa novadin-dehilahy izay Grika, 
sady nanana anarana Grika koa izy. Isan' 
ny mpino an' i Kristy anefa izy, ary Loisa 
reniny koa aza dia isan' izay nino ny hiha- 
vian' ny Mesia ; ary angamba fantany koa fa 
tonga tokoa Izy tamin' ny nisehoan' i Jesosy 
avy tany Nazareta. Koa satria vehivavy 
tsara fanahy Eonika, dia tokony ho efa 
nampianatra tsara an' i Timoty zanany, ary 
izy aza angaha no nahazoan' i Timoty ny 
fahalalana ny Soratra Masina izay nahamety 
azy ho naman' i Paoly sy ho mpitory ny 
filazan tsara (2 Tim. i. 6 ; Asa. xvi. 1). — 
J.S. 



EPI 



EORAKTLON : dia anarana nomen' ny 
Grika ny rivotra raahery avy tanv avaratr' 
atsinanana. Tamin' ny nalehan' l Paoly tao 
an-tsambo nankany Roma, dia tratr' io 
rivotra mahery io raha mbola tao atsimon' 
iKreta izy (Asa. xxvii. 14). Nnhery lottra 
toa tafio-drivotra mihitsy izy sady naharitra 
ela; tsy hita ny masoandro na ny kin tan a 
noho ny rahona, ary nisy ranonorana betaaka 
tamin' ny farany (xxviii. 2), araka izay hita 
matetika ao amin' ny Ranomasina Meditera- 
ne'ina mandraka ankehitriny. Zahao bivo- 
th\. — j.s. 

EOTYKA. : dia tovolahy anankiray tany 
Troasy, izay nipetraka teo amin' ny vara va- 
ran kely, koa sondrian-tory teo raha nitory 
teny Paoly. Koa nony naharitra ela ny 
tori-teny ka mamatonalina, dia niraika 
natory izy ka nianjera hatreo amin' ny 
trano avo telo mifanongoa, ary efa maty izy 
raha narenina. Fa Paoly niankohoka taminy 
sy nanohana azy, dia velona indray Eotyka 
(Asa. xx. 7-12). — t.t.m. 

EPAFBA : ropampianatra malaza sy raa- 
zoto tany Kolose, izay niara-niasa tamin' 
i Paoly Apostoiy (Kol. i. 7) ; nampianatra 
tsara ny nangonana tao izy, ka nolazain' 
i Paoly hoe "mpanompon* i Kristy raaha- 
toky." Koa dia tao Roma tany amin' 
i Paoly izy, ary toa nafatotra tao* niaraka 
taminy tamin' izy nanoratra ny Epistily 
tamin' ny Kolosiaiia (Kol. iv. 12). Lazaina 
koa izy ao amin' ny Epistily tamin' i File- 
mona (Filera. i. 23). — p.o.p. 

EPAFRODITO: dia iraky ny fiangonana 
tany Filipy, izay nirahiny hamangy an' 
i Paoly tamin' ny nifatorany tany Roma, 
ary namonjy azy tamin* ny iahoriany nony 
narary teo izy. Ary Paoly, raha nanoratra 
ny Epistily tamin' ny Filipiana, dia nanka- 
laza azy indrindra noho ny hazotoam-pana- 
hiny (Fil. ii. 25; iv. 18}. Ka dia faly 
indrindra Paoly satria Epatrodito efa sitrana 
indray ka afaka tamin' ny aretina raafy izay 
nahazo azy noho ny fikelezany aina hanompo 
an* i Paoly (ii. 30). Nataon' ny aasany fa 
Epafra sy Epafrodito dia olona iray hiany, 
nefa tsy fantatra marina izany. —p.o.p. 

EPAINETO: Kristiana anankiray tany 
Roma, izay arahabain' i Paoly hoe : **Velo- 
ma amin' iEpaineto malalako, izay voalo- 
ham-bokatra any Akaia ho an' ilCristy" 
(Rom. xvi. 6). — t.t.m. 

EPIKOREANA: dia olona nanaraka ny 
fampianaran' i Epikoro, mpampianatra ana- 
nkiray teo amin' ny Grika. Teraka tao 
Samosy tamin' ny taona b.c. 341 izy, ary 
nonina tao Atena, dia nampianatra izay 
rehetra nanatona azy teo amin' ny tanimboly 
anankiray. Tamin' ny taona B.C. 270 no naha- 
fatesany. Ny fahendrena rehetra nozarain' 
i Epikoro ho telo loha ka nataony hoe: — (1) 
Kanonika*, milaza ny fomban' ny fitadiavana 
sy ny fahafantarana ny marina. (2) Fytika y 
milaza ny fomban' ny zavatra nita maso 



Digitized by 



Google 



EPI 168 

izao rehetra izao. (3) Ethika, milaza 
ny fiyavahana, etc. Ary amin' ny fizurana 
fahatelo dia izao no fampianaran' i Epikoro : 
(tf) Tsy nisy mpanao izao tontolo izao, hoy 
izy, _ fa tonga ho azy izany ; nefa misy 
andriamanitra maro izay tokony hivavahana 
noho ny hatsarany. (b) Ny tsara ay ny 
ratsy miankinn indrindra amin' ny fanahy. 
(rf) Sy fanahy tsy mahazo misaraka amiti' 
ny tena. Izay notadiavin' ny Epikoro dia 
ny mahita ny fahafinaretana, ary nataony 
fa ny filosofy, na ny fitiavani-pahondrena, 
no mpitarika tokony hiankinana indrindra 
hahazoana izany. JCoa fahafinaretana, fa 
tsy ny marina, no notadiaviny; ka dia 
nalaky niharatsy ny fomban' ny olona izay 
nanaraka ny fampianarany, ary ny maha- 
falifaly ny tena niany, na dia amin' ny 
filan-dratsy ay ny fahalotoana aza, no nohe- 
rerin* ny mpianany. Koa amin* izany dia 
hita m ari marina ny tsy naneken' ny Epiko- 
reana tany Atena ny teuy notorin' i Paoly, 
milaza fa antaoin' Andriamanitra ny oiombe- 
lona mba hibebaka (Asa. xvii. 18, 32).— 

O.A.fl. 

EPI8TILY dia teny Englisy, nefa nalaina 
tamin' ny teny Grika hoe epistolos, ary 
milaza taratasy nosoratan' olona tamin' olona 
(Engr. letter). Ary izany hiany no hoviny 
tamin' ny andro nanoratana ny Teat. Vao. ; 
fa tato aoriana kosa efa mifetra kely ny 
hevitry ny teny ka enti-milaza ny taratasy 
nosoratan' ny Apostoly sy ny namany ary 
ny mpianany tamin' ny fiangonana sy ny 
mpitandrina fiangonana. Dia holazaina kely 
etoana ny amin' ny taratasy izay fanaon' 
ny olona lazain' ny Baiboly, ary ny fomban' 
ny teny ao amin' ireny. 

Hita mari marina fa tsy nisy nanoratra 
taratasy raha mbola tsy nahalala boky sy 
tsy nahayaky teny sy sora-tanana ny olona. 
Koa raha mbola nifindrafindra toe ran a 
loatra izy ka Uy nahay tao-zavatra, dia 
tsy nisy taBatasy nosoratan* olona tamin' ny 
sakaizany. Ary dia tsy misy teny milaza 
izany ao amin' ny bokin' i Mosesy, na amin' 
ny Josoa, na ny Mpitsara, na Samoela ; fa 
ny taratasy voalohany lazain' ny Baiboly 
dia ilay nosoratan' iDavida tamin' iJoaba 
ny amin' ny hamoanana an' i Oria (2 Sam. 
xi. 14) ; ary io angaha dia nasiana loko sy 
ny kasen' ny mpanjaka, tahaka izay noso- 
ratan' i Jezebela tamin' ny loholon' i Jezirela 
(I Mpan. xxi. 8-19). Ny loko anefa dia 
"tanimanga" angamba (Job. xxxviii. 14). 
Maro hiany ny taratasy lazain' ny boky 
tantara taoriandriana : dia izay nosoratan' 
ny mpanjakan' i Syria tamin' iJorama, 
mpanjakan' ny Isiraeiy (2 Mpan. v. 5, 6), 
•y Jeho tamin' ny loholon' i Samaria (x. 1-7), 
sy Elia tamin' i Jehorama (2 Tant. xxi. 12- 
15), sy Sankeriba tamin' i Hezekia mpanjaka 
(2 Mpan. xix. 9-84). Zahao koa Jer. xxix. 
1-33; Ezr. iv. 6, 7, 11; v. 6; viii. 11; 
Neh. ii. 7, 9 ; yi. 6. Tamin' ireo taratasy 



EPI 

ireo toa tsy nisy sonia na anaran' ny olona 
nampitondraina azy, fa nasiana kase izy, 
ary angamba nahorona na voafehy. Tara- 
tasy natao avy amin' ny fan-jozoro angamba 
no fanaon' ny Jiosy, tahaka ny fanaon' ny 
Egpytiana hiany ; fa misy taratasy tahaka 
izany voatahiry ao amin' ny fasan' ny olona 
any Egypta, izay voasoratra 1300 taona 
talohan' ny andro nahaveloman' i Kristy 
taty an -tany. 

Ny Epiatily ao amin' ny Test. Vao. dia 
misy antony lehibo, satria ny lalan' i Kristy 
ny amin' ny fitandremana ny Fiangonana, 
ary ny fototry ny finoana ny Filazantsira, 
indrindra izay lalindalina (dia ireo zavntra 
izay nokasaiu' i Kristy holazaina, fa tsy 
zakan' ny mpianany, raha mbola teo aniiny 
Izy, zahao Jao. xvi. 12), no ambaran' ny 
nanoratra azy. Zahao bpistilin' ny tbst. 
vao. Afa-tay ny Epistily izay isan' ny 
boky ekona ho Soratra Masina, voalaza koa 
ilay epistily na taratasy nampitondrain' ny 
Konsilia na fiangonana vory tao Jeroaalema 
ny amin' ny Kri^tiann izay Jentilisa tany 
Antiokasy Syria ary Kilikia (Asa. xv. 23-29). 
Nisy koa taratasy avy tamin* i Klaodio Lysia, 
mpifehy ny miaramila Komana tany Joro- 
salema, tamin' i Feliksa mpanapaka (xxiii. 2')- 
30) . Ny anaran' ny mpanoratra sy ny olona 
nanoratana azy dia lazaina voalohany, dia 
vao ny famangiana ; ary "veloma" (Gr. 
xuirein) no teny farany. Ary amin' ny epis- 
tily nosoratan' i Paoly sy ny Apoatoly sasany 
(afa-tsy ny Hebroo sy 1 Jao.), ny anaran' ny 
nanoratra azy sy ny olona nanoratana azy 
dia lazaina aloha ; dia misy famangiana, izay 
matetika dia vavaka mba hahazoan' izany 
olona na fiangonana izany fahasoavana sy 
famindrainpo ary fihavanana. Ny amin' ny 
epistily nosoratan' i Paoly, tsy ny tan any 
no nanoratany ny teny, fa niay nanoratra 
ho azy (angamba satria narary maso izy), 
ary izy nanao sonia amin' ny soratra vaventy 
tao amin' ny farany (Gal. vi. 11) ; fa izany 
no famantarana nomeny tamin' ny fiango- 
nana, hahalalan' ireo fa avy tamin' ny 
Apostoly tokoa ny taratasy misy ny anarany 
(2 Tes. lii. 17 ; 1 Kor. xvi. 21 ; Kol. iv. 18). 
Ny Epistily tamin' ny Komana dia nosora- 
tan' iTertio anankiray, izay nisolo tanaua 
an' i Paoly ka mar ah aba ny nangonana (xvi. 
22). Nisy taratasy hafa koa, izay fanaon' 
ny fiangonana tamin' ny andron' ny Apoa- 
toly, dia ny manome epistily mampandroso 
ny olona izay nandeha lavitra, mba handrai- 
san' ny fiangonana hafa azy ho namana 
(2 Kor. iii. 1).— J.8. 

EPISTILIN' ny TESTAMENTA VAOVAO. 
Raha mandinika tsara ny boky samy hafa 
ao amin' ny Baiboly isika, dia hita ma- 
rina fa mitovitovy hiany ny filaharan' ny 
boky ao amin' ny Te8t. Tal. sy ny amin' 
ny Tost. Vao. Amin' izy roa ny tantara 
no teny voalohany, dia manaraka izany 
ny boky milaza ny fampianarana sy ny 



Digitized by 



Google 



EPI 



164 



ERA 



zavatra tokony hinoana, dia ny Salamo ay 
Ohabolana, etc., ninin' ny Tost. Tal., ary ny 
Epistily nosoratan' ny Apostoly am in' ny 
Test. Vao. Ary ny teny farany amin' izy 
roa dia faminaniana, dia ny soratry ny mpa- 
minany maro ao amin' ny Test. Tal., ary ny 
Apokalypsa na Fanainbarana, izay boky 
fnninaniana, ao amin' ny Test. Vao. Ary 
tokony hotsarovana koa, fa tahaka ny 
nampianaran' Andriatnauitra ny efa-dahy 
lianorutra ny tantaran' iJesosy Tompo, 
ainin' ny Filazantsara Efatra, dia toy izany 
koa, no nitarihany ny sain' ny Apostoly efa- 
dahy, afa-tsy Paoly, hanoratra ny epistily, 
izay ho lalan' ny Fiangonana sy fototry ny 
fampianaran' ny Filazantsara. Nefa kosa, 
Paoly Apostoly indrindra no nomen' Andria- 
mauitra ho mpanoratra sy mpanome-lalana 
ho amin' ny Fiangonana ; ary ny teny noso- 
ratany dia indimin' izay rehetra nosoratan' 
izy efa-dahy, dia Petera sy Jakoba sy Jaona 
ary Joda, raha akambana ny tenin' izy rehe- 
tra. Dia mizara roa toko lehibe ny epistily 
amin 1 ny Test. Vao.: dia (1) izay nosora- 
tan' i Paoly, ary (2) izay atao hoe Epistily 
Katolika (izany hoe, ho an* ny Kristiana 
rehetra), fa "malalaka," "ho an' ny rehe- 
tra/' no lena hevitry ny hoe katolika. 

1. — Xy Epistily nosoratan* i Paoly. Telo 
ambiu' ny folo izy, ary izy rehetra, afa-tsy 
ny Epistily tamin' ny Romana, dia nosora- 
tana noho ny hevi-diso niseho, na mba ho 
fampianarana tandrifin' ny toetry ny fiango- 
nana na ny olona uanoratana azy tamin' 
izany andro izany indrindra. Ary afa-tsy 
ny epistily ao amin' ny Baiboly ananantsika, 
dia nisy hafa koa izay tsy voatahiry ; fa ny 
teny ao amin' ny 1 Kor. v. 9 no vavolombe- 
loua fa nisy epistily nosoratan' i Paoly tamin' 
ny ftangonana tany Korinto talohan' izay 
atao hoe 1 Korintiana. Ary ny teny ao 
amin' ny Kol. iv. 16 no heverin' ny sasany 
ho milaza epistily nosoratan' i Paoly tamin' 
ny fiangonana tao Laodikia : fa raha toy ny 
hevitry ny sasany kosa, ny Kpistily tamin' 
ny Efesiana no nolazainy ; ary hoy ny sasany 
indray, fa taratasy avy tamin* ny Laodikia n a 
no nolazainy, fa tsy taratasy ho any aminy 
tsy akory. Hitantsika koa ao amin' ny 
Epistily tamin' ny Tesaioniana (2 Tes. ii. 2) 
fa nisy ny sasany izay nangala-tsonia ka 
nanoratra taratasy toa avy tamin' i Paoly; 
ka dia nomen' i Paoly fainantarana haha- 
lalan' ny fiangonana fa izy tokoa no nano- 
ratra azy, dia ny sonia nosoratan' ny tanany 
hiany (2 Tes. iii. 7). Ny fiangonana nahazo 
epistily avy tamin' i Paoly no nanariny 
hampitondra azy mba ho fantatry ny fiango- 
nana namany, na hanao kope ho azy, mba 
hovakina eo amin' ny fandrenesan' ny maro 
ao am-piangonana (Kol. iv. 16). Dia toa 
fanao hatramin' ny taloha indrindra ny 
inanao kopen' ny taratasy iwy tamin' ny 
Apostoly, hahafantaran' ny fiangonana rehe- 
tra ny fototry ny Filazantsara. Raha mbola 



velona Petera Apostoly, toa efa azony sahady 
ny kopen' ny epistily maro nosoratan' i Paoly 
(2 Pet. iii. 16). Raha alahatra araka ny 
andro nanoratana azy ny epistilin' i Paoly, 
dia azo zaraina ho roa toko lehibe, dia (1) 
izay voasoratra talohan' ny nifatorany tany 
Roma voalohany ; ary (2) izay voasoratra 
raha mbola nafatotra tany izy sy taorian' 
izany. Dia alahatra toy izao ny epistiliny : — 



1 Tesaioniana 

2 Tesaioniana 
Galatiana 

1 Korintiana 

2 Korintiana 
Rom una 



Filemona 
Kolosiana 
Efesiana 
Filipiana 

1 Timoty 
Titosy 

2 Timoty 



dia 

L.D. 



Ny taona nanoratan' i Paoly ireo 
tokony ho tanatiu' ny folo taona, dia 
54-64. 

2. Ny Epistily nosoratan* ny Apostoly hafa, 
na Epistily Katolika. Tsy ny nanoratra 
ireo hiany no hafa, fa misy koa maha-samy 
hafa azy amin' ny epistily nosoratan' i Paoly, 
fa ny azy rehetra dia misy anaran' ny 
fiangonana na olona nanoratana azy, dia ny 
Rom an a, ny Korintiana, Timoty, etc. ; fa 
ny epistily avy tamin' i Jakoba sy Petera 
sy Jaona ary Joda kosa (afa-tsy 2 Jao. sy 
3 Jao., izay nampiaua tao aoriana, satria 
fohy izy), dia tsy nosoratany voalohany 
tamin' ny fiangonana anankiray, na olona 
anankiray, fa tamin' ny Kristiana rehetra (fa 
izany no hevitry ny hoe 'katolika' voalo- 
hany indrindra) ; zahao Jak. i. 1 ; 1 Pet. 
i. 1 ; 2 Pet. i. 1 ; 1 Jao. i. 3, 4 ; Joda i. — 
j.s. 

ERA : (1) zanakalahy matoan' i Joda izy ; 
fa "ratay fanahy teo imason' i Jehova izy, 
dia novo noin' i Jehova." Tsy voalaza izay 
heloka nataouy, fa angamba nanamka ny 
fomba vetavcta fanaon' ny mpanompo 
sampy tao amin' ny Kananita izy ; fa ary 
tamin' ireo ny reniny (Gen. xxxviii. 3-7 ; 
Nom. xxvi. 19). (2) Taranak' iScla, zana- 
kalahin' i Joda, izy (1 Tant. iv. 21). f3) 
Zanakalahin' iJesosy anankiray (tsy mba 
Jesosy Mpamonjy), ary rain' iElmadama 
(Lio. iii. 28).— j.s. 

ERASTO: (1) anankiray tamin' ny mpia- 
natr' i Paoly tany Efesoay, izay nirahiny 
nankany Makcdonia niaraka tamin' i Timoty, 
raha mbola nitoetra tany Asia hiany Paoly 
(Asa. xix. 22). Lazaiua indray izy amin' 
ny teny namangian' i Paoly an' l Timoty 
(2 Tim. iv. 20). (2) Nisy Erasto anankiray 
koa izay atao hoe **mpitahiry ny volam- 
panjakana tao an -tan an a" tao Korinto, ary 
isan' ny Grika izay tonga Kristiana izy (Rom. 
xvi. 23). Heverin' ny sasany ancfa fa olona 
iray hiany ny Erasto lazaina eo amin' ny 
Asa. sy 2 Km., sy ny lazain' i Paoly amin' 
ny Epistily tamin ny Romana, fa angamba 
diso hevitra izay mauao izany.— p.o.p. 



Digitized by 



Google 



ESA 

dia annnwi' ny tanana anankiray 
ny fanjakan' i Nimroda tao amin' ny 
tany Sinara; ary toa tanana ©fa voaorina 
talohan' ny andron' i Nimroda aza Izy (Gen. 
x. 10). Misy bonga vaventy ho amin' ny 
tany lemaka amoron' i Eofrata, ary tokony 
ho 140 maily ataimo-atainanan' i Babylona, 
izay atao hoe Irak, Irka, sy Senkerah, ary 
izany no heverin' ny olon-kendry ho niore- 
nan' iEreka.— J.8. 

ESAO ( Voloina) : dia zanakalahy matoan' 
i Iaaka sy Rebeka : ary anarana no men' ny 
rainy azy izany noho ny toe- ten any raha vao 
teraka izy (Gen. xxv. 24-26). Efa voalazan* 
ny anjely tamin-dRebeka fa ny zanani-lahy 
matoa no hanompo ny znndriny (and. 23). 
Nefa laaka tia an i Esao noho Jakob a, satria 
sahiaahy izy ka mpihaza malaza. Fa Eaao 
tsy nihevitra loatra ny fitahiana avy amin 1 
Andriamanitra ho azon' ny taranak' i Abra- 
hama, ary noho izany dia nolazain' ny nano- 
ratra ny Hebreo hoe "olona tsy manaja ny 
masina" izy. Indray andro, raha niverina 
avy tamin' ny fihazany izy ka noana, dia 
nangataka tamin' iJakobany ron-tsaramaso 
masaka izay efa namboariny. Ary Jakoba 
nanao hafetsena, ka dia niadi-varotra tamin' 
i Esao izy, ary ny fizokiana no nangatahin' 
i Jakoba ho vidin' ny hanina. Dia nanaiky 
mora Eaao, fa hoy izy: "Indro, ho faty 
hiany aho ; ka mahaaoa inona izay fizokiana ; 
ka dia no nanamavoin' i Eaao ny flzokiany" 
(xxv. 29-84). Nefa Eaao mbola noheverin' 
i Iaaka ho lahi-matoany, ary rehefa tratran- 
titraizy dia nikaaa hitso-drano an' iEsao; 
nefa nirai-tetika Jakoba sy Rebeka reniny 
mba hahazoan' i Jakoba izany tso-drano 
izany ; ka dia nandainga ka namitaka an 1 
i Iaaka izy mianaka (Gen. xxvii.). Dia tezi- 
tra indrindra Eaao ary nikasa hamono an' 
i Jakoba. Ary rehefa lasa nandositra Jakoba, 
Eaao dia nampakatra vehivavy izay zanak' 
Iaimaela havany, mba hahafalifaly ny rainy 
sy ny reniny ; ary toa nanadino vetivety ny 
hatezerany izy. Nitombo tokoa ny hareny 
too Seira, ary nony niverina Jakoba avy 
tany Harana dia nandray azy taara Esao, 
aady lehibe ny fitiavana naaehony tamin' ny 
zandriny (xxxiii. 1). Izy sy Jakoba dia 
niara-nandevina an' i Iaaka rainy (xxxv. 29). 
Ny vadin' iEsao dia Ada sy Aholibama, 
vehivavy Kananita, ary Basemata, zanak' 
Isimaely (xxxvi. 2, 3) ; ary izy dia razan' 
ny Edomita. [edoka.]— o.a.s. 

E8A l-HADOHA : anankiray tamin' ny 
mpanjakan' i Asyria. Zanak' i Sankeriba izy 
(2 Mpan. xix. 37 ; Isa. xxxvii. 38), ary nan ja- 
ka tokony ho tamin' ny b.o. 681. Toa nahery 
indrindra tamin' ny mpanjakan' i Asyria 
rehetra izy ary nitondra tafika tany Asia 
Andref ana, tao anelanelan' ny Golf a Persiana 
sy ny tendrombohitr' iArimenia ary ny 
Kanomaaina Mediteraneana. Babylona dia 
laaany avokoa, ary Esar-hadona hiany no 
mpanjakan' ny Asyriana izay nanjaka tao 



1M EST 

(b.o. 680-667) ; fa tao Babylona no nanaovany 
trano, ary vao faingana efa hita ny biriky 
misy ny anarany. Nazoto nanao trano izy, 
fa tola ny tranon' andriana nataony tao 
amin' ny fanjakany, afa-tsy ilay trano tuny 
Babylona. Ary misy vato voasoratra milaza 
fa telo-pok) ny tempoUji' ny sampy nataon' 
i Esar-hadona tany Asyria sy Mesopotamia ; - 
ary mbola hita ny vato maro avy amin' ny 
tranon' andriana izay nataony tao atsimo- 
andrefan' ny tanana izay atao hoc nnkehi- 
triny Nimrud. [asyria.] — j.s. 

ESKOLA: rahalahin' i Mamre sy Anera, 
loholon' ny Amorita, izay namau' i Abra- 
hama tamin' izy nanenjika ny mpanjaka 
efatra avy tany Mesopotamia, izay efa 
namabo any Lotazana-drahalahiny sy olon- 
tSodoma (Gen. xiv. 13, 24). — t.t.m. 

ESKOLA, Lohaiahan'i: dia lohasaha ao 
akaikin' i Hebrona, tokony ho roa maily ao 
avaratry ny tanana. Tany no nalehan' ny 
mpisafo roa am bin' ny folo lahy izay nirahin' 
i Moaesy hizaha ny Tany Masina, sady tao 
no nahazoany ny sampahom-boaloboka va- 
venty, izay nolanjain-droa lahy ka nentina 
nody (Nom. xiii. 24 ; Deo. i. 24). Angamba 
ny an a ran' ny lohasaha dia avy tamin' ilay 
Eskola, izay andrian* ny firenen' ny Amo- 
rita nonina tany Hebrona (Gen. xiv. 13). 
Ny lohasaha ao avaratr' i Hebrona dia mbola 
be tanimboaloboka sy taninoliva, ary ny 
voaloboka any dia lehibe sady taara indrindra 
amin' izay rehetra hita any Falestina. Ny 
anaran' ny lohasaha ankehitriny dia Ain- 
Efhkali. — J.s. 

EST AOL A : dia tanana tao amin' ny tany 
lemaka amoron -dranomasina izay nonenan' 
ny Filistina, ary tao am-bodin' ny tendrom- 
bohitry ny tanin' ny Joda. Isan' ny tanana 
any Joda izy, fa nomena an' ny Dana nia- 
raka tamin' i Zora (Jos. xv. 33; xix. 41). 
Tao Mahane-dana, tanelanelan' i Estaola sy 
Zora, no niseho ny herin' i Samsona voalolia- 
ny, rah a mbola zatovo izy ; ary tao koa no 
nandevenana azy (Mpit. xiii. 25 ; xvi. 31 ; 
xviii. 11). Estaola no isan' ny tanaua mafy 
sy mirova tamin' ny zana-tanin' i Dana, ary 
ny tompon-tanana, niaraka tamin* ny olon' 
i Zora, dia nalaza noho ny fahasahiany. 
Ireo 600 lahy, izay naka an' i Laisy tao 
avaratra ka nonina tao, dia avy tany 
Estaola sy Zora (Mpit. xviii.). Misy vohi- 
tra kely atao hoe As/iira, izay hoverina ho 
miorina eo amin' izay ni or en an' i Estaola. — 
j.s. 

ESTEM0 : dia tanana any Joda tao an- 
tendrombohitra, ary nomena tamin' ny mpi - 
aorona (Jos. xv. 60) ; xxi. 14 ; 1 Tant. vi. 
57). Isan' ny tanana nalehan' i Davida sy 
ny olony matetika tamin' ny nifindrafindrany 
nandositra an' iSaoly izy io (I Sam. xxx. 
28, 31) ; ary noho ny soa nataon' ny tompon- 
tanana taminy, dia izy no nampitondrain' 
i Davida anjara avy tamin' ny babo azony, 
rehefa resiny ny Amalekita. Stmua no ana- 



Digitized by 



Google 



EST 1* 

rany izao, dia tanana valo maily ao atsimon' 
i Hebrona, ao amin' ny slain ny efitra. — 
J.s. 

ESTEBA: izy dia tovovavy Jiosy avy 
tamin' ny firenen' i Benjamins, izay teraka 
tany Persia tamin' ny nahababoana ny Jiosy. 
Kisy, razan' i Estera, ^dia isan' ny Jiosy izay 
nentin' i Kebokadnezara avy tany Jerosa- 
lema tamin* ny nandreseny an* i Joiakina. 
Raha mbola zazavavy Estera, maty ny rainy 
sy ny reniny, dia notaizain' i Mordekay hava- 
ny izy, izay isan* ny tan da pan' i Ahasoerosy, 
mpanjakan' i Persia, dia nonina tao amin' 
ny tranon' andriana natao hoe Sosana izy. 
Rehefa voasaotra Vasty, vadin' i Ahasoerosy, 
noho ny tsy nanekeny ny fahafaham-baraka 
nasain' ny mpanjaka hiaretany, ny tovovavy 
tsara tarehy indrindra tao amin' ny fanja- 
kan' i Persia no notadiavina ka nangonina 
tany Sosana, hifidianan' ny mpanjaka izay 
tiany ho solon' i Vasty. Ary Estera nahita 
soa teo i ma son' i Ahasoerosy, ka natsangany 
ho mpanjakavavy ; nefa tsy mbola fantatry 
ny mpanjaka ny firazanany. Koa noho ny 
nankahalan 1 i Hamana prime ministera an' 
i Mordekay, dia nahazo teny tamin' ny 
mpanjaka izy hamonoany ny Jiosy rehetra 
tao amin' ny fanjakan' i Persia ; ary Estera 
dia toa isan' izay tsy maintsy hovonoina 
noho izany tenin' andriana izany. Fa rehe- 
fa nampianarin' i Mordekay izy, izany no 
nentin' 1 Estera hampahatezitra ny mpanjaka 
amin' i Hamana, ka dia nangataaa ny ainy 
sy ny am' ny olony Estera. Ary noho ny 
fomban' ny fanjakan' i Media sy Persia, tsy 
azo navadika ny tenin' andriana, nefa ny 
Jiosy dia navela hiaro tena ; ka izany sy ny 
fitiavan' ny mpanjaka an' i Estera no naha- 
foana ny hevi-dratsy nataon' i Hamana ka 
niton dr a loza tamin' ny tenany hiany. Dia 
nisy andro fahataiarovana sy nfaliana notan- 
dreman' ny Jiosy hatramin' izany andro izany 
ho fisaorana amin' Andriamanitra noho ny 
namonjeny azy. Ny anarana hoe 'Estera' 
dia teny Syro- Arabian a angaha, ary 'kintana' 
(Persiana, satarah ; Eng. star) no heviny, 
ary mitovitovy amin' ny anaran' iAstoreta 
sampy izy. 'Hadasa' (Eng. myrtle, anaran - 
kazo) no anaran' i Estera, raha mbola tsy 
nampakarin' i Ahasoerosy izy, fa nomena 
anarana vaovao izy rehefa tonga mpanjaka- 
vavy. Izay rehetra fantatra ny amin' 
i Estera dia voasoratra ao amin' ny boky 
antsoina araka ny anarany. — j.s. 

E8TEBA, Ny Bokin'i. Ny tantaran' 
i Estera efa voalaza eo ambony, ary ity boky 
ity dia antsoina araka ny anarany, satria 
izy indrindra no nahatonga ny zavatra 
malaza sasany lazaina eo amin' ny boky. 

1. — Ny Zavatra voalaza 90 amin 1 ny Bokin' 
i Estera, Eo amin' ity boky ity dia lazaina 
ny zavatra mahagaga sasany izay nan jo ny 
Jiosy tany Persia tamin' ny andro nanjakan' 
i Ahaseorosy, mpanjakan' i Persia, dia izay 
nataon' ny Grika hoe 'Xerxes.' (Zahao 



EST • 

▲HA80BB08Y 3.) Fa Hamana, izay prime 
ministera tany Persia, sady tian' nv mpanja- 
ka, dia tezitra indrindra tamin' i Mordekay, 
ilay Jiosy isan' ny tandapa, izay tsy nanaja 
azy loatra, raha nivoaka sy niditra izy ; 
ary noho izany dia nataon' i Hamana fa 
zavatra kely foana ny hamono an' i Mor- 
dekay irery, fa nanao sain a hamono ny 
Jiosy rehetra tao amin' ny fanjakan' i Persia 
sy hamabo ny fananany izy. Ary ny mpan- 
jaka dia nanaiky lempona, dia nanao sonia ny 
taratasy nisy ny lalana hamabo sy hamono 
ny Jiosy rehetra, sady nampitondra izany 
eran' ny fanjakany. Fa Estera kosa, izay 
efa nofidin' i Ahasoerosy ho vadiny, no 
namporisihin' i Mordekay havany hangataka 
ny aity sy ny ain' ny Jiosy olony ; koa ny 
hafetsen' i Hamana sy ny fireharehany no 
nitondra voninahitra tamin' i Mordekay, fa 
fahafaham-baraka sy fahafatesana. kosa 
tamin' i Hamana fahavalony. Fa ny Jiosy, 
rehefa nam pi an' ny lehiben' ny fanjakana, 
nanao araka ny taratasy hafa nampanoratau' 
ny mpanjaka, dia niaro tena izy sy niady 
tamin' ny fahavalony ary namono olona 
75,000 aza. Ary noho izany nisy andro- 
firavoravoana natao hoe 'Porima' notendrena 
ho fahatsiarovan' izany famonjena izany. 
[pobika.] Ary ny amin' ny olona voalazan' 
ny boky, dia Ahasoerosy, Estera, Hamana, 
Mordekay, sy Vasty, — zahao ny teny railaza 
azy tairairay. 

2. — Ny Nanoratra ity boky ity. Tsy voalaza 
eo amin' ny boky ny anaran' izay nanora- 
tra azy, ary tsy misy teny ao amin' ny boky 
hafa milaza izany. Raha toy ny nevitry 
ny sasany, Mordekay no nanoratra azy ; ary 
satria izy dia nasandratra ho prime ministera 
ka nahazo nandinika ny taratasim-panjakana 
milaza ny zavatra sasany lazaina eto, dia 
angamba marina izany bevitra izany. Ka- 
nefa ataon' ny sasany kosa fa Ezra, na ny 
namany izay isan' ny Synagogy Lehibe, no 
nanoratra azy; nefa angamba ny hevitr 
izany dia izao : fa Ezra nandinika sy nanitsy 
azy, ary nampikambana azy tamin' ny boky 
hafa izay isan' ny Soratra Masina. Misy 
izay manokana ity boky ity amin' ny boky 
hafa rehetra ao amin' ny Baiboly, fa tsy 
voalaza, na indray mandeha aza, nv anaran' 
Andriamanitra ao aminy. Ary amin' izany, 
efa noheverin' ny sasany fa izay rehetra 
lazaina ao amin' ny bokin' i Estera dia teny 
nalaina tamin' ny tantaram-panjakana any 
Asyria ; ary angamba ny teny sasany dia 
avy tamin' izany tokoa, tahaka ny teny 
maro ao amin' ny bokin' ny Mpanjaka sy ny 
Tantara dia nalaina tamin' ny boky tanta- 
ran' ny mpanjakan' ny Joda. Nefa kosa, na 
dia tsy voalaza ao aza ny anaran 9 Andriamani- 
tra, ny tanan 1 Andriamanitra dia hita mari- 
marina ao amin' ny teny rehetra amin' ny 
boky, dia ny nitondran' Andriamanitra ny 
olony, sy ny niarovany azy tamin' ny faha- 
valony. 



Digitized by 



Google 



EST 

3.— Ny Filakarari ny Bokin 1 i Ettera ao 
amin* ny bokin 1 ny Tett. Tal. Ny Bokin' 
i Estera dia nalahatry ny Jiosy tao amin' ny 
ti sa rana fahatelo, dia miaraka amin' ny 
boky natao hoe "taratasy masina" na "Sa- 
Umo" (Lao. xxiv. 44 ; zabao baiboly, pejy 
70). Ary izy ireo nozarainy indray bo telo 
toko, ary ny fabaroa amin' ireo dia natao 
not Megilloth, na 'taratasy ahorona,' dia 
Tonon-kira, Rota, Fitomaniana, Mpitori- 
teny, ay Estera. Ireo taratasy ahorona ireo 
no novakina tao am-piangonana tamin' ny 
andro firaroravoana sy ny andro fifadiana, 
ary ny bokin' i Estera no novakina avokoa 
tamin' ny andro natao hoe Porima. Ao 
amin' ny Baiboly Grika a tao hoe Septoaginta 
dia miay teny maro nampiana amin'ny teny 
ao amin' ny Baiboly Hebreo, dia izay efa 
nadika ho teny Malagasy. 

4. — Ny Nevitra azo entina hampahatoky 
anttika/a Marina ny teny ao amin* ity boky 
ity. Ary ho hitantaika izany rehefa voadi- 
nika tsara izay bevitra efa nentin' ny sasany 
bampiaalaaala antsika fa tsy azo binoana ny 
teny maro ao amin' ny Bokin' i Estera, ka 
dia tsy tokony hatao isan' ny bokin' ny 
Soratra Masina, hoy izy. Fa boy ny sasany : 
{«) Ny fireharehana sy ny lolom-po ary ny 
famalian-dratsy lazaina bo nasehon' ny Jiosy 
tamin' ny fahavalony, nony namono olona 
75,000 izy, dia hafa lavitra amin' izay 
naropianarin' ny Test. Tal. bo tokony efa 
nataony. Nefa kosa, bita marina f any Jiosy 
tany Persia Uy nanaraka ny anatra ao amin' 
ny Lalan' i Mosesy sy ny Mpaminany, raba 
nanao izany rebetra izany izy ; ary ny 
nifidiannny hitoetra tao amin' ny tanin' ny 
mpanompo sampy, nefa navelan' ny mpanja- 
ka biyerina amin' ny tanin -drazany hiany 
izy, dia famantarana fa tia izao tontolo izao 
loatra izy, ka nirehareba foana tabaka izay 
nataon' ny Jiosy tany Palestina tao aoriana. 
Tokony hotsarovana koa, fa izay nanoratra 
ity boky ity milaza fotsiny izay nataon' ny 
Jiosy, fa tsy milaza na marina izay nataony, 
na taia. Hoy ny sasany koa : (b) Satria tsy 
roalaza ny anaran' Andriamanitra akory 
aza, ary tsy misy teny milaza na manaiky 
ny nitandremany ny olony, dia tsy azo ekena 
bo Soratra Masina ity boky ity. Fa izay 
efa voalaza teo ambony amin' izany dia 
ampy hamaly io teny io: fa ny tanatC 
Andriamanitra miaro sy mitandrina ny olony, 
andrao haringan' ny fabavalony izy, dia 
hita marimarina ao amin' ny tantara rebetra, 
na dia tsy voalaza ny anaran 1 Andriamanitra 
aza. Ary hoy ny sasany indray: (rf) Ny 
zavatra sasany lazaina dia Uy azo binoana 
ho tantara marina, fa angamba angano na 
fanoharana fotsiny izy. Nefa kosa, ny 
nanaovana andro firavoravoana (Porima} bo 
fahatsiarovana ny f anion jena lazaina ao 
amin' ity boky ity dia zavatra saro-pantarina, 
raha tsy nisy fototr' izany rebetra izany ; 
ary ny nanao van' i Ezra sy ny namany azy 



W ETA 

ho isan' ny bokin' ny Soratra Masina, tsy 
ela taorian ny andro nanaovana ny zavatra 
mahagaga lazaina ao amin' ny boky, dia 
vavolombelona fa tantara marina izy, fa tsy 
angano. Ary izao teny izao efa nolazaina 
koa ho tsy azo hinoana : (i.) Ny nanaovaua 
lalana fa hovonoina ny Jiosy rehetra, ary 
ny nilazana izany herintaona talon an' ny 
fotoana habatanterabana azy. (ii.) Ny na- 
melan' ny mpanjaka ny Jiosy biaro tena sy 
bamono ny vahoakany batramin' nv 75,000. 
(iii.) Ny nanaovan' i Ahasoerosy lalana fa 
Uan-debilaby ho tompo ao an-tranony. 
Nefa kosa, na dia tsy tabaka ny fanaon' ny 
fanjakana any Eoropa aza izany, dia mi to- 
vitovy hiany amin izay fanaon' ny fanja- 
kana maro any Asia Andref ana : fa mpanjaka 
tsy voafetra akory izy ireo, be sitra-po sady 
masialfa ary manao tainontainona ny ain' olo- 
na ; ary betsaka ny teny azo alaina amin' ny 
tantaran' ny firenena tany aloha izay azo 
ampitovina amin' izay rehetra lazaina ao 
amin' ny Bokin' i Estera. 

6. — Ny Taona $y ny Tany nanoratana ny 
boky. Ny zavatra lazaina ao amin' ny 
Bokin' i Estera dia natao tamin' ny nanja- 
kan' i Ahasoerosy na Xerxes, izay nanjaka 
B.C. 486-465 ; ary ny boky angamba noso- 
ratana tamin' ny taona faramparany nanja- 
kan' i Ahasoerosy. Ary tsy fantatra na 
Palestina na Persia no tany nonoratana azy, 
fa angamba Persia no izy. 

6.—Filaharan' ny Zavatra voalaza. 

Ny amin' ny fanasana lehibe nataon' 
i Ahasoerosy, ary ny nisaorany an' i Vasty 
mpanjakavavy ; toko i. 

Ny nananganana an' i Estera ho vadin' ny 
mpanjaka ; ary ny soa nataon' i Mordekay, 
raba nahita sy nanambara ny teti-dratsy 
nataon' ny tandapa sasany hamono ny 
mpanjaka ; ii. 

Ny nanandratana an' i Hamana ho prime 
ministera ; ny batezerany tamin' i Mordekay, 
ary ny saina nataony handringanana ny 
Jiosy rehetra ; iii. 

Ny fahorian' ny Jiosy, sy izay nataony 
hahafoana ny hevi-dratsy, noforonin' i Ha- 
mana; iv. 

Ny nahafoanan' i Estera ny zava-dratsy 
nokasain' i Hamana hatao amin' i Mordekay ; 
ny voninahitra nomena an' i Mordekay ; 
ary ny namonoana an' i Hamana; v., vi., 
vh. 

Ny nahafoanana ny bevi-dratsy nataon' 
i Hamana bamono ny Jiosy rehetra ; ny 
nanendrena ny andro Porima ho fahatHiaro- 
vana izany ; ary ny nanandratana an' i Mor- 
dekay ; viii., ix., x. — J.8. 

ETAMA : ( I ) vobitra anankiray tao amin' 
ny zara-tanin' ny Simeona (1 Tant. iv. 32 ; 
Jos. xix. 7). (2) Tanana tany Joda, izay 
nanaovan' i Rehoboama rova sady name- 
trabany miaramila (2 Tant. xi. 6) ; toa 
akaikin' i Betlebema sy Tekoa izy. Tany 
no nibavian' ny rano nandemanu ny tanim- 



Digitized by 



Google 



ETI 

fly nisotroan' 



bolin' iSoloraona, sy nisotroan' ny olon' 
i Betlehema, ary nanaovana ny r.iharaha tao 
amin' ny Temjpoly. — J. 8. 

ETAMA, Ny Vatolampy : dia hantsana 
avo izay nioren' i Samsona taorin' ny nurao- 
noany ny Filiatina (Sfpit. xv. 8, 11). Tao 
amin' ny zara-tanin* ny Joda izy, ary tao 
am-bodiny dia Lehy sy En-hakore, izay 
nisehoan' ny loharano nisotroan' i Snmao- 
na. — J.8. 

ETAMA no tany nitobian' ny Zanak' Isi- 
raely fahatelo, rehefa niala tany Egypta izy. 
Zahao kfitry ny PANDBiiAynEHAtfAMA. 

EIANA: (1) Etana, Ezrahita, anankiray 
tamin' ny zanak' i Mahola efa-dahy, izay 
-nankalazain' i Solomona noho ny fahendreny 
(I Mpan. iv. 31 ; 1 Tant. ii. 6). Ny ana- 
rany dia ao amin' ny loha-tenin' ny Sal. 
xxxix. (2) Zanakalahin' i Kisy ; dia Levi ta 
avy tamin' ny taranak' i Mcrary, ary lohan' 
izany mpianakavy izany tamin' ny andron' 
i Davida (I Tant. vi. 44); lazaina ho 
"mpihira" koa izy. Notendrena hampaneno 
kipantaona izy niaraka tamin' i Hemana sy 
Aaafa (xv. 17-19). (3) Levita anankiray 
avy tamin' ny taranak' i Gersoma, ary iaan* 
ny razan' i Asafa mpiventy hira (1 Tant. vi. 
42).- J 8. 

ETANIBfA: zahao vol in a. 

ETIBALA: mpanjaka tany Sidona izy, 
ary rain' i Jezebela, vadin' i Ahaba (I Mpan. 
xvi. 31). Lazain' i Josefosy ho mpanjakan' 
iTyro koa izy, ary angamba mpiaoron' 
i Bala aampy, raha ny hevitry ny anarany 
no dinihina. — p.o.p. 

ETI0P1A : dia ny tany izay nataon' ny 
Hebreo hoe Kosy (Cuah) y fa Etiopia no ana- 
rana nahafantaran' ny Grika sy ny Romana 
azy. Tao atsimon' i Egypta izy, ary tao 
anatin' ny tany atao hoe ankehitriny Nubia, 
Senaar, Kordofana % Abysinia avaratra, ary 
ny fanjakan' i Mero'e. Ny faritr' i Etiopia 
avaratra dia fan tat ra tsara, dia tany Syene, 
izay nampisaraka an' i Egypta sy Etiopia 
(Ezek. xxix. 10). Ary ny Ranomasina Mena 
dia faritry ny tany tao atainanana, sy ny 
efitr' i Lybia tanjr andrefana, ary ny tendro- 
mbohitr' i Abysinia tany ataimo. Ny teny 
voalohany amin' ny Baiboly milaza an' 
i Etiopia dia Gen. ii. 13, ary lazaina eo fa 
hodidinin' ny ony Gihona izy, izay isan' ny 
ony efatra nivoaka avy tao Eden a. Ary 
noho izany efa noheverin' ny sasany fa nisy 
tany natao hoe Kosy tany Asia Andrefana, 
fa angamba diso hevitra izy. Zahao kosy. 
Toa tay fantatry ny Jiosy loatra ny tany 
Etiopia ; nefa ny olona avy tany dia fan tany 
tsara, satria nUakaiza tamin' ny Egyptiaua 
matetika izy. Ny nitoeran'ny tany dia fanta- 
ny (Ezek. xxix. 10), ary fantany koa ny fom- 
bany sv ny zavatra naniry tao, satria nif anao 
raharana izy ay ny Etiopiana. Etiopia ava- 
ratra dia sahaiahala tamin' i Egypta : dia 
lohasaha ety ao arnoron' i Neila, ary efitra 
be faaika sy vato ao an-daniny roa. Fa ao 



Jer. 
Ta- 



168 EVA 

ataimo kosa, dia tany malalaka sady be 
havoana izy ; ary ao amin' ny faritra ataimo 
misy tendrombohitra izay 8000 fita no haha- 
vony ambonin' ny ranomasiaa. Ny olona 
tompon-tany tany Etiopia dia isan' ny tara- 
nak f iHama (Gen. x. 6), ary mainty hoditra 
izy ; zahao Jer. xiii. 23. Nefa nizarazara 
ho firenena raaromaro izy, ary tamin' ireo 
ny Sabeana no nahery indrindra. 

Ny tantaran' i Etiopia dia nifampiditri- 
ditra be hiany tamin' ny t mt iran' i Egypta. 
Tamin' ny taloha indrindra, Etiopia notnpa- 
hin' ny mpanjakau' i Egypta, ary indrai- 
ndray dia nakambana ho fanjakan a iray 
hiany ny tany roa. Esar-hadona, mpanja- 
kan' iAsyria, dia lazaina ho nandresy slu* 
i Etiopia sy Egypta. Fa tao aoriana koaa 
nisy mpanjakan i Etiopia izay nandresy an* 
i Egypta, koa ny dynasty sasany dia Etio- 
piana. Zera, izay niakatra hiady ajnin' 
l Asa, mpanjakan' ny Joda (2 Tant. xvi. 8), 
dia Etiopiana, ary toy izany koa So, izay 
nanao fanekena tamin' i Hosea, mpanjakan' 
ny Iairaeiy farany. Etiopia dia lazain* ny 
rapauiinany matetika niaraka tamin' i Egy- 
pta, ary nakambana ny anarany, raha ny 
hihavian' ny fahavalony no lazaina; vakio 
Nah. iii. 8, 9 ; Iaa. xviii., xix., xx. 
xlvi. 9; Ezek. xxx. 4-9; Zef. ii. 12, 
rain' ny nandresen' ny Persians an' i E; 
Kambysesy niakatra niady tamin' i 
ka nandresy azy, nefa tay naharitra ela 
ny herin' ny Persiana; ary ny mpanjaka 
Grika nanjaka tany Egypta, izay natao hoe 
Ptolemy, tsy nanapaka an* Etiopia ataimo, 
fa ny avaratra hiany. Taloha kelin' ny 
andro nahaterahan' i Kristy nisy dynasty 
mpaniakavavy, dia olona tompon-tany, 
nanjaka tany Etiopia. Kandake no anarana 
nentin' izy rehetra, ary nanohitra ny miara- 
milan' i Roma aza izy. Ny anankiray tamin' 
ireo dia ilay mpanjaka vavy lazaina eo amin' 
ny Asa. viii. 27. Ny tantara ao dia vavo- 
lombelona fa ny fivavahana marina efa niely 
hatrany Etiopia, fa ilay tandapa, izay 
mpitahiry ny haren' i Kandake, dia nanorapo 
an' i Jehova, ary efa niakatra tany Jeroaa- 
lema mba hivavaka; ary avy tamin' izany 
manamboninahitra izany no nieiezan' ny 
nnoana an' i Kristy. Fa na dia be dia be 
aza ny hevi-diso sy ny hamaizinan-taain' ny 
olona any Abysinia, tsy misy fanjakan a any 
Afrika manaiky ny fivavahana an' i Kristy 
afa-tsy ny any Abysinia. Vakio Sal. Lxviii. 
31 ; Isa. xlv. 14; Zef. iii. 10.— j.s. 

EVA (Heb. Kayyah=Aiua) : dia anaran' 
ny vehivavy voalohany, izay renin' ny olom- 
belona rehetra (Gen. iii. 20). Ny tantara 
milaza ny nanaovan' Andriamanitra azy dia 
ao amin' ny Gen. ii. 21, 22 ; ary angumba 
voasoratra hampianatra antaika ny fototry 
ny firaiaan' ny olona mivady, satria mitovy 
fomba ay iray ny nihavian' izy roroa. Noho 
ny hafetaen' ny Devoly too amin' ny endriky 
ny menarana, dia voafitaka Eva ka nalaim- 



Digitized by 



Google 



EVA U» 

p&nahy handika ny lalana nomen' Andria- 
aanitra tamin' izy mivady ; ary ny fijaliana 
sasain' Andriamanitra hiaretany dia faho- 
nana amin' ny hananany anaka sy aIIlin , ny 
kiterahany zaza, ary ny hanekeny ny lahy 
ho tampony. Ny hevitr' i Eva ny amin' ny 
rmharaha nomena azy hatao dia hita amin' ny 
anarana nomeny ny zanani-lahy. Kehefa 
voalaza ny nahaterahan' iScta, dia tapitra 
ny tantaran' iEva. Zahao adama. — J.s. 

EVAJT JELISTA. Ny hevitry ny teny hoc 
* evanjelista* dia mpitory ny filazantsara^ ary 
uo lazaina fa evanjelista ny olona rohe- 
tra izay mitory ny tenin' ny filazantsara, 
na mpitandrina, na mpampianatra izy ; 
kaaefa kosa, fantatsika fa tsy mitovy mihi- 
tsy ny mpitandrina sy ny mpampianatra ary 
ay evanjelista tsy akory, fa samy manana 
nv raharahany ary izy. Eo amin' ny Epis- 
taly ho an* ny Efesiana (iv. 11) dia misy 
teny hoe : "Ary Izy nanome ny sasany ho 
Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, 
try ny sasany ho evanjelista, ary ny 
sasany ho mpiandry sy mpampianatra." 
Ary hitantsika amin izany fa manarakaraka 
ay Apostoly sy ny mpaminany ny evanje- 
Kata, ary lazaina alohan' ny mpiandry sy 
ay mpampianatra izy. Dia toa ambonin' 
ny mpitandrina sy ny mpampianatra ny 
eranjelista tao tamin' ny fiangonana voalo- 
hany. Ary koa, ni aloha azy ireo izy, fa 
nitory ny filazantsara izay nahataitra ny 
olona ary nitaona azy hibebaka sy hino an 1 
i Jesosy Kristy ; ary noho izany dia nampio- 
mana sy namboatra ny fon' ny olona handray 
ny teny soa izy, fa ny mpitandrina Ry ny 
mpampianatra kosa nan dona sy niava ny tany 
efa namafazana. Miara-mitoetra amin' ny 
olona ny mpitandrina sy ny mpampianatra 
mba hanao ny raharahan' ny nangonana sy 
hampitombo ny sain' ny Kristiana, mba ho 
tanteraka ho olon' Andriamanitra izy, voa- 
Toatra tsara ho amin' ny asa tsara rehetra. 
Ary amin' izany, dia hitantsika fa ny asan' 
ny evanjelista indrindra dia ny mitory ny 
filazantsara amin' ny olona izay tsy mbola 
nanire izany, mba hitaona azy hialu amin' 
ny sampy hanompo an' Andriamanitra velona 
sy manna, ary hitarika azy hino an' i Kristy 
mba hoTonjena izy. 

Raha nananatra an' i Timoty Paoly Apos- 
toly, dia hoy izy hoe: "Mitoria ny teny; 
mazutoa, na amin' ny fotoana, na tsy amin' 
ny fotoana ; mandrese lahatra, mamporisiha, 
mananara mafy amin' ny fahari-po sy ny 
fampianarana rehetra." "Mahonona tena 
amin' ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, 
ataovy ny Man* ny evanjelista, tanteraho ny 
fanompoanao" (2 Tim. iv. 2, 6). Ary noho 
izany, hitantsika fa ny mety hataon' ny 
evanjelista indrindra dia ny mi asa sv ny 
mitory teny ; ary ny mety hataon' ny mpita- 
ndrina sy ny mpampianatra indrindra kosa 
dia ny mandahatra sy ny mitaiza ny nango- 
nana, Ny anankiray manao ny fanorenana, 



EVA 

fa ny anankiray kosa manorina ny trano. 
Indraindray ny mpitandrina na ny lonolon' ny 
nangonana sy ny diakona dia tonga evanjeli- 
sta ka mahafoy ny fonenany sy ny ray aman- 
dreniny ary ny sakaizany aman-kavany, mba 
hankany amin' ny firenena lavitra hitory ny 
filazantsaran' iJesosy Kristy. Evanjelista 
nahefa be Paoly Apostoly, fa nandehandeha 
nitory ny filazantsara izy ary nitety ny 
firenena sy ny tan an a maro mba hahatante- 
raka izany. Evanjelista ny Apostoly rehetra ; 
ary koa, tena Evanjelista lehibe Jesosy 
Kristy Tompontsika, fa nandehandeha 
mandrakariva hanao soa Izy sy nitory ny 
fanjakan' Andriamanitra. Dia hitantsika fa 
tsy misy asa na raharaha malaza kokoa noho 
ny asan' ny evanjelista, ary izay manao izany 
dia manahatahaka an' i Jesosy Kristy. 

Tokony hotsarovana koa fa ny raharahan' 
ny evanjelista tamin' ny fiangonana voalo- 
hany dia tsy mitovy loatra amin' izay ataon' 
ny olona iraky ny fiangonana amintsika 
ety Madagaskara, dia izay ataontsika hoe 
'evanjelista.' Tsy mba nitoetra ela tao an- 
tanana iray ireo ovanjelista voalohany ireo, 
fa nandehandeha mandrakariva kosa izy ka 
nitety tany sy fiangonana nitory ny fila- 
zantsara; fa ny evanjelista izay iraky ny 
Isan-Enim-Bolana, na ny reni-fiangonana 
aty Imerina sy any Betsileo, dia apetraka ao 
amin' ny vohitra iray, ary matetika mitoetra 
any hatramin' ny taona maro aza, ka toa 
mpitandrina na episkopo miandry ny fiango- 
nana maro manodidina azy izy. Tokony ho 
evanjelista ilay nolazain' iJaona Apostoly 
indrindra ao amin' ilay Epistily Fahatelo 
nosoratany, dia ilay ho an' i Gaio. Tsy 
mba voalaza ho 'evanjelista' ireo anefa, fa 
"vahiny" kosa, izay niainga handehandeha 
hitori-teny "nohony Anarana," dia ny Ana- 
ran' i Jesosy Tompo, "ka tsy naka na inona 
na inona tamin' ny Jentilisa izy." Tokony 
ho evanjelista ireo, izay nanana fanahy 
tahaka an' i Paoly ka tsy nety naka vola na 
fanampiana avy tamin' ny olona nampiana- 
riny, fandrao hahattifintohina ny mpiunatra 
vao nanatona ny fivavahana izany (vakio 
Asa. xx. 33, 34 ; 2 Kor. xi. 7-10). Ny 
raharahan' ny evanjelista mbola maharitra 
hiany eo amin' ny Fiangonana, sady haha- 
ritra raha mbola misy mpanota hotaomina 
hanatona ny Mpamonjy. Kaha mbola misy 
firenena mpanompo sampy, raha mbola misy 
firenena Mohamedana, na Bodista, na mana- 
raka fivavahana tsi-izy na inona na inona, 
raha mbola misy izay tsy nitoriana ny ana- 
ran' i Jesosy Kristy Tompo, dia ao amin' ireo 
no mbola tokony hametrahana evanjelista, 
dia mpitorv ny teny soa mahafaly indrindra 
izay ho an ny firenena rehetra. 

Eo amin' ny boky nosoratan' ny mpi- 
tantara ny Fiangonana, ny efa-dahy izay 
nanoratra ny Filazantsara Efatra, dia Matio, 
Marka, Lioka sy Jaona, no atao hoe 'Evanje- 
lista ;' ary mbola fanao izany amin' ny 



Digitized by 



Google 



EZE no 

boky soratan' ny Kristiana, ka dia atao 
hoe ny 'Evanjeliflta Efa-dahy' izy ireo. — 

J.8. 

EVIL-MEBOD AKA : zanak' iNebokadne- 
zara, mpanjaka tany Babylona, ka nandiinby 
an-drainy izy. Fohifohy hiany ny andro 
nanjakany, fa niamboho tamin' ny taona 
B.C. 561 Nebokadnezara, ary Evil-merodaka 
nodiroba8an , i Neriglisara, izay namono a*.y 
Bro. 559; zahao 2 Mpan. xxv. 27. — p.o.p. 

EZEKA (Fi/andirana) : dia anarana nomen' 
Isaka ny loharano izay nohadin' ny mpa- 
nompony, ary izay nifandiran' ireo ey ny 
mpiandiy ombin' ny Filistina tany Gerara 
(Gen. xxvi. 20).— J.s. 

EZEKIELA (Hampaherezin* Andriamani- 
tra) : dia mpaminany lehibe sy mpisoron' 
Andriamanitra teo tamin' ny Jiosy. Zanak' 
i Bozy mpisorona izy, ary rehefa lehibe ka 
efa mpisorona zatra tsara tamin' ny raharaha 
fanao teo amin' ny Tempoly voalohany, dia 
nentin' i Nebokadnezara ho babo tany Ba- 
bylona izy, niaraka tamin' ny mpanjakan' 
ny Joda sy ny olona ambonimbony iray 
alina, tamin' ny taona B.C. 599 ; sahabo ho 
1 1 taona talohan' ny nandravan' i Neboka- 
dnezara an' iJerosalema sy ny Tempoly 
izany. Kely hiany no fantatsika ny amin' 
i Ezekiela, nefa izao no azo lazaina: Na- 
ntsoin' Andriamamtra ho mpaminany izy 
tamin' ny taona fahadimin' ny namaboana 
azy (i. 2) ; koa nonina tao Tel-abiba (iii. 15) 
izy, tao anilan' ny ony Kebara tany Kaldea 
(i. 1, 3), niaraka tamin' ny Jiosy sasany 
namany. Dia nanana trano tao izy sy ny 
vadiny, izay malalany indrindra (xxiv. 16- 
18) ; nefa noraran' Andriamanitra izy tsy 
hisaona azy na hitomany azy akory tamin' 
izay nahafatesan-dravehivavy tampoka. Le- 
hilahy be fahalalana Ezekiela ny amin' ny 
toetoetry ny tany samy hafa manodidina an' 
iJodia sy ny fanaon' ny firenena rehetra 
tany ho any ; ary ny boky faminaniana 
nosoratany dia mampiseho izany fahalalany 
izany (xxv. — xxx.). Koa nanaja dia nanaja 
azy ny Jiosy voasambotra tany Babylona 
(viii. 1 ; xiv. 1 ; xx. 1 ; xxxiii. 31), na dia 
mafy indrindra aza ny nananaran' i Ezekiela 
azy rehetra noho ny fahotany maro, izay 
efa nahatonga famaboana tamin' ny olona 
betsaka, sady efa hampiditra fandravana ho 
any amin' ny Tanana Masina. Nanao ny 
raharahan' ny mpaminany 22 taona, na 
mihoatra aza, Ezekiela. Koa ny zavatra 
lehibe izay nambarany dia (1) ny handra- 
vana an' iJerosalema; (2) ny hampijalian' 
Andriamanitra ny firenena sasany fahavalon' 
ny Jiosy ; (3) ny hodian* ny Jiosy indray 
ho any amin' ny taniny, sy ny fahalehi- 
biazan' ny fanjakan' ny Mesia hanaraka 
izany; ary (4) ny amin' ny Jerosalema 
vaovao haorina aty an -tany. Ezekiela dia 
niara-beiona tamin' i Jeremia sy Daniela, fa 
Jeremia maty talohany, ary Daniela kosa 
dia farany tamin' izy telo lahy. Araka ny 



EZE 

lovan-tsofin' ny Jiosy, Ezekiela dia novo- 
noin' ny loholona Jiosy ananMray, izay 
nanompo sampy tany Kaldea. Ary mbola 
ao hiany, akaiky an' i Babylona, ny fasana 
izay ataon' ny Jiosy sy ny Mohamedana Uo 
nandevenana azy. — w.M. 

EZEKIELA, Ny Bokin' i. Eaha mba dixii - 
hina marina, dia hitantsika fa milahatra 
tsara ny zavatra rehetra voasoratra ao amin' 
ny bokin' i Ezekiela. Ary tokony ho izy 
mpaminany hiany angamba no nanangona. 
sy nandahatra ny taratasy faminaniana lio 
boky iray tsara lahatra tahaka izany Ho 
liita amin' ity synopsis eto ambany ity fa na 
dia maro aza ny horonan- taratasy famina- 
nian' i Ezekiela, dia efa nakambana any 
an -tokony izy rehetra manaraka (a) ny kara- 
zany; izany hoe, ny faminaniana rehetra 
milaza zavatra iray loha dia atao mitokana, 
ka tsy mba miharoharo amin' izay milaza 
zavatra hafa. Ary (b) izy rehetra, rehefa 
mby ao an -tokony izay mahamety azy, dia 
milahatra ao manaraka ny taona nandrene- 
sana sy nilazan' ny mpaminany azy. 

Sa&in-teny. Ny niantsoan' Andriamanitra 
azy ho mpaminany ; i. — iii. 15. B.C. 594. 

I.— Faminaniana maro samy hafa ny amin 9 
ny handravana ny Joda sy Jerosalema; iii. 
16— xxiv. B.C. 594-590. 

1 . — Fanambarana hita maso sasany nataon' 
i Ezekiela naneho izany ; iii. 16— vii. B.C. 694. 

2. — Tsindrimandry sasany nahitan' i Eze- 
kiela izany indray, taoriana kelin* ilay 
voalaza teo ; \dii. — xi. B.C. 593. 

3. — Fananarana sy fandrahonana ny Jiosy 
noho ny otany sy ny fahadalany ; xii. — xix. 
B.C. 593. 

4. — Filazana sy fananarana koa ny amin' 
ny loza ho efa omby akaiky; xx. — xxiii. 
B.C. 592. 

5. — Fanambarana ny loza efa ho tonga 
an' i Jerosalema ; xxiv. B.C. 590. (Ezekiela 
mbola tany Babylona hiany tamin' izay ka 
mandra-pahafatiny.) 

II. — Faminaniana ny amin 1 ny Jiremma 
sasany manodidina an 1 ijoda; xxv. — xxxii. 
B.C. 592—572. 

1. — Amona; xxv. B.C. 590. 

2.— Tyro; xxviii.— xxviii. 19. B.C. 688. 

3.— Sidona; xxviii. 20-26. B.C. 588. 

4. — Egypta; xxix. — xxxii. B.C. 622—572. 

III. — Filazana son ho an 1 iJoda sy Jerosa- 
lema; xxiii. — xxxix. — B.C. 687. 

1. —Fananarana ny amin' izay nanadala 
azy; xxxiii. — xxxiv. 8. 

2. — Ny hampodian' Andriamanitra ny 
olony ho any amin' ny taniny, ary ny 
hanjakan' ny Mesia any ; xxxiv. 9 — xxxvii. 

3. — Ny nandringanana ny fahavalony 
rehetra "amin' ny andro farany ;" xxxviii.— 
xxxix. 

TV .— Tsindrimandry maizimaizina ny amin J 
ny Tempoly sy ny Ihndnan' Andriamanitra, 
izay haorina aty an-iany ; xl. — xlviii. B.C. 
574. — w.M. 



Digitized by 



Google 



EZR m 

SZI01T-0EBEBA : dia tanana ela, akaikin' 
iElata ao amin* ny lohan' ny Golfan' 
i Akaba, izay sampan' ny Ranomasina Mona 
ao atsinanana. Lazaina ho tanana nito- 
bian' ny Zanak' Isiraely tamin' ny nalehany 
aankany Kanana izy (Nom. xxxiii. 35 ; 
Deo. ii. 8). Seranana ay ntodian-t sambo 
izy, ary avy tao no nialan' ny sambo raaro 
mirai-dia nataon' i Solomon a By Hiraina, 
mba hankany Ofira, hahazoany volamona 
be sy ny vokatry ny tany lavitra (1 Mpan. 
ix. 26). Tany Ezion-gebera koa no nanao- 
Tan' i Josaf ata sambo maro hankany Ofira ; 
nefa noho ny fihavanana efa nataony 
tamin' i Ahaziu, mpanjakan' ny Isiraely, 
izay ratsy fanahy, dia novakin' ny rivotra 
mahery ny sambo (1 Mpan. xxii. 48; 
2 Tant. xx. 36). Tsy misy tanana ankehi- 
triny atao hoe Ezion-gebera ao anioron* ny 
Ranomasina Mena ; nefa kosa, raha toy ny 
hevitry ny maro, efa nisondrotra kely ny 
tany ka dia tonga tany maina izao izay 
ranomasina tao aloha ; ary misy tanana atao 
hoe Ain-el-Ghudyan, folo maily avaratry 
ny lohan' ny Golfan' i Akaba, izay heverin' 
ny olona ho ao amin' izay niorenan' i Ezion- 
gebera. — J.S. 

EZBA (Fanampiana) : dia ilay mpisorona 
sj mpanora-dalana malaza, izay nitarika ny 
an-tokon' ny Jiosy faharoa avy tany Baby- 
lona ho any Palestina (b.c. 457). Taranak' 
iFinehasy, zanaky Arona, izy, ary zanak' 
iSeraia. Lazaina ho "mpanora-dalana" 
Ezra, sy "nahay ny Lalan' i Mosesy," sy 
"mpanoratra ny lalan' ny Andriamanitry ny 
lanitra," ary "mpisorona;" zahao Ezr. 
vii. — x. ; Neh. viii. ; xii. 26. Ary araka 
izay lazain' i Josefosy koa, dia mpisoronabe 
teo amin' ny Jiosy tany Babylona izy, sady 
nahalala tsara ny Lalan' i Mosesy, ary noha- 
jain' ny olona rehetra noho ny fahamarinany 
sy ny hatsaram-panahiny izy. Tamin' ny 
taona b.c. 457 Ezra dia navelan' i Artakser- 
sesy mpanjaka hankany Jerosalema handinika 
ny toetry ny fivarahana amin' i Jehova ; ary 
nitondra niaraka taminy ny Jiosy maro, dia 
mpisorona sy Levita sy mpihira sy mpiandry 
yaravarana ary Netinima. Be hiany ny 
volamena sy ny volafotsy nentin' iEzra sy 
ny namany, ary ny fanaka vola koa, dia 
izay nomen' ny mpanjaka sy ny Jiosy tao 
Babylona ; ary ny mpitahiry ny volam- 
panjakana dia nasaina hanampy azy ary 
hanome azy vola sy vary ary diloilo, etc. 
Efa-bolana tan-dalana izy, ary rehefa 
tonga tao Jerosalema izy, dia nanamboatra 
tsara ny fombam-pivavahana sy ny fitandro- 
mana ny Lalan' i Mosesy ; ary izy nampanaiky 
ny Jiosy maro hisaraka amin' ny vady efa 
nampakariny avy tamin' ny firencna hafa, 



EZR 

tamin' izay tsy nahalala izany. Ny nataho- 
ran' i Artaksersesy ny hatezeran' i Jehova no 
toa nanery azy handidy izany rehetra izany, 
fa hoy izy: "Na iuoria na inona andidian' 
ny Andriamanitry ny lanitra, aoka hataonao 
tanteraka avokoa ho an' ny tranon' ny 
Andriamanitry ny lanitra ; fa nahoana no 
avcla hisy fahatezerana hihatra amin' ny 
fanjakan' ny mpanjaka sv ny zanany?" 
(Ezr. vii. 22.) Dia tanteraka izany rehefa 
afaka ny enim-bolana taorian' ny niakaran' 
i Ezra, ary lazaina tsirairay izay nataony 
eo amin' ny Ezr. viii. — x. Ary angamba 
niverina tany Babylona izy, fa tsy misy teny 
hafa milaza azy raha tsy afaka telo ambin' 
ny folo taona iudray ; fa tamin' izany dia 
lazaina ho tao Jerosalema indray izy nia- 
raka tamin' iNehemia (viii.), arv namaky 
ny Lalan' i Mosesy teo anatrehan ny olona 
maro izy. Fa ny raharaha nataony tamin' 
ny niakarany faharoa dia ny amin' ny fivava- 
hana hiany, fa Nehemia no mpanapaka sy 
solom-bavan' andriana tao Jerosalema tamin' 
izay. Koa satria tsy voalaza ny anarany 
rehefa lasa Nehemia, ka niharatsy ny toetry 
ny Jiosy, angamba efa maty izy, na niverina 
indray tany Babylona. Raha toy ny fitenin' 
ny mpanoratra sasany, dia maty tao Jerosa- 
lema hiany Ezra ka nalevina tao, fa ny sasany 
kosa milaza fa nalevina tany Persia izy. Misy 
fasana lehibo ao amoron' iTigrisy, tokony 
ho roa-polo maily ambonin' ny fikambanany 
amin' i Eofrata, izay atao hoe 'Fasan' iEzra.' 
Araka ny tantara tehirizin' ny Jiosy, dia 
120 taona Ezra vao maty ; ary lazaina koa 
izy ho mpandaha-draharaha tao amin' ny 
Synagogy Lehibe, izay nampikambana ny 
boky rehetra ao amin' ny Test. Tal. ho boky 
iray ka nahatapitra ny Kanona, ary nanitsy 
sy nanampy ary nandahatra ny teny sy ny 
boky amin' ny Test. Tal. Ezra koa nano- 
hitra ny Sadoseo, izay vao niseho tamin' ny 
androny, hono ; ary nanendry lehilahy izay 
nitsangana tao an-ilan' ny mpamaky ny 
Soratra Masina tao amin' ny synagogy, ka 
nandika ny teny Hebreo (izay tsy f antatry 
ny maro, rehefa afaka ny Fahababoana) ho 
teny Aramai'ka, izay fiteniny isan-andro. 

I*zy koa, hono, no nanoratea na nandahatra 
ny Bokin' ny Tantara sy Ezra sy Nehemia 
ary Estera koa, raha toy ny hevitry ny 
sasany. Ny nanaovana ny synagogy voa- 
lohany dia tantaraina ho avy tamin' i Ezra, 
izay hajain' ny Jiosy ho saiky mitovy voni- 
nahitra amin' i Mosesy aza ; nefa angamba 
laza masaka foana ny zavatra sasany tanta- 
raina ho nataony. — j.b. 

EZBA, Ny Bokin' i. Azo zaraina ho roa toko 
itv boky ity, dia ny i. — vi., ary ny vii. — x. 
Nv fizarana voalohany dia tantaran' ny Jiosy 



fa maro ny mpisorona sy ny Levita aza efa I mirai-dia izay niverina avy tany Babylona 



nanao izany. Ezra efa "nahazo fahefana 
tamin' ny mpanjaka koa hanendry loholona 
ey mpitsara hanapaka ny olona tany Joda, 
ary hampianatra ny lalan' Andriamanitra 



niaraka tamin' iZerobabela sy Josoa, hatra- 
min* ny taona voalohany nanjakan' i Koresy 
ka hatramin' ny nahavitana ny tempoly 
tamin' ny taona fahenina nanjakan' i Da* 



Digitized by 



Google 



EZR 



172 



FAD 



riosy ; ary ny f aharoa dia milaza ny nalehan' 
ny Jiosy maro izay niaraka tamin' i Ezra, 
mbamin' izay nataon' iEzra tao Jerosale- 
ma. 

I. — Raha voadinika tsara ny teny ao amin' 
ny boky, dia hita marina fa tsy mba nosoratan 1 
olona iray izy toy akory, fa misy teny maro- 
maro izay hita fa samy haf a ny nihaviany : fa 
ny sasany dia nalaina tamin' ny tantaran' ny 
fanjakana Persiana, ary ny sasany dia teny 
nosoratan' ny rapauoratra ny bokin' ny 
Tantara, ary ny sasany no nosoratan' i Ezra ; 
dia nakamban' olona hafa tamin* ny aoriana 
angaha ho boky iray, fa tsy fantatra izay 
nanao izany. Ny andininy telo voalohany 
amin' ny bokin' i Ezra dia sahala amin' ny 
andininy roa farany indrindra amin' ny 
2 Tant. ; ary efa noheverin' ny sasauy fa 
nosoratan' iDaniela ny toko voalohany, fa 
mahafeno ny tantara eo an-elanelan' ny 
Dan. ix. sy x. izany. Ny toko ii. sy ny iii. 
dia sahala amin' ny Neh. vii., ary milaza 
ny anaran' ny Jiosy izay niaraka tamin' 
i Zerobabela, ary ny isariy. Ary ity sy ny 
teny sisa hatramin' ny vi. 22 (afa-tsy ny iv. 
6-23) dia toa nosoratan' olona izay niara- 
belona tamin' i Zerobabela By Josoa ka 
nahita ny nanaovana ny Tempoly f aharoa 
tamin' ny nanjakan' iDariosy Hystaspesy. 
Koa noho ny fitovian' ny teny sasany ao 
amin' ireo toko ireo sy ny ao amin' ny bokin' 
iHaguy, dia efa noheverin' ny sasany fa 
nosoratan' i Hagay mpaminany izy. Nefa 
kosa, ny iv. 6-23 dia teny nanampin' ny mpa- 
noratra hafa teo aoriana, satriany nisakanana 
ny nanaovana ny tandna, fa tsy ny Tempoly, 
tamin' ny andron' i Nehemia, no lazaina. 

Ny fizarana f aharoa (vii.— x.) milaza ny 
zavatra izay natao valo amby dimam-polo 
taona taorian' ny zavatra lazaina ao amin' 
ny fizarana voalohanv ; ary nosoratan' i Ezra 
avokoa, raha toy ny nevitry ny sajany ; nefa 
kosa, raha marina izany, dia tsy hita izay 
anton' ny nanoratany ny teny sasany fa toa 
olona hafa no lazainy, nefa amin' ny tony 
sasany kosa dia hoy izy "aho," na "izahay" 
no nanao toy izany ary toy izany. Azo 
lazaina anefa fa ny vii. 27 — ix. 15 dia nosora- 
tan' iEzra, ary angamba ny x. 18-44 koa. 
Ny teny sasany ao amin' ny boky dia 
Kaldeana: dia ny taratasy nosoratan' ny 
f ahavalon'ny Jiosy tamia' i Ahasoerosy, sy ny 
tenin' iKoresy, ary ny taratasy nosoratan' 
i Artaksersosy (iv. 8 — vi. 18 sy rii. 12-26). 

II. — Ny amin' ny Taona sy ny Tany nano- 
rat ana ny boky dia tsy fantatra izany ; nefa 
satria ny zavatra lazaina ao aminy dia natao 
elanelan' ny B.C. 536 sy B.C. 456 (valo-polo 
taona), dia nosorataua ny boky, na nukain- 
bana no boky iray ny teny ao aminy, taorian 1 
ity fotoana f aharoa ity, dia B.C. 456. Ny 
tenin' i Hagay sy Zekaria mpaminany tokony 
hovakina miaraka amiu' ny tantara ao amin' 
ny bokin' i Ezra, fa mif anampy sy mif ameno 
izy telo. 



III. — Ny Zavatra lazaina ao amin 1 ny Bokin 9 
i Ezra dia izao : — 

1. — Ny niverenan 1 ny Jiosy avy tany Baby- 
iona sy ny nanaovany ny Tempoly ; i. — vii. 
Ny tenin' i Koresy ny amin' ny hanaovana 
an' i Jerosalema sy ny Tempoly ; i. Ny 
anaran' ny olona lehibe izay niaraka tamin' 
i Zerobabela ; ii. 1-63 ; ny isany ; ii. 64-67 ; 
ary ny zavatra nateriny hanaovana ny raha- 
raha masina ; ii. 68-70. Ny nanorenana ny 
alitara f anaterana ny f anatitra odorana ; ary 
ny nanaovana ny fanorenan' ny Tempoly ; 
iii. Ny nanohoran' ny Samaritana ny raha- 
raha; iv. 1-5 (teny nanampy tao aoriana). 
Ny taratasy nosoratan' ny fahavalon' ny 
Jiosy ny amin' ny hanaovana ny mandan' 
ny tanana ; iv. 6-24. Famiuanian' i Hagay 
sy Zekaria, ary ny nanaovana ny Tempoly 
indray. Ny taratasy nosoratan' ny mpana- 
paka tany Samaria tamin' iDariosy nana- 
dina azy ny amin' izay nataon' ny Jiosy ; 
v. Ny tenin' i Koresy sy Dariosy nainaly 
izany; vi. 1-15; ary ny nahavitana ny 
Tempoly; vi. 16-22. 

2. — Ny niakaran 1 i Ezra ho any Jerosalema 
sy ny soa nataony tao; vii. — x. Ny fahe- 
fana nomen' i Artaksersesy tamin' i Ezra, sy 
ny taratasy nomeny azy ; vii. Ny nalehan* 
i Ezra ho any Jerosalema, ary ny anaran' 
ny olona niaraka taminy; Yiii. Ny nisao- 
nan' i Ezra ny fahotan' ny olony, sy ny 
naneken' ireo ny fahotany ; ix. Ny fibeba- 
hana nataon' ny olona, ary ny nisarahany 
tamin' ny vadiuy izay vahiny ; x.— J.s. 

EZRAHITA : teny ampiana amin' ny ana- 
ran' i Etana, lehilahy izay lazaina ho nalaza 
noho ny fahendreny (1 Mpan. iv. 31 ; Sal. 
lxxxix., loha-teny), ary amin' ny anaran' 
i Hamana, ao amin' ny loha-tenin' ny Sal. 
lxxxviii. [btana.] — J.8. 



FADT, na ZAVATRA FADIKA. Araka 
ny tenin' ny LahW i Mosesy, dia nora- 
ran' Andriamanitra mba tsy hohanina izay 
biby rehetra voakenda, na maty ho azy, 
na novonoin' ny biby na ny vorona mihaza. 
Ary koa, ny biby rehetra izay tsy mivaky 
kitro sy tsy mandinika, ary ny biby mandady 
sasany sy ny vorona sasany, dia noraran' 
ny lalana tsy hohanina, araka izay voa- 
laza ao amin' ny Lev. xi. sy Deo. xiv. ; ary 
izay hazandrano rehetra tsy manana vombo 
sy kira dia natao ho fahavetavetana tamin' 
ny Isiraelita. Ary koa indray, ny ran' ny 
zava-manan-aina, ary ny sabora sy ny 
tavin' ny biby izay natao f anatitra, ary ny 
hena didiana tamin' ny biby inbola velona 
dia norarana tsy hohanina akory izany 
rehetra izany. Ary tsv izany hiany, fa izay 
olona nanendry ny fatm' ireo biby ireo «iza 
dia tonga maloto ; zahao Lev. xi. 26. Ary 
raha ny anton' izany nandraran' Andriama- 
nitra ny Jiosy mba tsy hihinana na haneudry 



Digitized by 



Google 



FAH 

say zavatra voalaza teo izany no anontania- 
m» dia miseho marimarina izao hevitra dimy 
baa izao : — (1) Mba hizaha toetra ny Isirae- 
Eta, raha mety manda tena tsara izy, na 
taa. (2) Mba hampisaraka azy amin' ny 
fbenena hafa, izay nivavaka tamin' ny 
sampy aady nihinana ny hanina voarara. 
(3) Satria ny biby sasany voalaza teo 
dia nataon' ny mpivavaka tamin' ny sampy 
bo masina, sady nivavahany. (4) Satria 
bt sa&any voalaza teo dia ratsy minitsy, ka 
tokooy hankarary izay mihinana azy (Lev. 
xx. 24-26). (5) Ary mba hampiseho mihari- 
hary ny tsi-fitovian' ny fi vavahana marina sy 
ny fivavahana tsi -marina, ary mba hitaona 
ay firenena rehetra nanodidina ny Jiosy 
a&naiky ny marina. Zahao madio. — c.f.m. 

FAHABABOAN' NY JI08Y: zahao babo. 

FAHADIOVANA. Araka ny lalana nomena 
ny Iairaelita, maro ny fomba fanao izay 
nentiny nanala-fady sy nanafahany ny 
teoany tamin' ny f ahalotoana ; ary tamin' 
izy rehetra ny fanasana ny tenany sy ny 
fttafiany amin' ny rano no fototra indrindra. 
Iadrdindray kosa anefa, dia tsy ampy ny 
fanasana amin' ny rano hah afaka ny f ahalo- 
toana sy ny fahadisoana momba izany, dia 
niay fanatitra maro nasain' ny Lalana 
baterin' ny olona. Ny amin' ny fahalotoana 
samy hafa voalaza ao amin' ny Lev. zv. 16- 
18; xi. 25, 40, dia ny fanasana ny tena sy 
ny lamba notafina no nasaina natao. Fa 
rehefa niteraka ny vehivavy anefa, dia zanak' 
ondry anankiray, na domohina na vororaai- 
lala, no nentiny ho fanatitra noho ny ota 
(Lev. xii. 6) . Ary raha raha sendra nanendry 
faty ny olona, dia fomba hafa koa no fanao 
fanadiovana azy, araka izay lazaina amin' 
ny Nom. xix. Ary koa indray, tamin' ny 
fanadiovana ny boka, dia maro ny fomba 
nasaina hotandremana amin' izany; zahao 
Lev. xiv. 4-32. Tamin' ny andro aoriana, 
rehefa afaka tamin' ny Fahababoana tany 
Babylona ny Jiosy, ny didin' Andriamanitra 
dia nampiany be Many, ka nataony nihatra 
tamin' ny zavatra maro hafa koa ny fomba 
fanadiovana. Nanasa kapoaka sy vilany sy 
lovia varahina ary f araf ara izy, ary tsy nety 
ni h in a n a izy raha tsy nanoza ny tanany 
matetika, na dia tsy nodidian' Andriamani- 
tra ho isan' ny fombam-pivavahana aza izany 
(Mar. vii. 3, 4) . Ary raha ny hevitry ny fomba 
fanadiovana nataon' ny Jiosy no heverina, 
dia tandindona nanambara ny fahotan' ny 
olombelona sy nv halotoany am-panahy 
izany ; ary koa, dia nilaza ny amin' i Kristy 
izy, fa ny rany no manadio antsika ho afaka 
amin' ny fahotana rehetra (Heb. ix. 10-14, 
19-28; x. 22; xii. 24; xiii. 11, 12). Ary 
amin' izao ef a nahafaka antsika amin' ireo 
fomba fanao eo ivelany rehetra ireo ny faha- 
diovana nataon' i Kristy, ary ny anjarantsika 
kosa ankehitriny dia mba hanadio ny f ontsika 
amin' ny finoana an' i Kristy, tahaka Azy no 
madio (Asa. xt. 9 ; 1 Jao. iii. 3).— o.f.k. 



173 FAH 

FAHAFATESANA (Gen. xxv. 11; Eks. 
iv. 19) : dia fandravana, na fahalanian' ny 
aina. Maro ny ohatra voasoratra ao amin' 
ny Soratra Masina milaza azy toy izao : 
"Mody any amin' ny vovony ;" <4 Angonina 
any amin' ny olony ;" "Miala aina;" 
"Manalaakanjo;" "Matory;" "Andro fiala- 
na," etc. Azom-pahafatesana ny razantsika 
voalohany noho ny nandikany ny didin' 
Andriamanitra. Hoy ny fandrarana azy : 
"Amin' ny andro izay hihinananao azy dia 
ho faty tokoa hianao" (Gen. ii. 17; Kom. 
v. 12-14; 1 Kor. xv. 21, 22; Heb. ix. 27). 
Kanefa izany dia tsy milaza ny fotoana 
nialany aina, fa ny hamelezana azy ho faty 
kosa noho ny otany. Raha nv fanahiny no 
heverina, dia maty hiany izy raha vao 
nandika ny lalana; fa hatramin' ny andro 
nanotan' iAdama sy Eva, dia nosarahina 
tamin' Andriamanitra izy ka dia maty 
fanahy. 

Telo no hevitry ny teny hoe *fahafatesana' 
ao amin' ny Baiboly : Voalohany, ny fialan' 
ny aina amin' ny nofo hiany (Gen. xxv. 11) ; 
ny faharoa milaza ny toetry ny fanahy azon' 
ny herim-pahotana (Efes. ii. 1) ; ary ny 
fahatelo milaza ny loza hanjo ny ratsy 
fanahy (Jak. v. 20). Ary araka izany hevi- 
tra telo izany, dia naringan' i Kristy ny 
fahafatesana, "hanafahany izay nandany ny 
nainany rehetra tamin' ny fahandevozana 
noho ny tahotra ny fahafatesana" (Heb. ii. 
14, 15). Ary ny amin' ny fahafatesan' ny 
nofo, dia manjo hiany izany, kanefa nalan' 
i Kristy ny fanindronany, koa omeny 
fandresena amin' ny heriny isika amin' ny 
andron' ny fitsanganana amin' ny maty. 
Ary velomin' i Kristy izay mino Azy, mba 
tsy ho faty amin' ny fahadisoana intsony ; 
ary ny asan' i Kristy no amonjeny ny olony 
amin' ny fahafadiranovan' ny helo, fa Izy 
hiany no ahazoany famelan-keloka sy faha- 
masinana ary fiomanana hankany an-danitra ; 
ary finoana sy fahatokiana sy fitiavana 
ary fanarahana Azy no handraisantsika fifa- 
liana lehibe avy amin' ny asany sy ny naha- 
fatesany. — o.j. 

FAHAFOLON-KABENA : zahao folo. 

FAHAGAGANA (Eng. miracle). Efatra 
ny teny Grika izay nentin' ny mpanoratra 
ny Test. Vao. hilaza ny asa mahagaga 
nataon' i Kristy sy ny Apostoly ary ny 
mpianany : dia Urata, 'fahagagana' (ploralyj 
na *zava-mahagaga;' semaia, 'famantarana' 
(pi.) ; dunamcis, 'hery' (pi.) na *asa lehibe ;' 
ary erga f 'asa' (pi.). Ary tokony hodinihina 
sy hofantarina tsara aloha ny hevitra samy 
hafa amin' ireo teny ireo, vao mandroso 
hihevitra ny anton' ny nanaovana ireo asa 
mahagaga voalazan' ny Baiboly isika. 

(1) Ny teny voalohany (teras) milaza ny 
toetry ny sain' ny olona izay nahita ny asa 
nataon' i Kristy, ary tao aoriana dia nentina 
hilaza ny asa koa izany. Lazaina matetika 
fa gaga dia gaga ny olona izay nahita izany 



Digitized by 



Google 



pah m 

(Mar. ii. 12 ; iv. 41 ; vi. 57 ; otc.) ; nefa 
kosa, tsy mba natao ireo asa lehibo ireo mba 
hahagaga ny olona hiany, fa indrindra mba 
hampianatra azy ; koa io tony io (teras) tsy 
atao irery hilaza azy, fa akambana amin' ny 
teny haf a koa. Dia ny asa nataon' i Kristy 
no lazaina hoe "famantarana *y fahagagana'* 
(Asa. xiv. 3; Rom. xv. 19; etc.); na 
"famantarana" fotsiny (Jao. ii. 11 ; Asa. 
viii. 6 ; etc.; na "asa mahery,** na "faha- 
gagana lehibe** (Mar. vi. 14 ; Asa. xix. 11) ; 
fa tsy mba lazaina hoe "fahagagana*' fotsiny 
izy. Nahagaga sy nahatalanjona tokoa izy, 
fa kasaina indrindra mba hampihevitra sy 
hamoha ny sain' ny olona nahita azy. 

(2) Dia tsy "fahagagana** fotsiny ny asa 
tsi-toha nataon 1 i Kristy sy ny irany, fa 
"famantarana" (semeion) koa izy, dia 
famantarana fa akaiky Andriamanitra sady 
miasa. Dia toa kaso sy vavolombelon , ny 
hery nomena izay nanao azy izy (Mar. xvi. 
20; Asa. xiv. 3), ary nanambara fa avy 
tamin' Andriamanitra izay nanao azy. 
"Inona no famantarana asehonao aminay ?" 
hoy ny f anontanian' ny Jiosy tamin* i Jesosy 
(Jao. ii. 18 ; zahao koa Mat. xii. 38 ; xvi. 
1 ; 2 Kor. xii. 12). Ary ao amin* ny Test. 
Tal. koa, nony nirahin* Andriamanitra 
Mosesy hamonjy ny Isiraely, dia nomeny 
"famantarana" roa, dia hery hanao zava- 
mahagaga roa eo anatrehan' i Farao, mba 
ho hi tan' ny mpanjaka fa irak' iJehova 
tokoa Mosesy (Eks. vii. 9, 19 ; vakio koa 

1 Mpan. xiii. 30). Tokony hotsarovana 
anefa fa nisy 'famantarana* maro lazain' ny 
Baiboly izay tsy fahagagana tsy akory ; 
zahao Lio. h. 12; 1 Sam. x. 1-9; etc. 

(3) Matetika koa ny fahagagana dia atao 
hoe "hery" (pi.) na "asa mahery," (dunamis)— 
dia izay nataon' Andriamanitra, — satria avy 
tammy hiany ny hery hahavita ny asa. Fa 
Kristy tokoa no "Hery lehibe an* Andria- 
manitra," dia ilay anarana nentin' iSimona 
Magosy tamin* ny fireharehany (Asa. viii. 
10). Intelo ao amin* ny Test. Vao. dia 
akambana ny teny telo, dia 'fahagagana* sy 
'famantarana* ary 'asa lehibe' (Asa. ii. 22 ; 

2 Kor. xii. 12 ; 2 Tes. ii. 9), fa samy haf a 
ny filaharany avy. Ary tokony hotsarovana 
koa, fa tsy mba teny milaza asa samy hafa 
tsy akory ireo teny telo ireo, fa samy milaza 
hevitra azo hoheverina ny amin* ny asa 
lohibe iray hiany. Dia toy izao : ny naha- 
sitranan* i Jesosy ilay lehilahy mararin* ny 
paralysisa tao Kapecnaoma (Mar. ii. 1-12) 
dia fahagagana, fa "talanjona" izay rehetra 
nahita azy ; ary asa lehibe izy, fa nony niteny 
ny Tompo, ny lehilahy efa narary ela dia 
"nitsangana ka nambeta ny fandnany nia- 
raka tamin* izay ;** ary famantarana koa izy, 
fa nanambara fa nisy Anankiray lehibe 
noho ny olombelona too afovoany; ary 
nanambara koa fa "ny Zanak' olona nanana 
fahefana at£ ambonin* ny tany bamela 
heloka." 



FAH 



(4) Ao amin' ny Filazantsara nosoratan* 
i Jaona dia raisy teny hafa koa izay entiny 
matetika hilaza izay zava-mahagaga nataon* 
i Kristy, dia "asa** (G-r. erga) ; zahao v. 36 ; 
vii. 21 ; x. 25, 32, 38 ; etc. Toa te-hilaza 
izy fa tsy maintsy ho mahagaga izay zavatra 
nataon' l Kristy, Izay nitoeran' ny fahe- 
fan* Andriamanitra. Ny fahagagana lehibe 
indrindra dia ny nisehoany too amin* ny 
nofo, koa ny asa rehetra nataony dia maha- 
gaga. 

Fa inona no maha-namy hafa ny fahagagana 
lazain* ny Baiboly, ary ny zavatra mahagaga 
hafa izay hita amin 1 izao tontolo izao? Fa 
betsaka ny zavatra izay mahatalanjona ny 
olona manan-tsaina, raha mihevitra ny asa 
nataon* Andriamanitra izy. Izao angamba 
no azo lazaina : Ny zavatra rehetra ao 
amin' izao rehetra izao izay hitan* ny 
masontsika dia manaraka ny lalana efa 
nomen* Andriamanitra azy tamin* ny nanao - 
vana azy voalohany. Ny zava-maniry sy 
ny zava-manan-aina rehetra samy manana 
ny fombany avy. Ny alehan* ny masoandro 
sy ny volana aman-Mntana ary ity tany 
itoerantsika olombelona ity dia manaraka ny 
lalana sy ny fotoana, ka dia fantatra marina 
izay fiovaovany. Ny rivotra, ny fisondro- 
tan* ny ranomasina sy ny fihenany indray, 
ny no van* ny taona, dia samy manana ny 
azy avy koa, ka tsy mandika izany lalana 
izany izy. Koa ny voam-bary tsy maintsy 
afafy ao amin* ny tany, ary maharitra ela 
ao vao mitombe be izy; ny marary tsy 
maintsy hotsaboina sy homena fanaf ody vao 
hanaritra izy ; ny maty tsy azo velomina ho 
velona indray; ary ny rivotra mahery tsy 
mba hanaiky ny tenin* olona, na ny ranoma- 
sina mirohondrohona ka ho tonga tony tsara, 
raha anarina. Kanefa kosa, hain' Andria- 
manitra ny zavatra rehetra, koa izay avy 
aminy dia efa nomeny teny hahavita zavatra 
maro tahaka izany. Ka dia hitantsika fa 
ny mofo kely no nampitomboina hahavoky 
olona maro ; ary betsaka ny marary nositra- 
nina tamin* ny tenin* i Kristy; ny maty 
sasany nitsangana indray rehefa nantsoiny ; 
ary ny rivotra mahery sy ny ranomasina nisa- 
foaka nanaiky ny teniny ka dia tonga tony 
tsara niaraka tamin' izay. Toy izany koa 
no nataon' ny mpianatr* i Kristy, rehefa lasa 
Izy, ary toy izany koa no nataon* ny mpano- 
mpon* Andriamanitra sasany izay lazaina 
ao amin* ny Test. Tal. Koa ny fahagagana 
dia asa natao, izay tsy nanaraka ny lalana 
toa efa napetrak* Andriamanitra tamin* ny 
zavatra rehetra ao amin* izao rehetra izao. 
Angamba tsy mety raha hoy isika, manohitra 
ny lalana izy, fa manaraka lalana ambonim- 
bony kokoa. 

Aj*y raha ny anion* ny nanaovana faha- 
gagana no tadiavina, dia lazaina marimarina 
izany ao amin* ny Soratra Masina. Natao 
izy ireo mba ho vavolombelona tsy azo 
lavina fa izay nanao azy dia nanana fahe- 



Digitized by 



Google 



FAH 1TI 

fssa avy tamin' Andriamanitra. ' 'Inona no 
faaantarana asehonao aminayP" hoy ny 
Jiosy tamin' i Jesosy Tompo (Jao. ii. 18) ; 
try hoy koa Jesosy: "Ny asa nomen' ny 
L^r Aiy hovitaiko, dia izany asa ataoko 
any no manambara Ahy fa nirahin' ny 
Ray** (v. 30) ; ary indray : "Minoa ny asa, 
mfca ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray 
L-y ato amiko" (x. 38). Ary azo lazaina koa 
fa ny fahagagana rehetra nataon' i Kristy 
cia aaa faroindjram-po, "fa ny Zanak' olOna 
tsy tonga hahavery ny ain' olona, fa ha- 
aoojy azy ;" fa ny fahagagana sasany 
n&taon' ny mpianany dia fampijaliana ; ary 
Uhaka izany koa ny fahagagana maro 
iizaina ao amin' ny Test. Tal. : dia ny loza 
fob tany Egypta, ny nandravana an' i So- 
Actm* sy Gomora, ary ny nandringanana ny 
miaramilan' i Sankeriba, etc. Ary tamin' 
ay fahagagana nataon' i Kristy nisy fampia- 
^u&na koa, dia angamba tsy diso hevitra 
izay manao hoe fa izy rehetra dia kasaina 
onambara zavatra lehibe ny amin' ny fanja- 
kan* i Kriaty. (Zahao ny teny ambany.) 

Ary raha misy manontany hoe : Moa nisy 
fikcgagana vita noho ny Aery nomen 1 ny Devoly 
«y mpanompony ? dia aarotra ny mamaly 
izany. Kanefa raha voadinika tsara ny 
teny maro ao amin' ny Baiboly, toa tsy azo 
lavina fa nisy zavatra mahagaga nataon' ny 
fahavalon' ny marina indraindray. Tahaka 
izany angamba ny zavatra nataon' ny 
nxpanao-ody mahery tany Egypta, raha 
nsnohitra an' i Mosesy izy (Eks. vii. 11, 12 ; 
22 ; viii. 7) ; ary Mosesy nananatra ny Jiosy 
aoba tsy hitandrina ny fahagagana izay 
hataon' ny mpaminany izay hitarika azy 
hiala amin' iJehova, fa fizahan-toetra azy 
izany, raha hanaiky an' Andriamanitra izy, 
aateia (Deo. xiii. 1-6). Ary hisy tokoa ny 
fahagagana vitan' ny herin' ny Devoly 
rehefa omby amin' ny fahataperan' izao 
tontolo izao ; zahao Mat. xxiv. 24 ; 2 Tes. 
d. 9 ; Apok. xiii. 13 ; ary izay mety hofita- 
hina amin' izany dia ho voafitaka (Jao. v. 
J3). Fa tokony hoheverina izay anton' ny 
Labagagana toy izany : dia mba nanao zava- 
tra ratsy, ary raha tsy ratsy aza, dia zavatra 
foaaa sady tsy misy hevitra loatra ao aminy. 
Fa ay fahagagana vitan' i Kristy kosa dia 
samy nahatanteraka koly ny raharaha lehibe 
nahatongavany tamin' izao tontolo izao, dia 
toa santatry ny as an' ny famonjena. Ka 
dia tsy mba fiaehoan' ny heriny hiany izy, 
fany fitiavany tsy voafetra koa. Ary dia 
tsy ainpy aza ny fahagagana nataony ho 
vavolombelona fa Jesosy no Zanak' Andria- 
nianitra, raha tsy nitovy fomba taminy koa 
izy. Ny soa vitan' ny fahagagana nana- 
mbara Azy ho Mesia nanan-kery. 

»Vy fahagagana lazaina ao amin'' ny Test. 
Til. raJia ampitahaina amin' izay voalazan' ny 
Tal. Vao. tokony hoheverina kely. Ary ny 
matra voalohany izay maha-samy hafa azy 
dia izao: izay asa mahery vitan' ny olona 



FAH 

tsara fanahy tamin' ny taloha dia toa vita 
am-pahasarotana. Koa amin' izany, Mosesy 
nifona sy nitady fatratra tamin' Andriama- 
nitra mba ho sitrana Miriama anabaviny 
(Nom. xiii. 13-15) ; fa Kristy kosa nanendry 
fotsiny, dia nadio ny boka (Mat. viii. 3). 
Elia nivavaka ela vao niseho ny ranonorana 
(1 Mpan. xviii. 42-44) ; ary niampatra intelo 
teo amin' ny zaza maty izy, sady nitaraina 
tamin' i Jehova, vao nody indray ny f anahin' 
ny zaza (xvii. 21, 22). Ary mba toy izany 
koa izay nataon' i Elisa (2 Mpan. iv. 31-35). 
Ary koa, ny fahagagana vitan' i Kristy dia 
lehibebe kokoa sy malalaka kokoa ary be 
voninahitra noho izay nataon' ny nialoha 
Azy, na dia toa nitovitovy fomba hiany aza 
ny sasany. Elisa namahana ny olona zato 
tamin' ny ampempa roa-polo (2 Mpan. iv. 
42-44), fa Kristy kosa namahana ny olona 
dimy arivo tamin' ny ampempa dimy. Ary 
ny olona tsara fanahy xoa samy nitondra 
zavatra izay nisehoan' ny heriny hanao faha- 
gagana: fa Mosesy nitondra ny tsoraka- 
zony, sy Elia, ny lambany ; ary Elisa 
nanisy fanasina mba hankamamy ny rano 
mangidy; fa Kristy kosa niteny na na- 
nendry, ary dia vita izay nokasainy hatao, 
fa ny herin' ny teniny hiany no nahatante- 
raka izany. Ary ny fahagagana nataon' ny 
ny Apostoly sy ny mpianany koa dia natao 
mandrakariva amin' ny anaran' ny Tompony, 
sady nanda mafy izy fa ny tenany no niha- 
vian' ny hery (Asa. iii. 6, 12, 16; ix. 34; 
etc.). Ary koa, ny fahagagana maro 
lazaina ao amin' ny Test. Tal. dia nihatra 
tamin' izao zava-mihetsikctsika izao : dia ny 
Ranomasina Mena, sy ny ony Jordana, 
sy ny tany nisokatra, sy ny afo avy tany 
an-danitra, ary ny bibi-dia nody malemy 
fanahy. Fahagagana nampiseho fiery indri- 
ndra ny ankabiazan' ireo, fa ny fahagagana 
ao amin' ny Test. Vao. kosa nampiseho 
fitiavana sy fahasoavana. — j.s. 

Ny Fahagagana nataon' i Jesosy Kristy roa- 
lahatra manaraka izay foto-keviny. {Teny 
nadtka.) 

I. — Fahagagana tamin' izao zava-mihk- 

TSIXETSIKA IZAO. 

1. — Fahagagana maneho hery hamoron- 
javatra. 

(a) Ny rano nampodina ho divay ; Jao. ii. 
1-12. Ny toe- javatra no van' i Kristy. Kristy 
Loharanon' ny Fifaliana. 

(b) Ny mofo nampitomboina ; Mat. xiv. 
15-21; etc. etc. Ny tenan-javatra nampi- 
tomboin' i Kristy. Kristy Fototry ny Five- 
lomana. 

{(1) Ny rano nitsangantsanganany ; Mat. xiv. 
22-26; etc. etc. Ny herin -javatra nofehc- 
ziti i Kristy. Kristy Tompon' ny Hery. 

2. — Fahagagana maneho fitondrana. 

(1) Fahagagana nenti-nitahy. 

(a) Ny mpianatra nampahazoina hazandrano 
be voalohany ; Lio. v. 1-11. Ny Fanorenan* 
ny Fiangonany ety an-tany. 



Digitized by 



Google 



FAH 



178 



FAH 



(b) Ny tafio-drivotra naUdhatra ; Mat. viii. 
23-27 ; etc. etc. Ny Fiangonana arovana 
amin' ny loza avy eo ivelany. 

(d) Ny vola tao am-bavan' ny hatandrano ; 
Mat. xvii. 24-27. Ny Fiangonana velomin , 
ny ao aminy. 

(e) Ny mpianalra nampahazoina hazandrano 
be fanindroany ; Jao. xxi. 1-23. Ny Fiango- 
nana amin* ny andro ho avy. 

(2) Fahagagana nenti-nitsara. 

Ilay voara nozonina ; Mat. xxi. 19 ; etc. 

II. — Fahagagana tamin* ny olona. 

a. — Fahagagana valin J r.y finoan 1 ny nosi- 
tranina. 

1. — Tamin* izay oiona nisy aimba ny 
fomban-tenany (ny Jamba). 

(1) Finoana tamin' ny zavatra tray loha. 

(a) Ny jamba roa My tao an-irano ; Mat. 
ix. 29-31. 

(2) Finoana tanteraka ay tamin' ny zavatra 
rehetra. 

(b) Bartimeo nampihiratina ; Mat. xx. 29- 
34; etc. 

2. — Tamin* izay nanam-pahalotoana lalan- 
dava. 

(1) Fahalotoana niharihary. Ny amin' 
ny Boka. 

(i.) Finoana tamin* ny zavatra iray loha. 

(a) Ralehilahy boka ; Mat. viii. 1-4; etc. 
(ii.) Finoana tamin* ny zavatra iray, sy 

finoana tanteraka sady tamin* ny zavatra 
rehetra koa. 

(b) Ny boka f oh lahy ; Lio. xvii. 11-19. 

(2) Fahalotoana niafina. 

Ravehivavy narary nandeha ra ; Mat. ix. 
20-22; etc. 

b. — Fahagagana valin 1 ny Jifonana nataon 1 
ny sasany. 

1.— Tamin* izay olona nisy simba ny 
fomban-tenany. (Fifonana nataon* olona.) 

(a) Ny jamba; Mar. viii. 22-26. 

(b) Ilay narenina sady moana ; Mar. vii. 
31-37. 

2. — Tamin* izay nan an a areti-mahafaty. 
(Fifonana nataon* ny havana na sakaiza.) 

(1) Ny nararin* ny tazo. 

\d) Ny zanak' ilay andriandahy nositranina ; 
Jao. iv: 46-54. 

(2) Ny mararin' ny paralysisa. 

(e) Ny mpanompon 1 ilay kapiteny nositra- 
nina ; Mat. viii. 6-13. 

(/) Ralehilahy izay nolanjain* efa-dahy 
nositranina ; Mat. ix. 1-8. 

d. — Fahagagana vokatry ny Ji Havana. 

I.— Tamin* izay olona nisy simba ny 
fomban-tenany. 

(a) Ralehilahy jamba hatr* izay niter ah ana 
azy nampahiratina ; Jao. ix. 

2. — Tamin' izay nanana aretina. 

(b) Ny tazoina nampangatsiatsiahina ; Mat. 
viii. 14 ; etc. 

(d) Ny manirano nositranina ; Lio. xiv. 
1-6. 

(e) Ny tanana maty nampahatanjahina ; 
Mat. xii. 9-13 ; etc. 



(/) Ralehilahy narary ela natao afa-mandt- 
ha; Jao. v. 1-17. 

(g) Ravehivavy nanjoko nositranina; Lio. 
xiii. 10-17. 

3. — Tamin' ny efa maty. 

(1) Tao an-trano nahafatesana. 

Ny zanakavavin* i Jairo nat sang ana ; Mat. 
ix. 18; etc. 

(2) Tao amin* ny trano-vorona. 

Ny zanakalahin' ilay vehivavy mpitondra- 
tena natsangana ; Lio. vii. 11-18. 

(3) Tao anaty faaana. 

Lazarosy sakaiza tian 1 i Jetosy natsangana ; 
Jao. xi. 
III.— Fahagagana tamin* ny fanahy 

RATSY (DEMONIA, ETC.). 

A. — Fahagagana valin* ny fifonana. 
1.— Fifonana nataon* olona. 

(a) Lehilahy moana azon > ny demonia ; Mat. 
ix. 32-34. 

(b) Lehilahy jamba sady moana; Mat. xii. 
22; etc. 

2. — Fifonana nataon* ny havana. 

(a) Ny zanakavavin-dravehivavy Kananita 
nositranina; Mat. xv. 21-28. 

(b) Ilay zazalahy nampahorin' ny dement* 
nositranina; Mat. xvii. 14. 

B.— Fahagagana nenti-nanohitra ny demonia. 

1. — Tao amin' ny synagoga. 

Ny fanahy maloto navoaka ; Mar. i. 21- 
28; etc. 

2. — Tao amin* ny faaana. 

Ny demonia maro navoaka; Mat. viii. 28- 
34; etc. 

Ary tamin* izay fahagagana lehibe sy 
raalaza indrindra voalazan* ny Filazantsara — 
ny nitsanganan* iJesosy Kristy tamin* ny 
maty — dia hitantsika fa samy niseho avokoa 
ny fahagagana efa notononina teo. Ny he- 
rin' izao zava-mihetsiketsika rehetra izao no 
notapahin' i Kristy tamin* izanv, fa nisy 
horohorontany lehibe ; ny lalana izay miha- 
zona sy manapaka ny zavatra rehetra dia 
novan' i Kristy araka izay tiany, fa nony 
nihidy ny varavarana, dia niseho tampoka teo 
am-povoan* ny mpianany Izy, arv raha nihi- 
ratra ny mason' ny mpianany, dia nihelina 
tampoka kosa Izy ; ny fanjakan* nv fabafa- 
tesana resin' i Kristy, fa maro ny olo-maaina 
no nivoaka tao am -paean a, ka niakatra tao 
an -Tan an a Masina ; ny herin* i Kristy 
tamin* ny fanahy koa dia hita tamin' izany, 
fa avy ny anjely ka niambina ny fasana 
sady nanome toky ny olona izay nitady an' 
i Jesosy. Nadikan 1 i o.c. 

FAHAGOLA: dia anarana nomena an' 
i Jehova ao amin' ny Bokin* i Daniela (vii. 
9), ka milaza ny naharetany hatramin' ny 
voalohany tsy manana iandohana.— j.s. 

FAHAIZAN-DRAFITEA (Eng. archi- 
tecture). Ao amin' ny bokm' i Geneeisy 
(iv. 17, 20, 22) ny olombelona rehetra dia 
nozaraina ho roa toko lehibe, dia "mpitoe- 
tra an-day" sy mpitoetra am-bohitra. Ny 
taranak' i Sema no lazaina ho nanorina ireo 



Digitized by 



Google 



FAH 

twin* tao amin' ny tany lemaka tao Sinara, 
dia Babylona sy Nineve, etc. ; ny anankiray, 
Resena, dia natao hoe "lehibe. Genesisy 
milaza koa ny nanaovana ny trano voalohany 
izay tantaraina, dia ny trano avo tao Babela, 
sy ny biriky sy asfalta izay nanovana azy 
fri. 3-9) ; zahao babela. Tany Egypta ny 
Zansk' Isiraely niaeho voalohany ho mpanao 
tanana, fa noterena hanao boriky sy tan una 
fitehirizan-drakitra ho an' ny mpanjakan' 
i Egypta izy (Eks. i. 11-14) ; ary Pi to ma ay 
Ramsesy no tan una nataony. Fa ny raha- 
rahan' ny Zanak' Isiraely tamin' ny voalo- 
hany dia ny niandry omby aman-ondry, dia 
nitoetra tao an -day izy, fa toy tao an-tanana 
(Gen. xlvii. 5) ; ka dia toy nahay ny fanao- 
Tana trano tsara tarehy izy, ary toy nisy 
fomba (style of architecture) nety ho azy izay 
nanokana azy tamin' ny firenena hafa, 
tahaka izay nisy teo amin' ny Egyptian a, 
ny Asyriana, ny Grika, ay ny Romana, etc. 
Hebrona, izay tanana naorina talohan' ny 
tanana aasany any Egypta aza, dia nataon' 
iArba, izay avy tamin' ny taranaky ny 
Anakita (Nom. xiii. 22). Fa rehefa nzon' 
ny Lriraelita ny Tany Maaina, dia tonga 
mponina tao an-tanana sy tamin' ny trano 
vato izy (Lev. xiv. 34, 35 ; 1 Mpan. vii. 10), 
fa ny ankabiazan' ireo dia toy trano nataony 
tsy akory, fa efa nalainy tamin' ny Kana- 
nita koaa (Deo. vi. 10 ; Nom. xiii. 19). 

Tannin' ny nan jakan' i Solomona dia nandry 
taara ny tany, ka nitombo ny haren' ny 
mpanjako, ary izany nampandroso taara ny 
fanaizan' ny olona tamin' ny fanao van -trano ; 
fa, fanampin' ny Tempoly sy ny tranon' 
andriana sy ny trano hafa tany Jerosalema 
nataon' i Solomona, nisy trano-fiarovana sy 
tanuna hafa nataony tao amin' ny fanja- 
kany, dia tahaka an* i Balata (Balbeka) sy 
Tad mora (Palmyra) ; zahao 1 Mpan. vi. 37 — 
vii. 12; ix. 15-18. Nefa tokony hotsaro- 
vana koa fa vahiny avy tany Tyro no 
nikapa hazo sy nitandrina ny raharaha ; ary 
angamba nampianatra ny Isiraelita izy ireo 
(v. 6, 9, 18; vii. 14-45). 

Nisy ropanjaka sasany koa nandimby an' 
i Solomona izay nalaza noho ny trano na- 
taony; dia Asa (xv. 23) sy Basa (xv. 17) 
sy Omry (xvi. 24) sy Ahaba (xvi. 32 ; xxii. 
39) sy Hezekia (2 Mpan. xx. 20) sy Joasy 
sy Joaia (xii. 11, 12; xxii. 6) ary Joiakima 
(Jer. xxii. 14 ; xxxvi. 22). Rehefa tafave- 
rina tamin' ny Fahababoana ny Jiosy, ny 
zavatra voalohany indrindra izay nataon' ny 
loholony dia ny nanorina indray ny Tempoly 
sy ny inandan' i Jerosalema (Ezr. iii. 8 ; 
v. 8). Fa toy misy ahafantarantsika izay 
fanaon' ny trano sy ny Tempoly nataon' 
i Solomona, na izay nataon' i Zerobabela, 
nefa angamba tamin' ny voalohany nisy izay 
nitovitovy tamin' ny fanaon' ny Egyp- 
tiana ; ary tamin' ny faharoa izay nitovitovy 
tamin' nv fanaon' ny Asyriana sy Babylo- 
niana. Fantatoika anefa fa ny fanorenan' 



W FAH 

nv Tempoly sy ny trano hafa any Palestina 
dia natao tamin' ny vato vaventy dia vaventy, 
araka izay fanao tamin' ny tempoly any 
Egypta sy Asyria. 

Ny andron' i Heroda Lob i be sy ny nandi- 
mby azy dia nalaza noho ny trano lehibe 
sy tsara rafitra betsaka izay nataony. Ny 
Tempoly sy ny tranon' andriana ary ny 
trano-fiarovana tany Jerosalema dia natao 
lehibe sady taara lavitra noho ny taloha 
(Mar. xiii. 1, 2) ; nisy tanana natao tao 
amoron-dranomaaina (Kaisaria) sy fitodian- 
tsambo malalaka ; Samaria dia natao lehibe 
kokoa, ary maro ny trano nataon* i Heroda 
mianakavy tao amin* ny tanana hafa tany 
Palestina. Nefa angamba tahaka ny fanaon' 
ny Grika sy ny Romana Many izany rehetra 
izany, fa araka izay voalaza teo am bony, tsy 
nisy fanao mitokana ho an' ny Jiosy hiany. 
Fa izy tsy dia tahaka ny firenena sasany, izay 
nanao tempoly betsaka tamin' ny sampiny, 
na tahaka ny firenena Kristiana na Moha- 
medana teo aoriana, izay nanao trano - 
fivavahana tao amin' ny tan an any rehetra, 
fa iray hiany ny Tempolin' ny Jiosy ; ary 
ny synagoga tsy mba nataony raha toy 
tamin' ny andro aoriana, rehefa niharoharo 
tamin* ny firenena hafa izy ka nianatra ny 
fanaony. Ka dia tsy nalaza noho ny fahai- 
zany tamin' ny architecture ny Jiosy, na dia 
isan' ny zavatra nigagan' izao tontolo izao 
aza ny Tempoly nataon' i Heroda. Ny 
amin' ny fanaovana tranon' olona teo amin' 
ny Jiosy, zahao trano. — j.s. 

FAHAYABATBA : zahao palestina. 

FAHAVETAVETANA. Io teny io matetika 
dia enti- milaza zavatra ankahalaina sy lavina 
mafy (Lev. xviii. 22 ; Deo. vii. 25) ; ary 
milaza fanao raaloto koa izy (Eks. xxii. 11 ; 
xxx iii. 26; Mai. ii. 11; etc.), sy izay 
fadina araka ny fombam-pivavahana (Gen. 
xliii. 32 ; xlvi. 34 ; Deo. xiv. 3), fa indrindra 
milaza satnpy izy (Lev. xviii. 22 ; etc.), ary 
koa, ny hanina naterina amin* ny sampy 
(Zek. ix. 7), ary ny loto na inona na inona 
(Nah. iii. 6). Misy teny roa na telo anefa 
izay toy hita velively ny heviny, dia Gen. 
xliii. 32 sy xlvi. 34, ary Eks. viii. 25, 26 ; 
dia hoheverina tsirairay ireo. 

Ny voalohany manao hoe : "Ny Egyptiana 
toy mahazo miara-komana amin ny Hebreo, 
fa fahavetavetana amin' ny Egyptiana izany." 
Ny tenin' ny mpitantara no ahafantarantsika 
fa, raha toy ny hevitry ny Egyptiana, dia 
voaloto izy, raha niara-nihinana tamin' ny 
vahiny na iza na iza izy. Fa ny ombivavy 
no nataon' ny Egyptiana ho biby masina 
indrindra, fa ny Jiosy sy ny firenena hafa 
koa sady nanatitra azy ho f anaiamboady sy 
nihinana azy ; ka dia fahavetavetana tamin' 
nv Egyptiana izany. Teo aoriana koa ny 
Jiosy tonga saro-pady tahaka izany hiany, 
ka toy nety niara-nihinana tamin* ny fire- 
nena hafa izy, na niditra tao an-tranony aza 
(Jao. xviii. 28 ; Asa, x. 28 ; xi. 3). 



Digitized by 



Google 



FAH 

Ny teny faharoa dia ao amin' ny nolazaiu' 
iJosefa tamin' ny rahalahiny hoe: "Mba 
hahazoanareo monina ao amin' ny tany 
Gosena; fa fahavetarctana arain' ny Egyp- 
tiana ny mpiandry ondry rehetra." Ary 



"8 FAK 

ny Egyptiaua sy ny firenena monina ao 
an -tanana, ary ny Arabo mifindrafindra 
(Bedawin), izay mangaiatra ay mandrobo 
azy. 

Ny teny fahatelo dia milaza ny fanao 



ny anton' ny tsy nitiavan' ny Egyptiana ny any Egypta koa (Eks. viii. 25, 26) ; ary 

mpiandry ondry mifindrafindra tahaka an' araka izay voalaza too ambony, ny ombi- 
i Jakoba sy ny zanany dia satria ofa resin' j vavy, izay natcrin' ny Zanak' Isiraely 

ny firenena initovy fomba tamin' ireo izy, ho fanalamboady, dia noheverin' ny Egyp- 

izay narapahory azy ka uanevateva ny tiana reluHra ho biby masina indrin- 

fivavahany. Zahao eoypta, p. 146, 147. dra ; ka nampahatezitra azy tokoa ny 

Ary tsy izany hiany, fa hatramin' ny ela mamono sy mihinana ny ombivavy. — 

ka mandraka ankohitriuy aza, raifankahala J. 8. 



FAHIBANC 

Ny nanaovan 
fahirano haha 
zoana tanana 
ary ny fiadian 
fanao hamele 
zana ny mand 
sy handef asan 
vato sy zana 
tsipika vave 
nty, dia lazai 
na matetik 
amin' ny Tesl 
Tal. Fiadian 
telo karazan 
no lazaina, di 
ny balista, s; 
ny katapolta 

ary ny osilahi-famclezana na lohondry vy 
famelezana. Ny baits ta natao mba handef a 
vato lehibe ; fa nisy vy miaina vaventy 
voavoatra tsara, ary an gam b a zavatra 
hobokaty hampandefa marina ny vato. 
Ny katapolta kosa 
dia tahaka ny tsi- 
pika vaventy han- 
def asan a lefona 
lehibe. Lehibe sy 
mahery. ny fiadia- 
na tahaka izany 
izay nataon' ny 
Roman a tamin' 
ny nandravany 
an' i Jerosalema. 
Fa ny 'osilahi - 
famelezana* n a 
"lohondry vy fa- 
melezana" dia 
andry vavonty 
nisy lohany v y 
na varahina, na- 
tao endriky ny 
lohan' ny osi - 
lahy. Nahantona 
tamin' ny hazo 
natsangana ambony kalesy izy, ka natao an- 
tsavily hamcly ny mundan* ny tanana 
niadiana mba handravana ny vato. Ny 
sasany dia lehibe indrindra, ka raha t«y 
olona roan-jato, dia tsy zakany ny uiam- 




pisavilivily azy. Izany 'oailahi- famele- 
zana' izany, dia fanao tamin' ny nanao- 
vana ny fahirano rohetra hatramin' ny 
taona B.C. 300 ka hatromin' ny ela taorian' 
ny nahitana ny vanja; fa rehefa tonga 
mahay manao ta- 
fondro lehibe ny 
olona, dia tsy na- 
tao intsony izy, 
na ny bali&ta, 
na ny katapolta, 
fa vitan' ny vanja 
sy ny tafondro 
tsara lavitra noho 
izy ireo ny ma* 
ndrava tanana. 
Ny teny milaza 
azy dia 2 Sum. xx. 
16; 2Tant xxvi. 
15; Ezok. iv. 2; 
xxi. 22 ; xxvi. 8, 
9 ; Jer. vi. 6 ; 
xxxii. 24. — J.s. 



Katapolta, na Fandtfasana lefona lehibe. 



FAKAM-BADIN' OLONA. Fahotana lehibe 
izay raran' ny Didy Fahafito izany, koa 
novalian-doza izay nandika azy. Araka ny 
lalan' ny Jiosy, ny lohilahy izay naka vadin' 
olona, na izay era voafofon' ny sasany ho 



Digitized by 



Google 



FAK 179 

rady, no noheverina ho meloka ; fa ny vehi- 
ravy izay efa voampakatra na fofom-badin' 
otana fotainy, kanefa nety halain' ny lehi- 
hhy hafa tey vadiny, dia noheverina ho 
meloka, kokoa ; ary funao amin' ny firenena 
asany izay zatra ny famporafesana koa 
izany. Ny tainin' ny lehilahy no natao 
fahalotoana, fa ny an' ny vehivavy kosa 
ho fandikana ny ialam-panambadiana, ka 
ho fahotana lehibe kokoa noh*b ny an' ny 
lehilahy. Avy amin' ny fombam-pampora- 
feaana izany. Fa amm' ny Filazantsara 
koaa izay rehetra mandika ny lalam-panam- 
badiana, na lahy na vavy, ka tonga mijanga- 
jamra, dia gamy tratry ny heloka lehibe 
Toalaza teo ka dia iharan' ny fahatezeran' 
Andriamani tra . 

Hatraniin' ny ela ny fakam-badin' olona 
no nekena ho fahadiaoana lehibe, dia tany 
alohan' ny andron' iMoaesy aza (Gen. 
xxxviii. 24) ; ary izay hita nanao izany dia 
nifokoan' ny vahoaka ka novonoina ; ary ny 
lalana namboariny amin' izany (Lev. xx. 
10} dia fanao efa zatra ny olona rahateo. 
Fa tato aoriandriana dia novan' ny Jiosy io 
lalana io, ka nisaorana fotainy izay nandika 
izany, fa tsy novonoina; ary izany no 
nitondran' ny Fariseo ey ny mpanora-dalana 
tao amin* i Kriaty ilay vehivavy anankiray 
izay azo olan-tanana nijangajanga, mba 
hahaaanganehana Azy, hahitany raha ny 
Lalan' i Mosesy no harahin' i Kristy mihitay, 
na ny fomba ilay niaeho tato aoriana (Jao. 
viii. 1-1 1). Amm* ny Mat. v. 32, dia toa 
neken' i Kriaty ho mety hiany ny fisaorana, 
raha mijangajanga ny vehivavy. 

Ny lalana izay manameloka ny mpandika 
ny lalam-panambadiana hovonoina tsy dia 
milaza ny famonoana azy ho faty tsy akory ; 
kanefa maro no teny ahafantarantsika fa 
notoraham-bato izy (Ezek. xvi. 38, 40 ; Jao. 
viii. 5). Raha andevo ny vehivavy, dia 
nokapohina izy niaraka tamin' ilay naka 
azy, nefa tay nihoatra noho ny efa-polo ny 
kapoka natao taminy ; ary koa, ny lehilahy 
no naaaina hitondra ondrilahy ho fanatitra 
noho ny fahadisoany hanaovan' ny mpiso- 
rona avotra ho azy (Lev. xix. 20 — 22). 
Tao amin' ny firenena aasany dia notapahina 
ka nesorina ny oron' ny mpaka vadin' olona 
sy ny vehivavy nalainy koa (Ezek. xxiii. 
25). 

Ny teny amin* ny Nom. v. 11-31 milaza 
ny fitaarana amin' ny rano mangidy nasiana 
ozona raha nisy vehivavy ahina ho nandry 
tamin' ny lehilahy t8y vadiny. Saiky aaha- 
lahala amin' ny fampiaotroana tan gen a taty 
fahiny izany, kanefa $oizina ny tangena ka 
nampandoa ary indraindray nahafaty ; fa 
ny rano mangidy nampisotroin' ny Jiosy, 
dia tay nampaninona azy akory ; fa fampia- 
nianana hiany izany, hahitana na meloka 
tokoa ny vehivavy nampangaina, na tsia. 
Natahoran' ny vehivavy izany, ary raha 
meloka izy dia naleony hitaotra mihitay, 



FAM 

toy izay hampianianina amin' ny rano 
mangidy naaiana ozona ; arv noho izany 
dia tay natao matetika loatra izany fombatn- 
pitaarana izany. Ny fanaovan-tsampy ey 
ny fihemorana amin' ny fivavahana amin* 
Andriamanitra noharina amin* ny fahotan* ny 
lalam-panambadiana (Jer. iii. 8, 9 ; Ezek. 
xvi. 16-68 ; xxiii. 37 ; Apok. ii. 22). Ary 
ny fiangonana na tanana, ary indrindra ny 
Jiobv izay nihemotra, no nampitahaina 
tamin' ny mpijangajanga (Iaa. i 21 ; Jer. 
iii. 6, 8, 9; Ezek. xvi. 22; xxiii. 7). Ny 
teny hoe: "taranaka ratsy fanahy sy mi- 
jangajanga" (Mat. xii. 39 ; xvi. 4 ; Mar. 
viii. 38) dia milaza ny mandao an* Andria- 
manitra sy ny manota ny didiny.— c.j. 

FAMAXY: fito ny teny Hebreo izay nadika 
hoe "famaky" ao amin' ny Soratra Masina, 
dia izao : - (1) Teny avy tamin' ny foto-teny 
milaza ny mandidy na ny roanapaka. Vy 
no nanaovana ny lohan' io fiasana io (Iaa. 
x. 34), dia nofehezina kofehy tamin* ny 
zarany hazo, ka dia mora tsoahana izy (Deo. 
xix. 6 ; 2 Mpan. vi. 5). Fikapana hazo ay 
fanaovana eary hazo io famaky io (Deo. xx. 
19; 1 Mpan. vi. 7). (2) Tenv izay nadika 
matetika hoe "aabatra, nefa enti-milaza 
fiasana hafa koa, dia "fiharatra vato" (Jos. 
v. 2), sy hareza (Ezek. v. 1), sy fandraka 
fanaon' ny tambato (Eks. xx. 25), ary 
indray maka nadika hoe "fiadiana" (Ezek. 
xxvi. 9) izy, dia fiasana nenti-nandrava 
trano izany. (3) Ny teny fahatelo dia 
hita indray mandeha many, dia Sal. lxxiv. 
6, ka milaza famaky lehibe. (4, 6) Ny 
teny roa ao amin' ny 2 Sam. xii. 31 sy 
1 Tant. xx. 3 dia milaza ny zavatra natao 
fampijaliana ny Amonita tanv Haba. Ny 
tony faharoa dia milaza "tsofa ' koa. (6) Io 
teny io, ao amin' ny Isa. xliv. 12 sy Jer. 
x. 3, milaza fiasana fanaon' ny mpanefy vy 
sy ny mpandrafitra koa, ary angamba antsy 
fikapana hazo izy. (7) Ny teny fahafito dia 
famaky lehibe fikapana hazo vaventy (Mpit. 
ix. 48 ; 1 Sam. xiii. 20, 21 ; Sal. lxxiv. 6 ; 
Jer. xlvi. 22). Ny teny ao amin' ny Jer. Ii. 
20 nadika hoe *'langilangy" dia milaza 
fively yy mavesatra izay nentin' ny miara- 
mila hiadiana. — e.h.8. 

FAMANTAEANANDKO. Ny famantaran- 
andro lazaina indroa ao amin' ny Test. Tal. 
ho nataon' iAhaza mpanjaka (2 Mpan. xx. 
1 1 ; Iaa. xxxviii. 8) dia tsy mba tahaka izay 
ahafantarantaika izany teny izany ; na ny 
makadiry (Eng. clock), tahaka izay hita ao 
amin' ny trano vato Anati-Rova, sy any 
Faravohitra sy Ambatonakanga, na ny 
madinika (Eng. natch), izay azo entina ao 
amin' ny paosin' akanjo. Fa izay nataon' 
iAhaza angamba dia tsangambato nisy 
tsipika sy soratra nalahatra tao amin' ny 
lampivato nanodidina azy ; ary ny aloky ny 
tsangambato rehefa tafapaka tamin' ireo 
tsipika ireo dia nilaza ny ora rehetra hatra- 
min' ny fipoaahan' ny maaoandro ka hatra- 



Digitized by 



Google 



FAM WO 

miii* ny filentehany. Dial no teny Englisy 
milaza ny famantaranandro tahaka izany; ary 
milaza fotoana marina hi any izy, raha mbola 
misy hainandro, fa raha mandrahona kosa ny 
andro, ary amin' ny alina koa, dia tay misy 
ahafantarana ny fotoana, satria ny aloka no 
fototry ny dial indrindra. Ny olona tany 
Babylona, ho no, no nahita voalohany ny 
famantaranandro tahaka izany ; ary an gam b a 
avy tamin' ny mpanjakan' i Asyria izay 
nisakaiza tamin' i Ahaza (2 Mpan. xvi. 7-9) 
no nianarany hanao ny famantaranandro 
lazaina eo amin' ny 2 Mpanjaka sy Isaia. 
Tonga malaza io famantaranandron' i Ahaza 
io noho ny fahagagana naseho teo aminy, 
izay nomen' Andriamanitra tamin' i Hezckia 
mpanjaka ho f amantarana fa ho si trail a am in 1 
ny aretiny izy. Fa ny aloka hita teo amin' 
ny famantaranandro no nampirerenina ka 
mhemotra folo dia, fa tay nandroso araka ny 
fandchanan' ny masoandro raandrakariva ; 
vakio 2 Tant. xxxii. 31.— J.8. 

FAMARANA, zahao fandanjana sy vato- 
mizana. 

FAMEREN AN-TENY : zahao deoterono- 
mia. 

FAMETRAHAN-TANANA. Satria ny ta- 
nana no f anaovan' ny olona zavatra indrindra, 
dia efa nentina hanampy ny saina ay hana- 
zava ny hevitra koa noho ny famantarana 
maro vitany. Koa amin' izany, ny mametra- 
tanana amin' olona dia fanoroana sy fano- 
kanana azy, ary avy amin' izany dia tonga 
fanao sy famantaran' ny fanendrena olona 
hanao raharaha lchibe na handray vonina- 
hitra. Koa dia hatry ny taloha ela ny 
fametrahan-tanana dia isan' ny fomba 
fanao izay narahina, raha nisy olona voa- 
tendry hanao raharaha maaina. Ao amin' 
ny Nom. xxvii. 19 Jehova no voalaza ho 
niteny tamin' i Mosesy hoe : "Alao ho anao 
Josoa, zanak' iNona, lehilahy izay manam- 
panahy, ka ametraho ny tananao izy; ary 
aaaovy mijoro eo anatrehan' iEleazara 
ropiaorona ay ny fiangonana rehctra izy, 
ka mandidia azy eo imasony hianao:" koa 
hita amin' izany fa ny fametrahan-tanana 
tay nahatonga na nanome ny fanomezan' 
Andriamanitra; aatria nanana ny fanahy 
taara izy talohan' ny namotrahan' i Moaesy 
tanana taminy ; fa izany dia famantarana Ma- 
ny izay nanondro 8y nanokana azy eo imaaon' 
ny fiangonana, hanao ny raharaha nomen' 
Andriamanitra azy hatao. Mitovitovy amin' 
izany koa ny fametrahan-tanana tao amin' 
ny Fiangonana tamin' ny andron' ny Apos- 
toly, nefahafakely koaa (Aaa. viii. 16-17; 
1 Tim. iv. 14 ; 2 Tim. i. 6). Hevi-diao mihi- 
tay ilay noheverin' ny olona aaaany fa ny 
fametrahan-tanana no nanomezana ny hery 
avy any an-danitra, na inona na inona ny 
toe-panahy ; ary izany indrindra no uaha- 
diao an' iSimona Magosy, izay nitady 
hividy izany hery izany avy tamin' i Petera 
Apoatoly (Aaa. viii. 18). Fa ny Apostoly 



FAM 

toa nahazo nanome fanomezam-panahy izay 
tsy hain' ny Kristiana rehetra homena noho 
ny nametrahany ny tanany tamin' ny mino ; 
zahao Aaa. viii. 18; xix. 6; Rom. i. 11 ; 
Heb. vi. 2 ; 2 Tim. i. 6. Hatramin' ny 
andron' ny Apostoly, dia fanaon' ny Fiango- 
nana ny mametra-tanana amin' ny lohan' 
ny olona izay tendrena ho mpitandrina, 
ary fanao mbola tanana sy tandreman' ny 
ankabiazan' ify fiangonana eran' izao tontolo 
izao izany. Fa manao ahoana moa no hevitr' 
izany fametrahan-tanana izany? dia toy izao : 
(1) Manondro ny lehilahy hotendrena izy ; (2) 
Manokana azy koa ; (3) Mangataka faluiizam- 
panahy ho an' ny voatendry izy, toy ny 
manao amin' Andriamanitra hoe : ' 'Tsinjovy, 
Tompo o, ny mpanomponao ; efa voatokana 
ho mpanao ny raharahanao izy. Aidino ao 
am -pony ny Fanahinao Maaina." Ka dia 
fomba mety hotandreman' ny fiangonana atj r 
Madagaakara izany, raha misy mpitandrina 
na cvanjeliata na mi 8 ion ary voatendry hanao 
ny raharahany. — j.s. 

FAMIAZAM-BOALOBOKA : dia vate na 
lavaka famiazana ny voaloboka fanaovana 
divay. Mizara roa ny fomban' ny famia- 
zana, ny iray ambony ary ny iray ambany. 
Ny ao ambony fametrahana ny voaloboka 
vao notazana, izay nohitaakitsahin' olona 
(zahao Neh. xiii. 15 ; Iaa. lxiii. 2, 3) ; ary 
ny ranony nivoaka tao amin' ny loaka ao 
am-bodiny, ka nidina amin' ny vata ambany 
izay fandraisana azy (Joel. iii. 13). Tany 
Palestina ny famiazam-boaloboka maro nola- 
vahana tao amin' ny vatolampy (fa vato sokay 
ka mora fandrahana) ; refy sy mamakitratra 
tsy mivadimandry no halehibeny, ary hakiho 
iray ny halalin' ny vata na lavaka ambony, 
fa ny ambanv koaa kelikely kokoa. Zahao 
divay. Mbola maharitra mandraka ankehi- 
triny ny lavaka maro nanaovana divay tahaka 
izany ao amin' ny efitra ay ny havoan' 
i Joda any atsimo. Ary na dia efa lao aza ny 
tany ankehitriny.ka tay misy mponina, ireo 
famiazam-boaloboka ireo dia vavolombelona 
fa niay vohitra maro ay olona be tany aloha, 
raha mbola f on en an' ny Jioay ny Tany 
Masin a. Ny f amia zam • boaloboka dia ohatry 
ny fahoriana (Isa. lxiii. 2,3; Fit. Jer. i. 16) ; 
ary ao amin' ny Test. Vao. dia ohatry ny 
fahatezeran' Andriamanitra ay ny fahave- 
rezan' ny ratsy fanahy (Apok. xiv. 19, 20 ; 
xix. 15).- P.O. p. 

FAHOHAMANDfiY, na LAKOLOSY (Fr. 
la cloclu ; Eng. bell). Niay famohaniandry 
volamena madinika maromaro natao tamin' 
ny morotongotry ny akanjo manga izay iaan' 
ny fitafian' ny mpiaorbnabe teo amin' ny 
Jioay (Eks. xxviii. 33, 34). Araka ny tenin' 
ny Raby, 72 no isan' ny famohamandry, ary 
natao nifanelanelana tamin' ny rainbon- 
damba, izay hoatra ny ampongabendanitra 
ny tarehiny, izy. Ary ny anton' izany dia 
"mba ho re ny fanenony raha nankao amin' 
ny Fitoerana Maaina eo anatrehan' i Jehova" 



Digitized by 



Google 



FAM 

ny mpisoixmabe, "ary rah a nivoaka izy, mba 
tsrhofaty." Koa rehef a ren' ny olona ny 
fanenon* ny famohamandry, dia fantany fa 
mbola velona ny mpisoronabe, ka efa nanka- 
atrahan' iJehova raha nanao fanavotana 
ho an' ny vahoaka izy. Ary satria ny 
fitafiana ey ny fomban' ny fiscronana rehetra 
dia nisy hevitra ay tandindona, ary ny ampo- 
ngabendanitra dia tandindon' ny fahafcnony> 
ary ny famohamandry koa dia tandindon' 
ny fanambarana, ny nun ao van a azy roa 
tamin' ny morotongotry ny akanjo dia 
nampiseho fa ny mpisoronabe dia mpitahiry 
ny fabafenon' ny ten in' Andriaraanitra, ary 
mpanambara izany tamin' ny olona. 

Ny teny ao amin' ny Zek. xiv. 20 nadika 
hoe "famohamandry' 1 dia milaza haingo 
varahina madinidinika izay nahantona tamin' 
ny laniboridin' ny soavaly, ka naneno raha 
nandeba izy. Ary ny hevitry ny teny dia 
izao, fa ny zavatra efa natao hreharehuLa 
sy fahafalian' ny tena tany aloha dia ho 
entina hankalaza an' Andriamanitra amin' 
ny andro ho avy. — j.s. 

JAM0T8IAN-DAHBA. Ny fomba famo- 
tsian-damba tamin' ny firenena sasany tany 
Asia dia toy izao: Nasian' ny mpamotsy 
Lamba ranon-javatra toy ny savony, izay 
nahadio ay nahafotsy ny lamba, tao amin' 
ny barika lehibe; ary dia nataony tao ny 
lamba, ka nohitsahiny na noveleziny 8 in bar a - 
pahafot&iny. Kancfa ny fanaon' ny mpamo- 
tsy lamba tany Falestina dia tokony ho 
tahaka izay fanaon' ny any India ankeki- 
triny hiany, dia toy izao : "Belief a voa- 
fantin' ny mpamotsy lamba izay lamba 
hofotaiany, dia ataony ao anaty barika misy 
ranon' alkali sy tain' osy ary savony izy, 
ka nony efa mil on a elaela ao ny lamba, dia 
ataony ao anaty vilany varahina lehibe, ka 
tanehiny miadana aia miadana. Nony 
ampitso dia ampitondrainy ampondra na 
omby ireo lamba ireo, ka en tiny any amin' 
ny ren i- ran o na farihy. Asiany hazo fisaka 
sahabo ho mamakitratra eo amoron-drano, 
ary dia ape trail y eo ambonin' io hazo io ny 
lamba, ka dia milataaka ao anaty rano 
hatreo amin' ny lohaliny izy, ka veleziuy 
teara eo amin' ilay hazo ireo lamba ireo sady 
fiazany matetika. Ary nony efa ataony 
kelikely toy izany ny lamba, dia tonga 
madio tsara, ka dia ahahiny." Ary ataon' 
ny olona maro fa toy izany voalaza izany 
indrindra ny fanao tany Palestina. Nefa 
satria zavatra ratsy fofona loatra no nentiny 
Xtamotay lamba, dia tsy nahazo nanao izany 
tao anaty tanana lehibe, na tao Jerosalema, 
na amin' ny vohitra hafa, ny mpamotsy 
lamba, fa tsy maintay tany ivelan' ny tanana 
izy no nanao ny taozavany. 

Niay lohaaaha tao avaratra-atsinanan' 
i Jerosalema, izay atao hoe "Sahan' ny 
mpamotsy lamba" (Isa. xxxvi. 2), ary ataon 1 
nv sasany fa avy tamin' ny nanaovan' ny 
olona maro izany taozavatra izany tao no 



1*1 FAM 

naharaikitra izany anarana izany. Ary sa- 
tria takaikin' ny mandan' ny tanana izy, dia 
mora re raha nisy olona niteny avy tao, ka 
tokony ho izany angaha no nandaharan- 
dRabsake teny avy tao ho ren' ny olona teo 
ambonin' ny manda. Ary tao anatin' io 
lohasaha io koa nisy lcharano natao hoe 
En-rogela (2 8am. xvi. ; 1 Mpan. i. 9). Ary 
ny hevitr' izany anarana izany dia "Loha- 
ranon' (na fanteakan') ny mpamotsy lamba." 
Ny savony dia voalaza matetika ao amin' ny 
Soratra Masina, nefa tsy mba savony toy 
ny ankehitriny tsy akory, fa lavenon-kazo 
sy ranon-kazo izay mahadio toy ny savony 
hiany ; ary izany zavatra mamma ny toetry 
ny savony izany dia atao hoe alkali, ka izay 
zavatra mahadio toy ny savony dia natao 
hoe savony avokoa. Tamin' ny Rom an a 
dia tsaoka sy zavatra hafa ratsy fofona no 
nentiny namotsy lamba. — f. 

FAMPIANARAN-JAZA. Ny ray am an- 
dreny tao amin' ny Jiosy no nasain' ny 
Lalana hampianatra ny zanany ny foto- 
kevitra lehibe amin' ny Lalan' Andriamani- 
tra (Eks. xii. 26; xiii. 8, 14; Deo. xiv. o, 
9, 10 ; vi. 2, 7, 20) ; kanefa kely hiany no 
lazaina ny amin' ny fampianarana hafa. 
Mosesy no nampianarina tamin' ny faho- 
ndrena rehetra fanaon' ny Egyptiana (Asa. 
vii. 22) ; Solomona dia hendry noho izay 
rehetra nialoha azy (I Mpan. iv. 29, 34) ; ary 
Daniela sy ny namany telo lahy efa nampia- 
narina tsara (Dan. i. 4, 17). Talohan' ny 
Fahababoaua tsy misy teny milaza sekoly 
afa-tsy ny kolejy na sekolin' ny mpamiuany ; 
nefa tamin' ny andron' i Solomona tsy 
maintsy efa nisy olona maro nahay sora- 
tanana sy marika hanaovany ny raharaha 
betsaka samy hafa nomba ny fanjakany ; 
sady voalaza koa ny tantara sy ny boky 
maro nosoratan' ny olona sasauy (2 Sam. 
viii. 16 ; xx. 24 ; 2 Mpan. xviii. 18 ; 2 Tant. 
xxiv. 8). Ary tao aorian' ny Fahababoana 
dia nisoho ny synagoga, koa fantatra marina 
fa nisy sekoly tao aminy, na tao amin' ny 
trano hafa tao akaikiny. Ary talohan' ny 
andron' i Kristy dia tonga fanaon' ny olona 
manan-karena ny mandatsaka ny zanani- 
lahy hianatra ao amin' ny Kaby raalaza 
anankiray, tahaka ny nianaran' iPaoly 
tamin' iGamaliela, fony mbola tanora izy 
(Asa. xxii. 3). Taorian' ny naudravana an' 
i Jerosalema indray, dia nisy kolejin' ny 
mpanara-dalana tany Jefine sy Lyda sy 
Seforisa ary Tiberiasy (zahao mpa^ora- 
DAiiANA). Araka ny teny ao amin' ny boky 
atao hoe Mishna, dia nanomboka nianatra 
ny Soratra Masina ny zazalahy rehefa 5 
taona; raha 10 taona izy, ny Mishna no 
nianarany ; nony nahatratra 13 taona izy, 
dia 4< zanaky ny didy," na "zanaky ny La- 
lana," izy ka nanana adidy hitaudrina ny 
Lalana rehetra; ary nony nahatratra Id 
taona indray izy, dia ny Gemara, na hevi- 
teny ambony, no nianarany. Nohajaina 



Digitized by 



Google 



FAM 



183 



FAM 



fatratra ny mpampianatra, ary nasaina hifa- 
nomo voninahitra ny ropampianatra sy ny 
ampianariny.— j.s. 

FAMPIJALIANA. Ny fampijaliana hola- 
zaina cto dia izay naaain' ny Lalan' i Mosesy 
hatao ho valin' ny ratsy cfa nataon' olona : 
ary koa, ny fanaon' ny firenena aaaany amin' 
izany izay lazaina eo amin' ny Baiboly ; fa 
havela tay voalaza ny ratsy nataon' olona 
sitra-po hamaly ny ratsy efa natao taminy, 
ary ny fomban' ny ady By ny tafika. 
Hatramin' ny voalohany indrindra toa 
of a fanaon' ny olombelona ny "mamaly 
ra," dia ny mandataaka ny ran' olona 
ho famaliana ny nandatsahany ny ran' ny 
sasany. Koa fahafatcsana no noheverin' ny 
olona talohan' ny Safo-drano ho fampijaliana 
raahamety ny vonoan* olona (Gen. iv. 24) ; 
ary izany koa no naaain' Andriamanitra 
hatao tarain' ny lalana nomeny tamin' i Noa 
ay ny zanany rehefa afaka ny Safo-drano ; 
ary ny biby koa izay aendra namono olona 
no nasaina hovonoina (Gen. ix. 5, 6). Ary 
izany koa no nampianarin' ny Lalan' i Mo- 
sesy ; fa ny mpamono olona no nasaina 
hovonoina, na dia efa nandoaitra tao amin' 
ny alitaran' Andriamanitra aza izy, na 
tonga tao amin' ny Tanana-fandoairana. 
Maro ny heloka izay nahafaty olona araka 
ny Lalana ; ary raha miay gaga amin' izany, 
dia tokony hotaarovana izay toetry ny 
Zanak' Iairaely rehefa nivoaka tany Egypta 
izy : firenena andevo vao afaka tamin' ny 
fahandevozana izy, ary cfa tonga ratay tokoa 
nv fanaony. Ary noho ny nifindrafindrany 
dia toy azo natao ny fampijaliana ha fa izay 
fanaon' ny firenena saaany, ka dia fahafate- 
aana no valin' ny heloka maro izay efa 
niniana hatao ; ary izany koa no nanjo ny 
olona rehetra hatramin' ny roa-polo taona 
no ho miakatra izay nivoaka tany Egypta, 
afa-tay ny roa lahy hiany, dia Joaoa sy 
Kaleba (Nom. xiv. 29, 32, 35). 

Ary izao no heloka nahafaty olona : 1. Ny 
mikapoka, na ny manaratey ray aman-dreny 
(Eks. xxi. 15, 17). 2. Ny manaratay na 
manevateva an' Andriamanitra na izay zava- 
tra maaina (blaaphemia; Lev. xxiv. 14, 16, 
23). 3. Ny maudika ny lalan' ny Sabata 
(Eka. xxxi. 14; xxxv. 2). 4. Nyfanaovana 
ody mahery, ary ny faminaniana mandainga 
(xxii. 18 ; etc.). 5. Fakam-badin* olona 
(Lev. xx. 10 ; Deo. xxii. 22). 6. Fijanga- 
jangana amin' ny olona aasany (Lev. xxi. 
9). 7. Fiaavihana (Deo. xxii. 25). 8. Fa- 
ndriana fady-ay vetaveta (Lev. xx. 11, 14, 
16). 9. Ny man galatra olona (Eka. xxi. 16). 
10. Fanompoan-taampy, na amin' inona na 
amin' inona (Lev. xx. 2). 11. Ny miampa- 
nga lainga (Deo. nix. 16, 19J. Ary miay 
heloka maromaro lazaina eo amin' ny Lalana, 
ny Hasan y dia iaan' izay cfa voalaza teo, koa 
i/uy olona diao amin' izany dia lazaina fa 
4 'hofongorana tay ho amin' ny fireneny" izy. 
Heloka eniua amby telo-i)olo na fito amby 



tck)-polo no lazaina ho miendrika izany 
fampijaliana izany ; ary azo zaraina ho telo 
toko toy izao izy. (a) Fandikana ny lalana 
ny amin' ny fitondran-tena madio (zahao 
fab a- 8 eo aloha), (b) Fandikana ny fane- 
kena nataon' Andriamanitra tamin' ny olony ; 
dia ny tei-fitandremana ny fora ay ny Sabata 
ary ny Paaka, etc. Ary (d) Fandikana ny 
fombam-pivavahana nasaina natao. Ny 
amin' ny aaanny amin' ireo, fahafatesana 
no lazaina mihitay ho valin' ny nandikana 
ny lalana, nefa tav miray hevitra ny olona 
raha izany no hevitry ny hoe "hofongorana 
tay ho amin' ny fireneny" mandrakariva. 
Raha toy ny hevitry ny Raby saaany, dia 
milaza fiaarahana amin' ny firenena maaina, 
ka dia nariana tay ho iaany intsony izay 
meloka; nefa an gam b a fahafateaana no 
heviny koa, na dia navela indraindray aza 
izany noho ny famindrara-pon' Andriamani- 
tra ay ny nanaterana fanatitra. 

Ny fanao famonoana ny olona meloka araka 
ny Lalana dia tay mba ny mampijaly na 
mampangirifiry, tahaka ny fanaon ny fire- 
nena aaaany, fa izay nahafaty faingana. 
Koa (1) ny mitora-bato no fanao indrindra 
(Eka. xvii. 4 ; Jao. x. 31 ; Asa. xiv. 6) ; ary 
ny vavolombelona no naaaina hitora-bato 
voalohany indrindra (Deo. xiii. 10 ; Jao. 
viii. 7). (2) Ny manantona ny olona hovonoina 
amin* ny tadi-mody no lazaina koa ho fampi- 
jaliana (Nom. xxv. 4; 2 Sam. xxi. 6, 9). 
(3) Ny mandoro olona no fampijaliana noho 
ny fijangajangana nataon' ny vehivavy 
manam-bady ay ny zanakavavin' ny mpiao- 
rona (Gen. xxxviii. 24; Lev. xxi. 9). Fa 
tay hita marina na dorana velona ny olona, 
na taia, fa angamba notoraham-bato aloha 
I izy, arv ny fatiny hiany no nodorana; fa 
J tao amin* ny firenena aa8any koaa ny olona 
meloka dia nodorana velona (Dan. iii.). (4) 
Ny mamono amin'' ny nabatra na Ufona no 
lazaina ao amin' ny Lalana (Eka. xix. 13 ; 
xxxii. 27 ; Nom. xxv. 7) ; fa tonga fanao 
indrindra tamin' ny andron' nv Mpanjaka sy 
rehefa afaka ny Fahababoana izany (1 Mpan. 
ii. 25, 34 ; xix. i. ; 2 Tant. xxi. 4, etc.). (5) 
Ny mamono amin' ny tadi-mody no lazain' ny 
Raby ho fanao indrindra tamin' ny andro 
aoriana. 

Ary fan ampin' ireo niay fampijaliana hafa 
koa izay fanaon 1 ny firenena hafa, ka dia lazaina 
ho natao tany Palestina ay fantatry ny 
Jioay; dia izao: (1) Ny manotnbo amin* ny 
hazo-fjaliana na hazo-mitanambokovoko ; 
zahao hazo-fualiana. (2) Ny mahafaty an- 
drano amin' ny vato mahaveaatra ahantona 
amin' ny vozona no fanaon* ny Romana, 
ary dia nataon' ny Jioay koa, raha toy ny 
tenin' ny mpanoratra aaaany ; zahao Mat. 
xviii. 6. (3) Ny man at sofa ny tenan* olona 
misasaka, na ny manorotoro azy amin' ny 
fiaaana vy, no lazaina ao nmin' ny 2 Sam. 
xii. 31 ; Oha. xx. 26; Heb. xi. 37. (4) Ny 
manctiteUka ny lenan J olona ho faty no fanaon' 



Digitized by 



Google 



FAM 

bt Babyloniana (Dan. ii. 6 ; iii. 29 ; Mat. 
xxiv. 51 ; Lio. xiii. 46). (5) Ny mitolo ny 
&L&€ ho faty co amu? ny laotia Uhihe no 
lauina ao amin' ny Oha. xxvii. 22 ; ary ny 
bokin* ny Makabiosy milaza fa nisy olona 
§a*any no vonoina tahaka izany. (6) Ny 
wtmmakodia amitf ny hantsana no namonoan' 
iAmazia mpanjaka ny Edomita 10,000 
(2 Tant. xxv. 12), ary izany koa no noka- 
*ain' ny olo-Nazareta hatao hamonoany an' 
iJeaosy RrUty (Lio. iv. 29). (7) Ny mampi- 
*4y olona amin > ny bibi-dia no farapijaliana 
fanaon' ny Romana; ary ny olona raeloka 
?y ny olona azony tamin' ny tafika no 
naisipiny tao amin' ny bibi-dia ho filalao- 
»an' ny vahoaka ; zahao filalaovana ( 1 Kor. 
xt. 32; 2 Tim. vi. 17). Fanaon' ny Baby- 
loniana koa izany, araka izay hita ao amin' 
ny bokin' iDaniela, toko vi. 

Ny manala-laraka ny fatin > ny olona voa- 
Tono diav navelan' ny lalan ' ny firenena maro 
bo azo hatao, fa tay araka ny Lalan' i Mo- 
sesy loatra izany. Fa ny manantona ny 
faty amin' ny hazo tsy mba nodidian' ny 
Lalana, fa navela biany ; nefa indray andro 
faiany no nabantona toy izany izy, ary nasai- 
na halevina amin' ny hariva ny faty (Deo. 
xxi. 22). Ny olona naseho toy izany rohefa 
maty dia noheverina ho "voaozon' Andria- 
manitra" (zahao Jos. viii. 29 ; x. 26 ; 2 Sam. 
iv. 12), ka nihatra tamin' ny fatin' ny 
olona voahorabo tamin' ny hazo-fijaliana tao 
aoriana (Jao. xix. 31 ; Gal. iii. 31). Ary 
ny fatin' ny olona voavono sasany no 
notaindruina korcntam-bato (Jos. vii. 25, 
26) ; ary ny aaaany dia nodorana araka ny 
voalaxa teo (3). 

Ary ny amin' ny fampijaliana i%y nihatra 
tamin* ny aina, ny fototra sy anton' izany 
dia ny famaliana : "maso solon' ny maso, 
nify aolon' ny nify," etc. (Eks. xxi. 24, 
25) ; nefa ny olona tsy navelan' ny Lalana 
hanao araka izay heviny, fandrao mody 
mamaly ratay ka miteraka ady tsy mety 
tapitra izany, fa araka izay noheverin' ny 
mpitaara ho mety hiany. Ary an^amba 
tamin' ny ankabiazan' ny heloka madinidi- 
nika nataou' ny olona, dia nandoa sazy izy, 
aa nanome toraka ny zavatra very, na ny 
ratay natao ; zahao Eks. xxi. ; Lev. xxiv. ; 
Deo. xix. Ary fanampin' izany, ny mpika- 
poka amin 1 ny hazo no fampijaliana izay fanao 
indrindra ; natao teo anatrehan' ny mpitsara 
izany, ary ny olona hokapohina dia nandry 
aiankohoka ary noknpohina teo an-damo- 
any, nefa tay nihoatra nolio ny efa-polo ny 
kapoka (Deo. xxv. 2, 3) ; ary fandrao 
hihoatra noho izany, teo aoriana dia tsy 
nihoatra noho ny sivy amby telo-polo izy 
(2 Kor. xi. 24). Tsy nisy olona afaka tarain' 
io fampijaliana io, na lahy na vavy, na 
lehibe na kely, ka dia tsy noheverina ho 
zavatra mahamenatra loatra izany (Oha. 
xvii. 26; x. 13; Jer. xxxvii. 15-20). Ny 
kapoka koa dia valin' ny nandikan' ny 



W3 FAM 

lalam-pivavahana tao amin' ny synagoga 
(Mat. x. 17; Asa. xxvi. 11). Nofa mora 
ny Lalan' i Mosesy raha oharina amin' ny 
fanaon' ny lirenena hafa, fa tao amin' ny 
Romana tsy nisy fetra ny isan' ny kapoka ; 
ka dia nahafaty olona indraindray izany; 
fa ny Homana tompon-tany hiany no afaka 
tamin' ny kapoka; zahao Asa. xvi. 22- 
37 ; xxii. 25. Nisy fikapohana natao hoe 
"maingoka" lazaina eo amin' ny 1 Mpan. 
xii. 11, izay nisy tonony na tsilo mba 
hampijaly sy hampangirifiry mafy; zahao 
koa Mpit. viii. 16. Ny manao ao an-tr*no~ 
inaizina koa no lazaina ho fanaon' ny Egyp- 
tiana (Gen. xxxix. 20, 21), ary fanaon' ny 
Jiosy koa (Lev. xxiv. 12), indrindra tamin' 
ny andron' ny Mpanjaka (1 Mpan. xxii. 27 ; 
2 Tant. xvi. 10 ; Jer. xxxvii. 21), ary 
tamin' ny andron' i Kristy koa (Mat. iv. 12 ; 
Asa. xii. 4). Ny mpamono olona sy ny 
mpitrosa no natao tao an-trano-maizina ary 
nampijalina mandra-pandoavany ny trosa 
(Mat. xviii. 30). Ny tongotry ny mpifa- 
totra sasany no natao teo anatiu' ny bc.loky 
(Jer. xx. 2 ; Asa. xvi. 24). Ny manongotra 
ny volotf olona no lazaina indroa ho isan' ny 
fampijaliana (Neh. xiii. 25 ; Isa. 1. 6) ; ary 
ny manapaka ny momba ny tena, dia ny 
rantsan-tiinana sy rantsan-tongotra (Mpit. 
i. 6). Ary tao amin' ny firenena sasany, 
ny maso nopotsirina, ny hoditra no nenda- 
hana raha velona, ny lela no nongotana, etc. 
Araka ny Lalan' i Mosesy, ny ray aman- 
dreny tsy navela hovouoina noho ny heloky 
ny zanany, na ny zanany noho ny heloky 
ny ray aman-dreniny (Deo. xxiv. 16 ; zahao 
koa Dan. xxiv. 16 ; 1 Mpan. xxi.) 

Ny amin' ny fampijaliana noho ny nandi- 
kana nyfombam-pivavahana, zahao fanatitiia. 
Nisy fanatra nasiana haterina ary fanone- 
rana araka ny ratsy efa natao (Lev. vi. 1-7 ; 
Nom. v. 6-10). 

Ary ny amin' ny fampijaliana amin' ny 
fiainana ho avy, zahao helo sy fianan-tsi- 
hita.— j.s. 

FAMPITONDBAN-TENY : zahao ieak' 

ANDRIANA. 

FAMPOBAFESANA. Ny filau' ny nofo 
sy ny fanirian' ny lehilahy hahazo fara sy 
dimby no niantombohan' ny famporefesana. 
Nisy izany fomba izany talohan' ny Safo- 
drano, ary ny voalohany voalazan' ny Sora- 
tra Masina izay namporafy dia Lameka 
(Gen. iv. 19); koa efa zatra izany ny 
Jiosy vao nomen' Andriamanitra ny Lalan' 
i MoHOsy. Tsy nankasitrahan' Andriamani- 
tra ny famporafc8ana tsy akory, kanefa 
kosa navelany hiany indraindray noho ny 
tsy fahampian' ny sain' ny olona sy ny 
hasarotan' ny fony ; fa tato aoriana nanao 
lalana hamaritra azy sy hampihena ny ratsy 
momba azy Izy (Eks. xxi. 10, 11 ; Deo. xxi. 
15-17). Ary ny mpanjakan' ny iHiraciita 
dia norarau' Andriamanitra tsy ho maro 
vady, mba tsy hivilian' ny fony, tahaka ny 



Digitized by 



Google 



FAN 18* 

nataon' ny sasany izay nihevitra fa vonina- 
hitry ny fanjakany ny habetsahan' ny vady 
anauany. Tsy notandreman' i Soloraona sy 
ny mpanjaka sasany izany didy izany, ka dia 
novaliana araka ny nataony izy. Fa na dia 
nisy famporafe'sana aza, tsy azo lavina fa ny 
lalana sy ny foraba fanao nomen' Andriama- 
nitra an* iMosesy narahin' ny olona dia 
niraikitra tamin' ny fanao tamin* ny niando- 
han' ny fanambadiana hiany, dia ny manam- 
bady tokana. Taorian' ny nahababoana tany 
Babylona mbola nisy hiany ny famporaf esana, 
nefa vitsy noho ny taloha ; fa ny andriana 
sasany, tahaka an' i Heroda Lehibe, nanana 
vady sivy. Fa nony niseho kosa ny filazan- 
tsaran' i Jesosy Kristy, na dia tsy norarana 
tauiin' ny didy aza, nitsahatra hiany ny 
famporaf esana noho ny fampianarana nataon' 
i Kristy sy ny Apostoly ; ka hatramin' ny 
voalohany dia tsy fanaon' ny Kristiana ny 
mamporafy. 

Ary maromaro hiany ny hevitra tsy maha- 
raety ny f amporaf esana : — (1) Fanaon' ny 
Kristiana hatramin' ny andron' i Kristy no 
ho mankaty ny manam-bady tokana. (2) 
Raha notendren* Andriamanitra ny fanam- 
badiana tamin' ny taloha, dia vehivavy iray 
hiany no notendrcny ho vadin' ny lehilahy 
iray. Hita am in* izany fa sitrak' Andria- 
manitra mba ho tokana ny vadin' ny 
lehilahy. (3) Io no lalam-panarabadiana 
nasehon' Andriamanitra ; ka na dia tsy 
narahin' ny sasany aza, tsy novonoina na 
novana izany lalana izany tsy akory. Tsy 
namporafy ny ankabiazan' ny Jiosy. Noa 
sy ny zauany lahy nanam-bady tokana avy. 
Iray ny vadin' i Abrahama ambara-pisehon' 
ny tsy fieretan' i Sara hah azo zaza, ka naka 
an' i Hagara ho rafy izy. Ny mpaminanv tsy 
voalaza ho namporafy, koa tsy firy no lehi- 
lahy namporafy afa-tsy ny mpanjaka sy ny 
andriana hiany. Tsy nandrara ny fampora- 
fesana ny Lalan' i Mosesy, nefa tsy nankasi- 
trahany izany. (4) Mazava ny lalan' i Kristy 
ka mamaritra ny vadin' ny lehilahy ho iray 
avy. Zahao Mat. v. 32 ; xix. 4-9 ; Mar. x. 
4-9 ; Lio. xvi. 18. Hita amin' izany fa raha 
maka vady ny lehilahy, raha mbola velona 
ny vadiny voalohany, dia mijangajanga izy. 
Torak' izany koa ny tenin' ny Apostoly 
(Rom. vii. 2, 3 ; 1 Kor. vii. 2). (6) Mito- 
vitovy ny isan' ny vehivavy sy ny lehilahy 
teraka; ny isan' ny lehilahy manan-tombo 
kely, satria ny ain-dohilahy no atao vy very 
kokoa noho ny an' ny vehivavy. Miseho 
amin' izany koa fa sitrak' Andriamanitra ny 
ananan' ny olona vady tokana, na lahy na 
vavy — c.J. 

FANAFODY sy ABETINA. Raha mbola 
nitoctra tany Egypta ny Zanak' Isiraely dia 
tsy maintsy ho nahalala ny fomba fanaon' 
ny Egyptiana amin' ny fahasitranany ny 
aretina izy ; fa ny mpanao-fanafody tany 
dia malaza tao amin' ny firenena rehetra 
tany aloha. Ary misy teny sasany ao amin' 



FAN 

ny Test. Tal. izay milaza ny fahiiizan' ny 
Egyptiana amin' izany, dia ny mpanao-fana- 
fody maro izay mpanompon' i Josef a (Gen. 
1. 2) ; ny mpampivelona Egyptiana sy izay 
fomba fanao tamin' ny niterahan-jaza (Eks. 
i. 16) ; ary ny fanafody maro karazana izay 
fan tany (Jer. xlvi 11 ). Ary izay nianaran' 
ny Zanak' Isiraely dia angumba nentin' ny 
sasany rehefa niala tany, ka dia nampiana - 
riny ny sasany indray handimby azy. 

Ny aretina izay hita matetika any Pales - 
tina sy tany atsinanana dia aretina amin' ny 
hoditra, sy ny tazo mafy, sy ny fivalanan - 
dra, ary ny aretina amin' ny maso. Ary 
isan' ny aretin-dratsy koa dia ny habo- 
kana ary ny elefantiasisa, dia aretina izay 
mampivonto ny tongotra ho vaventy itoatra 
ny tongotry ny elefanta. Isan' ny karazan- 
tazo koa dia ilay aretina mandoza sy mifindra- 
findra izay miseho matetika ao amin' ny tany 
atsinanana, izay atao hoe plagut, na 'halo- 
zana.' Tsy fantatra marina na lazaina ao 
amin' ny Baiboly, na tsia, io aretina maha- 
tahotra io ; nefa heverin' ny sasany fa ny 
aretina lazaina ao amin' ny teny sasany ho 
nahafaty ny maro tarapoka no izy. Ny nise- 
hoan' izay mafy indrindra dia tamin' ny taona 
B.C. 1347-1350, ary loza loatra tany Asia 
Andrefana sy Afrika Avaratra ary Eoropa. 
Natao hoe 'ny Fahafatesana Mainty' tamin' 
izay izy, ary nahafaty olona dimy am by 
roa-polo tapitrisa, hono, tamin' ireo taona 
telo ireo. Ny aretina amin' ny maso (oph- 
thalmia) izay hita any Egypta indrindra, 
dia hita koa any Syria sady mahajamba 
olona betsaka. Koa dia maro ny olona 
jamba lazaina ho nanatona an' i Kristy ka 
nampihiratiny. Ny androbe sy ny aretina 
amin' ny saina dia hita matetika ; ary ny 
olona marary toy izany ka very saina dia 
hajaina ao amin' ny tany maro toa olona 
masina. 

Ny aretina no lazaina matetika ao amin' 
ny Baiboly ho fampijaliana noho ny ota : 
dia "ny aretin-dratsy any Egypta" (Gen. 
xx. 18 ; Deo. vii. 15 : etc.) ; ny vay miva- 
lan-dra tao amin' ny Filistina (1 Sam. v. 6) ; 
ny fivalanan -dra izay nahazo an' i Johorama 
(2 Tant. xxi. 15, 19) ; ary ny fahafatesana 
tampoka nahatratra an' i Era sy Onana 
(Gen. xxxviii. 7, 10), sy ny lahimatoan' ny 
Egyptiana (Eks. xi. 4, 5), sy Nabala, sy ny 
zanak' iBatseba sy Jehorama (1 Sam. xxv. 
38 ; 2 Sam. xii. 15; 1 Mpan. xiv. 1, 6), dia 
lazaina ho avy tamin' i Jehova. Ny aretin- 
dratsy mandoza no lazaina ho man deli a 
miaraka amin' i Jehova (Hab. iii. 6 ; 2 Sam. 
xxiv. 15), nefa tsy mampaninona izay aro- 
vany (Sal. xci. 3-10). Eo amin' ny 2 Sam. 
iii. 29 ny aretina no angatahina ho ozona, 
ary eo amin' ny vavaka nataon' i Solomon a 
(1 Mpan. viii. 37) dia lazaina rahateo izy 
ho fampijaliana noho ny ota. Ny herin' 
i Satana dia lazaina koa ho mi ton dra aretina 
(Job. ii. 7; Uo. xiii. 11, 16). 



Digitized by 



Google 



FAN 1M 

Mbola toy hits marina na sahala amin' izay 
Jaiaina eto hoe *habokana,' ny habokana voa- 
bxan' ny Soratra Masina, na tsia. Ny boka 
hiLa any Syria ankehitriny dia m ah antra loa- 
tta, fa Lany miandalana ny raoraba ny tenany, 
maty ny tonon' ny rantsan-tanany sy ny 
rantsan-t oniony ka miala, miova ho ratsy 
tareby ny tavany, ary lovan' ny zanaky ny 
boka ny habokana, fa toy mifindra amin' ny 
sasany. Raha ny teny sasany ao amin' ny 
Ialan' i Mosesy 8y ny tantara sasany no 
heverina, toa nisy karazan' ny habokana izay 
tay mafy tahaka ny hafa, fa Namana, mpi- 
hhy ny miaraniilan' i Syria, dia boka, nef a 
nanam-bady hiany sady nahazo niaraka ta- 
aun* ny mpanjaka tompony ; ary ny didy 
aeany nomen' i Mosesy toa milaza ny haboka- 
na ho azo sitranina hiany ; zahao habokana. 
Heroda mpanjaka no lazaina ho nohanin' 
ny kankana (Asa. xii. 23) ; ary io dia aretina 
{pktkiriasU) izay fantatra ho nahafaty olona 
maro tamin' ny andro taloha. Ny maty 
tanana, tabaka ny nahazo an' i Jeroboama 
(I Mpan. xiii. 4-6, zahao Mat. xii. 10-13), dia 
ary tamin' ny namononna ny ozatra lehibe, 
na axon' aretina, na sendra naratra mafy 
izy. Ary ny aretina izay namely an' i Asa 
mpanjaka teo amin' ny tongony (I Mpan. 
xt. 23), angamba dia ilay atao hoe 'gaotra' 
ankehitriny. Fa ny aretina izay nahazo an' 
i Nebokadnezara (Dan. iv. 33) dia aretina 
ao an-tsaina sy tena koa (lyeanthropia), izay 
nampihevitra azy ho efa nody biby, ka 
nandroaka azy ho any an-tsaha mba hihina- 
na ahitra. Ny aretina izay nahazo an' i Saoly 
dia toa tao an- twain y hiany, ary angamba 
avy tamin' ny alahelo sy fanenenana noho 
ny ota nataony ; ary ny feon-java-maneno 
dia nahataaratsara azy (1 Sam. xvi. 14-23). 

Tamin' ny andro taloha, raha mbola kely 
ny fahalalan' ny olombelona, ny raharahan' 
ny mpanao-fanafody indrindra dia ny ma- 
namboatra ny fery sy izay maratra eo ivelany 
(zahao Iaa. i. 6; Ezek. xxx. 21; 2 Mpan. 
viii. 29) ; ary na dia nahalala kely hiany aza 
izy ny amin' ny fanafody (2 Tant. xvi. 12 ; 
1 Sam. xvi. 16), toa niadam-pandroso ka tsy 
nandroao loatra ny fahaizana mahasitrana 
aretina. Maro ny mpanao-fanafody anefa, 
na talohan 1 ny Fahababoana- tany Babylona, 
na taorian' izany (Jer. viii. 22 ; Mar. v. 26 ; 
Iio. iy. 23 ; v. 31 ; viii. 43). Ary ny fana- 
fody izay fanao indrindra dia ny menaka 
fanosorana ary ny balma (Jer. viii. 22 ; xlvi. 
11), sy ny katapilaay (2 Mpan. xx. 7), sy ny 
mandro amin' ny diloilo sy amin' ny rano 
misy fanafody avy amin' ny tany, tahaka 
ay any Antsirabe (Jao. v. 3, 4) ary ao amin' 
ny rano maria (2 Mpan. v. 10). A nana maro 
karazana ay diloilo ary divay (Lio. x. 34) no 
natao fanafody koa. Ody maro karazana 
koa no nentin' ny Jiosy ho fiarovana amin' 
ny aretina, nefa nataon' ny tsara fanahy ho 
fomba naman' ny fanompoan-tsampy izany, 
ka dia nolavin' ny tsara fanahy. 



FAN 

Satria ny mpisorona no nasain' ny Lalan' 
i Mosesy handinika ny boka, etc., dia efa 
nohoverin' ny sasany fa ny Zanak' iLevy 
indrindra no mpanao-fanafody teo amin* ny 
Jiosy ; ary angamba marina izany, nefa tsy 
mba satria inpanao ny raharaha masina izy, 
fa satria hondrihendry kokoa noho ny maro, 
sady nalaladalaka ny raharahany. Ny 
mpisorona tsy maintsy ho nahalala ny 
toetry ny aretina sasany, fa izy no nasaina 
handinika ny marary sy ny voasitrana 
(Lev. xiii., xiv). Lioka, izay nanoratra ny 
Filazantsara Fahatelo, dia mpanao-fanafody 
(Kol. iv. 14) ; ary raha milaza ny aretina 
nositranin' i Jesosy sy ny Apostoliny izy, 
dia misy teny madinidinika en tiny milaza 
azy izay tsy mba fanaon' ny mpanoratra 
ny Filazantsara telo hafa, ka dia mampi- 
seho ny fahalalany ny aretina izany. — J.s. 

FANALAHIDY: zahao hidy. Ny "fana- 
lahidy apetraka eo amin' ny soroka" dia 
teny fanao amin' ny tany atsinanana, ary 
ao amin' ny Baiboly koa, ka milaza fahefana 
sy hery omena ny olona ho mpitandrina 
trano na ho tompon-draharnha ; satria ny 
fanalahidy no ahazoany hiditra sy hivoaka, 
ary handrindrina mafy ny fananana ao an- 
trano. Zahao Isa. xxii. 15, 20, 22; xxxvi. 
3. Kristv koa no lazaina ho "manana ny 
fanalahidin' i Davida, Izay mamoha, ka tsy 
hisy hanidy, ary maiiidy, ka tsy misy 
mamoha" (Apok. iii. 7), izany hoe, manam- 
pahefana Izy. — j.s. 

FANALAMBOADY : zahao fanatttra. 

FAN AMB ADIANA : io teny io milaza ny 
firaisan' ny lehilahy iray sy ny „ vehivavy 
iray, izay raifankataa ka mifanaiky hivady 
sy hiara-inonina, hahazoam-para sy dimby 
sy hitondrana azy, ary hifanampy sy hifa- 
mpifaly. Ary ny voalazan' ny Baiboly ny 
ainin' ny fanambadiana dia tokony hozaraina 
mba hoheverina tsirairay avy, dia izao : — 

1. — Ny Niandohana sy ny Tantaran* ny 
Fanambadiana. Hatramin' ny namoronan' 
Andriamanitra an' i Adama sy Eva no na- 
nendreny ny fanambadiana ; f antatr' Andria- * 
manitra fa tsy ho tsara raha irery ny lehi- 
lahy, ka dia nanao namana sahaza ho azy Izy. 
"Ajy noho izany ny lehilahy dia handao ny 
rainy sy ny reniny ka hikambana amin' ny 
vadiny; ary dia ho nofo iray hiany ireo" 
(Gen. ii. 24). Ary izany mbamin' ny fanao 
tamin' ny namoronana ny vehivavy voalo- 
hany no ahitantsika: — (l) Ny hraiaan' ny 
lehilahy sy ny vadiny ; (2) tsy azo hosara- 
hina ny fanambadiana raha tsy noho ny ota 
(Mat. xix. 9) ; (3) ny manam-bady tokana 
no sitrak' Andriamanitra: (4) ny fifanka- 
tiavan' ny lahy sy ny vavy ; (5) ny fane- 
ken' ny vavy ny lahy ho lohany (1 Kor. xi. 
8, 9; 1 Tim. ii. 13); (6) ny fifanompoan' 
ny lahy sy ny vavy. 

Kehefa nalain' ny Dovoly fanahy Eva, dia 
nihena ny voninahiny, ka nasaina hotapa- 
hin' ny vadiny, izay efa notaominy handika 



Digitized by 



Google 



FAN 1M 

ny didin' Andriamanitra, izy ; ary manaraka 
ny ota nataon' izy mivady dia niseho koa 
izay ratsy tao amin' ny fanambadiana, dia 
famporafesana By fisaoram-bady ary fijanga- 
jangana. Naka vady maro ny sasany tamin' 
ny Patriarka (Gen. xvi. 4 ; xxv. 1,6; xxviii. 
9; xxix. 23, 28; 1 Kron. vii. 14). Zahao 
FAMPORArrSANA. Ary na dia namboamboarin' 
ny Lalan' i Mosesy aza ny fanambadiana, 
dia mbola naharitra hiany ny fisaoram- 
bady sy ny fomba tsy mety, ambara- 
pahatongan' iJesosy Kristy hampianatra 
ny aniin' ny fanambadiana, fa tokony ho 
marina sy madio izy. Zahao fisaoram- 
bady. 

2. — Ny Noferana iny halain-ko Vady. Nisy 
lalana tamin' ny Jiosy mandrara azy tsy 
haka ny sasany ho vadiny ; dia izao :— 

(1) Ny Jentilisa tsy azon' ny Jiosy ho va- 
diny. (a) Efa norarana mihitsy izy tsy 
hanam-bady ny Kananita, fandrao ho tao - 
miny hanompo sampy izy (Eks. xxiv. 16 ; 
Deo. vii. 3, 4), fa nivily tamin' Andriama- 
nitra hiany ilay tsy nitandrina ny lalana ny 
amin' izany (Mpit. iii. 6, 7). (b) Ny fandra- 
rana ny Amorita sy ny Moabita tsy hiditra 
amin' ny fiangonan' i Jehova (Deo. xxiii. 3) 
no tsy nahazoan' ny Jiosy hampakatra azy. 
Ny vehivavy Jiosy no tsy nahazo nanam- 
bady ny Moabita, fa ny lehilahy kosa dia 
navela haka vady taminy hiany (Rot. iv. 10). 
(d) Malaladalaka kokoa ny lalana ny amin' 
ny fanarabadian' ny Edomita sy ny Egyp- 
tiana, raha nisy ta-haka vady amin' ireo, 
fa ny taranany no nisaina ho isan' ny Isirae- 
lita rehefa omby amin' ny zafiny fahatelo 
mandimby (Deo. xxiii. 7, 8). Ny zanaky 
ny Jiosy izay azony tamin' ny vady tsy 
araka ny lalana no natao hoe "zazasary" 
(Deo. xxiii. 3), satria vady nalainy tamin' 
ny firenena izay nandrarana azy no naha- 
zo any ny zanany. 

(2) Ny fanambadiana ny olon-tsi-heny 
amin' ny samy mpianakavy. Voalaza amin' 
ny Lev. xviii. 6-18 izany; clia izao no tsy 

' azon' ny lehilahy halain-ko vady : ny reniny, 
ny reni-keliny, ny anabaviny, "na teraka 
tao an-trano, na teraka tany ivelany," ny 
zafiny, ny anabavin-drainy, ny rahavavin- 
dreniny, ny vinantony, ny vadin-drahala- 
hiny, ny zana-badiny, ny rahavavim-badiny 
velona. Day olona izay tsy nanaiky iny 
fandrarana iny ka naka vady tamin' izay tsy 
azo hakana dia nohelohina be, ary ny sasany 
nahita loza noho ny nanotany izany (Gen. 
xix. 33; xxxv. 22; Eks. xxii. 11; 2 Sam. 
xvi. 22 ; 1 Kor. v. 1). Nisy fomba sahala- 
hala amin' ny teto amintsika, dia izao : 
Raha nisy mpirahalahy, ary lasa ny ananki- 
ray ka toa ho fati-maso, dia nentin' ny 
velona loloha ny vadin' ilay maty hahazoam- 
para handimby azy. Ary araka izany no 
nasaina hitondran' i Onana loloha an' iTa- 
mara (Gen. xxxviii. 8; Mat. xxii. 23- 
30). 



FAN 

Izao koa no fandrarana iehibe tokony 
holazaina etoana: (i) Ny mpisoronabe toy 
nahazo nanam-bady afa-tsy virijina avy 
tamin' ny fokom-pireneny (Lev. xxi. 7). (ii) 
Ny mpisorona tsy nahazo nanam-bady vehi- 
vavy janga, na izay efa voaaaotr' olona 
(Lev. xxi. 7). (iii) Ny vehivavy mpandova 
tsy azo nampakarina raha tsy amin' ny 
fokom-pireneny (Nom. xxxvi. 5-9). (iv) 
Amin' ny 1 Tim. iii. 2, 12 ny mpitandrina 
sy ny diakona dia nasaina hanam-bady 
tokana ; ary mizara telo ny hevitry ny olona 
amin' izany : (a) Fandrarana ny fampo- 
rafesana io, hoy ny sasany ; (b) tsy fame- 
lana azy hanam-bady intsony rehefa maty 
ny vadiny voalohany, hoy ny sasany kosa ; (d) 
tony milaza azy ho tsy mahazo manam-bady 
intsony raha nisaorany ny vadiny, kanefa 
mbola velona hiany, hoy ny fahatelo. Ny 
hevitra voalohany angaha no mifanaraka 
kokoa amin' ny teuy amin' ny Timoty ; 
kanefa tamin' ny fiangonana taloha, hono, 
raha nisy mpitandrina mampaka-bady indray, 
rehefa maty ny vadiny voalohany, na voa- 
saotra ny vadiny fahiny, dia toy naha- 
mendrika azy ho mpitandrina intsony izany. 

Ny teny amin' ny Lev. xviii. 18 dia tsy 
ifanarahan' ny olona any an-dafy hevitra. 
Teny mandrara ny lehilahy tsy hamporafv 
ny mpirahavavy izany, hoy ny sasany, 
tahaka izay nataon' iJakoba. Ary toa 
marina izany sadv mifanitsy tsara amin' ny 
teny. Ary misy kosa mihevitra azy ho didy 
mafy ho amin' ny lehilahy mba tsy hanani- 
badiany ny rahavavin' ny vadiny izay maty ; 
izany no hevitrv ny maro tao aloha, ary 
mbola misy lalam-panjakana any an-dafy 
izao izay misakana azy tsy hanao izany. 
Raha dinihina tsara, dia hita fa tsy izany 
tsy akory no hevitry ny teny. 

3. — Ny Fiftdianam-bady. Tsy ny lehilahy 
no nifidy, fa ny mpianakavy na ny sakaizany 
kosa no nifidy vady ho azy. Abrahama 
naniraka ny mpanompony haka vady ho an' 
Isaka zanany (Gren. xxiv. 4) ; Hagara naka 
vady ho an' Isimaely ; ary Joda naka vady 
ho an' iEra (Gen. xxxviii. 6). Indraindray 
ny ray aman-dreny no nangatahin' ny 
zanani-hihy hizaha vady ho azy ((Jen. jxxiv. 
4-8; Mpit. xiv% 1-10). Fanambadiana tsy 
nierana na neken' ny ray aman-dreniny no 
nampalahelo azy tamin' ny zanany (Gen. 
xxvi. 35 ; xxvii. 46). Ka dia fanaon' ny 
Jiosy ny fanamboaran' ny mpianakavy ny 
fanambadian' ny zanany, toy ny fanao aty 
koa ; fa raha olona ambony toetra anefa ny 
vary, dia ny ray aman-dreny hiany no 
nanatitra azy ho vadin-dralehilahy (Eks. ii. 
21 ; Jos. xv. 17 ; 1 Sam. xviii. 27). 

4. — Ny Fifofoam-bady. Rehefa voafidy ny 
vavy, ka nekeny mbamin' ny ray aman- 
dreniny, dia natao amin' izay ny fifofoana 
azy, izay naraikitra tamin' ny fianianana sy 
funatitra. Fihaingoaua sy volafotsy sy 
volamena ary fitafiana no naterin-dralehi- 



Digitized by 



Google 



FAN 



1S7 



FAN 



lahy ; ny sasany ho an' 117 fofom-badiny, 
ary ny sasany kosa ho an' ny mpianakavin- 
dravehivavy (Gen. xxiv. 22, 63 ; xxxiv. 12). 
Takalom-bady angaha ireo zavatra noroena 
ny ray aman-drenin-drazazavavy ireo (Hos. 
Hi. 2 ; Rot. iv. 10). Tsy nanan-jayatra 
homena Jakoba, ka dia nanaikv hanompo 
an* i Labana fito taona izy, hanazoany ny 
zanaxty ho vady (Gen. xxix. 20). Nisy fana- 
sana lehibe natao tamin' ny fifofoam-bady ; 
axy dia fomba koa ny manome peratra hatao 
amin' ny rantsan-tanan' ny vavy. Fa 
famamtaran' ny fahatokiana ny peratru (Gen. 
tH. 42), sy fanehoana fa malalan' ilay mpa- 
oome ilay omena (Lio. xv. 22). Rehefa 
yoafofo ho yady ny vehivavy, indraindray 
andxo vitsy, ary indraindray kosa iray taona 
na mihoatra aza, vao nampakarina izy. 
Raha mbola tsy yoampakatra ny vavy, dia 
nitoetra tao amin' ny mpianakaviny hiany 
izy aloha, ary tsy niraharaha tamin' ny lahy 
izay ho vadiny akory izy afa-tsy tamin' ny 
sakaiza anankiray izay voatendry hiraharaha 
aminy, ary izay natao hoe "Sakaizan' ny 
mpampakatra" (Jao. iii. 29). Na dia tsy 
nifty niraisany aza, dia noheverina fa yady 
hiany ny fofom-bady, ka dia azo novonoina 
na nisaoran' ny lahy izy raha nijangajanga 
(Deo. xxii. 23, 24; Mat. i. 19; Deo. xxiv. 

1). 

5. — Ny Fampakaram-bady . Tsy nisy fom- 
bam-pivavahana loatra narahina tamin' ny 
fampakaram-bady ; fa nanao fianianana ny 
ny olona ho enti-manamafy ny fanamba- 
diana, izay nantsoina hoe "faneken' ny 
Andriamaniny" (Mai. ii. 14 ; Oha. ii. 17) ; 
ary nitso-drano ny mpivady ny ray aman- 
dreniny (Gen. xxiv. 60). Niomana dia nio- 
mana ny mpampaka-bady, ary indrindra fa 
tamin' ny fitafiana mahafinaritra sy hamama 
tsara tarehy sy satro-panambadiana, izay 
noravahana voninkazo maha-te-hijery, ary 
nohosoranamiora sy zava-manitra ny tenany. 
Niomana tsara koa ny vavy, ary tamin' ny 
hariva alohan' ny hampakarana azy dia 
nandro sy nisasa izy (Hot. iii. 3 ; Ezek. 
xxiii. 40; Efe. v. 26, 27). Nosalobonina 
lamba mak a r akara fotsy ny tenany rehetra 
hatramin' ny tavany ka hatramin' ny ton go - 
ny: ohatra ny faneken' ny vavy ny lahy 
no nanao vany izany (1 Kor. xi. 10). Nanao 
fiaikinana nisy firavaka izy izay tsy hainy 
hohadinoina (Jer. ii. 32) ; ary noravahany 
haingo voninkazo ny lohany. Raha virijina 
mbola tsy nanam-bady, dia nirakaraka ny 
volony. Fotsy ny fitafiany (Apok. xix. 8), 
ary indraindray amboradara volamena no 
natao an-tsisiny (Sal. xlv. 13, 14), sadv 
feno hanitry ny zavatra tsara fofona (Sal. 
xlv. 8) ; arv nampihaingoina tamin' ny 
ravaka betsaka izy (Isa. xlix. 18 ; lxi. 10 ; 
Apok. xxi. 2). Takariva no fotoana nampa- 
karana, ary nony tonga ny fotoana dia 
niainga ny mpampakatra mbamin' ny mpaka 
(Mpit. xiv. 11) izay natao hoe "Havan' ny 



mpampakatra" (Mat. ix. 15) ; ary nisy mpila- 
nona sy mpitsoka mozika (Gen. xxxi. 27 ; 
Jer. vii. 34 ; xvi. 9) ary olona nitondra 
fanilo (Mat. xxv. 7 ; Jer. xxv. 10 ; Apok. 
xviii. 23). Nandrasan' ny vehivavy hampa* 
karina sy ny mpanatitra izy (Mat. xxv. 6), 
izay nentiny nody tao an-tranony, na ny 
tranon-drainy, tamin' ny fifaliana sy faha- 
ravoravoana be (Sal. xlv. 16). Nony efa 
omby tao an-dalana izy, dia notsenain' ny 
tovovavy sasany sakaizan' izy mivady, izay 
nitondra fanilo sady nilahatra ka niara- 
nandroso taminy (Mat. xxv. 6). Ny olona tao 
an -tan ana koa dia nivoaka hizaha azy nanda- 
lo. Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy 
dia nisy fanasana, ary ny sakaizany sy ny 
namany no nasainy (Gen. xxix. 22 ; Mat. 
xxii. 1-10; Lio. xiv. 8; Jao. ii. 2), ary 
naharitra hafitoana na tapa-bolana aza ny 
fanasana sy ny fifaliana. Nomena akanjo 
fitondra amin' ny fampakaram-bady ny 
olona nasaina (Mat. xxii. 11) ; ary nifampa- 
nao fampanonona (Mpit. xiv. 12) sy nilaiao 
izy. Dia vao nifampiresaka tamin' ny 
vadiny ny mpampakatra, ary faly ny sakai- 
zany raha nandro ny foon' ny mpampakatra 
noho ny nahitany ny fahatanterahan' ny 
fanambadiana (Jao. iii. 29). Ary fomba 
farany tamin' ny fampakarana ny mitondra 
ny ampakarina tao amin' ny trano-fandria- 
na, izay noravahana tsara (Mpit. xv. 1 ; 
Joela ii. 16 ; Sal. xix. 5) ; kanefa mbola 
nisalobona izy ; ka izany no nahavoafitaka 
an' iJakoba (Gen. xxix. 23). Afaka tamin' 
ny fanompoana sy ny raharaham-panjakana 
herin-taona ny lehilahy vao nampaka-bady 
(Deo. xxiv. 6) ; ary tahaka izany koa ny 
mpifofo vady (Deo. xx. 7). 

6. — Ny Toetry ny Vehivavy sy ny Rahara- 
hany. Amin' ny tany sasany hoatra ny 
andevon' ny lahy ny vavy, ary tsy avelany 
hivoaka loatra; fa tsy tahaka izany ny 
voalaza amin' ny Baiboly. Afa-tsy tamin' 
ny fampakarana tsy nisy fisalobonana, na nv 
manam-bady, na ny tsy manana (Gen. xii. 
14; xxiv. 16, 65; xix. 11; 1 Sam. i. 13). 
Nahazo niresaka tamin' nv lehilahy tao an- 
dalambe izy, na dia vahiny aza ralehilahy 
(Gen. xxiv. 24, 54-47; xxix. 9-12; 1 Sam. 
ix. 11) ; tsy nahihina izy raha nandeha irery 
(2 Mpan. iv. 22- 25 J ; ary nahazo nandaha- 
teny teo anatrehan ny mpitsara izy (Nom. 
xxvii. 2). 

Nisy mpaminanivavy, toa an' iMiriama 
sy Debora sy Ana, etc., ary nanome hevitra 
sy niara -nanao tamin' ny lehilahy koa izy, 
raha sendra nisy raharaha lehibe (1 Sam. 
xviii. 6, 7 ; Eks. xv. 20 ; 2 8am. xiv. 2 ; xx. 
16-22). Nanao ny anjara-raharahany tao an- 
trano ny vehivavy, nefa nalaladalaka, fa tsy 
voafetra loatra izy. Nampiandrano namana 
aman-tsakaiza izy, na dia tsy tao aza ny 
lahy (2 Mpan. iv. 8 ; Mpit. iv. 18) ; niara- 
nihevitra ny ankohonany tamin' ny vadiny 
izy (Gen. xxvii. 46 ; 2 Mpan. iv. 9) ; ary 



Digitized by 



Google 



FAN 

indraindray nananatra ny vadiny izy, raha 
tsy mety ny nataony (1 Sam. xxv. 35 ; 
2 Sara. vi. 20). Tsy nipetra-poana tao 
an-trano ny vehivavy, fa nitandrina ny 
nahandron-aanina izy (Gen. xviii. 6 ; 2 Sam. 
xiii. 8) ; nizara ny hanina izy (Oha. xxxi. 
15) ; nanenona fitafiana ho an' ny tao an- 
tranony izy (Oha. xxxi. 13, 21, 22), ary 
raha nazoto sady nahay tao-zsvatra izy dia 
nanenona laraba tsara sy fehi-kibo haraidy 
hahazoan' ny vadiny harena (Oha. xxxi. 
14, 24). 

Hita koa fa be ny fifankatiavan' ny mpi- 
vady. Maro ny teny milaza ny fitiavan' ny 
lehilahy ny vadiny (Gen. xxiv. 67 ; xxix. 8) ; 
ary nainpionona azy koa ny vadiny, raha 
ni8y nanjo ny iray (Gen. xxiv. 67), ary 
nalahelo mafy ny vavy raha lasa ny lahy 
(Joela i. 8). Kanefa betsaka no tsy finaritra 
tamin' ny fanambadiana. Nirafy ny vehi- 
vavy sasany, ka izany no niteraka ady sy 
fialonana ary fahasaro-piaro (Gen. xxi. 11 ; 
1 Sam. i. 6). Ny teny amin' ny Ohabolana 
milaza ny vehivavy sasany ho maro vava sy 
foizina (Oha. xix. 13; xxi. 9, 19; xxvii. 
15) no mampihevitra fa tsy vitsy ny nanao 
izany. Ary ao amin' ny Filazantsara, betsa- 
ka ny teny fananarana ny mpivady (Efe. v. 
22-23; Kol. iii. 18, 19 ; Tit. ii. 4, 5; 1 Pet. 
iii. 1-7). 

7 .-—Ohatra nalaina tamin 1 ny Fanambadiana, 
Ny Jiosy izay nahafoy an* Andriamanitra 
ka lasa nanompo sampy no nampitahaina 
tamin' ny vehivavy ratsy fanahy izay 
nisintaka ka nandehandeha nijang-ajanga 
(Isa. i. 21 ; Jer. iii. 1, 6, 8 ; Ezek. xxiii.) ; 
ny fanambadiana no natao ohatra milaza ny 
nraisan' i Jehova amin* ny olony sy ny 
fitiavany azy (Isa. liv. 5 ; Hos. ii. 19) ; ary 
ny fifaliany amin' ny Hangonana dia toy ny 
fifalian' ny mpampakatra amin' ny vadiny 
(Isa. lxii. 5). Amin' ny Filazantsara Kristy 
no ampitahaina amin' ny mpampaka-bady 
(Mat. ix. 15; Jao. iii. 29) ary ny Fiango- 
nana amin' ny vehivavy ampakarina (2 Kor. 
xi. 2 ; Apok. xix. 7 ; xxi. 2, 9 ; xxii. 17) ; 
ary nalain' i Paoly izany ohatra izany ho 
enti-mananatra ny mpivady (Efes. v. 23-32). 
Ny hihavian' ny Tempo amin' ny andro tsy 
ampoizina, ary ny noma nan a sy ny fiambe- 
nana tsara no nohariny tamin' ny fomba 
fanao tamin' ny fampakaram-bady (Mat. 
xxv. 1-13). Tahaka ny fanasana sy ny 
fifaliana tamin' ny fanambadiana ny namboa- 
rin' ny Ray ho an' ny Zanany (Mat. xxii. 
1-14; xxv. 10; Apok. xix. 9; Mat. viii. 
11); ary sahala amin' ny tsy miakanjo 
mahamendrika ny fanasana fanao amin' ny 
fanambadiana ny tsy miomana (Mat. xxii. 
11). Ary hoatra ny vady tsy mahatoky sy 
mijangajanga ny misaraka amin' Andriama- 
nitra (Apok. xviii. 1, 2, 5).— c.j. 

FANAMBAEANA na APOKALYPSY, Ny 
Bokin' ny. Boky farany indrindra ao amin' 
ny Baiboly ity boky ity, ary satria boky 



1M FAN 

f aminaniana, ary mbola tsy tanteraka ny teny 
sasany ao aminy, dia isan' ny boky aaro- 
pantarina indrindra izy. 

1 . — Ny Nanoratra ny bokin 1 ny Apokalypsy. 
Lazaina eo amin' ny boky hiany fa Jaona 
no nanoratra azy (i. 1, 4, 9 ; xxii. 8). Nefa 
kosa misy mampiahanahana be hiany ny 
amin' izay Jaona lazaina eo. Kanefa raha 
araka ny hevitry ny maro hatramin' ny 
voalohany ka mandraka ankehitriny, dia 
Jaona Apostoly, zanak' i Zebedia, hiany no 
izy. Ary izao no hevitra sasany azo entina 
manamarina izany. Hatramin' ny andron* 
i Jaona ka hatramin' ny taona a.d. 200 toa 
samy nanaiky hiany ny olona fa Jaona 
Apostoly no voalaza ao amin' ny toko i. 1 
sy xxii. 8. Ary koa, maro ny teny ao amin' 
ny boky nosoratan' ny mpitondra nangonana 
sy ny olon-kendry sasany hatramin' ny 
taona a.d. 140 no ho mankaty manamarina 
izany. Ny sasany izay n a hita sy nianatra 
tamin' ny mpianatr' i Jaona Apostoly milaza 
tsotra fa izy tokoa no nanoratra ny Apokaly- 
psy, indrindra fa Ireneus sy Justin Martyr. 
Ary koa, amin' izay olona vitsy tsy manaiky 
izany aza, dia tsy manda koa ny ankabia- 
zany, fa misalasala hiany izy. Ary amin' 
izay manda izany, dia sady vitsy no tsy 
malaza loatra izy. Ary indray, hitantjrika fa 
ilay Jaona nanoratra ny Apokalypsy dia tsy 
milaza anarana hafa tsy akory, fa Jaona 
fotsiny hiany. Nefa tamin' izay tsy niay 
Jaona malaza tahaka an' i Jaona Apostoly ; 
koa amin' izany, raha tsy olona ta-hamitaka 
mihitsy, dia tokony ho nilaza fa tsy Jaona 
Apostoly izy tsy akory, saingy izay rehetra 
namaky ny boky ka tsy nahita anarana afa- 
tsy Jaona fotsiny hiany, dia tsy maintsy ho 
nihevitra fa Jaona, iiay Apostoly malaza, 
no izy. Izay Jaona nanoratra ity boky ity 
dia olona noroahina hiala amin' ny tany 
nahazatra azy hankany amin' ny nosy Patmo 
(i. 9). Ary fantantsika marimarina fa Jaona 
Apostoly dia noroahin' ny mpanjakan' 
iKoraa tokoa hankany Patmo "noho ny 
tenin' Andriamanitra sy ny filazana an' 
iJesosy Kristy." Nefa kosa indray, tsy 
azo lavina fa raha oharina amin' ny Fila- 
zantsara sy ny Epistily telo izay nosoratan' 
i Jaona ity boky ity, na dia misy zavatra 
maromaro aza izay toa mampiseho fa olona 
iray hiany no nanoratra azy, hita miaraka- 
minizay koa fa misy maha-samy hafa azy be 
hiany. Tsotsotra sy mazava hiany ny teny 
amin' ireo ; fa saro-pantarina matetika sady 
manahirana loatra ny mahita izay hevitry 
ny Bokin' ny Apokalypsy. Nefa, raha f oto- 
potorana indray izany, dia hita fa f amina- 
niana ity boky ity, nefa tantara na anatra 
hiany kosa ireo, ka dia tsy maintsy ho samy 
hafa ny filaza azy, na dia olona iray hiany 
aza no nanoratra azy rehetra. Ary farany, 
tsy nisy Jaona hafa tamin' izay fantatra 
marina, afa-tsy iMarka, izay natao hoe 
Jaona Marka, sy Jaona mpitandrina tany 



Digitized by 



Google 



FAN 

Efesosy. Ary ny amin' i Marka, tsy fantatra 
na tokony ho velona izy tamin' izay ; ary 
na dia mbola velona hiany aza, tsy tokony 
bo nonina tany Asia loatra angaha izy. Ary 
ay amin' ilay mpitandrina tany Efeaosy 
kosa, na nisy tokoa izany Jaona na tsia, dia 
tsy fantatra marina. Koa dia an gam b a 
Jaona Apostoly hiany no nanoratra ny 
Apokalypsy, araka ny hevitry ny raaro 
hatramin' ny voalohany. 

2. — Ny Andro nanoratana azy. Tokony ho 
tamin' ny taona a.d. 95 na 96 no nanoratana 
ny Bokdn' ny Apokalypsy. Tsy maintsy ho 
efa antitra hiany Jaona tamin 1 izy nitoetra 
tao Patmo, fa tokony ho tamin' ny andron' 
iDomitiana, mpanjakan' i Roma, izany. Ary 
hatramin' ny taona a.d. 81 ka hatramin' ny 
taona 96 no nanjakan' iDomitiana. Ire- 
neus, izay mpianatry ny mpianatr' i Jaona 
Apostoly, dia milaza fa tamin' ny fa ran' ny 
nanjakan' iDomitiana no nahitan' i Jaona 
ny zaTatra voalaza amin' ity boky ity. 
Misy ny sasany anefa izay mihevitra fa 
tamin' ny nanjakan' iNero tao Roma (a.d. 
64-68) kosano nanoratana ny Apokalypsy. 
Nefa tsy misy hevitra manamarina izany 
loatra ; ary ny teny ao amin' ny toko vi. 9, 
izay mampiseho fa efa nisy f anen jehana mafy, 
dia tsy mifanaraka loatra amin' ny andron' 
i Nero. Ary indray, ny toetry ny fiangonana 
nanoratana ity boky ity dia toy ny fiangona- 
na izay efa nandray ny filazantsara ela, ary 
efa nihamangatsiaka indray ny fitiavany. 

3. — Ny Olona nanoratana azy. Nosoratan' 
i Jaona ho an' ny fiangonana fito any Asia 
ity boky ity (i. 4). Ary ireo fiangonana 
fito ireo, dia Efesosy, Smyrina, Pergamosy, 
Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia, 
no anaran' ny tanana nisy azy. Kanefa, na 
dia fito hiany aza ny fiangonana voalaza, 
angamba tokony ho nosoratan' i Jaona ho 
an' ny fiangonana rehetra tao Asia, na firy 
na firy, ity boky ity ; satria entina matetika 
izany isa fito izany amin'ny Apokalypsy 
hilaza zavatra tapitra sy tanteraka, fa tsy fito 
monja tsy akory. Ary koa, na dia ho an' 
ny fiangonana tao Asia hiany aza no nano- 
ratany azy, satria misy teny maro sy fami- 
naniana maro tandrifin' ny olona sy ny 
fiangonana rehetra, dia tsy azo ferana ny 
boky. Fa notarihin' ny Fanahy Masina 
Jaona hanoratra teny ho an' ny olona 
rehetra, na dia ny fiangonana fito hiany 
aza angamba no tao an-tsainy indrindra. 

4. — Ny Anton* ny nanoratana azy. Ao 
amin' ny toko i. 1 misy teny milaza izany. 
Nanoratra ity boky ity Jaona hampiseho 
"izay zavatra tsy maintsy ho tonga fainga- 
na." Dia faminaniana no an ton' ny boky 
indrindra ; hatramin' ny iv. 1 ka hatramin' 
ny xxii. 5 dia milaza izay zavatra tsy 
maintsy ho avy rahatrizay izy. Nefa mifa- 
ngaroharo amin' izany faminaniana izany 
misy anatra axnan-teny famporisihana maro 
ho an' ny fiangonana koa. 



**> FAN 

5. — Fifazana ny Hevitry ny boky. Mifano- 
hitra be hiany ny hevitry ny olona ny amin' 
izany. Kanefa rehefa voatambatra ireo 
hevitra samy hafa ireo, dia azo zaraina ho 
telo loha izy, dia izao : (i.) Efa tanteraka 
izay ela izay ny faminaniana rehetra ao 
amin' ny Bokin' ny Apokalypsy, hoy ny 
sasany. (ii.) Tsia, hoy ny sasany kosu, fa 
milaza ny tantaram-piangonana, hatramin'ny 
andro nanoratana azy ka hatrizay hatrizay 
izy. (iii.) Ary farany, misy ny sasany 
mihevitra fa mbola tsy misy tanteraka akory 
ny faminaniana amin ity boky ity ; fa izay 
faminaniana rehetra amin' ny Apokalypsy, 
hoy izy, milaza izay hatao amin' ny andro, 
na akaikin' ny andro, hihavian' ny Tompo 
hiany. Kaha ireo hevitra telo ireo no heveri- 
na, angamba ny f aharoa no tokony ho marina 
noho ny voalohany sy ny fahatelo. Ny fami- 
naniana sasany efa tanteraka fahizay, fa ny 
sasany kosa dia mbola ho tanteraka rahatri- 
zay ; ary ny sasany tsy ho tanteraka raha tsy 
amin' ny hihavian ny Tompo indray hitsara 
ny olombelona rehetra amin' ny andro farany. 

6. — Ny Zavatra toalaza ao amin 1 ny Bokin* 
ny Apokalypsy. Sasin-teny : i. 1-3. Teny 
famangiana sy fiarahabana ary tonon-kira 
fiderana ; i. 4-8. 

▲. — (i. 7 — iii. 22.) Milaza izay hitany sy 
reny Jaona tao Patmo. Dia milaza ny 
amin' ny Zanak' Andriamanitra Izay niseho 
taminy izy, sy ny teny nataony taminy koa. 
Ary voalazany koa ny Epistily fito izay 
nampanoratan i Jesosy Tompo azy ho an' ny 
fiangonana fito tany Asia. 

b. — (iv. 1 — viii. 1). Tsy tany Patmo 
intsony Jaona, fa nisy feo mahery niantso 
azy hiakatra any an-danitra. Dia Andria- 
manitra mipetraka ambonin' ny lapa no 
hitany ; ary nisy boky anankiray voapetaka 
amin' ny kase fito, fa tsy nisy olona na 
an jely mahay mandray ny boky sy mameraka 
ny kaseny afa-tsy ny Zanak' ondry, dia 
Jesosy. Dia nameraka ny kase fito tsirairay 
izy, ary izao koa no hitan' i Jaona: — (i.) 
Mpandresy mahery anankiray mitaingina 
soavaly fotsy. (ii.) Anankiray izay mahery 
miady sady mitaingina soavaly mena. (iii.) 
Soavaly mainty, dia mosary izany. (iv.) 
Soavaly hatsatra, ary Ifahafatesana mitai- 
ngina azy. (v.) Ny fanahin' ny maritiora 
tao ambanin' ny alitara. fvi.) Horoho- 
rontany lehibe. Dia hitan i Jaona ny 
olona voavonjy 144,000 avy amin' ny Zanak' 
Isiraely, ary ny olona maro be avy amin' ny 
firenena rehetra manompo an' Andriamani- 
tra. (vii.) Nony namaky ny kase fahafito 
ny Zanak' ondry, dia nangina ny tany an- 
danitra rehetra tokony ho antsasaky ny 
hadim-pamantaranandro iray. 

d. — Nahita an jely fito Jaona, izay nomena 
trompetra fito; ary dia nampaneno ny 
trompetra twirairay izy. Ary (i.) ny tany 
no nahita loza. (ii.) Ny ranomasina no 
nahita loza. (iii.) Ny ony sy ny loharano 



Digitized by 



Google 



Pan 



190 



Fan 



no nahita loza. (iv.) Ny masoandro sy ny 
volana ary ny kintana nianjera. (v.) Ny 
olona rehetra izay tsy nanana ny kasen' 
Andriamanitra teo amin' ny handriny no 
nampahorin' ny valala avy tamin' ny lavaka 
tsy hita noanoa ; ny Lota Voahhany izany. 
(vi.) Ny fahatelon' ny olona dia novonoina, 
nefa ny Bisa tsy maty tsy mibebaka noho ny 
ratsy nataony ; ny Loza Faharoa izany. Dia 
niandry kely ny anjely mitondra trompetra, 
ary nisy anjely hafa an an ki ray nitondra 
boky. Ary nisy kotrokorana fito. Dia 
Jaona no n a sain' ny anjely hihinana ny 
boky sy hanohatra ny Tempolin , Andriama- 
nitra. Ary nony vita izany dia vo;ilaza ny 
amin' ny vavolombelona roa, dia ny hahafa- 
tesany, sy ny hitsanganany amin' ny maty, 
ary ny hiakarany any an-danitra. (vii.) 
Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia 
nampaneno ny trompetrany kosa ny anjely 
f ahafito. Dia nambara ny hanjakan' i Je- 
sosy ao amin' ny fanjakana rehetra, sy ny 
hitsarany izao tontolo izao (viii. 2— xi. 19). 

b. — Nisy vehivavy anankiray izay nitafy 
ny masoandro hitan' i Jaona. Ary nisy 
menarana lehibe indrindra sady mena, izay 
nanan-doha fito sy tandroka folo koa, nija- 
nona tao akaiky an -dra vehivavy bamono ny 
zanany rehefa teraka. Fa nakarina ho 'any 
an-danitra ny zanany vao teraka, ary nando- 
sitra nankany an-efitra 1260 andro kosa ny 
reniny. Ny ady tany an-danitra dia voa- 
laza, izay anton' ny nanenjehan' ny mena- 
rana an-dravehivavy (xii.). 

Dia hitan' i Jaona ny biby anankiray 
miakatra avy amin' ny ranomasina, izay 
nanan-doha fito sy tandroka folo, ary ny 
lohany anankiray efa naratra. Nitsaoka ny 
biby ny olona rehetra, ary niady tamin' ny 
voavonjy izy. 

Dia hitan' i Jaona biby hafa koa, izay 
niakatra avy tamin' ny tany ary nanana 
tandroka roa. Dia nanery ny olona rehetra 
handray ny marika na ny isan' ny bibi-dia 
izy, na eo amin' ny tanany ankavanana na 
eo amin' ny handriny (xiii.). 

Ny Zanak' ondry sy ny olona 144,000 no 
hitan' i Jaona nitaangana teo ambonin' ny 
tendrombohitr' iZiona. Manaraka izany 
nisy anjely telo nitory. Ary nisy feo avy 
tany an-danitra izay ren' i Jaona milaza ny 
fahasambaran' ny olona izay maty eo amin' 
ny Tompo. Izay hatao amin' ny andro 
hitsarana izao tontolo izao no voalaza (xiv.). 
Ary ny olona izay nandresy ny biby no ren' 
i Jaona mihira fiderana ho an' Andriamani- 
tra. Ary nisy lovia fito nisy fampahoriana 
nentin' ny anjely fito, ka naidiny tamin' ny 
tany ny fampahoriana (xv. ; xvi.). Nentin' 
ny anjely nankany an-efitra Jaona, ka 
nahita vehivavy janga anankiray izy, izay 
nitaingina bibi-dia nivolonjaky, dia Baby- 
lona izany. Dia hitany koa ny nan dra van a 
an' i Babylona, sy ny nisaoran' ny olona ratsy 
fanahy azy, mbamin' ny fifalian' ny tsara 



fanahy rehetra (xvii. ; xviii.). Niaaotra an' 
Andriamanitra ny any an-danitra rehetra 
noho ny nandravany an' i Babylona. Ary 
nisy anankiray nitaingina soavaly f otsy, izay 
nitondra miaramila betsaka ka nandresy ny 
bibi-dia sy ny mpaminany sandoka (xix.). 

Nisy anjely nisambotra ny menarana, dia 
ny Devoly, dia namatotra azy 1000 taona 
ka nanipy azy tao amin' ny lavaka tsy hita 
noanoa. Dia nitaangana ny maty rehetra 
izay tsy nanompo ny Devoly akory, mba- 
min' ny maritiora, ka niara-nanjaka tamin' 
i Kristy 1000 taona izy. Izany no fananga- 
nan* ny maty voalohuny. Dia novahana 
indray Satana ; ny ady farany nataony no 
lazaina, mbamin' ny nandresena azy. Ny 
fitsarana farany hitan' i Jaona sy voalazany, 
mbamin' ny lanitra vaovao sy ny tany vao- 
vao (xx. 1 — xxii. 5). 

Fara-teny : fananarana sy fanomezan- 
toky (xxii. 6-21).— j.pI. 

FANANGANAN-ANAKA : zahao anaxa. 

FANAOVAN-JIBO. Ilay fanaovan-jiro 
natao ho an' ny Tabernakely, araka ny didin' 
Andriamanitra tamin' i Mosesy, dia voalaza 
ao amin' ny Eks. xxv. 31-37 sy xxxvii. 17- 
24. Ao amin' ny Lev. xxiv. 4, dia "fanao- 
van-jiro volamma tsara" no teny en ti- milaza 
azy. Tena volamena no nanaovana azy, 
ary ny hahavony, araka ny filazan' ny Jiosy, 
dia mamaki-tratra hatramin' ny vodiny ka 
hatramin' ilay nisy ny rantsany. Ary ny 
lanjany dia talenta iray na livatra 94, na 
ariary 1692, mbamin' ny fombafombany 
rehetra. Fito ny fitoeran-jiro tao aminy, 
ny iray teo am-povoany, ary ny enina teo 
an-daniny roa, teo ambonin' ny sampana 
enina izay naniry telo avy teo an-daniny 
roa. Voavoatra tsara sady be haingo izy, 
araka izay voalaza amin' ny Bokin' ny Ekso- 
dosy. Araka ny filazan' iJosefosy, ilay 
mpanoratra ny tantaran' ny Jiosy, dia 70 
ny haingon' ny fanaovan-jiro, fa toa 66 no 
isany voalaza eo amin' ny Ekaodosy. Ary 
ny hevi-bidin' ny volamena nanaovana azy 
dia tokony ho ariary 25,380. Samy nisy 
lahui-jiro landihazo sy diloilo oliva ny 
fitoeran-jiro fito, ary namboarin' ny mpi- 
sorona sy nampirehetiny isa- mar a ina sy 
isan-kariva ireny. Tao amin' ny Tempoly 
nataon' i Solomona hisolo ny Tabernakely dia 
folo kosa ny fanaovan-jiro volamena, fa tao 
amin' ny Tempoly faharoa, izay naorin' ny 
Jiosy nony afaka tany Babylona izy, dia 
anankiray hiany indray ny fanaovan-jiro ; 
ary lasan' ny Romana ho babo izany rehefa 
rava Jerosalema. — a. p.p. 

FANASAM-PIFANKATIA VANA na AGA- 
PE. Voalaza ao amin' i Joda 12 sy 2 Pet. 
ii. 13 ireo, ary toa fanasana fanaon' ny 
Fiangonana tamin' ny andron' ny Apostoly 
ary hatramin' ny ela taorian' izany aza. 
Tsy hita marina izay niandohany, nefa 
ataon' iKrysostoma, fa nony nitsahatra ny 
fanao voalaza ao amin' ny Asa. ii. 44, dia 



Digitized by 



Google 



FAN 191 

ny niombonan' ny Kristiana izay mety ho 
fananany rehetra, dia tonga fauaon' ny 
manan-karena ny mitondra hanina samy 
hafa ao am-piangonana ; koa nony vita ny 
fandraiaany ny Fanaaan' ny Tompo, dia 
niara-nihinana tao izy rehetra ho famanta- 
rana ny fifankatiavany sy ny firaisany hina. 
(Indraindray anefa toa natao talohan'. ny 
Pandraisana izany Agape na fan as am - 
pifankatiavana izany). Nefa tato aoriana 
dia tonga fanao tsy nahasoa ny fiangonana 
izany sady nampiditra zavatra hafahaf a koa ; 
dia nisy teny navoaky ny Konsilia tany 
Laodikia (b.c. 320), ary tamin' ny Konailia 
hafa koa manaraka izany, mandrara fa tsy 
tokony hatao intsony ao amia' ny trano- 
fiangonana ny fanasam-pifankatiavuna. — 

J.8. 

FANASANA. Maro ny fanaaana voalaza 
amin' ny Soratra Masina, na amin' ny 
Teat. Tal. na amin' ny Vaovao, ary zava- 
tra maro sy hevitra maro samy hafa no 
nanaovana azy, dia izao : natao tamin' ny 
andiron' ny firavoravoan' ny Jiosy (Deo. 
xvi.) ; tamin' ny fanatitra naterina ho an' 
ny be sy ny maro (Deo. xii. 7 ; 1 Sam. ix. 
13, 22 ; Zef . i. 7 ; tamin' ny nanaovana ny 
fanekena (Gen. xxvi. 30 sy xxxi. 54) ; tamin' 
ny nanaterana ny fahafolom-bokatra (Deo. 
xiv. 28, 29); tamin' ny fampakaram-bady 
(Gen. xxix. 22; Mpit. xiv. 10; Est. ii. 18: 
Mat. xxii. 2 ; Jao. ii. 1) ; tamin' ny andro 
fahataiarovana ny nahaterahana (Gen. xl. 
20 ; Job. i. 4) ; tamin' ny fandevenana 
(2 Sam. iii. 35) ; tamin' ny fanetezana ondry 
(2 Sam. xiii. 23) ; tamin' ny nahatongavam- 
bahiny (Gen. xviii. 6-8 ; 2 Sam. iii. 20 sy 
xii. 4) ; tamin' ny nanorenana trano (Oha. 
ix. 1-5), ary tamin' ny andro notendren' ny 
mpanjaka (Hos. viii. 5). Ny fanaon' ny 
Jiosy tamin' ireo fanasana ireo no hola- 
zaina kely etoana. Tamin' ny andro talohan' 
ny nitoeran' ny Jiosy tany Babylona dia 
tsotaotra ny fombany, fa tsy tahaka ny 
tamin' ny andro taorian' izany. Nipetraka 
nanodidina ny latabatra ny mpihinana ; 
indraindray nisy seza hipetrahany, fa 
indraindray kosa dia tsy nisy. Ary raha 
tsy nisy seza, dia natao iva ny latabatra 
mba ho takatry ny olona mipetraka amin' 
ny tany ny hanina teo amboniny. Fa 
rehefa tonga avy tany Babylona ny Jiosy, 
dia mbola nanaraka ny fomban' ny olona 
tany, ka tsy nipetraka nihinaua intsony izy, 
fa nandry teo amin' ny farafara. Tsara 
rafitra dia tsara rafitra ireo farafara ireo; 
nasiana volaraena sy ivory (vangin' ele- 
fanta) ny sisiny, ary voafono lamba paraaily 
ny kidoro sy ny ondany . Lehibe sy raalalaka 
izy, ka voavoatra hipetrahan' ny olona telo 
isam-parafara. Ny teny milaza ireo fara- 
fara ireo dia Est. i. 6 sy vii. 8 ; Am. vi. 4 ; 
Ezok. xxiii. 41 ; Mar. vii. 4. Dia nisy lata- 
batra voavelatra tao anoloan' ny farafara. 
Ary satria nisy mpihinana maro teo amin' 



FAN 



ny farafara iray, dia samy niankina tamin' 
ny tratran' ny namany avy izy rehetra afa- 
tsy ny voalohany (Jao. xiii. 23). Ary tsy 
main tsy manoza tanana avokoa ny mpihi- 
nana rehetra vao homana, satria tanana 
Many no nandraisany ny hanina, ary lovia 
iray hiany no nasiana ny ro sy ny laoka ho 
azy rehetra. Ary koa, raha vao hihinana 
izy dia nisaotra an' Andriamanitra sy nanga- 
taka fitahiana (zahao 1 Sara. ix. 13 ; Mat. 
xv. 36; Lio. ix. 16; Jao. vi. 11). Mofo no 
tena hanin' ny Jiosy, ary izany no nisehoan' 
ny teny hita matetika amin' ny Soratra 
Masina hoe: "Mihina-mofo" (Sal. xii. 9 ; 
cii. 4 ; Mat. xv. 2 ; Mar. iii. 20 ; Lio. 
xiv. 1, 15, fa izany no tena dikan' ny 
teny). Ary tanana hiany no nandrai- 
sany ny laoka, na hena, na menaka, na 
anana, na ro, fa tsy nisy sotro akory. Re- 
hefa vita ny sakafo, dia nanao fisaorana 
indray, ary dia nanoza tanana indray ny 
olona. Ary raha fanasana lehibe no natao, 
dia nisy fomba hafa indray nanampy ireo 
voalaza ireo. Namboatra hanim-py betsaka 
izy, ary ny vahiny no nasaina rahateo ; koa 
nony tonga ny andro hanaovana ny fanasana 
dia nilazana indray izy (Oha. ix. 3 ; Mat. 
xxii. 3). Rehefa tonga ny vahiny dia nano- 
roka azy ny torn pon- trano (Lio. vii. 45), 
dia nampandroso rano hanozana ny tongony 
izy (Lio. vii. 44) ; dia nohosorany menaka 
manitra ny lohany sy ny volom-bavany 
(Sal. xxiii. 6 ; Amos. vi. 6 ; Jao. xii. 3) ; ary 
tamin' ny fanasana lehibe sasany aza, ny 
tompon- trano nanome ny akanjo fitondra 
amin' ny fanasana (Mat. xxii. 11), ary 
nanome vonin-kazo hatao haingon-dohan' 
ny mpihinana izy (Isa. xxviii. 1). Nisy 
olona anankiray voafidy amin' ny mpihinana 
izay notendrena ho <( mpandahatra ny fana- 
sana" (Jao. ii. 8) ; ary izy no nanandrana 
ny hanina sy ny fisotro rehetra vao nasaina 
amin' ny latabatra izany, sady nihevitra 
By niraharaha ny amin' izay fomba sy lalao 
hatao mba hahafinaritra ny mpihinana. Ma- 
tetika koa nisy zava-maneno ay hira ary dihy 
(2 Sam. xix. 35 ; Sal. xxx. 11 ; Isa. v. 12 ; 
Lio. xv. 25). Raha misy ta-hahita ny 
fomba sasany koa natao tamin' ireo fanasana 
ireo, dia zahao izao teny ambany izao : Gen. 
xliii. 33, 34 ; 1 Sam. ix. 22-24 ; 2 Sam. vi. 
19; Lio. v. 29 ; Am. vi. 4 ; Est. i. 3, 4, 7.— 

A. P.P. 

FANASANA: zahao fibavobavoana, an- 
dbo. 

FANASAN' NY TOMPO. Indny mandeha 
hiany ao arnin' ny Test. Vao. (I KJor. xi. 
20) no hita ity teny ity ; ary araka ny 
hevitry ny ankamaroan' ny mpanoratra 
1 Protestanta, dia teny nentin' i Paoly hilaza 
. ny fombam-pivavahana izay notendren' 
i Jes>sy Tompo hotandroman' ny mpianany, 
ary izay notandremau' ny Fiangonnna tamin' 
ny andron' ny Apostoly ho fahatsiarovana 
ny nahafatesan' ny Mpamonjy. Fa na inOna 



Digitized by 



Google 



FAN 



198 



FAN 



na inona no hererina ny amin' izay tokony 
ho hevitry ny and. faha-20, ny tohin* ny 
teny, ary izay lazain' i Paoly ny amin' ny 
nanendren* i Kristy azy sy izay fanao mety 
arnin' ny fitandreraana azy, dia ampy hana- 
raarina izany. Fa ny mpanoratra Katolika 
Romana kosa raanda. fa ilay fombam-pivava- 
bana ataony boe 'lamesy' (Lat. missa; Fr. 
la messe ; Eng. mass) no lazain' i Paoly amin' 
* ity teny ity. Ary tsy mahagaga izany, fa 
samy hafa mihitsy izy roa, ary tsy misy teny 
akory ao amin' ny Soratra Masina milaza 
izany 'lamesy' izany, sady t«y fantatry 
ny rapitantaran' ny Fiangonana roanaraka- 
raka ny andron' ny Apostoly izy. Fa satria 
betsaka ny hevi-diso efa niposaka teo amin' 
ny Fiangonana ny amin' ity fitandremana 
masina ity, ary mbola tsy mifanaraka ny 
Kristiana ao amin' ny fiangonana samy hafa 
ny amin' izay heviny marina, dia tokony 
bodinihina tsara ny tenin' ny Soratra Masina, 
babaf antarantsika izay nampianarin' i Kristy 
sy ny Apostoly ny amin' ny Fanasan' ny 
Tompo sy ny heviny. Dia hoheverina 

i. — nt anab&na samy hafa ilazana nt 
Fanasan' ny Tompo ao amin' ny Sobatha 
Masina. Efatra izy, dia izao : — 

1. — Ao amin' ny 1 Kor. xi. 20, dia atao 
boe "Fanasan' ny Tompo' 1 izy. Raha adika 
mihitsy ny teny Grika, dia 'sakafo hariva' 
(Eng. supper) no heviny ; zahao Lio. xiv. 
12. Tsy dia ny zavatra nanina ao no betsaka 
ka mabavoky no anaovana azy hoe "fana- 
sana," fa satria ny nanendren' iJesosy 
Tompo azy no nanaraka ny fotoana niara- 
han' i Jesosy ay ny mpianany nibinana ny 
Fanasan' ny Paska tamin' ny barivan' ny 
andro. Ary atao hoe "Fanasan' ny Tompo"* 
izy, satria Jesosy, Tompon' ny Fiangonana, 
no nanendry azy tamin' ny voalohany ho 
fahatsiarovana ny tenany. 

2. — Ary ao amin' ny I Kor. x. 16, dia atao 
hoe koa "Fiombonana (na firaisana) amin 1 ny 
tena sy ny ran 1 i Kristy 11 izy; satria ny 



fandraisan' ny mino azy no famantaran' ny 
iombonana sy ny iraiaan' ny mino amin* 
i Kristy. 

3. — Ary ao amin' ny Asa. ii. 42, dia atao 
hoe "Famakiana ny mofo 11 izy; satria nova- 
kivakina ny mofo tamin' ny nandraiaan' ny 
olona ny Fanasan' ny Tompo. Zahao koa 
Asa. ii. 46; xx. 7, 11 ; 1 Kor. x. 16; 
xi. 24. 

4. — Ary koa, ao amin' ny 1 Kor. x. 21, 
dia atao hoe "Latabatry ny Tompo 11 izy; 
ary ny nisehoan' izany angamba dia ny 
nilaharan' ny inpandray ny mofo sy ny 
divay nanodidina ny latabatra ; fa izany no 
fomba nabazatra azy teo aloha, raha vao 
voatendry izy ; vakio Lio. xxii. 21. 

II. — Ny Nanbndrbn' i Kristy ny Fana- 
san' ny Tompo. Raha dinihina ny teny 
ao amin' ny Filazantsara Efatra, dia ho 
hitantsika fa tamin* ny Zoma sy ny Asabotsy 
talohan' ny nahafatesany, Jesosy dia tany 
Betania niaraka tamin' ny mpianany. Efa 
omby akaiky tamin' izay ny fandroana 
malaza natao hoe Paska; ary io fauaaana 
io, rabamin' ny zavatra maro hafa koa izay 
nasain' ny Lalana hotandremana, dia tsy 
mba lavin' i Jesosy. Dia nanatona Azy ny 
mpianany, ka hoy izy : ' * Aiza no tianao hana- 
mboaranay hihinananao ny Paska Y" (Mat. 
xx vi. 17.) Ary Petera sy Jaona no nirahiny 
hanamboatra ny trano sy hividy ny hanina 
fanao amin' ny Paska ; koa rehefa tonga ny 
fotoana amin' ny harivan' ny Alakamiav, dia 
niara-nipetraka tamin' ny mpianany Jesosy 
mba bihinana (Lio. xxii. 14). Ary rehefa 
vita ny nihinanany ny sakafo, dia tsy mba 
nirava izy, fa Jesosy nandray mofo sy divay 
ary nanendry ny fanasana vaovao, dia izay 
ataontsika hoe ny 4 Fanasan' ny Tompo.' 

Ary mba hahitantsika marimarina izay 
lazain' ny Apostoly amin' izany, dia 
balahatra eto ambany ny tenin' i Matio sy 
Marka sy Lioka ary Paoly, milaza ny 
nanendren' i Jesosy Tompo azy :— 



Mat. xxvi. 26-28. 

"Ary raha mbola nihi- 
nana izy, dia uandray 
mofo Jesosy, nony efa 
nisaotra* Izy, dia nova- 
kiny ka natolony ny 
mpianatra, ary hoy Izy : 
Iiaiso, hano, ity no tena- 
ko. Ary nandray kapoaka 
Izy, ka nony efa nisao- 
tra,+ dia natolony azy ka 
nataony hoe : >*otroinareo 
rehetra ity ; fa i ly no rnko, 
dia ny amin' ny fanekena, 
izay alatsaka ho an' ny 
maro ho famelan-keloka." 



Mar, xiv. 22-24. 

"Ary raha mbola nihi- 
nana izy, Jesosy nandray 
mofo ; ka nony efa nisao- 
tra,» dia novalciny ka na- 
tolony azy, ary nataony 
hoc : Kaiso, ity no tena- 
ko. Dia nandray kapoaka 
Izy, ka nany efa nisao- 
tra,+ dia natolony azy ; 
ka dia nonotroin' izy re- 
hetra izany. Ary hoy 
Izy taminy : Ity no 
rako amin' ny fanekena, 
izay alatsaka 1 ho an' ny 
maro." 



Lio. xxii. 19, 20. 

"A ry nandray mofo Izy, 
ary rehefa niaaotra,+ 
dia novakiny ka nato- 
lony azy sady nataony 
hoe : *Ity no tenako 
izay omena ho anaroo; 
izao no ataovinarco ho 
fahatsiarovana Ahy. Ary 
araka izany koa ny ka- 
poaka. rehoia vita ny 
sakafo, dia hoy Izy ; Ity 
kapoaka ity no fanekena 
vaovao amin' ny rako, 
izay alatsaka \ ho ana- 
roo." 



1 Kor. xi. 23-25. 

"Jesosy Tompo na- 
ndray mofo, ary rehefa 
nisaotrat Izy, dia nova- 
kiny, ka hoy Izy: Ity no 
tenako ho anarco; izao no 
ataovy ho fahauiarovana 
Ahy. Dia araka izany 
koa ny kapoaka, rohefa 
nihinana, dia hoy Izy : 
Ity kapoaka ity no ilay 
fanekena vaovao amin* 
ny rako ; izao no ataovy 
ho fahatsiarovana Ahy, 
na oviana na oviana no 
misotro hianareo." 



* Gr. eulofjeo. f Or. eukariitco. 

X 'Haraonjy' ao amin' ny Baiboly Voihitay, kanefa s.ihala hiany ny prepotisiona (uper) iaay 
adika hoe % ho an 1 ao amin' ny Marka sy Lioka. 

y 'Aidina' ao amin' ny Baiboly Voahitay, kanefa sahala hiany ny teny Grika izay adika hoe 
l aldlsaka' ao amin' ny Matio sy Marka,' 



Digitized by 



Google 



FAN 



199 



FAN 



Aiy irony teny efatra ireny no ianarantsika i ny fomban' ny tena amin' ny f andraisana 



1. — Nisy mofo ary nisy divay nomen* i Kristy 
timin" ny mpianany ; ary tsy misy teny akory 
milaza fa no van y taniin' ny fahagagana ho 
tmga zavutra hafa, na nampodiny ho zava- 
tra hafa ; fa mbola mofo sy divay hiany 
izany relief a natolotra hohanin' ny Apostoly 
*y hosotroiny. 

2. — T*y hanxna betsaka no nomerC 
\ Krizly ny mpianany, fa kely foana, 
ka dia tay ny hahavoky azy no nano- 
mezany azy izany, fa nisy hevitra 
lehibc tiauy ho azon' ny mpianatra. 

3. — Talohan' ny nanolorany ny mofo 
«y ny divay tamin' ny mpianany, dia 
'•jwao/ra" Jesosy Tompo ; kanefa tsy 
fankamaainana ny mofo sy ny divay 
izany, fa fisaorana an 1 Andriamanitra 
no tena heviny. (Raha araka ny hevi- 
try ny olona aaaany izay mahay teny 
Grika anefa, indraindray azo adika 
hoe 'manokana ho zavatra masina' ny 
teny Grika hoe eulogto ; zahao ny teny 
manarakaraka). Roa ny teny Grika 
oentina milaza izay fisaorana nataon' 
iJesoay noho ny mofo sy ny divay 
[<tuUgeo = milaza soa, midera, misaotra, 
mangat&ka fitahiana, manokana (?), ma- 
nambina; atj €ul:aruteo = mamaly son, misao- 
tra, manaiky soa efa azo) ; kanefa samy 
milaza fisaorana an* Andriamanitra noho ny 
vokatry ny tany izy roa, fa indraindray 
foana no milaza fankamasinana ny fan oka - 
nana uy zavatra nomeny. Zahao Mar. viii. 
»3, 7, milaza ny nampitomboan' i Jesosy ny 
axnpempa fito sy ny hazandrano vitsy ; ireo 
teny roa ireo no nenti-milaza ny nisaoran' 
i Je#osy ny Rainy ; nef a angamba tsy misy 
raanda fa zavatra iray hiany , dia fisaorana, 
no nataon' i Jesosy noho izy roa, dia ny 
mofo sv ny hazandrano. 

4. — tamm' ny nanoloran ? i Jesosy ny mofo 
sy ny divay tamiu' ny mpianany, dia mbola 
te* ny tenan 1 i Jesosy tsy vaky, na dia nataony 
hoe aza: *'Ity no tenako," ary, "Ity no 
rako." Ny ten any dia tsy mbola vakina, 
ary ny rany tsy mbola latsaka, raha tsy 
tonga ny ampitso. 

5.— Ny mofo nohanin' ny mpianatra, ary 
ny divay nosotroiny koa ; samy noraisin? izy 
reketra izy roa, fa tsy ny iray hiany, ary 
samy nasain' i Kristy horaisin' ny mpianany 
mandra-pihaviny indray. 

6. — Tamin 1 tiy harira no nandraisari 1 ny 
Apostoly ny Fanasan? ny Tompo, dia ny 
harivan' ny Alakamisv ; nefa tsy misy 
didin' i Kristy na didin r ny Apostoly mila- 
za izay fotoana tokony handraisana azy, 
fa navela ho roalalaka izany ; ary isam- 
piangonana mahazo manao izay ataony ho 
mety. 

7.— Ny Fanasan' ny Tompo noraisin* ny 
Apottoly mipetraka na mandrilika, r chef a 
nalahatra nanodidina ny latabatra izy. Nefa 



azy, na mandrilika, na mipetraka, na 
mitsangana, na mandohalikn, dia navela 
malalaka ; ka isam-piangonana manara- 
pahefana hanao izay ataony ho mahamety 
ny fandraisany ny Fanasan' ny Tompo amin* 
ny fanajana. 



Fanasan' ny Tompo. 

(Ny sary eto no ahitana ny latabatra 
fanaon' ny Jiosy tamin' ny andron' i Kristy, 
raha nanao fanasana izy, mbamin' ny 
fanaon' ny olona nandrilika, raha nihinana. 
Ny eo ampovoan' ny latabatra telo no nana- 
tonan' ny mpanompo raha nitondra ny 
hanina ; ary ny ton go try ny olona nasaina 
dia mora natonin' ny mpanompony hanasany 
azy, araka izay nataon' ilay vehivavy izay 
mpanota voalaza ao amin' ny Lio. vii. 36- 
38.) 

8. — Nbvakin 1 i Jesosy ny mofo. Lazaina 
marimarina izany eo amin' ny teny efatra 
eo ambonv, ary satria fanao izany tamin' 
ny andron' ny Apostoly, dia izany no niha- 
vian' ny anarana anankiray nahafantaran' 
ny Kristiana ny Fanasan' ny Tompo, dia 
"ny famakiana ny mofo" (Asa. ii. 42 ; xx. 
7). Ary toa noheverin' ny Apostoly ho 
fanao tokony hotandremana izany, fa hoy 
izy : "Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana 
(na fiombonana) amin' ny tenan' i Kristy va 
izany F" Koa toa fanontaniana tsy azo 
valian' izay olona tsy mamaky ny mofo 
amin' ny fandraisan' ny Tompo izany. Ary 
ny teny nentin' ny mpitantaran' ny Fiango- 
nana hatramin' ny telon-jato na cfa-jato 
taona taorian' i Kristy milaza azy (fractns 
panis= t moio voavaky') no vavolombelon' 
izay fanaon' ny Fiangonana. Fa ny Kato- 
lika Romana kosa manamboatra rahateo 
mofo boribory madinidinika maro, izay 
apetraka eo amin' ny lelan' ny mpandray. 
Ka dia efa nohadinoin' ireo sy uy iiangonana 
mitovy fomba aminy fa ny mofo voavaky no 
tandindon' ny tenan' ny Tompo voavuky. Fa 
ny ankabiazaa' ny fiangonana Protestant a 
kosa manao araka ny hafatry ny Tompo sy 



Digitized by 



Google 



FAN 



194 



FAN 



ny fanaon' ny Fiangonana tamin' ny andron' 
ny Apostoly ay ela taorian' izany, ary 
mamaky ny mofo sy manolotra azy amin , ny 
mpandray. Ao amin' ny fiangonana roaro 
ny mofo no vakin' ny mpitandrina, fa ao 
aniin' ny fiangonana sasany kosa, ny 
mpandray samy mamaky sombiny kely ho 
an-tenany avy. 

9. — Jesosy nanolotra ny mofo tamin' ny 
mpianany. Ary ny tenin' i Justin Martyr 
(a.d. 100-165) no ahafantarantsika fa ny 
fanaon' ny Fiangonana tamin* izany andro 
izany dia sahala amin' izay fanaon' ny 
fiangonana eto Madagaskara, fa ny diakona 
no nanolotra ny mofo sy ny divay tamin' ny 
mpandray, izay nipetraka teo amin' ny fipe- 
trahany hiany ; fa tsy mba nanatona ny 
latabatra ny mpandray, na nandray ny mofo 
sy ny divay mandohalika izy, araka izay 
fanaon' ny nangonana Katolika Romana sy 
ny fiangonan' ny bisopy. 

10.-— Jesosy nandray ny kapoaka. Ary na 
dia samy milaza izany aza izy efa-dahy, tsy 
mba lazain' ny anankiray aminy akory izay 
tao anatin' ny kapoaka. Nefa kosa, tsy 
misy mampisalasala antsika fa divay no tao 
anatiny ; nefa tsy fantatra marina na divay 
nisy famorivoriana, na tsia, izany, na divay 
fotsiny, na divay voaharo rano. Fa raha 
ny fanaon' ny Jiosy tamin' ny Paska no 
tsarovana, dia angamba divay mamorivory 
hiany izy, nefa voaharo rano. Ny mpano- 
ratra sasany anefa manda mafy fa divay 
mamorivory sy m ah am am o no nosotroin' ny 
Jiosy tamin' ny niliinanany ny Paska ; fa 
ny fermenta, izay mahatonga divay homaha- 
mamo, hoy izy, no karazan' ny masirasira, 
izay noraran' ny Lalana tsy hohanina akory 
tamin' ny Paska; zahaoEks. xii. 15, 18; Mat. 
xxvi. 2 ; Asa. xii. 3. Fa ny kapoaka misy 
divay voaharo rano no lazaina matotika ao 
amin' ny Baiboly (Oha. ix. 2, 5 ; Isa. v. 22 ; 
Sal. cii. 9) ; ary mifanaraka amin' izany koa 
ny tenin' ny mpitantaran' ny Fiangonana 
raaro. Ao amin ny Katolika Romana ane- 
fa, ny mangaro ny divay amin' ny rano efa 
nasandratra ho tandindona lehibe sy malaza, 
ka mam pi so ho ny ra sy rano nivoaka tamin' 
ny lanivoan' i Jesosy Tompo, hoy izy ; zahao 
Jao. xix. 34. Kanefa hevitra sitrapo nana- 
mpin' olona tamin' ny andro iaoriana izany, 
fa tsy mba lazain' i Paoly ho isan' ny hevitra 
tokony ho azontsika amin' ny Fanasan' ny 
Tompo, sady tsy mba fanaon' ny Fiango- 
nana tamin ny andron' ny Apostoly, na 
hatramin' ny ela taorian' izany aza. 

11. — Belief a tapitra ny nandraisana ny 
Fanasan' ny Tompo, dia'nihira Jihirana Jesosy 
sy ny mpianany. Tsy fantatra marina na ny 
tony nosoratan' iJaona (xiv., xv., xvi., 
xvii.) no nolazain' i Jesosy tanelanelan' ny 
nanendreny ny Fanasana sj' ny hira nataony, 
na nan araka ny Fanasana mihitsy ny 
fihirana. Io fihirana io angamba dia ny 
anankiray tamin' ireo Salamo (cxiii.— cxviii.) 



izay fanao fihiran' ny Jiosy tamin' ny nihi- 
nanany ny Paska. Ny mihira fihirana 
fisaorana dia toa mahamety ny fahatuperan' 
ny Fanasana izay fahatsiarovana ny fitiava- 
na lehibe nasehon* i Jesosy, sady efa fanaon' 
ny fiangonana maro izany hatr' izay ela 
izay. Ny Salamo xxxiv. no nohirain' ny 
fiangonana sasany taorian a kelin' ny andron* 
ny Apostoly, rehefa tapitra ny nandraisany 
ny Fanasan' ny Tompo. 

12. — Nasaifi* i Jesosy hotandreman* ny mpia- 
nany mandra-pihaviny indray io Fanasana io ; 
nefa ny andro andraisana azy dia tsy nola - 
zainy, ka samy hafa ny fomba fanao amin' 
ny fiangonana samy hafa. Toa notandre- 
man' ny Kristiana voalohany isan-andro izy ; 
ary mbola fanao izany ao amin' ny fiango- 
nana sasany. Ary ny fiangonana sasany 
mandrav azy isan-kerinandro ; ary amin' 
izany, hoy izy, dia manaraka izay lazaina 
ny amin' nv Fiangonana tamin' ny andron' 
ny Apostoly, izay nifanatona tamin' ny 
andro voalohany amin' ny herin andro mba 
hamaky mofo (Asa. xx. 7). Ary misy ny 
sasany indray mandray azy isam-bolana, ary 
ny sasany kosa \nefatra y na intelo, na indroa 
hiany amin' ny herintaona. Fa malalaka ny 
tenin' ny Tompo, ary navelany ho an' ny 
fiangonana hanao izay fotoana heveriny ho 
mahamety sy mahasoa ny mpandray ny 
Fanasana izay fahatsiarovana Azy. 

Aoka ny fiangonana aty amintsika haha- 
lala marina fa tsy mba didin' i Kristy ny 
fandraisantsika io Fanasana io amin' ny 
Alahady voalohany isam-bolana hiany ; fa 
raha tian' ny fiangonana koa, dia samy 
mety hiany ny Alahady hafa na oviana na 
oviana. Ary koa, tsy mba didin' i Kristy 
fa ny Alahady hiany aza no tokony horai- 
sintsika izy, fa amin* ny andro hafa koa, 
raha tian' ny KriBtiana, dia mety hiany. 
Ny Tompontsika nanendry azy tamin' ny 
Alakamisy, koa "na oviana na oviana" isika 
terim-pitiavana ta-handray azy sy hahatsiaro 
ny fitiavan' ny Mpamonjy antsika, dia andro 
mety hiany izany. 

III. — Ny amin' izay Nomen' i Jesosy 
Kristy rohanin' ny Mpianany sy hobo- 

TROINY ; ARY NY AMIN* IZAY HANIN' NY 

Mpandray marina sy izay nosotroiny raha 
mandray ny fanasan' nt tompo ankehi- 
TfiiNY izy. Inona moa no nomen' i Kristy 
tamin' ny mpianany ? Moa mofo hiany va no 
nohaniny, sa ny tenan' i Kristy tokoa ? Ary 
divay hiany va no nosotroiny, sa ny ran' 
i Kristy tokoa? Mofo fotniuy hiany va no 
nohaniny, sa voafono ao anatin' ny mofo va 
ny tenau' i Kristy, ka dia nohnniny avokoa 
izy roa Y Ary divay fotsiny hiany va no 
nosotroiny, sa efa tafaharo amin' ny divay 
va ny ran' i Kristy, ka dia samy noso- 
troiny avokoa izy roa ? Fa izay nataony no 
tiantaika harahina ; ary raha misy vavo- 
lombelona hinoantsika fa Kristy nanolotra 
ny tcnany sy ny rany tamin' ireo, ka dia 



Digitized by 



Google 



FAN 

nihinana sy nisotro izany avokoa izy, — dia 
tokony hangataka finoana isika hampiuo 
antoika fa izany koa do hanin' ny mpandray 
marina sy sotroiny mandraka ankehitriny, 
na dia toa mofo Many aza no hita eo amin' 
ny tanany, ary na dia fofon-divay hiany 
aza no re ao amin' ny kapoaka izay raisiny. 
Teo anatrehan' ny Tompo ny mpianany no 
nandray ny Fanasana, ary tokony ho tsy 
niey fahadisoany na tsiny tamin' izay 
nataony; koa raha misy hahalalantsika fa 
teo an a tin' ny mofo sy ny divay izay norai- 
siny nisy tokoa ny tena sy ny rau' i Jesosy 
Tompo, ka dia nohaniny sy nosotroiny 
izany —raha misy hahafantarantsika fa izany 
tokoa no izy-— Andriamanitra anie ham pi - 
tombo ny finoantsika ! Ary na dia miery 
ao aza ny tenan' i Jesosy sy ny rany, kanef a 
tsy hita maso izany, dia hino hiany isika 
fa ao tokoa Izy, dia tahaka ny inoantsika 
ny fiaian' Andriamanitra sy ny Asian' ny 
fiainana mandrakizay, na dia tsy hita maso 
aza izany. 

Maro mpampianatra izao ity tany ity, 
ary mifanohitra ny hevitra lazaina amin' 
ireo zavatra ireo. Nefa azo zaraina ho telo 
indrindra ny hevitra samy hafa amin' izany, 
dia izao : (a) Misy milaza hoe : Novana 
ho tenan' i Kristy ny mofo, ary novana ho 
rany ny divay. (Fampianaran' ny Katolika 
Bomana sy ny fiangonana Grika izany.) (£) 
Ary misy indray manao hoe : Ao anatin' 
ny mofo ny tenan* i Kristy, ary ao anatin' 
ny divay ny rany. (Fampianaran' ny fiango- 
nana Loteriana sy ny fiangonan' ny bisopy 
sasany izany.) (d) Ary misy kosa manao 
hoe : Mofo sy divay hiany no natolotr' 
i Jesosy tamin' ny mpianany ho tandindon' 
ny tenany sy ny rany, ary izany hiany no 
nohaniny sy nosotroiny. (Fampianaran' ny 
ankabiazan' ny fiangonana Protestanta, afa- 
tsy ny Loteriana sy ny sasany amin' ny 
fiangonan' ny bisopy izany.) Koa inona no 
marina mba harahintsika amin' ireo, ary 
mba tsy hahadiso antsika amin' ny Tompo 
amin' ny ankatoavantsika ny teniny hoe: 
"Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy 'r" 

Aoka hodinihina ary : Tamin 1 ny nanendren 1 
i Krisly ny Fanasana, moa nanova ny mofo teo 
ho tenany va Izy, ary ny divay ho rany, ka dia 
nihinana ny tenan 1 i Kristy va ny mpianatra 
sy nisotro ny rany ? Ary ny mpandimby ny 
Apostoly (raha sendra misy olona azo atao 
hoe dimbiny sy solony), moa manana fahe- 
fana mandraka ankehitriny va izy hanova 
ny mofo sy ny divay tahaka izay nataon' ny 
Tompo, mba hohanin' ny mpino marina sy 
hosotroiny izany? Fa raha nanao tokoa 
araka izay voalaza teo Jesosy, dia fahagagana 
mihitey no nataony. Ary raha mbola mana- 
na fahefana hanao toy izany koa ny olona 
velona ankehitriny, dia tsy mbola tapitra ny 



195 FAN 

andro anaovana fahagagana, 



fa amin' ity 
tany ity sy ao amin' ny tany rehetra dia 
misy fahagagana atao niatetika. Kanefa, 
azo inoana va izany ? ary misy manamarina 
izany va mba hanekentsika azy ho fahaga- 
gana ? Raha toy ny hevitry ny fiangonana 
Protestanta ary ny tantaran' ny Fiangonana, 
raha mbola tsy nosimban' ny hevi-diso ny 
fampianarana sy ny fanao navelan' ny Apos- 
toly, dia tsy misy manamarina ny hevitry 
ny sasany fa fahagagana lehibo toy ny voa- 
laza teo no nataon' i Kristy, ka mainka tsy 
ataon' olona ankehitriny ; satria : 

1. — Fahagagana tsy hamarinin 1 ny Senses* 
izany. Tsy man da isika fa Kristy no nahay 
ka nanao fahagagana, fa mino dia mino 
izany tokoa isika ; ary ny Apostoly rehetra 
sy ny mpianatra maro nanao fahagagana 
koa ; nefa ny nataon' i Kristy na ny mpia- 
nany dia fahagagana izay nohamarinin' ny 
semes izy rehetra. Ary raha misy olona 
ankehitriny milaza hoe la manao fahagagana 
izy, dia tsy azo ekena izany raha tsy hama- 
rinin' ny senses izay lazainy ho ataony. Fa 
tian' i Jesosy aza ny senses ho vavolorabelon' 
ny hamarinan' ny fahagagana nataony; 
dia hoy ny teniny tamin' ny mpianatr' 
iJaona Mpanao-batisa : "Ambarao amin' 
i Jaona izao hitanareo sy renareo izao : 
mahiratra ny jamba, diovina ny boka," etc. 
(Lio. vii. 22.) Ary rehefa nitsangana tamin' 
ny maty Jesosy, ka tsy nety nino izany 
Tomasy, dia hoy ny Tompo : "Atehefo eto 
ny rantsan-tananao, ka jereo ny tanako ; 
ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy 
ami